ALAHADY 24 APRILY 2022 “MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO” Alahady fahaefatra Alahady I manaraka ny Paska
Ivom-bokatra sady ivon’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 65 taonan’ny
Sampana Tanora Kristiana Zokiny (STK Zo)
« mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.« 2 Timoty 3:17
Alahady miavaka ity alahady ity satria ivom-bokatra ary koa fankalazan’ny Sampana Tanora Kristiana Zokiny an’Andriamanitra noho ny taon-jobily. Nahatratra 65 taona ny STK Zo. Ny Teny Faneva amin’izany dia noraisiny tao amin’ny 2 Timoty 3:17 « mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.«
Alahady volalohany manaraka ny Paska sady koa alahady farany amin’ny volana aprily, mamarana ny fibanjinana ny lohahevitra eto amin’ny sahan’ny FJKM, hoe : “Mandresy ny fahafatesana ny Tompo.”, ary alahady nitondrana amim-bavaka ny Asa TOPAZA.
Razafindramboa Vololoniaina, Filohan’ny Sampana Tanora Kristiana Zokiny, no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina misotro ronono, Rabehatonona James, Filoha maharitra tao amin’ny Fifohazana Foibe, no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny litorjia fahatelo no narahina.
Nisy ny fivoriana ankatoky ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo taorian’ ny fanompoam-pivavahana. Azonao henoina ato ny hafatra.



FISAORANA SY FIDERANA
Feon-javamaneno teo am-pidirana, ary rehefa vita ny Fiarahabana Apostolika dia novakian’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny Salamo 96 :7-13, ho fiderana an’Andriamanitra.
Rehefa izany dia nasandratra ho fiderana ny hira FFPM 171 : 1 – 3 “Jeso Mpanjaka malaza”.
VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA
Dera no natolotra an’Andriamanitra, fisaorana noho ny fahatanterahan’ny herinandrom-bokatra sy ny faha 65 taonan’ny Sampana Tanora Kristiana Zokiny. Nangataka ny Fanahy Masina, ny hahazo hery sy hitombo finoana.
Natao ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra izao fotoana izao.



FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Razafindratsima Lalaina, mpampianatra ao amin’ny K1 no nitondra ny fotoana.
Ny Teny araka ny Ohabolana 1:10: » Anaka, raha taomin’ny mpanota ianao, aza manaiky” no noraisiny nitondrany ny fampianarana.
Nivavaka izy teo am-piandohana, nametraka ny fotoana eo am-pelantanan’i Jesoa.
Tantaran’i Lita sy Soa, zaza niaraka notinaiza izy mianadahy, samy mpianatra Sekoly Alahady, mpinamana tsy mifankafoy, saingy samy hafa ny toetra. I Soa tia mianatra Sekoly Alahady sy milamina. I Lita kosa be setrasetra, tia adiady, tsy mifantoka amin’ny fianarana Sekoly Alahady. Nandeha ary niaraka nividy zavatra izy mianadahy. Diso famerim-bola ilay mpivarotra dia faly Lita, ka nandeha nitsoaka haingana niaraka tamin’ny vola. Naka vola tsy an’ny tena ka aiza haveriko, hoy Soa, fa tsy sitrapon’Andriamanitra ny maka vola tsy an’ny tena. Izany no fampianarana azon-dry zareo.
Ny hafatra : Ny zanak’Andriamanitra dia manao ny sitrapon’Andriamanitra mba tsy ho voatarika amin’ny ratsy. Mila mifantoka amin’ny fampianarana. Mila mandray an’i Jesoa marina.
Nasaina nitsangana ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady ary ny rehetra namerina ny Teny: “Anaka, raha taomin’ny mpanota ianao, aza manaiky”.
Taorian’izany dia natao ny hira FFPM 452:1 “Tompo ô, ovay ny foko”, nofaranan’ny mpitarika tamin’ny vavaka.



FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Mialoha ny famakiana ny Soratra Masina dia niarahan’ny mpianakavin’ny finoana nohiraina ny FFPM 226 “Tompo ô, mba te hihaona”.
Ireo mpikambana ao amin’ny STK Zo no tompon’anjara nivavaka sy namaky ny Soratra Masina. Razafindramamba Andry no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny ary Andriambeloson Tifanny sy Rabarijaona Diamondra no namaky ny Teny voalahatra.
Ny Perikopa : Ohabolana 10:1-12 ; Jaona 20:26- 31 ; 2 Timoty 1: 6-12.
Teo am-pitsanganana no niarahan’ny Fiangonana ny FFPM 205:1-2 “Ny Teninao rehetra” mialoha ny toriteny.



