Alahady 29 Mey 2022

ALAHADY 29 MEY 2022
“MANAVAO NY FANAHY MASINA”
Alahady faha VI manaraka ny Paska

Ivom-bokatry ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona (FDL)

« Hihira ho an’i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola miaina. »

Salamo 104 : 33

Alahady  fahadimy, mamarana ny volana mey nibanjinana ny lohahevitra : “Manavao ny Fanahy Masina”,  niarahan’ny mpianakavin’ny finoana nanovozana hery sy aim-panahy vaovao indray, hanamafisana ny finoana. Niavaka ny andro anio satria sady ivom-bokatry ny FDL, no fankalazana ny Fetin’ny reny. Nitarika ny fotoana Razafindratrimo Alain, Loholona, Filohan’ny FDL, sady nandray koa ny Mpitandrina Rakotondrazanany Andriatiana Fanomezantsoa, Prezida SPAA10 teo aloha, izay nitondra ny hafatra. Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no nitondrana ny fotoana. Azonao henoina ato ny hafatra.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny feon-javamaneno dia novakiana ny Salamo 145 : 1 – 7 ho fiderana an’Andriamanitra: “ Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. Hankalaza Anao isan’andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria. Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany. Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin’izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe. Ny lazan’ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko. Ny herin’ny asanao mahatahotra no hotenenin’ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko. Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao.” Amen.

Rehefa vita izany dia natao ny hira FFPM 24 : 1, 4 “ Ny lanitra ao ambony ”. Nanao ny vavaka fisaorana sy ny fiderana avy eo ny mpitarika.

SITRAPON’ANDRIAMANITRA

Nanambara ny sitrapon’Andriamanitra, ny mpitarika. Nalaina tao amin’ny Apokalypsy 3 : 20-23 izany. “ Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandôndôna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy Amiko. Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka Amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambonin’ny seza fiandrianany. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana ”.

Natao ny hira FFPM 377 : 5 “ Tsy mba hisy tonga ary an-danitra ” ary narahina vavaka fifonana noho ny tsy fahatanterahana izany sitrapon’Andriamanitra izany. “Andriamanitra Izay tompon’ny fahefana rehetra no nangatahana nanaovana ny fifonana”. Natao ny hira FFPM 244: 1, 4 “ Ry Jesoa mba henoinao …” ary nambara ny famelan-keloka izay nalaina tao amin’ny Isaia 54 : 7- 8 ; 10: “ Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin’ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao.  Tamin’ny firehetan’ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin’ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao. Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-poko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.

Noredonina ny hira FFPM 547 : 1, 2 “ Ry Jesoa masoandronay …” taorian’izany.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY TANORA

Rabezandrina Solohery, mpampianatra ao amin’ny K6, no nanantanteraka izany. Ny Lioka 11: 9a  “Mangataha dia homena ianareo ”. Mampahatsiahy antsika ny zavatra tokony hataontsika isan’andro ny Tompo, hoy izy. Tsy izay rehetra mangataka anefa dia mahazo. Tsy misy zavatra azo maimaimpoana. Nitondra tantara iray moa izy nanehoany izany hafatra tiany hampitaina izany.

“Nisy ankizy iray nangataka finday tena raitra tamin’ny  rainy, nefa ity rainy dia tsy dia manana ny hoentin-manana loatra hividianana izany. Indray andro raha nandalo toeram-pivarotana iray izy mianaka, ary sendra tsy nisy olona tao amin’ilay mpivarotra no nandalo tao an-tsain’ilay rainy ny handeha haka ilay finday naranty eo amin’ny toeram-pivarotana. Noho ny feon’ny fieritreretany anefa dia tsy nanao izany izy. Nanapa-kevitra izy fa hitady asa mba hahafahany manome fahafaham-po an’ity zanany.”

Rehefa misy zavatra tiana ho azo dia mila mivavaka, hoy izy, mila fikirizana ary mila finoana.

Nitsangana ny fianakaviamben’ny Sekoly alahady rehetra ary nanao ny hira FFPM 759 : 1 “Ry Sakaizan’ny tanora”.

TATITR’ASAN’NY FDL

Nitondra ny tatitry ny asan’ny FDL Razafimaharo Hanitra, Diakona, Mpitantsoratry ny fikambanana. Anisan’ny nambarany tamin’izany ireto manaraka ireto :

  • Herinandrom-bokatra niaraka tamin’ny AFF, Dorkasy. Nanao famelabelaran-kevitra sy ny fotoambavaka zoma hariva.
  • Nisy ny famangiana tokantrano sy ny fampandraisana miaraka amin’ny Mpitandrina.
  • Fanatrehana ny fiofanan’ny tompon’andraikitra, teto amin’ny Fitandremana sy ny niarahana tamin’ny SPAA tao Antsahamanitra.
  • Nolazaina fa amin’ny taona 2023 no hankalazana ny faha 25 taona nijoroany ny FDL SPAA.

Nanao ny hira “Handeha ho irakao”, teo am-pitsanganana, ny Diakona rehetra taorian’izany.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA

« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo »

Nilaza ny asa sy ny raharahan’ny Fiangonana ny Mpitantsoratra Razafimaharo Mamy.

Avy any ivelany

-Foibe FJKM, Trano famoaham-boky Antso : Sabotsy 4 jona manomboka amin’ny 9.30 maraina eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena, fanompoam-pivavahana ho fisaorana sy fankalazana an’Andriamanitra, noho ny 20 taona niasan’ny Tale Ramahaleo Zo.

-SPAA 10, Fikambanan’ny Diakona sy Loholona – Jobily faha 25 taona : Hisy fifaninanana sary famantarana sy hira faneva hanasana ny Kristiana rehetra handray anjara. Ao amin’ny fafana ao an-tokotany ny andinindininy.

-Sampana Fifohazana Toby masina Getsemane Antambohomena : Alakamisy 2 jona eny amin’ny Toby ny fifadiankanina andiany faharoa hanasana ny zanaky ny Fifohazana. Ny 16 jona ny vokadehibe hanasana ny Fiangonana.

 -FJKM Antanimena Atsinanana Fifaliana – STK : Manasa ny Fiangonana handray anjara amin’ny  fifaninana lalao baolina kitra – Foot à 7- hatao eo amin’ny Kianja Ankazomanga ny 11, 18, 25 jona 2022. Manatona ny STK sy ny RFF FJKM Amparibe izay handray anjara.

Raharaha eto an-toerana

-Androany, alahady natokana nitondrana tamim-bavaka ny  Fikambanan’ny Diakona sy Loholona sady famaranana ny herinandrom-bokany.

-Nisy  ny asa sy fampaherezana izay hotanterahin’ny SAFIF.

-Ny lesona ho an’ny Katekomena androany : “Ny Protestantisma  ”. Tsy hisy ny fampianarana ny alahady Pentekositra fa haroso ny sabotsy tolakandro izany.

-Mifamotoana ny sampana Dorkasy eny amin’ny FJKM Anosizato Hebrona ny talata maraina   handray anjara amin’ny fifaninanana vakodrazana.

– RFF :  amin’ny 2.30 ao amin’ny MALAKY Amparibe

– SAMPATI , STAF , HF : sabotsy tolakandro eto amin’ny tananan’ny Fiangonana

– SAMPATI : Sabotsy 4 jona, 3ora sy 30 mn, eto amin’ny tananan’ny Fiangonana, Fivoriambe I hiantsoana  ny Birao sy komity faha 60 taona, ny ray aman-dreny mpanohana ary ny mpikambana rehetra ho tonga amin’ny  izay hotanterahina ny 

-Alahady 5 jona, Pentekosta sady voka-dehiben’ny Fiangonana: Manomboka amin’ny 8 ora 30 maraina ny fanompoam-pivavahana. Ny Vaomieran’ny vola dia handray izany vokadehibe izany eo an-tokotany ny maraina. Rakitra tokana haterina ety amin’ny alitara.

 -Manomboka ny alatsinainy 30 mey ny herinandron’ny Fanahy masina.

-Ny zoma 03 jona manomboka amin’ny 6 ora hatramin’ny 11 ora alina ny Alimbavaka eto amin’ny Fitandremana.

Nanao fanentanana koa ny Mpitandrina nanambarany ny fankasitrahany ny FDL, nandraisana ny Mpitandrina vahiny izay nitondra ny hafatra ary namarana izany ny fanentanana ny amin’ny vokadehibe. Nolazainy ihany koa fa ny sabotsy 04 jona, aorian’ny fotoana miaraka amin’ny Foibe no hanaovana ny fitokanana ny Trano atsimo.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Niroso tamin’ny filazana ny rakitra sy voady Ralaindimby Haja, Mpitantsoratry ny Vola. Ny hira “Mialoka Aminao” ihany no nisy nangataka tamin’izany. Natao ny hira FF 4 : 3 “Ry Fanahy ô!”  ho fanolorana ny rakitra.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Raboana Nivo no nivavaka mialoha ny vakiteny. Raboana Allan no nanantanteraka ny vakiteny. Samy Loholona (FDL) ireo tompon’anjara ireo. Ny perikopa voalahatra dia nalaina tao amin’ny Salamo 104 : 24-35, Lioka 11 : 9 -13, 2 Tesaloniana 2 : 1-12.

Natao ny FFPM 225 : 5 “Ambininao ny irakao …”  taorian’izany.

TORITENY

Ny bokin’ny Salamo no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra. Niarahaba ny reny rehetra izy teny am-piandohana. Ivom-bokatry ny FDL ny fotoana anio, hoy izy, ary famaranana ny lohahevitra : « Manavao ny Fanahy masina ».

Ny bokin’ny Salamo dia hira vavaka, hanehoan’ny mpanompon’Andriamanitra ny fihetsehampony. Nataon’i Davida ity Salamo ity ary nitambatra tamin’ny Salamo 103 teo aloha.

Maneho an’Andriamanitra Mpahary izao rehetra izao ity Salamo ity. Andriamanitra Izay namorona izao tontolo izao dia manana fahefana feno amin’izany.

Ny asan’ny Fanahy masina  eo amin’ny olona mpino dia misy lafiny roa :

  • Manome aina
  • Mahatonga ny olona hidera an’Andriamanitra

Manome aina

Gaga ilay mpanompo izay manoratra fa fahendrena no namoronany izany (Ohabolana 3 : 19). Andriamanitra dia mahagaga satria nampisy ny tsy misy. Tsy takatry ny saina izany fa noho ny finoana dia manaiky. Misy ilay fahariana nataon’Andriamanitra ary ity Salamo eto ity dia maneho ny fahalehibiazan’Andriamanitra. Na ny any anaty rano, na ny ety ambonin’ny tany dia nataony ary hananany fahefana avokoa. Ilay Fanahy dia lasa hery hanatanterahina ny sitrapony.

Jesoa Kristy irery no tena fiainana ary ny asan’ny Fanahy masina no mampahatsiaro antsika izany fa sarobidy ary tokony hotandrovana ny aina.

Mahatonga ny olona hidera an’Andriamanitra

Eo amin’ny andininy 31 hatramin’ny 35 dia milaza izany avokoa. Talanjona noho izany fahalehibiazany izany izy ka ambarany izay ao am-pony. Hitany sy tsapany ny asa mahagaga ataon’Andriamanitra. Noho ny fanekena ny fahefan’Andriamanitra, na inona manjo, dia ny fiderana Azy no mipololotra avy ao am-po.

Miderà ny Tompo ary misaora Azy, raha mbola afaka midera Azy ianao hoy ny Mpitandrina. Tokony manao toy ny nolazain’i Davida isika hoe « Ireo fanomezam-pahasoavana rehetra izay nomen’Andriamanitra ahy dia entiko hisaorana sy hiderana Azy ».

Raha nomena isika dia tokony hanolotra ny tenantsika ihany koa hatao fanatitra. Rehefa nitondrana aina ianao dia tokony mba hizara ho an’ny hafa ihany koa.

Nanao ny hira faneva faha 25 taona ny STAF, izay nisy nangataka tamin’ny voady tamin’ny alahady heriny.

VAVAKA FANGATAHANA

Nanao ny vavaka fangatahana ny Mpitandrina Raharijaona Solofo. Manome aina ny Fanahy masina, hoy izy, ary maneho ny fahalehibiazany amin’ny fomba rehetra. Nentiny tamim-bavaka ny Fiangonana, ny Mpitandrina, ny mpitory Filazantsara, ny akany fitaizana, ny Foibe FJKM (ireo olona rehetra ao anatiny), ny synodamparitany, ny Kristiana rehetra sy ny zanaka any am-pielezana, ny Mpitandrina izay nitondra ny hafatra sy ny ankohonany, ny herinandro masina, ny Pentekositra, ny vokadehibe, ireo sahirana, marary na mana-manjo, ireo voafonja, very asa, tratry ny tsindry hazo lena. Nangataka ihany koa izy mba ho levona ity areti-mandringana ity ary nentiny tamim-bavaka ireo rehetra izay manana hataka sy ireo nanao voady masina. Nofaranana tamin’ny Rainay Izay any an-danitra moa ny vavaka.

ASA VAVOLOMBELONA

Ny Vondrona manambatra ny fanomezam-pahasoavana (VFP) no nanantanteraka ny fankazalana ny Fetin’ny reny. Rakotonarivo Oliva no nitondra ny teny fiarahabana voalohany. Ny Lioka 1 : 28 no hafatra nentiny tamin’izany ary Randimby no nanohy izany tamin’ny alalan’ny fihetsika. Nanao hira ny Mpitandrina ho an’ireo reny nanatrika ary nisy ny fizarana fanomezana ho azy ireo.  

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao ny hira FFPM 432 : 1 “Mandra-pihavian’ny Tompo, mivavaha…” mialoha ny famakiana ny tondrozotra sy ny fanomezana ny tsodrano. Ny andininy faha 2Mandra-pihavian’ny Tompo miasa …” no noredomina taorian’izany.

Nitohy tamin’ny asa sy fampaherezana ny fotoana.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rabiazamaholy Hery Lanto

Nikirakira ny fafana : Rakotondramboa Andry

Nikirakira ny fanamafisam-peo : Harentsoa Rova

Naka sary : Rabemananoro Jonathan

Nandray an-tsoratra : Robel Hanitra

Alahady 22 Mey 2022

ALAHADY 22 MEY 2022
« MANAVAO NY FANAHY MASINA »​

Alahady fahadimy manaraka ny Paska

Alahady itondrana amim-bavaka ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM)

« Maminania amin’ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe : Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’i Jehovah  ! » Ezekiela 37:4

Alahady fahaefatra amin’ity volana mey ity, natokana itondrana am-bavaka ny Fiombonan’ny Fiangonana protestanta Malagasy (FFPM) eo amin’ny sahan’ny FJKM. Manohy ny fibanjinana ny Lohahevitra fitaizam-panahy hoe « MANAVAO NY FANAHY

MASINA »

Razanamparany Beby, Loholona, no nitarika ny fotoana. Ny evanjelisitra, Iriantsoa Ista avy ao amin’ny FJKM Edena Vaovao Ampaho, Synodamparitany Kristy Fanantenantsika, Toamasina Atsimo no nitory ny Teny.

Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no nentina nanatontosa ny fanompoam-pivavahana.

FANOMBOHANA NY FOTOANA

Taorian’ny feon-javamaneno fidirana sy ny fiarahabana apostolika, ho fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, dia novakian’ ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny Salamo 96 :  4-7.
Rehefa vita izany dia natao ny hira FFPM 171 : 1, 3 « Jeso Mpanjaka malaza ».
Rehefa izay, dia nanao ny vavaka fisaorana sy fiderana ny mpitarika. Noderaina ny Tompo, nisaorana Izy noho ny fitantanany . Nangatahina ny Fanahy Masina hahafahana mandray an’i Kristy sy manantanteraka ny irany.

FANAMBARANA NY SITRAPON’ ANDRIAMANITRA

Malakia 1 : 6 ; Mpitoriteny 12 : 13 ; I Jaona 2 : 5a ; Galatiana 16 : 1 no nangalana ny sitrapon’Andriamanitra.
Taorian’izay dia noredomina ny FFPM 242 : 1 , 4 « Misaotra Anao izahay ry Ray ».
Noho ny tsy fahatanterahana manoloana ny sitrapon’Andriamanitra dia natao ny vavaka fifonana.
Noho ny halehiben’ny fahotana dia tafasaraka tamin’ny Tompo isika ka tokony hiaiky fa diso. Nangatahina ny famindram-pony sy ny fitarihan’ ny Fanahy Masina ho amin’ny fibebahana, ary ny fanavaozana ny Fanahy monina ao anatin’ny tsirairay. Farany dia nangatahina ny famelan-keloka.

FANOLORANA NY FAMELAN-KELOKA

Ny Isaia 46 : 4 sy ny Matio 15 :28 no Teny nanolorana ny famelan-keloka.
Rehefa voatolotra ny famelan-keloka dia natao ny FFPM 417 : 1, 3 « Nandao Anao ela aho Raiko ô ».
Ho fanambarana sy fanehoana ny finoana dia niaraha-nanonona ny Fanekem-pinoana laharana fahaefatra.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY TANORA

Ramanantsoa Domoina, Mpampianatra ao amin’ny K4, no nanatontosa ny fotoana.
Tao amin’ny Matio 6 : 33 no nakana ny hafatra «  Fa katsaho aloha ny Fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy anao izany rehetra izany ».
Matetika ataontsika ambanin-javatra Andriamanitra. Manakalo vola isika rehefa manao rakitra ka ny madinika no atolotsika ny Tompo. Leo isika rehefa lavalava ny toriteny, menatra isika raha atao hoe zanak’Andriamanitra,… Amin’ny lafin-javatra hafa anefa isika dia mavitrika tokoa, toy ny fanaovana fesiboky, fijerena baolina, sy ny fety…
Jesoa no tokony hataontsika laharam-pahamehana eo amin’ny fiainantsika mihoatra ny zavatra rehetra.
Taorian’ny hafatra fohy, dia nentina tamim-bavaka ny tanora sy ny ankizy mba havaozin’ny Fanahy Masina, hahay mankatoa ary hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA

« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo »

Rakotomanana Andry, Biraom-Piangonana Sekretera Mpitantsoratra, no namaky ny vaovaom-piangonana. »Fa izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny teniny, fa tsy misy fetra ny fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy ” Jaona 3 : 34 no andinin-tSoratra Masina nanombohany izany.

Toy izao ny asa tsara fantarina ary hotanterahin’ny Fiangonana sy hentiny amim-bavaka :

Asa ivelany 

AFF : komity fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha- 25 taona

-Alakamisy 26 mey : Antsam-pidrena volafotsy andiany 1. Amin’ny 2 ora ao amin’ny FJKM Atsimon’Imahamasina iarahana amin’ny AMPIFITIA Isotry Fitiavana sy ANJOMARA Anosivavaka. Ny ezaka hatao amin’izany dia ho entimanana ny fanorenana trano fiangonana any Tsihombe sy VOMM eto amin’ny faritra Antananarivo.

FDL 

-Sabotsy 28 mey : Fitsidihana isam-paritra Tafika Masina. Amin’ny 9ora sy sasany ao amin’ny FJKM Andavamamba Kristy Velona. Fanasana ny FDL handefa solontena 4

Jobily 25 taona : Misokatra ny fifaninana sary famantarana sy hira faneva.

Asa anatiny 

-Alatsinainy 23 mey : Fanombohan’ny herinandrom-bokatry ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona. Ivom-bokatra ny alahady 29 mey.
-Alakamisy 26 mey : Fahatsiarovana ny Andro Fiakarana, hisy ny fanompoam-pivavahana Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.  Miditra amin’ny 8 ora sy sasany
-Alakamisy 26 mey : Fisintonana voalohany hataon’ny mpianatra Katekomena, aorian’ny fanompoam-pivavahana.
-Sabotsy 28 mey amin’ny 2 ora hariva hatramin’ny 5 ora hariva : Fanomanana ny fankalazana ny Fetin’ny reny, hataon’ny AFF sy ny sampana Dorkasy. Asaina ny reny rehetra eto amin’ny Fitandremana mba hisoratra anarana sy hanatrika izany.

-Sabotsy 28 mey : Fanombohan’ny herinandron’ny Fanahy Masina. Hisy ny alim-bavaka izay hanasana ny Fiangonana, indrindra ny tanora.
-Alahady 29 mey : Hisy asa sy fampaherezana eto amin’ny Fitandremana.

Nanao fanentanana ny solontenan’ny Vaomieran’ny Volan’ny Fiangonana mahakasika

ny VOKA-DEHIBE PENTEKOSTA 2022 : manomboka ny alahady Pentekosta 5 jona 2022 ary hitohy mandritra ny volana Jona ary hifarana ny alahady 26 jona 2022 izay alahadin’ny taranaka.

Fandraisam-pitenenan’ny Mpitandrina ho fanamafisana ny fanompoam-pivavahana noho ny fahatsiarovana ny Andro Fiakarana sy ny herinandron’ny Fanahy Masina.


RAKITRA SY FANOMEZANA

Nandritra ny raki-pisaorana sy voady dia nisy ireo nisaotra noho ny valim-bavaka ; ireo nisaotra fa nieren-doza ka nangataka vavaka fampaherezana noho ny trano may ; ireo nisaotra ny Tompo noho ny tombon’andro nahavelomana. Tao koa ny nangataka vavaka ho an’ireo zaza hatao Batisa. Nentina tamim-bavaka ihany koa ireo mpianakavin’ny finoana miasa eny anivon’ny Foibe FJKM sy ny Synodamparitany mba hahatontosa soa aman-tsara ny andraikitra sahaniny ho fampandrosoana ny asan’Andriamanitra.
Ireo mpianatra manomana fanadinana sy miandry valim-panadinana ihany koa dia nentina tamim-bavaka mba hahomby amin’ny fanadinana natao.
Nandritra ny fanantazan-drakitra dia noredomina ny FFPM 170 : 2 « Ry Jeso ! ny fitiavanao » sy ny FF 32 :1 « Aza avela hahalala ».
Teo am-panolorana ny rakitra dia no nanaovana ny hira FFPM 275 « Raisonao ry Tomposoa ».


VAKITENY
Natao ny hira FFPM 357 : 1, 2 : « Efa tonga aty izao ».
Raharintsalama Hantanirina, Diakona, no nanao ny vavaka sy namaky ny Testamenta Taloha.
Razafindrabe Hery Bam kosa no namaky ny Filazantsara sy ny Epistily.
Mialoha ny vakiteny dia nanao vavaka ny tompon’anjara ho fisaorana ny Tompo noho ny fotoana nahafahana mihaino ny Teniny sy hahatonga ny Tenin’Andriamanitra ho voaray tsara.
Tao amin’ny Ezekiela 37 : 1-4 ; Jaona 3 : 31-36 ; ary ny Galatiana 5 : 16-26 no nakana ny perikopa.

TORITENY

Nialoha ny toriteny dia natao ny vavaka mba hiasan’ny Fanahy Masina sy mba hananana fifantohana ary nambara tamin’Andriamanitra ny fahavononana hihaino ny Teniny.
« Manavao ny Fanahy Masina » izany no lohahevitra banjinina amin’ity volana mey ity.

Ny zavatra potika sy rava no havaozina. Hita ao amin’ny Ezekiela 37, 1-4 izany asam-panavaozana izany. Taolana maina no nasaina novelomin’i Ezekiela.
Ny Fiangonana havaozin’ny Fanahy Masina dia manantanteraka ny asa nampanaovin’Andriamanitra. Raha taolana no nasaina novelomin’i Ezekiela, ny antsika kosa dia ireo olona maty fanahy marobe, ireo mpanompo sampy gejain’ny fanahy ratsy. Mila mitory sy  manafaka azy ireny ny Kristiana. Mbola maro ireo toerana anjakan’ny fanompoan-tsampy eto Madagasikara, anisan’izany ny toerana misy ity evanjelisitra mitoriteny ity. Nisy tovovavy nandroahana fanahy ratsy tany amin’ny toby nisy azy ary naharitra ora maro vao afaka ilay fanahy ratsy ary tena mahery setra sy mampijaly izany fanahy izany. Nisy ihany koa ramatoa lehibe izay naharitra fito volana ny fanasitranana azy satria itoeran’ny lehiben’ny tromba izy. Ny nahafinaritra dia rehefa afaka ny gejan’ity ramatoa ity dia niaraka nanompo an’Andriamanitra taminy ny fianakaviany ary nahavita nanangana trano fiangonana izy ireo.
Ankehitriny dia mirona mankany amin’ny fiainan’i Sodoma sy Gomora ny fiainan’ny zanak’olombelona. Misy ireo mikendry hampiditra ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy eny anivon’ny Fiangonana.
Mila mihavao isika miady amin’ny faharatsiana. Ny Fiangonana naavaozin’ny Fanahy Masina dia mitory fa izay manana an’i Kristy no manana ny fiainana. Mankatoa ny baiko omen’i Kristy ny Fiangonana mihavao.
Isika dia mila mampisongadina an’i Kristy. Ny asantsika dia tokony hanome voninahitra ny Tompo.
Ny Fanahy Masina no manome hery tsy hay tohaina antsika hampisongadina an’i Kristy.
Ny Fanahy Masina ihany koa dia mampihavana antsika Kristiana. Ao amin’ny bokin’i Ezekiela, ireo taolana miparitaka mifanatona dia mariky ny fifanatonan’ny zanak’Andriamanitra sy ny zanak’Israely izay voazarazara. Mampiseho ny fampiraisana antsika amin’Andriamanitra ihany koa izany. Ankehitriny, mizarazara noho ny firehana politika ny olona. Eo ihany koa ny tsy fitovian-kevitra ara-pivavahana. Ny fitiavam-bola sy harena ihany koa dia miteraka fitsitokotokoana. Alahadin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara androany, izay mampiray ny mpino hitory ny Filazantsara. Mila manao hazakazaka isika hamonjena ny firenena.  Meteza havaozin’ny Fanahy Masina hahafahanao mamelona ny fanahin’ireo mpiara-belona aminao. Ny fifanatonan’ireo taolana ao amin’ny bokin’i Ezekiela dia mampiseho ny firaisana amin’i Jesoa Kristy ary maneho ny fitsanganana amin’ny fahafatesana sy ny fanangonan’ny Tompo Jesoa ny olony ho iray ao an-tranony.

VAVAKA FANGATAHANA
Taorian’ny toriteny no notontosaina ny vavaka fangatahana.
Nangatahina Andriamanitra mba hotanteraka amin’ny mpianakavin’ny Tompo ny hafatra, mba hihavao ny Kristiana, sy ny Fiangonana ary ny tomponandraikitra rehetra amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra mba hanaiky ny baikon’Andriamanitra sy hitondra fihavanana. Nentina tamim-bavaka ny mpitondra ny hafatra sy ny ankohonany, ny Fitandremana misy azy ary ny toby iandraiketany. Nentina tamim-bavaka ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara mba handroso sy  handresy lahatra ny maro, mba hampandroso ny Fanjakan’Andriamanitra.
Nentina tamim-bavaka ny herinandron’ny Fanahy Masina, ny voka-dehibe Pentekositra 2022.
Nentina tamim-bavaka ireo sahirana, ny mana-manjo, ny tsy salama, ireo voafonja, ireo tra-boina, ireo tsy manan-kialofana, ireo kere. Nangatahina tamin’Andriamanitra ihany koa ny fanafoanana tsikelikely ny aretina covid-19. Nentina tamim-bavaka ireo manana hataka manokana sy ireo nanantanteraka voady masina sy raki-pisaorana.
Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo ny vavaka fangatahana.

ASA VAVOLOMBELONA

Mialoha ny Batisa dia natao hira FFPM 813 : 1 « Tia zaza ».
Nentina tamim-bavaka ny fotoana mba hanatrehan’ny Fanahy Masina ny asa fanaovana Batisa, ary mba ho voaray mandrakizay ao amin’ny Tompo ireo zaza hatao Batisa.
Ireto avy ny anaran’ireo zanaky ny Fiangonana nanantanterahana ny Sakramentan’ny Batisa :
-Ratiaray Penelope Vall Irinah,
-Andrianirina Ihaja Amboarafahasoavana, 
-Andrianirina Ihaja Arenafitahiana.
Taorian’ny fanaovana Batisa dia nisaorana Andriamanitra. Nentina tamim-bavaka ireo zaza mba hitombo saina, vatana, fanahy ary fitia eo amin’Andriamanitra.
Nentina tamim-bavaka ireo ray aman-dreny hahatanteraka ny fanekeny.
Nentina tamim-bavaka ihany koa ny Fiangonana handray ny andraikiny manoloana ny fitaizana ny ankizy araka ny fomba kristiana.


FAMARANANA NY FOTOANA

Teo am-pamaranana dia nohiraina ny FFPM 625 : 5 « Mpamonjy soa malala ô »
Niaraha-nanonona avy eo ny tondrozotra 2022 ary natolotra ny Tsodrano.
Teo am-piravana dia nohiraina ny Antema 5, narahina vavaka mangina ary ny fanononana ny Trinite masina.
Taorian’ny fanompoam-pivavahana dia nisy ny fanomanana ankatoky ny Fandraisana.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rajaofetra John

Nikirakira ny fafana : Ratiarison Joris

Nikirakira ny fanamafisam-peo : Harentsoa Rova sy Rabiazamaholy Hery Lanto

Naka sary : Raharijaona Nirina

Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky

Alahady 15 Mey 2022

ALAHADY 15 MEY 2022
MANAVAO NY FANAHY MASINA

Alahady fahaefatra manaraka ny Paska

Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 60 taonan’ny SAMPATI

“Hetseho mafy ny herinao Nahoma 2: 2e “Tanteraho ny fanompoanao” 2 Timoty 4:5e

Isaorantsika ny Tompo noho ny nahafahana niombom-bavaka teto an-tranon’Andriamanitra androany. Fotoana manana ny lanjany manokana eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana ny androany satria natokana ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 60 taona niorenan’ny Sampana Mpanazana sy Tily teto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.

Alahady fahaefatra manaraka ny Paska  anio ary mbola hibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe : “ MANAVAO NY FANAHY MASINA”.

Eto amin’ny sahan’ny FJKM dia natokana hitondrana amim-bavaka ny Mpiasa iombonana eto amin’ny FJKM ity alahady ity.

Ramanana Alain na i “Gogo Misaina”, Filohan’ny Komitin’ny taom-pankalazana no nitarika ny fanompoam-pivavahana .

Ny Mpitandrina Rabemanandratrarivo Lanto, Filohan’ny SAMPATI Foibe no nitondra ny Tenin’Andriamanitra.

Maro ireo vahiny tonga nanotrona izao fotoana izao. Singanina manokana tamin’izany ny mpikambana ao amin’ny Komity lehiben’ny SAMPATI eto Madagasikara, ny Foibe Tily sy Mpanazava eto Madagasikara, ny Faritra Analamanga afovoany, ny SAMPATI Foibe sy ny SAMPATI Synodamparitany ary ireo Fivondronana maro izay samy nahatonga solontena. Azonao henoina ato ny hafatra.

FANOMBOHAN’NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Ny litorjia fahatelo fampiasa eto amin’ny sahan’ny FJKM no nitondrana ny fanompoam-pivavahana.

Taorian’ny Fiarahabana apostolika nataon’ny mpitarika dia ny Soratra Masina  araka izay hita ao amin’ny Salamo 105:1-5 no noraisina ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra. : “Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin’ny firenena ny asany. Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.

Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon’izay mitady an’i Jehovah.

Mitadiava an’i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.

Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ny vavany.”  Amen !

Ny hira FFPM 16:1, 2 “Avia ry vazan-tany ô!” no niarahan’ny Fiangonana niredona

sy niray fo tamin’ny fiderana an’Andriamanitra.

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Izao no vavaka  fiderana  nataon’ny Fiangonana ho fisaorana sy fiderana :

“Ry Andriamanitra Tompo sy Mpahary anay o! mivory eto an-tranonao izahay amin’ity alahady maraina ity, mankalaza Anao noho ny ivon’ny fankalazana ny faha 60 taonan’ny SAMPATI fivondronana faha 10A “Herin’ny Famonjena” . Miombom-po amam-panahy, hidera sy hisaotra Anao noho ny asanao mahagaga amin’ny fiainanay. Tafangona eto an-tranonao izahay noho ny antsonao. Notaominao izahay ka voataona, nosamborinao ka resinao. Sokafy ny molotray dia hanambara fiderana Anao ny vavanay. Vokiso zavatsoa ary izahay ary aoka ny Teninao izay inoanay no hameno anay satria Ianao efa niteny fa tsy hiverina foana Aminao ny Teninao raha tsy efa nahavita ny asa nanirahanao azy. Tanteraho aminay ary izany hahatonga anay handray ny fahafenoan’i Kristy. Ny Fanahinao anie hiasa mahery aty anatinay ka hahaizanay manolotra ny tenanay ho fanatitra velona, masina sy sitrak’Andriamanitra. Tohano izahay hahay hibanjina Anao ary tohano fanahy mazoto, hahitanay ny herinao sy ny voninahitrao amin’ny androm-piainanay, hahaizanay manaja Anao Andriamanitra, masina sy be voninahitra. Atreho sy hamasino izao fotoana izao ho voninahitrao irery ihany. Ny Fanahy Masina Mpanavao no hitarika anay. Amin’ny Anaranao Jesoa.  Amen!”

FOTOANA HO AN’NY SEKOLY ALAHADY

Rafidison Hanitra, mpampianatra ao amin’ny kilasy faha 6 no nanantanteraka ny fotoana ho an’ny Sekoly Alahady.

Ny hafatra dia nalaina tao amin’ny bokin’ny II Korintiana  3: 18 « Fa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy. »

Araka izany, rehefa mitaratra ny fahatsaran’i Jesoa Kristy isika na mibanjina ny voninahiny dia ovaina hitovy endrika amin’Andriamanitra ka miaina amin’ny fahatsarana.

Ny teny fanalahidy mifandraika amin’ny hoe: “Amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra”, dia hoe “Hihatsara hatrany , hihatsara hatrany”.

Izao ary no fanekena hotanterahina :

“Ny fisainana  => Hihatsara hatrany, hihatsara hatrany”

“Ny fiteny  => Hihatsara hatrany, hihatsara hatrany”

“Ny fomba amam-panao => Hihatsara hatrany, hihatsara hatrany”

“Ny fitafy => Hihatsara hatrany, hihatsara hatrany”

“Ny toetra => Hihatsara hatrany, hihatsara hatrany”

Ho hita taratra eo amin’ny fiainantsika anie ny voninahitry ny Tompo.

Mialoha ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra  dia notanterahina ny hira FFPM 190:2  “Ry Jesosy, mitenena ”.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Andrianarimihamina James no nitari-bava mialoha ny famakiana ny Soratra Masina.

Ratsimba Soarilandy  kosa no namaky ny Teny.

Ireto ny perikopa androany :  Eksodosy 35: 30-35 ; Marka 1: 1-8 ; 1 Korintiana 2: 12-16.

Nohiraina ny FFPM 210:1,5  “Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao” mialoha ny hafatry ny toriteny.

TORITENY

Rehefa avy niarahaba ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny Fiarahabana apostolika ny Mpitandrina  dia niarahaba manokana ny SAMPATI ao amin’ny Fivondronana faha10A, eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena sy nifidy manokana ny  Teny ao amin’ny Nahoma 2:2e manao hoe “Hetseho mafy ny herinao” ho teny fanevan’izao taom-pankalazana izao.

Io teny io rahateo no nitondrana ny hafatra androany.

Nahoma dia iray tamin’ireo mpaminany teo amin’ny Israely, tamin’ny taonjato faha 7 talohan’i Jesoa Kristy. Naminany ny amin’ny handravana an’i Ninive, firenena lehibe tao anatin’ny Fanjakana asyriana, izay mpanitsakitsaka, mpandravarava, mpanao an-keriny ny firenena manodidina azy ary isan’izany ny firenen’i Joda. Fa araka ny faminanian’i Nahoma  kosa dia anjaran’i Ninive indray no hopotehana sy horavana ary hofongorona tsy hisy intsony.

Ny fiandrianan’Andriamanitra manko dia tsy manaiky mihitsy  fa mamaly ny fahavalony, tsy mamela azy ireo hanjaka mandrakizay eto an-tany,  fa ho voafetra ihany ny hery sy fahefana ho an’ireo firenena mpanao ratsy ireo. Ny fahefana dia an’Andriamanitra ary Izy ihany no tompon’ny fandresena. Ny fahefan’Andriamanitra ihany no maharitra mandrakizay no sady mahenika izao rehetra izao. Ny dikan’izany dia tsy misy mihitsy fahefan’olombelona na fanjakana eto ambonin’ny tany haharitra mandrakizay, fa mandalo ihany izany. Kristy aza efa nilaza fa efa nomena Azy ny fahefana rehetra ety an-tany sy any an-danitra.

Raha fintinina ny bokin’i Nahoma dia zavatra telo mifameno no ambaran’ny toko telo amin’izany. Ny toko voalohany dia manambara ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny faharatsiana  sy ny fahotan’i Ninive. Ny toko faharoa dia milaza ny zavatra hiseho amin’ny handravana an’i Ninive. Ny toko fahatelo dia manazava amin’ny antsipiriany ny anton’ny handravana an’i Ninive.

Ao amin’ny toko faharoa dia  mifangaro ao ny fanononana fiadanana ho an’i Joda sy ny filazana loza ho an’i Ninive.

Misy fampitandremana an’i Ninive fa hisy loza hanjo azy ary fiantsoana azy hanetsika ny hery rehetra  izay hananany mba hanoherana ny fahavalo manani-bohitra.

Nampiomanina ny mponina tao Ninive hiambina sy hiaro ny tananany . Ho amin’izany indrindra ny teny araka ny Nahoma 2:2e hoe “Hetseho mafy ny herinao” izay noraisina ho hafatra.

Izany anefa raha ny tokony ho izy dia tsy tokony hosarahana amin’ilay voalaza eo ambony manao hoe: “ ambeno ny manda ”, “ tazano ny lalana ”, “ hatanjaho ny valahana ” .

Ireo no paikady entina miady amin’ny fahavalo mpanani-bohitra.

Mila miakatra eo ambony manda ny mpiambina , harovana izay efa hananana , mila fandraisana andraikitra izany, mba tsy ho tampoka ny  fiavian’ny mpanani-bohitra. Mila miakatra, miomana eo ambony manda ny mpiambina.

Fa hoy Kristy araka Lioka 21 and. 36Miambena ka mivavaha mandrakariva mba hahery ianareo ” . Manoloana ny fahavalo sy ny loza izay ho avy dia mila mandray andraikitra isika fa tsy mitazam-potsiny.

Ny mahafinaritra amin’ny SAMPATI dia ny fanomezana andraikitra ny ankizy sy ny zaza madinika  ary ireny no lasa tomponandraikitra eo amin’ny Fiangonana sy ny firenena rehefa any aoriana.

Ny hoe “ Tazano ny làlana ” dia mila atao matanjaka ny andrimaso sy ny fitsikilovana. Aza sondrian-tory fa maro ny fahavalo.

 

Ny hoe “ hatanjaho ny valahana ” dia mila vonona mandrakariva, miomana ny hiady ary atao izay handresena ny fahavalo. Olona tsy voahozongozona izany.

Raha raisina kosa ilay teny  hoe : “Hetseho mafy ny herinao” dia milaza izany fa mila hangonina avokoa ny hery rehetra izay efa misy. Tsy misy azo avela  na hapetrapetraka  fa ny rehetra no mila mandray andraikitra.

 

Mazotoa ary hangataho ny Fanahy Masina hahazoana manavao  sy manetsika ny hery rehetra efa hananana hahafahana miatrika ny ho avy rehetra.

Ho an’Andriamanitra ny voninahitra.

Taorian’ny toriteny dia nanantanteraka ny anjara hirany ny Sampana Tanora Kristiana.

VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Misaotra Ray noho ny amin’ny Teninao, fa sady fiainana ho anay izany no mamelombelona anay, ka irinay mba ho lasa fitaovana eo am-pelantananay, hivelomanay isan’andro, hoentinay manompo Anao. Ny Teninao izay notoriana teo dia manetsika mafy ny herinay mba ho vavolombelonao Jesoa Kristy, eo amin’izay rehetra halehanay. Mahatsapa izahay ankehitriny fa olona efa voantsonao, ary efa fantatrao izany. Manaiky izahay izay notendrenao, vonona izahay hanao ny asanao, ka hotanterahinay amin’ny fitiavana sy amin’ny fanetrentena izany. Voafetra tokoa ny fahefana sy izay hananana, fa Ianao no manana ny fahefana sy ny hery mandrakizay. Hanetsika ny hery anananay izahay mba hahafahanay mandresy ny sakana maro samihafa, hiambina sy hitazana ny làlana ary hanatanjaka ny valahanay.

Tsapanay anefa fa tsy tanteraka izahay, indraindray dia manao  zara fa vita ny asanao, na mimonomonona izahay manantanteraka izany, koa mifona sy mangataka ny famindram-po avy Aminao.

Manaiky ny hiorona amin’ny asa tsara, mba ho vahoakan’Andriamanitra tsara fihavanana Aminao, ka hahay manome sy mifanampy, hanaisotra ny faharatsiam-panahy sy handray kosa ny fitahiana avy Aminao, fa indrindra izahay izay miaina amin’ny fahasoavanao, ka handray famonjena amin’ny finoana. Efa mahazo antoka sahady fa efa voavonjy izahay, satria efa nomenao ilay fanomezana sarobidy indrindra dia ilay Zanakao. Vonona ary izahay hiala amin’ny fahazaranay tsy mendrika ny sitraponao, fa hifandray Aminao tsy tapaka, mandra-pialanay ety. Irinay ny hifamato-piainana Aminao Jesoa, hifandray Aminao amin’ny fotoana rehetra, satria efa ato anatinay Ianao ka hiseho ho modely eo amin’ny lafim-piainanay rehetra izahay, dia hiteny tsy amim-piambahambana manao hoe : “ Hetsehiko mafy ny heriko, tanterahiko ny fanompoako ”. Amen.

Avy eo dia natao ny hira FFPM 403 “ Ry Jesoa Tompo Tsara ô! ”

TENY FAMELAN-KELOKA

Ny Teny famelan-keloka izay noraisin’ny mpianakavin’ny finoana niisa 1073 androany dia araka izay hita ao amin’ny Isaia 54:7-8; Romana 8:34 manao hoe:

Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin’ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao. Tamin’ny firehetan’ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin’ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao Iza no manameloka? Kristy Jesoa no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo amin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika ”.

 Natao ny hira FFPM 489:1,4 “ Tena sambatra sy maha-te ho tia ” ary nambaran’ny Fiangonana ny fanekem-pinoana laharana fahatelo.

TATITRA SAMPATI K60

Ny Lioka 12:35  “Aoka hirehitra ny jironareo” sy ny Teny Faneva hoe : “hetseho mafy ny herinao”   araka ny Nahoma 2:2e  no nentin’ny tompon’andraikitra, Ramananarivo Narindra Soa, niroso tamin’ny tatitry.

Toa izao ny fintinin’ny hetsika notanterahina tao anatin’ny taom-pankalazana:

  • Ny alahady faha 21 novambra 2021: fotoam-panokafana ny taom-pankalazana.
  • Nisy ny hetsika natokana ho fifampiarahabana noho ny nahatratrana ny taona vaovao
  • Teo ny lasy sy ny fivoahana an-tsahan’ny Komity, nanaovana dinika santatra
  • Nisy ny fizarana fanomezana ho an’ny kamboty teny Tangaina ary teo koa ny hetsika ara-panatanjahantena.

Ny fotoam-pivavahana androany no ivon’ny fankalazana ary tao anatin’ity herinandrom-pankalazana ity dia nisy ny konferansa, teo ny fanantanterahana ny fanompoam-pivavahana  zoma hariva ary anio dia hisy ny fanekena mpiandraikitra.

Tsy nohadinoina ny sakafom-pifaliana izay niarahana tamin’ny mpianakavin’ny finoana sy ny sakaiza mpanohana ny SAMPATI rehetra.

Teo am-pamaranana dia naneho ny fisaorany  ho an’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana manontolo ary ny Fivondronana rehetra, izay nitondra tamim-bavaka sy nanampy tamin’ny fanatontosan’ny taom-pankalazana, Ramanarivo Narindra.

Taorian’ny tatitra dia nataon’ny mpikambana SAMPATI ny Hira faneva faha 60 taona “Hetseho mafy ny herinao”, izay  Rakotonarivo Vatsy no namorona azy.

RAHARAHAM-PIANGONANA

Nialoha ny filazan-draharaha, dia nanonona ny Fiadanan’ny Tompo ho amin’ny Fiangonana, ny Sampana Tily sy Mpanazava ary ho an’ireo vahiny nasaina maro tonga nanotrona ny fotoam-pivavahana, ny Sekreteram-piangonana Rakotomanana Andrimbazotiana.

Toy izao no tsara ho fantatra amin’ny asan’ny Fiangonana:

  • Alahady 15 mey 2022 amin’ny 2 ora tao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana: fanantanterahana ny rindrankira nataon’ny Mpiasa Iombonana.
  • Zoma 20 mey 2022 eny amin’ny FJKM Ambatolampy: lasy tselatra hataon’ny Dorkasy Foibe.
  • Ny SPAA10 sampana Dorkasy dia hanantanteraka fifaninanana vakodrazana sy fanompoam-pivavahana ary handray anjara amin’izany ny Dorkasy avy eto Amparibe Famonjena.
  • Talata 31 mey 2022, amin’ny 9 ora ao amin’ny FJKM Anosizato Hebrona: ny FDL SPAA10, dia hanantanteraka fifaninana sary famantarana sy hira faneva noho ny faha  25 taonany.
  • Alahady 15 mey 2022 amin’ny 3 ora : Rindran-kira fankalazana an’Andriamanitra, ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana, noho ny 20 taona niasan-dRamahaleo Zo teo amin’ny Tranomboky Antso Analakely.
  • Ny Vaomiera Asa Vavolombelona dia hanomana fampianarana, fanomanana ho an’ny mpianatra hanala fanadinana CEPE , BEPC ary BACC. Koa izay liana dia antsoina ho tonga eto am-piangonana ny alarobia 18 mey 2022 amin’ny 2 ora mba handraisana ny fandaminana mahakasika izany.

 

Ny Biraom-piangonana Razafindrabe Bam John no  nanentana ny Fiangonana ny amin’ny Vokadehibe Pentekositra. Ny volana jiona manontolo no hahafahana manantanteraka izany. Ny teny hifanentanana amin’izao dia araka ny Salamo 96:8 : “Manomeza an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany”.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Ny Biraom-piangonana  Ranaivoson Jacky no solontenan’ny Fiangonana nanolotra ny voady sy raki-pisaorana.

Ny Salamo 50:23 no nentiny niarahaba ny Fiangonana.

Teo ny nisaotra an’Andriamanitra noho ny Batisan’ ny zanany; ny nisaotra an’Andriamanitra ary nangataka amin’ny Tompo ny  hitohizan’ny fahasalamana ka mba hahavita ny asa fivelomana; ny nidera mandrakizay ny Tompo Izay nanavotra ny aina sy ny fananana; ny nangata-bavaka fa hanao “soutenance de fin d’étude” sy hiatrika fanadinana lehibe; ny nisaotra an’Andriamanitra fa nahazo asa; ny nangata-bavaka ho an’ireo sivy mianadahy hanantanteraka ny fanekena mpiandraikitra SAMPATI; ny nisaotra an’Andriamanitra fa  nieren-doza ny fianakaviana; ny nangataka vavaka ho an’ny Komitin’ny Fankalazana faha 60 taona; ny nidera ny Tompo fa afaka fanadinana; ny fianakaviana nahazo valim-bavaka sy fitahiana.

Ireto no hira nangatahan’ny mpianakavin’ny finoana tamin’izany: ny FFPM 20:1, FF 12:1, FFPM 549:1, FFPM 36:1, ary ny FF 18:1.

Rehefa izany dia niroso tamin’ny fanolorana ny rakitra ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny hira vavaka  FFPM 445 and. 3He manolo-tena aho ”.

ASA VAVOLOMBELONA

Ireto no zanaky ny Fiangonana nandray ny sakramentan’ny Batisa :

– ny zaza Ralison Tendry Tina Mickael teraka ny 13 mey 2021 teto Antananarivo. Ireo ray aman-dreniny:  Ralison  Tiana Eric sy Randriamiarisoa Aina.

– ny zaza Rakotoarivelo Andriamasy Riana Annaelle teraka ny 10 aprily 2019. Ireo ray aman-dreny: Rakotoarivelo Rivo sy Ratsimbazafy Riana.

Nisy ny fanekena nataon’ny  mpiandraikitra 9 mianadahy

VONDRONA MPANAZAVA :

*  Razafindravelona Fenitrinionja (Sampana Mavo)

*  Randrianasolo Kantonioly Ny Avo Fiderana (Sampana Maitso)

* Rasoanarivo Ny Koloina Aicha (Sampana mena)

VONDRONA TILY :

* Rakotomavo Mirana (Sampana Mavo)

* Rakotoarijaona Aina Tsanta  (Sampana mavo)

* Ranaivo Ramahefy Radoniaina  « Sianga Ranitra » (Sampana Maitso)

* Ranaivosoa Andriatsilavo « Fihiaka Mizoko » (Sampana Maitso)

* Rakotoarisoa Fanilo « Kipoy Mihongy » (Sampana Mena)

* Rabeson Rindra « Faniky Mahatoky » (Sampana Mena)

Fanolorana loka tamin’ny fifaninanana teny faneva, logo ary ny hira faneva noho ny faha 60 taonan’ny SAMPATI.

VAVAKA FANGATAHANA

Tao anatin’ny vavaka fangatahana no nisaorana an’Andriamanitra noho izao fotoana miavaka teo amin’ny fiainan’ny Fiangonana izao, dia ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 60 taonan’ny Sampana Tily sy Mpanazava.

