ALAHADY 25 DESAMBRA 2022 « TANO MAFY NY FINOANA » ALAHADYKRISMASY
« Ary mifalia amin’ny soa rehetra izay nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao ianao sy ny Levita mbamin’ny vahiny eo aminao. » Deotoronomia 26:11
Alahady fahatsiarovana ny nahaterahan’ny Mpamonjy sady alahady farany amin’ity taona 2022 ity. Ramatoa Raharijaona Bodoharisoa no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitondra ny hafatra. Ny Litorjia amin’ny endriny voalohany no nentina nanatontosa ny fanompoam-pivavahana ary taorian’izany dia nisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
FANOMBOHANA NY FOTOANA
Taorian’ny feon-javamaneno, nanao ny Fiarahabana apostolika ny mpitarika sy nanolotra ny Teny fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra. Niara-nanandratra Ilay Tsitoha ny mpianakavin’ny finoana, tamin’ny fihirana teo am-pitsanganana ny FFPM 67: 1- 2 – 3 – 4 « Avia ry mino ».
VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA
Nisaorana ny Tompo noho ny fitantanany, noho ny fahatontosan’ny Herinandro Sambatra. Nentina amim-bavaka ny fanompoam-pivavahana Krismasy sy ny faran’ny taona. Nangatahina ny Tompo mba hitondra fifaliana ny fisitrahana ny Fanjakany. Nangatahina ny fanatrehan’Andriamanitra ny fotoana ary natolotra Azy ny dera, laza ary ny voninahitra.
FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA
« Izaho no Alfa sy Omega, ilay Ankehitriny sy taloha ary ho avy; Ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; Ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana. »
Rehefa voaray ny sitrapon’Andriamanitra dia nohiraina ny FFPM 68 : 1-2 « Re tokoa ny feon’ny anjely. ».
Noho ny fahatsapana ny tsy fahatanterahana manoloana ny sitrapon’Andriamanitra dia niarahana nanao ny Vavaka fifonana. Tokony helohina isika ka nifona sy nibebaka mba ho voadio, ka afaka manana anjara amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Nohiraina avy eo ny FFPM 64 : 3 « Injany hiran-danitra »
Teo am-pitsanganana no nanolorana ny Teny famelankeloka.
« Izaho no Mpiandry tsara » « Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana » « Mifalia fa voavelan’ny Tompo ny helokareo ka midera Azy ».
Ho fiderana ny Tompo dia nohiraina ny FFPM 77 : 1-3 « Tonga indray re ny Noely »
Ho fanehoana sy fanambarana ny finoana dia niarahana nanonona ny Fanekem-pinoana laharana voalohany.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Razafindrasata Lalaina, Mpampianatra K1, no tompon’anjara. « Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra ; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’ i Davida rainy » Lioka 1 :32. Izany no Teny natolotra ny zanaky ny Fiangonana. Teny nambaran’ny Anjely an’i Maria renin’i Jesoa io. Io Teny io no nentina nanambara fa hitoe-jaza Maria ka hiteraka an’i Jesoa.
Jesoa dia Mpanjaka lehibe ary tsy manam-pahataperana ny fanjakany. Na dia Mpanjaka lehibe sy Zanak’Andriamanitra aza Izy dia nanetry tena nidina tety an-tany mba hamonjy ny zanak’olombelona. Araka izany dia mendrika Azy ny dera sy laza ary voninahitra amin’ny fo sy saina ary ny fanahy.
Manaraka izany dia nanentana ny tompon’anjara mba hanotrona ny fety Krismasy karakarain’ny Sampana Sekoly Alahady.
Taorian’ny hafatra fohy dia nanao vavaka miendrika tsianjery ny mpitarika ho fisaorana, fiderana sy fanomezana haja ary voninahitra ho an’i Jesoa Kristy.
Rehefa nahazo ny anjarany ny ankizy sy tanora dia nanao ny anjara hirany ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena.
RAHARAHAN’NY FIANGONANA
« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo »
-Nampahafantarina fa ho tanterahina, eny amin’ny Coliseum, Antsonjombe, ny 15 janoary 2023 ny fanompoam-pivavahana hitondrana amim-bavaka ny taom-piasana 2023.
-Ho tanterahina eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena ny 8 janoary amin’ny 2 ora hariva ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny anglisy karakarain’ny Departemantan’ny Fiangonana.
-Hisy ny Asa sy Fampaherezana mandritra ny fanompoam-pivavahana ny zoma hariva, 30 desambra.
-Hisy fanompoam-pivavahana ny sabotsy 31 desambra amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 4 ora hariva. Izany dia handraisan’ny tarika Christophe Ratrema anjara
-Ny fanompoam-pivavahana voalohan’ny volana janoary 2023 dia miditra amin’ny 8 ora sy sasany. Hisy ny fiarahabana ny Mpitandrina mivady sy Ramatoa Ramino Vololona amin’io fotoana io ary, araka ny mahazatra, dia hoarahabaina ihany koa ireo zokiolona 70 taona no miakatra.
