Alahady 23 Oktobra 2022

ALAHADY 23 OKTOBRA2022
« HAVAOZY NY FANOMPOANA’NY FIANGONANA »
ALAHADY FAHA XIX MANARAKA NY TRINITE

ALAHADIN’NY SAMPANA FIFOHAZANA

« Nanao fanekena hitady an’i Jehovah Andriamanitry ny razany, tamin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy» I Petera 4:12

Alahady fanompoam-pivavahana nitondrana amim-bavaka ny Sampana Fifohazana ny andro anio. Alahady fahaefatra amin’ny volana oktobra 2022 ary  fotoana izay ibanjinan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara  hatrany ny lohahevitra fitaizam-panahy manao hoe : « HAVAOZY NY FANOMPOAN’NY FIANGONANA ».

Rakoto Hajaniaina Ginot, Diakona,  Filohan’ny sampana no nitarika ny fotoana. Ny Mpitandrina Rarijason Hery, Mpitandrina misotra ronono ao amin’ny Fitandremana Ilanivato, no nitondra ny hafatra.

Teo amin’ny Asa vavolombelona dia nisy ny asa sy fampaherezana nataon’ireo Mpiandry marobe.  

FANOMBOHANA NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Ny Salamo faha 103 :17-22 no novakiana niderana an’Andriamanitra. Fa ny famindram-pon’i Jehovah dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin’ny taranaka. Dia amin’izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny. Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao. Misaora an’i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon’ny teniny. Misaora an’i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony. 22. Misaora an’i Jehovah, ny asany rehetra eran’ny fanjakany; Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko.” Amena!

Rehefa izany dia natao ny Hira Fifohazana 10 : 1 – 3”, nentina nidera ny Tompo.

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Nanao ny vavaka fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra ny mpitarika. “Nisaotra sy nankalaza an’Andriamanitra izy, Andriamanitra Ilay tsara sy fitiavana ary masina. Nifona teo anatrehany noho ny tsy fankasitrahana izany fahatsarana sy fahamasinana izany. Matoky anefa fa mamela heloka isan’andro, manadio mba ho afaka amin’izany faharatsiana izany ary mihaino vavaka Andriamanitra ho an’ireo mpanota izay tena mibebaka. Mangataka ny asan’ny Fanahy Masina mba hanolotsaina ny amin’izay tanterahina, mba hihavaozana hatrany ny amin’ny fanarahana ny Tompo”.

Nisy feon-java-maneno taorian’izay vavaka fisaorana sy fiderana izay.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Rabearinoro Jocelyn, mpampianatra K8, no nanatanteraka ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora. « Koa aza menatry ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » 2Tim.1:8a sy ny « Miorena tsara, aza miova » 1Kor.15:58b no Soratra masina nitondrany ny hafatra. Tantara kely no nentiny nanazavana izany. “Nisy roalahy, mpinamana be izay tena samihafa ny fari-piainany satria ny iray dia tena manan-katao ary ny iray kosa sahirana. Miara-milalao matetika any an-tokantranon’ilay manan-katao izy roalahy. Indray andro dia nasaina nisakafo tao an-trano ilay tovolahy iray. Nony handeha hisakafo dia tsy nety nihinana ity farany ka gaga ny tao an-trano. Mbola tsy nivavaka isika, hoy izy. Gaga ireo tao an-trano, ary nasain’ilay raim-pianakaviana nivavaka izy. Nijoro tamin’ny maha Kristiana azy ilay tovolahy!”

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Natao ny hira Fifohazana 328: 1, 2 “Ny antsonao Andriamanitra ô!” ho fiomanana amin’ny vavaka sy ny vakiteny.

Tao anatin’ny vavaka dia nangataka ny Fanahy Masina, mba hanazava ny saina, hahatakatra izay tiana hambara. Nitalaho tamin’ny Tompo mba hihavao ny amin’ny fanompoana Azy, ary nametraka ireo hamaky ny Teny mba tsy hanao fahadisoana. Ny mpanompo izay hitondra ny hafatra koa dia hilatsahan’ny Fanahy Masina mba hilaza izay teny nampitondrain’ny Tompo azy. Izany teny izany dia hitondra fahariana vaovao eo amin’ny fiainana.

Ireto kosa ny perikopa izay voalahatra hovakiana:  Testamenta taloha: II Tantara 15: 819; Filazantsara: Matio 5: 21-26; Epistily: I Petera 4:7-11

 

Ramananjoelina Patricia no nitarika ny vavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina ary ny namaky ny Teny kosa dia Ratiarison Vall, Loholona, sy Rajaonarivelo Yasmina.

Ny hira Fifohazana 326: 1, 3 “Aza avela ho mandala re ny Teny” no nohirain’ny Fiangonana mialoha ny toriteny.

TORITENY

Teo am-piandohana dia nanao teny fiarahabana ho an’ny Fitandremana Amparibe ary indrindra ireo mpikambana ao amin’ny SAFIF ny Mpitandrina.

Ny boky 2 Tantara 15:8-19 miampy ny Mofon’aina androany no nitondrany ny hafatra, niampy ny lohahevitra Fjkm “Havaozy ny fanompoan’ny Fiangonana”. Nametraka fanontaniana moa ny Mpitandrina nanao hoe: “Mety hita ve izany, fa mitady ho “monotone” izany ny asa fanompoan’ny Fiangonana izany.

Raha ny tonga ato an-tsaintsika voalohany raha vao mahare izany lohahevitra izany dia ny fanavaozana ny tomponandraikitra: Birao, Rafitra, … Toa tsy izany raha araka ny Soratra Masina, raha ny filazan’ny Mpitandrina. Ny fototry ny fanavaozana izay nataon’i Asa dia ny Tenin’Andriamanitra mihitsy no mitarika fanavaozana.

Inona ary izany Tenin’Andriamanitra mitarika fanavaozana izany?

Ilay Andriamanitra dia MPAHARY. “Misia ny mazava”, misia ny habakabaka, … izany asa nataon’Andriamanitra izany dia manambara fa Izy no mpahary izao tontolo izao.

I Jesoa dia nilaza ny Teny izay nolazaina dia FANAHY sy FIAINANA.

Ny Fanahy no mampihetsika ny olona. Tsy rafitra na torolalana ilay Tenin’Andriamanitra fa tena fiainana mihitsy. Ny Tenin’Andriamanitra dia tsy fitsipika arahina fotsiny fa tena Fanahy sy Fiainana mihitsy.

Araka ny voalaza ao amin’ny I Petera 1: 23fa efa teraka indray hianareo…” Io Teny io dia milaza fa tsy maintsy ATERAKA indray ny olona raha te hiditra ny fanjakan’ny lanitra. Mila mamaky Baiboly ianao. Tsy misy ny fanavaozana raha tsy misy ny Tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy hateraka indray ianao vao tokony hofidiana indray ary ny Tenin’Andriamanitra no fototra amin’izany.  

Ny Tenin’Andriamanitra irery no tokony hifehy ny fiainan’ny Fiangonana. Rehefa tonga vaovao ny olona dia toy ny olona vao nateraka. Rehefa tonga ao amin’i Kristy ny olona dia miova ho vaovao avokoa. Ny ao an-tsainy, na ny fiankanjony dia lasa miova avokoa.

Inona ary ny zava-dehibe nataon’i Asa rehefa tonga vaovao izy?

  1. Nanaisotra ny sampy fahavetavetana teo amin’ny tanana izy. Andriamanitra no nampiteny azy ny tokony hanalana izany sampy izany. Ny atao hoe sampy dia izay zavatra iankinanao ka lasa tsy mahavita zavatra intsony ianao raha tsy misy azy. Naka ohatra ny amin’ny fampiasantsika finday moa ny Mpitandrina nitory ny Teny. Nilaza izy fa toa efa lasa sampy mihitsy ity finday ity.
  2. Nanavao ny alitaran’i Jehovah izy. Eo anoloan’ny lavarangana miditra ao amin’ny Fiangonana. Ny olona mibebaka no miditra any am-piangonana ary eo amin’ny alitara no fanavaozana ny fanompoana.
  3. Nanao fianianana tamin’ny trompetra. Nanao fianianana ny mpanjaka Asa fa handeha hitady an’i Jehovah Andriamanitra. Ny Tenin’Andriamanitra ihany manko no afaka manafaka antsika amin’ny gadra ao am-pontsika.
  4. Naongany avokoa izay olona nanakana azy tamin’ny fanapahan-keviny, eny fa na dia ny reniny aza. Tsy hanavankavahana ity, hoy izy, fa Andriamanitra no jerena fa tsy ny fianakaviana. Tsy tokony hamehy anao ny ao an-tranonao ny amin’ny fanapahan-kevitra tsara hanompo an’Andriamanitra izay raisinao.
  5. Nampidiriny tao an-tranon’i Jehovah izay zavatra efa nohamasin’ny rainy. Tamin’ny andron’i Solomona manko dia an’Andriamanitra avokoa ny volamena. Nampidiriny tao an-tempoly ireo ho fanomezany voninahitra an’Andriamanitra. Nibahana tao an-tsainy ny hoe fanomezana an’Andriamanitra ny am-pahafolon-karena. Ny fotoana hananantsika, an’Andriamanitra, na dia ny fotoanantsika tsirairay avy aza. Raha ao anatin’ny herinandro misy 7 andro, ny 7 andro dia tokony homentsika Azy. Ny fanompoam-pivavahana alahadintsika anefa, raha vao maharitraritra dia efa hitarainantsika.

Rehefa teraka indray aza ny olona dia inona no valiny azo avy amin’Andriamanitra?

Jehovah nanome azy fiadanana, ary tsy nisy ady intsony tao amin’ny firenena izay nonenany. Fiadanana, filaminantsaina, fahasambarana, izany no azony rehefa niverina tamin’Andriamanitra izy. Ny fanavaozana izay niainany dia nozarainy fa tsy nijanona tao anatiny fotsiny.

Nisy feon-javamaneno taorian’ny toriteny ary nanao ny anjara hira ny RFF nanao ny hira “Sing Halleluiah to the Lord”.

VAVAKA FIFONANA

Nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika. “Misaotra fa afaka nandray ny Teny. Mamelona ny fanahy ny Teny. Mampianatra isan’andro ny Tompo ary fanahy sy fiainana izany. Tsy maintsy hateraka indray ny olona vao hahita ny fanjakan’Andriamanitra ary manavao ny zavatra rehetra ny Tompo. Ho afaka tokoa ny sampy, ny fahazaran-dratsy rehetra izay aty aminay. Efitra mampisaraka amin’ny Tompo ny fahotana. Tsy nahatanteraka izany izahay ka mifona aminao Andriamanitra. Ny nataonay foana no nataonay. Ny ratsy dia natao teo imasonao. Enga anie mba hizotra amin’ny lalana tokony ho izy izahay ary hanolotra ny tena mba ho fanatitra velona eo imasonao, hanompo Anao amin’ny androm-piainana rehetra. Amen”.

Ho fanavaozana indray ny finoana dia niaraha-nanonona ny Fanekempinoana laharana faharoa.

Nisy ny feon-javamaneno taorian’izany.

TATITRY NY SAMPANA

Nanatanteraka ny tatitry ny sampana ny Mpitantsoratra Rakotomalala Tatamo. Tatitra nanomboka ny oktobra 2021 hatramin’ny oktobra 2022. Anisan’ny voalazany tamin’izany ireto asa manaraka ireto:

  • Fitsidihana zokiolona.
  • Fanaovana ny Hetsika fifandraisan’ny ray sy ny zanaka lahy ary ny reny sy ny zanaka vavy.
  • Ny asa sy fampaherezana isaka ny alahady faharoa sy fahadimy ary ny zoma fahaefatra.
  • Fananganana ny seha-pitaizana eo anivon’ny Sampana.
  • Fandraisana anjara tamin’ny tsangambato faha 40 taona ny SAFIF Foibe.
  • Tafika masina teny Ambohipiara.

Nanao ny hira Fifohazana “Hafa ihany” izy taorian’ny tatitra.

RAHARAHAM-PIANGONANA

Ny Mpitantsoratra Razafimaharo Mamy no nitondra ny raharahan’ny Fiangonana. Anisan’ny voalaza tamin’izany ireto manaraka ireto:

  • Fivoriana ankatoky ny Fandraisana amin’ity alahady ity.
  • Fivorian’ny Komity mikarakara ny fisotroan-drononon’ny Mpitandrina Raharijaona (KMF) ny alarobia 26 oktobra 2022.
  • Fivoriambe faharoa ny VFL ny 29 oktobra 2022 ao amin’ny Akany Rainimamonjy
  • Fiantsoana ny rafitra rehetra mba handefa ny tetikasa 2023 ao anatin’ny “fiche technique”.
  • Ny KFM dia miantso ireo tokantrano mbola tsy vita fanamasinana fa hisy izany ny 29 janoary 2023.

Nanao fanentanana ny Mpitandrina Raharijaona taorian’izany izay nilazany ny fankasitrahana ny Mpitandrina izay nitondra ny hafatra. Nampitsangana ary nankasitraka ireo vahiny rehetra tonga nanatrika izao fotoana izao ihany koa izy.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Voady sy raki-pisaorana

Novakiana ny vavaka sy fangatahan’ireo mpianakavin’ny finoana izay nanao voady sy raki-pisaorana.

 Fanolorana ny rakitra

Ny hira Fifohazana 10: 5Asandrato avo re ny hiranao” no nanavaozana ny fanolorantena sy nanolorana ny rakitra.

ASA VAVOLOMBELONA

Tao anatin’ny Asa vavolombelona dia nanao ny asa fametrahan-tanana ireo Mpiandry. Nanatona ireo mpianakavin’ny finoana izay nangetaheta fametrahan-tanana.  Nanome ny hafatra ny Mpitandrina “Aza manao ny fanaon’izao tontolo izao”.

VAVAKA FANGATAHANA

Vavaka notarihan’ny Mpitandrina Raharijaona, mba hanavao hatrany ny asa fanompoana. Ho an’ ny Kristiana, ny zanaka am-pielezana izay napetraka teo am-pelantanany. Ny Sampana Fifohazana dia nentiny amim-bavaka, niainga tany amin’ny Birao, ny mpikambana rehetra. Olona voatokana handray Anao izy ireo ka enga anie mba hotahianao. Nivavaka ho an’ny Mpitandrina izay nitondra ny hafatra sy ny ankohonany ihany koa. Faly raha nihaino ny hafatra avy aminy. Nivavaka ho an’ireo marary, sahirana, marofy mba ho sitrana amin’ny aretina. Nivavaka ho an’ireo manana hataka manokana, ireo izay nanao raki-pisaorana sy voady. Ao ireo izay nanolotra ny am-pahafolon-karena, enga anie hankasitrahana mba hotanteraka izay faniriany. Tao ireo nahatsiaro ny tsingerinandron’ny fanambadiany sy ny zanany lahy izay hiatrika raharaha. Tao ireo nisaotra noho ny fahavitan’ny fanambadian’ny zanany, mba ho masina tokoa izany tokantrano izany. Tao ireo nahatsiaro tsingerinandro nahaterahana ary ny zanany izay hanao fanadinana. Nofehezina tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo: “Rainay Izay any an-danitra izany vavaka” izany.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao ny hira Fifohazana 324: 1 “Tsy misy soa ho ahy afa tsy Jeso” ary notononina ny tondrozotra 2022.

Taorian’izany no nametrahana ny tsodrano ary nofaranana tamin’ny hira Fifohazana 145: 1 “Iza no hahasaraka Ahy”, izao fanompoana masina izao.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rajaofetra Philippe

Nikirakira fafana : Andriamasimanana Andry Naval

Nikirakira fanamafisam-peo : Rova Harentsoa

Naka sary : Ramahery Hasina

Nandray an-tsoratra : Robel Hanitra

Alahady 16 Oktobra 2022

ALAHADY 16 OKTOBRA 2022
“HAVAOZY NY FANOMPOAN’NY FIANGONANA”

ALAHADY FAHA  XVIII MANARAKA NY TRINITE –  ALAHADY ITONDRANA AMIM-BAVAKA NY MASERA MAMRE FJKM – ALAHADY IVOM-BOKATRY NY SAMPANA MPIANGALY ZAVA-MANENO (SMZM)

 Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia Salamo 150 :6

Ny SMZM no nitarika ny fanompoam-pivavahana. Fotoana miavaka nanasan’ny Sampana ireo ankizy beazina ao amin’ny Akany Fitaizana any Tangaina (AKAFITA) izay manana antoko mpihira  ka nandray anjara hira. 

Alahady ahatsiarovana amim-bavaka ny MAMRE na ny Masera protestanta eto amin’ny sahan’ny FJKM

Alahady mbola nibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy manao hoe : “Havaozy ny fanompoan’ny Fiangonana”.

Randriamasimanana Hanta, Diakona, sady mpikambana ao amin’ny SMZM no nitarika ny fotoana. Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina, no nitondra ny hafatra. Ny litorjia amin’ny endriny fahatelo no narahina.

FANOMBOHANA NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Taorian’ny feon-javamaneno, dia nanao ny Fiarahabana apostolika ny mpitarika ary nanolotra ny Teny Fiderana sy Fisaorana an’Andriamanitra tamin’ny famakiana ny Salamo 150 :1-6 : “Haleloia, miderà an’Andriamanitra eo amin’ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin’ny habakabaky ny heriny. Miderà Azy noho ny asany lehibe. Miderà Azy araka ny haben’ny voninahiny. Miderà Azy amin’ny fitsofana anjomara. Miderà Azy amin’ny valiha sy ny lokanga. Miderà Azy amin’ny amponga tapaka sy ny dihy. Miderà Azy amin’ny zava-maneno tendrena sy ny sodina. Miderà Azy amin’ny kipantsona maneno. Miderà Azy amin’ny kipantsona tsara feo. Aoka izay rehetra manam-pofon’aina samy hiera an’i Jehovah. Haleloia.» ”  Amena !

Natao ny hira FFPM 539 :1, 4 “Faly dia faly” niarahan’ny Fiangonana niredona sy niray fo ho fiderana an’Andriamanitra.

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Izao no vavaka nentin’ny Fiangonana ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra :

« Midera Anao izao rehetra izao Andriamanitra Ray. Midera Anao ny olonao, midera Anao amin’ny feonay izahay. Midera Anao amin’ny fo sy fanahinay. Eny, midera Anao amin’ny zavamaneno tendrenay. Fa tsara Ianao ary lehibe sy mahagaga indrindra ny fitiavanao anay. Fa z’inona moa izahay no mba nantsoinao hanana anjara amin’ny fanompoana sy fiderana Anao toy izao? Misaotra noho izao Alahady ivom-bokatry ny Sampana Mpiangaly Zavamaneno izao ka nahafahanay manana anjara manokana amin’ny fanompoana Anao. Hifonanay izay rehetra vitanay tsy nankasitrahanao. Mamindrà fo aminay. Mibebaka Aminao izahay ankehitriny, mandohalika am-panahy eto anatrehanao, koa dia mba raiso re izao fifonanay izao ary havaozy ny toe-po amam-panahinay, ahitsio ny fomba fisainanay sy ny fijerinay hifanojo amin’ny Anao, ka mba ho fomba fijery tsara sy vaovao araka ny sitraponao indray no hoentinay manatanteraka ny fanompoana Anao manomboka anio. Koa dia mitariha ary manatreha izao fanompom-pivavahana tanterahinay izao. Ho voninahitrao Irery ihany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Zoky Malalanay». Amena !

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Rambeloson Mitsoa, mpampianatra ao amin’ny kilasy faha 9 no nanatanteraka ny fotoana.Taorian’ny vavaka, ny Teny araka ny Deotoronomia 6 : 18a « Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason’i Jehovah » no nentina nisintonana ny fampianarana sy ny fametrahana ny fanontaniana ary nanomezana safidy ny valiny izay tokony hatao sy harahana. Fanontaniana efatra (4) no naroso :

Fanontaniana efatra (4) no naroso :

  • Inona no lazain’ny Soratra Masina ?
  1. Ary ataovy
  2. Ary tsy aza ataovy

      2  Inona no asaina hatao ?

  1. Izay mahitsy sady tsara
  2. Izay fanao ratsy
  • Ahoana izany hoe « mahitsy sady tsara » ?
  1. Izay sitrapoko rehetra
  2. Izay voalazan’ny Baiboly
  • Ny hoe « imason’i Jehovah » dia hoe :
  1. Izay hevitry ny olona no zava-dehibe
  2. Izay hevitr’Andriamanitra no zava-dehibe

Niarahan’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady namerina ny andinin-tSoratra Masina, ary ny vavaka izay notononin’ny mpitarika manao hoe : « Tompo ô, misaotra Anao izahay fa nampahatsiahy Ianao androany ny tokony hanaovanay izay mahitsy sady tsara araka ny fihevitrao fa tsy ny fihevitry ny olona. Ataovy mazoto mianatra ny sitraponao izahay. Izay hitanay ao amin’ny Baiboly ihany. Amin’ny Anaranao Jesoa kristy. Amena. »  

Notanterahina ny HF 1 :1 “Fantatrao izao ” mialoha ny vavaka sy ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Rakotomalala Harizo, Diakona, mpikambana SMZM, no nitari-bavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina.

Ny perikopa voalahatra hovakiana androany : Malakia 3 : 13-24 ; Lioka 2 : 36-38 ; Romana 7 : 5-13.

Raharijaona Nantenaina no namaky ny Testamenta Taloha, ary Randrianonimandimby Lanto sy Rakotondramboa Hanitra, samy Diakona ireo, no namaky ny Testamenta Vaovao.

Ny hira FFPM 226 “Tompo o ! mba te hihaona”  no niarahan’ny Fiangonana niredona mialoha ny toriteny.

TORITENY

Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina, no nitondra ny Tenin’Andriamanitra.

Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Lioka 2 :32-38 no nisintonan’ny Mpitandrina ny hafatra sy nanaovana ny fampianarana ho an’ny mpianakavin’ ny finoana. Toriteny amim-peon-kira no natao.

Vehivavy antitra iray no noresahina eto mba ho hitan’ny rehetra, ary ho tahafin’ny rehetra ihany koa. 7 taona no nanambady, 84 taona izy no tokantena. Raha raisina hoe 20 taona izy no nanambady dia eo amin’ny 111 taona eo ho eo izany ity ramatoa ity. Amin’io taonany io izy no nandeha nankao an-tempoly. Tahaka ny zanak’Israely io ramatoa satria dia dia niandry ny teny fikasan’Andriamanitra dia ny fanavotana izany firenena izany.

Inona no nataon’ilay ramatoa ? Zavatra roa no aseho eto angalantsika ny hafatra.

Ny fananany fiharetana sy faharetana izy ary nampantajaka ny finoana ny faharetana.

 Nanana faharetana izy

 Nivavaka sy nifady hanina io ramatoa io. Tsy nitsahatra niantso an’Andriamanitra izy ary nanao ihany koa ny fifadiankanina andro aman’alina mihitsy. Matoky izy ilay efa nampanantena azy dia ilay fanavotana.

 Nanao ny hira voalohany ny Smzm « Rindram-peo, noforonin’i Noël Rakotoarivony ». Nasain’ny mpitandrina ny mpiakavin’ny finoana mba samy handinitena ny amin’izany fiharetana nataon’ity mpanompony ity izany raha mahavita manao toy izany ihany koa.

 Hianao ve, mahatsiaro nanana teny fikasana efa nomen’ny Tompo anao ? Raha mahatsiaro tsy manana izany hianao dia mangataha hoy ny mpitandrina ahafahanao manana izany faharetana izany ihany koa.

 Nanao ny anjara hira faharoa ny Smzm « Antsan-kira » na Antsam-peo. Ny « Antsa » dia fanaovana hira rehefa hidera an’Andriamanitra raha avy niady ka nahazo fandresena. Raha manao ny mozika « Antsa » izany izy izy ireo dia tokony mahatsapa hianao fa ady ity fiainana ity, hianao nefa olon’ny fandresana, dia misy Antsam-peo ataon’ny olona ho anao mba hihobiana ilay Jesoa Kristy izay efa nandresy ny fahavalo farany dia ny fahafatesana.

Nangataka tamin’ny mpianakavin’ny finoana ny mpitandrina mba samy hisaina fa raha ny teny fikasana izay nomen’ny Tompo no ivoahana mpandresy dia ahatsiaro tena ho afaka sy voavonjy tokoa.

 Nampatanjaka ny finoana ny faharetana

Ana, raha niditra tao an-tempoly dia nampahery ireo namany mba hanana izany tena fikasana izany.

 Ny finoana dia avy amin’ny toriteny ary ny toriteny kosa dia avy amin’i Kristy. Ity mpaminany vavy ity, noho ny finoana izay nananany dia niaritra ary izany teny fikasana izany dia nampatnjaka tokoa ny finoany.

 Nanao ny hira « Finoana » indray  ny Smzm manaraka izany. Nofaran’ny ny mpitandrina tamin’ny vavaka izany hafatra izany.

VAVAKA FIFONANA

Taorian’ny feon-javamaneno nataon’ny Sampana Mpiangaly Zava-maneno, dia natao ny vavaka fifonana sy ny vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra: 

« Ray o, henonay teo ny Teny manambara ny sitraponao taminay. Ampianaro izahay hahay hitandrina ny teninao sy hankamamy ary hitahiry izany ao am-ponay, mba ho amin’ny fifaliana sy fahasambarana no hiainanay ny Teny, izay notorian’ny mpanomponao taminay teo. Hifonanay hatrany ny tsy fahaizany manatanteraka ny Teny fikasana avy Aminao

Hifonanay ny fahalemenay ka nanalaviranay Anao noho ny fahotana vitanay. Fa Ianao kosa ilay Tompon’ny hery sy fahefana rehetra ety an-tany ka hatrany an-danitra, Ianao ilay mahay mamantatra ny voa sy ny fo no irinay indrindra hamela heloka anay ka handrakitra ao anatinay tsirairay avy izay sitrakao ho anjara vatsim-panahinay, araka izay tokony ho anay anio. Dia hiasa amin-kery aminay ny teninao, hamolavola anay, hanavao indray ka dia hitafy toe-po amam-panahy vaovao izahay manomboka eto ary hihavao ihany koa amin’ny fanompoana Anao. Misaotra Ray noho ny amin’ny sitraponao izay nampahafantarinao anay indray. Misaotra noho ny amin’ny famelan-keloka atolotrao anay. Koa dia tefeo izahay ho tonga olo-mendrika Anao. Amin’ny anaran’i Jesoa ilay nisolo heloka anay. Amen ».

 Niarahan’ny Fiangonana nohiraina taorian’ny vavaka ny FF 39 :1 « Faniriako ».

TENY FAMELAN-KELOKA

Taorian’ny famakiana ny andinin-tSoratra Masina Ezekiela 36 :25-27 : « Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio ; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy ». Amena

Nohiraina ny hira FFPM 37 :2 « Mihainoa ry Ziona, o ! » ary novakiana ny Fanekem-pinoana apostolika laharana fahatelo.

TATITRA SAMPANA MPIANGALY ZAVA-MANENO

Raboanarijesy Liantsoa no nanao ny tatitry ny sampana.

« Miderà Azy amin’ny zavamaneno tendrena sy ny sodina » Salamo 150 : 4b.


Toy izao ireo teboka nasongadiny tamin’izany :

  • Lafiny fiainan’ny sampana
  • Lafiny aim-panahy sy fitendrena
  • Lafiny asa vavolombelona
  • Lafiny teknika sy fananan’ny sampana
  • Lafiny fifandraisana sy asa iombonana eto anivon’ny Fiangonana
  • Asa ivelan’ny Fiangonana
  • Herinandrom-bokatra

Taorian’ny tatitra dia nanao ny anjara feon-kira « Grand Final » ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno.

RAHARAHAM-PIANGONANA

Rakotomanana Andrimbazotiana, Sekreteram-piangonana, no nanatanteraka izany. Ny Tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny Malakia 3 :18 :“Ka dia ho hitanareo indray ny tsy fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.no nanombohana izany.

Alahady natokana ho an’ny Masera FJKM MAMRE androany. Mamre dia tanàna iray, araka ny Genesisy 18, nisehoan’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy Saraha. Efa nijoro nandritra ny 26 taona ny Masera MAMRE teto anivon’ny FJKM. Fikambanana roa no ahitantsika ny Masera FJKM dia eny Ambavahadimitafo sy eny Sabotsy Namehana.

Toy izao no tsara ho fantatra amin’ny asan’ny Fiangonana:

Raharaha ivelany :

-FJKM-Radio Fahazavana : Fanasana noho ny Jobily fisotroan-drononon’ ny Mpitandrina Randrianarivo Njaka Michel mivady : FJKM AvaratrAndohalo, sabotsy 22 oktobra 2022, 8ora30.

– Seminera Ambatobevanja : Fanasana Jobily fisotroan-dronono sy faha 25 taona maha Mpiasa iombonana an’Andriamose Lisiarisoa Veromalala, Mpitandrina : sabotsy 22 oktobra 2022, 9ora30 ao amin’ny FJKM Ankadifotsy.

-Synodamparitany Antananarivo Andrefana

FJKM Besaiky Fitahiana, Fiangonana miara-mandroso amin’ny FJKM Amparibe Famonjena eto anivon’ny SPAA I. Manasa antsika Fiangonana amin’ny fanompoam-pivavahana fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 130 taonan’ny Fitandremana ny alakamisy 20 oktobra 2022, 9 ora 30mn. Hisy ny fandaminana ka solontena 1 isaky ny rafitra ihany no handeha hiaraka amin’ny Biraompiangonana amin’io fotoana io. Fiaingana : Amparibe amin’ny 7ora30 maraina.

Raharaha eto an-toerana

– 17- 23 oktobra : Herinandrombokatry ny SAFIF

– Sabotsy 22 oktobra : Fiofanan’ny Tomponandraikitra rehetra

– Alahady 23 oktobra : Fivoriana ankatoky ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Haseho miaraka amin’ny ray aman-dreniny ireo katekomena horaisina amin’ny volana novambra.

-Dorkasy : Fanompoam-pivavahana sabotsy 22 oktobra 2022 amin’ny 9ora 30 ao amin’ny FJKM Ankadifotsy: Jobily fisotroan-dronono sy faha 25 taona maha mpiasa iombonanana an’Andriamose Veromalala, Mpitandrina.

– Sampana Fifohazana : Fandaharana herinandrom-bokatra : Alatsinainy miaraka amin’ny AFF: “Filazantsara manafaka ny olona rehetra” ;  Talata 18 – alakamisy 20 oktobra : Fitoriana Filazantsara mitety tokantrano eto Amparibe miaraka amin’ny Mpianatra Soratra Masina ;  Zoma 21 oktobra : fanompoam-pivavahana hariva ;  Alahady 23 oktobra 2022 : Ivony, fanompoam-pivavahana arahina Asa sy Fampaherezana.

-Vaomieran’ny Vola : Miantso ny Rafitra rehetra : Sampana sy SampanAsa, Vaomiera, Komity ary Fikambanana, handefa ny Fiche Technique ahitàna ireo Programan’asa sy Asa mifanaraka amin’ny Tondrozotra 2023 izay efa nankatoavin’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo. Ny alahady 30 oktobra no farany handraisana izany. Vina 2023 : Amparibe Famonjena, Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Andriamasinoro Tantely, Biraom-piangonana,   no namaky ny voady sy raki-pisaorana. Nandray anjara tao anatin’ny hira voady ny AKAFITA.

Ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana ny fanoloran-tena, dia noredonin’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira vavaka fanolorana ny rakitra FFPM 432:2 “ Mandra-piavin’ny Tompo, mivavaha ”.

Nanao ny anjara hirany ny Sampana Tanora Kristiana (STK).

Nanao ny vavaka fangataham-pitahiana ny Mpitandrina Raharijaona Solofo ary nofaranana tamin’ny vavaka « Rainay izay any an-danitra » izany

 FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina ny hira faneva faha 30 taonan’ny FJKM,  FF 1 :1Mitsangana ianao ry mino”.

Notononina ny Tondrozotra 2022. Natolotry ny Mpitandrina ny Tsodrano ary noredonina ny hira FFPM 753 :1 « Tiako ny hiaraka Aminao, Jesoa ». Narahina vavaka mangina sy ny fanononana ny Trinite masina izany ary feon-javamaneno.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Irimanana Eninkaja sy Rajaofetra Anthonio ary ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno

Nikirakira fafana : Raoliarizaka Bakoly

Nikirakira fanamafisam-peo : Randriamahefa Tiana

Naka sary : Rakotoarisoa Falimandimby

Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly

Alahady 09 Oktobra 2022

ALAHADY 9 OKTOBRA 2022
“ HAVAOZY NY FANOMPOANA ”

ALAHADY FAHA XVII MANARAKA NY TRINITE

FIVORIAMBE FAHA 26 SYNODAMPARITANYANTANANARIVO ANDREFANA (SPAA 10)

 “ Miorena tsara, aza miova ” I Korintiana 15 : 58

Nikatona ny trano fitandremana rehetra teto anivon’ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana (SPAA 10) noho ny Fivoriambe. Ny fotoam-bavaka niombonana dia notanterahina teny amin’ny Kianjan’Alarobia nanomboka tamin’ny 9 ora sy sasany maraina.

Ramamonjiarisoa Robert, Mpitandrina Filoha mpanampy, no nitarika ny fotoana. Razafindrakoto Hasinarivo, Mpitandrina Prezidà Synodaly (PS), no nitondra ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny Fiangonana. Ny litorjia endriny voalohany no narahina.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Nisy ny feon-javamaneno ary natao ny Fiarahabana apostolika (Romana 1 : 7). Ny andinin-tSoratra Masina fiderana dia ny Salamo 81: 1-3. Ny hira FF 7 “Tsy hainay ny hangina” no nanaraka izany ary vavaka fisaorana. Rehefa izay dia nambara ny sitrapon’Andriamanitra araka ny Romana 12: 1-2. Natao ny hira FFPM 748 : 1 « Havaozy, Tompo ô! » dia nisy vavaka fiaiken-keloka. Nohiraina ny FFPM 582 : 1 “Ry Jesoa ô! Tahio izahay”. Ny Teny famelan-keloka nomena ny Fiangonana dia tao amin’ny Apokalypsy 21 : 4-5. Nohiraina ny FFPM 487 : 1-2 « Fanavaozana izay mahagaga tokoa ». Notononina ny Fanekem-pinoana apostolika (laharana voalohany). Natao ny vavaka mangina tanaty feon-javamaneno fohy. Rehefa izay dia nanao ny teny fiarahabana sy fisaorana ary firariantsoa ny mpitarika.

Raharaham-piangonana no nanaraka izany.

RAHARAHAM-PIANGONANA

Andrianarivelo Volasoa, Mpitantsoratry ny SPAA 10, no nanao ny tatitra. Toy izao ny asa tsara hofantarina:

  • 15 oktobra 2022 : Fampianarana SAM isaky ny faritra ;
  • 15 oktobra 2022 : Fihaonamben’ny FDL eny amin’ny Toby Antambohomena ;
  • 24 oktobra 2022 : Fihaonamben’ny firahalahian’ny Mpitandrina eny amin’ny Akany Nomenjanahary Ambohimanga Rova ;
  • 25 oktobra 2022 : Fiheveran-draharaha tsy ara-potoana ao amin’ny FJKM Anosivavaka ;
  • 28 oktobra 2022 : Komity Lehibe ao amin’ny FJKM Soavimasoandro Fihavaozana ;
  • 01-02 novambra 2022: Fihaonamben’ny sampana, sampanasa, fikambanana ao amin’ny FJKM Analamahitsy.

Rehefa izay dia notantazana ny rakitra (roa) tao anatin’ny hiran’ny antoko mpihira mitambatra. Vavaka teo am-pitsanganana no nanolorana izany. Nohiraina ny FFPM 823 : 1-2 “ Hoderaina tokoa”, dia niroso tamin’ny fotoanan’ny ankizy sy ny tanora.

FOTOANAN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra dia ao amin’ny Matio 12 : 18a. Fanoharana momba ny afokasoka sy labozia no notantaraina: samy noforonina hitondra hazavana ireo na samy manana ny anjara asany aza. Matokia isika Fiangonana tenan’i Kristy fa nofidian’Andriamanitra isika hanompo Azy koa andeha hanaiky hanompo. Nisy vavaka natao tamin’ny endrika tononkalo.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina no namakiana misesy ny perikopa voalahatra, araka ny Deotoronomia 13 : 7-12 ; Lioka 14 : 12-14 ;I Korintiana 4 : 1-6.

Natao teo am-pitsanganana ny FFPM 181 : 3 “ Fanahy mpanazava, ny foko”. Toriteny no nanaraka izany.

 TORITENY (fintina)

Mila manavao ny fanompoana isan’andro isika toy ny anavaozan’ Andriamanitra ny fitahiany. Ny Fanahy Masina no mpanavao antsika. Mizara telo ny hafatra.

  • Alaviro ny andriamani-tsy izy (Deotoronomia 13 : 7-12)

Anatra natao tamin’ny zanak’Isiraely no eto. Rehefa nododosan’ny fahavalo sy azon’ny fitsapana izy ireo dia tsy nahatoky. Andriamanitra dia maniry mba tsy ho voarebirebin’izay milaza azy ho manana andriamani-kafa isika. Any amin’ny sehatra rehetra misy antsika mety hisy asesik’i satana. Tsy mahita fifaliana sy fiadanana isika rehefa misaraka amin’ Andriamanitra. Akaikezo mandrakariva àry Jesoa Kristy. Ny fanompoana tsy atao amim-pahazarana fotsiny. (Jaona 15 : 5).

  • Fanompoana tsy mila sitraka sy voninahitra (Lioka14 : 12-14)

Nasain’ny loholon’ny Fariseo i Jesoa Kristy teto. Ny fanasana olona manam-pifaliana dia fitadiavana sitraka, fa hoy Jesoa hoe : “ asao ny jamba, ny malahelo,… ” Tsy hoe faly fotsiny ianao fa zava-dehibe ny fahasambarana. Tsy diso fanompoana isika rehefa mizara famonjena. Mbola maro ny mahantra sy sahirana. Mila antsika ny manodidina antsika hizarantsika ny Tenin’Andriamanitra, hitaomantsika ny olona handray an’i Kristy sy hanoroantsika azy ireny ny lalana tena izy. Aoka tsy ho variana fa ho mendrika ny fanompoana niantsoana antsika.

  • Torio amin’ny fahamarinana ny Filazantsara I Korintiana 4 : 1-6

I Paoly no nitaona ny vahoaka tao Korinto. Misy tsy mitsinjo ny hafa fa manao ny tenany ho zavatra. Tanisainy ao daholo ny fakampanahy mpahazo ny olona. Aza lany andro amin’izany fa aoka ho mahatoky ianareo eo anatrehan’ny olona itorianareo. Amin’ny fotoana rehetra hafahanao manatanteraka fitoriana dia ataovy amin’ny fahamarinana izany, amin’ny fahamasinana, amin’ny finoana mba ho mendrika. Andraikitsika ny fahaizana sy fahasahiana mitory an’i Kristy ho an’izay mila izany, manafaka ny enta-mavesatra. Nomen’Andriamanitra ho adidintsika ny ao amin’ny Matio 25 : 21-23 sy Romana 12 : 12.

Atolory ny tenanao amin’ny fanavaozam-panahy, mahereza, andao hitory amin’ny fifaliana ao anatin’ny fifankatiavana. “ Miorena tsara, aza miova ”.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.

Nisy feon-javamaneno fohy. Nohirain’ny antoko mpihira “ Antsoy Jesoa ” narahin’ny vavaka fangataham-pitahiana izay nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo : « Rainay Izay any an-danitra ».

ASA VAVOLOMBELONA

Nohiraina ny FFPM 288 : 1-3 « Sambatra izay voafidy ho mpiasanao ». Nisy andinin-tSoratra Masina sy vavaka notarihin’ny Prezidà Synodaly. Noarahabaina sy nankasitrahina ny Mpitandrina sy ireo mpampianatra (mpiasa vaovao) ary mpianatra efatra (4) nahazo « Mention Bien » tamin’ny fanadinana Bakalôrea.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao ny hira FFPM 639 : 1-3 “ Ry miaramila mandrosoa izao “. Notononina miaraka ny Trinite masina. Nifarana tamin’ny 11 ora sy 37 minitra ny fotoana, izay notohizana tamin’ny fiarahana nandray ny Fanasan’ny Tompo.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

Ny hira nataon’ny Mpandray nandritra izany dia ny FFPM 167 «  Midera ny Anaranao » ;   Antema 1 « Masina, masina, masina » ; FFPM 254 « Avia, ry mangetaheta ô » ; FF 2 « He ! manolo-tena ». Nomena ny hafatra sy Tsodrano. Nohiraina ny FFPM 530 : « Fitiavana rano velona ». Nirava ny Fiangonana tamin’ny 12 ora.

Ny fitanisana sy fisaorana ny mpiara-miasa dia notanterahin’ny PS nandritra ny fivoahan’ny vahoakan’Andriamanitra ny Kianja.

Nandray an-tsoratra : Ralaiarimanana Narindra

Alahady 02 Oktobra 2022

ALAHADY 02 OKTOBRA 2022
« HAVAOZY NY FANOMPOAN’NY FIANGONANA »

ALAHADY FAHA XVI MANARAKA NY TRINITE
ALAHADY FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

ALAHADIN’NY MPITANDRINA SY
FANOKAFANA NY JOBILY FISOTROAN-DRONONO

Hianareo no Voninahitray sy reharehanay ” 1 Tesaloniana 2 : 20

Fotoana  roa sosona ny fotoana androany : Alahadin’ny Mpitandrina sy fanokafana ny Jobily fisotroan-drononon’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina mivady.

Razafimaharo Maminirina, Biraom-piangonana, no nitarika ny fotoana ary ny  Mpitandrina Andriambahiny Maminiaina no nitondra ny hafatry ny Tompo. Alahady voalohany amin’ny volana oktobra, koa nisy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

Natao ihany koa ny fiarahabana ireo teraka volana septambra ka nankalaza an’Andriamanitra noho ny tsingerinandro nahaterahany.

Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.

FANOMBOHANA NY FOTOANA 

Taorian’ny feon-javamaneno fidirana sy ny Fiarahabana apostolika ho fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra dia novakian’ ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny Salamo 33:1- 4 sy ny Salamo 118 : 24 : « Mihobia ho an’i Jehovah ianareo, ry olo-marina ; fa mendrika hataon’ny olo-mahitsy ny fiderana…Ity no andro nataon’i Jehovah ; Hifaly sy ho ravoravo amin’izao isika.»

Rehefa vita izany dia natao ny hira FFPM 173 : 1, 2, 3 « Hosana no asandratray »

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Nisaorana Andriamanitra noho ny fitaomany ny olony ka tonga soa aman-tsara eto an-tranon’Andriamanitra hanome voninahitra Azy sy hitondra amim-bavaka ny Raiamandreny Mpitandrina mivady sy ny ankohonany. Nisaorana Andriamanitra nanome ny Mpitandrina nandritra ny 15 taona, nisolo tena Azy, mba hitaiza sy hanolokolo. Nangatahina ny fanatrehan’ny Fanahy Masina mba hanome aina vaovao indray ho voninahitry ny Tompo.

NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA 

« Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny vady andefimandrinao, na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe : Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao), dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin’ny faran’ny tany rehetra, dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran’ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao …(Deoteronomia 13 : 9)  Koa ankehitriny matahora an’i Jehovah, ka manompoa Azy amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana…( Josoa 24 : 14)  fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.» (Josoa 24:19).
Taorian’ny fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra dia nohiraina ny hira 331 : 1 « Havaozy ny foko » (Fihirana Fifohazana).

VAVAKA FIFONANA
Noho ny tsy fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra dia nangatahina ny famindram-po avy Aminy. Nangatahina ny Tompo mba hanavao ny fanahin’ny mpianakavin’ny finoana ka hanompo Azy sy ho tia Azy mandritra ny androm-piainany.

Rehefa vita ny vavaka fifonana dia nohiraina ny FF 35 : 2 « Ry Tomponay ô avia » 

FAMELAN-KELOKA

Natolotra ny Teny famelan-keloka. « Tsy sitrako ny ahafatesan’ny ratsy fanahy fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany mba ho velona izy.»
Nohiraina ny FFPM 543 : 1, 3 « Mihoby ny fanahiko » ary ho fanambarana sy fanehoana ny finoana dia niarahana nanonona ny Fanekem-pinoana apostolika.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY TANORA 
Andriamampianina Naivo, mpampianatra Kilasy faha 9 no tompon’anjara.

« Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery » (Isaia 40 : 31a) no andinin-tSoratra Masina nozaraina nakana ny hafatra.
Vorona matanjaka tokoa ny voromahery. Anisan’izany ny ankoay. Mihavao mandrakariva ny heriny, ny volony ihany koa dia havaoziny isan-taona. Ongotany izany ary mitsiry vaovao indray, ny vavany ihany koa dia rangitiny ary tena maranitra. Mahatratra 130 km isan’ora ny hafainganam-pandehany ary rehefa mihaza izy dia 120 km isan’ora ny fidinany misambotra ny rembiny. Mampiavaka ity vorona ity ny fitiavany misidina manohitra rivotra mahery. Ny voromahery no nangalana tahaka ny fiaramanidina. Anehoan’Adriamanitra ny heriny ny voromahery. Aoka isika tsy ho kivikivy fa hampitombo ny herintsika ao amin’Andriamanitra sy hihavao hatrany.
Rehefa vita izany hafatra fohy izany dia nohirain’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady ny hira FFPM 487: 1 « Fanavaozana izay mahagaga »
Ho setrin’izany hafatra izany dia nanao vavaka ny tompon’anjara ka nisaotra ny Tompo noho ny fampianarany hahatonga ny mpanompony tsy ho mora kivy sy hamoy fo fa hanovo hery hatrany ao amin’Andriamanitra.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA 

« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo »

Rakotomanana Andry, Biraom-Piangonana, no nanao ny tatitra.Toy izao no tsara hofantarina ka hotanterahin’ny Fiangonana:
Avy any ivelany 
. FJKM Foibe

   – 03-06 oktobra : Antsoina ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo hanaraka ny fiofanana Misionera andiany fahatelo.

   – 08 oktobra : Fanompoam-pivavahana fanirahana ireo Misionera eny amin’ny Kianja maitso Antsahamanitra amin’ny 2ora sy sasany.

  – 8 oktobra : Fanompoam-pivavahana famoahana ireo nahavita fianarana SETELA andiany Iraka Fanasina, amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga.

. Synodamparitany Antananarivo Andrefana

  – 08 sy 09 oktobra : Fivoriamben’ny synodamparitany Antananarivo Andrefana.

Mikatona avokoa  ny trano fiangonana ny alahady 9 oktobra eto amin’ny synodamparitany Antananarivo Andrefana. Eny Ivandry Amboniloha no hotontosaina ny fanompoam-pivavahana.

    -15 oktobra : Fihaonamben’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona (FDL) eto amin’ny synodamparitany Antananarivo Andrefana eny amin’ny Toby Getsemane Antambohomena.

Raharaha anatiny :
–  Asa vavolombelona roa hotanterahina anio dia ny fitondrana amim-bavaka ny Mpitandrina mianakavy sy ny fanokafana ny Jobily fisotroan-drononon’ny Mpitandrina mivady.
– 10-16 oktobra : Herinandrom-bokatry ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM)

-17-23 oktobra: Herinandrombokatry ny Sampana Fifohazana (SAFIF)
-16 oktobra : Fivorian’ny Mpihevidraharaha. Haseho amin’io fotoana io ireo mpianatra Katekomena horaisina ho Mpiray latabatra amin’ny Tompo.

-16oktobra: Manomboka ny fianarana Sekoly Alahady
– Sabotsy 22 oktobra : Fiofanan’ny tomponandraikitra rehetra eto amin’ny Fiangonana

– Alahady 23 oktobra : Haseho amin’ny fotoanan’ny ankatoky ny Fandraisana ireo mpianatra Katekomena horaisina ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo amin’ny 06 novambra.

Fiarahabana ireo nankalaza an’ Andriamanitra noho ny tsingerinandro nahaterahana volana septambra 
« Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. » Apokalypsy 2 : 19.

Izany no teny nentina niarahaba ireo mpianakavin’ny finoana nanatontosa ny rakitra teny amin’ny alitara. Ny FFPM 625 : 5 « Mpamonjy soa malala ô »  sy FFPM 20 « Tsaroanay tokoa izao » no nohiraina nandritra ny rakitra teny amin’ny alitara.
Tamin’izany dia nentina tamim-bavaka izy ireo ho fisaorana ny Tompo noho ny tombonandro azony sy nahafahany nankalaza izao fotoana miaraka amin’ny mpianakavin’ny Tompo izao. Nentina tamim-bavaka izy ireo mba hahazo hery, hitombo finoana, hahazo fahasalamana ary hanana fifaliana ao amin’ny Tompo.

RAKITRA SY FANOMEZANA 

Ny Biraom-Piangonana Andriamasinoro Tantely no namaky ireo raki-pisaorana sy voady nataon’ireo mpianakavin’ny finoana tamin’ity alahady ity. Ny FFPM 612 : 1 « Ry Ray Mpiaro lehibe », FFPM 547,1 « Ry Jesô Masoandronay o ! », ary FFPM 488, 3 « Na inona na inona hitranga Jeso » no hira nangatahin’izy ireo.

Nisy ireo mpianakavy ao amin’ny Tompo nisaotra noho ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany. Nisy ireo nisaotra noho ny faharetan’ny tokantranony. Tao ireo nisaotra noho ny fahasitranana azo. Nisy kosa ireo mitady fahasitranana sy fahasalamana. Nisy ireo nidonam-pahoriana nangataka vavaka fampaherezana ; ny afa-panadinana. Tao ihany koa ireo mangata-bavaka hiatrika fanadinana. Nisy mpanompon’Andriamanitra nangataka vavaka hitantanana ny fiainany, ny fianarany sy ny asa fanompoany. Nisy ihany koa ny nangataka tsodrano fa ho any am-pitan-dranomasina.
Teo am-panolorana ny rakitra dia  nohiraina ny FFPM 179 : 4  «Ny Fanahy Masina efa tonga tokoa». 

 

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Nohiraina ny FFPM 786: 1 « Ny Teninao Jehovah izay ianaranay ».
Ny Biraon’ny Komity Fisotroan-dronon’ny Mpitandrina (KFM) no nivavaka sy namaky Teny.

Ratovelomanana Samoela no nanatanteraka ny vavaka mialoha ny vakiteny
Nisaorana Andriamanitra noho ny fotoana nomeny hahafahana mamaky sy mihaino ny Teniny. Nangatahina ny Fanahy Masina hanokatra ny fo sy ny saina hahatakarana ny tian’Andriamanitra holazaina.
Razafimaharo Fanja no namaky ny perikopa voalahatra. Ny Testamenta Taloha : Isaia 29 : 13-24 sy ny Testamenta Vaovao : Marka 7 : 1-13 ; II Korintiana 5 : 11-21.

TORITENY 
Nohiraina ny FFPM 786 : 4 « Ny Teninao Jehovah izay ianaranay » mialoha ny hafatry ny Tompo.
« Hianareo no voninahitray sy reharehanay » I Tesaloniana 2,20. Izany no Tenin’Andriamanitra nangalana ny toriteny.

Teo am-panombohana dia nampahery ny Mpitandrina hoe : « Courage ! » ary nanentana ny mpianakavin’ny finoana hiteny izany sy hampahery ny olona teo akaikiny ihany koa.
Ny olon’Andriamanitra manam-pinoana dia olon’ny fiadanana, hoy izy, satria ny Tompo milaza hoe « Ny fiadanako no omeko anareo ». Io I Tesaloniana 2 : 20 io no boky nosoratan’i Paoly voalohany. Sahirana ny sain’i Paoly tamin’izany fa tsy hihaona amin’ireo Mpino intsony tamin’io fotoana. io.
Ireto no fototra ijoroan’ny Protestanta : Sola Scriptura,  izay midika fa ny Soratra Masina irery ihany no ifotorantsika sy ny Sola Fide izay midika fa ny Finoana irery ihany no ifotorantsika.
Ao amin’ny Baiboly no misy ny Tenin’Andriamanitra ary ny ambaran’io Soratra Masina io dia i Jesoa Kristy irery ihany. Jesoa Kristy dia nambara tamin’ny Tenin’Andriamanitra ary tonga nofo Izy ka raisintsika amin’ny  Fanasan’ny Tompo. Ny olona rehetra tonga eto an-tranon’Andriamanitra dia olona notaomin’ny Fanahy Masina. Tsy mitaona antsika ho any amin’ny trano fijerena sarimihetsika sy trano filanonana ny Tompo fa mitaona antsika ho ao an-tranony. Tsy olona no tadiavintsika ato an-tranon’Andriamanitra fa Andriamanitra. Tsy misy famonjena ivelan’ny Fiangonana.
Talohan’ny fanitsiam-pivavahana dia voalaza fa vidiam-bola ny famonjena ny fanahy. Diso izany  ary izany no nahatonga ny fanitsiam-pivavahana kristiana.  Ny Finoana omena antsika no mamonjy antsika. Ny Finoana dia arahina asa.  Epistis no dikan’ny finoana. Ny olona dia lasa lavitra raha misy finoana.

Araka ny « Sociologie religieuse » dia afaka refesina ny finoana. Voalohany, ny Mpino dia tonga ao an-tranon’Andriamanitra. Faharoa, mandray andraikitra ao izy ary farany dia mandray anjara amin’ny fanefana ny adidy ara-bola ny Mpino. Io farany io no manahirana ny sain’ny sasany. Voalaza nefa fa misy olona fatra-panome, kanefa mihamanana hatrany ; misy kosa fatra-pahihitra, kanefa mihamalahelo hatrany. Izay manome no mahazo. Aza mitaraina rehefa mandoa vola aty am-piangonana, fa mifalia. Ny asa izay ataonao dia asan’Andriamanitra. Ny rakitra hatao dia hatolotra an’Andriamanitra. Arakaraka ny hanomezantsika ny Tompo no handraisantsika avy Aminy. Mila matoky ny Tompo ianao vao marina aminao izany teny izany. Jesoa no vahaolana ho an’ny olona. Ankehitriny, ny lojikan’ny olona dia hoe « olana- vahaolana ». Ho antsika Kristiana dia Jesoa no vahaolana. Efa manana Azy isika hamaha ny olana rehetra izay ho avy. Jesoa no vahaolanao?
Ho fifaliana sy reharehan’Andriamanitra anie isika rehetra.

Taorian’ny feon-javamaneno fohy dia nanatanteraka ny anjara hirany ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena: «Tia antsika».

VAVAKA FANGATAHANA 

Ny Biraom-Piangonana Razafindrabe John Bam no nanatanteraka ny vavaka fangatahana amin’Andriamanitra.
Nambara tamin’ny Tompo ny fahavononana hiasa ho Azy sy ny fanavaozana ny fanompoana Azy ary ny handeha araka ny sitrany.  Nentina tamim-bavaka ny Mpitandrina sy ny ankohonany, ny mpianakavin’ny finoana ary ireo olona nanatanteraka ny voady masina sy raki-pisaorana.
Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo izany vavaka izany.

ASA VAVOLOMBELONA 
Fiarahabana ny Mpitandrina mivady 
« Mahaiza mankalaza tsara an’Andriamanitra hianareo » Salamo 47: 7. Izany no nentina niarahaba ny Mpitandrina mivady. Ranaivoson Jacky, Biraom-Piangonana, no nitondra ny Teny.

Taorian’izay dia ny Biraom-Piangonana Ralaindimby Haja no nitondra tamim-bavaka ny Mpitandrina sy ny ankohonany. Nisaotra an’Andriamanitra noho ny 14 taona nananana ny Mpitandrina teto amin’ny Fitandremana. Nangatahina ny Fanahy Masina hitarika sy hitsinjo azy amin’ny asam-panompoana ataony. Nentina tamim-bavaka ihany koa ny zanaka aman-jafiny.

Fanokafana ny Jobily fisotroan-dronono 
« Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo ; hevero ny hiafaran’ny fiainany,ka araho ny finoany » Hebreo 13 : 7 Izany kosa no Teny-hafatra nataon’ny Filohan’ny KFM, Randrianonimandimby Oliva, natolotra ny mpianakavin’ny finoana handrisihana azy ireo haneho fifankatiavana amin’ny fifanomezan-tanana ho amin’ny fisotroan-drononon’ny Mpitandrina.
Nanao lahateny fohy ny Filohan’ny KFM nanambara ny fotoana nitandreman’ny Mpitandrina teto Amparibe Famonjena izay nanomboka ny jolay 2008.  Nomeny ny fintin’ny tetiandron’ny taon-jobily izay hanomboka amin’ny Mariazy Miara-mizotra ny janoary 2023 ary hifarana ny 31 desambra 2023 amin’ny sakafo Agape. Nambarany fa tao anatin’ny 110 taona dia Mpitandrina efatra nisesy izay no nisotro ronono teto amin’ny Fitandremana, namela hira fahatsiarovana : ny Mpitandrina Andriamasinoro : « Mialoka Aminao » ; ny Révérend Rakotoarivony Paul « Sambasamba Zanahary » ; ny Mpitandrina Ramino Paul « Tompo ô manatreha ».
Nampahafantatra izy fa tsy misy ny Hira faneva amin’izao taon-jobily izao fa misy tononkira atolotry ny Mpitandrina mivady hirain’ireo Sampana mpihira eto amin’ny Fitandremana ary iarahana misalahy amin’ny Fiangonana ny famoahana izany hira izany.
Teo anatrehan’izany dia nanao teny fisaorana ny Mpitandrina. Nisaotra an’Andriamanitra izy, nisaotra ny Birao, ny mpihevidraharaha, ny Mpandray sy ny KFM ary ny mpianakavin’ny finoana rehetra.
Taorian’izany dia nosokafana ny « Banderole »  mirakitra ny Jobily izay napetraka ao amin’ny rindrina ivelan’ny trano fiangonana.
Avy eo dia nanatanteraka ny hira mitondra ny lohateny « Fa hianareo no voninahitray » ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena, hira noforonon-dRabako Ralambonirina Jean Jacques, noho izao Jobily izao. Rehefa izay, dia nandray fitenenana ny solotenan’ny synodamparitany, Andry Nirina Velosoa, izay Tonian’ny Departemantan’ny mpiasa sy ny vola. Tamin’izany dia nanolotra tononkalo ho an’ny Mpitandrina izy.

FAMARANANA NY FOTOANA 
Nohiraina ny hira: HF 31 : 1, 3 « Ny lalanao Jesoa » ary niarahana nanonona ny Tondrozotra 2022, ary natolotry ny Mpitandrina Andriambahiny Maminiaina  ny Tsodrano.
Ny hira « Mialoka Aminao » no namaranana ny fotoana
Nipetraka ny Fiangonana nivavaka mangina. Nofaranana tamin’ny fanononana ny Trinite masina ny fotoam-pivavahana :« Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina »
sy feon-javamaneno.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nanatanteraka ny fotoana.

Mialoha izany dia nanao hira manokana ny Mpitandrina, « Tarigetra » no lohateny.
Ary teo am-piomanana dia nohirain’ny Mpandray ny FFPM 748 : 1, 3 « Havaozy Tompo ô izao rehetra izao ». Nivavaka ary narahina ny hira Antema 1 « Masina, Masina, Masina » izany.

Natao ny Teny fanorenana sy vavaka fahatsiarovana izao Fanasan’ny Tompo izao. Nohiraina ny  FFPM 599 : 1 « O ry Jesosy mifaly ny foko » dia nivavaka nangataka ny Fanahy Masina ny Mpitandrina,  nanandratra ny kapoaka sy namaky ny mofo. Niarahan’ny Mpandray nanonona ny vavaka fanetren-tena.

Tao anatin’ny fizarana ny mofo sy ny kapoaka no nanaovana misesy ny hira FFPM 752 « O ry Jesosy ny Anaranao » ; ny FFPM 392 « O mba raiso izao, misy lovanao ao » ; ny FFPM 487 « Fanavaozana izay mahagaga ».

Tao anatin’ny fanangona ny kapoaka sy fanantazana ny rakitra no nanatanterahina ny hira FFPM 241 « Ry Jesô ô midina ».

FAMARANANA 
Nanome ny hafatra fohy ny Mpitandrina « Hianareo no voninahitray sy reharehanay ry Amparibe Famonjena » ary natolony ny Tsodrano. Natao ny hira FFPM 579 : 5 « Aza mba mandalo ahy » teo am-pamaranana.
Nirava tao anaty feon-javamaneno ny fotoana.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rajaofetra John, Rajaofetra Antonio (Mpiofana ho mpitendry orga) ary ny Sampana Mpiangaly Zava-maneno (SMZM)

Nikirakira ny fafana : Razafimaharo Kanto

Nikirakira ny fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto, Razafimahefa Tina

Naka sary : Andriamampianina Faneva Harijesy

Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky Noely.