TORITENY
Niarahaba ny Fiangonana, niarahaba ny Sampana Tanora Kristiana Zokiny ny Mpitandrina Rabehatonona James. Nanao Fijoroana vavolombelona mialoha ny nitondrany ny hafatra. Misy fahagagana betsaka, hoy izy, eto amintsika FJKM nefa tsy tabatabaina. Misy ny fitsanganana amin’ny maty.
Izaho, hoy izy, tsy mba nahalala aretina izany, fa betsaka ny “accidents” efa nahazo ahy. In-dimy. Lazainy ho fanomezam-pahasoavana. Mpanoratra boky izy. 91 no isan’ny boky efa navoakany. Amin’ny alina izy no tena manoratra ka fotoana fohy dia fohy no hatoriany. Ny antoandro no matory anaty fiara, avion, sambo…
Ny loza nahazo azy farany dia nandeha nampanao “recyclage” tany Antsohihy. Tena voa mafy, tsy nantenaina ho velona intsony. Nandritra ny 8 volana tsy afaka niteny, tsy nitsangana, tsy afa-nipetraka … nefa tsy masaka ny lamosina. Nandritra izany dia nieritreritra lalina sy nanoratra : inona no mahatonga ny aretina ? no mahatonga ho tsy afaka aretina ? Nanoratra boky tantara 5 mn ho an’ny Sekoly Alahady… Nahazo valim-bavaka izy, avy tamin’ny Fiangonana, Fifohazana… Raha nivoaka ny hopitaly dia, hoy ny mpitsabo, hoe mandeha “chaise roulante” mandrakizay, nefa herinandro fotsiny taty aoriana dia afaka nandeha sy niteny. Aza mijery fahagagana atsy sy ary, hoy izy, fa ato amin’ny FJKM dia misy fahagagana.
Rehefa izay, dia noraisiny ny Teny Fanevan’ ny Tanora Zokiny, nitondrany ny hafatra.
II Tim. 3 :17: « mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.«
Raha mba hatao toy ny hiakan’ny SAMPATI moa ?
Rehefa miantso hoe “Tanora Zokiny !” dia ny valiny telo : “Tanora Zokiny !” Vonona ! ; “Tanora Zokiny !” Tanteraka ! ; “Tanora Zokiny !” Miasa tsara !
Ny olon’Andriamanitra dia tanteraka, vonona sy miasa tsara.
Fiainantsika amin’ny fotoana rehetra izany Teny izany, amin’ny Asa fanompoana tanterahintsika.



- Tanteraka tsara
Tanteraka : io no antsoin’ny teolojianina hoe “radicalité de l’Evangile”. Tsy maintsy tanteraka ianao. Izany no antom-pahavelomantsika: ny hanao ny olona ho tanteraka.
- “Mission” ny Fiangonana.
Rehefa te ho tanteraka ianao na hahatonga olona ho tanteraka dia ataovy izay hampihaonana azy amin’i Kristy. Izany no manamboatra ny fiainantsika iray manontolo. Izay hahatonga ny olona ho amin’ny fibebahana.
Ny fibebahana dia hoe :
-Miova Andriamanitra no dikany. Manaiky ilay Andriamanitra velona;
-Manitsy ny filàna eo amin’ny fiainana satria nomen’Andriamanitra Fanahy mahery ianao hanitsy ilay filàna ao aminao;
-Manao an’i Jesoa Kristy ho ambony indrindra (priorité) eo amin’ny fiainana;
-Manongotra ny tsy izy ary mamboly ny vaovao (ny asan’ny Fanahy, ny sitrapon’Andriamanitra, soatoavina tovozina amin’ny Tenin’i Jesoa Kristy).
- Vonona tsara (prévoyant)
Vonona na inona na inona trangan-javatra dia zakanao, tantinao.
Ahoana no hahatonga ny olona ho vonona tsara, manana antoka (assurance), manana fahatoniana (paix) ?
Ambolena ny fahavononana hiatrika ny zavatra rehetra. Izay fahavononana izay no takian’Andriamanitra. Ety an-tany no hahitanareo fahoriana, hoy Jesoa. Ary mbola misy zavatra tsy ampoizina eto, fa avelao hitranga izay hitranga, avelao ho avy izay ho avy. Ny fanananao fiombonam-piainana amin’i Jesoa no hananao fahavononana ary io no hanananao fahatoniana sy filaminana.



