Alahady 26 Jona 2022

ALAHADY 26 JONA 2022
« MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO »

Alahady faharoa manaraka ny Trinite – Alahady Fetim-pirenena malagasy – Alahadin’ny taranaka </br>

Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo  II Korintiana 10:3 

Alahady faharoa manaraka ny Trinite ity alahady ity. Alahady farany ibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM: “ Mampanjaka ny fahefany ny Tompo”. Alahady Fetim-pirenena ankalazana ny faha 62 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.

Alahady miavaka ho an’ny Fitandremana Amparibe Famonjena, satria natokana ho Alahadin’ny taranaka ary koa Ivom-bokatry ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena.

Ireo Sampana dimy (5) manao ny fankalazana an’Andriamanitra, ity taona 2022 ity, noho ny taon-jobily no nanantontosa ny fanompoam-pivavahana miaraka amin’ny mpianakavin’ny finoana.

Andrianaivomanana Willy Johnson, Mpitandrina miana-draharaha, no nitarika ny fotoana. Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina, no nitondra ny hafatra. Ny litorjia endriny faharoa no narahina.

FANOMBOHANA NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Rehefa nanao ny Fiarahabana apostolika ny mpitarika dia nanolotra ny Teny fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra, nentin’ny Fiangonana nanandratra Ilay Tsitoha, tamin’ny famakiana ny Salamo 47 : 1-9 : “Mitehafa tanana, ry firenena rehetra ; mihobia an’Andriamanitra. Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana. Mpanjaka lehibe ambonin’ny tany rehetra Izy. Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika, ary firenen-tsamy hafa ho ambanin’ny tongontsika. Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr’i Jakoba izay tiany. Efa niakatra tamin’ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin’ny fitsofana ny anjomara. Mankalazà an’ Andriamanitra, eny mankalazà ; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny mankalazà. Fa Mpanjaka amin’ny tany rehetra Andriamanitra ; mahaiza mankalaza tsara ianareo. Andriamanitra manjaka amin’ny firenen-tsamy hafa. Andriamanitra mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany masina. Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon’Andriamanitr’i Abrahama ; fa an’Andriamanitra ny ampingan’ny tany ; Avo indrindra Izy.”  Amena !

Natao ny hira FFPM 545 Endrey, izany hafaliana” niarahan’ny Fiangonana niredona sy niray fo, ho fiderana an’Andriamanitra.

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Izao no vavaka nentin’ny Fiangonana ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra : « Ry Andriamanitra Rainay Izay any an-danitra o, Rainay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay, Misaotra Anao izahay satria noho ny fahasoavanao dia velon’aina nahatratra ity alahady 26 jona 2022 ity. Misaotra satria nofidianao ho Malagasy, ka nambolenao teto amin’ity Madagasikara malalanay ity. Tianao loatra izahay Malagasy ary tianao ny firenenay. Mitarika anay Ianao mba handray sy hiaina ny fitiavanao. « Fa raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako, hoy Ianao, no ho avy hanetry tena sy hivavaka, miala amin’ny ratsy fanaony ka hitady ny tavako dia hiaina any an-danitra aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny ». Koa mamindrà fo aminay, mamelà ny helokay fa efa nanao izay ratsy teo imasonao izahay na tamin’ny toe-ponay na tamin’ny fisainanay, na tamin’ny fitondrantenanay. Koa mangataka Tompo, diovy amin’ny ranao Jesoa Kristy. Inoanay fa ny fo torotoro sy mangorangoraka dia tsy mba hataonao tsinontsinona. Ary ny asam-pamonjena, vitanao Jesoa Kristy, no hanitra tsara indrindra ho anay, fa voavela ny helokay. Koa raiso ho hanitra ankasitrahanao izay rehetra  tanterahinay eto ary mitariha lalana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, hahafantaranay tokoa fa « mampanjaka ny fahefanao » Ianao ry Tompo Andriamanitray. Amin’ny anaranao Jesoa Kristy Tomponay no anaovanay izany vavaka izany. Misaotra indrindra Ray o. » Amena !

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Harentsoa Louisa, mpampianatra ao amin’ny kilasy faha 9, no nanantanteraka ny fotoana.

Ny Teny araka ny Salamo 46 : 1 « Andriamanitra no aro sy hery ho antsika ; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy. »

Nomena lohateny hoe « Ny vavaka » ny tantara nentina nanamafisana fa aro sy hery Andriamanitra. Zazavavikely 4 taona no nisedra omby masiaka nanatona azy. Tadidiny tamin’ny lesona Sekoly alahady fa rehefa misy zavatra sarotra sy mampatahotra dia mivavaka. Niatrika ilay omby masiaka izy. Nakipiny ny masony ary notononiny ny vavaka manao hoe « Jesoa o, atreho ny sakafonay. Amena ! ». Nahirany ny masony ary gaga izy fa nivily lalana ilay omby masiaka. Avotra soa aman-tsara izy ary notantarainy tamin-dreniny ny zava-misy rehefa tonga tao an-trano.

Tari-dalana roa no azo tsoahina :

  • Antsoy Jesoa, rankizy sy tanora rehefa mandalo zavatra sarotra ianareo, na amin’ny fianarana, na fiainam-pahatanoranareo ;
  • Mivavaha amin’ny fo madio, mivavaha ka aza mitsahatra. Tsy hoe rehefa misy olana ihany vao mivavaka fa amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny atao rehetra

Nisy ny vavaka niarahan’ny fianakaviamben’ny Sekoly alahady taorian’ny hira FFPM 470 :1 « Ny foko, ry Mpamonjy ».

Notanterahina ny hira FFPM 786 :1-4 “Ny Teninao Jehovah ! ” mialoha ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Rakotondraibe Nomena no nitari-bavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina.

Ny perikopa voalahatra hovakiana :  II Tantara 13: 418 ; Matio 24: 1528 ; Efesiana 1: 1523.

Andrianarivo Fiderana no namaky ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao.

Ny hira FFPM 206 :1, 5  “Ny teny masinao”  no nohirain’ ny Fiangonana mialoha ny toriteny.

TORITENY

Mialoha ny nitoriana ny Tenin’Andriamanitra dia niarahaba ny mpianakavin’ny finoana ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina, noho ny Alahadin’ny taranaka sy ny nahatratrarana ny Fetim-pirenena 26 jona 2022.

Ny Teny nentina nitondrana ny hafatra dia tao amin’ny II Tantara 11 : 17 « Ka dia nampahery ny fanjakan’ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak’i Solomona, telo taona ; fa nandeha tamin’ny lalan’i Davida sy Solomona telo taona izy » no nifampaherezana amin’izao fotoana ankalazana ny Fetim-pirenena, ary Alahadin’ny taranaka eto amin’ny Fitandremana izao.

 

Nizara roa ny firenen’Israely tamin’ny fotoanan’i Rehoboama sy Jeroboama. Rehoboama dia tao amin’ny firenen’i Joda ary Jeroboama kosa tao amin’ny firenen’Israely. Ny fanjakan’i Rehoboama no sitrak’Andriamanitra satria nandeha tamin’ny lalan’i Davida sy Solomona izy. Ary ny fanjakan’i Jeroboama kosa tsy nankasitrahan’Andriamanitra satria efa nivily nanaraka andriamanitra hafa izy.

 

Noharina amin’ny fiainan’ny firenena ankehitriny sy ny fiainana maneran-tany ity andinin-tSoratra Masina ity. Entina amim-bavaka manao ahoana moa ny firenentsika sy izao zavatra misy iainantsika izao?

Nandeha tamin’ny lalan’i Davida, i Rehoboama

Ny dikany, raha jerena amin’ny ambaran’ny Baiboly, dia Davida no ilay mpanjaka nankasitrahan’Andriamanitra teo amin’ny fitondrana ny firenen’Israely, fony mbola tsy vaky izany firenena izany. Sitrak’Andriamanitra ilay niankinany tanteraka sy ny nametrahany ny fiainany sy ny fitondrany izany fanjakany izany, teo am-pelantanan’Andriamanitra. Izay sitrapon’Andriamanitra no notanterahiny hitondrana ny fireneny.

Tao anatin’izany fanjakan’i Davida izany no nanehoana ny tandindon’ny fanjakan’i Mesia izay ho avy teo amin’ny firenen’Israely taty aoriana, araka ny nambaran’i Jehovah Andriamanitra.

Fa inona moa no nataon’i Davida ?

  • Niankina tanteraka tamin’i Jehovah Andriamanitra izy. Nahatsapa sy nahatsiaro ny fitondran’Andriamanitra ny firenena izy rehefa nandevozina nandritra ny 430 taona. Ary rehefa tafavoaka tao izy dia nahazo ny tany tondra-dronono sy tantely. Rehefa tonga teo amin’ny fanjakana i Davida dia nilamina ny tany.
  • Nifady ny fanompoan-tsampy.
  • Tena nankatoa ny sitrapon’Andriamanitra.

Vokany, nahery tamin’ny adiny i Davida. Ary ny firenena dia nandry fahalemana. Ary izy dia nanapaka tamim-piadanana.

Ny an’i Solomona kosa nanao ahoana ?

Solomona dia zanaka isan’ny tian’i Davida indrindra, ary izy no nandimby mivantana an’i Davida teo amin’ny seza fiandrianany, nitondra ny firenen’Israely. Mbola tsy vaky ny firenena tamin’izany.

Ny fahendrena no nangatahan’i Solomona tamin’i Jehovah mba hitantanany sy hitondrany izany firenena izany.

Inona ary no nataon’i Solomona ?

  • Nitazona ny fahendrena ny amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.
  • Nitondra tamim-pahitsiana sy tamim-pahamarinana izany fanjakana nomen’Andriamanitra izany. Nahatsinjo izay tokony ho marina sy mahitsy teo amin’izany nitondrany ny firenena.
  • Nanjaka teo ambany fomban’Andriamanitra ny fanjakan’i Solomona.

Vokany

  • Niaiky ny fanjakan’i Solomona ny firenena rehetra manodidina, ka ny tany lavitra dia nangataka ny hihaona sy hivahiny ary hiantrano ao amin’i Solomona, handinika izany fahendrena sy ny fandrosoan’ny fanjakana nentiny izany. Nomen’Andriamanitra fahaizana izy mba hampandrosoana ny fanjakana.
  • Tsy nisy ady mihitsy tamin’ny andron’i Solomona fa tao amin’ny fiadanana ny fitondrana ary ny fiainan’ny vahoaka teo aminy.
  • Nandroso tamin’ny lafiny rehetra ny fanjakana nentin’i Solomona.

Ny Tompo dia efa nanafatra araka ny Matio 24 : 15-28.

Rehefa tsy mahay mitsinjo, tsy mankatoa ny Teny, izay nambaran’Andriamanitra milaza ny andro any aoriana sy ny any am-parany isika, dia hiatra io andinin-tSoratra Masina toy ny tamin’ny firenen’Israely io, izany hoe ny faharavana, fahapotehana. Tamin’ny taona 70, rava tanteraka Jerosalema. Tsy misy tempoly intsony tao fa « mosquée ». Izany hoe ilay fanompoana feno fahamasinana notanterahin’ity firenena mitondra ny anaran’Andriamanitra ity, dia tsy azo nanantanterahina izany intsony, tao amin’ilay trano natao hoe vavahadin’ny lanitra sy tranon’Andriamanitra. Silamo no mivavaka ao amin’izany toerana izany misy ny tempolin’Andriamanitra izany amin’izao fotoana izao, any Jerosalema, vokatry ny tsy fitandremana sy tsy fanarahana ny Tenin’Andriamanitra. 

Noho izany, mila miomana isika, ary ny Tenin’Andriamanitra no ianteherantsika, iainantsika, mba handraisantsika fiainana, tahaka ny tamin’ny andron’ny Rehoboama izay nandeha tamin’ny lalan’i Davida sy Solomona.

Ny antso avo atao amintsika, dia ny Fiangonana no tenan’i Kristy, ary ny Fiangonana no firenen’Israely vaovao, izany hoe miainga avy ao anatin’ny Fiangonana ny fitarihana, mba handeha amin’ny lalan’i Davida sy Solomona eto amin’ity firenentsika ity.

  • Kristy ho an’i Madagasikara ary Madagasikara ho an’i Kristy

Efesiana 1 :15-23 : Hanana izany fiainana izany tokoa anie ny firenentsika, ka handroso.

Inona moa no niseho tany Efesosy ?

  • Nino an’i Jesoa.
  • Nomen’Andriamanitra ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahalalana Azy. Izany fahalalana Azy izany no nanompoany Azy, araka ny fiainany amin’ny maha Fiangonana nitoetra tety ambany masoandro.

Ny Fiangonana tany Efesosy dia nanahirana ny nanorina azy, satria mbola natanjaka ny fivavahana tamin’ny sampy. Kanefa rehefa nandray ny Filazantsara, dia indro fa naneho fankasitrahana ny apostoly Paoly. Nomen’Andriamanitra fanahy feno fahendrena, ka nijoro tsara ny mpivavaka, nahery ny mpino, nitombo ny fivelaran’ny fanjakan’Andriamanitra tao Efesosy.

Izany no iriana ho an’ity firenentsika ity, hatanjaka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, hahery amin’ny fanantenana, satria ny Tompo mila izany ho amin’ny olona nantsoina amin’ny anarany, ka mahay manetry tena sy mivavaka ary miaiky ny fahotana eo Aminy. Hanasitrana azy ny Tompo, hanafaka amin’ny fatorana rehetra sy ny fahantrana. Ary hatanjaka sy hahery ka ho fantatr’izao tontolo izao, fa velona eto amin’ity tanintsika ity ny Filazantsara. Ary miasa ao anatin’ny Fiangonana ny Fanahin’Andriamanitra mitarika azy mba hahatonga ny tsirairay sy ny isam-pianakaviana ary ny ankohonana ho Filazantsara velona.

Ry Amparibe Famonjena, mandehana amin’ny lalan’i Davida sy Solomona. Ento amim-bavaka ny firenena, ny mpitondra fanjakana sy ireo tomponandraikitra rehetra manana fanapahana ary ny ankohonana eto anivon’ity firenena ity.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena !

Taorian’ny toriteny dia nanantanteraka ny anjara hira ny Sampana RFF.

VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Misaotra Anao izahay Tompo o, noho ny fitiavanao satria dia niteny taminay tokoa Ianao. Misaotra manokana nomenao izao Alahadin’ny taranaka izao, mba hahafahanay tokoa miaina amin’ny fitiavanao, miaina amin’ny Teninao, dia ny hafatra izay nampitondrainao ny mpanomponao. Hafatra nampianatra anay an’i Davida sy Solomona, izay nandeha tamin’ny lalanao Andriamanitra. Ampianaro izahay Tompo, mba handeha koa araka izany Teninao izany, hiankina tanteraka Aminao Jehovah Andriamanitray ary hifady ny fanompoan-tsampy sy hankatoa ny sitraponao Andriamanitra. Mivavaka izahay, mba ho taranaka tokoa izahay mandeha araka ny lalan’i Davida sy Solomona. Ho feno fahatokiana tanteraka Anao Andriamanitra, ary indrindra handeha amin’ny fahendrena, dia ny amin’ny fahatahorana Anao Andriamanitra izany. Izany Tompo no fanirianay sy hetaheta mameno ny fonay.

Mivavaka manokana izahay, taranaka Amparibe, mba ho anisan’ny fitaovana ampiasainao ho Anao Tompo, mba hahatonga ny firenenay ho babonao Andriamanitra. Ho Kristy tokoa ho an’i Madagasikara, Madagasikara ho Anao Kristy. Dia tahio izahay Tompo, ary mivavaka manokana koa ho an’ny mpitondra mba ho mpitondra fibebahana marina, handeha amin’ny lalan’i Davida sy Solomona. Tena hiankina tanteraka Aminao Jehovah Andriamanitra, handositra lavitra ny fanompoan-tsampy, ary hankatoa ny sitraponao Andriamanitra, mba handry fahalemana tokoa ny firenenay. Tononinay izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tomponay. Misaotra indrindra Ray o. » Amena !

Niarahan’ny Fiangonana niredona ny Fanekem-pinoana laharana fahaefatra.

RAHARAHAM-PIANGONANA

Rakotomanana Andrimbazotiana, Sekreteram-piangonana, no nanantanteraka izany, natombony tamin’ny Soratra Masina : « Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany. » Salamo 33 :12.

Mamarana ny lohahevitra fitaizam-panahy « Mampanjaka ny fahefany ny Tompo » izay nobanjinina nandritra ity volana jona ity isika. Alahady 26 jona 2022, alahady faharoa manaraka ny Trinite sy Fetim-pirenena malagasy ary Alahadin’ny taranaka.

Toy izao no tsara ho fantatra amin’ny asan’ny Fiangonana:

  • Raharaha ivelany :
    • Alakamisy 30 jona 2022 amin’ny 9ora sy sasany : FJKM Antanety Fitahiana, fanompoam-pivavahana noho ny jobily faha 25 taona naha Mpitandrina an-dRamatoa Andrianasolo Hantaniaina Rojolalaina.
    • Sabotsy 02 jolay 2022 amin’ny 9ora sy sasany : fanokafana ny jobily faha 25 taonan’ny fikambanan’ny Diakona sy Loholona, eny amin’ny “Espace Sous-Bois” Andrasambo Ankazo Anosiala.
    • Alahady 03 jolay 2022, amin’ny 2ora sy sasany : FJKM Ambatomena, fanompoam-pivavahana fankasitrahana an’Andriamatoa Rakotoarimanana, Mpitandrina.
    • Talata 05 jolay 2022 amin’ny 12ora : Chapelle Faculté de Théologie Ambatonakanga, fanehoana ampahibemaso lahatsoratra famaranana ny fianarana, hataon’ Andriamatoa AndrianaivomananaWilly Johnson, Mpitandrina miana-draharaha eto amin’ny Fitandremana FJKM Amparibe Famonjena.
    • Alahady 10 jolay amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga: fankalazana an’Andriamanitra noho ny 25 taona naha Mpitandrina an’ Andriamatoa Ralison M
  • Raharaha anatiny :
    • Alahadin’ny taranaka, Hetsika gasigasy sy ny Fetim-pirenena : hetsika, seho maro isan-karazany ary sakafo malagasy eto amin’ny tananan’ny Fiangonana, nomanin’ny Sampana 5 manao fankalazana an’Andriamanitra amin’ity taona 2022 ity.
    • Sabotsy 02 jolay 2022 : fivoriambe voalohany ho an’ny Sampana Fifohazana.
    • Alahady 03 jolay 2022 : Mianatra ny mpianatra Sekoly Alahady noho ny fanomanana ny fanadinana.
    • Sabotsy 09 jolay 2022 : didimpoitra faobe hiarahana amin’ny Sampana Laika eto amin’ny tananan’ny Fiangonana.
    • Vokatra voaray : 25 238 000 Ariary.

FIARAHABANA NOHO NY ALAHADIN’NY TARANAKA

 Nataon’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina izany. Nasiany andinin-tSoratra Masina natolotra sy nifampizarana ho an’ny :

  • Ray aman-dreny : Salamo 24 : 6a « Izany no taranaka mitady Azy».
  • Zanaka : Salamo 24 : 5 « Handray fitahiana avy amin’i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin’Andriamanitry ny famonjena azy».

Nohirain’ny Fiangonana ny hira FFPM 760 : 1-4 « Aza mba manadino ».

 RAKITRA SY FANOMEZANA

Andriamasinoro Tantely, Biraom-piangonana, no namaky ny voady sy ny raki-pisaorana rehefa avy nanolotra andinin-tSoratra Masina.

Ny hetahetan’ny mpianakavin’ny finoana nentina teto amin’ny Fiangonana dia fisaorana an’Andriamanitra sy fangatahana vavaka ho amin’ny asa, ny nahafahana ny fanadinana Baccalauréat, ny fahasalamana, ny fikarakarana ny fianarana ho any Ampita.

Ny hira nangatahan’ny mpianakavin’ny finoana tamin’izany:

Hira FFPM 630 :4 « Ry Jesosy mba tantano »

Hira FFPM 549 :1 « Jesosy no asandratro »

HF 43 «Vavaka ».

Ny hira vavaka nanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanoloran-tena nataon’ny Fiangonana teo am-pitsanganana, dia ny hira FFPM 283  “ Manan-jara ry Jesosy !”.and.4.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofo no nitarika izany. Ny nangatahina dia ny hiainana ny hafatra avy amin’ny toriteny mba hanaraka ny lalan’i Davida sy Solomona, mba hahitana fahombiazana eto amin’ity tany fandalovana ity.

Nofaranana tamin’ny vavaka « Rainay izay any an-danitra » ny vavaka fangataham-pitahiana.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina ny hira FFPM 734Zanahary o tahio ny tanindrazanay ”.

Notononina ny Tondrozotra 2022. Natolotry ny Mpitandrina ny Tsodrano ary noredonina ny hira FFPM 312 :1, 3 : « Mitoera, ry Jesosy ». Narahina vavaka mangina nofaranana tamin’ny Trinite ary feon-javamaneno izany.

 

 IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rabiazamaholy Hery Lanto – ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno

Nikirakira fafana : Rajaofetra Arielle

Nikirakira fanamafisam-peo : Randriamahefa Tiana

Naka sary : Ramiadamanana Lovatiana

Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly

Alahady 19 Jona 2022

ALAHADY 19 JONA 2022
“MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO”

Alahady I manaraka ny Trinite – Ivombokatry ny Sampana Vokovoko Manga (SVM)

 “Matokia, anaka; voavela ny helokao.” Matio 9:2

Alahady voalohany manaraka ny Trinite ity alahady ity. Alahady mbola hibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe : Mampanjaka ny fahefany ny Tompo.

Alahady ivom-bokatry ny Sampana Vokovoko Manga (SVM) sy ny Rantsana Fanantenana eto amin’ny Fitandremana ary nitondrana tamim-bavaka ny SVM eto amin’ny sahan’ny FJKM.

Alahady miavaka satria andro natokana hahatsiarovana ny raim-pianakaviana rehetra koa noho ny Fetin’ny ray.

Razafimbelo Holy, Diakona, Filohan’ny Sampana Vokovoko Manga no nitarika ny fanompoam-pivavahana ary ny Mpitandrina Ramaholimihaso Solofo, Mpitandrina misotro ronono avy ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana, no nitory ny Tenin’Andriamanitra.

Ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno no nitendry nandritra ny fanompoam-pivavahana manontolo.

Ny litorjia endriny fahatelo no notanterahina.

Feon-javamaneno teo am-pidirana.

FANOMBOHAN’NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Taorian’ny Fiarahabana apostolika nataon’ny mpitarika dia ny Salamo 15 no niaraha-novakiana teo am-pitsanganana, ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra. : “ Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao? Iza no honina ao an-tendrombohitrao masina? Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony; Tsy manendrikendrika amin’ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany, Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an’ i Jehovah; tsy mivadika amin’ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.”  Amen !

Ny hira FFPM 12:1, 2, 5 “Jehovah ô, derainay Ianao!” no niarahan’ny Fiangonana niredona

sy niray fo tamin’ny fiderana an’Andriamanitra.

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Midera mankalaza fa Andriamanitra velona ambonin’ny Andriamanitra rehetra, Tompon’ny fahefana rehetra, Ray mandrakizay. Misaotra Azy noho ny tombon’andro ary misaotra noho ny fitahiany ny SVM sy ny Rantsana Fanantenana. Misaotra koa noho ny fahatsiarovana ny ray, ho lehilahy mendrika hanjakan’ny voninahitr’Andriamanitra anie. Mangataka mba ho feno ny Fanahy Masina ny fotoana manontolo.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NYTANORA

Feon-javamaneno mialoha ny nitsanganan’ny tompon’anjara. Rakotozafy Tinà, mpampianatra ao amin’ny kilasy faha 5, no nanantanteraka ny fotoana ho an’ny Sekoly Alahady.

Nanao vavaka izy teo am-panombohana ary rehefa vita izany dia nasainy nosokafana ny Baiboly ka niaraha-novakiana ny Jeremia 15:16b:“… ny Teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko”

Tokony hahatsapa izany daholo ny kristiana rehetra, hoy izy. Nanontany izy raha misy mahafantatra ny antony hitangoronan’ny olona eny amoron-dalana ny maraina. Mijery gazety ireny olona ireny ary vaovao mampahatahotra sy loza matetika no tena hita sy mahasarika.

Androany kosa dia mampirisika Jesoa hoe ny Teniny no vakiana, ny Teniny no loharanon’ny fifaliana.

Tantaran-dRainibary no nentiny nanehoana fa ilaina ny manana an’i Jesoa, manana ny Tenin’i Jesoa.

Manana aretina mitaiza Rainibary, noho ny fifohana sigara, fiaretan-tory, fijerena horonantsary mampatahotra sy mampitaintaina. Ny dokotera mihitsy no milaza fa ireo no antony mankarary an-dRainibary, ka tsy hisy fahasitranana raha tsy miova ny fomba fiainany.

Mila manana an’i Jesoa izy, miresaka amin’i Jesoa amin’ny alalan’ny vavaka sy famakiana Baiboly. Rehefa izany dia ampianarin’i Jesoa izy. Isika koa dia mila izany.

Teo am-pamaranana dia nitsangana ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady nanao ny hira FFPM 770:5 “Hajain’ny saiko, Fototry ny aiko”.

Mialoha ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra  dia notanterahina ny hira FF 18: 1 , 2 “Afafazo”.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Razafimbelo Muriel no nitari-bavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina.

Ravokatra Angela kosa no namaky ny Teny tao amin’ny Testamenta Taloha ary  Randrianarisoa Rado Navalona ny Testamenta Vaovao.

Ireto ny perikopa androany :  Habakoka 2 : 15-17 ; Matio 9: 1-8 ; Apokalypsy 12: 7-12.

Nohiraina teo am-pitsanganana ny FF 42:1, 2  “Moa misy va?” mialoha ny Toriteny.

TORITENY

Nivavaka aloha ny mpanompon’Andriamanitra ary tamim-pifaliana no niarahabany ny Fiangonana sy ny SVM ary ny Mpitandrina mivady.

Ny Filazantsaran’i Matio, izay efa novakiana,  no nakany ny hafatra nandokoina ny lohahevitra FJKM hoe  “Mampanjaka ny fahefany ny Tompo” :

Tantaran’ilay lehilahy paralytika nobataina tao an-tranon’i Jesoa tao Kapernaoma.

  • Aza atao tazan-davitra Jesoa

Ny Marka 2:3-4-5 no synoptika.

Hita ao amin’ny and. 4 fa be olona ka tsy afaka nanakaiky Azy ilay mararin’ny paralysisa. Faly nahatazana fa tsy afa-po nitazan-davitra. Nitady lalana hanivatsiva ho eo akaikin’i Jesoa. Rehefa teo izy dia tsy bedy fa hoy Jesoa :“Anaka, voavela ny helokao”. Nanononan’i Jesoa ny votoaton’ny Filazantsara ity lehilahy ity. Izany no ambarany voalohany amintsika Fiangonana. Raha tsy mbola nahare izany isika dia mbola manao tazan-davitra izany.

Jesoa miantso hoe “Manatona !”

Ny Salamo 103 :1-5 miresaka ny fitahiana rehetra. Ny fitahiana voalohany dia ny famelan-keloka, izay vao manasitrana, ary izay vao mamoky soa. Raha toa ka sitrana ny marary nefa tsy nahazo famelan-keloka dia toy ny fery tsy afa-tsilo izay manindrona foana.

Koa manakekeza an’i Jesoa hahenoana Azy milaza hoe “Anaka, voavela ny helokao”.

  • Mamela heloka ny Tompo

Mampanjaka ny fahefany ny Tompo. Ny fahefany dia mamela heloka. Ny heloka no mampisaraka amin’i Jesoa.

Voalaza ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:2 fa misy zavatra telo ao amintsika :  fanahy, aina, tena.

Zava-dehibe ary maika ny famelan-keloka. Misaraka amin’Andriamanitra, tsy tafaray amin’Andriamanitra ny fanahy, raha misy heloka tsy nibebahana. Ny fanahy, rehefa tsy mahazo ny Tenin’Andriamanitra isan’andro dia maty. Koa mila mibebaka mba ho velona ny fanahy.

Ny aina atao hoe “âme”, ny fanahy atao hoe “esprit”. Ny aina dia mila sitranina. Rehefa andevoizin’ny fahotana mantsy dia manao ny tsy fanao ka manana “émotion” sy “passion” isan-karazany. Mila sitranin’i Jesoa io. Andriamanitra manasitrana ny aina sy ny fanahy ary ny tena rehefa mandray ny famelan-keloka.

Aoka ny tsy fahasalamanao rehetra hampahatsiaro anao hoe izaho ve efa voavela heloka ?

Rehefa voavela heloka ianao dia fantatr’Andriamanitra ny manafaka anao.

  • Ny olona voavela heloka dia manana fankatoavana Azy

Zava-dehibe ny fankatoavana. Tokana ny fankanesana any an-danitra dia ny manao ny sitrapon’ny Ray izay any an-danitra. Hoy ny fiteny hoe “1 gramme d’obéissance vaut mieux qu’1 tonne de connaissance.”

Mila mankatoa ianao ary manova ny hafa koa. Ampisehoy ny fiainam-pankatoavana anananao hanovanao ny hafa. Tsy ny fahaizana mandahatra akory no inona fa ny fahitana hoe mankatoa ianao, niova ianao.

« Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao ». Niova fo ianao ? Asehoy izany.

Nanova antsika ny Tompo mba ho fitaovana hanova ny hafa. Ny Tompo anie homba antsika.

Ho an’Andriamanitra ny voninahitra.

Taorian’ny toriteny dia nanao feon-javamaneno ny SMZM.

VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Andriamanitra mbola mitaona antsika hanatona Azy ka hanetry tena. Tsy tokony hanao tazan- davitra isika fa hanakaiky  Azy, mba handre ny feony. Hampanjaka ny fahefany ny Tompo ka te hamelona ny fanahintsika Izy, mba hahazoana famelan-keloka. Ny olona manaiky ny fahefan’ny Tompo dia feno ny fankatoavana.

Ny Teny rehetra renay anie tena hiasa ao anatinay hakanay fanapahan-kevitra, hafahanao Tompo mampanjaka ny fahefanao ary hanampianao anay hahay hijoro ho vavolombelona.

Raha miaiky ny fahotanay izahay dia mamela heloka ianao Tompo.

Avy eo dia natao ny hira FFPM 412:2 “Jehovah Tompo ô!”

TENY FAMELAN-KELOKA

Apokalypsy 3:10-11 « Satria efa nitandrina ny Teniko ny amin’ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany. Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao ». 

Izany no Teny famelan-keloka noraisana teo am-pitsanganana.

Natao ny hira FFPM 489:1 “ Tena sambatra sy maha te ho tia ” ary nambaran’ny Fiangonana ny Fanekem-pinoana laharana fahatelo.

Feon-javamaneno

TATITR’ASAN’ NY SAMPANA

Rakotoarisoa Meva no nanantanteraka izany. Nampahafantariny fa Sampana iray amin’ireo valo misy eo anivon’ny FJKM ny SVM eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena.

Amin’ny maha Tempolin’Andriamanitra ny tena dia manampy ny olona hitandrina izany ny Sampana.

Ny Sampana Vokovoko Manga sy Rantsana Fanantenana dia Sampana velona mitaiza hahay handa sy hifady ny zava-mahamamo sy mahadomelina. Mirongatra amin’ny endriny maro izany ankehitriny, ka hifanome tanana hiady amin’izany. Mandritra ny herinandrom-bokatra, ny Sampana rehetra niara-nidera ny Tompo araka ny talentany avy.

Tsy ho an’ny mpifady ihany ny Sampana fa ho an’ny rehetra.

Nanolotra fisaorana manokana ho an’ny SMZM amin’ny fiaraha-miasa.

Hafatra Foibe : « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo » Jaona 8:36.

Miombona amin’ny vina FJKM : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara

Misy ny gazety “Mpanarato” izay mivoaka isan-3 volana.

Ampahatsiahivina ny Malagasy fa azo atao tsara ny mankalaza fety tsy misy zava mahamamo sy mahadomelina. Atao izao fampahatsiahivana izao mialoha ny fankalazana ny 26 jona.

Rehefa vita ny tatitra dia nanao ny anjara hirany ny Sampana

Indro Andriamanitra manambara

Indro Andriamanitra manambara

Ny zava-dazainy mba henoy tsara

Ho tena lalana ho antsika vahoaka

Ny tsy hisotro divay na ny toaka

Raha izany no hisy dia hita tokoa

Divay sy ny toaka dia tsy mahasoa

Manimba ny tena, ny saina, fanahy

Koa ndeha hajanony izany ry lahy

Tsarovy f’ianao no tempolin’ny Ray

Koa indro manentana anao izahay

Ialao ny fiainana ratsy taloha

Dia hohamasinina ilay Ray Tsitoha

Ny Lioka 12:35  “Aoka hirehitra ny jironareo” sy ny Teny Faneva hoe : “Fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.1Korintiana 3:17b no namaranany izany.

RAHARAHAM-PIANGONANA

« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo »

Razafimaharo Mamy, Biraom-piangonana no nanantanteraka izany.

Toy izao no nisongadina ka tsara ho fantatra :

Avy any ivelany

Sampana Fifohazana : Fiofanana ny 23 jona manomboka amin’ny 9 ora sy sasany

24-25 jona : Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 185 taonan’ireo maritiora protestanta. Tsenaben’ny maritiora eo an-tokotanin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga.

TPM Ivato : fanasana varotra fampirantina hahitana asan-tanana maro.

Anatiny

Fizarana taratasy kely mikasika ny fitoriana an-tokantrano (Fitoantoka).

Ankatoky ny Fandraisana, famangiana manjo mialoha izany.

Mitohy ny fotoanan’ny Sampana mandritra ny herinandro.

26 jona : Alahadin’ny taranaka sy Hetsika gasigasy.

9 jolay amin’ny 5 ora sy sasany maraina : Didipoitra faobe karakarain’ny VFL

Nanao fanentanana ireo Rafitra dimy manantanteraka fankalazana amin’ity taona ity : STKZo, STK, AFF, Gazety Taratry ny Famonjena sy ny SAMPATI. Nantsoin’ny mpanentana hiakatra teny amin’ny alitara ny Filohan’ireo Rafitra ireo.

Fanentanana momba ny alahady 26 jona : Hetsika gasigasy

Mizara 2 ny fotoana

-Fanompoam-pivavahana ao an-tranom-piangonana

Marihana fa Alahadin’ny taranaka koa io alahady io : “Taranaka Kristiana malagasy, Malagasy kristiana”

Samy manao fitafy malagasy

-Hifety, hisakafo eo an-tokotanim-piangonana

Ny SMZM mitendry, ny Sampana manan-talenta hifandimby hiaka-tsehatra. Hisy fifaninanana dihy sy hira ary fitafy.

Ny sakafo : kafe, dite, mofo gasy, ramanonanaka, kompoze, vary sy laoka loko malagasy (ravitoto sy henakisoa sy lasary votabia). Misy koa ny masikita sy koba Talata Volonondry.

Aleo hoe mahita toa izay tantaraina.

Momba ny vary sy laoka, misy tapakila efa hamidy 7000 Ar amin’ity alahady ity.

Tenin’ny Mpitandrina :

Nisaotra ny mpanentana. Tena fety amin’ny maha Malagasy tokoa ny amin’ny alahady 26 jona.

Alahady manga ity alahady ity hoy ny Mpitandrina satria Solofo x 2 no mijoro eto.

Nanentana izy ny hihainoina ny fandaharana “Mandeha miendrika ny fiantsoany” ao amin’ny Radio Vaovao Mahasoa ny talata maraina, tontosain’ ny Mpitandrina Ramaholimihaso Solofo.

Nanao fisaorana izy amin’ireo izay efa nahatontsosa sy  ireo mbola hanatontosa anjara Voka-dehibe.

Nanentana izy ny hifanotronan’ny rafitra rehetra araka ny Tondrozotra. Nanamafy ny fiomanana ny amin’ny alahady 26 jona, Hetsika gasigasy, sady Alahadin’ny taranaka.

Tsy hohadinoina ny sabotsy hariva manomboka amin’ny 6 ora hariva : hetsika hataon’ny RFF, fitondrana amim-bavaka ny firenena sy ny hanala fanadinana.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Ny Biraom-piangonana  Ralaindimby Haja no nanolotra ny voady sy ny raki-pisaorana. Fisaorana an’Andriamanitra sy fangataham-bavaka : Nisy ny nahazo asa sahaza, nahatratra fitsingerenan’ny taona nahaterahany, hanao “soutenance”.

Ireto no hira nangatahin’ny mpianakavin’ny finoana tamin’izany: ny FF 53, FFPM 731:2, FFPM 731:4.

Novakiana ireo anjara Voka-dehibe voaray.

Rehefa izany dia niroso tamin’ny fanolorana ny rakitra ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny hira vavaka  FFPM 275:1Raisonao, ry Tompo soa”.

ASA VAVOLOMBELONA

 FETIN’NY RAY

Notarihan-dRamatoa Raharijaona Bodo ny fiarahabana ireo raim-pianakaviana,.

Natsangana avokoa ny raim-pianakaviana rehetra. Noraisiny dikan-teny hebreo iray hoe “Jakara” izay hoe : mahatsiaro, mahatadidy, mamerina an-tsaina, mahatsiahy. Izany no firariana ho an’ireo ray ; dia notolorana fanomezana kely sy hira : Dada (Mialy Rakotomamonjy).

Nofaranana tamin’ny vavaka izany.

Nanao ny anjara hirany ny  S.T.K.

VAVAKA FANGATAHANA

Fisaorana noho ny Teny sy hafatra nampitondraina ny mpanompony no nanombohan’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina ny vavaka fangatahana. Mila manatona ny Tompo isika satria Izy no manome famelan-keloka.

Nivavaka ho an’ny Fiangonana, mpitondra Fiangonana, Mpitory Filazantsara, ho an’ny Toby masina sy akany fanabeazana . Tsy nohadinoina ny Foibe tarihan’ny Filoha FJKM sy Birao SP rehetra. Mivavaka manokana ho an’ny SP misy ny Fitandremana.

Ny Kristiana rehetra eto Amparibe Famonjena anie tsy ho olona mihaino dia manadino, fa mampihatra amin’ny fiainany manontolo ny Tenin’Andriamanitra. Ho an’ny am-pielezana eto an-toerana sy any Ampita koa izany.

Mivavaka ho an’ny Sampana, Sampan’Asa sy Asa mba hahefa be sy izay nanokanana fotoana miavaka (SVM) hahavita soa.

Mahatsiaro manokana ny Mpitandrina nampita ny hafatra. Ny asan’ny Tompo tsy vita raha tsy efa miala eto an-tany koa tafio hery hatrany izy.

Mivavaka ho an’ny Firenena sy ny mpitondra ny Firenena ao anatin’ny fanomanana ny fankalazana ny faha 62 taona niverenan’ny fahaleovantena. Mivavaka ho an’ny Malagasy rehetra ho feno fifaliana ka Kristy ho an’i Madagasikara ary Madagasikara ho an’i Kristy.

Mivavaka ho an’ny Voka-dehibe mandritra ity volana jona ity. Ho tratra anie ny tanjona.

Ho an’ny ankizy efa nanala sy ny mbola hiatrika fanadinana. Ho an’ny sahirana, marary, manan-manjo, voafonja, very asa, traboina, ireo hiaranan’ny fahasahiranana, ireo tratran’ny kere. Ho levona tanteraka anie ity aretin-dratsy coronavirus ity.

Mivavaka ho an’ireo mpanompo izay manana hataka manokana, ho an’ireo nanao raki-pisaorana sy voady masina.

Nakambana izao vavaka izao ka natao amboara tokana amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo “Rainay Izay any an-danitra…”

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao teo am-pitsanganana ny hira 28:2 ( Fihirana Vokovoko Manga )

Asehoy ny fanekena

Aza menatra tokoa

Mba ho hitam-pirenena

Izany fanekena soa

Fiv.: Mitandrema ! Miambena

Tovy ny adidinao, adidinao

Novakiana ny Tondrozotra 2022 ary natolotra ny Tsodrano.

Nofaranana tamin’ny hira 28:4 (Fihirana Vokovoko Manga)

Tontosay ny fanekena

Mandrese sy mandrosoa

Aza mba matoky tena

Iankino Jesoa soa

Fiv.: Mitandrema ! Miambena

Tovy ny adidinao, adidinao

Natao ny vavaka mangina nofaranana tamin’ny Trinite masina.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rajaofetra Philippe sy ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM)

Nikirakira fafana : Randriamasimanana Andrianavalona

Nikirakira fanamafisam-peo : Rova Harentsoa/ Rabiazamaholy Hery Lanto

Naka sary : Ramahery Hasina – Robel Hanitra

Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy

Alahady 12 Jona 2022

ALAHADY 12 JONA 2022
« MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO »

Alahadin’ny Trinite sy fitondrana amim-bavaka ny sekoly FJKM

Alahady fankalazana an’Andriamanitra noho ny ivom-bokatry ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena

“Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo”  II Korintiana 10:3 

Alahadin’ny Trinite sy alahady natokana ho an’ny sekoly FJKM. Alahady ihany koa ivom-bokatra sy nitondrana tamim-bavaka ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena, noho ny 52 taona niderany an’Andriamanitra. Alahady nibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy eo amin’ny sahan’ny FJKM manao hoe : “ Mampanjaka ny fahefany ny Tompo”.

Robel Hanitra, Diakona, Filohan’ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena, no nitarika ny fotoana. Ny Mpitandrina, Randriamisaina Landison, Filoha AFF Foibe, no nitondra ny hafatra. Ny litorjia amin’ny endriny faharoa no narahina. Azonao henoina ato ny hafatra.

FANOMBOHANA NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA

 

Taorian’ny feon-javamaneno, nanao ny anjara hirany ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena sy ny Maintimolaly.

Rehefa nanao ny fiarahabana apostolika ny mpitarika dia nanolotra ny Teny fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra nentin’ny Fiangonana nanandratra Ilay Tsitoha tamin’ny famakiana ny Salamo 95 :1-6. : “Avia, aoka isika hihoby ho an’i Jehovah ; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika. Aoka hankeo anatrehany amin’ny fiderana isika ; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ny fihirana isika. Fa Andriamanitra lehibe Jehovah. Ary Mpanjaka lehibe ambonin’ny andriamanitra rehetra Izy. Eo an-tanany ny fitoerana lalina amin’ny tany ; Ary Azy ny tendrombohitra avo. Azy ny ranomasina, fa Izy no manao azy, Ary ny tany maina dia noforonin’ny tanany. Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika ; Aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah, Mpanao antsika.”  Amena !

 

Natao ny hira FFPM 171 :1, 2 “Jeso, Mpanjaka malaza !” niarahan’ny Fiangonana niredona sy niray fo ho fiderana an’Andriamanitra.

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Izao no vavaka fiderana nentin’ny Fiangonana ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra : « Manainga izany androm-pifaliana masina izany izahay satria  tratra ny androm-bokatra. Ivom-bokatry ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena anio ry Tompo, nankalazana sy niderana ny anaranao masina nandritra izay 52 taona izay. Taona maro tokoa no nandalo, ary efa mpanompo maro no nifandimby ka misaotra anao izahay ry Ray. Dera, laza, hery, haja, saotra ho Anao ry Andriamanitra o ! noho ny fitahianao ho anay, noho ny tombon’andro mbola nomenao anay mpianakavin’ ny finoana tsirairay avy manatrika eto. Tsy takatry ny sainay ny fahalehibiazanao, ny antony andaharanao ny fiainanay. Koa dia misaotra anao ry Tompo. Amena ! »

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Razafimaharo Fanja, mpampianatra ao amin’ny kilasy faha 5 no nanantanteraka ny fotoana.

Ny teny araka ny Apokalypsy 3 : 20, Baiboly DIEM, « Indro mijoro eo am-baravarana Aho, sady mandondona ; ka raha misy olona mihaino ny feoko sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao an-tranony Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiara-misakafo Amiko. »

Nisy ny fanontaniana napetraky ny mpitarika nanao hoe : Inona ao amin’ny vatana moa ny varavarana e ? Mila mihaino tsara ny feo isika izay vao mamoha ny varavarana, fa tsy izay mandondona dia hovohaina.

Tantara nomena ny lohateny : « Dadabe hafakely » no nentiny nitondrana ny hafatra. Nisy Dadabe telo karazana hitan’ity renim-pianakaviana iray teo akaikin’ny fonenany indray maraina handeha hiantsena izy. Nahita ireto lahy antitra be ireto izy, ka nasainy nandroso tao an-trano fa nampalahelo be ny mijery azy ireo. Dia nilaza izy ireo fa tsy afaka miara-miditra, ka dia niala tsiny. Miverena any an-trano dia ampahafantaro anay hoe iza aminay telo mirahalahy ireto no hampidirina ao an-tokantranonareo.

  • Dadabe fahombiazana
  • Dadabe harena
  • Dadabe fitiavana

Nasain’ireto Dadabe telo ireto niady hevitra sy nisafidy ny ankohonany.

Nisafidy izy mivady fa i Dadabe harena no hampandrosoina, satria ny vidim-piainana efa midangana, ny fahantrana efa misoko miadana ihany koa ; efa leon’ ny fanenjehana ora isan’andro sy ny trerona lava amin’ny « patron » any am-piasana, efa leon’ ny fiainana miafy foana ity.

Ho an’izy telo mianadahy zokiny kosa dia i Dadabe fahombiazana no nosafidiany, satria te ho tafita be amin’ny zavatra rehetra ataony izy ireo, na fianarana na amin’ny asa ; sady rehefa tafita mantsy dia mahakevokevoka ny ray aman-dreny, ary izany koa ny tanjony amin’izao.

Ho an’ny faravavy dia i Dadabe fitiavana no tiany hampidirina ao an-trano, satria inona no dikany raha toa ka i Dadabe harena na i Dadabe fahombiazana no hampidirina ato an-trano, nefa isika ary tsy misy fifankatiavana sy tsy misy fiombonana ?

Tapaka ary ny hevitry ny rehetra tao an-trano fa i Dadabe fitiavana no hampandrosoina. Nampandrosoina ary i Dadabe fitiavana, nitsangana ihany koa i Dadabe fahombiazana sy Dadabe harena. Gaga ilay ramatoa, i Dadabe fitiavana no nosafidiana ka ny Dadabe telo no niara-niditra. Namaly tamim-pitsikiana ny iray nanao hoe raha toa i Dadabe fahombiazana na i Dadabe harena no nosafidianareo dia tena tsy maintsy nijanona tokoa ny roa taminay, fa ianareo nisafidy an’i Dadabe fitiavana hampidirina ato aminareo. Na aiza na aiza no misy an’i Dadabe fitiavana dia manaraka eny foana i Dadabe fahombiazana sy Dadabe harena.

 

Hafatra ho antsika ankizy sy ny tanora :

Manontany antsika ny Tompo hoe iza amin’ireo Dadabe telo ireo no tazantsika ao an-tokantranontsika ao anio ?

Safidio i Dadabe fitiavana hiditra ao an-tokantranontsika sy ao amin’ny fontsika indrindra indrindra, satria io fitiavana, io no lehibe indrindra.

 

Taorian’izay tantara izay, nisy ny vavaka niarahan’ny fianakaviamben’ny Sekoly alahady niredona : « Jeso o, manaiky ny hidiranao ny tokantranonay aho, ary manaiky koa aho ny hidiranao ato am-poko. Amena ! »

 Notanterahina ny hira FFPM 786 :1, 4 : “Ny teninao Jehovah ! ”, mialoha ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Rafaralahidimy Liva no nitari-bavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina.

Ireto kosa ny perikopa voalahatra hovakiana androany : II Tantara 20 : 5-9 ; Lioka 6: 1-5 ; 2 Korintiana 10: 1-11.

Andrianandrasanarinaivo Fitia Harisoa no namaky ny Testamenta Taloha ary Rabiazamaholy Andrianina  kosa no namaky ny Testamenta Vaovao.

 

Ny hira FFPM 243 :1, 2, 3 : “ Mivory eto izahay ”  no nohirain’ ny Fiangonana mialoha ny toriteny.

TORITENY

Mialoha ny nitoriana ny Tenin’Andriamanitra, ny Mpitandrina Randriamisaina Landison

dia niarahaba ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena noho ny androm-bokatra sy ny andro nitondrana tamim-bavaka ; ny andro natokana ho an’ny sekoly FJKM, ny Alahadin’ny Trinite.

 

Ny Teny nentina nitondrana ny hafatra dia tao amin’ny II Tantara 20 : 5-9, izay manambara ny foto-kevitry ny tantaran’ny famonjena, izany hoe ilay fifamatoram-piainan’ny vahoakan’Andriamanitra amin’Ilay Andriamanitra izay mamonjy azy, ary fisehoana amin’ny endrika isan-karazany izay maneho izany fifamatoram-piainana izany, ka hahatsapan’ny vahoaka mandrakariva fa tena Andriamanitra mahatoky Ilay tena ivavahany ary anehoan’Andriamanitra mandrakariva fa Andriamanitra mahatoky Izy. Asehony amin’ny alalan’ny fahefany izany na dia mivadibadika aza ny vahoakany indraindray, ary ampifandraisina amin’ny lohahevitra amin’ity volana ity manao hoe : « Mampanjaka ny fahefany ny Tompo ».

Nomena lohateny ny toriteny hoe : « Ny vahoaka sy ny fahefan’Andriamanitra eo amin’ny fiainany ». Mizara roa ny fampianarana.

Manao ahoana moa ny endrik’izany eo amin’ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra sy Ilay Andriamanitra ivavahan’izy ireo :

 

  • Ny vahoaka dia vahoaka mivavaka sady miasa

Ny eo amin’ny and. 4-5 dia milaza ny tonom-bavaka araka ny perikopa. Ary ny tonom-bavaka nataon’izy ireo teto dia tonom-bavaka fangatahana.

Eo amin’ny and. 9, no ahitana ny vavaka fangatahana amin’ny finoana satria anehoan’izy ireo ny maha Izy Azy an’Andriamanitra.

Ny and. 6-7, dia mampiseho fa manana fahefana amin’ny olona sy ny toe-javatra rehetra Andriamanitra, raha ny and. 7-9 kosa dia maneho fa Andriamanitra tsy mivadika amin’ny vahoakany. Ny vavaka izay ataon’ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy mijanona ho tonom-bavaka ihany, fa tonom-bavaka mitohy amin’ny asa.

Ny vavaka eto dia vavaka mitohy amin’ny asa. Ary nomena toromarika izay vahoaka miasa. Nasaina niasa izy ireo, izany hoe nanao nihira fiderana araka ny and. 16-17 sy ny and. 20-21.

Eo amin’ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy afaka misaraka ny vavaka sy ny asa. Ny vavaka dia vavaka amin’ny finoana. Ny finoana dia miteraka asa, ary ny asa dia atao araka ny itarihan’Andriamanitra azy. Ny fitarihan’Andriamanitra dia ny hifidy ny Hasin’ny Famonjena hidera an’Andriamanitra. Asan’ny vahoakan’Andriamanitra ny fihirana fiderana an’Andriamanitra mifampitohy amin’ny vavaka.

Asa voatokana ny fisian’ny antoko mpihira. Ny anjaran’ny vahoakan’Andriamanitra eto dia manokana ny antoko mpihira hihira.

Eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana, tena mivavaka isika, tena miasa isika, dia izay asa hitarihan’Andriamanitra antsika dia ao anatin’ny vavaka. Noho izany ampifanaraho hatrany ny asa sy ny vavaka.

  • Andriamanitra mihaino sy mamonjy

Ny and. 9b dia manasongadina ny fomba fahatakaran’Andriamanitra. Anjara asan’Andriamanitra eo amin’ny vahoaka ny mamonjy, ary tena fantatry ny vahoakan’Andriamanitra fa Andriamanitra mihaino io Andriamanitra io araka ny and 4.

Mihaino sy mamonjy Andriamanitra, eo amin’ny and. 14-15, and. 21.

Ny zavatra nitranga teto dia nifamono ny fahavalo. Ny andrasan’ny zanak’Israely eto dia ny hanafaka azy amin’ny fahavalo. Manome toromarika Andriamanitra amin’ny hanaovan’ny vahoaka ny asa. Jeso Kristy no manafaka izao tontolo izao amin’ny geja. Ny fiainantsika eto ambonin’ny tany dia fiainana feno geja amin’ny fomba maro isan-karazany. Ny olona mahatoky an’i Jehovah, ny olona mivavaka amin’Andriamanitra. Ny olona manana an’Andriamanitra ho toky, dia anehoan’Andriamanitra ny fahefany mandrakariva manafaka ara-panahy, ara-tsaina, ara-batana. Ny fiainantsika rehetra dia kendren’Andriamanitra ho izany.

 

Ry antoko mpihira Hasin’ny Famonjena, asain’Andriamanitra mihira ianareo. Tsarovy ! Ao ambadiky ny hira ataonareo, Andriamanitra te hanafaka olona. Ary rehefa ataonareo amin’ny marina ny hiranareo, dia miasa koa Andriamanitra, ary misy olona te ho afaka any.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena !

Taorian’ny toriteny dia nanantanteraka ny anjara hirany ny Sampana Taniketsa.

VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

“ Tompo ô, misy ny asa tsara, asa lehibe izay nomenao anay dia ny hitarihika ny olona ho tonga mpianatrao. Mila mivavaka tokoa ny olonao ary manaraka izany amin’ny asa. Matetika nefa dia eo am-bava fotsiny ihany fa tsy arahin’asa. Mifona aminao satria tsy nahatanteraka izany. Mifona fa tia tena loatra izahay ka tsy mahalala afa-tsy izahay. Raha miteny izahay hoe « tsy hanao intsony », « mangataka famelana » dia toa eo ambavanay fotsiny izany fa tsy arahinay asa ary tsy ataonay am-pitiavana. Tompo ô dia mangataka indray izahay ny hamelanao anay heloka, ahazo izany fitsaharana izany ka hitandrina sy hieritreritra Anao hatrany ny amin’ny zavatra rehetra ataonay.

Ahatsiaro sambatra izahay ry Tompo, satria voavelanao ny helokay ary voasaronao ny fahotanay. Amen »

Ho fanavaozana indray ny fanekem-pinoana dia ny fanekem-pinoana apostolika laharana faharoa no nentina nanambara izany.

TATITRY NY ASAN’NY ANTOKO MPIHIRA HASIN’NY FAMONJENA

Ny Salamo 104 : 33 : “Hihira ho an’i Jehovah aho, raha mbola velona koa. Hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola miaina »  no nentin’ny tompon’andraikitra, Rambeloson Mitsoa, niroso tamin’ny tatitra.

Nofaranany tamin’ny Jakoba 2 :26 manao hoe : « Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa » izany.

Teo am-pamaranana dia naneho ny fisaorany ho an’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana manontolo izay nitondra tamim-bavaka sy niaraka niombom-bavaka ny tompon’andraikitra.

Taorian’ny tatitra dia nanao ny anjara hirany ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena.

RAHARAHAM-PIANGONANA

« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo »

Razafimaharo Mamy, Biraom-piangonana no nanantanteraka izany. Ny Soratra Masina ao amin’ny Galatiana 5 :16 no nanombohana izany : « Fa hoy izaho : Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny fialan’ny nofo ianareo ».

Alahadin’ny Trinite, alahady natokana ho an’ny Sekoly FJKM, ary alahady famaranana ny herinandrom-bokatry ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena sy ny Maintimolaly.

Toy izao no tsara ho fantatra amin’ny asan’ny Fiangonana:

Avy any ivelany :

  • Foibe FJKM :
    • Alahady 12 jona 2022 : FJKM Analamahitsy, fanompoam-pivavahana amin’ny teny anglisy.
    • Asabotsy 18 jona 2022 amin’ny 09ora sy sasany : fanompoam-pivavahana, FJKM Atsimon’ny Mahamasina, faha 40 taona naha Mpitandrina Rabeantonina James.
    • Alahady 19 jona 2022, 10 ora maraina : FJKM Ambohitantely, 30 taona niasan’Atoa Randrianasolo Justin mivady.
    • Zoma 24 sy asabotsy 25 jona 2022 : FJKM Ambatonakanga, Tsenaben’ny Maritiora, fisoratana anarana ny alatsinainy 20 jona 2022.
  • Synodamparitany andrefana :
    • Alahady 12 jona : Alahady sekoly FJKM Ambohitrolomahitsy.
    • Alarobia 15 -16 – 17 jona 2022 : FJKM Ambatolampy Fahazavana Ambohitrimanjaka, Tafika Masina AFF.
    • Alakamisy 16 jona 2022 : FJKM Antanetibe Fitiavana : mpihevi-draharaha sy komity lehibe Sampana vokovoko manga.

Raharaha anatiny :

  • Fitondrana tamim-bavaka sy famaranana ny herinandrom-bokatry ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena.
  • Alatsinainy 13 jona 2022 : manomboka ny herinandrom-bokatry ny Sampana vokovoko manga sy ny Rantsana fanantenana.
  • Talata 14 jona 2022 amin’ny 6ora hariva : fivorian’ny komity fisotroan-drononon’ny Mpitandrina.
  • Asabotsy 18 jona 2022 amin’ny :
    • 8ora maraina : fivorian’ny Mpihevi-draharaha
    • 2ora : fotoam-pivavahana ho an’ireo hanala fanadinana, izay karakarain’ny SAMPATI, eto amin’ny Fitandremana FJKM Amparibe Famonjena.
    • 2ora sy sasany : fankalazana ny Fetin’ny ray hiarahana amin’ny Sampana Lehilahy Kristiana sy ny AFF, ao amin’ny Akany Rainimamonjy.
  • Alahady 19 jona, aorian’ny fanompoam-pivavahana : ankatoky ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo,
  • Alahady 26 jona 2022 : Alahadin’ny taranaka eto amin’ny Fitandremana sy hanaovana ny hetsika gasigasy noho ny Fetin’ny fiverenan’ny fahaleovantena.

 

Nanentana ny Mpitandrina ny amin’ny fitondrana amim-bavaka ny sekoly FJKM.

Voka-dehibe voaray anio 12 jona 2022 : 20 029 600 Ar.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Andriamasinoro Tantely, Biraom-piangonana no namaky ny voady sy raki-pisaorana rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Isaia 59 :1 « Indro ny tanan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalondalovana, fa mahare », izy. Ny hetahetan’ny mpianakavin’ny finoana nentina teo amin’ny Fiangonana dia fisaorana an’Andriamanitra fa nahazo valim-bavaka amin’ny asa. Nisy koa ny  ny renim-pianakaviana iray nahazo fahasalamana.

 

Ny hira nangatahin’ny mpianakavin’ny finoana tamin’izany: « Haleloia (Handel) » izay notanterahin’ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena.

Ny hira vavaka fanolorana ny rakitra nataon’ny Fiangonana teo am-pitsanganana dia ny FFPM 432 : 3 “ Mandra-pihavin’ny Tompo, mivavaha ” ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanoloran-tena.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofo no nitarika izany. Ny nangatahina dia ny fiainana ny hafatra avy amin’ny toriteny ka sady hivavaka no hiasa ary handray ny vokatry ny fandresena  araka ny haben’ny indrafon’ Andriamanitra.  

Tamin’izany ihany koa no nitondrana tamim-bavaka ny Fiangonana manerana izao tontolo izao, ny mpitondra Fiangonana rehetra, ny mpitory ny Filazantsara, ny toby masina izay miorina, ny akany fitaizana, ny sekoly FJKM, ny Foibe izay tarihan’ny Filoha FJKM sy ireo mpiara-miasa aminy, ny mpiandraikitra Foibe, ny synodamparitany rehetra, ary nangatahana vavaka manokana ihany koa ireo mpanompo izay nitondra ny hafatra androany sy ny ankohonany avy, ireo mpanompon’Andriamanitra izay nanao ny voadiny sy raki-pisaorana teo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana. Vavaka ho an’ny ankizy sy ny lehibe hanala fanadinana sy ny fisondrotana kilasy, ny sahirana, ny tsy salama, ny manan-manjo, ny kere, ny tsy manan-kialofana, sy ireo manana hataka manokana.

Fanateram-bokatra mandritra ity volana jona ity,

Nofaranana tamin’ny vavaka « Rainay Izay any an-danitra » ny vavaka fangataham-pitahiana.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina ny hira FFPM 298 :1 , 3 : “ Aina no fetra ry Tompo Mpanjaka ”.

Notononina ny Tondrozotra 2022. Natolotry ny Mpitandrina ny tsodrano ary noredomina ny hira HF 14. Nisy vavaka mangina sy fanonononana ny Trinite ary feon-javamaneno taorin’izay.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Irimanana Eninkaja, Rabiazamaholy Hery Lanto, ny Sampana Mpiangaly Zava-maneno

Nikirakira ny fafana : Raharijaona Nirina

Nikirakira ny fanamafisam-peo : Ramahery Yves sy Rova Harentsoa

Naka sary : Ramiadamanana Lovatiana

Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly

0622Tantara

Ny hiram-pivavahana sy ny fivoarany (Jona 2022)

«Fadio ny fanao ratsy rehetra» ITesaloniana 5 : 22

Raha nanomboka ny tantaran’ny Hiram-pivavahana sy ny Fivoarany isika nandritra ny fotoana lavalava izay, dia nisy foana ny fanahy niniana, na miantsoro-mianoatra eo am-pitantarana, satria lalovan’ny foto-kevitra isan-karazany ny tantara, ka indraindray misy mampalahelo kely, indraindray misy resaka fanjanahantany, indraindray misy resaka fanjanahan-tsaina sy ny antony maro. Ary tsy mahagaga izany satria amin’ny maha tantara azy, dia misy misalovana eny hatrany izany.

Koa aza atao fanahy manan-tsiny raha misy ny miverimberina nefa mahatsara antsika ny teny “AVERINA” hoy Paoly Apostoly.

Efa nisy hatry ny fahagolan-tany ny fisotroan-toaka, na ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina izany na ny teto Madagasikara nosindrazantsika. Tsy voaresaka kosa anefa raha nisy ny hira nifanindran-dalana tamin’izany, fa ny voka-dratsiny hatrany no voalaza mandrakariva.

Vao tonga kely foana teto Madagasikara ny Filazantsara nentin’ny Misionera Anglisy, dia efa nisy ny hiran’ny Sampana Vokovoko Manga na tsy mbola nisy aza ny fikambanana ara-dalàna ary ny hira mahazatra an-dry zareo Anglisy no nentiny sady nadikany ho amin’ny fiteny Malagasy.

Tsy ela taorian’izany, rehefa lasa zanatany Frantsay i Madagasikara, dia ireo Misionera Frantsay koa no nifarimbona tamin’ny Malagasy sy ireo Misionera Anglisy nandrafitra ny Fihirana Vokovoko Manga voalohany.

Koa araka ny voalaza teo aloha, dia nisy ny Hira isan-karazany tao, izay toy ny tahiry fotsiny ihany noho ny tsy fampiasana azy ary nisy karazany roa na telo izy ireo:

* Tao ireo izay mampihomehy fa hira natao ifandrabirabian’ny samy mpisotro toaka, koa rehefa samy mamo izy no mifanatri-tava dia miventy ny hira ao amin’ny Fihirana amin’izay sady mifampivazavaza.dia miafara amin’ny hehin’ny adala izany ary ny fiafarany dia miara-mihoaka izy rehetra.

* Tao koa ny hira izay niniana nanentana ny mpisotro hahalala mionona ka mahazo misotro ihany fa asiana fetrany ifampifehezana, ary na Misionera Frantsay na Anglisy dia samy nanao izany avokoa satria ry zareo (sasany) dia mbola misotro tokoa ary manentana ny Malagasy hahay mifehy tena amin’ny zava-pisotro mahamamo. Mitovy fa tsy tena sahala amin’ny fanjanahan-tsaina natao tamin’ny vahoaka Malagasy izany ary nahomby tamin’ny olona sasany ihany.

* Tao koa ireo hira tena sangan’asan’ny Misionera Frantsay izay tsy nanafina ny maha mpanjana-tany azy ary nampirisika ny fisotroana ho amin’ny antonony, toy ny fahalalana onony ihany koa, saingy tsy manafina ny fanentanana HANAHAKA azy eo amin’ny fiainana andavanandro, izany hoe: Misotro ihany fa atao miaraka amin’ny fihinanana sakafo ara-dalàna.

Misy hira iray mitondra ny lohateny hoe: “I Frantsa ry Jehovah mba tahio”, izay tsy nisalasalan’ny Misionera Frantsay ny nampiditra azy tao anatiny satria tsy nisy sakana na kely akory izany tamin’ny

fotoan’androny. Tsy tsaroana loatra ny feon-kira momba io hira io, fa ny mpikaroka angamba no hitrandraka izany.

Koa raha mifarana ankehitriny ny fitantarana ny hiram-pivavahana ao amin’ny sampana Vokovoko Manga dia mety sady tsara ihany ny fisian’ny fanentanana momba ny fianarana ny hira mba ho masaka tsara ao am-pon’ny vahoaka kristiana, indrindra fa io fihirana voarafitra io izay tena misy literatiora voalanjalanja tsara, mifanaraka amin’ny foto-kevitry ny sampana Vokovoko Manga.

Koa raha misy fihirana misy tononkira tena voavoatra tsara dia isan’izany tena lavorary avokoa ny fihirana Vokovoko Manga farany io. Ny tena mampalahelo anefa dia ny tsy fisian’ny fianaran-kira Vokovoko Manga loatra, fa mijanona ho tahiry fotsiny izany ary na  ny mpikambana ao anatin’ny sampana aza tsy mahafehy tsara ny hira rehetra akory! Tena mampalahelo izany, nefa tsy misy antony tena mampivelatra haingana sady tsara mihoatra ny fahazaina ny hiran’ny sampana, ary manomboka amin’ny tompon’andraikitra izany, fa tsy ho an’ny Rantsana Fanantenana irery ihany.

Koa raha misy zokin’adidy tokony hataon’ny Tompon’andraikitra ao amin’ny sampana Vokovoko Manga, dia ny fianarana sy ny fampianarana ny hira, ho masaka ao am-pon’ny mpikambana sady hahazoany mifanentana amin’ny ady, dia ny zava-mahamamo sy mahadomelina izay tena fositra manimba ny firenena sy ny taranaka ho avy rahateo.

Aoka tsy ho hadinointsika ny tenin’ny olona malaza, voarakitra ao amin’ny teny fanolorana ny boky fihirana Vokovoko Manga manao hoe : “Raha tsy foanantsika ny toaka, dia izy no hanafoana antsika.

Rajaofetra John

0622Vatsimpanahy

Vatsim-panahy Jona 2022

Perikopa :   Salamo 143: 7-10 ;  Lioka 2 : 25-32 ;  1Korintiana 6: 12-20

« Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.” 1Korintiana.6: 20

Mitandrema mandrakariva isika kristiana raha mifanerasera amin’ny jentilisa. Tontolo efa ilaozantsika izany ka tsy azo hiverenana intsony. Aoka isika hisaina hatrany ny fiainam-baovao maha kristiana antsika ka hitondra tena mifanaraka amin’izany. Hamasino hatrany ny tenantsika araka ny maha-tempolin’Andriamanitra sy rantsam-batan’i Kristy ny mpino.

Ny tany Korinto tamin’ny fotoanan’ny Apostoly dia nanana ny filozofiany, tsy miraharaha ny momba ny fitondrantena kristiana. Nanao ny fijangajangana ho tsy mampaninona, nefa dia fahotana mihatra amin’ny tena sy ny fanahy izany. Koa dia nanarin’ny Apostoly mafy ireo.

Miantefa amintsika kristiana ankehitriny, indrindra ireo tompon’andraikitra nametrahana fitokisana, ray aman-dreny mitaiza, ary ny tanora eto amin’ny fiangonana izao vatsim-panahy izao. Meteza isika rehetra hofenoina ny Fanahy Masina mba hahalala izay maha-olom-boavidin’ny Tompo antsika ka hahay mankalaza an’Andriamanitra amin’ny tenantsika.

Olom-boavidy ny mino

Ny asam-panavotana nataon’i Jesoa Kristy no ambara amin’izany. Ny fisoloan’i Jesoa ny mpanota rehetra teo amin’ny hazo fijaliana no fanoneran-trosa fahatontosan’ny fanavotana. Fividianan’Andriamanitra azy mba tsy ho andevozin’ny fanjakan’ny aizina dia i satana sy ny forongony.

Tonga fananan’Andriamanitra izy

Tsy ananan’ilay ratsy fahefana intsony, fa efa manana ny Tompony ny mino dia Jesoa Kristy, Ilay nividy azy. Tsy an’i satana intsony, ary tsy tompon’ny tenany fa ny Tompo no Tompony. Tsy mandeha araka ny filan’ny nofony tahaka ny fahiny intsony fa mandeha araka ny Fanahy indray (Gal.5:16; 5:19-21 , 22-24).

Sarobidy amin’Andriamanitra ny mino satria novidiny lafo

Ny zanaka lahitokan’Andriamanitra mihitsy no foiny nividianana azy (Jao.3:16). Jesoa Kristy nahafoy ny ainy no fanavotana antsika ho afaka amin’ny fatorana sy ny gejan’ny fahavalo mamono sady mahavery. Tena lafo tokoa ny tombam-bidin’ny mino amin’ Andriamanitra hany ka sarobidy Aminy.

Aoka samy handini-tena isika mamaky ny Sal.143:7-10.

* Mangataka sy mitaraina fatratra mba hahafahana amin’ny fahoriana:

* Ho eo anatrehan’ny tavan’i Jehovah hatrany;

* Mitady fiarovana azo antoka amin’ny fahavalo

* Mangataka hotarihin’ny Fanahin’Andriamanitra.

Ho antsika kristiana rehetra, tsarovy fa fananan’Andriamanitra sady sarobidy Aminy isika; koa tandremo ny manimbazimba ny maha-tempolin’Andriamanitra ny tenantsika amin’izay tsy mahasoa sady mahavery mandrakizay.

Ho anareo tompon’andraikitra, atokany tanteraka amin’ny asa fanompoana ny momba anareo, satria efa an’ny Tompo tanteraka ianareo. Tanteraho ny fiantsoana anao sy ny fanekena nataonao.

Mankalaza an’Andriamanitra amin’ny tenany ny mino

Ny famonjena izao tontolo izao dia dia tanteraka tamin’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Fandresena ny fahavalo rehetra izany. Tsy manan-kery amin’ny mino intsony ny hery sy ny fanindronan’ny fahafatesana. Afaka tanteraka teo amin’ny fanjakan’ny maizina ny mino, ary tafafindra ho vahoakan’ny fanjakan’ny mazava mandrakizay. Ny ataon’ny mino no setrin’izany.

Manome voninahitra an’Andriamanitra

Fanehoana fankasitrahana sy fandraisana ny fanomezana sarobidy natolotr’ Andriamanitra izany. Fahatsapana ny maha zava-dehibe ny vitan’Andriamanitra ho an’ny tena izany. Tsy misy anefa asa na fomba ahazoantsika mamaly izany afa-tsy ny fisaorana sy ny fankasitrahana Azy amin’ny alalan’ny fanomezam-boninahitra ihany. Tsy mitaky amintsika izay tsy vitantsika ny Tompo afa-tsy ny fankalazantsika Azy eram-po, eran-tsaina, eram-panahy ihany.

Manamasina ny tena ho an’ny Tompo

Ny olona mahalala ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra no afaka manokana ny tenany ho an’ny Tompo. Io no fanoloran-tena kristiana ambony sy mendrika indrindra, ary sitrak’Andriamanitra. Ny kristiana manamasin-tena ho an’ny Tompo dia mahatanteraka ilay ambaran’ny Apostoly Paoly hoe: “efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany tamin’ny hazo fijaliana” satria efa an’i Kristy Jesoa tanteraka izy (Gal.5:24), ary mandeha araka ny Fanahy, izany hoe manaiky hofenoina ny Fanahy Masina izy.

Saino tsara ny ambaran’ny Lio.2:25-32

* Natoky sady niandry am-paharetana ny teny fikasana nambaran’ny Fanahy Masina.

* Nahalala ny fahatongavan’ny fotoana, ka nahita  izany.

*Nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny hira fiderana (manificat de Simeon).

Hafatra

* Ry kristiana zanak’Andriamanitra, mahaiza sy mazotoa mankalaza an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.

* Ho anareo tompon’andraikitra : tandremo ny mametraka fialana satria tsy olona no anaovanareo izany fa Andriamanitra. Ireny no atao hoe mitsoaka,

mikomy, mandositra ny fifidianan’Andriamanitra azy; kanefa “ny fifidianan’Andriamanitra sy ny fanomezam-pahasoavany dia tsy misy hanenenany” (Rom.11:29).

* Samia mangataka mba hofenoina ny Fanahy Masina mandrakariva hahatanterahana ny fiantsoany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.  Amena.

Raharijaona Solofonirina Mpitandrina

0622Mahatoky

Mampanjaka ny fahefany ny Tompo

Tsianjery : “… dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony Izy ”    Efesiana 1 : 22a

Rehefa nomena an’i Jesoa Kristy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany, mbola hanompo an’iza indray ary isika?

Mampandeha amin’ny  fahefana ny Tompo

* Matahora : Manaova hatrany izay mahitsy eo anatrehan’Andriamanitra, fa Izy dia mamaly ny mpanao ratsy rehetra amin’ny fahatezerana mirehitra tokoa. (Hab. 2: 15-17)

* Miverena : Aza manankina ny fiainanao amin’izay andriamani-tsy izy, diniho ny faharavan’ireo niodina tamin’i Jehovah, ary ianaro kosa ny finoan’ireo natoky Azy. (IITan. 13: 4-8)

* Mahadiova : Manana ny fahefana hanafaka antsika amin’ny gejan’ota sy ny aretina rehetra ny Tompo, koa rehefa voavela heloka isika dia mietre eo anatrehan’ny Voninahiny. (Mat. 9: 1-8)

* Minoa: Mandrovi-tsihy satana, dia ilay fahavalo resy. Koa minoa! satria Kristy izay Tompon’ny fahefana rehetra no efa miantso antsika mba hanitsaka sy hanorotoro ilay menarana ela : manoatra noho ny mpandresy izay miaraka Aminy. (Apo. 12: 7-12)

* Mivavaha : Ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra; ny Tompo mihitsy no maneho ny fahefany amin’ny alalan’ny mpanompony, ka hampiaiky izao tontolo izao fa Jesoa irery no Ilay hatrizay hatrizay ary ho mandrakizay. (Asa. 4: 27-31)

Maniraka amin’ny fahefana ny Tompo:

* Manangona : Andriamanitra no Tompon’ny asa, isika mpanompony kosa dia iraka sy fitaovana ihany; aza ferana amin’ny fahalalantsika ny fahefan’Andriamanitra fa ny zavatra rehetra hainy atao. (Nom. 11: 16-25)

* Mangataha : Zava-mahagaga ny fitondran’Andriamanitra ny olony , tomoera mandrakariva ao Aminy fa Azy ny fahefana hanamontsana ny fahavalonao rehetra. (IITan. 20: 5-9)

* Matokia : Efa resin’i Kristy ny fahafatesana izay fahavalo farany. Izaho sy ianao koa nomeny fahefana hizara izany fahavelomana izany: amin’ny finoana sy ny fandraisana ny Fanahy masina. (Jao. 20: 19-23)

* Maneke : Kristy no Tompomarika amin’izay rehetra hahatanteraka ny famonjena; izay manara-dia Azy marina tsy mba voafatotry ny fombafomba fa miasa amin’ny faharesen-dahatra.  (Lio. 6: 1-5)

* Miasa : Amin’ny fahasahiana noho ny amin’ny fahefan’ny filazantsara no iasan’izay mpanompon’i Kristy marina. (IIKor. 10: 1-11)

Fehiny :

* Miambena : Efa mby amintsika ny mpaminany sandoka, dia ireo mampiharoharo fahavetavetana amin’ny fanompoana masina. Na ny olom-boafidy aza hofitahiny amin’ny famantarana lehibe sy fahagagana ataon’ireo. Aza mino ireny ianareo hoy ny Tompo, matokia ny Fanahy masina izay efa nomena anareo, fa ny Voninahitr’Ilay Tompontsika dia miezinezina tsy azo ampitahaina amin’ireny akory. (Mat. 24: 15-18)

* Mitomboa : Izay mitombo tsara amin’ny finoana dia handray hery mihoatra lavitra noho izay heveriny, satria Kristy Ilay nandresy ny fahafatesana no efa manapaka eo amin’ny fiainany. Raha Izy no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? (Efe. 1: 15-23)

Ho an’Andriamanitra Tompon’ny fahefana irery ny Voninahitra, fa ho amintsika miara-mandresy Aminy kosa ny fiadanana mandrakizay! Amena!!!          Vaomieran’ny Aim-Panahy

Alahady 05 Jona 2022

ALAHADY 05 JONA 2022
“ MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO ”

Alahady Pentekosta sy Voka-Dehibe

« …dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany sady niteny taminy hoe : Fiadanana ho anareo ! Rehefa nilaza izany Izy dia nasehony azy ny tanany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra raha nahita ny Tompo.  Ary hoy indray Jesosy taminy : Fiadanana ho anareo… »

Jaona 20 : 19-21

Niavaka ny fotoana noho ny Pentekosta izay anombohana ny fisalorana zioga mena. Alahady voalohany amin’ny volana jona ihany koa, nandraisana ny Fanasan’ny Tompo, niarahabana ireo mpianakavin’ny finoana teraka volana mey miisa 64 ; sady ivon’ny voka-dehibe ka 707 no isan’ny mpiangona nanao rakitra alitara.

Nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany ny fotoam-bavaka androany. Ny Mpitandrina miana-draharaha Andrianaivomanana Willy Johnson no nitarika ny fotoana, raha ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitondra ny hafatr’ Andriamanitra. Ny litorjia endriny voalohany no narahina. Azonao henoina ato ny hafatra.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny feon-javamaneno sy ny fanolorana dia natao ny fiarahabana apostolika. Ny Salamo 145 : 1-7 hoe : “ Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, sy hankalaza ny Anaranao mandrakizay doria. Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra ; ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany. Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin’izay mandimby azy sy hanambara ny asanao lehibe. Ny lazan’ny voninahitry ny fiandriananao sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko. Ny herin’ny asanao mahatahotra no hotenenin’ny olona ; ary ny fahelehibiazanao no holazaiko. Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ny fahatsaranao izy sy hihoby ny fahamarinanao. ” Ny hira FFPM 1 : 1, 2, 5 “ Andriananahary masina indrindra ” no nanaraka izany ary vavaka fisaorana.

SITRAPON’ANDRIAMANITRA

Rehefa izay dia nambara ny sitrapon’Andriamanitra araka ny Matio 28 : 18-19 manao hoe : «  Ary Jesoa nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe : Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ; koa mandehàna ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. ». Notononina ny “ Sambatra ny mahitsy lalana, izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah. Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony ka mitady Azy amin’ny fo rehetra” Salamo 119 : 1-2.

Natao ny hira FFPM 470 : 1, 3 “ Ny foko, ry Mpamonjy “ narahina vavaka fifonana. Nohiraina ny FFPM 174 : 1, 2 “ Fanahy Masina ô!”

TENY FAMELAN-KELOKA

Nomena teo am-pitsanganana izany manao hoe : « Mamindra fo sy miantra Jehovah ; mahari-po sady be famindrampo Izy… Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manana fahefana ety ambonin’ny tany hamela heloka ». Salamo 145 : 8 ; Marka 2 : 10a. Hoy ny mpitarika hoe : « Voavela ny helokareo noho ny Anarany masina, miderà ny Tompo” ka niara-namaly ny Fiangonana hoe : “ Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain’I Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. ” Salamo 32 : 1-2. Nohiraina ny FFPM 480 : 1 “ Mamin’ny foko, ry Jesoa ô! ”

Notononina ny fanekem-pinoana apostolika (laharana voalohany). Vavaka mangina tanaty feon-javamaneno fohy no nanohy izany.

FOTOANAN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny K8, Rajaonarivelo Yasmina, no nitarika izany.

Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra dia : “Misaora amin’ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’ Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo.” I Tesaloniana 5 : 18.

Mpiarahavavy, mandalo eo amina mpangataka isaky ny handeha hianatra no notantaraina. Isaky ny nanome vola izy roa dia nahazo tsodrano tsara. Fa nisy fotoana tsy nanana izy ireo, ka tezitra be ilay mpangataka ary teny nanafintohina no nataony. Nalahelo izy mirahavavy. Nony tonga tany an-trano izy ireo, dia nitantara tamin-dreniny izay namely azy hoe : “Aza tezitra, aza malahelo fa izany no toetry ny olona; andao isika hisaotra fa izany no fampianaran’ Andriamanitra. ” Ny lesona sintonina dia hoe: isika koa mba nanao ny tsy mety sy nanao ratsy nefa i Jesoa tsy mba tezitra fa mivavaka ho antsika isan’andro eo anilan’ny Ray. Ho an’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.

Naverin’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady teo am-pitsanganana ny andinin-tSoratra Masina ary narahiny vavaka.

RAHARAHAM-PIANGONANA

« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo »

Razafimaharo Mamy, Biraom-Piangonana Sekretera Mpitantsoratra, no nanao izany tatitra izany. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1 : 8.

Toy izao ny asa tsara fantarina ary hotanterahin’ny Fiangonana sy hoentiny amim-bavaka :

Asa ivelany

Novakiana ny hafatra Pentekosta avy amin’ny Foibe FJKM.

Noho ny faha 25 taonan’ny Firaisan’ny Diakona sy Loholona eo anivon’ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana (SPAA 10) dia mikarakara fifaninana sary famantarana sy hira faneva izy ireo; ao an-tokotany ny tsara ho fantatra momba izany.

Asa anatiny

  • Alatsinainy 6 jona 2022 : fiantombohan’ny herinandrom-bokatry ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena.
  • Talata 7 jona 2022 amin’ny 6 ora hariva : Fivorian’ny Vaomieran’ny Fananana.
  • Alarobia 8 jona 2022 amin’ny 6 ora sy fahefany hariva : Fivorian’ny Vaomieran’ny Vola.
  • Alahady 12 jona 2022 amin’ny 8 ora maraina : fivorian’ny komitin’ny Gazety Taratry ny Famonjena.
  • Sabotsy 18 jona 2022 maraina : Fiheveran-draharaha hanaovana tatitra ara-bola.
  • Sabotsy 18 jona 2022 tolakandro : Vavaka ho an’ny mpanala fanadinana karakarain’ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI).
  • Alahady 19 jona 2022 : Ivom-bokatry ny Sampana Vokovoko Manga; Ankatoky ny Fandraisana
  • Alahady 19 jona 2022 : Fanolorana fanomezana ho an’ny kamboty latsaky ny 18 taona karakarain’ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno, misoratra anaratra alohan’ny 12 jona 2022 izay voakasika
  • Alahady 26 jona 2022 : “Hetsika gasigasy” noho ny fankalazana ny fiverenan’ny Fahaleovantena.
  • Mampahafantatra ny komitin’ny gazety Taratry ny Famonjena sy ny Tranokala , fa tonga eto an-toerana ary efa miasa ny tsangambatony voalohany noho ny faha 45 taonany: “ Ordinateur de bureau complet, marque Hewlett-Packard, misy unité centrale i5 core, 8 Giga, Windows 11 professionnel, Ecran 27 pouces; Clavier, hahafahana manohy ny asa fanompoana. Ho an’ Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra.

Nandray fitenenana ny Mpitandrina. Fisaorana ny Komitin’ny trano atsimo, izay vita fitokanana omaly no nataony. Nentanina ny Fiangonana hijery izany vokatry ny herim-pony izany. Mbola misy zavatra vitsy tsy vita ilana tolo-tanana.

Tomombana ihany koa, hoy izy, ny herinandron’ny Fanahy Masina. Nisaorany ny Vaomieran’ny Aim-Panahy sy ny Asa Fitoriana Filazantsara, izay hita fa mivoatra.

Vita ny ady fototra sy vato fehizoro tsangambato fananana an’ny SAMPATI anehoana fa velona sy mihetsika ny Fiangonana ka sahy manao fanamby sy fotodrafitrasa ny sampana.

Anio no ivon’ny fanateram-bokatra. Nisaorana izay efa nahavita ary noentanina izay tsy mbola nanao, fa fanoloran-tena ho an’ny Tompo izany, ho fankasitrahana Azy ary haterina amin-kafaliana. Mandritra ity volana jona manontolo ity no azo andraisana izany.

FIFAMPIARAHABANA PENTEKOSTA 2022

Ny Asan’ny Apostoly 4 : 31b no nakana izany :“ Ho feno ny Fanahy Masina ianao, ry … ”

FANKALAZANA TSINGERINTAONA VOLANA MEY

Natsangana ireo teraka volana mey, notolorana ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Salamo 21 : 3. “ Fa notsenainao fitahiana soa izy ; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena “. Nisy fiarahabana, firariantsoa ary fitondrana amim-bavaka azy ireo, izay niroso teny amin’ny alitara nanao fanatitra. Ny HF 12 “ FENO TOKY “no nataon’ny Fiangonana nandritra izany.

FANATITRA ALITARA NOHO NY VOKA-DEHIBE

Andriamasinoro Tantely, Biraom-Piangonana Mpitantsoratry ny Vola, no namaky ny voady rehefa avy nanolotra andinin-tSoratra Masina. Toy izao manaraka izao ny hetahetan’ny mpianakavin’ny finoana nentina teo anivon’ny Fiangonana : misaotra an’Andriamanitra sy mangata-bavaka fa raim-pianakaviana nahatratra ny faha 90 taonany ; fianakaviana mahatsapa fa notantanan’ny Tompo ny fiainany ; nahazo valimbavaka ; mba hotahiana ny zanany tonga soa eto an-tanindrazana ; renim-pianakaviana mitalaho hiarovana ny zanaka sy ny firenena amin’ny loza, ny fakampanahy mba ho afaka ka mba ho feno fitoniana.

Ny hira nangatahin’ny mpianakavin’ireo finoana ireo, izay nohirain’ny Fiangonana nandritra ny fanantazana ny rakitra dia : FFPM 471 : 1 “ E sambatra aho Jesoa ” ; FFPM 338 “ Arovy aho, Tompo ”.

Nanao hira ny Sampana TANINKETSA.

Nisy famakiana voka-dehibe naterina teo amin’ny Vaomieran’ny Vola nanomboka tamin’ny herinandro, andiany voalohany. Nanao hira ny sampana Rindra Fanatanjahantena sy Fialamboly. Novakiana ny voka-dehibe andiany faharoa. Nanao hira ny Sampana Tanora Kristiana. Novakiana ny voka-dehibe andiany fahatelo. Nasiana feon-javamaneno taorian’izay. Ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena no nanohy izany.

Ny hira vavaka FFPM 432 : 2 “ Mandra-pihavin’ny Tompo mivavaha “ no notanterahina teo am-pitsanganana ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanoloran-tena.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nohiraina ny FFPM 176 : 1, 2 “ Avia, Fanahy Masina ô ”. Nanao vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ny vadin’ny Mpitandrina, Raharijaona Bodo, no sady namaky misesy ny perikopa voalohatra araka ny Nomery 11 : 16-25 ; Jaona 20 : 19-23 ; Asan’ny Apostoly 4 : 27-31. Ny Fiangonana nanao hoe : “ Ray masina ô, manamasìna anay amin’ny fahamarinana ; ny Teninao no fahamarinana ” Jaona 17 : 17. Nohiraina teo am-pitsanganana ny FFPM 133 : 1, 4 “ Efa namangy ny olony ”. Toriteny no nanaraka izany.

TORITENY

Ny andinin-tSoratra Masina niompanan’ny hafatra dia ao amin’ny Jaona 20 : 19-23, izay Teny  anisan’ireo novakiana tamin’ny fotoana fanantanterahana ny asa sy fampaherezana, fanorenana ny fanomezana fahefana handroaka demonia sy hanasitrana.

MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO

Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny fiadanana tsy hitan’ny olona mihitsy, tsy fantany, tsy niainany tao anatin’ny fahalavoana, raha tsy niverina tamin’ Andriamanitra izy ireo. Rehefa tafasaraka amin’ny Tompo ny olona dia tsy misy fiadanana fa tebiteby sy fijaliana.

Misy fiadanana roa ambaran’ny Tompo rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy ka niseho tamin’ny mpianany:

  • Nanonona fiadanana ny Tompo mba hinoana ny fandreseny
  • Ny fiadanana hamita ny iraka ampanaovin’ny Tompo.
  • Fiadanana hino ny fandresen’i Kristy

Nisy fotoana nanenjehana an’i Jesoa Kristy, nahatonga Azy ho tafasaraka tamin’ny mpianatra, nihatra hatramin’ny fahafatesana izany, nahatonga tahotra izany : nihidy aman-trano izy ireo no tonga teo afovoany Jesoa nanonona ny fiadanana mba hinoany. Matahotra fahafatesana ny manan’aina, eto anefa dia asehon’i Jesoa fa resy izany.

Zavatra roa no naseho :

  • Ny fandraisana ny Fanahy Masina : olona voatokana hanao asa manokana ho an’Andriamanitra ihany no nahazo izany ao amin’ny Testamenta Taloha, fa eto dia ny mpianatra lasa nahazo, dia hahazo koa izay rehetra mino.
  • Ny fahefana mamela heloka: teo amin’ny fivavahana jiosy dia tsy nisy nahazo nanao izany fa Andriamanitra irery no mamela heloka sy manana fahefana. Eto dia nomen’i Jesoa Kristy ny mpianatra rehetra izay mino Azy izany.

Izany no fampanjakan’Andriamanitra ny fahefana, fanehoany ny Fitiavany, ny famindrampony.

Andriamanitra te haneho amintsika lalandava izany Fitiavany izany ao amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandraisan’ny olona ny Fanahy Masina. Ho an’izay rehetra vita batisa dia manana sy tarihin’izany. Aoka hifaly amin’izany isika. Rehefa manaiky iasany, izay aloaky ny vavantsika dia fiadanana ho an’ny manodidina antsika.

  • Fiadanana hamita iraka izay ampanaovin’i Jesoa

Nanofana ny mpianatra nandritra ny telo taona ny Tompo. Rehefa manonona ilay vavaka isika hoe “ ety an-tany ho tahaka ny any an-danitra ”, dia milaza fiadanana hahafahana manantanteraka iraka izany, fifaliana anaty. Ao no ananana fahombiazana avy amin’ Andriamanitra hanantanterahana ny asa fanompoana. Zavatra roa no vokatr’izany Teny izany :

  • Mba hahatoky ny herin’ny Tompo ny olona amin’ny fanantanterahana ny asa, dia hiseho ny fanomezam-boninahitra Azy, araka ny Matio  28 hoe : “ Indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao ”.
  • Ny Tompo dia miaraka mandrakariva amin’ny olony ary asehony ny famindrampony

Ny firenen’Israely efa nampahitana loza folo. Rehefa afaka tao amin’ny tany nandevozana izy ireo dia mbola nimenomenona, nitaraina sy nitalaho ny olona fa te hihinan-kena, fitarainana izay ren’Andriamanitra satria maniratsira. Eo no nahatonga ny Tompo naka an’i Mosesy, mba homena ny Fanahy hatarika ireo foko 12.

Manao ahoana kosa isika ankehitriny ? Mandritra ny fanokanana ny tomponandraikitra, misy fametrahana sy fandraisan-tanana. Iraka izany handraisana ny Fanahy Masina ho entina manompo. Ireo zokiny amin’ny maha Diakona ataovy misongadina mihoatra noho ny an’ny vaovao ny asanao. Tsy olona iray no manokana ny Mpiandry fa maro. Tadidio izany andraikitrao izany fa tsy zavatra kely. Hadinina amintsika izany. Toy izany koa ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo. Aza avela handalo foana amintsika na atao tsinontsinona izany fanomezam-pahasoavana izany.

Nilatsaka tamin’ny andro Pentekosta ny Fanahy Masina. Mankalaza andro fotsiny ve ianao manatrika eto ? Nomen’ny Tompo handraisantsika fiainana izany hahalalana fa zanaka voatsangana isika. Raha fiainana izany, ho an’ny feno ny Fanahy Masina dia Pentekosta ny fiainantsika isaky ny manao asa fanompoana, isaky hanatitra fanatitra, … ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Manana andraikitra isika hanapariaka izany amin’ny hafa.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.

Nasiana feon-javamaneno fohy. Nohirain’ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena ny “ Mihirà Fihiram-baovao ” narahin’ny vavaka fangataham-pitahiana.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitarika izany vavaka izany. Nisaotra an’Andriamanitra izy noho ny Teny avy notoriana mba hinoana ny fandresena ny fahafatesana sy hananana fiadanana. Nivavaka koa izy ho an’ny Fiangonana, ny mpitondra Fiangonana ; ny mpitory Filazantsara ; ny toby masina sy akany fitaizana. Voatonona ny Foibe FJKM (Birao, Filoha) ; ny mpiandraikitra, ny synodamparitany, ny SPAA 10 sy ny mpandraharaha miara-miasa aminy ; ny isam-pitandremana mba hahavita ny andraikiny ary ho fahazavana amin’ny asa tanterahina. Tsy diso anjara tamin’ny tonombavaka ny Kristiana rehetra eto amin’ny Fitandremana ; ny zanaka am-pielezana ; ho tratra anie ny tanjona amin’ny voka-dehibe ; ny voafonja, ny traboina, ny very asa, ny tratran’ny kere, ireo miaina anaty fahasahirana mba samy hahita izay tandrify azy ny olona, ho levona ny aretina « coronavirus » izay anisan’ny vato misakana tsy hanefana ny asa fanompoana. Notononina koa ireo manana hataka manokana,  ireo nanao raki-pisaorana ; indrindra ny vahoaka izay mila ny fitantanana, sy hery ary aim-panahy ; ireo rehetra nanatrika fotoana ka manana bitsika mangina asandratra.

Nofaranana tamin’ny « Rainay Izay any an-danitra » ny fangataham-pitahiana.

Natao ny fanonona vokatra andiany fahefatra sy famintinana.

Nisy sary nalefa teo amin’ny fafana maneho ny asa vita ao amin’ny trano atsimo izay vao notokanana omaly.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao avy hatrany ny hira FFPM 428 : 1 “ Reko izao, ry Tompo ”. Notononina ny tondrozotra 2022 hoe : “ Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra, araka ny olom-boafidin’ Andriamanitra sady masina no malala… Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa ; fa Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. ” Romana 12 : 10 ; Kolosiana 3 : 12b ; Petera voalohany 5 : 5b.

Natolotra ny tsodrano dia noredonina ny hira vavaka FFPM 639 : 1 “ Ry miaramila mandrosoa izao “. Nisy vavaka mangina sy fanononana ny Trinite.

Ny hira « Izay rehetra sitrakao » (Randria Simon) no nataon’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina sy ny zandriny lahy teo amin’ny alitara nandritra ny firavana. Nalefa teo amin’ny fafana ny tononkira ka nanaraka ny Fiangonana, narahina tehaka izany.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

Niara-nanantanteraka ny fitarihana ny sakramenta ny Mpitandrina am-perinasa sy miana-draharaha.

Ho fanomanam-panahy nandritra ny fanesorana ny lamba nanarona ny mofo sy kapoaka dia nataon’ny Fiangonana ny hira FF 35 “ Ry tomponay ô, avia! ”. Fanatrehana sy fanehoana no nialoha ny famakiana Soratra Masina. Nisy vavaka izay narahin’ny hira A1 « Masina, Masina, Masina ». Rehefa izay, natao ny Teny fanorenana sy vavaka fahatsiarovana. Nohiraina ny FFPM 482 : 1 “ Jehovah ô ! Ianao nandinika ahy » dia nivavaka nangataka ny Fanahy Masina ny mpitarika : nanandratra ny kapoaka sy namaky ny mofo. Niarahan’ny Mpandray nanonona ny vavaka fanetrentena. Natolotra ny Diakona vavy tompon’anjara tsirairay ny mofo ary an’ny Diakona lahy kosa ny kapoaka. Tao anatin’izany no nanaovana misesy ny hira FFPM 98 “ Indro ny Tompo Jesosy, jereo “ ; FFPM 107 “ Maniry mafy aho “ ; FFPM 262 : 1,2“ Indreto izahay, ry Jesoa ô ”. Nony voazara tamin’ny Fiangonana ny mofo sy ny kapoaka, dia ny Diakona indray no notoloran’ny Mpitandrina mofo sy kapoaka. Rehefa samy vonona ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo dia nitsangana ka niara-nihinana sy nisotro. Taorian’ny fahanginana fohy dia ny ampahan-kira FFPM 469 « Mamy, ry Jesoa ny Fitiavanao » no natao ary nisy vavaka fisaorana. Nanangona ny kapoaka ny Diakona sy nananty ny fanatitra, nandritra ny fanantanterahan’ny Fiangonana ny hira HF 11 “ Fantatro izao ”. Hafatra avy amin’ny Soratra Masina no nialoha ny tsodrano : «  Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika »  Efesianina 1 : 14a. Ny hira farany dia ny FFPM 753 : 1 “ Tiako ny miaraka Aminao, Jesoa ” nofaranana tamin’ny Amen. Nisy vavaka mangina sy fanononana ny Trinite masina, dia nirava ny Fiangonana tao anaty feon-javamaneno.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry zavamaneno : Irimanana Eninkaja, Rabiazamaholy Mahery sy ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno

Nikirakira ny fafana : Razafimaharo Kanto

Nikirakira ny fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto, Randriamahefa Tina

Naka sary : Andriamampianina Faneva

Nandray an-tsoratra : Ralaiarimanana Narindra