Tamin’izany ihany koa no nitondrana tamim-bavaka ny Mpiasa iombonana eo amin’ny sehatry ny FJKM ary nangatahana vavaka manokana ihany koa ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra izay nanao ny voadiny sy ny raki-pisaorany teo anatrehany.

FAMARANANA NY FOTOANA

Taorian’ny vavaka fangatahana dia natao ny Fanekem-pinoana apostolika izay iraisantsika amin’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao.

Natao ihany koa ny hira FF  2:4 “ Fantatro fa sarotra ny dia ”.

Novakiana ny Tondrozotra 2022 ary taorian’ny fanambarana izany no natolotra ny Tsodrano.

Nofaranana tamin’ny hira FF 39 : 1, 2 “ Faniriako ”  ny fanompoam-pivavahana ary natao ny vavaka mangina nofaranana tamin’ny Trinite masina.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Irimanana Eninkaja sy ny Sampana Mpiangaly Zavamaneno

Nikirakira fafana : Raoliarizaka Bakoly

Nikirakira fanamafisam-peo : Rova Harentsoa

Naka sary : Andriamampianina Faneva

Nandray an-tsoratra : Rabako Tovohery

Alahady 08 Mey 2022

ALAHADY 08 MEY 2022
“ MANAVAO NY FANAHY MASINA ”

Alahady fahatelo manaraka ny Paska

Ivom-bokatry ny Sampana Lehilahy Kristiana (SLK)

 “ Miorena tsara, aza miova, ry lehilahy mahery ” I Korintiana 15:58, Mpitsara 6:12b

Amin’ny maha alahadin’ny Sampana Lehilahy Kristiana manerana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny anio dia ny Filoha mpanampin’izany Fikambanana izany eto anivon’ny Fitandremana, Rabe Harimanana, no nitarika ny fotoam-bavaka. Noho ny fifanakalozana polipitra dia ny Mpitandrina avy ao amin’ny FJKM Ambatobe Ziona Fanantenana Synodamparitany Antananarivo Atsinanana, Rajaonary Rahajamiakatra, no nitondra ny Tenin’ Andriamanitra tamin’ny vahoakany teto Amparibe. Ny litorjia iombonana manerana ny sahan’ny FJKM, endriny voalohany, no narahina. Nisy asa sy fampaherezana taorian’ny fotoam-bavaka. Azonao henoina ato ny hafatra.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny feon-javamaneno sy ny fanolorana dia natao ny fiarahabana apostolika. Ny andinin-tSoratra Masina fiderana dia araka ny ao amin’ny Salamo 108 : 1-6 hoe : « Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko ; ny fanahiko no hihira sy hankalaza. Mifohaza, ry valiha sy lokanga ; hifoha maraina koa aho. Hidera Anao eny amin’ny firenena maro aho, Jehovah ô, ary hankalaza Anao eny amin’ny jentilisa. Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindramponao ; ary mipaka eny amin’ny rahona ny fahamarinanao. Misandrata any ambonin’ny lanitra Ianao, Andriamanitra ô ; ary aoka ho ety ambonin’ny tany rehetra ny voninahitrao. Mba hahafaka ny malalanao, dia vonjeo amin’ny tananao ankavanana aho, ka valio. »

Ny hira FFPM 351 : 1,3 : Tsy hangina re ny hoby no nanaraka izany ary vavaka fisaorana.

Midera sy mankalaza ary misaotra Anao izahay, ry Tompo ô! noho ny soa rehetra nomenao anay. Misaotra Anao fa afaka manatona Anao amin’ny fifaliana eto amin’ity vavahadin’ny lanitra ity izahay, hihaino sy handray ny Teny fiainana atolotrao anay. Misaotra Anao izahay fa mbola nomenao anjara amin’izao fanompoana masina iarahanay manatanteraka izao. Misaotra noho ny fijoroan’ny SLK eo anivon’ny sahan’ny FJKM manontolo sy eto amin’ny Fitandremana. Mangataka Aminao izahay ho an’ny SLK, mba ho sampana mihavao hatrany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ary ho sampana velona, izay nantsoinao hitondra ny fanilo fahazavana amin’ny fitoriana ny Filazantsaranao, ka hijoroan’ireo mpikambana vavolombelona eo amin’ny ankohonana, ny fiarahamonina, indrindra eo anivon’ny Fiangonana, amin’ny asa fanompoana rehetra ataony, ho porofo fa lehilahy kristiana marina mpitarika manahaka an’i Kristy Lohan’ny Fiangonana izy. Tanteraho sy amarino eto àry, Tompo ô! ny Teninao ny amin’ny fanatrehanao ny olona mivory amin’ny Anaranao fa mangetaheta Anao izahay. Koa tariho amin’ny alalan’ny Fanahinao Masina izahay, amin’ny zavatra rehetra hataonay ho fanomezam-boninahitra ny Anaranao Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina. Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy no anandratanay izany vavaka izany. Amen.

FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA

Rehefa izay dia nambara ny sitrapon’ Andriamanitra araka ny Romana 8 : 5-7 hoe : « Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo ; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana ; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana sy fiadanana satria fandrafiana an’ Andriamanitra ny fihevitry ny nofo ; fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany ».

 

Natao ny hira FFPM 643 : 1,2 « Ô, mandrosoa mba ho tena mpandresy », dia natao ny vavaka fifonana.

Ry Rainay Izay any an-danitra ô! Miondrika eo anatrehanao izahay. Vao avy nahare ny didinao izahay ka sady mahatsiaro menatra sy mangahiahy fa tsy nahatanteraka izany sitraponao izany. Kanefa misaotra Anao izahay, fa tsy mamaly anay miaraka amin’izay, araka ny fahotanay Ianao, fa mbola mamela anay hibebaka Aminao. Koa indreto izahay manatona Anao, amin’ny fo torotoro sy mangorakoraka, tariho izahay hahay hibebaka marina Aminao, dia mamelà ny helokay ary aza tsarovanao intsony ny fahotanay. Mangataka Aminao izahay, Ray masina ô! diovy izahay ho afa-pahotana amin’ny alalan’Ilay rà soan’i Jesoa Zanakao. Havaozy ny fanahinay mba ho fonenan’ny Fanahinao Masina, ka hiaro anay amin’ny ratsy rehetra araka ny filàn’ny nofo, fa hitomboanay amin’ny fahamasinana kosa. Ray ô! vonjeo izahay fa tsy mahavonjy tena. Tehirizo eo am-pelatananao izahay, fa tsy misy maharombaka ny eo an-tananao. Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay, mihainoa anay, ry Andriamanitra Fitiavana ô! ka valio ny vavakay. Amen.

Nohiraina ny FFPM 383 : 1,3 : Ô, ry mpanota aza mba mandà 

TENY FAMELAN-KELOKA 

Nisy ny Teny famelan-keloka nomena ny Fiangonana teo am-pitsanganana manao hoe : « Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko ; ary Izay rehetra ato anatiko, misaora ny Anarany masina. Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko ; ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao, Izay mahavoky soa ny vavanao… Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin’izay nitsangana teo anoloany hoe : Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy : Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiankajoiko akanjo fihaingoana ianao…  Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’ Andriamanitra ao Aminy kosa isika » Salamo 103 : 1-5a ; Zakaria 3 : 4 ; 2 Korintiana 5 : 21.

Nohiraina ny FFPM 487 : 1,5 : Fanavaozana izay mahagaga . Notononina ny fanekem-pinoana apostolika (laharana voalohany). Nisy vavaka mangina tanaty feon-javamaneno fohy avy eo.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny kilasy faha 6, Zanaharitsimba Rova, no nitarika izany.

Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra dia :  » Fa efa nomena ny Fanahy Masina «  Asan’ny Apostoly 19 : 2b.

I Josoa izay nandimby an’i Mosesy hitarika ny zanak’Israely tany amin’ny tany Kanana no resahina ao amin’ny Deoteronomia 34 : 9. Nanana fahaiza-manao sy fahalalana manokana izy noho ny Fanahin’ Andriamanitra tao aminy ka vitany ny nitaiza ny olona hankatò sy hiaina ny Tenin’Andriamanitra ary nihaino sy nanaraka azy ny zanak’Israely. Mitaiza antsika mba hanana fahendrena toa an’i Josoa ny Fanahy Masina Izay nomen’ Andriamanitra antsika. Manabe antsika hihavao ny Fanahy Masina hifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ary miasa ao anatintsika mandrakariva Izy, hahaizantsika manovo ny tena fahendrena. Tokony hangataka fahendrena amin’Andriamanitra isika amin’izay rehetra atao.

Nohirain’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady teo am-pitsanganana ny FFPM 768 : 1: Endrey ! Endrey ! Tompo ô ! taorian’ny fanononana ny andinin-tSoratra Masina. Nisy vavaka. Nitohy ny fotoana.

TATITRY NY ASAN’NY SAMPANA

Ny mpitantsoratry ny fivorian’ny SLK Rakotovololona Lova no nanao izany tatitra izany.

Nataony ny tsiahin’ny antom-pisiana sy tanjon’ny sampana. Nisongadina tamin’izany ny hoe mitaona ny lehilahy hanankina ny fiainany sy ny ankohonany amin’ Andriamanitra, ho môdely. Nomarihiny fa tsy mifidy taona ny fidirana amin’izany sampana izany. Ny vinan’ny SLK Foibe dia hoe : “ Mitombo amin’ny fahatsarana, mitombo amin’ny fahamaroana ary mirindra amin’ny fomba fiasa”. Rehefa izay dia novakiana ny hafatra avy amin’ny SLK Foibe, izay mankalaza an’Andriamanitra noho ny faha 40 taona (Kolosiana 3 : 15). Efa voatokana ny ivotoerana any Foulpointe. Anisan’ny ezaka tsangambato ny famoahana boky ho fitaizana ; fananganana zatovo isaky ny Fitandremana ; fividianana fiara tsy mataho-dalana hoentina miasa. Kasaina hotanterahina any Taolagnaro Synodamparitany Ambovombe Atsimo ny 26-28 aogositra 2022 ny fihaonamben’ny SLK. Hisy tafika masina any amin’ny lalampirenena faha 7 sy 13 mandritra ny dia.

Taorian’izany dia nanao ny hira “ Fanahin’ny hazofijaliana ”ny sampana.

RAHARAHAM-PIANGONANA

« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo »

Razafimaharo Mamy, Birao Mpitantsoratry ny Fiangonana, no namaky ny vaovaom-piangonana. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia ao amin’ny Lioka 10 : 20.

Toy izao ny asa tsara fantarina ary hotanterahin’ny Fiangonana sy hoentiny amim-bavaka :

Asa ivelany 

Alahady 15 mey 2022 : natokana ho fitondrana amim-bavaka sy hanohanana ny mpiasan’ny Foibe, amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana, seho an-tsehatra hiarahana amin’ny Feo dimy sy Laurent Rakotomamonjy.

Asa anatiny 

-Sabotsy 14 mey 2022 amin’ny 3 ora sy sasany : fivoriambe voalohan’ny Sampana Sekoly Alahady “ Antoky ny Famonjena ”, iantsoana ny ray aman-dreny, ny mpampianatra sy ny mpianatra manomboka K7 noho miakatra.

-Alahady 15 mey 2022 : amin’ny 8 ora maraina fivorian’ny mpihevi-draharaha ao amin’ny Akany Rainimamonjy, ivon’ny fankalazana an’ Andriamanitra noho ny faha 60 taonan’ny SAMPATI “ Herin’ny Famonjena “.

-Sabotsy 4 jona 2022 : ivon’ny fankalazana an’ Andriamanitra noho ny faha 20 taona naha Talen’ny Tranomboky Antso an-dRamahaleo Zo.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Ralaindimby Haja, Birao Mpitantsoratry ny volam-piangonana, no namaky ny voady rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Salamo 37 : 4-6 izy. Toy izao manaraka izao ny hetahetan’ny mpianakavin’ny finoana nentina teo anivon’ny Fiangonana : fisaorana an’ Andriamanitra sy fangataham-bavaka: tao ny nahazo fahasoavana, ny fianakaviana any ampitan-dranomasina nangata-bavaka, ny zafikely hanala fanadinana.

Ny hira nangatahin’ny mpianakavin’ireo finoana ireto izay nataon’ny Fiangonana nandritra ny fanantazana ny rakitra dia : FF 29 : 1: Tsy mba hisy reharehako ; FFPM 627 : 1: Vimbino tsara izahay ; FFPM 630 : 1: Ry Jesosy mba tantano ;  Misaotra Anao izahay .

Ny hira vavaka FFPM 4: 4: Mamy ny fitianao no notanterahina teo am-pitsanganana ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanolorantena. Ny mpitantsoratry ny vola Rajaofetra Philippe sy ny mpitahiry volan’ny SLK Rakotomalala Johary no teo amin’ny alitara nandray ny rakitra faharoa ho fanohanana ny asan’ny SLK.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nohiraina ny FFPM 213 : 1,2: Ry fanahy mangetaheta. Nanao vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina sy namaky ny Testamenta Taloha ny mpikambana Ratavilahy Roland. Ny mpanolotsaina Rasolonjanahary Fidy no namaky ny ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ny Perikopa voalahatra dia : Deoteronomia 34 : 5–12 ; Jaona 7 : 37–44 ; Asan’ny Apostoly 19 : 1-7.

Natao teo am-pitsanganana ny FFPM 164 : 1: Jesosy irery ihany. Toriteny no nanaraka izany.

TORITENY (Fintina)

Ny Asan’ny Apostoly 19 : 1-7 no andinin-tSoratra Masina niompanan’ny hafatra androany.

I Paoly eto dia nanatanteraka teny fampanantenana ho an’ny vahoaka tao Efesosy. Manodidina ny 25 taona taorian’ny Pentekositra voalohany, nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny Fiangonana, no nitrangan’ny tantara : 12 lahy niova fo tamin’ny alalan’ny asa fanompoana nataon’i Apolosy no resahina. Nanana adidy sy andraikitra ity farany nametraka ny maha zava-dehibe an’Andriamanitra.

Mampieritreritra ihany hoe tena nandray ny Fanahy Masina tokoa ve ny nahare ny Filazantsara, mino, vita batisa, tsy sahy miasa, tsy vonona hanolo-tena ? Misy aza mitsoaka, mifanilika andraikitra. Mbola misy ny loham-pianakaviana tsy sahy mitarika ny ankohonany hanatona an’Andriamanitra. Havaozy ny toetra ratsy.

Nomanin’i Apolosy tsara ireto lehilahy ireto (and.5-6) : nazavaina sy notarihina ka resy lahatra. Ny Fanahy Masina nomena no nahavitan’ny olona ny asan’ Andriamanitra, tsy nisy tahotra.

Ny lehilahy rehetra nomen’ Andriamanitra fahasoavana. Aoka tsy hiova amin’izay nanendren’ Andriamanitra sy fanapahan-kevitra noraisina amin’ny fanolorantena. “ Miorena tsara, aza miova ”. Enga anie ho betsaka ny lehilahy hanolo-tena aorian’izao toriteny izao, ho reharehan’ny Fiangonana.

Mandiniha tena raha tena ao aminao marina ny Fanahy Masina. Raha mbola tsy ao aminao izany dia mivavaha mafy mba hanana Azy sy ho afaka miasa.

Ho an’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.

Nisy feon-javamaneno fohy. Nihira ny Sampana Taninketsa izay narahin’ny vavaka fangataham-pitahiana.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina nitory Teny ihany no nitarika izany. Nisaotra an’ Andriamanitra izy noho ny Teny avy notoriana mba hahafahana mijoro vavolombelona rehefa avy nandray ny Fanahy Masina. Voatonona koa ny fanoloran-tenan’ny SLK, ny ezaka sy fandaminana, ny fiombonana sy fifankatiavana, mba hahita fifaliana amin’ny alalan’ny asa tanterahiny, hiroborobo izany sampana izany. Ny eo anivon’ny FJKM mba ho lehilahy mahery, ny sampana manontolo iriana hitoeran’ny Fanahy Masina amin’ny zara fanompoana. Nentina amim-bavaka ny Fiangonana ho jiro manazava ny rehetra izay mbola ao amin’ny maizina ; ny fiainan’ny Fiangonana ; ny tsirairay avy ; ny tokantrano, ny asa sy fahasalamana. Porofon’ny fahasoavana sy fitahiana avy amin’ Andriamanitra ireo nanao raki-pisaorana, Izy mihaino, mamaly vavaka ary manatanteraka izany. Nofaranana tamin’ny « Rainay izany any an-danitra » ny vavaka fangataham-pitahiana.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao avy hatrany ny hira FFPM 701 : 1,2: Ny hiran’ny lanitra tsara tokoa .

Notononina ny tondrozotra 2022 hoe : “ Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra, araka ny olom-boafidin’ Andriamanitra sady masina no malala… Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa ; fa Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. ” Romana 12 : 10 ; Kolosiana 3 : 12b ; Petera voalohany 5 : 5b.

Natolotra ny tsodrano dia noredonina ny hira vavaka: Mialoka aminao. Nisy ny vavaka mangina sy ny fanononana nyTrinite ary feon-javamaneno.

Nisy asa sy fampaherezana taorian’izay.

NY TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rabiazamaholy Hery Lanto

Nikirakira fafana : Rabako Tovohery, Rajaofetra Arielle

Nikirakira fanamafisam-peo : Randriamahefa Tina

Naka sary : Rabemananoro Jonathan

Nandray an-tsoratra : Ralaiarimanana Narindra

0522Tantara

Ny hiram-pivavahana sy ny fivoarany

«Fadio ny fanao ratsy rehetra» ITesaloniana 5 : 22

Raha manohy ny tantaran’ny hiram-pivavahana tao amin’ny Sampana Vokovoko Manga isika, dia fantatsika tsara ny mety ho fiandohan’ny Fihirana voalohany, fa tamin’ny fotoana MIFAMENO dia ny efa nahatongavan’ny Filazantsara nentin’ny Misionera sy ny fiandohan’ny fanjanahantany noho ny ady nifanaovana tamin’ny Frantsay.

Dia fihirana sadasada teo no nisy sy nampiasaina satria fifarimbonan’ny Malagasy (Mpitandrina ny betsaka) sy ny Misionera roa tonta, dia ny Frantsay sy ny Anglisy izany.

Ny lafiny anisan’ny mahafaly tamin’ny hira vokatra tamin’ny fahavitan’izany Fihirana voalohany izany anefa, dia ny FEON-KIRA ihany ary mbola misy akony mandraka ankehitriny izany, satria ny feon-kira dia saiky iraisam-pirenena avokoa ary hain’ny kristiana maneran-tany izany. Koa raha mivahiny any ivelan’I Madagasikara izany isika kristiana Malagasy, ary manao ny hiran’ny Sampana Vokovoko Manga, dia tsy ho sahirana velively, satria ny tononkira no hafa (na mitovy aza ny dikany) fa ny feon-kira dia iraisana ka tsy manahirana ny fanatanterahana azy.

Tsy maintsy singanina manokana kosa anefa ireo Malagasy nanao ny fandrafetana voalohany ny Hiran’ny Sampana Vokovoko Manga satria misy sangan’asa izay tafita hatraty amin’ny Fihirana farany, Edisiona 1984.

Tao ireo Mpitandrina Malagasy toa an’i Dr Rakotobe Andriamaro, -J. Andrianaivoravelona, -Maurice Ramiandrisoa, -Ch Ratefinanahary, -A. Rakotovao, – Jonah Rajemisamarolahy Matio, – Jules Raminosoa, – Th. Ramasitera, sy ny maro hafa koa.

Tao koa ireo Mpanakanto nanana fanomezam-pahasoavana manokana momba ny literatiora kristiana, indrindra mikasika ny fifadiana ny zava-pisotro mahamamo, toa an’i JBD Rakotondranisa, – Rasamoely albert, – J. Andrianaja, – Pierre Rambeloson, – Ch. Razafindralambo, – A. Ramboatiana, – Razanaka, – Vololoniaina Rajhonson, – Halifax P. Razanadrakoto, – Rajaona, – Ramino, – sy ny maro hafa koa.

Nisy koa tononkira nifandrimbonan’ny mpanoratra toa an’i P. Randriamanalina Mpitandrina sy Dr Rakotobe Andriamaro, ary ireny tononkira ireny indrindra no nanaovana fanamarihana manokana satria araka ny fitantaran’ny sasany tamin’izy ireny dia tany am-pigadrana, noho ny fanenjehana MDRM izy no nanoratra, ary tany am-ponja aza no nahavitany ny famakiana feno ny tenin’Andriamanitra rehetra tao amin’ny Baiboly. Ny teo amin’ny Fiangonana Amparibe manokana (mbola tsy nanana fanampin’anarana FAMONJENA  tamin’izany), dia nandray anjara tamin’ny alalan’ny rakitra fony mbola Ligue de la Croix Bleu Malgache (tamin’ny andron’ny Mpitandrina Andriamasinoro izany) ary taty aoriana (Andro sy taona nanodidina ny fahaleovantenan’ny firenena) dia mbola nandray anjara hatrany tamin’ny alalan’ny rakitra ny Fiangonana mialoha ny fetim-pirenena (Frantsay ny 14 jolay, sy ny faha 26 jona fetim-pirenena Malagasy).

Tamin’izany fotoana izany dia tsy tsaroana natao akory izay hiran’ny Vokovoko Manga fa zara raha fantatra ny fisiany noho ny tsy fampiasana azy loatra teo amin’ny fiainana andavanandro.

Mandritra izany fotoana izany, dia tsy re loatra izay hoe Mpianakavin’ny finoana nifampitolona tamin’ny toaka fa raha sanatria aza ka nisy dia nahay nanafina izany ka tsy nikasika tamin’ny andro alahady.

Isaorana anefa Andriamanitra fa roa na telo taona mialoha ny nijanonan’ny Mpitandrina Rév. Rakotoarivony Paul dia nanao fampianarana tsy mahalana izy momba ny faharatsian’ny zava-pisotro mahamamo (mbola tsy voaresaka ny mahadomelina tamin’izany) ary andalana iray ihany no tadidy ka ampitaina etoana, manao hoe :

“Adala ny olona izay doro-dava

“Akepok’ireny ny vola ka lany

“Ataony ambodi-barika ka rava:

“Areti-mandoza no vokatr’izany !”

Noho ny fahatsontsana dia io andalana voalohany io ihany no tadidy (izay mety misy diso sanatria), kanefa mbola karohina fatratra any amin’izay nahatahiry ny tohiny lavabe satria literatiora kristiana tena sarobidy tokoa, indrindra ho an’ny Sampana Vokovoko Manga.

Noventesin’ny Mpitandrina hatramin’ny farany io tononkalo io izay toriteny feno tokoa mikasika ny fifadiana zava-mahamamo indrindra eo amin’ny maha kristiana.

Isaorana anefa Andriamanitra fa tafajoro soa aman-tsara ny Sampana Vokovoko Manga eto amin’ny Fiangonana na dia Biraom-piangonana Raiamandreny lehibe aza no niteny tamin’ny fahatsorana anao hoe: “Mahay hianao Pasteur raha mahatafatsangana ny Sampana Fifohazana sy ny Sampana Vokovoko Manga eto amin’ity Fiangonana ity !” Re teo imasonay vavolombelona izany teny izany. Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.

Rajaofetra John

0522Vatsimpanahy

VATSIMPANAHY - May 2022

« Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany ; ary fantatsika fa marina ny fanambarany. » Jaona 21 : 24

Perikopa :   Isaia 26 : 11-19 ;  Jaona 21: 10-25 ;  IIKorintiana 4 : 16-18

Teny farany ato anatin’ity Filazan-tsara fahaefatra no vatsy ho antsika. Milaza ilay vavolombelona marina. Misy karazany telo ny vavolombelona :

* Nahita fa tsy nino an’i Jesoa avy any Nazareta ho Kristy na Mesia.

* Nahalala fa nijanona ho mpihainohaino fotsiny ihany.

* Tonga mpianatra vavolombelona.

Ity fahatelo no raisina ho fianarana ho antsika fa izy no manana ireo toetra tokony hotahafina voambara eto amin’ny Jao.21:24. Ireto avy izany toetra filamatra izany :

** Manambara mazava ny amin’i Jesoa Kristy mba hinoana Azy ; fa Izy no Zanak’Andriamanitra : Jao.21:24a.

** Mampianatra ny momba Azy mba handraisan’ny hafa Azy ho Tompo sy Andriamanitra : Jao.21:24b.

** Eken’ny mino fa marina ny fanambarany sady mitombona ny fampianarany : Jao.21:24c.

Manambara mazava fa Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra (Jao.21: 24a)

Nandritra ny telo taona niasan’ny Tompo tety an-tany dia tsy mbola tena azon’ny mpianatra sy ny olona nanodidina azy ; fa io Jesoa avy any Nazareta io no Mesia na Kristy Ilay nandrasan’ny Jiosy. Ambonin’izay, ny Kristy izay andrasany dia olombelona tahaka an-dry Davida sy ireo namany mpanjaka mamin’ny olona ety an-tany fotsiny.

Eto anefa tsy izany intsony, fa nitombo ny finoany Azy. Kristy Ilay nahavita asa mahagaga sy famantarana maro dia Mesia Zanak’Andriamanitra tsy resin’ny fahafatesana. Ny fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty, sy ny fiarahany fotoana fohy tamin’ny mpianatra, ary ny nahitan’ny mpianatra Azy niakatra any an-danitra dia nanova tanteraka ny finoan’ny mpianatra ny amin’i Jesoa. Andriamanitra azo ivavahana Jesoa araka ny teniny sy ny fampianarany ary ny nataony rehetra. Izany rahateo no nataon’i Jaona rehefa nanoratra ny amin’i Jesoa izy.

Rehefa nandray ny finoana an’i Jesoa Kristy ny Apostoly Paoly, dia nanambara mazava ao amin’ny IIKor.4 : 16-18, fa tsy manana fanahiana momba ny herin’ny fahafatesana intsony izy.

Rehefa tena mino isika, ry havana, dia manana fahasahiana hanao toy izany koa ; eny tokony hihoatra aza, satria mihoatra noho izy ireny ny fahalalantsika an’i Jesoa; satria hoy ny Tompo : « Sambatra kosa izay tsy nahita nefa nino » (Jao.20/29s).

Mampianatra ny momba an’i Jesoa Kristy mihitsy mba handraisan’ny olona Azy ho Tompo sy Andriamanitra : (Jao.21: 24b)

Hoy ny Apostoly Paoly : « ny finoana dia avy amin’ny toriteny ; ary  ny toriteny dia avy amin’ny tenin’i Kristy » (Rom.10:17). Ny toriteny izay ambara eto dia fizarana fahalalana atao amin’ny olona mba hinoany fa iny Jesoa Ilay avy any Nazareta iny dia Tompo sy Andriamanitra (nanoratra… Jao.21:24b).

Mitaona sy mampianatra i Jaona mba hitovy na hihoatra noho ny an’ny Apostoly ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Navoakany amin’ny soratra nataony ny hevitr’ireo asa sy teny manana fahefana nataon’i Jesoa tamin’ny fotoan’andro.

Manao antsoantso toy izany Isaia ato amin’ny tenim-paminaniana ho an’ny Israely sy izay mandre ny vavaka fiandrandrana an’Andriamanitra nataony (Isa.26:11-19). Mitaona ny olona hino an’Andriamanitra Mpahary sy mitondra izao rehetra izao sy ny eo aminy, ary Andriamanitra nanao fanekena tamin’ny Israely, sady mitazona izany ; ka miantso azy ireo tsy hivadibadika.

Ho antsika kristiana dia fampahafantarana antsika amin’ny alalan’ny fampianarana samihafa (toriteny, famelabelaran-kevitra, fampianarana, fiofanana, fianarana…) no tena ifotorana. Atao ireny mba hihazonantsika ny finoana, tsy hivadibadika amin’izany, fa hifikitra amin’izay efa nandraisantsika an’i Kristy sy izay efa nandraisany antsika koa.

Eken’ny mino fa marina ny fanambarany sady mitombona ny fampianarany Jao.21:24d

Hafatra ho an’ny mino ny teny farany nataon’i Jaona Apostoly eto : « fanta-tsika fa marina ny fanambarany » (Jao.21:24d). Ity fizarana fahatelo ity no sivana entina mamantatra ny tena vavolombelona marina tokoa.

* Marina ve ny fanambarany ? Milaza izany tokoa ve ny Tompo ? Asehon’ny Soratra Masina ve izany fampianarana izany ? Mifanaraka amin’ny fanahin’ny fanoratrana ny Baiboly ve ny nataony ?

* Mitombona ve ny fanazavana rehetra entiny anehoana ny heviny ? Ireo porofo samihafa arosony ve mifanaraka tsara amin’ny hafatry ny Baiboly ? Madio araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina ve ny fomba nentiny mandresy lahatra ?

Mazava ny an’i Jaona mikasika izany hatrany am-boalohany ka hatramin’ny farany. Apostoly nanatri-maso an’i Jesoa izy. Niaraka Taminy hatrany izy rehefa handeha hitokana ny Tompo (Getsemane …). Voalaza fa izy ilay mpianatra tian’ny Tompo Jao.21:20).

Mitandrema tsara ry mpianakavin’ny finoana fa maro ireo mpaminany sandoka efa tonga eto amin’izao tontolo izao. Tsarovy fa efa miaina amin’ny andro farany isika. Miseho manerana izao tontolo izao ireo milaza tena ho Kristy na Mesia amin’ny endriny samihafa. Ao ny mitonon-tena ho iraka avy any an-danitra mitondra dinidinika hafahafa manandra-tena. Misy ny manam-pahaizana maro manolana ny Tenin’Andriamanitra hifanaraka amin’ny filan’ny nofony.

Mampitandrina, mampirisika, mampahery antsika olom-boafidin’ny Tompo ity hafatra, teny farany nataon’i Jaona ity. Izany dia mba hiorenantsika tsara ao amin’ny Tompo, amin’ny fampianarana tsy misy kilema efa natolony. Tsy hiala amin’izany, fa ho tena vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo. Hazony mafy fa izay no fototry ny finoana kristiana. Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.  Amena.

Raharijaona Solofonirina Mpitandrina

0522Mahatoky

Manavao ny Fanahy Masina

Tsianjery : “Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny  zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” Lioka 11:13

Andriamanitra dia Fanahy

Raha vao avy nandray ny famonjena nomen’i Jesoa Kristy antsika isika tamin’ny fankalazana ny Paska, dia mbola fanomezana sarobidy ihany koa no mbola omen’Andriamanitra antsika amin’ny  nomezany antsika maimaim-poana ny Fanahy Masina noho ny fitiavany antsika (Tit. 3:4-5). Avy amin’Andriamanitra ny Fanahy (Isa. 3:15), satria Izy dia Fanahy (Jao. 4:24) koa mangataka amintsika olona mino Izy ny hivavaka amin’ny Fanahy Masina sy ny fahamarinana (Jao. 4:23)

 

Iza no misitraka ny Fanahy Masina ?

Jesoa Kritsy Ilay manao batisa amin’ny Fanahy Masina ho famonjena sy fiombonantsika aminy (Mar. 1:8) no mifidy ny olony ary manome fahendrena azy hahavita asa sy zavatra tsara (Eks. 35 : 31) (Déo.34:9). Tsy lany ritra ny fitiavan’i Kristy antsika, ka raha mangataka aminy isika dia omeny maimaim-poana antsika izay mino Azy ny Fanahy Masina (Jao. 3:34) (Lio. 11:13). Io Fanahy Masina io no mampiray antsika amin’Andriamanitra ary izay rehetra mino izany dia manana ny Fanahy Masina ao aminy (Jao. 7:39). Ary izay rehetra manana ny Fanahy Masina sy mandray azy dia mitovy, toa iray ihany, eo imason’Andriamanitra (Kol. 3:11), n’inona n’inona firazanany na fihaviany na izay mampiavaka azy. Satria Aminy dia izay matoky sy mino an’i Jesoa Kristy ihany no Azy (Kol. 3:11). Noho izany isika rehetra mpanara-dia ny Tompo ka mikatsaka ny fiainana any an-danitra dia mila manana ny Fanahy Masina (Kol. 3:1-2) satria ny vokatry ny fanahy dia fahamarinana izay mitondra any amin’ny fiadanana sy fahatokiana mandrakizay (Isa. 3:17)

Manavao ary manova ny Fanahy Masina

Araka izany dia Izy Tompo mihitsy no efa mitarika antsika olony hitoetra ao amin’ny Fanahy Masina mba hananantsika ilay fiainana sy toe-po ary toe-tsaina araka an’Andriamanitra (Gal. 5:22-23). Izy no mandidy sy maniraka ny Fanahiny hanavao ny olona mpanara-dia Azy (Sal. 104:30). Ilay Fanahy Masina omeny antsika no manova ny ratsy ho tsara ao amintsika (Isa. 3:16). Lazainy amintsika mantsy fa izay manana ny Fanahin’Andriamanitra dia mahavita zavatra tsy takatry ny saintsika olombelona (Eze. 37:1) (Gen. 5:24). Eny mahavita zava-mahagaga tokoa (Asa. 9:6). satria ny mamelona ny efa maty koa aza dia vitan’ny Fanahin’Andriamanitra (Eze. 37:14). Ka ny olona araka ny Fanahy Masina  dia mahafantatra ny zavatra rehetra amin’ny fahendrena, satria manana ny sain’i Kristy (IKor.2: 15, 16).

Fehiny

Fantatsika mpanara-dia an’i Kristy fa tsy mbola manana ny Fanahy Masina isika, raha tsy mandray an’i Jesoa Kristy  niditra tamin’ny voninahiny (Jao. 7:39). Izy efa nitso-drano ahy sy anao ka nanome antsika izany Fanahy Masina izany (Lio. 24:50-51). Aoka ary tsy hisy hanakana antsika tsy handray izany. Mahatoky Izy, fa ny Fanahin’Izy Tompo no mampifaly antsika. (Sal. 104:34). Dia ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen!

                                                                                         Ny Vaomieran’ny Aim-Panahy

Alahady 01 May 2022

ALAHADY 1 MEY 2022
« MANAVAO NY FANAHY MASINA »

Alahady faharoa manaraka ny Paska

Alahady Fandraisana

« dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, » (Titosy 3 :5)

Alahady voalohany ibanjinana ny lohahevitra  « Manavao ny Fanahy Masina ». Ny Litorjia amin’ny endriny voalohany no nentina nanatontosa ny fanompoam-pivavahana. Andrianaivomanana Willy Johnson, Mpitandrina miana-draharaha, no nitarika ny fotoana. Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina eto amin’ny Fitandremana kosa no nitory ny Tenin’Andriamanitra. Azonao henoina ato ny hafatra.

FANOMBOHANA NY FOTOANA 
Ho Fiderana an’Andriamanitra sy fisaorana ny Tompo dia novakina ny Salamo 29 : 1 – 2.

Taorian’ny famakiana ny Salamo dia nohiraina ny FFPM 18 : 1 – 2 «  Ny feonay rehetra izao. »

Vavaka
Nisaorana Andriamanitra noho ny fahasoavany sy fitahiany nahafahana nahatratra izao volana vaovao izao. Nisaorana ny Tompo noho ny fitiavany. Nangatahina ny Fanahy Masina hitari-dalana sy hampifantoka mba hitondra fihavaozana. Nangatahina ny fanatrehan’Andriamanitra ny fotoana.

FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA
Ny Galatiana 5 : 16 – 18 no nangalana ny hafatra ho an’ny mpianakavin’ny finoana.

Taorian’ny fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra dia nohiraina ny FFPM 465 : 3 « Ry Jeso o, ry Jeso »

VAVAKA FIFONANA
Mbola tia antsika Andriamanitra ka nampiseho antsika ny sitrapony. Noho ny tsy fandehanana araka ny Fanahy dia nangatahina ny famelan-keloka sy ny fanadiovana avy amin’Andriamanitra mba ho afa-keloka sy ho afa-pahotana.

Izany vavaka izany dia narahina hira tao amin’ny FFPM 408 : 1 « Jehovah, Ray mahari-po »

 

TENY FAMELAN-KELOKA 
Ny Ezekiela. 36 : 26  sy  Romana ; 8 : 26 no teny nanolorana ny famelan-keloka.