-Ny Fety Krismasy tontosain’ny Sekoly Alahady dia tanterahina anio hariva amin’ny 3 ora sy sasany, handraisan’ny mpianatra sekoly alahady sy mpianatra tranainy ary ho avy ao ihany koa i Bodo Mpihira.
Fandraisam-pitenenan’ny Mpitandrina
Nanamafy ny fanentanana ho amin’ny Mariazy miara-mizotra izy. Nambarany tamin’io fa ny alahady ho avy izao no fara-fisoratana anarana ho amin’izany.
Ho fifampiarahabana noho ny fankalazana ny nahaterahan’ny Mpamonjy dia ny Deoteronomia 26 : 11 no nentina nifampirariana soa ka samy manao hoe « Ho feno fifaliana anie ianao… » amin’ny manodidina azy ny tsirairay
RAKITRA SY FANOMEZANA
Novakiana ireo voady sy raki-pisaorana voaray.
Nisy ny nahazo valim-bavaka ka nijoro vavolombelona, tao ny afaka fanadinana sy nahazo diplaoma, tao ihany koa ny nahazo tombon’andro sy naharitra tamin’ny tokantrano ;
Ao kosa ireo mangata-bavaka ho an’ny asa, tokantrano, fahasalamana, fianarana, fanorenana trano.
Maro ny nangataka hira koa nanana anjara hira telo ny Hasin’ny Famonjena, ny RFF kosa dia nanao anjara hira anankiroa ; ary nandritra ny fanantazana ny rakitra dia nohiraina ny : FFPM 4 : 1 « Mamy ny fitiavanao Jehovah tomponay ; FF 34 : 1 « Tompo malala ô » ; FF 14 : 3 « Jesoa apetraka Aminao » ; FFPM 460 : 3 « Ario ny tahotrao » ; FF 48 : 2 Andriamanitra fitiavana Ianao »
Teo am-panolorana ny rakitra dia nohiraina ny FFPM 75 :3 « Andro Malaza ».
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Nohiraina ny FFPM 71 : 1-4 « Mihainoa, mihainoa. » ary natao ny vavaka mialoha ny vakiteny araka ny Perikopa voalahatra :
Testamenta Taloha : Isaia 9 : 1-6 ; Filazantsara : Lioka 1 : 26-33 ; Epistily : Apokalypsy 12 : 1- 6.
Ny mpitarika, Ramatoa Raharijaona Bodoharisoa no nitondra amim-bavaka ny Vakiteny sy namaky ny Teny.
Ny FFPM 62 : 1-5 « He teraka any Betlehema » no nohiraina mialoha ny toriteny.
TORITENY
Manambara ny fanjakan’Andriamanitra tsy manam-pahataperana ny bokin’i Isaia novakiana tamintsika teo. Taonjato maro nialoha ny fahatongavan’ny Mpamonjy no efa naminany ny hiavian’i Jesoa ny Mpaminany Isaia.
Jesoa no mpanjaka amin’ny fanjakan’ny lanitra izay tsy manam-pahataperana. Izany fanjakana izany dia anjakan’ny rariny sy ny hitsiny. Amin’ny fankalazana ny Krismasy dia tsy ny daty no ankalazaintsika fa ny fahatsiarovana ny fahatongavan’ilay Mpanjaka lehibe nonina tamintsika.
Fanjakana mandrakizay ny fanjakan’ny Mesia ary tsy maintsy tanteraka izany.
Ny Fanjakan’ny Mesia dia efa voaporofo tamin’ny faminanian’ny Mpaminany Isaia. Imanoela no anaran’izany Mpanjaka izany. Raha nampijalian’ny Mediana ny zanak’Isiraely dia nampanantenain’Andriamanitra fanjakana hanjakan’ny rariny sy ny hitsiny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Isaia. Efa tanteraka izany fanjakan’ny Mesia izany satria voalaza fa raha ny Fanahin’Andriamanitra no amoahana ny demonia dia efa tonga ny fanjakan’ny lanitra. Jesoa sy ny mpanara-dia Azy no efa namoaka ny demonia. Ny Tompo dia nanasitrana olona maro ary nahavoky vahoaka maro. Tsy misy rofy sy hanoanana ny fanjakan’ny lanitra. Amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina dia efa misantatra ny fanjakan’ny lanitra isika. Fiainam-panahy miorina amin’ny fiadanana sy fifaliana no omen’ny Tompo antsika. Ireny Maritiora izay nampijaliana sy maty novonoina ireny dia tsy nijery ny nofo fa ny fiadanan’ny Tompo no tao aminy, ka tsy nampihemotra azy na dia mafy aza ny fampahoriana azy ireo.
« Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo : Indro, ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela » Tsy maintsy tanteraka izany faminaniana izany ary efa tanteraka tamin’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy (Isaia 7 :14). Tonga Izy hanafaka antsika sy hitondra ny rofintsika. Tsy maintsy tonga ny fanjakan’Andriamanitra ary efa misantatra izany isika ankehitriny satria mitoetra aty anatintsika ny Fanahin’Andriamanitra.
Andriamanitra dia miditra amin’ny antsipirian’ny fiainantsika. Rehefa manana fahasahiranana isika dia mila mivavaka. Mamaly ny vavaka mihoatra noho izay eritreretintsika ny Tompo.
Tsy manadino ny olona manao fanekena Aminy Andriamanitra. Rehefa miverina manatona an’Andriamanitra isika dia mamela ny helotsika Izy.
Jehovah tompon’ny maro dia Andriamanitry ny tafika. Andriamanitra mahery Izy ary Izy no miady ho antsika, tahaka ny nataony tamin’ny zanak’Isiraely nifanandrina tamin’ny fahavalony.
Tia antsika Andriamanitra ka saropiaro amintsika. Sarobidy Aminy ny fanekena. Izay ambarany tsy maintsy tanteraka. Sambatra izay manana anjara amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Amin’izao Noely izao dia mifalia fa tanteraka ny fanjakan’Andriamanitra. Mifalia amin’ny fifaliana ao amin’Andriamanitra. Asehoy fa teraka ho anao ny Mpamonjy. Avaozy ny finoanao sy ny fanantenanao, fa manana anjara amin’ny fanjakan’ny lanitra ianao.
Taorian’ny vavaka mangina sy feon’orga dia nanao ny anjara hirany ny RFF : « Joy joy God’s great joy ».
VAVAKA FANGATAHANA
Nisaorana Andriamanitra noho ny fitiavany. Ka nanomezany ny fanjakan’ny lanitra tsy manam-pahataperana. Nangatahina ny Tompo mba hahatsapa ny tsirairay fa tsy mivadika amin’ny Teniny ny Tompo. Nentina tamim-bavaka ireo nanao raki-pisaorana sy voady masina.
Nentina tamim-bavaka ny hetsika karakarain’ny Sekoly Alahady sy ny AFF. Nentina tamim-bavaka ny sahirana, ny tsy salama, ny mana-manjo, …Nofaranana tamin’ny Vavaka nampianarin’ny Tompo ny vavaka.
ASA VAVOLOMBELONA
Notsarovana ireo mpianakavin’ny finoana nodimandry ny taona 2022
FAMARANANA NY FOTOANA
Nohiraina ny FFPM 73 « Indro zazakely », Novakiana ny Tondrozotra, izay amin’ity no hanononana azy farany: “Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala” (Rom. 12:10; Kol.3:12b). “Samia misikina fanetren-tena ka mifanompoa fa Andriamanitra manohitra ny miavonavona fa manome fahasoavana ny manetry tena koa” (1 Pet. 5:5b).
Natolotry ny Mpitandrina ny Tsodrano.
Nohiraina ny FFPM 79 « Sambasamba Zanahary »,
Nipetraka ny Fiangonana nivavaka mangina ary notononina ny Trinite masina :
« Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ». Amen.
FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nanatanteraka ny fotoana.
Teo am-piomanana dia nohirain’ny Mpandray ny FFPM 70 : 1 « Iza moa io zazakely ». Nivavaka ary narahin’ny hira Antema 1 « Masina, Masina, Masina ».
Rehefa izay, natao ny Teny fanorenana sy vavaka fahatsiarovana. Nohiraina ny FFPM 63 : 1, 2 « Tany finaritra » dia nivavaka nangataka ny Fanahy Masina ny Mpitandrina, nanandratra ny kapoaka sy namaky ny mofo. Niarahan’ny Mpandray nanonona ny vavaka Fanetrentena.
Tao anatin’ny fizarana ny mofo sy ny kapoaka no nanaovana misesy ny hira FFPM 76 « Midera anio ry mino », FFPM 81 « Tao an-tsahan’i Betlehema »
Nanangona ny kapoaka ny Diakona sy nananty ny rakitra. Nandritra izany dia natao ny hira FFPM 98 « Indro Jesosy jereo ».
FAMARANANA
Nanome ny hafatra fohy ny Mpitandrina :
« An’i Jesoa ny tany sy izay rehetra eo aminy. Ny fanjakan’ny Tompontsika dia tsy manam-pahataperana. »
Nohiraina teo am-piravana ny FFPM 74 « Tany Betlehema fahiny ».
Nifarana tao anaty feon-javamaneno ny fanompoam-pivavahana.
IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Ranaivoson Jacky sy ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM)
Nikirakira fafana : Raoliarizaka Bakoly
Nikirakira fanamafisam-peo : Randriamahefa Tina
Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky