ALAHADY 25 SEPTAMBRA 2022 « MIKELEZA AINA AMIN’NY ASA FITORIANA »
Alahady faha XV manaraka ny Trinite
Alahadin’ny sampan’asa FJKM Fikarohana sy Fandalinam-Pinoana (FFP)
Alahadin’ny Katekomena « MIORINA »
“ Fa tsy menatra ny filazantsara aho ; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa koa. ” Romana 1:16
Alahady faha 15 manaraka ny Trinite nitondrana tamim-bavaka ny sampan’asa Fikarohana sy Fandalinam-Pinoana (FFP) sy natokan’ny Fitandremana Amparibe Famonjena hitondrana amim-bavaka ny Katekomena Miorina ary nanatanterahina ny fahalalana Soratra Masina. Ity alahady ity ihany koa no mbola hibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy eo amin’ny sahan’ny FJKM manao hoe : “ MIKELEZA AINA AMIN’NY ASA FITORIANA”. Notanterahina taorian’ny fanompoam-pivavahana ny fivoriana Ankatoky ny Fandraisana.
Rasoanaivo Lalao, Katekista, mpampianatra katekomena no nitarika ny fotoana.Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina, no nitondra ny hafatra. Ny litorjia amin’ny endriny faharoa no narahina.



FANOMBOHANA NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA
Taorian’ny feon-javamaneno, nanao ny Fiarahabana apostolika ny mpitarika dia nanolotra ny Teny fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra. Niara-nanandratra Ilay Tsitoha ny mpianakavin’ny finoana, tamin’ny famakiana teo am-pitsanganana ny Salamo 66 : 8-12 manao hoe : “Misaora an’Andriamanitsika, ry firenena, ary asandrato ny feo fiderana Azy. Izay mampitoetra ny fanahintsika amin’ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo. Fa efa nizaha toetra anay Ianao, Andriamanitra o, efa nanadio anay Ianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ny memy. Efa nampiditra anay tamin’ny fandrika Ianao, efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Ianao. Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Ianao, nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay, fa nitondra anay nivoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika Ianao » ” Amena !
Natao ny hira FFPM 45 :1, 2, 3 “He, tonga ho antsika” ho fiderana an’Andriamanitra.




VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA
« Ry Andriamanitra, Rainay izay any an-danitra o ! Rainay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy anay Ianao. Midera Anao izahay fa ambonin’ny andriamanitra rehetra Ianao.Tsy misy andriamanitra tahaka Anao, fa Ianao ilay Tompon’ ny tompo ary Mpanjakan’ny mpanjaka, Anao ny fahefana rehetra Andriamanitra o. Midera Anao izahay noho ny halehiben’ny herinao, fa izany no efa hikoizan’ny fahavalonao Anao.
Misaotra Anao izahay ry Tompo tsara indrindra o, fa notarihinao tamin’ny fitiavanao, ka tafavory eto amin’ity tempolinao masina ity, miombona fo amam-panahy, midera sy manome voninahitra Anao. Misaotra ihany koa noho ny alahady natokan’ny Fiangonana ho Alahadin’ny Katekomena Miorina ; hitondrana amim-bavaka azy ireo, ary ny Alahadin’ny sampan’asa Fikarohana sy Fandalinam-pinoana (FFP) eto amin’ny FJKM. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy no hanaovanay izany vavaka izany.» Amena !



FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Rajaofetra John Eric, mpampianatra ao amin’ny kilasy faha 4 no nanatanteraka ny fotoana.
Taorian’ny vavaka, ny Teny araka ny Matio 10 : 6 « Fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’Isiraely. » no nentiny nangalana ny fampianarana.
Iza no taranak’ Isiraely ? : Isika izao no taranak’ Isiraely.
Ny ondry very ? Jesoa Kristy mihitsy no miteny eto. Isika rehetra izao dia mpianatr’i Jesoa Kristy. Misy amin’ireny havantsika, ankohonantsika ao an-trano ireny, tsy mety mandeha mivavaka, tsy mety mankaty am-piangonana, tsy mety mianatra Sekoly Alahady na mampianatra Sekoly Alahady.
Tantara mahakasika ankohonana kristiana no nangalana ny fampianarana. Ny ankizy no mandeha mianatra Sekoly Alahady, fa ny ray aman-dreny tsy dia mazoto loatra. Rehefa fotoan-dehibe sy fanasana izy ireo vao mandeha izy ireo. Indray andro, tsy navelany nandeha nianatra Sekoly Alahady ny zanany. Naharesy lahatra azy ihany anefa ny ankizy ary nafarany fatratra ny hody aloha. Rehefa tonga tao an-trano dia naverin’ny ankizy nohiraina ilay hira FFPM 780 tany am-piangonana. « He, dera laza hery, ny zaza no hilaza ny voninahitrao ». Somary badabada ilay zaza nihira ka lasa hoe « He dera, laza, hery, ny dada no hilaza ny voninahitrao ». Nanomboka teo dia lasa nivavaka ilay raim-pianakaviana.
Niaraha-namerina ny andinin-tSoratra Masina, ary nohirain’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady ny hira FFPM 780 :1 : « He dera, laza hery ! »
Notanterahina ny hira FFPM 190 : 1, 2 “Ry Fanahy Mpanazava ! ” mialoha ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra.



FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Rakotoarisoa Navalona Falimandimby no nitarika ny vavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina.
Ireto kosa ny perikopa voalahatra novakiana androany alahady : Isaia 40 : 1-11 ; Matio 10 : 1-10 ; Romana 1 : 13-17.
Rakotoarisoa Miaronavalona Ikoriantsoa no namaky ny Testamenta taloha, ary Ranaivosoa Lyzio sy
Rafanomezantsoa Olivier kosa no namaky ny Testamenta vaovao.
Ny hira FFPM 226 “Tompo o ! mba te hihaona” no nohirain’ ny Fiangonana mialoha ny toriteny.
TORITENY
Noraisin’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina ny Romana 1 :16 « Fa tsy menatra ny Filazantsara aho, fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino… »
Fanentanana sy baiko omena ny Fiangonana izao, hoy izy. Mikelaza aina amin’ny asa fitoriana.
« Fa tsy menatra ny Filazantsara aho » hoy ny Apostoly Paoly.
Ny vanimpotoana iainantsika izao dia mitovy tamin’ny vanimpotoana niainan’i Paoly. Nisy zavatra sarotra nolalovana tokoa teo amin’ny fiainana ary tany anaty fiarahamonina tany. Nanahirana na dia ny fitoriana ny Filazantsara aza tamin’izany fotoana izany. Amin’izao androntsika izao, hoatra ny hoe : malalaka ny asa fitoriana ny Filazantsara nefa misy fahasarotana ihany koa satria iza moa no tena mihaino ny Filazantsara ? Ary tena mihaino ve izay mandre ny Filazantsara ? Noho ny hamaroan’ny mpitory dia indraindray toa zara fa mihaino ny olona na tsy mihaino mihitsy aza.
Ao anatin’izany fitoriana ny Filazantsara izany dia misy menatra ny manatanteraka azy. Nahoana ?
Izany no angalantsika ny hafatra mba hametrahantsika ny hoe « Mikeleza aina amin’ny asa fitoriana ».



- Ny Filazantsara manova fiainana
Inona moa no fiainana ovain’izany Filazantsara izany ? Izay no hanentanana antsika hoe « Aza menatra » satria raha ny Filazantsara no manova fiainana, dia ho an’ny olona maditra, ho an’ny olona ratsy fanahy, ho an’ny olona mankahala Fiangonana. Hoatry ny mahamenatra raha handray anjara amin’izany fitoriana ny Filazantsara izany. Ka tonga amin’ilay fitenenan’ny olona « Fa inona koa no nahazo an’io ? ». Hoatra izany no nahazo an’i Paoly. Paoly ilay mpanenjika ny Kristiana ary tena nifofo ny ain’izay mitory ny Filazantsara nefa tsy maintsy izy no hitory ny Filazantsara taty aoriana ary na ny olona nahita azy dia niteny hoe « Fa naninona ? Olona fahavalon’ny Filazantsara kanefa ankehitriny, indro mimokomoko manao ny ainy tsy ho zavatra ny amin’izany fitoriana ny Filazantsara izany? ». Dia menatra eo imason’ireo namana taloha. Mihevitra fa fahafaham-baraka satria ny namana taloha dia hanesoeso, handrabiraby.
Izany mihitsy no asan’ny Filazantsara, manova fiainana izy. Ka ho ahy sy ho anao, izay manaiky hovain’ny Filazantsara dia tsarovy fa izay no ambaran’ny Apostoly Paoly eto hoe : io Filazantsara io dia manova fiainana tokoa, fa herin’Andriamanitra miasa ao anatin’ny olona mandray azy izany Filazantsara izany.
Ireto ny zavatra kasihin’izany Filazantsara izany ka hita tanteraka rehefa mandre izany :
- Io Filazantsara io, rehefa toriana ka renesintsika, dia mandratsana ny toetra ratsy rehetra eo amin’ny fiainana. Raha mpisotro toaka ianao dia rantsanany ny fisotroan-toaka mba tsy hisotro intsony. Raha mifoka sigara ianao dia rantsanany, tsy hifoka sigara intsony. Raha mpiteny ratsy ianao dia rantsanany, tsy hiteny ratsy intsony, …Izay no mahatonga ny hoe « Aza menatra ny fitoriana ny Filazantsara fa ilay namanao mpiara-migoka, ilay mifoka kely,…dia lasa haneso hoe « Tsy namantsika intsony lery ? », « Fa ahoana ? » « Ka efa mpitory Filazantsara dia novain’ny Filazantsara ny fiainany, dia io izy io. »
- Mitondra hetaheta hifandray amin’Andriamanitra izany Filazantsara izany, izany hoe tsy tafajanona amin’ilay toetra tranainy sy ratsy taloha intsony, fa manana hetaheta hiaraka amin’Andriamanitra hatrany, hitady fiainana mifamatotra amin’Andriamanitra mandrakariva. Ohatra Adama sy Eva : Adama rehefa nantsoin’Andriamanitra dia niafina, nandositra, ary izany mihitsy ny fiainan’ny olona rehefa manota dia mandositra an’Andriamanitra. Rehefa nandray ilay fanavaozan’ny Filazantsara anefa, dia nanjary nanana hetaheta hifamatotra amin’Andriamanitra, mitady an’Andriamanitra mandrakariva eo amin’ny fiainany.
- Teraka ao aminy ny fahasahiana hanambara ny Vaovao Mahafaly ho an’ny hafa. Izaho nandray dia hizara aho, ary hizara maimaimpoana aho. Ohatra noraisana tamin’izany ny resaka nifanaovan’ny Mpitandrina tamin’ny mpanao gazety sady mpanao politika malaza efa lasa nodimandry : « Any amin’ny antoko politika sy ny fikambanana samy hafa dia tsy mety ho betsaka ny mpikambana raha tsy tambazana vola. Fa izao no mahagaga : ny Kristiana any am-piangonana asaina mandoa rakitra nefa vao maika be dia be no tonga any am-piangonana ». Hoy ny Mpitandrina : « Tsy menatra ny Filazantsara izy, fa misy herin’Andriamanitra manainga azy, ka na ny fananany rehetra aza dia hafoiny hitoriana izany Filazantsara izany. Tsy omena vola na karamaina ny olona mandray an’i Kristy kanefa dia mamono tena manao ny fitoriana ny Filazantsara, mandeha an’ny amin’ny toerana sarotra ireny manatanteraka izany asan’Andriamanitra izany. Nandray ny Filazantsara izy, tsy menatra ny Filazantsara izy, fa io Filazantsara io no nanova ny fiainany.




2. Ny Filazantsara mandresy ny fahavalo rehetra
Ny fahavalo eto dia ny « Ady ». Izay no mahatonga antsika hiteny hoe « Ady ny fiainana » izany hoe ny fiainantsika ety ambany masoandro ety dia ady foana ary tena ady tokoa fa tsy vazivazy izany. Taorian’ny fahalavoana rehefa niditra ny fahotana dia tena ady tokoa ny fiainana. Na tsy manana fahavalo aza ianao dia ady ny fiainana, miady amin’ny tenanao ianao. Ohatra, rehefa noana ianao dia miady amin’ny hanohanana, izany hoe miady amin’ny tenanao ianao. Ary mihoatra noho izany ny fahantrana, ny tsy fisiana, …ankoatra ny hoe tena misy ady atrehana toy ny fakam-panahy. Tsy avelan’ny devoly mitsahatra mihitsy ianao fa ataony miady hatrany, ka hivoaka ho mpandresy sa hanaiky ho resy ?
Izay no antony hilazan’i Apostoly Paoly hoe : « Aza menatra ny Filazantsara ».
Aza menatra ny Filazantsara fa ny Filazantsara dia maheresy amin’ny sarotra rehetra. Io ihany no hifikirana. Izao no zavatra aterak’izany :
- Manafaka amin’ilay zavatra entin’ny ratsy hanelingelenina antsika izay mino, izany ady izany. Zahan’Andriamanitra toetra ianao ary alain’ny devoly fanahy. Raha havelan’Andriamanitra eo ianao, aiza ho aiza marina moa ny finoako sy ny finoanao ity ? Raha vao mitodika ianao mijery ny Filazantsaran’i Jesoa dia mivoaka mpandresy. Raha tsy mitodika ianao fa miantehitra amin’ny herin’ny tenanao dia ho resy tanteraka. Hoy ny Soratra Masina : « Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra. »
- Omen’Andriamanitra fahefana ianao handrava ny asan’ny maizina. Mahazo fahefana avy amin’Andriamanitra ianao noho ny Filazantsara ninoanao satria nanaiky an’i Jesoa Kristy ianao ho Tompo sy Mpamonjy. Andriamanitra ivavahanao sy iasanaono hanatanterahinao ny fihazakazahana sy hahatonga anao hahatahiry ny finoana. Ny fandrenesanao ny Filazantsara no hanananao ny faharetana ka hahavitanao ny ady sy handresenao amin’izay sarotra rehetra.
Alahadin’ny FFP androany, ny FFP dia sampan’asa Fikarohana sy Fandalinam-pinoana eo amin’ny sahan’ny FJKM. Marobe ny asan’ny FFP : mamorona ny perikopa vakiana mandritra ny taona, mametraka ny lohahevitra isam-bola mandritra ny taona, manao fikarohana ny amin’ny fandalinam-pinoana, mamaritra ny arofanina izay mety hahavoafitaka ny Fiangonana amin’ny fampianaran-diso.







Ny Fiangonana dia :
- mihazona ny Kristiana mba tsy hivembena na hihemotra, hihazona ny finoany hatramin’ny farany, handray ny famonjeny.
- tenan’i Kristy ety ambany masoandro ary tokony hijoro ho vavolombelona mandrakariva amin’izany amin’ny sehatra rehetra. Tsy ato anatin’ny rindrina efatra ihany fa any ivelan’ny trano fiangonana ihany koa.
- fikambanan’ny olona nantsoina mba hikambana hiara-hiasa amin’ny fampielezana ny Filazantsara ary hijoro vavolombelona manomboka ao an-trano. Ohatra noraisina ny hira nataon’ilay zaza nibadabada ny FFPM 780 « ny zaza no hilaza ny voninahitrao » nanjary « ny dada no hilaza ny voninahitrao ». Tonga dia voatsindrona ao am-po any ambadika any ; voatsindrona ilay dada tsy mety mandeha mivavaka. Izay ilay hoe avy amin’ny Jiosy aloha vao mankany amin’ny jentilisa.
- mampiasa ny fanomezam-pahasoavana izay omen’ny Tompo azy. Ohatra ny mpitendry orga, samy manana ny fomba fitendriny manokana izay hamantarana azy avy izy ireo. Ny asa atao dia efa asa fitoriana. Tsy ety ambony pilopitra ihany ny fitoriana ny Filazantsara, fa ny fihetsikao, ny teninao, ny fiainanao ; ianao miresaka amin’ny olona manambara ny fahasoavana dia efa mitory ny Filazantsara.
Mitodika ami’ireo Katekomena amin’ny maha Alahadin’ny Katekomena izao fotoana izao : ao anatin’ny fianarana katekomena sy fiomanana ho Mpandray Fanasan’ny Tompo no ampianarana ny fototry ny finoan’ny Fiangonana, ny maha izy azy anao dia ny Fiangonana FJKM, fanomanana ny tanora sy ny olon-dehibe ho olon’ny Fiangonana, fanofanana ho tomponandraikitra.
Taorian’ny feon-javamaneno, nanao ny anjara hirany ny Hasin’ny Famonjena.
Nataon’ny Mpitandrina ny vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra, narahina fangatahana famelan-keloka. Niarahan’ny Fiangonana nanonona ny Fanekem-pinoana apostolika, laharana fahaefatra, rehefa voaray ny famelan-keloka.
TATITRA KATEKOMENA
Razafindralambo Miantsa no nanao ny tatitry ny katekomena, andiany « Miorina ».







RAHARAHAM-PIANGONANA
« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo »
Rakotomanana Andrimbazotiana, Sekreteram-piangonana no nanatanteraka izany. Ny Tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny Habakoka 2 : 4 no nanombohany azy : « Fa ny marina ho velon’ny finoany. »
Toy izao no tsara hofantarina amin’ny asan’ny Fiangonana:
Asa ivelany
- English Club Academic Mahamasina : fianarana teny anglisy (ankizy, tanora, olon-dehibe). Manomboka ny fisoratana anarana ao amin’ny English Club Academic na ao amin’ny Librairie Antso (izay ahazoana fihenam-bidy 50%).
- Synodamparitany andrefana :
- Talata 27 sept 2022 : FJKM Betafo Fanavaozana : Fivorian’ny mpihevidraharaha.
- Alakamisy 29 sept 2022 : FJKM Soavimasoandro, Ratsiazombola Jean Jacques 30 taona naha Mpitandrina.
- Sabotsy 01 oktobra 2022, FJKM Andrahamahavola Vatofehizoro, 20 taona Mpitandrina an-dRakotoarinaivo Benjamina.
- Zoma 21 oktobra 2022 : Toby Getsemane Tambohomena : andron’ny ray aman-drenin’ny toby.
- FJKM Ambohimanatrika : fivarotana confiture, noho ny faha 130 taonan’ny Fiangonana
Raharaha anatiny
- 02 oktobra 2022 : Alahadin’ny Mpitandrina hitondrana amim-bavaka ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina mivady sy ny ankohonany ary fanokafana ny Jobily fisotroan-drononon’ny Mpitandrina.
RAKITRA SY FANOMEZANA
Razafindrabe Bam, Biraom-piangonana no namaky ny voady sy raki-pisaorana rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Salamo 29 :2.
Ireto manaraka ireto ireo hira nangatahin’ny mpianakavin’ny finoana : FF 46 : 1 « Mba tantanonao ry Raiko » ; HF 12 : Feno Toky.
Ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana ny fanoloran-tena dia noredonin’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira vavaka FFPM 443:2 “ Raiso ho Anao ny foko ”.







ASA VAVOLOMBELONA
Roa ny Asa Vavolombelona notanterahina : Batisa sy Fahalalana Soratra Masina.
-Batisa
Ny hira FFPM 248 :1 « Nitondra ny zaza » no nataon’ny Fiangonana nandritra ny niakaran’ireo ray aman-dreny nitondra ny zaza : Zanaharitsimba Tsiorintsoa Tianay Logan hatao Batisa.
Ny zaza natao Batisa :
-Fahalalana Soratra Masina
Ny Vaomieran’ny Aim-panahy no niandraikitra izany. Nozaraina araka ny sokajin-taona ireo mpianakavin’ny finoana. Naharitra 30 minitra ny famaliana an-tsoratra ireo fanontaniana.
VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA
Ny Mpitandrina Raharijaona Solofo no nitarika izany.
Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo : « Rainay izay any an-danitra » ny vavaka fangataham-pitahiana.
FAMARANANA NY FOTOANA
Nohiraina ny FFPM 310 :1-2 “ Misy maro ao an-tsaha mitaraina ”.
Notononina ny Tondrozotra 2022 ary natolotry ny Mpitandrina ny Tsodrano. Ny hira FFPM 307: 1 « Iza no hanompo an’i Jeso soa» no hira namaranana ny fotoana.
Nipetraka ny Fiangonana nanao vavaka mangina ary nanonina ny Trinite.








IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Irimanana Eninkaja
Nikirakira fafana : Rakotonarivo Vatsy
Nikirakira fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto – Ramahery Yves
Naka sary : Rakotondramboa Andry
Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly