ALAHADY 27 NOVAMBRA 2022 « MIOMANA HANDRAY NY MPAMONJY » ALAHADY VOALOHANY AMIN’NY ADVENTO
ALAHADIN’NY ZANAKA AM-PIELEZANA
ALAHADIN’NY KPMS (KOMITIM-PIRENENA MIADY amin’ny SIDA)
ALAHADY NITOKANANA NY FANAMIAN’NY STKZO
“ Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana” Filipiana 4 : 9
Alahady mbola nanohizan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ny fandinihana ny lohahevitra fitaizam-panahy: « Miomàna handray ny Mpamonjy», nitondrana amim-bavaka ny komitim-pirenena miady amin’ny sida. Alahady natokan’ny Fitandremana ho fotoanan’ny zanaka am-pielezana ary nitokanana ny fanamiana vaovaon’ny sampana Tanora Kristiana Zokiny. Alahady niarahana tamin’ireo solotena avy amin’ny Fiangonana miara-mandroso avy eny Ambohipiara.
Ny litorjia endriny faharoa no narahina. Ny Filohan’ny Zanaka am-pielezana Rabaonarison Sahondravololona no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitondra ny hafatra.



FANKALAZANA AN’ANDRIAMANITRA
Taorian’ny feon-javamaneno, dia nanao ny Fiarahabana apostolika ny mpitarika. Niara-nanandratra Ilay Tsitoha ny mpianakavin’ny finoana, tamin’ny famakiana teo am-pitsanganana ny Salamo 9 :1-6 : « Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho. Ho faly sy ho ravoravo Aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô, Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao. Fa efa nitsara ahy Ianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin’ny seza fitsaranao Ianao ho Mpitsara marina. Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria. Ny amin’ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza. » Haleloia, Amen.
Natao ny hira FF 24 : 1, 5 « Mahereza ! ny Tompo momba anao ».




VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA
Nisaotra ny Tompo ny mpitarika noho ity tombonandro ity ary nisaotra noho ny fotoana izay nomeny ho an’ny Zanaka am-pielezana. Misaotra fa afaka mankalaza ny Tompo indray. Mendrika ny Tompo ny dera sy ny laza.
Mpanota mahantra nefa izahay, hoy ny mpitarika, ka manatona anao amin’ny fo mangorakoraka, mifona noho izany tsy fahamendrehana izany. Ianao, izay Tompo tsy manisa ny heloky ny mpanota.
Mangataka izahay mba hanatrika feno izao fotoana izao ho voninahitry ny anaranao irery ihany. Amen.




FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Andrianjafitrimo Elia mpampianatra ao amin’ny kilasy faha 2 no nanatanteraka ny fotoana.
Vavaka no nanombohany izany ary nangataka mba hitoetra ny Teny izay ampianarina. « Ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona » Kolosiana 2 : 3 no nentina nangalana ny fampianarana.
Nisy mpivady, mpivarotra tady no asany ary dia nahalafo be dia be mihitsy rehefa nody tany an-trano ny hariva. Rehefa hatory izy ireo dia nampahatsiahy ramatoa fa vokadehiben’ny Fiangonana ny alahady, ka nanontany hoe inona no tokony hatao. Aleo tsy kitihina ny vola, hoy rangaha fa aleo ny ambin’ny tady izay tsy lafo no haterina atao vokatra. Ireo tady ireo nefa dia efa ratsy dia ratsy tokoa. Nony alina ny andro, dia samy nanonofy izy mivady ary nitovy ny nofiny. Nandritra ny vokadehibe dia tonga ny Tompo, ary nakariny any an-danitra avokoa ireo izay nanao vokatra niaraka tamin’ny vokatra nentiny. Rehefa teo amin’izy mivady dia nentina niakatra izy ireo tamin’ny tady izay nentiny. Nosintomina tamin’ny tady izy ireo ka rehefa teny ambony teny dia tapaka ny tady ka nilatsaka indray izy ireo.
Nony maraina ny andro dia nifampiresaka izy ireo ary tonga saina fa tsy mety ity vokatra izay nokasainy omena ny Tompo ity. Niova hevitra izy ireo ka nanome lehibe tokoa ho an’ny Tompo.




FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Nohiraina ny FFPM 786 : 1 « Ny Teninao rehetra ». Rasoavatsahara Lanto no nitarika ny vavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina. Ireto kosa ny perikopa voalahatra novakiana androany alahady : Isaia 50 : 4-9 ; Jaona 1: 9-13 ; 2 Petera 3:14-18. Razafindralambo Andrinirina, Rakotonirainy Josie sy Randriamanana Toky ary Rakotoson Andrianasy Andriamanantena Rova no nanatanteraka ny vakiteny. Natao ny FFPM 205 : 4 « Fa teny mampisava » no notanterahina mialoha ny hafatra nentin’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina.




TORITENY
Niarahaba sy nankasitraka ny Fikambanan’ny zanaka am-pielezana ny Mpitandrina teny am-piandohana satria afaka mifanotrona sy mandray anjara amin’izao fanompoam-pivavahana izao.
Ny bokin’ny II Petera 3 : 14-18 no nitondrany ny hafatra.
Taratasy nalefa ho an’ny Jiosy sy ny Kristiana any am-pielezana ity taratasy ity. Ny antony dia ho fampaherezana azy ireo ny amin’ny fiainana misy, na mora na sarotra.
Tsy mora izany miaina ny Filazantsaran’i Kristy izany tamin’ny fotoan’andro. Eny fa na dia amin’izao fotoana izao aza.
Ny mijoro no vavolombelon’i Kristy eny an-dalana dia hita fa sarotra amin’izao fotoana izao, Eny fa na dia isika samy Kristiana aza. Zakaintsika daholo izany rehetra izany.
Misy zavatra 3 ampitaina eto :




Manaiky ny faharimpon’ny Tompo ny famonjena
Miresaka faharetana sy fiharetana izany. Rehefa mpanara-dia ny Tompo ianao dia tsy maintsy miharitra sy maharitra. Mandeha ny fotoana ary ao anatin’izany no mila fiharetana sy faharetana. Izany fotoana izany dia mety ho fohy, mety ho lava, nefa dia mila izay faharetana izay hatrany. Tsy isika no mamaritra izay fotoana izay fa Andriamanitra ihany.
Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena, hoy ny Tompo. Mila manaiky ny faharimpon’Andriamanitra isika.




Ny fitandremana mba tsy hahatonga antsika ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy
Miaina ny andro farany isika izao. Maro dia maro tokoa ny ratsy mitranga ary satana dia mandrovi-tsihy mihitsy amintsika zanak’Andriamanitra.
Rehefa manao zavatra, hoy ny Mpitandrina, dia ataovy amin’ny fo, toy ny an’ny Tompo ; satana dia mitarika anao tsy hanao izay sitrapon’Andriamanitra. Betsaka ny endrik’izany etsy sy eroa.
Mila mitandrina isika manoloana ny fampianarana samihafa.
Tsy mora nefa ny mandray an’i Jesoa sy ny manaraka Azy. Eo indray dia ilaina ny faharetana sy fiharetana. Mila mitandrina mba tsy ho voataona.
Isika tsy mba naman’izay mihemotra, fa naman’izay mino amin’ny famonjena ny fanahy. Raha misy izany fihemorana izany dia tsy afaka ny ho faty intsony ny Tompo. Efa natolony ny ainy ho famonjena antsika. Mila mitodika ary mibebaka Aminy isika raha izany ary rehefa voavela ny heloka dia manana izay fiharetana izany.
Raha mbola mahatsiaro mibebaka isika dia mbola misy izay ny Fanahy Masina ao anatintsika.
Nanentana moa ny Mpitandrina fa raha manana fotoana ianao dia aza laniana amin’ny facebook fa mba hatokany ho an’ny Tompo mba hibanjinanao ny famonjena.
Mandiniha tena ny amin’ny toerana misy anao sy ny fifandraisanao amin’Andriamanitra.
Tohero ny ratsy, fa rehefa avy manohitra izany ianao dia tsy ho very fa hiaraka aminao hatrany ny Tompo.



Mba hahatonga antsika hitombo amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika.
Maninona no tononina miaraka eto daholo « Jesoa, Kristy, Tompo, Mpamonjy » ?
Ny anton’izany dia ao anatin’ny fotoana farany isika ary mila antoka fa Andriamanitra marina, Ilay Zanaka no manatanteraka ny asa eto. Io ilay Zanak’Andriamantira.
Izany dia hanehoana fa ny fandresena rehetra dia ao amin’io Jesoa Kristy io.
Ny fahazotoanao mivavaka, na aiza na aiza misy anao dia mampitombo ny fahalalanao Azy eo amin’ny fiainanao. Rehefa tsy misy izany dia mihena ka tsy mitombo ny fahasoavana ao aminao.
Na ilay toerana efa nomanin’ny Tompo ho anao aza dia lavinao raha tsy manao izany ianao.
Maninona moa no amin’ity andro anio ity, izay alahadin’ny KPMS no itondrana izany hafatra izany, dia satria fantatra fa avy amin’ny ratsy no nahatonga izany aretina izany ka nananganana ity komity ity entina amim-bavaka, hiadiana amin’izany aretina ratsy izany.
Raha nosoratana ho an’ny zanaka am-pielezana izany hafatra izany taloha dia mbola mitombona ihany izany ankehitriny. Nilaza moa ny Mpitandrina fa rehefa lasa manambady dia tokony hitohy foana ny fahazotoana izay nananana fony mbola tato ka tsy tokony hovaina.
Sao hoe rehefa tsy ato Amparibe no mivavaka dia lasa malaina.
Tokony miezaka hatrany hanatona ny Tompo, tokony haharitra ny amin’ny asa fanompoana. Taomy ny fianakaviana raha toa misy malaindaina mba hanana izay faharetana izay.




RAHARAHAN’NY FIANGONANA
« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefà be amin’ny asan’ny Tompo »
Razafimaharo Mamy, Biraom-piangonana, no namaky ny raharaha tsara ho fantatry ny Fiangonana
« Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro ; tsy an’ny alina na an’ny
maizina isika. Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka
hahonontena. »I Tesaloniana 5:5-6.
Amin’ny maha alahadim-bokatry ny zanaka am-pielezana dia nanao teny fiarahabana azy ireo izy.
Raharaha ivelany
-Foibe FJKM-Departemanta Fiangonana : Manainga ny Synodamparitany sy ny Fitandremana manerana ny sahan’ny FJKM mba hanokatra sy hanohy ny fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny anglisy isam-pitandremana.
-SPAA 10-AFF9 Trano : ho fanohizana ny asa tanterahin’ny AFF 9 trano sy ny Fitandremana miara-miasa amin’ny Asa Fitoriana ny Filazantsara ankalamanjana, manaraka ny lalamby (Ankadimbahoaka-Isotry) sy fitsidihana an-tokantrano eny amin’ny manodidina, dia asaina ny mpino miaraka amin’ny AFF isam-pitandremana, ho tonga amin’ny fampiorenana sy fifampizarana amin’ny alarobia 30 novambra amin’ny 2ora 30 ao amin’ny FJKM atsimon’Imahamasina.
Raharaha anatiny
-Tontosa io alahady io ny fanokanana ireo fialofana vaovao, tsangambaton’ny faha 65 taona STKZO.
Taratasy avy amin’ny rafitra
-Biraon’ny Fiangonana : Antsoina ny Mpihevi-draharahan’ny Fiangonana (Diakona, Loholona ary solotenan’ny SSAA) ho tonga ny sabotsy 3 desambra amin’ny 8 ora maraina ao amin’ny Akany Rainimamonjy. Amin’io no hitondran’ny BFG sy ny Mpandinibola ny tatitry ny vola.
-KFM : Araka ny antso nataon’ny Mpitandrina dia entanina izay rehetra manam-pikasana
hiroso amin’ny fanambadiana miara-mizotra, Batisa faobe, ary katekomena zokiny mba
hanatona ny komity haka ireo dinidinika sy taratasy hofenoina amin’izany. Toy izany kioa ireo rehetra nohamasinina fanambadiana, nandray ny sakramentan’ny Batisa sy noraisina ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo nandritra ny fotoana niasan’ny Mpitandrina Raharijaona
Solofonirina teto Amparibe.
-Ho an’ny zanaka am-pielezana : havaozina ny lisitr’ireo any Ampitan-dranomasina. Hisy solotenan’ny zanaka am-pielezana ao anatin’ny KFM, handray ny anarana sy ny adiresin’izy ireo.