- Miasa tsara
Fotokevitry ny protestanta “réformé” dia hoe : Miasa tsara, miasa mafy. Mikendry ny voninahitr’Andriamanitra, miasa ho an’Andriamanitra.
Ny Teny ao amin’ny Apokalypsy izay fampiasa indrindra rehefa misy manjo dia hoe “Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy ; fa ny asany manaraka azy.” Misy vokany andrasan’Andriamanitra aminao.
Ny finoana tsy misy tantarany, fa ny asa misy.
Ry Tanora Zokiny ! Misaotra an’Andriamanitra noho ny asan’ny Fanahy. Nanomezanareo ny Fiangonana ho fijoroana vavolombelona ity Teny Faneva ity.
Ry Tanora Zokiny ! Tanteraka tsara, vonona tsara, miasa tsara
Isika rehetra, satria olon’Andriamanitra isika, ny asantsika dia ny hitaona ny olona ho amin’ny fahatanterahana, hitaona ny olona ho amin’ny fahavononana, hitaona ny olona handray andraikitra hiasa tsara. Amin’izany rehetra izany ho faly aminao ny Tompo ary hiteny aminao izy hoe: “ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be ; midìra amin’ny fifalian’ny tomponao.”
Ho an’Andriamanitra ny voninahitra. Amen.



VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Feon-javamaneno fohy taorian’ny toriteny ary nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika. Nifona satria tsy nanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Menatra satria ny fahendren’ny maha olona no nentina nanaovana ny Asa. Misaotra anefa fa mamela hibebaka ny Tompo. Ny ran’i Jesoa no hanadio ary hanome ny fanahin’ny fahendrena. Mangataka mba ho olona vonona hanao ny Asa tsara rehetra.
Taorian’ny vavaka dia natao ny hira FFPM 445 : 3 : “Jesoa mora fo indrindra” ary rehefa izany dia natolotra ny Teny famelankeloka.
TENY FAMELANKELOKA
Izao no Teny famelankeloka avy amin’ny Tompo, noraisin’ny Fiangonana:
Jeremia 31 :3: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.
Zakaria 3 :4: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.
II Korintiana 5:21: Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy kosa isika.
Natao ny hira FFPM 547:1 “Ry Jesoa Masoandronay.”
Nanambara ny finoany tamin’ny fanononana ny Fanekempinoana faha 4 ny Fiangonana.
Nipetraka nanao vavaka mangina tao anaty feo-javamaneno.
TATITR’ASA
Rahajanirina Michelle, Mpitantsoratry ny STKZo, no nanatanteraka izany.
Nisaotra ny Tompo izy noho ny faha 65 taonan’ny STK Zo sy ny herinandrom-bokatra.
Nanao tsiahy fohy mahakasika ny 65 taona.
Ny Teny Fanevan’ny Sampana hatramin’izay ka hatramin’izao dia ny Romana 12:11 “Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo”.
Nanao ny tatitry ny Asa aprily 2021 hatramin’ny aprily 2022.
Nanentana ny hidiran’ny mpikambana vaovao.
Rehefa vita ny tatitra dia nitsangana nanao ny hira «Andriamanitra ! He mahagaga»
ny mpikambana rehetra.



Any ivelany
– 01 mey : Rindin-kira ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana, manomboka amin’ny 2ora 30, ho famaranana ny faha 45 taona naha mpamorokira an’Atoa RAKOTONIRINA Jean de Dieu. Ny RINDRAMPEO ( Hosana Ambohijatovo , Kerobima Ankatso , KT Ambatovinaky, Ny Koraita Manarintsoa ary ny Ampifitia Isotry Fitiavana ) no hanatanteraka izany.
– 07 mey : vavaka ho an’ny firenena noho ny faha 40 taona ny SAFIF Foibe. Tontolo andro ao Antsonjobe .
– TPM Ambatonankanga : Mangataka tolotanana ireo mpiomana ho mpitandrina taona faha V andiany SAHY ho fanampiana azy ireo amin’ny famoahana ho mpitandrina amin’ny volana Jolay . Misy ny valopy fandraisana anjara amin’izany azo raisina ao amin’ny biraon’ny Fiangonana
Eto an-toerana
– Toa ny mahazatra ny fotoanan’ny Sampana mandritry ny herinandro
– Nivahiny teto amintsika ny FJKM Iombivato ary nivarotra mangahazo au caramel anaty “barquette” ho fanampiana azy ireo amin’ny ezaka adidy
– 30 aprily : hetsika “tontolo andro kolontsaina sy fialamboly” eny amin’ny Kolejy Pault Minault Androhibe, karakarain’ny Komity faha 20 taona naha talen’ny trano famoaham-boky ANTSO an’Atoa Ramahaleo Zo.
Hafatry ny Mpitandrina
Nisaotra an’Andriamanitra noho ity fotoana ity.
Nisaotra ny Birao sy ny komity 65 taona ary nitsodrano azy ireo.
Nisaotra ny Mpitandrina misotro ronono, Rabehatonona James, izay Filoha maharitra tao amin’ny Fifohazana Foibe.
RAKITRA SY FANOMEZANA
Ny Biraom-piangonana Razafindrabe John Bam no namaky ireo voady sy raki-pisaorana.
Ny hiran’ny RFF “ Ianao no heriko” ; HAFA “ Entre tes mains” ; ny hira FF39:2 ; FF 3:1 sy ny Antema 16 no nangatahin’ireo nanao voady sy raki-pisaorana.
Ny hira FFPM 275:1 “ Raisonao, ry Tompo soa” no notanterahina ho fanolorana ny rakitra.



ASA VAVOLOMBELONA
Natao ny hira FF 39:2 “Faniriako”.
Ny Asa Vavolombelona notanterahin’ny Fiangonana dia ny sakramentan’ny Batisa ho an’ny zaza Ratiarison Isaia Joris Edgar.
Nanatanteraka ny anjara ny Rindra Fanatanjahantena sy Fialamboly (RFF), tamin’ny alalan’ny hira: “Holy, Holy, Holy”.
VAVAKA FANGATAHANA
Nisaotra an’Andriamanitra nanome ny finoana fa mandresy ny fahafatesana.
Nisaotra noho ny ivom-bokatry ny STK Zo sy ny fankalazana an’ Andriamanitra noho ny faha 65 taonan’ny Sampana.
Nisaotra satria nahazo hafatra lehibe sy iraka ho tanteraka sy vonona ka hiasa tsara. Nivavaka ho an’ny Fiangonana, Mpitondra Fiangonana, mpitory Filazantsara, toby masina, akany fitaizana. Nahatsiaro koa ny foibe FJKM, nitondra tamim-bavaka ny Synodamparitany rehetra. Nametraka eo am-pelantanan’ny Tompo ny zanaka am-pielezana eto an-toerana sy any ivelany. Nivavaka ho an’ny akany Topaza sy Tangaina. Nivavaka koa ho an’ny mpanompon’Andriamanitra nitondra ny hafatra sy ny ankohonany, nametraka azy eo am-pelantanan’ny Ray, mbola hahasoratra boky. Andriamanitra hitahy ny Birao sy komity ary ny mpanohana ny STKZo, hitari-dalana Izy Tompo mba ho Sampana mijoro. Mivavaka ho an’ireo SSAA ao anaty fankalazana sy ny fisotroandrononon’ny Mpitandrina. Mivavaka koa ho an’ny fiombonan’ny kristiana eto, miomana ho an’ny vokadehibe. Nahatsiaro ireo sahirana, ny tsy salama, ny mana-manjo, ny tratran’ny tsy fidiny ka voafonja, ny traboina tsy manan-kialofana, ny tratran’ny kere; izay tsy takatry ny vavaka hotsinjovina ary koa ireo manana hataka manokana. Nitondra tamim-bavaka manokana ireo nanao voady sy raki-pisaorana. Nofaranan’ny Mpitandrina tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo izany.
FAMARANANA NY FOTOANA
Natao ny hira FFPM 146:1 “Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray”,
Notononina ny Tondrozotra 2022 .
Natolotra ny tsodrano
ary ny Antema 16 no hira farany ary nipetraka ny Fiangonana nanao vavaka mangina ao am-po.
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
“Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.”
Amen.



IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Irimanana Eninkaja, Rabiazamaholy Mahery
Nikirakira fafana : Rakotonarivo Vatsy
Nikirakira fanamafisam-peo : Ramahery Yves
Naka sary : Ramahery Hasina
Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy