ALAHADY 28 AOGOSITRA 2022 Alahady faha XI manaraka ny Trinite Alahady fitondrana amim-bavaka ny Akany Fialofana Tangaina (AKAFITA)
“Efa nahita ny famonjen’Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra” Salamo 98:3b
Alahady fahefatra amin’ny volana aogositra androany, mamarana ny fibanjinanana ny lohahevitra hoe “TANO MAFY NY FINOANA”. Ny Mpitandrina Andrianaivomanana Willy Johnson no nitarika ny fotoam-bavaka. Ny Mpitandrina Rabetokonana Rivomalala Valisoa no nitondra ny hafatry ny Tompo tamin’ny Fiangonana. Ny litorjia amin’ny endriny faharoa no narahina.



FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA
Nisy feon-javamaneno sy Teny fampidirana ary Fiarahabana apostolika. Novakian’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny Salamo 98 : 1-3 hoe : « Mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah fa efa nanao fahagagana Izy. Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena. Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny teo imason’ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany. Efa nahatsiaro ny famindrampony sy ny fahamarinany tamin’ny taranak’Isiraely Izy. Efa nahita ny famonjen’ Andriamanitra ny vazan-tany rehetra » . Noredonina ny hira FFPM 6 : 1,2,3 « Avia miondreha » “ary nataon’ny mpitarika ny vavaka fisaorana izay narahana feon-javamaneno. Nitohy avy hatrany tamin’ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny fotoana.



FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny K1 Andriamizakason Rajaonah Ny Hasina no nitarika izany. Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra dia : “ Sambatra ny madio am-po ; fa izy no hahita an’Andriamanitra ” Matio 5 : 8.
Tantaran’i Kaina sy i Abela no nataony, izay mpirahalahy, mpamboly sy mpiompy. Samy nanao fanatitra izy ireo : ny an’i Kaina nentiny fotsiny, ny an’i Abela nofidiany ny tsara. Ny azy no nankasitrahan’ Andriamanitra. Tezitra mafy i Kaina ka nifofo ny ain’i Abela izy. Rehefa tsy manao zavatra vokatry ny fonao isika dia miteraka alahelo, fahatezerana, fialonana, fitsiriritana izany. Rehefa mihaona amin’ny olona tsy tiantsika isika dia vinitra, eo isika no tokony hangataka amin’ Andriamanitra mba hamoronany fo madio isika. Amin’ny maha-olombelona antsika mety ho sarotra amintsika ny mamela heloka, nefa vita izany rehefa miaraka amin’ Andriamanitra. Soloy tsiky izany dia ho hitanao fa ho maivana.
Natsangana ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady nanonona ilay andinin-tSoratra Masina. Nisy vavaka.
Nanaraka izany ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra.



FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Nohiraina ny FFPM 207 : 1,2 “ Mamy ny teninao ”. Ny vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina dia notontosain’ny Diakona Rabako Tovohery. Ny Diakona Robel Hanitra no namaky misesy ny perikopa voalohatra araka ny ao amin’ny Ohabolana 4 : 10-19 ; Matio 18 : 1-6 ; I PETERA 5 : 5-9. Ny Fiangonana nanao hoe : “ Ray masina ô, manamasìna anay amin’ny fahamarinana ; ny Teninao no fahamarinana ” Jaona 17 : 17.
Natao ny hira FFPM 243 : 1,2,3 “ Mivory eto izahay ” mialoha ny toriteny.
TORITENY
Ny I Petera 5 : 5-9 no andinin-tSoratra Masina niompanan’ny hafatr’ Andriamanitra nampitondrainy ny mpanompony.
Misy zavatra maro samihafa miseho eo amin’ny fiainantsika, anisan’izany ny karazam-paharatsiana, izay hita taratra hatrany amin’ny fiainan’ny kristiana. Mampametra-panontaniana izany raha tena miaina amin’ny finoana tokoa isika. Ny kristiana miaina amin’ny finoana, araka ny lohahevitra banjinina mandritra ny volana aogositra dia misikina fanetrentena, mametraka ny ahiahiny ao amin’ny Tompo ary miambina mandrakariva. Ireo toetra telo ireo no mandrafitra ny fizarana ao anatin’izao toriteny izao.
- Kristiana misikina fanetrentena (and 5-6)
Ny atao hoe misikina dia mifehy ny valahana. Mila mifehy antsika ny fanetrentena ka ho tonga fiainantsika izany. Andrasana amintsika ny tsy hitady hotompoina sy hasandratra, ny tsy ho ambony noho ny hafa. Jesoa Kristy no môdely tsara indrindra, araka ny ao amin’ny Filipiana 2 : 5-11 hoe : “ Aoka ho ao amianreo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesoa koa, Izay, na dia nanana ny endrik’ Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hifikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona ; ary rehefa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana. Koa izany no nanandratan’ Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesoa no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’ Andriamanitra Ray.” Maty Izy na dia manana voninahitra aza mba hananantsika fiainana mandrakizay raha mino Azy isika. Fitiavana izany. Ny Matio 18 dia mampianatra antsika hiverina tahaka ny zaza. Andao isika hifanompo hiaraka hikarakara ao an-tokantrano sy eo amin’ny sehatry ny fanompoana, tsy hanava-tena satria iray ihany isika ao amin’i Kristy. Ny Fanahy Masina hitarika antsika amin’izany.



- Kristiana mametraka ny ahiahiny rehetra ao amin’ny Tompo (and.7)
Ny ahiahy dia mifamatotra amin’ny nofon’ny olona. Maro ny filàntsika ka rehefa tsy azontsika izany dia miteraka fanahiana, eo no itsofohan’ny ratsy ao anatintsika ka lasa feno fikorontanana, toa mitady zavatra hafa foana isika. Mamotika antsika no anjara asan’ny devoly, toy ny nahazo an’i Adama sy i Eva tao amin’ny saha Edena izay lavo. Mampahatsiahy antsika ny Tenin’Andriamanitra mba hitondra ny enta-mavesatra eo amin’i Jesoa Kristy isika, izay efa nentiny teo amin’ny hazofijaliana. Manoatra noho ny mpandresy isika. Fa hoy ny Teny fampanantenana ao amin’ny Filipiana 4 : 6 sy Salamo 55 : 22 hoe : “ Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra … Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanhana anao ; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina. ”Aoka ho feno vavaka mandrakariva isika. Mety hoe marary ianao na mandalo sedra, tsy afa-panadinana, tsy zakanao izany fa I Jesoa Kristy miahy antsika sy ny fiainantsika, asan’ny tanany sy adidiny isika. Manatòna Azy fa tsy misy tsy hainy atao. Ao Aminy dia azo antoka sy maharitra, izay tsara indrindra no efa omaniny ho antsika. Avotsory eo Aminy ny fanahianao dia hahita fitsaharana ianao.
- Kristiana miambina mandrakiva (and.8-9)
Antsoiny isika hiambina, hiomana, ho feno vavaka ary hiaina ny Teniny eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, hahonon-tena sy ho sahy hanohitra ny asan’ny satana. Jesoa dia avy handrava ny asan’ny maizina. Rehefa miomana sy manana paikady isika dia maharesy amin’ny ady. Aza miandry hopotehan’ny satana vao hanohitra, fa dieny tsy mbola manangoly izy andeha hiambina. Mahay ny zavatra rehetra Izy, manasitrana. Zava-poana ihany ny fandroahana devoly rehefa tsy mino, aoka isika hahatoky, hitafy ireo fiadiana efa nomena antsika (ny Tenin’Andriamanitra no sabatry ny fanahy) ary hanana fifandraisana tsy tapaka Aminy. Andriamanitra dia mahery, tsy misy tahaka Azy. Miorena amin’ny finoana an’i Jesoa dia tsy hiozongozona izany.
Ho an’ Andriamanitra irery ny voninahitra ! Amen.
Nisy feon-javamaneno fohy. Nanao ny hira “ Lift your voice » ny sampana Rindra Fanatanjahantena sy Fialamboly (RFF). Rehefa izay dia nanatontosa ny vavaka setrin’ny Tenin’ Andriamanitra sy fifonana ny mpitarika, izay narahin’ny fanononana ny fanekem-pinoana niarahana tamin’ireo vavolombelona talohantsika (Laharana fahefatra) natao teo am-pitsanganana. Nisy feon-javamaneno fohy.



RAHARAHAM-PIANGONANA
« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo. »
Ny biraom-piangonana Razafimaharo Maminirina no nanao izany tatitra izany. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia ao amin’ny Kolosiana 2 : 6-7 hoe : “ Koa tahaka ny nandraisanao an’i Kristy Jesoa Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa, ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ny fisaorana ”.
Raharaha ivelany
-Oniversite RAVELOJAONA : fampahatsiahivana fa efa misokatra ny fisoratana anarana ho amin’ny taom-pianarana 2022-2023 ho an’ny sampan fahasalamana. Ireo sampam-pianarana misy : Infirmier anésthésiste, Infirmier généraliste, Technicien de radiologie, Maieutique. Koa izay liana amin’izany dia aoka hanatona eny Ambatobevanja toerana misy ny Oniversity Ravelojaona .
-SP ARIVONIMAMO VAOVAO / FJKM ZIONA FAMONJENA IMERITSIATOSIKA
30 aogositra hatramin’ny 04 septambra 2022 : diaben’ny Filazantsara nampitondraina ny anarana hoe « RN1 ho an’i Kristy », ny lohahevitra voizina amin’izany dia « FILAZANTSARA MAMPANDRY FAHALEMANA » .
-Akany Fialofana Tangaina (AKAFITA)
Alahady 28 Aogositra 2022 : hetsika TONTOLO ANDRO AKAFITA izay hotanterahina ao amin’ny FJKM Atsimon’I Mahamasina.
Raharaha anatiny
-Tsy eto an-toerana ny Raiamandreny Mpitandrina mivady fa lasa niala sasatra
-Mitohy ny fotoanan’ny sampana mandritra ny herinandro
-Amin’ny alahady heriny anio, alahady voalohany amin’ny volana, hisy ny fandraisana ny
Fanasan’ny Tompo .
-Noarahabaina sy nirariana soa ny Mpitandrina nitory Teny, izay vadin’ny Mpitandrina nitarika. Hamonjy ny toerana nanendrena azy ity farany, ka hiomana amin’ny rakitra am-baravarana ny Fiangonana amin’ny alahady fandraisana herin’ny anio.
Nandray fitenenana ny Mpitandrina Andrianaivomanana Willy Johnson. Nisy fiarahabana, firariantsoa, fitondrana amim-bavaka ireo nahatanteraka ny fanamasinana ny fanambadiany.
Isaorana an’Andriamanitra, hoy izy, ny sampana samihafa nanatanteraka fihaonambe sy lasy, efa tafody. Mahatsiaro amim-bavaka ny raiamandreny Mpitandrina sy ireo any am-pialan-tsasatra isika. Miarahaba ireo afaka bakalôrera ary mankahery ny tsy afaka. Nitohy tamin’ny voady sy fanomezana ny fotoana.




RAKITRA SY FANOMEZANA
Ny Biraom-piangonana Ranaivoson Jacky no namaky ny voady rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny I Korintiana 1 :9 izy, hoe : “ Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ny Zanany, dia Jesoa Kristy Tompontsika ”. Toy izao manaraka izao ny hetahetan’ny mpianakavin’ny finoana nentina teo anivon’ny Fiangonana : misaotra an’Andriamanitra fa afaka fanadinana, nahavita dingana lehibe teo amin’ny fianarany, nahazo valim-bavaka (asa vaovao). Ao koa ireo nangata-bavaka ho an’ny fianarana, fitaizana ireo zanany, fidirana ny any amin’ny oniversite. Ny hira nangatahin’ny mpianakavin’ireo finoana ireto izay nohirain’ny Fiangonana nandritra ny fanatazana ny rakitra dia : A 16 “ Isaorany Jehovah Tomponay ” ; FFPM 2 : 1 “ Misaora an’i Zanahary ” ; FFPM 171 : 3 “ Jesoa Mpanjaka malaza ” ; FFPM 20 : 1 “ Tsaroanay tokoa izao ”.
Ny hira vavaka FFPM 4 : 4 “ Mamy ny fitianao ”.no notanterahina teo am-pitsanganana ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanolorantena.



VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA
Ny Mpitandrina Andrianaivomanana Willy Johnson ihany no nitarika ny vavaka fangataham-pitahiana. Nisaotra an’Andriamanitra izy fa afaka nanatanteraka fotoam-bavaka, noho ny Teny avy notoriana mba hampiharana izany eo amin’ny fiainana. Nivavahana ny Foiben’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ; ny Filohany ; ny toby masina. Notoninona manokana ny akany fitaizana any Tangaina mba ho feno fahendrena ireo tomponandraikitra, ny zaza kosa ho fanilo sy fanasina eo amin’ny firenena. Tsy diso anjara ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana mba hiaina amin’ny finoana, ho môdely amin’ny fahatsarana rehetra ; ao ireo manam-pikasana hanorim-panambadiana ; ny nidonam-pahoriana ; ny raiamandreny Mpitandrina miala sasatra syireo mpiangona mba hahita fifaliana ao amin’ Andriamanitra ; indrindra ireo nisaotra noho ny fitahiana tsapany. Ny hetahetan’ny nanatrika fotoam-bavaka dia natao mangina. Nofaranana tamin’ny « Rainay izany any an-danitra » ny fangataham-pitahiana.
FAMARANANA NY FOTOANA
Nohiraina ny FFPM 748 : 1 “ Havaozy, Tompo ô ”. Notononina ny tondrozotra 2022 hoe : “ Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra, araka ny olom-boafidin’ Andriamanitra sady masina no malala… Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa ; fa Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. ” Romana 12 : 10 ; Kolosiana 3 : 12b ; I Petera 5 : 5b. Natolotra ny hafatra sy tsodrano dia noredonina ny hira vavaka A 16 “ Isaoranay Jehovah Tomponay ”. Nisy vavaka mangina sy trinite ary feon-javamaneno. Nifarana tamin’ny 10 ora sy 35 minitra ny fotoam-bavaka. Nisy fivorian’ny ankatoky fandraisana taorian’izany.
NY TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rajaofetra Philippe sy ireo mpiofana ho mpitendry (Raharinoa Fenitra sy Rajaofetra Anthonio)
Nikirakira fafana : Raharijaona Nantenaina
Nikirakira fanamafisam-peo : Randriamahefa Tina
Naka sary : Rakotoarisoa Falimandimby
Nandray an-tsoratra : Ralaiarimanana Narindra