Hafatry ny Mpitandrina
Nanao fanentanana mahakasika ny Mariazy miara-mizotra hotontosaina ny 29 janoary 2023 sy ny Batisa faobe tanterahina ny 12 febroary ny Mpitandrina, noho ny Jobily Fisotroan-drononony.
Miditra ny desambra 2022 ny katekomena zokiny ary raisina ho Mpandray ny alahadin’ny Pentekoty 2023.
Nanentana ny Mpitandrina ho an’ireo Mpandray mazoto hanao fandalinam-pinoana, hianatra SeFaLa.
Nanentana ihany koa izy ny amin’ny boky tononkalo nosoratan’ny zanaky ny Fiangonana, ny Mpitandrina Ramino Ny Ilo Jihy, izay hamidy eo an-tokotanim-piangonana.




RAKITRA SY FANOMEZANA
Amin’ny maha Alahadin’ny zanaka am-pielezana dia nanao ny rakitra alitara ireo zanaka am-pielezana marobe, izay tonga nanatrika ny fotoana. Izany dia nataony ho fandraisana anjara amin’ny fikarakarana ny fisotroan-drononon’ny Mpitandrina.
Novakiana avy eo ireo raki-pisaorana sy raki-boady.
Nisy mpianakavin’ny finoana nangataka vavaka mba hialan’ny asan’ny maizina mihatra aminy. Hiatrika fanadihadiana ka nangataka ny hitondrana azy amim-bavaka. Nisy nanao raki-pisaorana noho ny sakramentan’ny Batisa izay horaisina. Misy ny nanao raki-pisaorana noho ny fitahiana sy fahasoavana izay voarainy tamin’ny Tompo. Misy ny nahatratra ny tsingerinandro nahaterahana ary nisy ny nangata-bavaka ny amin’ny fiainany sy ny fianarany.
Ireo hira nangatahan’ny mpianakavin’ny finoana : FF 26 : 2 « Jesosy rehereheko » ; FF 39 : 1 « Faniriako ». Ho fanolorantena sy fanolorana ny rakitra dia natao ny hira FFPM 275 : 1, 2 : « Raisonao ry Tompo soa ».
ASA VAVOLOMBELONA
- Ny Batisan’ny zaza Andrianaharison Aiko, Andrianaharison Aina, Robson Lucas, Robson Rubis ary Rabenatoandro Nomena.
- Ny fanokanana ireo fanamiana vaovaon’ny mpikambana Sampana Tanora Kristiana Zokiny.



VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA
Nangatahina ny Tompo hampiomana ny olony hitsena Azy. Nentina amim-bavaka ny Fiangonana, ny mpitondra Fiangonana, ny mpitory Filazantsara, ny toby masina rehetra mijoro, ny akany fitaizana sy ny sekoly fanabeazana. Nentina amim-bavaka ny Foibe FJKM, ny Filoha mpiandraikitra foibe, ny Synodamparitany, ny Filoha, ny Birao, ny mpandraharana, ny sampana sy sampan’asa ary asa, indrindra ny asa fitantanana ny fananan’ny Fiangonana. Nentina amim-bavaka ny Kristiana eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena sy ny Zanaka am-pielezana. Nentina amim-bavaka ireo Fiangonana miara-mandroso ary entina manokany ny Fitandremana Ambohipiara izay miara-manatrika eto ankehitriny. Nentina amim-bavaka ny ezaka hita maso izay hotanterahin’ny Fiangonana mba hotontosa soa aman-tsara ; ny komity manomana ny Fisotroan-drononon’ny Mpitandrina, ny Sampana sy sampan’asa ary asa eto Amparibe Famonjena indrindra ireo ao anatin’ny fankalazana. Nentiny amim-bavaka manokana ny STKZokiny izay nanolotra fananana tsangambato ho an’ny Fiangonana. Enga anie hiroborobo hatrany ny asan’izany sampana izany. Nivavaka ho an’ireo izay nanohy ny asa Sefala mba hazoto hatrany amin’ny firosoana lalina kokoa ny amin’ny fanompoana Anao. Mivavaka ho an’ireo sahirana, marary ary manan-manjo, ireo mpanompo nangata-bavaka manokana na ny manatrika eto izany na tsia. Nangata-bavaka manokana ho an’ireo nanao raki-pisaorana sy voady. Izay miatrika ny ady sarotra eo amin’ny fiarahamonina mba tsy hisaraka aminy Ianao. Ireo mpanompo izay nahatsapa fahasoavana mba hitohy hatrany ka tsy ho tapaka izany. Izay handray ny sakramentan’ny Batisa mba hahita fitia Aminao. Tsaroana izay tratry tsy ny fahasalamana mba ho sitrana soa aman-tsara. Izay nahatratra ny tsingerinandro mba hotahianao hatrany amin’ny androm-piainana iray manontolo. Nofaranana tamin’ny vavaka : Rainay Izay any an-danitra izany vavaka izany.