Taorian’izay dia nohiraina ny FFPM 538: 2 « Finaritra ny masoko »

Ho mariky ny fanambarana ny finoana dia niarahana nanonona ny Fanekem-pinoana kristiana Laharana 1.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny mpampianatra K4, Rabodovololona Lydie, no nanao ny fampianarana. Natomboka tamin’ny vavaka ny fotoana. Nisaorana ny Tompo noho ny fanomezany fotoana nahafahana mianatra ny Teniny.  Nangatahina Izy mba hanokatra ny fo amam-panahin’ny mpihaino.
« Fa ny marina ho velon’ny finoany » Habakoka 2: 4b no nakana ny fampianarana.
Tantara fohy : Sady mpinamana tsy nifankafoy i Solo sy Bary no mpiara-miasa. Nahazo iraka ho any amin’ny toerana iray izy roa lahy. Ala mikitroka sady maizina be ilay toerana ary dia very izy roa lahy. Rehefa nandeha dia an-tongotra maharitra izy ireo dia nahita tanàna iray mifefy tamboho avo be. Faly izy ireo fa nahita olona afaka ny hanampy azy. Niahotra anefa satria silamo no tompon’ilay tanàna. Hoy Bary : « Mba hahazoako famonjena amin’ity tompon-tanàna ity dia handainga aho ka ambarako aminy hoe silamo toa azy aho. » I Solo kosa nitsipaka izany hevitra izany fa hijoro amin’ny maha Kristiana azy na inona na inona hitranga. Rehefa nanatona ilay tompon-tanàna dia hoy i Bary : « Mba mangataka fanampiana avy aminao aho fa sady reraka no noana, sady isika rahateo samy silamo ka tokony hifanampy. » Hoy kosa i Solo : « Izaho indray dia Kristiana kanefa mba mila fanampiana aminao noho ny hanoanako sy ny havizanako. Nandeha kely ilay tompon-tanàna. Rehefa niverina izy dia notolorany sakafo i Solo izay nijoro ho Kristiana. Tsy afaka nanome hanina an’i Bary kosa izy satria vao nanomboka ny Ramadan izay fotoana fifadian-kanina ho an’ny mpino silamo. Aoka isika hijoro amin’ny maha Kristiana antsika amin’ny fotoana rehetra.
Taorian’ny hafatra fohy dia nohiraina ny FFPM 761:1 «  Ry Jeso Zoky be fitia. »

RAHARAHAN’NY FIANGONANA

Amparibe Famonjena: “Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo »

Ny Mpitantsoratry amin’ ny Biraom-Piangonana Rakotomanana Andrimbazotiana no namaky ny vaovao. Ny Jaona 4:24 no nentiny niarahaba ny mpianakavin’ny finoana. « Andriamanitra dia Fanahy ary izay mivavaka Aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana ».
Ireto manaraka ireto ny vaovao nisongadina:

Avy any ivelany
– 20 ka hatramin’ny 27 aprily teo : Fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe. Nisy ny tatitra sy hafatra noho izany nilazana fa :

          *Voatolotra ireo komity sy vaomiera.

          *Tontosa ny fifidianana sy fanendrena ireo Prezida Synodaly.

          *Mitohy isaka ny hariva amin’ny 8 ora ny fiombonam-bavaky ny FJKM. Azo tsidihina ao amin’ny Tranonkala FJKM sy pejy Facebook ny mombamomba izany.

          *Ny taom-panavaozana ny rafitra rehetra dia tontosaina ny taona 2024.

          *Ny Synoda lehibe kosa dia efaina ny 2025.

          *Manoloana ny fandrosoan’ny teknolojiam-pifandraisana dia entanina ny tsirairay tsy hanely ny raharahan’ny Fiangonana amin’ny alalan’ireny fitaovan-tserasera ireny.

          *Nentanina ny isam-pitandremana hanefa ny adidy amin’ny kitapom-bola iombonana ho an’ny sekoly FJKM.

         *Natao ny fampahatsiahivana fa ny alahady fahatelon’ny volana mey dia natokana ho alahady hahatsiarovana amim-bavaka ny Mpiasa matihanina eo anivon’ny Foibe FJKM.       

         *Nentanina ny fandraisan’ny mpino andraikitra manoloana ny ady amin’ny herisetra sy mba hampanjaka ny fandriampahalemana.


-7 mey : Hanatontosa vavaka ho an’ny firenena eny Antsonjombe ny Sampana Fifohazana.

– 8 mey : 3 ora hariva, antsan-kira hataon’ ny antoko Mpihira Feo Tantely Ambohitantely manao ezaka Sono. Manasa antsika izy hanatrika izany, ao Ambohitantely.

– 10 jona : Ho fanomanany ny Zaikabe any Antsiranana, ny Aumônerie Universitaire Vontovorona dia manao Déjeuner Concert.
-16-26 jolay : Tafika Masina iombonana tontosaina any Daraina.
– 14 mey : Feno 25 taona ny SEFALA. Tontosaina ao amin’ny Espace Riantsoa Andakana ny fankalazana.


Raharaha anatiny

– 14 mey : Ny SAMPATI dia manana fivoriana iarahana amin’ny Faritra atsinanana izay tontosaina ao amin’ny ENS Ampefiloha.
-Manomboka ny alatsinainy 2 mey ny herinandrom-bokatry ny SLK.
-Alatsinainy 2 mey : Fotoana hiarahana amin’ny AFF.
-Talata 3 mey : Fijoroana vavolombelona mahakasika ny niantsoan’ny Tompo ireo Mpiofana ho Mpitandrina
-Alarobia 4 mey : Famelabelaran-kevitra mahakasika ny Lehilahy kristiana arak’i Paoly
-Alakamisy 5 mey : Famelabelaran-kevitra mahakasika ny andraikitry ny Lehilahy kristiana manoloana ny fiarahamonina.
-Zoma 6 mey : Fanompoam-pivavahana hariva.
-15 mey : Fankalazana ny faha 60 taonan’ny SAMPATI , Fitandremana Amparibe Famonjena.
Nambara ny toetry ny vola
-Mampiantso fivoriana ny Komitin’ny fisotroandrononon’ny Mpitandrina taorian’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
-Hankalazaina ny 4 jona ny faha 20 taona niasan’Andriamatoa Ramahaleo Zo tao amin’ny Librairie Antso.
-Rakitra « anniversaire » volana aprily :
Nahatratra 68 ireo mpianakavin’ny finoana nanatontosa ny rakitra « anniversaire » androany.
Ny Salamo 45,7b no Teny nentina niarahabana sy nirariana soa ho azy ireo.
Nentina amim-bavaka ireo mpianakavin’ny finoana ireo  mba hahazo fitahiana sy hivoatra hihoatra ny lasa ary mba homban’Andriamanitra lalandava.


RAKITRA SY FANOMEZANA

Raki-pisaorana sy voady masina :
Nisy ireo nanao raki-pisaorana noho ny nahazoana tombon’andro, nahazoana fahasalamana, nahazoana asa ; tao ireo nahazo valim-bavaka sy fitahiana. Nisy ihany koa ireo nangataka vavaka fifonana, nangataka fahasalamana, fitahiana amin’ny asa sy fianarana ary fikarakarana antontan-taratasy handehanana any Ampitan-dranomasina.
Ireo hira nangatahan’ireo nanao voady sy raki-pisaorana : FFPM 482:2 « Jehovah o ! Ianao nandinika ahy » ; FF 18:1 « Afafazo izay voa mendrika » ; FF 32:1 « Aza avela hahalala » ; FFPM 460:3 « Mamy ny fitianao » ; FFPM 549:1 « Jesosy no asandratro » ;
FF 12:1 « Am-pelantananao ry Raiko » ; FFPM 171:3 « Jeso Mpanjaka malaza » ; 

 Ny hira FFPM 576: 2 « Ry Sakaizan’ny mpanota ! » no notanterahina ho fanolorana ny rakitra

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Natomboka tamin’ny fihirana ny FFPM 748 « Havaozy Tompo o ! » ny fankalazana ny Soratra Masina.
Narahina vavaka izany avy eo ho fisaorana Azy amin’ny Teny atolony mba ho vatsy sy fangatahana ny fiasan’ny Fanahy Masina hahafahan’ny fo sy saina mandray tsara ny hafatry ny Tompo.

Ny Diakona Ranivoson Toky no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny ary ny Diakona Rakotomalala Harizo no namaky ny Soratra Masina araka ny Perikopa voalahatra.

Ny Perikopa : Isaia 32: 9-20, Jaona 4: 19-24, Titosy 3: 3-7

Mialoha ny toriteny dia nohiraina ny FFPM 176: 1 – 3 « Avia, Fanahy Masina o ! »

TORITENY

(Fehiny)
Ny Epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Titosy 3 : 3-7 no nangalan’ny Mpitandrina ny hafatra.
Manambara ny foto-kevitry ny Batisa ity andalan-tSoratra Masina ity ary mampiseho ny vokatra azon’ny olona vita Batisa.
Anankiroa ny vokatra azon’ny olona vita Batisa, :

– ny « Fanasan’ny fiterahana indray »

– ny « Fanavaozana eo amin’ny fiainana ».

Anankiroa ihany koa ny asan’ny Fanahy Masina araka ny handraisana ny famelan-keloka arahin’ny fandraisana ny Fanahy Masina. Rehefa mahazo ny famelankeloka ny olona iray izay vao afaka misitraka ny Fanahy Masina hahafahany manana fiainam-pahamasinana. Ny olona itoeran’ny Fanahy Masina dia olom-baovao tsy mitovy amin’ny teo aloha intsony. Eto Paoly dia mampatsiahy fa efa olom-baovao ny olona vita Batisa, ka tokony hanana fiainana mendrika. Ny olom-baovao dia olona niova fo. Ny olom-baovao ao amin’i Kristy dia olona afaka amin’ny famatoran’ilay ratsy, izany hoe afaka amin’ny fanao ratsy rehetra. Ohatra amin’izany ireo Mpiomana ho Mpitandrina rehefa nanao fifanandrinana ara-panatanjahantena, dia sady tsy niteny ratsy izy ireo no tsy tezitra na dia resy sy voadona matetika aza. Efa olom-baovao izy ireo, ka tsy nahitana izany karazam-paharatsiana izany. Efa resin’i Jesoa ny fahafatesana ary natolony antsika mpanara-dia Azy izany fandresena izany. Izay natao Batisa ho an’i Kristy dia mitafy an’i Kristy, ka sady olom-baovao no tonga mpandresy ao amin’ny Tompo. Andriamanitra dia Fanahy, araka izany dia isika mivavaka amin’ny Fanahy ary Fahamarinana no tadiavin’Andriamanitra. Samy manana ny fomba iantohan’Andriamanitra azy ny olona tsirairay. Amin’ny alalan’ny mpanompony ihany no isehoan’ny antson’Andriamanitra, fa tsy hoe sanatria antso sy feo hafahafa miseho amin’ny endrika mahagaga.
Meteza havaozin’ny Fanahy Masina isan’andro ho mariky ny fandraisana ny Tompo.
Taorian’ny toriteny dia nanao ny anjara hirany ny Antokom-pihira Hasin’ny Famonjena.

VAVAKA FANGATAHANA
Manoloana ny toriteny dia nangatahina ny Tompo mba hahatonga ny tsirairay ho tonga olom-baovao.
Nentina amim-bavaka ireo tompon’andraikitra rehetra amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra eo amin’ny sahan’ny FJKM.
Nentina amim-bavaka ny Foibe FJKM, ny Synodamparitany, ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana. Nentina amim-bavaka ny mpianakavin’ny finoana eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena sy ny zanaka am-pielezana ary ny hetsika rehetra ho tontosaina mandritra ny volana mey. Nentina amim-bavaka ny tompon’andraikitry ny Librairie Antso sy ny ankohonany. Nentina amim-bavaka ny fiomanana amin’ny Vokadehibe Pentekosta. Nentina amim-bavaka ireo sahirana, ireo marary, ireo voafonja amin’ny tsy fidiny, ireo very asa, ny tratra ny kere sy mosary, ny mana-manjo. Nangatahina ny Tompo hanome vahaolana, fampaherezana sy fampiononana azy ireo, nentina amim-bavaka ireo manana hataka manokana sy ireo nanao raki-pisaorana sy voady masina.
Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo izany vavaka izany.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina ny FFPM 582 1 « Ry Jeso o ! Tahio izahay »

Niarahana nanonona ny Tondrozotra 2022

Natolotra ny Tsodrano
Teo am-pamaranana dia nohiraina ny FF 7:1 « Tsy hainay ny hangina »

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

Teo am-piomanana dia nohiraina ny FFPM 446:2 -3 « Atolotro Anao ny tenako, ry Raiko ! »
Novakina ny Soratra Masina, natao ny vavaka fanandratana ary nohiraina ny Antema 1 « Masina, Masina, Masina ».
Ireto manaraka ireto ny hira natao nandritra ny fotoana :
FFPM 244:1 « Ry Jeso ! Mba henoinao ! ; FFPM 261 « Ankehitrio no isehoanao » ;
FFPM 262 « Indreto izahay »

Taorian’ny fisotroana ny kapoaka dia nohiraina ny FFPM 469 « Mamy ry Jesoa ô »  Teo am-panatazana ny rakitra sy fanangonana ny kapoaka dia nohiraina ny FFPM 489 « Tena sambatra sy maha te ho tia »

 

Hafatra fohy« Koa mitafia famindram-po sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala ». Kolosiana 3 :12

TSODRANO
Teo am-pamaranana dia nohiraina ny FFPM 579: 1 « Aza mba mandalo ahy » ary natolotra ny Tsodrano.

Nofaranana tamin’ny vavaka mangina sy ny Trinite masina.

IREO TOMPON’ANJARA


Nitendry orga : Rajaofetra Philippe sy Rakotonarivo Hery ary Rajaofetra Antonio

Nikirakira fafana : Rabiazamaholy Mahery

Nikirakira fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto

Naka sary : Ramiadamanana Lovatiana

Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky