Alahady 22 Janoary 2023
ALAHADY 22 JANOARY 2023 “MPAHARY IZAO REHETRA IZAO NY TOMPO” ALAHADIN’NY FIRAISAN’NY SAMPANA
« …mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao… » Jaona 17 :20-26
Mbola mandia ny volana janoary, ibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy : « MPAHARY IZAO REHETRA IZAO NY TOMPO » isika mpianakavin’ny finoana. Ity no alahady fahatelo manaraka ny Epifania ary koa alahady hitondrana amim-bavaka ny asa anivon’ny FFKM. Isaorantsika ny Tompo, fa miasa amin’ny fomba mahagaga Izy, ka tsy mahasakana ny fiombonam-po amam-panahintsika hiara-hivavaka etoana, ny toetrandro. Ho antsika eto amin’ny Fitandremana FJKM Amparibe Famonjena dia ity no andro nataon’ny Fiangonana ho Alahadin’ny Firaisan’ny Sampana. Nanana tombom-pahasoavana manokana ihany koa isika, satria ity no fotoana nanatanterahin’ny Filohan’ny Synodamparitany SPAA10, ny fitsidihana pastoraly ny Fitandremana eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
Ny Filoha mpanampy ao amin’ny Firaisan’ny Sampana, Rajaonarison Rivo, no nitarika ny fanompoam-pivavahana. Ny Mpitandrina synodaly, Razafindrakoto Hasinarivo Andriambalohery, Filohan’ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny litorjia faharoa no nitondrana izao fanompoam-pivavahana izao.



FANOMBOHANA NY FOTOANA
Nialoha ny zavatra rehetra dia nampahatsiahivin’ny mpitarika ireo teboka maromaro manamarika ity fanompoam-pivavahana androany ity, araka izay efa voalaza tetsy aloha, ary rehefa izany dia niarahaba manokana ny Mpitandrina Filohan’ny SPAA10 izy, noho ny fahatongavany mitsidika ny Fiangonana eto Amparibe.
Taorian’ny Fiarahabana apostolika, dia ny Soratra Masina araka izay hita ao amin’ny Salamo 138 : 1-3, no noraisina ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra. : « Hidera Anao amin’ny foko rehetra aho; Eo anatrehan’ireo andriamanitra no hankalazako Anao.
Hivavaka manandrify ny tempolinao masina aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin’ny anaranao rehetra. Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko. » Amen.
Ny hira FFPM 194 : 1, 2, 3 « Andriananahary ô» no niarahan’ny Fiangonana noredonina ho fanehoana ny voninahitr’Andriamanitra sy fiderana Azy.




VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA
Izao raha haravona, ny vavaka fiderana nataon’ny Fiangonana :
« Izany tokoa ry Tompo Andriamanitra o, ny tononkiram-panahy mipololotra amin’ny vavanay ho fiderana Anao. Izahay izay novidinao lafo tamin’ny ranao.
Rariny tokoa raha midera Anao izahay satria tsapanay ny fitiavanao, izay asehonao aminay isan’andro. Na ny fahatongavanay eto aza dia fahasoavana avy Aminao, noho ny asan’ny Fanahinao aty anatinay.
Mino izahay fa ny fahatongavanay eto dia hanomezanao anay ny sakafom-panahy sahaza ny fanahinay. Ny asa fanompoanay anie ho hanitra ankasitrahanao, ry Jesoa o ! Haleloia ! Amen! »
Taorian’izany dia noredonin’ny Fiangonana ny hira FFPM 190 : 1, 2 « Ry Fanahy Mpanazava ! » ary avy eo dia niroso tamin’ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora.




FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Hanitra Rakotondramboa, mpampianatra amin’ny K4, no nanatanteraka ny fotoana.
Nanao vavaka izy aloha, ka nisaotra ny Tompo noho ny fotoana nomeny. Nangataka taminy ny hanokafany ny fon’ny Fiangonana mba handraisana ny hafatra.
Ny hafatra dia nalaina tao amin’ny bokin’ny Lioka 17: 15 « Ary ny anankiray tamin’ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery.»
Ampahany amin’ny tantaran’ny nanasitranan’i Jesoa ireo boka folo lahy ity andininy novakiana ity. Ny mahavariana dia ilay Samaritana ihany no hany mba nisaotra ny Tompo noho ny fahasitranany, fa ny 9 ambiny dia tsy nahalala ny nisaotra.
Ny hafatra dia mila mahay misaotra ny Tompo isika, amin’ny fanasitranana izay omeny antsika isan’andro na fanasitranana ara-panahy na ara-nofo izany, ary koa noho ny famelan-keloka izay omeny antsika.
Teo am-pamaranana dia mbola nanao vavaka ny tompon’anjara ho fisaorana an’ Andriamanitra tamin’ny Teniny sy ny hafany, izay mampianatra ny Fiangonana hisaotra Azy, rehefa mandray fanasitranana sy fahasoavana.
Taorian’izany dia niroso tamin’ny fankalazàna ny Tenin’Andriamanitra, ny Fiangonana.




FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Mialoha ny famakiana ny Soratra Masina dia nitari-bavaka Andrianary Rado, solotena avy ao amin’ny SAFIF. Ny namaky ny Testamenta taloha kosa dia Rabe Harimanana, solotenan’ny SLK ; Ravokatra Angelà, avy amin’ny SVM, no namaky ny Filazantsara ary ny Epistily kosa dia novakian-dRandriamanampisoa Toavina, solotenan’ny STAF.
Ny perikopa androany : Jeremia 10: 6 – 13; Jaona 17: 20 – 26; Asan’ny Apostoly 17: 22 – 31.
Ny hira FFPM 225: 1, 3, 5 « Aty an-tranonao izao », no nohirain’ny Fiangonana mialoha ny hafatry ny toriteny.
TORITENY
Ny Mpitandrina Razafindrakoto Hasinarivo Andriambalohery, Filohan’ny Synodamparitany SPAA10, no nitory ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa avy nanolotra ny fiarahabana sy ny fahasoavan’ny Tompo ho an’ny Fiangonana izy, dia nitaona ny Fiangonana mbola hiara-hivavaka.
Nanao vavaka fisaorana an’Andriamanitra noho ny fotoana nomeny ny tsirairay avy, ato anatin’ny trano fiangonana, afaka miombom-bavaka. Nisaotra ny Tompo noho ny nanomezany ny taona vaovao ary nisaotra koa noho ity fotoana ity, ho fiombonam-bavaka miaraka amin’ny Firaisan’ny sampana. Nangataka tamin’ny Tompo ny amin’ny fitoriana ny Teniny, ka ny Fanahy Masina no hiasa amin’izany.
Rehefa vita ny vavaka dia mbola nanantitra ny fiarahabana ny Fiangonana ny Mpitandrina ary fifaliana ho azy sy ny ankohonany ny miara-miombom-bavaka eto anio.
Niarahaba ireo raiamandrenim-piangonana eto Amparibe ary niarahaba manokana ny Sampana, ny Sampan’Asa ary Asa izay manatanteraka izao fanompoam-pivavahana izao.
Teo am-boalohany dia nanamarika ny mpitory teny fa toa lasa manahirana tato ho ato ny mitory ny tenin’Andriamanitra, saingy izao anefa ; velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra.
Raha sendra tsy fahasalamana isika ka manambara izany amin’ny namantsika dia ny hivavaka noho izany tsy fahasalamana izany no torohevitra omena antsika.
Raha sahirana isika dia hoy ny olona hoe « Ianareo ve efa mba mivavaka e ?! »
Eo amin’ny tranga miseho amin’ny fiainana dia manainga antsika hivavaka mandrakariva ireny, fa ny vavaka manova zavatra.




Hoy ny lohahevitra izay banjinintsika ankehitriny : “MPAHARY IZAO REHETRA IZAO NY TOMPO”.
Io Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra io, dia mivavaka ho antsika ihany koa. Ny hafatra dia nalaina araka ny Jaona 17: 20-26, ka raha handraisana lohahevitra izany, dia azontsika hatao hoe : « NY VAVAKA NATAON’I JESOA KRISTY HO AN’NY MPIANANY. »
Zanakevitra telo no nojerena araka ny votoatin’izany vavaka izany :
- NIVAVAKA NY TOMPO MBA HIRAY SAINA SY HIFANKATIA ISIKA
Hoy ny Jaona 17 : 20-21 : « Nefa tsy ho an’ireto ihany no angatahako, fa ho an’izay mino Ahy koa noho ny teniny; mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan’izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy. » Nivavaka ho antsika ny Tompo mba hiray saina, tsy hisaratsaraka sy tsy hitsitokotoko, hananantsika fifankatiavana. Zava-dehibe ny isian’ny fanompoam-pivavahana ho an’ny Firaisan’ny sampana toy izao, fa izany no hanehoana fa iray isika ao amin’ny Tompo.
Jaona 15 : 16-17 : « Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona. Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo » Mazava fa ny Tompo no nifidy antsika, ary amin’izany dia tsy maintsy miasa isika. Ao anatin’izany dia afaka mangataka izay tiantsika Aminy isika, fa izao kosa no didin’ny Tompo dia ny hifankatiavantsika.
- NIVAVAKA NY TOMPO MBA HAMPITOETRA ANTSIKA EO AMINY
Jaona 17 : 22, 24 : « Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika. Izaho ao aminy, ary Ianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy. Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao ». Mbola lalana tsy fantatsika ny hoavin’ny taona 2023, kanefa matokia fa efa nivavaka ho antsika ny Tompo, ka efa azo antoka fa eo anilantsika sy hitoetra eo amintsika mandrakariva Izy. Ataovy eo akaikinao mandrakariva Jesoa ary tadiavo ny fomba hampaharitra ny Tompo ao aminao.
Jaona 6 : 56 : « Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy ». Asio fitoerana ho an’ny Tompo mandrakariva ao aminao koa na inona na inona mitranga amin’ny fiainanao dia tsy miala ao mihitsy ny Tompo.
- NIVAVAKA NY TOMPO MBA HITOETRA EO AMIN’NY FITIAVAN’I KRISTY ISIKA ARY HIZARA IZANY FITIAVANA IZANY KOA ISIKA
Jaona 17 : 25, 26 : « Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Ianao no naniraka Ahy.
Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy ». Eo anatrehan’ny asa maro sy ny adidy sahanin’ny Sampana eto anivon’ny Fiangonana dia ny fitiavan’i Kristy no mibaiko sy maniraka azy hanao izany asa rehetra izany. Ny fitiavan’Andriamanitra dia ny mampahafantatra fa raha misy fifaliana, mitranga eo amin’ny fiainantsika sy ny manodidina antsika, dia noho ny fitiavan’Andriamanitra izany, ary na maditra aza isika, ary na inona na inona fahalementsika, dia ny fitiavan’Andriamanitra no manarona antsika, tsy mba mandatsa antsika ny Tompo, fa manarina antsika kosa noho ny fitiavany antsika.
Ny fitiavan’Andriamanitra anie ho amintsika rehetra amin’ity taona 2023 ity, ary mahatoky izany isika fa mazava ny Tenin’ny Tompo hoe : « ho an’izay mino ahy » hoy izy, no angatahany.
Mampahery antsika ny Tompo amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.
Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra. Amen!
Taorian’ny toriteny dia niroso tamin’ny vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra ny Fiangonana.




VAVAKA NOHO NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Izao no votoatin’izany : « Ry Andriamanitra Rainay o, Rainay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay Ianao. Misaotra Anao izahay noho ny hafatra izay noraisinay fa nivavaka Ianao mba hiraisanay saina sy ny mba hifankatiavanay. Nivavaka Ianao Jesoa mba hitoetra eo anilanao mandrakariva izahay, ary nivavaka Ianao mba hitoetra eo amin’ny fitiavanao izahay. Indrisy anefa Tompo o, raha mijery ny fiainanay izahay dia mahatsiaro menatra satria tsy nahatanteraka ny Teninao. Tsy niray saina izahay ; tsy nifankatia. Ratsy ny fanaonay ka tsy nitoetra teo anilanao izahay. Tsy te hitoetra amin’ny fitiavanao akory aza izahay.
Koa ankehitriny dia mahatsiaro izahay fa tsy tanteraka koa mangataka ny famelan-keloka avy Aminao izahay ry Tompo. Mamelà ny helokay rehetra noho ny amin’i Jesoa Kristy, maty noho ny fahotanay nefa nitsangana tamin’ny maty, ho famelana ny helokay.
Tompo o ! Mino izahay fa Andriamanitra mpamaly vavaka sy be fitiavana Ianao. Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy no anaovanay izany vavaka izany. Amen ! »
FANEKEM-PINOANA
Taorian’ny vavaka dia naneho ny finoany, tamin’ny fanambarana ny Fanekem-pinoana laharana faha 4, ny mpianakavin’ny finoana.







TATITR’ASAN’NY FIRAISAN’NY SAMPANA
Fanja Andrianasy no nanolotra ny tatitra. Ny Jaona 15 : 5 no Teny nentiny niarahaba ny mpianakavin’ny finoana.
Toa izao no asa notanterahina tamin’iny taona lasa iny :
ASA.ANATINY
Nisy ny fifandrimbonan’ ireo rafitra eto amin’ny Fitandremana nandritra ny Herinandro masina sy ny fotoanan’ny Paska, ny Pentekosta ary ny fanatanterahana ny Herinandro Sambatra.
Niavaka ny Herinandro sambatra satria niendrika fety izany.
Nampiavaka izany koa ny fidinana teny amin’ny fiarahamonina, nanolorana fanomezana ho an’ireo tsy manan-trano mitoetra amoron-dalana ny faha 24 desambra tolakandro.
ASA IVELANY
Nisy ny fiombonana tamin’ny fanatanterahana ny tafika masina tany amin’ireo Fiangonana miara-mandroso amintsika dia ny FJKM Besaiky Fitahiana sy FJKM Ambohipiara Ziona.
Ity alahady ity no fotoana ho fiombonam-bavaka miaraka amin’ny Fiangonana ary manokatra ny taom-piasana eo amin’ny Sampana sy ny Sampan’Asa ary Asa araka ny sokajiny avy eto amin’ny Fitandremana.
ASA MIANDRY
Ankoatra ireo soritr’asa efa mahazatra dia hanao fisintonana dinik’asa sy fifanakalozana, ny Firaisan’ny Sampana.
VINA
Tena kitro ifaharan’ny asan’ny Fiangonana ny Sampana sy ny Sampan’Asa ary Asa, koa manentana ny Fiangonana mba hiditra any anaty sampana.
Taorian’ny tatitra dia nanatanteraka ny anjara hirany ny Firaisan’ny Sampana, ka ny FFPM 428 : 1, 3, 4 « Reko izao ry Tompo » no notanterahina tamin’izany.




RAHARAHAN’NY FIANGONANA
“Amparibe Famonjena manao asa fanompoana tsara, mitombo finoana hatrany, miaina amin’ny fifankatiavana”
Ny Biraom-Piangonana Razafimaharo Mamy no nanatanteraka izany. Raha niarahaba ny Fiangonana izy dia ny Joba 36 :22a no nentiny naneho izany. Toy izao no tsara ho fantatra amin’ny asan’ny Fiangonana, ka hoentina amim-bavaka:
NY RAHARAHA IVELANY
Araka ny tetiandron’ny SPAA10, dia antsoina ny komitin’ny fankalazana Jobily isam-pitandremana, ato anatin’ny SPAA, hamonjy ny fiofanana izay hotanterahina ao amin’ny FJKM Ambohibao, ny talata 24 janoary 2023. Hanomboka amin’ny 9ora 30 ny fotoana. Tsy hisy ny sakafo atoandro fa mirava avy hatrany aorian’ny fiofanana.
NY RAHARAHA ANATINY
Ny alahady 29 janoary, herin’ny anio, dia fotoana miavaka ao anatin’izao fiomanana ho amin’ny fisotroandrononon’ny Mpitandrina mivady izao. Hisy ny mariazy miara-mizotra, manomboka amin’ny 9 ora maraina ny fanompoam-pivavahana.
TARATASY AVY AMIN’NY SSAA ARY NY RAFITRA
Dorkasy: Ilazana ny mpikambana fa hanomboka amin’ny 1ora 30 ny fotoana amin’ny talata ho avy izao.
Vaomieran’ny Aim-Panahy: Antsoina ny mpikambana ao amin’ny VAP (Diakona, Loholona, solotenan’ny sampana) ho tonga amin’ny fivoriana fanao isam-bolana ny alarobia 25 janoary, amin’ny 5ora 30 hariva, eto amin’ny tananan’ ny fiangonana.
Komity Fisotroandrononon’ny Mpitandrina : Hampahafantarina ireo manam-paniriana hanolotra zanaka ho amin’ny Batisa , na manolotena; ireo zokiolona hiroso amin’ny Firaisana latabatra amin’ny Tompo; ireo izay nohamasinina fanambadiana; ireo noraisina ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo , notokanana ho Diakona na Loholona, nanomboka ny jolay 2008 hatramin’ny taona 2023 ho avy io, hisoratra anarana amin’ny Komity fisotroandrononon’ny Mpitandrina. Misy latabatra natokana ho amin’izany isan’alahady ao an-tokotanim-piangonana ao. Antsoina ny Komity ho tonga amin’ny fivoriana isam-bolana ny talata 24 janoary amin’ny 6 ora hariva eto amin’ny trano fiangonana.
Ny tenin’ny Mpitandrina
Nisaotra an’Andriamanitra noho ny famindrampony nahafahana nanatanteraka izao fanompoana masina izao.
Niarahaba ny Filoha synodaly tonga mamangy ny Fiangonana miaraka amin’ny vady aman-janany.
Nanentana ny fidiran’ny mpianakavin’ny Finoana ao amin’ny SETELA.
Nampahatsiahy ny fotoana hiofanan’ireo izay hiroso amin’ny fanambadiana miara-mizotra ny alakamisy amin’ny 3 ora eto amin’ny tanànan’ny fiangonana.
Ny tenin’ny Prezidà Synodaly
Niarahaba ny Fiangonana amin’ny anaran’ny Tompo. Nampahatsiahy ny fifankatiavana misy.
Misaotra ny Fiangonana noho ny fotoana nanatanterahina ny famangiana pastoraly.
Nisaotra noho ny fanatontosan’ny Fiangonana ny adidiny teo amin’ny Synodamparitany.
Misy adidy lehibe roa tanterahin’ny Fiangonana dia ny fiatrehana ny fisotroandrononon’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina. Efa mijoro ny Komity momba izany saingy ny Fiangonana manontolo no hiara-hientana amin’ny fahalavorarian’izany.
Eo koa ny adidy amin’ny vadin’ny Mpitandrina efa nisotro ronono teo aloha.
Niresaka ny amin’ny fanatanterahana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 20 taona niasana, amin’ny maha mpiasam-piangonana azy teo anivon’ny Synodamparitany, dia i Jaona Rabenandrasana izany, koa dia nangataka ny Fiangonana izy mba handinika ny tokony hatao amin’izany eo anivon’ny Fitandremana.








RAKITRA SY FANOMEZANA
Ny Biraom-Piangonana Ranaivoson Jacky no nanatanteraka izany. Ny Isaia 12 : 4, 5 no Teny nentiny nanokafana ny fotoana famakiana ny voady sy ny raki-pisaorana.
Ireto ny hira nangatahin’ny mpianakavin’ny finoana nanao voady tamin’izany : FFPM 164 :1 « Jesosy Irery ihany » ; Hiran’ny RFF : « Fa lalina » sy « Don’t Cry ».
Tao ny nisaotra an’Andriamanitra noho ny fahatratrana ny tsingerinandro nahaterahany ary nangata-bavaka noho izany ; tao koa ny nisaotra ny Tompo noho ny valimbavaka azony fa sitrana tamin’ny aretina. Nametraka ny fitantanan’Andriamanitra amin’ny hoaviny sy ny asa aman-draharaha izay omeny ary mametraka ny fitantanana ny tokantranony eo ambany fitahian’Andriamanitra. Nisy ny nisaotra an’Andriamanitra noho ny fahafahana fanadinana.
Rehefa vita izany dia notantazana ny rakitra ary avy eo dia nanao vavaka ny mpitarika ho fanolorana ny rakitra sy fanavaozana ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra.
ASA VAVOLOMBELONA
Nizara telo ny Asa Vavolombelona notanterahina androany.
1-Ny fanolorana fanomezana ho an’ireo zanaky ny Fiangonana afaka fanadinam-panjakana ; ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo nahatanteraka ny fiofanana maha katekista, ary teo koa ny zanaky ny Fiangonana manohy ny fianarana ho mpiomana ho Mpitandrina eo amin’ny kilasy fahadimy. Izy rehetra ireo dia niisa 80 eo. Ny Sampana Tanora Kristiana Zokiny no nisahana izany.
2-Ny fanomezana mari-pankasitrahana ho an’ireo zanaky ny Fiangonana nahazo salan’isa ambony sy tsara indrindra tamin’ny fahalalana Soratra Masina nokarakarain’ny Fiangonana. Ny 35 amin’ny mpianakavin’ny finoana 237 nanatanteraka ny fahalalana Soratra Masina no notolorana ny loka. Ny vaomieran’ny Aim-panahy no nisahana sy nanolotra izany.
-Ny fanomezana mari-pankasitrahana ho an’ireo nandray anjara tamin’ny fifaninanana lahatsoratra sy sary pika, tamin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 45 taonan’ny Gazety Taratry ny Famonjena. Lahatsoratra sy sary pika mahakasika ny fiainam-piangonana izany : Raoliarizaka Bakoly sy Rakotoarisoa Falimandimby.



VAVAKA FANGATAHANA
Nisaoran’ny Mpitandrina ny Tompo noho ny fahalavorarian’ny fotoana androany.
Alahady miavaka izay namangian’ny Raiamandreny SP ny Fiangonana ary nahafahana nandray tanana ireo nahazo valisoa tamin’ireo fifaninanana samihafa nokarakarain’ny Fiangonana.
Nentina amim-bavaka ny Fiangonana FJKM sy ny Synodamparitany misy antsika; ny Mpiandraikitra Foibe rehetra sy ireo mpiara-miasa ao anatin’ny Synodamparitany SPAA10.
Nentina amim-bavaka ny Firaisan’ny Sampana, hifampitaiza sy hifampizara. Nentina amim-bavaka ireo mpianakavin’ny finoana tapa-kevitra hiditra amin’ny SETELA; nentina amim-bavaka ireo mpanompo tapa-kevitra ny hiroso amin’ ny fanambadiana kristiana ka hanatanteraka ny mariazy miara-mizotra. Nentina amim-bavaka ny mpiasa eo anivon’ny FFKM. Nentina amim-bavaka ireo sahirana, ny marary, ny manan-manjo. Nentina amim-bavaka ireo manana hataka manokana fa indrindra ireo izay nanefa ny voadiny sy ny raki-pisaorany teto anivon’ny Fiangonana. Izany vavaka izany dia nofaranana tamin’ny Vavaka nampianarin’ny Tompo.
FAMARANANA NY FOTOANA.
Natao ny hira FF 2 : 3 « He ! Manolo-tena », novakiana ny Tondrozotra 2023 ary taorian’ny fanambarana izany no natolotra ny Tsodrano.
Nofaranana tamin’ny fihirana ny FFPM 635 : 1, 3 « Aina no fetra ry Jesosy Tompo » izao fanompoam-pivavahana izao ary natao ny vavaka mangina nofaranana tamin’ny Trinité masina.




IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Irimanana Eninkaja sy Raharinoa Fenitra (Mpiofana ho mpitendry orga)
Ary ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno
Nikirakira fafana : Randriamasimanana Andrinavalona
Nikirakira fanamafisam-peo : Rija Andriamahatana
Naka sary : Ramahery Hasina
Nandray an-tsoratra : Rabako Tovohery
Alahady 15 Janoary 2023
ALAHADY 15 JANOARY 2023 « MPAHARY IZAO REHETRA IZAO NY TOMPO » FANOMPOAM-PIVAVAHANA NITONDRANA TAMIM-BAVAKA NY FILOHAN’NY FJKM MIANAKAVY SY NY TAOM-PIASANA 2023
« Miorena tsara, aza miova » 1 Korintiana 15 : 58b
Nikatona avokoa ny trano fiangonana teto amin’ny Synodamparitany teto Antananarivo (SP10; SP11; SP12; SP 19), satria notanterahina, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny fanompoam-pivavahana natomboka tamin’ny 9 ora sy sasany maraina.
Nisy ny Asa sy Fampaherezana ny maraina tamin’ny 7 ka hatramin’ny 9 ora.
Ny Mpitandrina Rakotobe Rajaomanjato Dodaherisoa, Mpanolotsaina, Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Andriamampianina Zaka, Filoha Mpanampy, Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ireo antoko mpihira mitambatra eo anivon’ny Foibe FJKM no nanafana ny fotoana.
Samy nanana ny toerany sy ny fandaminany ireo Synodamparitany efatra.



FANOMBOHANA NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA
Niara-noredonina mafy, teo am-pitsanganana, ny hira faneva fanentanana ny « Hazakazaka Masina » : Handeha isika hiaraka.
Rehefa, dia nanao ny Fiarahabana apostolika ny mpitarika ary niaraha-novakiana ny Salamo 92:1-5, ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra : « Tsara ny hidera an’i Jehovah sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô, Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina, Amin’ny valiha tory folo sy amin’ny feon-dokanga. Fa ampifalinao amin’ny nataonao aho Jehovah ô ; Ny asan’ny tananao no hihobiako. Jehovah ô, akory ny halehiben’ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao. »
Natao ny hira FF 9 : Isaorana anie Jehovah.
VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA
Midera sy manome voninahitra an’Andriamanitra Ray Mpahary izao rehetra izao. Andriamanitra nanome tombonandro hahavelomana, nanome taona vaovao hahafahana manatanteraka ny «Hazakazaka Masina» hamakivakiana ny taona 2023. Napetraka teo am-pelantanan’Andriamanitra ny fanomanana ity fotoana ity, izay hitondrana amim-bavaka ny Filohan’ny FJKM mianakavy sy ny taom-piasana 2023. Raiso ho hanitra hankasitrahanao izao fanompoam-pivavahana izao, Andriamanitra ô, hanambaranay manakoako fa tsara ny Andriamanitray, Izay velona sy mamelona ary miteny. Andriamanitra velona mandrakizay. Mangataka ny Fanahy Masina hitarika mandritra ny fanompoam-pivavahana manontolo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.
SITRAPON’ANDRIAMANITRA
Noraisina tao amin’ny bokin’Isaia 45 :11-13 izany.
« Izao no lazan’i Jehovah ny Iray Masin’ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin’ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany. Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra. Izaho no nanaitra azy io tamin’ny fahamarinana, ary ny lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. »
Taorian’ny fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra dia noventesina ny hira FFPM 461 : 1, 6 Aoka ho an’Andriamanitra.
VAVAKA FIFONANA
Ny ota dia manosika hivarina, fa ny lalan’ny fifonana sy ny fibebahana no mitarika hiarina.
Re teo ny Teny izay toky tsy mamitaka. Ianao Ray no namorona sy nahary anay ary renay teo ny sitraponao mba ho fiainanay. Indrisy anefa Tompo, fa tsy tanterakay ny Teny izay nomenao, tsy nahatanteraka ny sitraponao izahay. Ny Teninao no manome antoka ny hoavy, nefa tsy matoky izany izahay. Ny zanako sy ny asan’ny tanako, hoy Ianao, aoka ho adidiko ihany, nefa izahay tsy miankina Aminao Ray, fa miezaka miavo-tena, miankina amin’ny zavaboaary, miankina amin’ny olombelona, miankina amin’ny fahaizana sy fahalalanay samy irery, ka matetika no tsy tafavoaka noho ny tsy fitokiana Anao Andriamanitra. Andry fiorenan’ny fahamarinanan’ ny Fiangonana, nefa mikaviavia. Mamindrà fo, mamelà heloka Andriamanitra ô.
Nohiraina ny FF 22 : Tsy mendrika ahy mpanompo.
FAMELAN-KELOKA ATOLOTR’ANDRIAMANITRA
Natolotra ny Teny famelan-keloka. Noraisin’izay mibebaka marina, teo am-pitsanganana.
« Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an’i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany. » Jeremia 31 : 34.
Rehefa, dia noventensina ny hira FFPM 79 : Sambasamba Zanahary. Ho fanambarana sy fanehoana ny finoana ary ho fijoroana vavolombelona koa, dia niarahana nanonona ny Fanekem-pinoana apostolika, laharana I.



FILAZAN-DRAHARAHA
Ny Mpitandriana Rakotonindrainy Jaona, Sekretera Jeneraly, no nanatanteraka izany.
FIAINAM-BAVAKA SY RAKITRA SOA
Nohazavain’ny Mpitandrina Rakotobe Rajaomanjato Dodaherisoa, fa hoe fitaovana mahomby amin’ny fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra ao anatin’ny fotoan-tsarotra, ny fiainam-bavaka sy ny rakitra soa.
*Ny fiainam-bavaka dia ny finoana izay hamafisina sy hatsaraina.
- Hamafisina ny fiaraha-mivavaka isaky ny amin’ny 8 ora alina ;
- Hatsaraina amin’ny vavaka 24 ora /24 ora : ny Kristiana rehetra, ny Fiangonana rehetra, ny SSAA, ny Komity, ny Vaomiera hifandimby hivavaka ora iray avy isan’andro ; (mifandimby tsy tapaka) ao anatin’ny 24 ora. Misy boky kely mivoaka manomboka izao : « Kristiana FJKM miorina tsara amin’ny fiainam-bavaka ». Voalamina sy voarindra ary mora arahina amin’io boky kely io ny fanatanterahana izany vavaka mandritra ny 24 ora /24 ora izany.
*Ny rakitrasoa na rakitra zavatra (tsy vola ihany) dia hotanterahina indray mandeha isam-bolana, manerana ny Fitandremana FJKM rehetra. Baikon’i Jesoa Kristy izy io, lasa fitaovana lehibe hahazoana mitory ny Filazantsara, hahatonga ny olona hahafantatra be be kokoa ilay Andriamanitra Raintsika (Matio 5 : 14-16) « Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. ») Amin’ny alalan’ny rakitra soa na rakitra zavatra no hahazoana manampy ny sahirana, ny traboina, …
RAKITRA
Nanatanteraka hira ireo antoko mpihira nandritra ny fanantazana ny rakitra.
Nohiraina ny FFPM 441 : 1, 3 Raiso aho, Tompo ô ho fanolorana ny rakitra.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Nasaina nitsangana daholo ny ankizy sy ny tanora teo am-panaovana ny hira FFPM 786 :1,4 Ny Teninao Jehovah, izay ianaranay.
Ny Mpitandrina Razakarivony Charlot Patricien, Tonia SSA, no nanatanteraka izany. Nivavaka izy. Ny Ezekiela 37 : 6 « ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah » no nangalany ny hafatra.
Avy amin’Andriamanitra ny fofonaina mahavelona, ka isaory Izy raha mbola velona ianao, nahatratra ity taona vaovao ity.
Tantaran’ity mpanao baolina kitra malaza nahita ankizy, zanak’olona sahirana, nilalao baolina teny amin’ny arabe. Nomeny vola mitovy avy ireo ankizy, ka nasainy nividy izay tiany avy. Ny iray tsy nandeha nividy zavatra, fa variana nijery ilay mpanao baolina malaza. Raha nanontaniana izy hoe maninona no tsy nandeha nividy zavatra, dia namaly hoe nomenao vola 10 000 Ar, maimaimpoana aho, ka mety ve raha omeko anao ny 1 000 Ar, ho fisaorako anao ? ary ny 9 000 Ar, no holaniako. Nanaiky ilay mpanao baolina malaza. Rehefa niverina ireo naman’ity ankizy, dia hoy ilay mpanao baolina malaza hoe : « Manam-pahendrena ity namanareo iray ity, ka ho fisaorako azy dia omeko 100 000 Ar izy ». Ny antony, hoy izy, dia tsy nisy nisaotra ahy ianareo, fa izy kosa nisaotra ary nanome vola ahy ho marik’izany.
Hafatra : mahaiza misaotra an’Andriamanitra amin’ny rivotra izay omeny hivelomantsika isan’andro. Manokàna fotoana hisaorana an’Andriamanitra. Mahafoiza ampahany amin’izay omeny anao, ho fisaorana Azy.
Naverina novakiana ny Soratra Masina ao amin’ny Ezekiela 37 : 6.
Nofaranany tamin’ny vavaka izay nasainy naverina notononina mafy.
« Andriamanitra Tompo Mpahary anay ô ! Ianao no manome fofonaina mahavelona, ho anay. Misaotra Anao izahay noho izany. Mampianara anay hahafoy ho Anao ihany, koa hanehonay ny fisaorana Anao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena ».
Natao ny hira 823 :1, 2, 3 Hoderaina tokoa, mialoha ny namakiana ny Soratra Masina.



FAMAKIANA NY SORATRA MASINA
Randrianja Voahangy, Mpitahiry vola, Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, no nivavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina. Midera sy mankalaza ary manome voninahitra ny Tompo, fa tamin’ny Teny feno fahefana no namoronany ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra eo aminy. Nomen’ny Tompo ny Teny tonga nofo hahatanteraka ny sitrapony. Misaotra fa afaka mamaky ny Teny Masina amin’ny teny malagasy. Raha hamaky ny Teny ireo voatendry amin’izany, ary raha hampita ny hafatra ny mpanompon’Andriamanitra, dia mangataka ny Fanahy Masina hanazava ny Teny rehetra izay horenesina.
Ny Mpitandrina Robson Radolalaina Johary, Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana no namaky ny Salamo 33 : 4-11 ; Rakotondranaivo Domoina, Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly no namaky ny Matio 11 : 25-27 ary Andry Nirina Velosoa, Tonian’ny Departemantan’ny Mpiasa sy ny olona ary Fananana sy ny Famokarana, no namaky ny Apokalypsy 4 : 9-11.
Nohiraina teo am-pitsanganana ny Salamo 25 :1-4 mialoha ny nanambarana ny Hafatr’Andriamanitra.
TORITENY
Ny Salamo 33 no nanompanan’ny Mpitandrina Andriamampianina Zaka ny toriteniny, fa ny andininy faha 12 no notsongainy : « Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany. » Raharaham-pirenena, fiainam-pirenena, firenena no ambara eto amin’ity Salamo 33 ity. Nozarainy telo toy izao ny toriteny :
- Ny andininy faha 5 manao hoe : « Tia fahamarinana sy rariny Andriamanitra. Henika ny famindrampon’i Jehovah ny tany…» Tena fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny fanaovana sy ny fampanjakana ny fahamarinana sy ny rariny. Manasararotra olana sy ny famahana olana ny hala-bato, ary lafo ny sandan’ny hala-bato, satria tsy marin-toerana izay mitondra ny fanjakana vokatr’izany, voatery mampiasa « clientélisme » sy « intimidation », ary tsy hisy fampandrosoana mety handeha, tsy hisy fampivoarana ho an’ny tsirairay sy ny isan-tokantrano.
- Ny andininy faha 7: « Mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy ». Mitory firaisana amin’Andriamanitra isika, raha mahay mitahiry sy mitantana ny ranomamy, izay sarobidy ankehitrio satria tsy maharaka ny tinady intsony ny tolotra. Mitombo ny isan’ny mponina, ny isan’ny indostria, ny fiompiana sy ny fambolena izay mila rano betsaka, nefa ny ranomamy mihena. Izay manana ranomamy no ho tafita. Harem-be sy fiderana an’Andriamanitra ny fahaizana mitantana ny ranomamy satria hitovy fisainana Aminy isika : « Mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy ».
- Ny faha 16 sy 17: « Tsy misy mpanjaka voavonjin’ny hamaroan’ny miaramilany ; ny olo-mahery tsy voavonjin’ny haben’ny heriny…». Hoy i J. Calvin : « Arakaraka ny hananan’ny olona fiarovana tsara sy mafy no hialany amin’Andriamanitra, satria mitoky amin’ny ara-tafika izy.» Tsy mahavonjy azy anefa izany. Isaia mpaminany 2 : 4 : « Ary hitsara ny adin’ny jentilisa Izy, ka hampiaiky firenena maro ; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka. Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony ». Ny famokarana sy ny fampamokarana ihany no miteraka toe-karena mandroso. Ampitomboy ny tetibola mahakasika izany, raha tiana ho tafarina ny firenena. Mitombo ny an’asa rehefa mitombo ny toe-karena ary hihena ny tsi-fandriampahalemana.
Ho famaranana : Fiderana an’Andriamanitra ny fampandrosoana ny asa sy ny toe-karena. Fiderana an’Andriamanitra ny politikan’ny rano tsara tantana.
Tsy lany andro amin’ny fitadiavana ny tompon’andraikitra ny Fiangonana sy ny Kristiana fa avy hatrany dia manala ny ratsy
Voninahitra ho an’Andriamanitra. Amena.
VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SY FANGATAHANA
Randriamamonjisoa Georges Henri, Mpanolotsaina, Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, no nanatanteraka izany.
ASA VAVOLOMBELONA
*Fankasitrahana ireo telo voalohany tamin’ny fifaninanana sary famantarana sy hira fanentanana « Hazakazaka Masina ».
Sary famantarana : Randrianjafimanana Zo Fitia (FJKM Anjanahary Maritiora), Razafimanantsoa Niandry Tiana (FJKM Ambatomaro Fehizoro), Ramavo Andriamanga Arsène (FJKM Ambatomena).
Hira fanentanana : Andrianarilala Honoré (FJKM Kanana Vaovao Ambohimalaza Firaisana), Rakotoniaina Minosoa (FJKM Tanjombato Maritiora), Randriavatonarivo B. Jean Gracieux (Toeram-panomanana Mpitandrina Ambatonakanga, taona faha 4).
Ny Filohan’ny FJKM no nanolotra azy ireo ny mari-pankasitrahana.
*Fiarahabana ny Filohan’ny FJKM, Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, mianakavy.
Razakasoa Timoty, Filoha mpanampy, Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, no nitondra ny teny.
Natao teo am-pitsanganana ny fitondrana amim-bavaka. Taorian’ny tenin’ny mpitarika hoe « Ry Andriamanitra Ray Zanaka Fanahy Masina ô ! » dia mamaly ny Fiangonana manao hoe « Arovy, ampaherezo, ary vokiso fiadanana ny mpanomponao ».
Rehefa vita ny vavaka dia nisy hira natolotra ny Filoha ho amin’ity taona vaovao ity.
Nandray fitenenana ny solotenan’ny fianakavian’ny Filohan’ny FJKM. Tononkalo no nataony tamin’izany.
Nitsangana nandray anjara fitenenana ny Filohan’ny FJKM. Nisaotra sy nidera an’Andriamanitra ary nanao teny fiarahabana ho an’ny sokajy rehetra. Niarahaba noho ny Krismasy 2022, izay tena zava-dehibe, satria amintsika Andriamanitra, ka tsy avelany ho irery eto amin’izao tontolo izao isika. Miaraka amintsika Izy, amin’ny lafim-piainana rehetra. Niarahaba koa noho ny taona 2023.
Nisaotra ny rehetra ny Filoha noho ny fahatongavana sy fanotronana, satria tena betsaka ny fitiavana. Nisaotra izy ny amin’ny teny firariantsoa rehetra izay natao. Amin’ny foto-pisainana malagasy dia « ny teny soa, sakafo », koa nisaotra indrindra izy, fa tsy teto ihany ny teny fa tao ny sms sy mailaka marobe izay tsy ho voavaliny.
*Aina ny rano. Namokatra rano ny FJKM, « Aina » no anarany. Eo am-pamitana ny taratasy ara-panjakana, hahafahana manaparitaka io vokatra io.
Nofaranany tamin’ny vavaka ho an’ny taom-piasana 2023. Vavaka fohy izay nasainy naverina isaky ny miato izy.
« Jesoa ô ! Ianao no Tompo sy Mpamonjy anay. Tahio ity taom-piasana ity hamirapiratan’ny voninahitrao mihoatra noho ny tamin’ny lasa. Ary raiso ny fanoloran-tenanay ho mpiara-miasa mitoky Aminao. Dia misaotra Jesoa ô, ny amin’ny valim-bavaka efa azo sy ny valim-bavaka raisinay sahady, ary ho Anao Irery ny voninahitra. Amin’ny Anaranao Jesoa. Amena ».
FAMARANANA
Nitsangana handray ny Tsodrano izay natolotry ny Mpitandrina Andriamampianina Zaka ny Fiangonana.
Mialoha izany dia nohiraina ny FF48 Andriamanitra fitiavana Ianao.
TSODRANO : « Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao ; Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah, ka hamindrafo aminao ; Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ; ka hanome anao ny fiadanana. » Amena. (Nomery 6 : 24-26.)
Nipetraka nanao vavaka mangina.
Ho an’Andriamanitra Irery ihany ny voninahitra !
Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena.
Sary : Capture vidéo FTV – Kolo TV
Alahady 08 Janoary 2023
ALAHADY 08 JANOARY 2023 “MPAHARY IZAO REHETRA IZAO NY TOMPO” Alahady I Epifania - Alahady fandraisan-tanana ireo mpanao raharaha eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena
« Koa raha ny Zanaka no hanafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo » Jaona 8 :36
Alahady natokana ho fiarahabana ireo mpanao raharaha eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena. Alahady voalohany manaraka ny Epifania ary hibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy manao hoe : “ MPAHARY IZAO REHETRA IZAO NY TOMPO”.
Alahady faharoa ihany koa amin’ity taona 2023 ity izay mbola hifampiarahabana noho ny nahatratrarana ny taona vaovao.
Andriambelomanana Andry, Mpiandry, no nitarika ny fotoana. Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina, no nitondra ny hafatra. Ny litorjia amin’ny endriny faharoa no narahina.



FANOMBOHANA NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA
Taorian’ny hira fanevan’ny jobily fisotroan-drononon’ny Mpitandrina Raharijaona Solofoniriana sy ny feon-javamaneno, dia nanao ny fiarahabana apostolika ny mpitarika, nanolotra ny Teny Fiderana sy Fisaorana an’Andriamanitra nentin’ny Fiangonana manandratra Ilay Tsitoha tamin’ny famakiana ny Salamo 149 : “ Haleloia, mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah. Ny fiderana Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona masina. Aoka ny Isiraely hifaly amin’ny mpanao azy. Aoka ho finaritra amin’ny Mpanjakany ny zanak’i Ziona. Aoka hidera ny anarany amin’ny dihy izy sy hankalaza Azy amin’ny ampongatapaka sy ny lokanga. Fa sitrak’i Jehovah ny olony. Ravahany famonjena ny mpandefitra. Aoka ny olona masina hifaly amin’ny voninahitra. Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy. Aoka hisy fanandratana an’Andriamanitra eo am-bavany sy sabatra roa lela eny an-tanany. Hamaliany ny jentilisa sy hamaizany ny firenena maro. Hamatorany ireo mpanjakany amin’ny gadra sy ny olo-malazany amin’ny gadra vy. Mba hanaovany ny fitsarana voasoratra. Voninahitry ny olony masina rehetra izany. Haleloia. ” Amena !
Natao ny hira FFPM 746 :1, 3 “Mifalia ry Sakaiza” niarahan’ny Fiangonana niredona sy niray fo ho fiderana an’Andriamanitra.




VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA
« Andriamanitra Rainao ô ! Rainay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Ianao. Midera Anao mankalaza Anao. Manome voninahitra Anao fa mbola notarihan’ny Fanahinao Masina ka tody ary tafatoetra eto an-tempolinao mba hisehoan’ny voninahitrao. Mankalaza Anao izahay fa Andriamanitra Masina Ianao. Andriamanitra be famindram-po Ianao, ary misaotra Anao noho ny amin’i Jesoa Kristy Zanakao, izay natolotrao ho avotray, ho faty mba hamonjy anay, hisolo heloka anay noho ny fitiavanao anay. Ka eo anoloan’izany fitiavanao izany indrindra Tompo ô, dia mahatsiaro ho menatra sy mangaihay izahay, mahatsapa ny maha mpanota sy meloka anay, na teo amin’ny fiteny, ny fanao, ny fijery, ny fandeha, eny hatramin’ny fieritreritray dia mahadiso anay eo anatrehanao. Tsy mba nikatsaka ny fanjakanao sy ny fahamarinanao hoatra Anao eo am-pototry ny hazofijalianao fa ny fantatray sy hinoanay Tompo, fa ny fo torotoro sy mangorakoraka dia tsy mba nataonao tsinontsinona.
Ka Ianao Jesoa tsy hamela anay ao anatin’ny honahonan’ny fahotana, fa sarihinao amin’ny mahazakam-pitiavanao, mba hodiovinao sy ho sasanao mba ho afa-keloka ka ho fanatitra velona masina ary sitrakao Andriamanitra.
Dia aoka izahay rehetra izao Tompo mba samy hiasan’ny Fanahy Masina, ka handray sy hivelona amin’ny Teninao, izay Teny fiainana, hitombo, hihatsara, hihavao indray amin’ny fitondran-tena masina dia ho voninahitry ny Anaranao izao fanompoana tanterahinay izao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tomponay, izay Lohan’ny Fiangonana no hanaovanay izany vavaka izany. Amena. ».



FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Rado Navalona, mpampianatra ao amin’ny kilasy faha 6, no nanatanteraka ny fotoana.
Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3 : 19a « Koa miambena ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo » no nentiny nisintonana ny fampianarana sy nampifanoharana tamin’ny tantara mahakasika an’i Bema sy ny rainy.
Indray andro, tezitra i Bema ka niteny tamin’ny rainy nanao hoe : “Dada a! omeo ahy izay tokony ho anjara fananako dia avelao aho handeha. Handeha ho aiza ianao? hoy ny rainy. Zaza vao fito ambiny folo taona monja. Tena leo be ny miara-miaina aminareo aho ry Dada! Aiza ve! Tsy mba afaka manao izay sitrapoko mihitsy aho fa ny sitraponareo foana no tsy maintsy tanterahina. Tena tsy mila izay volanareo intsony aho ka! Tsy mila izay fanampiana avy aminareo intsony ihany koa. Izaho koa aza handrahoana sakafo intsony ary aza sasana intsony koa ny lambako. Miverena ianao, hoy ny rainy.
Rehefa voarainy tamin’ny rainy izay mety ho fananany dia lasa izy nandeha, Nolaniany tamin’ny fiainan-dratsy avokoa izay nomen’ny rainy azy. Nisotroany, nifohany, nilokany, fa ny tena loza dia nakany vehivavy janga. Rehefa laniny izay teo am-pelantanany dia niandry kisoa an’olona tany an-tsaha no nataony ary niaina sy nivelona tamin’ny hanin-kisoa.
Fa indray andro dia nirenireny tany an-tsena i Bema. Nifanena tamin’ny vehivavy iray izay nitondra enta-mavesatra. Hoy izy: Madama o! aiza mba ho entiko iny entanao iny dia mba omeo vola kely aho hamidianako mofo, fa tena noana be mihitsy aho izany. Izaho anie efa hatramin’ny alina no efa tsy nisakafo e! Hoy ilay ramatoa tamin’i Bema : « Aiza ny ray aman-dreninao? ». Namaly i Bema : « Any ry zareo ka! ». « Tena mahantra be mihitsy angaha ry zareo? » hoy ilay ramatoa. « An! an! an! Ka ! manana ny ampy izy ka ! » hoy Bema. « Fa ahoana izany no mahatonga anao tahaka izao? » « Ka izaho mihitsy anie madama no niala tamin’izy ireo! Izaho koa mba te ho « libre » koa » « Diso ianao hoy ilay ramatoa, miverena any amin’ny rainao fa sasa-miandry anao izy » « Tsy aleonao ve manambitamby an-drainao toy izao mirenireny tahaka izao. Mba jereo anie ity paozinao ! tena mampalahelo be mihitsy. Ny volonao lava, mila bangoana sy hetezana, ny akanjonao maloto sady rovitra, ny tongotrao tsy mikiraro akory, ny tenanao mahia sady amin’izay hoatran’ny misy fofona. Raha izaho aloha ianao, dia miverina any amin’i Dada aho e ».
Rehefa nieritreritra teo i Bema, dia hoy izy anakam-po : « Tena dondrona tokoa aho, tena adala mihitsy, inona moa no tsy hiverenako any amin’i Dada? Ndry! any izy izay manakarama olona be dia be, misakafo tsara, mipetraka amin’ny trano madio sy milamina, ary izaho ity mba ahoana? Andeha hiverina any aminy aho dia hifona fa tena tsy mety mihitsy ilay nataoko. ». Dia lasa izy ka nifona tamin’ny rainy.
Fanazavana azontsika avy amin’io tantara io :
Rain’i Bema : kisarin’ilay Mpahary antsika olombelona dia i Jesoa Kristy izany.
Bema : ilay zanaka adala, oharina amintsika olombelona mpanota.
Vehivavy teny an-tsena : ireo mpitondra Fiangonana manoro sy mananatra ary manitsy antsika.
Ny lesona tiana ampitaina :
- Andao isika hanatona an’ilay Mpahary antsika olombelona, ka hifona sy hibebaka Aminy amin’ireo fahotantsika rehetra, amin’izay ota mbola manelingelina antsika, na koa amin’ireo heloka mbola tsy nekentsika tamin’izao fotoana izao.
- Aza mangataka andro intsony, tonga dia tapaho ny hevitra dieny mbola vao miandoha ny taona fa afaka mamono ny fahotantsika Izy
- Andao hiverina Aminy raha toa ka efa nania fa vonona Izy hamela ny helotsika.
Niarahan’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady namerina ny andinin-tSoratra Masina, ary notanterahina ny hira 481 :1 “ Ry Tompo be fitia ”.
Mialoha ny vavaka sy ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra, nohiraina ny FFPM 177 :3 sy 4: « Ry Fanahy Mpanazava ».




FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny perikopa voalahatra novakiana androany : Isaia 45 : 9-13 ; Matio 14 : 13-23 ; Romana 9 : 19-26.
Robel Hanitra no nitari-bavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina ary namaky ny Testamenta Taloha. Ramahandry Hanitra kosa no nanao ny vakiteny ao amin’ny Testamenta Vaovao. Samy Diakona avy ao amin’ny Vaomiera Fifandraisana izy ireo.
Ny hira FF 10 : 2 “ Mivavaka aho satria” no hira niarahan’ny Fiangonana niredona mialoha ny toriteny.
TORITENY
Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitondra ny hafatra. Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Matio 14 :13-23 no nisintonana ny dinika sy resaka ary fampianarana ho an’ny mpianakavin’ ny finoana.
Inona no tena fahariana ataon’i Tompo ?
Tantara malaza ao amin’ny Baiboly, in-efatra (4) miverina no manambara ny mahakasika io andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Matio io.
Ny fahariana eto dia milaza Famonjena : Eo amin’izay simba mankeo amin’ny vaovao na mihavao
Ny famonjena : asa ataon’i Jesoa (Mesianique)
Ny fanjakan’Andriamanitra : tsy misy zavatra ratsy intsony fa feno fahafinaretana.
Fanoharana ao amin’ny (Genesisy and.3)
Ny asam-pamonjena : fahariana vaovao izay olona latsaka tao anaty fahotana mba ho isan’ny olona voavonjy.
(Jaona and 3) : ny fahaterahana indray dia tsy misy olona miverina an-kibon-dreniny fa ianao olon-dehibe no ateraka am-panahy ao amin’i Tompo.



Fomba maro no fanehoana ny fahariana, fa roa no hojerentsika :
- Fanasitranana ny aretina : fahavoazana mitondra amin’ny fahafatesana, mitondra mankany amin’ny fiainana ny fahavelomana.
- Famokisana ny olona maro ao anatin’ny hanoanana :
- Jaona and. 6: ny ampitso dia mbola nitady an’i Jesoa
- Fanafahana mba tsy ho resin’ny fahafatesana amin’ny hanoanana
- Fanafahana amin’ny fahasahiranana : fanehoana fa hanana fiainana vaovao ao Aminy no iarahana amin’i Tompo
Boky Isaia dia mizara telo (3) :
- Isaia voalohany : miresaka ny Isiraely miaraka amin’i Jehovah Andriamanitra.
- Isaia 45 faharoa : mijaly, babo, mitaraina, manome tsiny an’Andriamanitra ny olona.
- Isaia fahatelo : fanafarana, fodiana any an-tanindrazana.
Jaona 8 :36 « Koa raha ny Zanaka no hanafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo ».
Rehefa manaiky an’i Jesoa dia tonga voaaro, vaovao.



VAVAKA FIFONANA
Natao ny vavaka fifonana sy ny vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra: « Ry Andriamanitra Rainay tsara indrindra ô ! mihoby Anao hatrany ny fanahinay ary misaotra Anao noho ny Teninao, manankarem-pahasoavana ny Teninao ka ampy mizara ho anay tsirairay avy ireto, mizara ho an’ny zanakao Ianao Andriamanitra ô, satria asan’ny tananao izahay ka adidinao na ny fanahinay na ny tenanay , koa aoka izahay tena hivelona tokoa ary tanteraka amin’izany Teninao izany, satria ny Teninao Tompo dia aina ho an’ny mahazo azy tokoa ary fahasalamana ho an’ny nofo rehetra.
Koa aoka ary izahay ry Jesoa Tompo ô, ho mpihaino mpankatoa fa tsy ho mpihaino manadino, ka hanapaka any anatinay tsirairay avy izao anie ny Teninao fa tsy very hanjavona tahaka ny voa teny an-dalambe izy ka voahitsakitsaka tsy nisy hasiny, na teny ambony vatolampy ka naniry tamin’ny hataitairana sy fihetseham-po fotsiny, na teny anaty tsilo voagejan’izao fiainana izao. Fa amboary ho tena tany lonaka hanirian’ny Teninao izahay, ka haniry avo folo heny sy zato heny ato anatinay izany, ka raha avy notoriana taminay ny Teninao Tompo dia hody ho finoana ho anay tokoa izany, ka hampazoto anay ho amin’ilay fanompoana mahatretrika. Noho ny Aminao sy ny Anaranao Jesoa Kristy Ilay Teny tonga nofo no hanononanay izany vavaka izany. Amena ».
Niarahana namaky ny Fanekem-pinoana laharana faharoa.
Taorian’ny feon-javamaneno, dia nanao ny anjara hira ny Sampana Taniketsa.



RAHARAHAM-PIANGONANA
“Amparibe Famonjena manao asa fanompoana tsara, mitombo finoana hatrany, miaina amin’ny fifankatiavana”
Razafimaharo Mamy, Sekreteram-piangonana no nanatanteraka izany.
Ny Tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny Joba 36 :22a no nanombohana izany.
Toy izao no tsara ho fantatra amin’ny asan’ny Fiangonana:
- Fanompoam-pivavahana amin’ny teny anglisy, androany eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena.
- 15 janoary 2023 : fanompoam-pivavahana eny amin’ny Coliseum hitrotroana amim-bavaka ny Filohan’ny FJKM mianakavy noho ny taona vaovao 2023.
- 21 janoary 2023 : Fambolen-kazo iombonana.
- 22 janoary 2023 : Fiarahana miombom-bavaka eran-tany karakarain’ny FFPM ao amin’ny Katedraly Ambohimanoro.
- 24 janoary 2023 : Taom-baovao Synodamparitany.
RAKITRA SY FANOMEZANA
Razafindraibe Bam, Biraom-piangonana, no namaky ny voady sy raki-pisaorana rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Salamo 61 : 8 .
Ireo hira nangatahin’ny mpianakavin’ny finoana : Hasin’ny Famonjena : « Entre tes mains » – « Dera laza hery haja saotra » ; FFPM 539 : 1 « Faly dia Faly » ; FF 14 :3 « Jesoa apetraka Aminao » ; FFPM 731 : 1 « Enga anie ka homba anao Jesoa »
Ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana ny fanoloran-tena, noredomin’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira vavaka fanolorana ny rakitra FFPM 748:1 “ Havaozy Tompo ô”, ary feon-javamaneno taorian’izay.




VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA
Ny Mpitandrina Raharijaona Solofo no nitarika izany.
Nentina amim-bavaka ny taom-pianarana ho an’ireo hiditra Setela, Sefala ; ny taom-pakalazana ny faha 160 taona ny Sekoly Alahady Antoky ny Famonjena ; ny fitrotroana amim-bavaka ny Filohan’ny FJKM mianakavy sy ny fiarahana hiombom-bavaka noho ny taona vaovao 2023, eny amin’ny Coliseum amin’ny 15 janoary.
Nentina amim-bavaka ihany koa ireo mpianakavin’ny finoana nanana hataka manokana sy fisaorana ary nanao voady masina noho ny loza nahazo tamin’iny taona lasa iny ; ho amin’ny fiainany, ny asany sy ny hoaviny ; ny fahavitan’ny trano ankehitriny izay nentina amim-bavaka ny fanatanterahana izany, ny fangatahana ny fahasalamana ho an’ny reniny sy ny taom-pianarana ho an’ny zandriny ; ny fitantanana sy ny fanatanterahana ny vina ho an’ny ankohonana, ny hahasitranan’ny reniny any amin’ny hopitaly.
Nofaranana tamin’ny vavaka « Rainay izay any an-danitra » ny vavaka fangataham-pitahiana.
ASA VAVOLOMBELONA
- Natao ny hira FFPM 808 : 1 “Eo an-tratranao Jesosy” mialoha ny fanorolona ny zaza: Andrianasolo Iloanah.
- Fiarahabana ireo mpanao raharahan’ny Fiangonana.
FAMARANANA NY FOTOANA
Nohiraina ny FFPM 471 :1 “ He Sambatra aho Jesoa raha miaraka Aminao ”. Notononina ny Tondrozotra 2023. Natolotry ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina ny Tsodrano ary noredomina ny hira FFPM 471 :1 «Dera Laza ry Mpanjaka ». Natao ny vavaka mangina ary notononina ny Trinité ary feon-javamaneno taorian’izay.



IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rajaofetra Philippe ; Rajaofetra Anthonio sy Raharinoa Fenitra (Mpiofana ho mpitendry orga)
Nikirakira fafana : Rakotondramboa Andry
Nikirakira fanamafisam-peo : Harentsoa Rova
Naka sary : Ramahery Hasina
Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly
0123Vatsy
Perikopa : 1Samoela 2 : 1 - 3 ; Lioka 1: 39 - 56 ; Filipiana 4 :1 – 9 “ Fa mifaly amin’ny famonjenao aho”. 1Samoela 2 : 1d
I Hana vadin’i Ely mpisorona tao Silo,renin’i Samoela no manao hira fisaorana eto. Fifaliana amin’ny
famonjen’Andriamanitra, satria:
* Andriamanitra mihaino vavaka;
*Andriamanitra mamonjy ny olony.
Andriamanitra mihaino vavaka
Ny mpandinika dia nilaza fa “prototype du magnificat” izay nataon’i Maria renin’ny Tompo Lio.1:46-55, aty amin’ny Fanekena Taloha ity nataon’i Hana ity. Ny mahasamihafa azy, dia ity eto ity somary malalaka ny filazana fa ny an’i Maria kosa dia voafaritra ho azy manokana. Ny hira nataon’i Hana koa dia misy fahasamihafana amin’ny Salamo. Ny Salamo dia natao miaraka amin’ny zava-maneno, izy kosa vaovao natao an-kira fotsiny. Itony no natao hoe Salamo tamin’ny andron’ny fitondran’andriana na fitondra-mpanjaka “monarchique”. Nandikana ny fanantenan’ny “mahantra”, ary mifarana amin’ny antso atao amin’ny Mpanjaka Mesia. Tao am-bavan’i Hana izany noho ny zava-nisy teo amin’ny fiainany dia ny fanarabiana nihatra taminy noho izany izy “momba”, nefa dia nahazo zanaka lahy ihany. Hiram-bavaka fankalazana sy fanomezam-boninahitra ary fisaorana an’Andriamanitra no natoany noho ireto antony roa ireto:
a- Mihaino vavaka Andriamanitra ka reny ny fitarainan’ny mpanompony.
b- Mamaly araka ny famindrampony Izy.
Rehefa dinihina sy fintinina ny hiram-bavaka nataon’i Hana dia olona nitondra ny mangidy sy mafaitra mihitsy izy tamin’ny nataon’ny fahavalony. Tsy niala tamin’ny finoana Ilay Andriamanitra nivavahany sy nianteherany anefa izy, ka nahazo valim-bavaka.
Tsapa sady hita ato amin’ny bokin’i Samoela fa Andriamanitra no Ilay mitondra ny tantaran’ny olona tsirairay, sy ny firenena. Ao ambadiky ny trangan-javatra tsotra indraindray no iasana sy aneho an’Andriamanitra ary ametrahany ny drafitra itondrana ny zavatra rehetra.
Porofon’izany ny “magnificat de Marie”, Lio.1:39-56, vokatry ny tenin’i Elizabeta vadin’i Zakaria mpisorona, ray aman-drenin’i Jaona mpanao batisa teo am-pitondrana vohoka azy.
Izao tantara roa milaza zavatra mitovitovy izao dia azontsika hakana toky fa mbola mihaino vavaka Andriamanitra hatramin’izao; ary azo ianteherana amin’ny zavatra rehetra araka ny sitrapony.
Fahasahiranana ara-piainana, ara-pahasalamana, arak’asa, ara-pianarana, ara-pitaizana, sns… Mihaino sady mamaly vavaka araka ny famindrampony Izy. Tsy mba mitaredretra Izy fa amin’ny fotoana izay mahamety dia tonga izany. Mihoatra noho izay heverina hatrany aza ny valim-bavaka atolony. Tonga mpaminany lehibe sy voalohany teo amin’ny Israely i Samoela zaza, valim-bavaka izany. Mety ho toy izany koa isika. Ohatra: niainga tamin’ny 7 000ar tonga tale jeneraly hoy ny gazety iray izay.
Andriamanitra mamonjy ny olony
Ny famonjen’Andriamanitra no voalaza fa nifalian’i Hana ka nanaovany ity hira, vavaka fisaorana an’Andriamanitra ity. Ny ambarany ho famonjena eto dia ny fahafahany tamin’izay nahatery azy mafy teo amin’ny fiainany, indrindra ny hoaviny. Zava-manahirana teo amin’ny fiainan’ny mpivady ny tsy manan-taranaka, satria lany tamingana. Izay rehetra nisasarana mba holovan’iza? Iza no hanohy anaran’ny tena? Toa tapitra hatreo ny hoavy? Mafy sady mangidy izany fahavoazana izany!
Ny hevitry ny teny hoe famonjena ihany koa dia asehon’ny hoe voavotra tamin’ny trosa nangeja. Voaloa ny trosa nefa mbola manana amby ampy hanohizana ny fiainana ihany koa. Manaporofo izany ny tantaran’ilay vehivavy mananon-tena nanan’olo-trosa nefa voavonjy tamin’ilay menaka sisa teo an-tanany, tamin’ny andron’i Elisa IIMpa.4:1-7.
Ny famonjen’Andriamanitra dia miseho amin’ny fomba mahagaga tsy takatry ny saina maha olona nefa mahasoa ny fiainany ankehitriny sy amin’ny hoavy.
Raha amin’ny ady indray, dia ny famoahana ho mpandresy manoloana ny fahavalony no isehoan’ny famonjena ataon’Andriamanitra ho an’ny olony.
Eto amin’izao perikopa izao dia hita avokoa ireo famonjena ireo, fa tafavoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika ny olony (Sal.66 : 12):
a- Asandrany izay matoky Azy.
b- Levoniny ny fahavalony.
Ao amin’ny andininy telo voalohany dia efa hita izany amin’ity vavaka nataon’i Hana ity. Vehivavy tsy nanan’anaka izy no nitondra vohoka ilay mpaminany lehibe sady voalohany teo amin’ny Israely. Izy rahateo no mpitsara farany, dia niditra amin’ny fitondran’andriana sy fitondra-mpanjaka.
Ny famonjen’Andriamanitra dia tsy mijanona eo amin’ny vahaolana fotsiny, fa mitohy ho amin’ny fandresena mihitsy. Ataon’Andriamanitra amin’ny olony izany toy izay nitranga tany Egypta. Tafita sady nandresy ary tafiditra soa aman-tsara ny tany Kanana izy ireo.
Toy izany no nahatonga an’i Paoly
mifaly ao amin’ny Tompo, araka ny Fil.4:1-9 satria ny sarotra rehetra nolalovany tamin’ny fanatanterahana ny asan’ny Tompo dia tafavoakany avokoa.
Noho izany, aoka isika hifaly amin’ny famonjen’Andriamanitra tahaka an’i Hana, Elizabeta, Maria renin’ny Tompo, ary ny Apostoly Paoly, fa sady tafita isika no mpandresy satria ny herin’ny Tsitoha no momba antsika amin’ny zavatra rehetra.
Hafatra
Mifalia mandrakariva fa fanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika izany. Matokia Azy. Ankino Aminy ny fiainanao manontolo fa Izy no momba anao, fa sady mihaino vavaka ny Tompo no mamonjy ny olony ho tafita sy ho mpandresy hatrany. Tsy amin’ny andro krismasy sy taom-baovao toy izao ihany fa amin’ny fiainana manontolo mihitsy.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.
Raharijaona Solofonirina Mpitandrina
0123Tantara
Ny hiram-pivavahana sy ny fivoarany “Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo” 1Korintiana 15: 58
Raha narahintsika tsara ny tantaram-piangonana nisesisesy hatramin’izao, dia tsy ny fivoaran’ny hira ihany no tsikaritra fa ny fampivoarany indrindra koa.
Noresahana im-betsaka talohan’izao ny toe-po sy ny toe-tsaina ary ny toe-panahin’ny olona, indrindra fa isika lasa kristiana, dia isaorana an’Andriamanitra fa nanana anjara tamin’izany tokoa ny hira.
Toriteny feno manko ny hiram-pivavahana, indrindra ireo hira hita ao amin’ny fihirana FFPM, ary tahaka izany rahateo ny hira rehetra ao amin’ny Fihirana Fifohazana sy ny Fihirana Vokovoko Manga.
Raha zohina sy fakafakaina ny niandohan’ireny hira rehetra ireny, indrindra fa ny mpamorona tonon-kira dia ho tsapantsika fa nanao ezaka izy hampita ny asa sy hafatr’Andriamanitra ho amin’ny olona, hampivoatra azy, ary ny feon-kira amin’izany dia manampy fotsiny hampamelovelo ao am-pon’ny olona ny hafatr’Andriamanitra ho fampivoarana azy.
Hevero kely izao tantara mahafinaritra izao: raha vao nahazo ny Fihirana Fifohazana ity lehilahy kristiana izay dia nahavatra namaky ny tononkira rehetra tao anatiny fa tsy mbola nahay feon-kira akory. Dia nasesiny tsotra izao ny famakiana ny fihirana ary amin’ny maha tononkira azy dia azo novakiana milamina tsara izany ary misy maro amin’izy ireny no nijanonany ela ka nataony tsianjery aza taty aoriana. Hafa dia hafa ny toe-tsain’ilay lehilahy fa nisy toe-po sy toe-panahy ary toe-tsaina niova tao anatiny vokatry ny famakiany nisesisesy ny fihirana manontolo. Tsy fantatra loatra na tamin’ny laharan-kira fahafiry na tamin’ny tononkira fahafiry izy no nanomboka nanam-pivoarana tao anatiny fa tena resy lahatra izy taty aoriana noho ny AINGAM-PANAHY nananan’ireo mpanoratra ny tononkira, satria, ny tena, fo, fanahy dia niara-nivoatra avokoa ary nahazoany nijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy izany.
Tsy ampy ary tsy feno ny fivoaran’izany lehilahy izany raha ny tononkira rano fotsiny no nakafiziny fa tokony ho hainy koa ny feon-kira.
Koa raha nijoro ho vavolombelona io kristiana io dia nilaza fa tafajanona ela teo amin’ireo laharan-kira “FIANTSOANA FIBEBAHANA”, izany hoe manomboka eo amin’ny laharan-kira faha-90 ka hatramin’ny faha 120.
Teo izy no nanomboka nanontany tena, ka nandinika fatratra ny momba azy manontolo ka naka ny toeran’ny mpanao tononkalo sady nandinika fatratra izay misy azy sy izay heveriny ho fiafarany.
Nozahany tany amin’ny filazalazana any amin’ny faran’ny boky fihirana izay anaran’ny olona nanoratra ny tononkira fa tsy hitany satria mba tiany ho fantatra.
Dia nasesiny sy novakiany matetika avokoa ireo hira miisa 30 ao amin’ny “FIANTSOANA FIBEBAHANA”
Raha heverina araka izany fijoroan’ny olona ho vavolombelona izany ny fampivoaran’ny hira eo amin’ny fiainana dia mbola mandringa na mandeha ila ihany satria tsy ny tononkira ihany no maha-hira ny hira fa ny feon-kira indrindra koa.
Koa raha arindra tsara ny fomba fiasa mba hahombiazana dia tsy maintsy mibahana eo amin’ny fiainana rehetra sy ny fiainana manontolo ny fianaran-kira ka sady iainana ny tononkira no ivelomana koa ny feony.
Hira feo izany no mampivoatra ary mitovy na tsy tena sahala amin’izany koa aza ny toriteny satria ny toriteny (ao ihany ny toriteny vita an-tsoratra) mandrakariva dia RE, indrindra raha tena mifantoka tsara amin’ny fihainoana azy. Fa ny hira kosa raha voarakitra ao anatin’ny boky fihirana izy ary misy ny fotoana ianarana ny feon-kira dia ho tena ARA-BAKITENY ny fampivoarana azo avy aminy, ka ny olona rehetra sy ny olona manontolo mihitsy no mivoatra ary TO sy TANTERAKA amin’izay fotoana izay ny fampivoaran’ny hira eo amin’ny fiainan’ny olona.
Betsaka ny hiram-pivavahana manana ny tantarany manokana ary mahafinaritra na dia amin’ny alalan’ny tadidy vava ihany aza no fampitana izany ho amin’ny taranaka mandimby, nefa dia tena isaorana an’Andriamanitra ny fahombiazan’ny tantara eo amin’ny fiainan’ny olona maro na ny tantaran’ilay hira no fantatra na ny tantaran’ny mpanoratra no re.
0123Mahatoky
Mpahary izao rehetra izao ny Tompo Tsianjery : “Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza” Jaona 1:3
Fanontaniana mipetraka amintsika olombelona mazana ny manontany tena na manontany ny manodidina hoe iza tokoa moa no nahary izao zavatra àry rehetra izao. Satria dia maro ny zavatra hita na tsapa izay mampametra-panontaniana toy izany. Koa raha tsy manana an’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kritsy Zanaka ilay ivavahana isika ary koa tsy mamaky Baiboly dia toa ho saro-baliana izany.
* Andriamanitra namorona izao rehetra izao:
Ny olona izay tsy mitoky afa-tsy amin’ny tenany dia tsy hino izany fahariana nataon’Andriamanitra izany, kanefa efa mazava ny voasoratra ao amin’ny Baiboly hatrany am-boalohany fa Izy no namorona izao rehetra izao (Gen. 2:4) ary ny ankamaroan’ireo boky ao amin’ny Soratra Masina (Isa. 65:17-18 ; Jao. 1:3-4).
Eny, na ny zavatra rehetra tsy takatry ny saina aza dia Izy Andriamanitra no nampisy azy. Ny lanitra izay tsy azontsika olombelona takarina ary dia Izy no nahavoatra azy (Sal. 33:6; Isa. 65:17)
* I Jesoa Kristy Ilay Andriamanitra hita maso:
Sarotra ho antsika olombelona anefa ny hino ny zavatra tsy hita maso. Hain’Andriamanitra loatra izany ; koa nalefany ho antsika i Jesoa Kristy Ilay manana ny endrik’Izy Andriamanitra (Kol. 1:15) mba hahitantsika olombelona fa sady Zanak’Andriamanitra Izy no Andriamanitra (Jao. 17:21). Koa satria sitraky ny Ray no hitoeran’ny fahafenoana rehetra ao Aminy (Kol. 1:19) dia nomena fahefana Izy hanatanteraka zava-mahagaga maro mba
hinoantsika fa Izy tokoa Ilay Zanak’Andriamanitra Mpahary sy mahay manao ny zavatra rehetra. (Lio. 17:14-15 ; Mat. 14:19-21).
* Andriamanitra marina amin’ny rehetra:
Noho Izy namorona izao zavatra hita ary rehetra izao, dia tiany ho marina sy tanteraka toa Azy koa ireo zavatra noforoniny rehetra (Sal. 33:5 ; Isa. 45:13). Ary tsy voafehin’ny fotoana sy ny elanelan-tany izany (Sal. 33:11). Tsy araka ny eritreretintsika hoe izay akaiky Azy ihany fa na ireo milaza azy ho lavitra an’Andriamanitra aza dia avy aminy avokoa (Rom. 9:24-25).
Tsy mba nofihinin’i Jesoa Kristy ho azy irery izany fahamarinan’Andriamanitra izany, fa izany indrindra no nitarihany ny mpianany sy ireo mpanara-dia Azy rehetra hitoky Aminy (Jao. 17:21) ; mba hananantsika ihany koa ilay fahazavan’Andriamanitra mandrakizay (Apo. 22:5)
* Andriamanitra omem-boninahitra:
Mampitandrina antsika anefa ny Tompo fa ho ravany sy ho levoniny ireo misandoka ny anarany masina sy milaza azy ho andriamani-tsy izy (Jer. 10:11) ary koa ireo izay mandika ny didiny sy tsy manaiky hanaraka ny teniny (Gen. 2:17). Koa andeha homem-boninahitra Ilay Andriamanitra Ray Mpahary izao rehetra izao
(Apo. 4: 11) sy i Jesoa Kritsy Tompontsika ilay itoeran’ny fahafenoana rehetra ary tonga namonjy antsika (Lio. 17:18) mba hisitrahantsika ilay fiainana ao amin’ny fahazavana mandrakizay. (Jao. 1:4) Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Ny Vaomiera Aim-Panahy
Alahady 01 Janoary 2023
ALAHADY 01 JANOARY 2023 « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo » Andro voalohany amin’ny taona Alahadin’ny Epifania
“ Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika ” Jaona 1 : 14
Niditra tamin’ny 8 ora sy sasany maraina ny Fiangonana. Niavaka ny andro voalohany amin’ny taona fa nisy fandraisana ny Fanasan’ny Tompo, ny fotoana natokana ho an’ny raiamandreny am-panahy amperinasa sy Ramatoa Ramino Vololona noho ny nahatratrana ny taona vaovao ary ny niarahabana ireo Zokiolona sy ireo izay nankalaza ny tsingerinandro nahaterahany tamin’ny volana desambra.
Niisa 555 ireo nanatrika ny fotoam-bavaka ny alahady 01 janoary 2023 teto amin’ny Fitandremana.
Ramatoa Raharijaona Bodo no nitarika ny fotoana, nanaraka ny litorjia endriny faharoa.
Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Biraom-piangonana kosa no nifarimbona tamin’ny andraikitra ankoatra ireo.



FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA
Taorian’ny feon-javamaneno fidirana dia nalefa ny hira fanevan’ny jobily fisotroan-drononon’ny Mpitandrina mivady.
Nisy ny teny fampidirana ary natao ny fiarahabana apostolika.
Novakian’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny andinin-tSoratra Masina fiderana ao amin’ny SALAMO 71 : 5 – 8. Noredonina ny hira FFPM 746 : 1,2,3 « Mifalia, ry sakaiza » ary nataon’ny mpitarika ny vavaka fisaorana sy fifonana izay narahina feon-javamaneno sy vavaka mangina.




JERY TODIKA
Razafimaharo Maminirina no namintina ny asa vita nandritra ny taona 2022.
Rakotomanana Andrimbazotiana nilaza momba ny taona 2023 : niova ny vina sy ny tondrozotra.
Ranaivoson Jacky no namarana izany tamin’ny vavaka.
32 no natao batisa teto amin’ny Fitandreman’ Amparibe ; 11 no nanamasina ny fanambadiany teo ambony vatolampin’ny Tenin’Andriamanitra ary 35 no notokanana ka lasa Mpandray ny Sakramentan’ny Fanasan’ny Tompo.
Rehefa izay dia nitohy ny fotoana. Nohiraina ny FFPM 241 : 1,2,3 « Ry Jesoa ô ! midìna ».



FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY TANORA
Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny kilasy faha 4 Andrianifahanana Hantarisoa no nitarika izany.
Ny tantara fohy nakana ny lesona androany dia tovovavy nisy nanontany rehefa avy niasa harivariva hoe ahoana no afahany mamofona ranomanitra lafo vidy. Manaraka azy ny fofon-dranomanitra noho izy miasa amina toerana fanamboarana izany.
Inona no tianao hataon’ny Tompo aminao? Hiadana ve, sa ho sambatra sa hifaly sa hahay? Raha tiantsika ho hita taratra eny amintsika ny voninahitr’Andriamanitra dia mila mifankazatra Aminy isika hahitantsika ny hasoavany.
Ny andinin-tSoratra Masina mifandray amin’izay tantara izay dia ao amin’ny Joba 22 : 21 hoe : “ Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao dia hiadana ».
Nohirain’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady teo am-pitsanganana ny FF 14 : 3 “ Jesoa apetraka Aminao ” dia natao ny vavaka.




FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina dia notontosain’Andriamasinoro Tantely raha Ralaindimby Haja no namaky misesy ny perikopa araka ny Genesisy 2 : 4-17 ; Jaona 1 :1-5 ; Kolosiana 1 : 15-20. Natao ny hira FFPM 243 : 1,2,3 « Mivory eto izahay » mialoha ny toriteny.
TORITENY (fintina)
Ny Jaona 1 : 1-15 no andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra. Ny votoatin’izany dia fanehoana ny maha Mpahary an’i Jesoa, hoe tena Andriamanitra Izy.
Momba ny asa fahariana dia tsy ampy raha Genesisy ihany no resahina.
I Jaona dia manana fomba fanoratra miavaka raha hoharina amin’ny Filazantsara telo ambiny (izay mitovy fitantara ny amin’ny nahaterahan’ny Mpamonjy), noho izy zanaka mpisorona afaka nianatra tamina sekoly ambony tao Aleksandria. “ Apologétique ” no ilazana ny Filazantsara nosoratany. Ny fitarihany dia miainga amin’ny tsy mbola nisy na inona na inona, manambara ny fiainana sy famonjena, ary indrindra fiarovana satria maro ny fampianaran-diso nisy tamin’izany, notadiavin’ny olona nofoanana ny fivavahana kristiana.
Mizara roa ny hafatra : ny voalohany momba ny toetry ny Teny, raha izay nataon’ny Teny no ao amin’ny fizarana faharoa.
- Ny toetra sy fomban’ Andriamanitra (and.1-2)
Ny eo amin’ny andininy faha 14 hoe : “ ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika ” dia manamafy ny voalaza ao amin’ny Isaia 7 : 14 sy Matio 1 : 23 hoe amintsika sy miara-monina amintsika Andriamanitra, fanehoana fa Andriamanitra Mpahary i Jesoa. Misy fomba telo izany:
- Raha misy Andriamanitra dia miara-misy Aminy ny Teny, tao amin’ Andriamanitra hatramin’ny voalohany ny Teny ;
- Ny Teny dia Andriamanitra : ataovy mazava ny fanambaràna, ifikiro izay efa nahazoanao famonjena, aza avela havilin’ny hafa ny finoantsika ;
- Mivoaka mivantana avy ao amin’ Andriamanitra ny Teny : “ Misia mazava… dia nisy ny mazava ”.
Andriamanitra dia Ray, Zanaka, Fanahy. Ny fananantsika finoana, ny fahalalana ireo toetra ireo dia milaza fa azo antoka ny famonjena antsika. Ampy ho antsika Jesoa. Tsy maintsy tanteraka izay Teny rehetra nomeny antsika. Mazava ny Fitiavan’ Andriamanitra. Amin’izao fiandohan’ny taona izao, hevero ny hahasoa ny fiainanao eo anatrehan’izany fanomezan-tsarobidy izany : diniho ny fiainanao, apetraho Aminy izany mba hahitsy.




- Izay nataon’ny Teny (and. 3-5)
Ny Genesisy 1 : 1-5 dia miresaka ny naharian’ Andriamanitra ny tany sy lanitra sy izay rehetra ao aminy ary ny Hebreo 11 : 3 hoe : “ finoana no nahafantarantsika fa ny Tenin’ Andriamanitra no nahariana izao rehetra izao ”. Tsy nisy dikany izao rehetra izao raha tsy nisy fiainana (tena, saina, fanahy). Tonga lafatra ny fifaliana rehefa milamina ny aina. Rehefa miaraka Aminy dia manana ny mazava (Jaona 14 : 6). Ny Fanahy Masina, izay mampahafantatra antsika ny zavatra rehetra, no hahazoana antoka hoe amintsika Andriamanitra.
Raha tsapantsika fa Mpahary ny zavatra rehetra Izy dia efa ao anatintsika ny toetra amam-pombany. Angataho Aminy izay rehetra irianao fa homeny anao izany raha toa ka mino ianao. Ilaintsika izany hamakivakiantsika ny taona.
Ho an’ Andriamanitra irery ny voninahitra ! Amen.
Nisy ny feon-javamaneno fohy.
Rehefa izay dia nanatontosa ny vavaka setrin’ny Tenin’ Andriamanitra Razafindrabe John Bam, izay narahin’ny fanononana ny Fanekem-pinoana apostolika (Lah. I) natao teo am-pitsanganana.
Nisy ny feon-javamaneno fohy.




RAHARAHAM-PIANGONANA
Vina 2023 : Amparibe Famonjena mazoto manao asa fanompoana tsara, mitombo finoana hatrany, miaina amin’ny fifankatiavana
Razafimaharo Maminirina no namaky ny vaovao, natombony tamin’ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Kolosiana 6 : 7 izany.
Toy izao ny santionan’ny asa tsara hofantarina, izay hotanterahin’ny Fiangonana sy hoentiny amim-bavaka :
Asa ivelany
Alahady 15 janoary 2023 amin’ny 9 ora sy sasany maraina eny amin’ny Coliseum Antsonjombe : fitondrana amim-bavaka ny taom-piasana 2023 sy fiarahabana ny Filohan’ny FJKM. Hikatona avokoa ny trano fiangonana eto Antananarivo Renivohitra sy ny Manodidina (ARM).
Asa anatiny
- Sabotsy 07 janoary 2023 amin’ny 9 ora maraina eto Amparibe Famonjena : fotoam-bavaka noho ny faha 65 taonan’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina ;
- Alahady 08 janoary 2023 : fitondrana amim-bavaka ny mpanao raharahan’ny Fiangonana ;
- Alahady 22 janoary 2023 : fizarana valisoa ho an’ireo afaka fanadinam-panjakana ;
- Alahady 29 janoary 2023 : mariazy miara-mizotra karakarain’ny komitin’ny fisotroan-drononon’ny Mpitandrina mivady. Efa nifarana omaly alahady ny fisoratana anarana. Ny 26 janoary 2023 no dinika voalohany.
Nandray fitenenana ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina niarahaba, nisaotra, nampahery sy nirary soa ny nanana anjara sy ny Fiangonana ary nanamafy ny efa voalazan’ny Biraom-Piangonana momba ny fankalazana tsingerinandro nahaterahana amin’ny sabotsy, ny vina sy ny tondrozotra 2023.
Nitohy ny fotoana.








FIFAMPIARAHABANA NOHO NY TAOM-BAOVAO 2023
Mifampiarahaba ny Fiangonana rehefa fety : eo am-pitsanganana manonona andinin-tSoratra Masina sy ny anaran’ny eo akaiky ka ny Deoteronomia 11 : 12b no nifampirariana soa, hoe : « Ny mason’i Jehovah Andriamanitra hitsinjo anao mandrakariva hatramin’ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny fiafarany. ”
FANKALAZANA FITSINGERENAN’ANDRO NAHATERAHANA DESAMBRA
Natsangana ireo teraka volana desambra, narahabaina sy norariana soa. Ny Teny nomena azy ireo dia hoe : « Dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao ; fa Ianao Jehovah Tompo ô ! efa niteny izany, eny aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay. » Samoela faharoa 7 : 29. Nisy vavaka. Nanao fanatitra teo amin’ny alitara izy ireo. Nitohy avy hatrany tamin’ny fanatitra ny fotoana.
FANATI-PISAORANA
Ranaivoson Jacky no namaky ny voady.
Toy izao manaraka izao ny hetahetan’ny mpianakavin’ny finoana nentina teo anivon’ny Fiangonana : misaotra an’ Andriamanitra fa mahatsapa ho nahazo fahasoavana ; nahatratra ny tsingerinandro nahaterahany ; ny tsingerinandro nanambadiany. Ao koa ireo nangata-bavaka ho an’ny asa sy ny fianarana ; ny fiainan’ny mpivady kristiana.
Ny hira nangatahin’ ireo mpianakavin’ny finoana ireo dia nohirain’ny Fiangonana nandritra ny fanantazana ny rakitra. Ireto avy izany : FF 26 : 3 “ Jesosy reharehako” ; FFPM 488 : 3 “ Na inona na inona hitranga ” ; FFPM 403 : 1 “ Ry Jesoa Tompo tsara ô! » ; .FF 53 : 1 “ Havaoziko ilay voady ” ; FF 9 : 1 “ Isaorana anie Jehovah ”.
Ny hira vavaka FFPM 275 : 1 “ Raisonao, ry Tompo soa ” no notanterahina teo am-pitsanganana ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanolorantena.
Nisy feon-javamaneno fohy. Nanao ny Antema 18 « Saotra, dera » ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena. Asa vavolombelona no nanohizana ny fotoana.




ASA VAVOLOMBELONA
Nizara roa ny asa vavolombelona : ny voalohany fiarahabana ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina mivady sy Ramatoa Ramino Vololona noho ny taona vaovao 2023. Ny faharoa dia fiarahabana ireo Zokiolona mihoatra ny 70 taona.
Fiarahabana ny raiamandreny am-panahy
Nijoro teo amin’ny alitara ny Mpitandrina mivady sy Ramatoa Ramino natrehin’ny solontenan’ny rafitra. Ny Biraom-Piangonana no nandray fitenenana niarahaba, nirary soa, nivavaka. Natolotra azy ireo ny valopy. Ramatoa Bodo no nisaotra ny Fiangonana. Ny Mpitandrina, Ramatoa vadiny, ny zanany Nirina, Valiha sy Nantenaina niara-nihira ny « Fantatrao ny amiko ».
Fiarahabana Zokiolona: Notononina tsirairay ny anaran’ny Zokiolona ary nitsangana teny amin’ny toerana avy ihany izay voatonona, notolorana valopy. 94 taona no lehibe indrindra. Nentina amim-bavaka izy ireo. Nohirainy teo am-pitsanganana ny FF 34 : 1 « Tompo malala ô ! ».
Vavaka fangataham-pitahiana no nanaraka izany izay nofaranana tamin’ny « Rainay izany any an-danitra ».








FAMARANANA NY FOTOANA
Nohiraina ny FF 1 : 1 « Mitsangàna ianao, ry mino ». Notononina ny tondrozotra vaovao 2023 hoe : « Raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy… Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’ny olona ” ao amin’ny Petera voalohany 4 : 11b ; Kolosiana 3 : 23 ; izay nofaran’ny Mpitandrina tamin’ny hoe : « Ianareo no voninahitray sy fifalianay » (Tesaloniana voalohany 2 : 20).
Natolotra ny tsodrano dia noredonina ny hira vavaka FFPM 731 : 1 « Enga anie ka homba anao Jesoa ». Nisy vavaka mangina; notononina ny Trinite masina ary nofaranana tamin;ny feon-javamaneno.
Nifarana tamin’ny 11 ora sy 37 minitra ny fotoam-bavaka ho an’ny rehetra dia mbola nisy fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.




FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
Ho fanomanam-panahy nandritra ny fanesoran’ny Mpitandrina ny lamba nanarona ny mofo sy kapoaka dia nataon’ny Fiangonana ny hira FFPM 742 : 1,3 “ Zanahary no mahela ”. Fanatrehana sy fanehoana no nialoha ny famakiana Soratra Masina. Nisy vavaka izay narahin’ny hira A1 « Masina, masina, masina ». Rehefa izay, natao ny Teny fanorenana sy vavaka fahatsiarovana. Nohiraina ny FFPM 262 : 1 “ Indreto izahay, ry Jesoa ô ” dia nivavaka nangataka ny Fanahy Masina ny Mpitandrina : nanandratra ny kapoaka sy namaky ny mofo. Niarahan’ny Mpandray nanonona ny Vavaka fanetrentena. Natolotra ny Diakona tompon’anjara tsirairay ny mofo sy ny kapoaka. Nandritra izany no nanaovana misesy ny HF 39 “ Tompo ô izay mahita ” ; FFPM 107 : 1,2,3 “ Maniry mafy aho ” ; FFPM 254 : 1,2,3 “ Avia, ry mangetaheta ô ”. Nony voazara ny mofo sy kapoakan’ny Fiangonana dia ny Diakona indray ny notoloran’ny Mpitandrina izany. Rehefa samy vonona ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo dia nitsangana ka niara-nihinana ny mofo sy nisotro ny kapoaka. Taorian’ny fahanginana fohy dia ny ampahan-kira FFPM 469 « Mamy, ry Jesoa ny Fitiavanao » no natao ary nisy vavaka fisaorana. Nanangona ny kapoaka ny Diakona sy nananty ny fanatitra, nandritra ny fanatanterahan’ny Fiangonana ny hira FFPM 753 “ Tiako ny miaraka Aminao Jesoa ”. Hafatra avy amin’ny Soratra Masina dia hoe : « “Kristy no fampihavanana, na ny ety ambonin’ny tany na ny any an-danitra ” Kolosiana : 1 : 20. Natolotra ny Tsodrano, ny hira farany dia FFPM 734 : 1,3 “ Zanahary ô! Tahio ny tanindrazanay ”. Natao ny vavaka mangina ary notononina ny Trinite masina.
Nirava ny Fiangonana tamin’ny 12 ora sy 15 minitra tao anaty feon-javamaneno.




NY TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rabiazamaholy Mahery sy ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno
Fafana : Rabako Tovohery
Nikirakira fanamafisam-peo : Randriamahefa Tina
Naka sary : Ramiadamanana Lovatiana
Nandray an-tsoratra : Ralaiarimanana Narindra