FAMARANANA NY FOTOANA
Nohiraina ny FFPM 643 : 1 « O ! mandrosoa mba ho tena mpandresy ».
Notononina ny Tondrozotra 2022 ary natolotry ny Mpitandrina ny Tsodrano
Notohizana ny hira FFPM 643 : 3 « Mba matokia ny hery tsy hita ».
Nipetraka ny Fiangonana nanao vavaka mangina ary nanonona ny Trinite Masina.




FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
Ho fanomanam-panahy sy ho fanatrehana ary fanehoana mialoha ny famakiana ny Soratra Masina, dia nohiraina ny FFPM 447 : 1, 3 “ Ianao ry Kristy Tompo”. Natao ny vavaka, narahina ny hira A1 « Masina, Masina, Masina ». Rehefa izay, natao ny Teny fanorenana sy ny vavaka fahatsiarovana. Nohiraina ny FFPM 444 : 4 “ Ry Raiko feno antra » dia nivavaka, nangataka ny Fanahy Masina ny Mpitandrina : nanandratra ny kapoaka sy namaky ny mofo. Niarahan’ny Mpandray nanonona ny vavaka fanetrentena. Natolotra ireo Diakona vehivavy tompon’anjara tsirairay ny mofo ary an’ny Diakona lehilahy ny kapoaka. Tao anatin’izany no nanaovana misesy ny hira FFPM 482 “ Jehovah ô, Ianao nandinika ahy ; FFPM 107 “ Maniry mafy aho ”; FFPM 261 “Ankehitrio no isehoanao“. Nony voazara tamin’ny Fiangonana ny mofo sy ny kapoaka, dia ny Diakona indray no notoloran’ny Mpitandrina. Rehefa samy vonona ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo dia nitsangana ka niara-nihinana sy nisotro. Taorian’ny fahanginana fohy dia ny ampahan-kira FFPM 469 « Mamy, ry Jesoa ny Fitiavanao » no natao ary nisy vavaka fisaorana. Nanangona ny kapoaka ny Diakona sy nananty ny fanatitra, nandritra ny fanatanterahan’ny Fiangonana ny hira FFPM 465 ”Ry Jeso ô, ry Jeso”. Ny hira farany dia ny FF 47 : 1 “ Fiadanana ” nofaranana tamin’ny Amen.
Ny hafatry ny Mpitandrina tamin’ny Fandraisana dia ny Filipiana 4 : 9 “ Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiKo; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana”.
Nisy vavaka mangina sy fanononana ny Trinite masina, dia nirava ny Fiangonana tao anaty feon-javamaneno.
Teo am-piravana dia nanao ny lavantimbokatra notanterahin’ireo solotena avy any amin’ny Fitandremana Ambohipiara hanaovana ny tafotranom-piangonana.







IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry ny orga : Ranaivoson Jacky – Harentsoa Rova
Nikirakira ny fafana: Rajaofetra Arielle
Nikirakira ny fanamafisam-peo: Rabemananoro Jonathan
Naka sary sy soratra : Robel Hanitra