Alahady 27 Martsa 2022

ALAHADY 27 MARTSA 2022
“ MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO ”

Alahady fahaefatra amin’ny karemy – Alahadin’ny Asa Fifandraisana FJKM – Alahadin’ny Aumônerie

 « Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon’Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo..., mba hankalazaina ao aminareo ny anaran’i Jesosy Tompontsika… » 2 Tesaloniana 1 : 11a, 12a

Alahady notarihin’ny Vaomieran’ny Aim-Panahy ity alahady ity ary koa  alahadin’ny Asa Fifandraisana eo amin’ny sahan’ny FJKM.

Ity no alahady farany amin’ny volana martsa hibanjinan’ny FJKM  ny lohahevitra hoe « Mamaly ny faharatsiana ny Tompo ».

Ny Diakona sady Biraom-Piangonana Razafindrabe John Bam no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina miza-draharaha Andrianaivomanana Willy Johnson no nitondra ny Tenin’Andriamanitra.

Ny litorjia endriny faharoa no narahina. Azonao henoina ato ny hafatra.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Feon-javamaneno teo am-pidirana, ary rehefa vita ny Fiarahabana Apostolika dia novakian’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny Salamo 122 :1-4, ho fiderana an’Andriamanitra.

Nohiraina ny FFPM 20:1, 2, 3 « Tsaroanay tokoa izao » taorian’izany ary nanao ny vavaka ny mpitarika, nidera ny anaran’Andriamanitra, nifona ny amin’izay vita tsy araka ny sitrapony. Nangataka ny fitarihana hibebaka, ka ny Fanahy Masina anie hitarika amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

Feon-javamaneno fohy no nanohizana ny vavaka.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Andriamahery Hanitra, mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny K9, no tompon’anjara tamin’ izany. Nivavaka, nangataka ny Fanahy Masina izy teo am-piandohana.

Ny fanontaniana nasainy novaliana : Inona moa ny lohahevitra androany ? Tranon’Iza moa ato ? Iza no ivavahantsika ? eto Izy sa tsy eto ? Azonao antoka ve fa ato  ny Tompo ?

Avy eo dia niaraha-novakiana ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Isaia 1:13b « Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana ». Nazavaina fa ny fivoriana masina dia isika rehetra ato am-piangonana. Tandremo fa tsy zakan’Andriamanitra izay tsy manaraka ny sitrapony. Aza mitabataba, aza mivezivezy fa mila mifantoka, aza manaparitaka fonona vatomamy sy biskitra fa faharatsiana daholo izany.

Tantara :

Nisy Fiangonana natokana ho an’ny Fotsy, ary nisy ankizy lahy kely mainty hoditra tsy nahazo niditra tao, ka nitomany. Reraky ny fitomaniana izy dia resin-tory ary nanonofy. Niteny taminy Jesoa, nanontany azy ny antony nampitomany azy. Namaly izy fa te hivavaka nefa tsy navela hiditra tao am-piangonana. Dia hoy Jesoa hoe :  « Aza malahelo fa Izaho koa ange tsy tafiditra ao e ! ». Fiangonana io saingy misy faharatsiana tsy tiany ao. Tsy tian’Andriamanitra ny tsy mampiditra olona ao am-piangonana, ny tsy manaraka ny sitrapony.

Ny lesona nosintomina : Tsy tian’i Jesoa ny faharatsiana.

Teo am-pamaranana dia nasaina nitsangana ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady ary nanao ny hira FFPM 761:3 « Ry Jeso, Zoky be fitia ! »

Namarana tamin’ny vavaka ny tompon’anjara.

Andriamahery Hanitra, mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny K9, no tompon’anjara tamin’ izany. Nivavaka, nangataka ny Fanahy Masina izy teo am-piandohana.

Ny fanontaniana nasainy novaliana : Inona moa ny lohahevitra androany ? Tranon’Iza moa ato ? Iza no ivavahantsika ? eto Izy sa tsy eto ? Azonao antoka ve fa ato  ny Tompo ?

Avy eo dia niaraha-novakiana ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Isaia 1:13b « Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana ». Nazavaina fa ny fivoriana masina dia isika rehetra ato am-piangonana. Tandremo fa tsy zakan’Andriamanitra izay tsy manaraka ny sitrapony. Aza mitabataba, aza mivezivezy fa mila mifantoka, aza manaparitaka fonona vatomamy sy biskitra fa faharatsiana daholo izany.

Tantara :

Nisy Fiangonana natokana ho an’ny Fotsy, ary nisy ankizy lahy kely mainty hoditra tsy nahazo niditra tao, ka nitomany. Reraky ny fitomaniana izy dia resin-tory ary nanonofy. Niteny taminy Jesoa, nanontany azy ny antony nampitomany azy. Namaly izy fa te hivavaka nefa tsy navela hiditra tao am-piangonana. Dia hoy Jesoa hoe :  « Aza malahelo fa Izaho koa ange tsy tafiditra ao e ! ». Fiangonana io saingy misy faharatsiana tsy tiany ao. Tsy tian’Andriamanitra ny tsy mampiditra olona ao am-piangonana, ny tsy manaraka ny sitrapony.

Ny lesona nosintomina : Tsy tian’i Jesoa ny faharatsiana.

Teo am-pamaranana dia nasaina nitsangana ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady ary nanao ny hira FFPM 761:3 « Ry Jeso, Zoky be fitia ! »

Namarana tamin’ny vavaka ny tompon’anjara.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Diakona Andrianasy Fanja no nanome ny Perikopa hovakiana, mialoha ny nivavaka izay nangatahiny ny Fanahy Masina. Rehefa izany, dia novakian’ny Diakona Rajaonah Mamy nisesy ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao.

Ny Perikopa : Jeremia 21:1-10 ; Lioka 21:20-24 ; 2 Tesaloniana 1:3-12.

Nataon’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira FF 10:2 « Mivavaka aho satria » mialoha ny Toriteny.

TORITENY

Ny 2 Tesaloniana 1:3-12 no nandraisana ny hafatra.

Nanaiky, ho valimbavaka ho an’i Paoly, ireto kristiana tao Tesalonia.

Ny hafatra :

 

1-Ny kristiana manaiky ho valimbavaka dia mandeha, miendrika ny fiantsoan’Andriamanitra.

Ny and.11 dia vavaka nataon’i Paoly. Antso ho amin’ny famonjena ny eto, amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, ary  antso ho an’ny rehetra fa tsy ho an’ny Ministera. Ny rehetra mihitsy no antsoina.

Refeha mino dia tokony ho miendrika izany fiantsona izany. Rehefa tena ekena Jesoa dia mamaritra ny ataontsika ny fandraisana Azy. Ny « position » (toerana) no mamaritra ny « acte » (asa). Izay no ambaran’ny Soratra Masina iray manontolo : Ny voa no hahafantarana ny hazo.

Olan’ny Fiangonan-dehibe ny mahita kristiana tsy dia mendrika loatra, rehefa mandeha  miangona.satria ny zavatra ivelany no mahamaika fa tsy ny hanova fiainana.

Ny fahamarinan’ny Filazantsara dia tsy ny hanova ny ivelany fa ny hanova ny fo.

Ny fahazakana ny fahalemen’ny hafa no maha kristiana. Mahafinaritra ny mahita ireo satria tsy hiantso ny marina Jesoa, fa tonga hamonjy ny very.

Noho izany : Taomy ho aty am-piangonana ny rehetra, indrindra fa ireo manahirana, heverina ho hafahafa. I Paoly dia nivavaka ho an’ny Tesalonianina, mba handehanany mendrika ny Filazantsara.

Raha tena Kristy ny ao anatinao dia ho halanao ny faharatsiana rehetra. Ndeha tena hanaiky marina an’i Kristy hahitana ny fahatsarana rehetra, hanamboarana ny fo.

2- Ny kristiana manaiky ho valimbavaka dia andrim-pankalazana an’Andriamanitra (and. 12)

Mba hankalazaina ao aminareo Andriamanitra.

Manomboka eo  amin’ny and. 3 dia feno ny fahatsaran’Andriamanitra ireo Tesalonianina ary mbola hetahetan’i Paoly ny mbola ho tsara kokoa izy ireo, mbola hitomboan’ny finoana, hifankatia, hanana faharetana noho ny fanenjehana, mba ho mendrika ny Fanjakan’Andriamanitra.

Rehefa mitory ianao, dia misy manenjika. Izany no ahafantarana ny fahamarinana. « Eny, izay rehetra te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina. »

(II Timoty 3 : 12). Raha tena marina ny fanoloranao tena dia tsy maintsy misy manenjika ianao. Ho halan’ny olona rehetra ianao, noho ny anaran’i Jesoa Kristy.                                                                                                 

Fanontaniana : marina amin’ny fanoloran-tenanao ve ianao ?

Na eo aza ny manenjika, Andriamanitra tsy mamela anao ho irery, mandray an-tànana ny mombanao Izy. Mamaly fahoriana izay mampahory Andriamanitra, raha tena manana fanolorantena ho an’i Kristy ianao.

Ny hafatra : torio ny Filazantsara marina. Isika no fitaovana fitoriana ny Filazantsara entina hankalazana an’Andriamanitra.

Ka mba manao ahoana isika ? Manaiky ho valimbavaka ve isika ?

Fitaovana hankalazana sy toerana hankalazana isika, ka miala ho azy ny fatotra mahazo anao, satria ianao no Tempolin’Andriamanitra, Jesoa manala amin’ny maizina satria fahazavana Izy.

Ny tena Filazantsara dia Jesoa.

Ho famaranana dia misy tantara kely :

Nanontany ilay mpampiantra Sekoly Alahady :  Aiza Jesoa no mitoetra ?

Namaly ilay ankizy iray : Ao amin’ny « douche ».

Mpampianatra : Fa ahoana ?

Ankizy : Rehefa miomana handeha i Dada sy Mama, dia i Mama no miditra voalohany ary ela be izy ao. Dia hoy i Dada hoe : Jesosy ô ! mbola ao foana ve ?

Ry kristiana ! Ao anatinao Jesoa (position), ary raha tena zanak’Andriamanitra ianao, dia miseho amin’ny ataonao izany (acte).

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ! Amen.

Feon-javamaneno fohy taorian’ny Toriteny ary nanao ny anjara hirany ny Sampana RFF : « Lalam-pamonjena ».

VAVAKA NOHO NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nisaotra an’Andriamanitra noho ny fandaharany satria nanambara Izy fa handeha hamaly ny antsony isika, mba hafahantsika manaiky ho valimbavaka ary nangataka ny fitantanan’ny Tompo.

 FANEKEM-PINOANA

Rehefa izany, dia niarahan’ny Fiangonana nanonona, teo am-pitsanganana, ny Fanekem-pinoana  laharana faha 4.

Vita izany dia nipetraka, nivavaka mangina tao anatin’ny feon-javamaneno.

VAOVAOM-PIANGONANA

« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo ».

Razafimaharo Mamy, Biraom-piangonana Mpitantsoratra, no nilaza ny raharaham-piangonana.

Ireto manaraka ireto ny vaovao nisongadina:

Avy any ivelany

-28-31 martsa : andron’ny sekoly FJKM  any Antsirabe. Mandray ireo fanomezana ho fanohanana izany hetsika izany.

-Faha 185 taona namonoana ny Maritiora : handrafitra ny tantara ny fianakavian’ireo Maritiora.

27 martsa ao amin’ny FJKM Amboninampamarinana.

-Alahadin’ny Aumônerie : ho fanohanana ny Asa dia manana anjara valopy 50 ny FJKM Amparibe Famonjena.

-27 martsa-1 aprily : Mpiara-mamaky ny Baiboly (Fiofanana).

Anatiny

Ny androany :

-Batisa

-Ankatoky ny Fandraisana

-Sekoly Alahady: sehatra ho an’ny ankizy sy tanora mandritra ny Ankatoka.

-603 no isan’ny mpivavaka tonga.

Ny Mpitandrina nanao antso ho an’ny Mpandray te hiditra SETELA, FITELA sy mpiomana ho Mpitandrina.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Andriamasinoro Tantely, Biraom-piangonana Mpitantsoratry ny vola, no namaky ireo voady sy raki-pisaorana.

Ireo voady sy raki-pisaorana : noho ny tsingerinandro nahaterahana, fandraisana ny Sakramentan’ny Batisa.

Ireo hira nangatahina: RFF “Izaho no fananganana”-“Feno toky ny fanahy”.

Ny hira 441:3 « Raiso aho, Tompo ô » no notanterahina teo am-pitsanganana ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana ny fanolorantena.

Nitohy ny feon-javamaneno teo am-panangonana ireo kitapon-drakitra.

 

ASA VAVOLOMBELONA

Ny Asa Vavolombelona notanterahin’ny Fiangonana dia ny Sakramentan’ny Batisa ho an’ny zaza Ramananarivo Valy Soa ary ny zaza Andrianjafy Amine Maria Andréa.

Natao ny hira FFPM 813:1, 2 « Tia zaza. » nandritra ny fiakarana teny amin’ny alitara.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nitsangana ny Fiangonana ary noventesina avy hatrany ny hira FF 26:1 « Jesosy reharehako » mialoha ny nanaovan’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina ny vavaka fangataham-pitahiana.

Vavaka fangatahana

Mila kristiana  valimbavaka ny Tompo, manaiky ny ho fankalazana an’Andriamanitra eo anatrehan’ny mifanerasera rehetra.

Mivavaka ho an’ny Fiangonana FJKM, ny Asan’ ny Fiangonana voafaritra ao amin’ny tondrozotra, ho an’ny komity ao anatin’ny fankalazana, ny AFIFAB sy ny adidy ary ny andraikitry ny Aumônerie. Mitondra amim-bavaka ireo mianatra SETELA sy FITELA, ireo  miatrika fifaninanana hiditra ho mpiomana ho Mpitandrina. Mahatsiaro amim-bavaka ireo azon’ny tsindry hazo lena, ny voafonja, ny ao anatin’ny fahoriana, ny kere. Mivavaka ho an’ireo mpanompo nanao raki-pisaorana sy voady masina

Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo, izay niarahan’ny mpianakavin’ny finoana nanonona ary notohizana tamin’ny tondrozotra 2022.

Natolotra ny Tsodrano.

Ny FF 26 ihany, andininy faha-3, nofaranana tamin’ny Amen no nanohizana ny fotoana. Nipetraka ny Fiangonana avy eo, nanao vavaka mangina tao am-po.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

“Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.”

Amen.

IREO TOMPON’ANJARA

  • Nitendry orga : Rajaofetra Philippe sy Rajaofetra John ary Rajaofetra Antonio (Mpiofana ho mpitendry orga)
  • Nikirakira ny fafana :  Randriamasimanana Andrinavalona
  • Nikirakira ny fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto
  • Naka sary :  Ramiadamanana Lovatiana Josian
  • Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy

Alahady 20 Martsa 2022

ALAHADY 20 MARTSA 2022
“MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO”

Alahady ivom-bokatry ny Sampana Taninketsa (STAF)

Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra…”  Joda 5- 13

Isaorantsika mandrakariva ny Tompo Andriamanitsika fa manankarem-pahasoavana tokoa Izy. Nomeny antsika ity fotoana ity ho fiaraha-miombom-bavaka amin’ny Sampana Taninketsa. Mbola hibanjinantsika ihany koa ny lohahevitra hoe : “MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO”.

Araka izay voalaza tery ambony, ny fotoana androany dia nosahanin’ny Sampana Taninketsa. Anio rahateo no ivon’ny fanateram-bokatra ho an’izany sampana izany.

Nanasa ny Mpitandrina Randrianantoanina Anjara  ny STAF ny sampana, hitory sy hitondra ny hafatry ny Tenin’Andriamanitra. Ny litorjia fahatelo fampiasa eto anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, no nanatanterahina izao fanompoana masina izao.  Azonao henoina ato ny hafatra.

FANOMBOHAN’NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Notanterahin’ny sampana avy hatrany ny hira fiderana: “Feno fifaliana”.

Taorian’ny fiarahabana apostolika nataon’ny Mpitarika dia niarahan’ny mpianakavin’ny finoana namaky ny Salamo 67 : 3-7 ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra. : “ Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

 Hifaly sy hihoby ny firenen-tsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin’ny tany dia entinao; Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra. Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika. Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.  Amen !”

Notohizana tamin’ny hira FF 7 : 1- 2  “Tsy hainay ny  hangina” izany, nankalazana  an’ Andriamanitsika.

 

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Nasandratry ny Fiangonana teo anatrehan’Andriamanitra ny vavaka fisaorana sy fiderana nanao hoe:“Ry Andriamanitra Rainay izay any an-danitra, tsy mitsahatra misaotra sy mankalaza Anao izahay ary feno ny fiderana Anao mandrakariva ny molotray. Andriamanitra mahagaga Ianao  ary tsapanay hatrany ny fitahianao ny Fiangonana, ny fitahianao ny Sampana Taninketsa. Na dia mpanota tsy mendrika aza izahay dia tsy mahafoy anay Ianao, ka mbola nahatratra izao fotoana natokan’ny Fiangonana hitondrana amim-bavaka ny sampana Taninketsa izao. Misaotra Ray noho ny afahanay nanatanteraka izany ary koa noho ny  asam-panompoana atolotrao hotanterahinay.

Fifaliana ho anay ny midera sy mitory Anao. Mangataka izahay ny hanatrehanao izao fotoana izao, mba hotanteraka ny Teninao ny amin’ny fivoriana masina izay ataon’ny mpanomponao. Izay rehetra hotanterahina  eto anie dia ho hanitra ankasitrahinao  sy ho fanehoana ny voninahitrao  irery ihany. Ho Anao irery ny haja sy ny voninahitra mandrakizay. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy . Amen!”

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY  TANORA

Andriamasinoro Erika, mpampianatra ao amin’ny Kilasy fahafolo, no nanatanteraka izany.

Rehefa avy niarahaba ny Fiangonana sy ny ankizy ary ny tanora izy, dia novakiana ny Teny araka ny  Ohabolana 10: 19  :  Ny teny maro tsy ilaozan’ota; fa izay mahatana ny molony no hendry.

Notohizany tamin’ny vavaka fangatahana tamin’ny Tompo mba hahatonga ny Fiangonana hahay mihaino ny Teniny ary hanana fo mahay mitazona sy mitahiry ny fampianarana.

Nisy ny tantara kely nentina nanazavana ny hafatra araka io Ohabolana 10:19 io, dia ny tantaran’ilay tovolahy atao hoe Théo, izay tia miteniteny foana sy tia mivazivazy. Araka izany, sahiny ny namazivazy hatramin’ny zava-masina  eo anivon’ny Fiangonana, toy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Rehefa nandray ny mofo sy ny kapoaka mantsy ny Mpandray dia mba noraisiny koa ny mofomamy teny an-tanany hamazivaziany ny olona teo akaikiny. Izy dia mbola tsy Mpandray. Andro vitsy taorian’izay dia nofaizin’Andriamanitra i Théo ka narary tao amin’ny aty vavany sy ny tendany no sady nanavy be izy .

Ny hafatra dia tsy mahasoa antsika sady miteraka loza  ny miteniteny foana sy ny milamila dera amin’ny alalan’ny teny maro , indrindra  fa ny tsy fanajana ny zavatra masina.

Notohizana tamin’ny vavaka ny hafatra, ho fangatahana famelan-keloka sy fifonana ho an’ny ankizy tia miteniteny foana ary ny mba hialana kosa  amin’izany.

 

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mialoha ny famakiana ny Soratra Masina dia nohiraina ny FFPM 183: 1,2: “Midina ry Fanahy o!”

Nisy ny vavaka ho an’ny Tenin’Andriamanitra izay notanterahin-dRanaivo Ambinintsoa Nathanael, tanora mpikambana ao amin’ny STAF. Novakiana misesy avy eo ny perikopa izay voalahatra hovakiana androany.

 

Ny Testamenta taloha dia araka izay hita ao amin’ny  1 Samoela 2 :27-36. Ny Testamenta vaovao sy ny epistily kosa dia araka izay hita ao amin’ny Lioka 20:45-47 ary ny Joda 5-13.
Rajaofetra Loic no namaky ny Testamenta aloha; ny Filazantsara  dia
novakian-dRajaofetra Cédric. Andriambelomanana Tsanta no namaky ny
Epistily.

Mialoha ny nitoriana ny Tenin’Andriamanitra dia natao ny hira FFPM 244 : 1-2-4:

Ry Jesoa mba henoinao”.

TORITENY

Niarahaba ny Fiangonana teto Amparibe Famonjena sy ny Sampana Taninketsa manokana ny Mpitandrina Randrianantoanina Anjara, mpiandraikitra ao amin’ny Aumônerie Ambatonakanga. Tao amin’ny epistilin’i Joda 5-13 no nakany ny hafatra hotoriana.

Tari-dalana ho antsika amin’izao perikopa izao ny sora-mandry ao amin’ny fiandohan’ny epistily manao hoe :  “Fananarana ny amin’ny mpampianatra sandoka”.

Mazava araka izany fa ny votoatin’ny epistily dia mifono anatra; anatra ho fiarovana ny finoana sy famonjena ny finoana.

 

1-Anatra ho amin’ny fampahatsiahivana ataon’ny Soratra Masina  (and. 5-7)

  • Misy ny fampahatsiahivana ny famonjen’Andriamanitra ny Zanak’Israely tany

Egypta. Nafahan’Andriamanitra tamin’ireo mpampahory azy ny Zanak’Israely, kanefa amin’ireo izay nanehoan’Andriamanitra ny famonjeny, dia  misy ny tsy mino ary misy ihany ny tsy matoky an’Andriamanitra.

Ampahatsiahivina etoana ary, fa ireny tsy manana finoana ireny, dia haringan’Andriamanitra.

Na dia efa nomanin’Andriamanitra ho an’ny Fiangonana manontolo aza ny famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Izay nanolotra ny tenany hifantsika teo amin’ny hazofijaliana ho famonjena antsika, dia mbola misy ihany olona ao amin’ny Fiangonana, mbola tsy mino  izany, tsy miaina izany ary tsy manaiky izany, ka hampahatsiahivin’i Joda, fa haringana ny olona tsy manaiky ny fitarihan’ny Tenin’Andriamanitra sy tsy manaiky hahitsin’ny Soratra Masina.

Ny fampahatsiahivana faharoa dia ho an’ireo izay rehetra tsy mitana ny andraikiny

amin’ny anjara raharahany, manao antsirambina ny asa fanompoany (and.6). Ho voahozona amin’ny fahamaizinana mandrakizay ary haringan’Andriamanitra ihany koa izy ireny.

Manana anjara isika eto amin’ny Fiangonana ary notendren’Andriamanitra mba hahatoky amin’izany anjara fanompoana izany. Izay manao kitoatoa amin’izany anjara raharahany izany dia haringan’Andriamanitra koa.

  • Ny fampahatsiahivana fahatelo dia ny mikasika an’i Sodoma sy Gomora, izay maneho

ny fahasahian’ny olona amin’ny fijangajangana sy ny filàn’ny nofo ary ny amin’ny firaisan’ny  mitovy fananahana. Ireny dia haringan’Andriamanitra koa.

Ireny rehetra ireny dia natao ho fampahatsiahivana antsika, ho fananarana sy hafahan’ny Fiangonana mandini-tena ka hitondra azy ho amin’ny fibebahana.

Hampahatsiahivina amintsika anio ary fa ho an’ny Fiangonana manontolo ny Famonjena.

Fandringanana kosa no miandry ireo izay tsy mety mino , tsy mety ahitsy, manohitra   na mamilivily lalana ny hevitry ny Soratra Masina .

Ry havana, andeha isika hanaiky hotarihan’ny Soratra Masina, handini-tena ao anatin’izao vanim-potoan’ny Karemy izao. Hanao jery todika ny fiainam-panahintsika. Izay rehetra hita fa tsy mety dia entintsika hifonana eo anatrehan’ny Tompo, fa hoy ny Soratra Masina: “izay rehetra manafina ny fahotany , tsy ambinina”, ka tsy ho sanatria ho fanamelohana ho antsika ny fahatongavantsika eto an-tranon’Andriamanitra, fa mba handraisantsika ny famelan-keloka kosa, hitondra antsika ho amin’ny famonjena, hananantsika fiadanana.

2-Hanatra ho amin’ny fampianaran-diso sy ny mpampianatra sandoka (and. 8-13)

Eo amin’ny and. 11 dia ambaran’ny Soratra Masina fa hahita loza tokoa ny mpampianatra sandoka.

Ny mpampianatra sandoka dia havanana amin’ny filazana lainga amin’ny alalan’ny nofy .

Hitantsika ombieny ombieny ny fahitana ny olona mijoro vavolombelona na amin’ny fahita lavitra na amin’ny tambazotra serasera milaza fa mahita fahitana. Asain’Andriamanitra mitandrina isika ny amin’ireny. Ao ireo miteny ratsy sy manimbazimba ny fivavahana marina. Mila mianatra Soratra Masina isika mba hahafantarantsika izay marina sy diso; hahafantarantsika ihany koa ny foto-pinoana ka ny Fanahy Masina no hampianatra antsika, hahafantarantsika ny marina momba izany.

Noho izany dia aoreno tsara ny finoanao mba tsy ho ny zanaky ny Fiangonana no ho lasibatry ny fampianaran-diso sy ny mpaminany sandoka.

Izao Soratra Masina izao dia mitaky andraikitra amintsika zanaky ny Fiangonana,  olom-boavidin’Andriamanitra, mba handray marina ny finoana an’i Jesoa Kristy,  mba ho zanaky ny Fiangonana  misitraka ny famonjen’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy, hafahantsika ho marina amin’ny finoana, ka tsy ho voavilivilin’ny rehak’izao tontolo izao.

Koa rehefa tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, dia isika zanaky ny Fiangonana, no hijoro hanohitra izany. Isika ray aman-dreny dia tokony ho sahy mampianatra ny zanatsika, mananatra sy manitsy amin’izay hita fa loza mananontanona ny fiainantsika.

Ry havana , andeha isika handray ny anatra, ka izao Soratra Masina izao no hanamboarantsika indray maka indray ny finoantsika, ny fitondrantenantsika, ny fomba fisainantsika, hahatonga antsika ho mpanompo tsy mahazo henatra, ho tafatoetra mandrakariva ao anatin’ny Fiangonana.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Manoloana ny hafatra izay notoriana  dia nataon’ny Mpitarika  ny vavaka ho setriny:

Ry Andriamanitra Rainay, renay teo ny sitraponao. Nananatra anay Ianao mba hiarovana ny finoana, mba hamonjena ny finoana ary mila mianatra ny Soratra Masina izahay. Tsy nanaraka izany anefa izahay fa kely finoana, tsy nanaiky ny fitarihan’ny Fanahy masina, tsy nianatra ny Teninao. Misaotra Anao anefa Tompo fa raha ny haben’ny otanay dia tokony ho faty izahay. Nefa tsy mamaly anay araka ny fahotanay Ianao.  Mamela anay hanatona Anao sy hifona Aminao. Indreto izahay mahatsiaro sy miaiky ny fahadisoanay eo anatrehanao. Tompo o! Mifona Aminao izahay; henoy ny vavakay, ka  sasao izahay mba ho afaka heloka, diovy izahay mba ho afa-pahotana noho ny haben’ny indrafonao. Aoka izahay hiala amin’ny  faharatsiana, ka handray ny anatra avy Aminao. Hibanjina ny fahatsaranao Jesoa, modely fakan-tahaka tsara indrindra. Ho hita taratra eo aminay fa mankahala ny ratsy izahay. Mihainoa anay ry Andriamanitra fitiavana o! Ka valio ny vavakay. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Mpamonjy anay no anaovanay izany vavaka izany. Amen.

TENY FAMELAN-KELOKA

Izao no Teny famelan-keloka noraisin’ny Fiangonana, nalaina tao amin’ny Isaia 52:3, Isaia 44:22, Lioka 19:10:  “Fa izao no lazain’i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo; Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena Amiko, fa efa nanavotra anao Aho;  Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very . Voavela ny helokareo noho ny Anarany Masina . Haleloia!”

FANEKEM-PINOANA

Ny olona nandray ny Tenin’Andriamanitra sy mahatsiaro fa voavela heloka dia sahy manambara ny finoany eo anatrehan’ny Andriamanitra sy ny Fiangonana.

Ny fanekem-pinoana laharana fahatelo  no notanterahin’ny Fiangonana tamin’izany.

TATITRY NY SAMPANA

Nanatanteraka ny tatitra ny Mpitantsoratry ny sampana Taninketsa. Ny Jaona 15:16 no niarahabany ny Fiangonana. Io rahateo no teny fanevan’ny Sampana hatramin’ny nijoroany.

Nanamarika ny faha 30 taonany tamin’ny taona 2021ny STAF.

Asa maro no natao, toy ny fanatanterahana ny herinandrom-bokatra nanaovana ny famangiana ny akany mitaiza ny zaza kamboty eny Tangaina; ny fizarana vatsy ho an’ny mpianatra Soratra Masina; ny fanaovana  ny randonnée  niaraka tamin’ny K160, ny fandraisana anjara tamin’ny fitsangantsanganan’ny Fiangonana.

Teo koa ny fanatanterahana ny Krismasy fifaliana; ny Fety Krismasy niarahana tamin’ny Firaisan’ny sampana; ny fanatrehana ny Herinandron’ny Fianakaviana niaraka tamin’ny VMFP.

Ny STAF dia mitory an-kira ny Filazantsara.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA

Ny 1 Samoela  2: 30d no nentin’ny Mpitantsoratry ny Fiangonana, Rakotomanana Andrimbazotiana, niarahaba ny mpianakavin’ny Finoana.

Manohy ny fibanjinana ny lohahevitra hoe : “Mamaly ny faharatsiana ny Tompo” isika ankehitriny.

Alahady fahatelo manaraka ny Karemy, ary eo amin’ny sahan’ny FJKM dia ity no fotoana hitondrana amim-bavaka ny asan’ny SAF FJKM.

Hotanterahina any Antsirabe ny Andron’ny sekoly FJKM ny faha 28-31 martsa 2022.

Manomboka ny alatsinainy 21 martsa 2022 ny Herinandron’ny Fifandraisana, hifanotronana amin’ny AFIFAB.

Alahadin’ny SAF FJKM androany.

Ny Mpitandrina dia nanao antso ho an’ny Mpianakavin’ny Finoana amin’ny fidirana ho SETELA na koa ny FITELA.

RAKITRA SY FANOMEZANA

 Andriamasinoro Tantely, Biraom-Piangonana, no nanolotra ny voady sy ny raki-pisaorana.

Ireto no hira nangatahin’ny mpianakavin’ny finoana : FFPM 462:1 , HF 12 “Feno toky ny fanahy”.

Tao ny zanaky ny Fiangonana izay nisaotra an’Andriamanitra fa nahalafo ny fiara izay namidy ary mangata-bavaka ho an’ny ankohonany.

Tao ny nisaotra an’Andriamanitra fa Izy dia manatanteraka ny Teniny amin’ny mpanompony.

Nisy ny renim-pianakaviana nanao raki-pisaorana noho ny valimbavaka noraisiny.

Nisy ny fianakaviana nanao raki-pisaorana noho ny famindram-po sy ny fahasoavana ary mbola matoky mandrakariva ny fitantanan’ny Tompo ny fiainany.

VAVAKA FANGATAHANA

Tamin’izany no nanambarana fa mamaly ny faharatsiana Andriamanitra ka mananatra Izy ho fiarovana ny finoana.

Ampahatsiahivin’ny Tompo, ny  famonjena efa tanteraka teo amin’i Jesoa Kristy.

Nampitandrina Izy ny amin’ny mpampianatra sandoka.

Tamin’izany koa no nangatahana tamin’ny Tompo mba ho voaaro amin’ny fahavalon’ny finoana ireo Mpitondra ny Fiangonana samihafa.

Nivavaka ho an’ny foibe FJKM.

Nivavaka ho an’ny synodamparitany rehetra.

Nivavaka manokana ho an’ny Synodamparitany andrefana.

Nivavaka ny ARM.

Nivavaka ho an’ny mpianakavin’ny finoana eto amin’ny Fitandremana ary nivavaka ho an’ireo izay nangata-bavaka manokana tamin’ity andro androany ity,  ho an’ireo izay nanefa ny voadiny sy nanao raki-pisaorana ho an’Andriamanitra.

FAMARANANA NY FOTOANA

Notanterahina ny hira FFPM 460 “Ario ny tahotrao, ry olona osa fo ” mialoha ny famakiana ny Tondrozotra 2022.

Novakiana ny Tondrozotra ary rehefa izany, dia natolotra ny Tsodrano.

Ny hira FFPM 731:1: “Enga anie ka homba anao Jesoa”  no natao, nentina namaranana izao fanompoam-pivavahana androany izao .

IREO TOMPON’ANJARA

Nikirakira fafana  : Rabako Tovohery

Nikirakira fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto

Naka sary : Robel Hanitra

Nandray an-tsoratra : Rabako Tovohery

Alahady 13 Martsa 2022

ALAHADY 13 MARTSA 2022
“ MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO ”
Alahady faharoa amin’ny karemy

« Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. » Jaona 14 :6

Alahady faharoa amin’ny karemy androany. Ny Mpitandrina evanjelistra avy any amin’ny FJKM Ambohidroa, Synodamparitany Ambalavao Tsienimparihy, Rakotondrambola Simon Armand no nitondra ny hafatry ny Tompo tamin’ny Fiangonana. Nisy koa ny asa sy fampaherezana amin’ny maha alahady faharoan’ny volana. Ny Diakona ao amin’ny Vaomieran’ny Aim-Panahy Rasolonjanahary Fidy no nitarika ny fotoam-bavaka, nanaraka ny litorjia amin’ny endriny faharoa. Azonao henoina ato ny hafatra. 

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Nisy feon-javamaneno fidirana sy fanolorana ny evanjelistra hitory Teny ary fiarahabana apostolika. Rehefa izay dia novakian’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny Salamo 92 : 1-5 hoe : « Tsara ny hidera an’i Jehovah sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô, ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina sy ny fahamarinanao nony alina amin’ny valiha tory folo sy amin’ny feon-dokanga. Fa ampifalinao amin’ny nataonao aho Jehovah ô ; ny asan’ny tananao no hihobiako. Jehovah ô, akory ny halehiben’ny asanao ! Lalina indrindra ny fisainanao. »

Noredonina ny hira FFPM 24 : 1,2 « Ny lanitra ao ambony » ary nataon’ny mpitarika ny vavaka fisaorana izay narahana feon-javamaneno. Nitohy avy hatrany ny fotoana.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny kilasy faharoa, Ratiarison Vall, no nitarika izany. Natsangana ny ankizy sy ny tanora nanao ny hira FFPM 761 : 1,3 “ Ry Jeso, Zoky be fitia”. Nisy vavaka.

Ny lohahevitra banjinina eo amin’ny sahan’ny FJKM mandritra ny volana dia hoe : “ Mamaly ny faharatsiana ny  Tompo ” ary ny Teny fanevan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara dia “ Miorena tsara, aza miova ”. Ny faharatsiana dia mahatonga antsika tsy miorina tsara ao amin’ny Tompo. Mamaly antsika amin’ny faharatsiana ataontsika Izy. Anisan’ny faharatsiana mora atao sy sarotra ialana ny lainga. Ny andinin-tSoratra Masina niompanan’ny fampianarana fohy dia :  » Esory aminao ny vava mandainga… Haringanao ny mpiteny lainga  » ao amin’ny Ohabolana 4 : 24a ; Salamo 5 : 6a. Fadio ny mandainga manomboka anio, mahavoa anao sy ny manodidina anao izany, mba tsy ho isan’ny tsy hatokisan’ny olona ianao. Nasaina novakian’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady teo am-pitsanganana ny Teny. Nisy vavaka nataon’ny mpitarika nasaina naverina. Toy izao izany : « Jesoa ô ! Misaotra Anao aho fa nampianatra ahy indray Ianao androany. Tena tsy tianao ny lainga ary aringanao izay rehetra mpandainga koa manomboka anio Jesoa ô, dia esory amiko ny lainga ary ny Fanahinao Masina hanampy ahy hahazoako mahavita izany. Amin’ny Anaranao Jesoa. Amen ». Nanaraka izany ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra.

FANKALAZANA NY TENIN’ ANDRIAMANITRA

Nohiraina ny FFPM 183 : 1,2 “ Midina ry Fanahy ô! ”. Ny vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina dia notontosain’ny Diakona ao amin’ny Vaomieran’ny Fifandraisana Rabako Tovohery, novakiany koa ny Salamo 5 : 1-12 raha Rabako Miora no nanohy izany araka ny ao amin’ny Jaona 3 : 17-21 ; Romana 3 : 9-20. Natao teo am-pitsanganana ny hira FFPM 262 : 4 “ Indreto izahay, ry Jeso ô ” mialoha ny toriteny.

TORITENY

Ny toerana iasan’ny Evanjelistra Rakotondrambola Simon Armand :

Synodamparitany lalana fahefatra no mankany Ambalavao, 400 Km avy eto Antananarivo. 36 Km avy eo an-tampon-tanàna ny Fitandremana. Ambondrombe no eo avaratra ary eo atsimo ny Parc National Andringitra. Ratsy ny lalana, bisikileta no andehanana. Fiangonana efatra no entina ankoatra ny renivohi-pitandremana, 4 Km no zana-piangonana akaiky indrindra. Manam-bady sy manana zanaka roa ny evanjelistra. Momba ny fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny : mivavaka ny olona any saingy mbola misy manompo sampy. Vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai tsy mbola afaka namangy ny renivohi-pitandremana satria misy tetezana tapaka, ny rano tsy tia vahiny, tsy azo itana ny lakana.

Vatsim-panahy

Ny Salamo 5 no niompanan’ny hafatra androany.

Tsy maintsy hiaina eo amin’izao tontolo izao feno faharatsiana i Davida mpanao salamo ka nila torohevitra avy amin’Andriamanitra, izay asongadiny ao anatin’ny tonombavany. Andriamanitra izay ivavahany dia mpitsara marina, tsy tia faharatsiana. Tanisainy ao ny toetran’ny mpanao ratsy : mpirehareha, mpiteny lainga, mpamono olona.

Tsy manana henatra izay miaina amin’ny faharatsiana, helohin’Andriamanitra. Ny ataonao ihany no hitsarany anao. Na eo aza anefa izany, Andriamanitra dia tia ny mpanota fa mankahala ota kosa. Hoy i Jesoa ao amin’ny Lioka 5:32 :“ Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka “. Tsy miova Andriamanitra fa mandinika antsika tsirairay avy, manara-maso ny fiainantsika. Manainga antsika ny Tompo hiala amin’ny faharatsiana. Aoka izay ny fireharehana fa i Jesoa Kristy velona no hataontsika rehareha. Aoka izay ny lainga. Mitaona antsika ny Tompo tsy hamono olona.

Faritra mena ny kaominina tamin’ny 2013 : teo akaikin’ny trano vadim-piangonana no mirefotra ny basy. Ireo dahalo ireo hay olona ao anatin’ny Fiangonana ihany. Izany no itoriana ny Filazantsara, anirahin’ny Tompo. Ny andrasan’ny Tompo amintsika dia hanampy ny olona mba ho velona, hahatanterahany ny asa fanompoany.

Aoka isika hibebaka, andao hanao ny sitrapony sy handà izay mety ho faharatsiana rehetra.

I Davida dia mangataka ny fitarihan’ Andriamanitra amin’ny dia tsy maintsy hirosoany. Vao maraina izy mangataka Aminy hitarika azy amin’ny lalan’ny fahamarinana hamakivakiana ny tontolo andro satria tsy maintsy hiaina hiaraka amin’ny olon-dratsy.

Araka ny eo amin’ny and. 12 : rehefa manao ny marina dia Andriamanitra mitahy sy miaro. Tena fitahiana manana amby ampy arahim-pankasitrahana feno no ataony, ao amin’i Jesoa Kristy no fanatanterahana izany satria Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana (Jaona 14 : 6) ka izay rehetra mino Azy dia ankasitrahan’Andriamanitra.

Ataovy tafatoetra ao amintsika i Jesoa Kristy velona. Ivelomy ny fahamarinana na aiza toerana ametrahany antsika, na eo aza ny sedra. Tsy mora ny asa kanefa rehefa manao ny asany sy miaraka Aminy dia Izy no mitahy, mikarakara, miaro. Aoka isika ho kristiana modely, andao hanana ny toetrany isika amin’ny androm-piainantsika, ho marina amin’ny lafiny rehetra.

Ialao izay mety ho faharatsiana fa tia ny marina Izy ary ho anisan’izany anie isika!

Ho an’ Andriamanitra irery ny voninahitra ! Amen.

 

Nihira ny “ Misaora an’i Jehovah ” ny Sampana Tanora Kristiana Zandriny.

VAVAKA NOHO NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Rehefa izay dia nanatontosa ny vavaka setrin’ny Tenin’ Andriamanitra sy fifonana ny mpitarika.

Manoloana ny hafatr’ Andriamanitra, menatra sy mangahiahy izahay fa tsy nahatanteraka izany. Meloka eo anatrehanao izahay na amin’ny fihetsika na amin’ny fiteny, indrindra amin’ny fisainana. Mahatsiaro tena ho tsy mendrika eo anoloanao. Koa ankehitriny dia manatona mibebaka Aminao izahay, mangataka famelan-keloka Aminao izahay.

Loary mangina eo anatrehan’ Andriamanitra ny helokao, mibebaha ianao…

Jesoa Kristy ô! Mifona Aminao mba tsy hanarianao anay noho ny otanay fa sasao amin’ilay rànao soa izahay satria ao Aminao irery ihany no misy ny famonjena sy ny famelan-keloka. Sasao madio izahay ho afa-keloka ary diovy izahay mba ho afa-pahotana. Koa ekeo re ny fifonanay ho hanitra hankasitrahinao eo andapan’ny fahamarinanao. Noho ny famindramponao sy ny fitiavanao anay, Tompo ô no angatahinay izany. Tononina sy ataonay izany vavaka izany amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy anay. Amen.

Notononina teo am-pitsanganana ny fanekem-pinoana nikeanina (Laharana 2). Nisy feon-javamaneno fohy.

RAHARAHAM-PIANGONANA

Ny Mpitantsoratry amin’ ny Biraom-Piangonana Rakotomanana Andrimbazotiana no namaky ny vaovao. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia ao amin’ny Jaona 3 : 17 : “ Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao ”. Toy izao ny asa tsara fantarina ary hotanterahin’ny Fiangonana sy hentiny amim-bavaka :

Asa ivelany

  • Sabotsy 19 martsa 2022 amin’ny 11 ora antoandro ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana : fotoana hankalazana ny faha 45 taona naha-mpamoron-kira an-dRakotonirina Jean de Dieu ao amin’ny Ampifitia.
  • 23-25 martsa 2022 ny sampanasa Asa Fitoriana ny Filazantsara (AFF) Synodamparitany Antananarivo Andrefana (SPAA 10) dia hanao lasy fiofanana any Amoron’ Irihatra (7 km miala an’ Arivonimamo), ao amin’ny Foibe AFF ny fisoratana anarana sy any amin’ny SPAA 10.

Asa anatiny

  • Hanomboka rahampitso 14 martsa 2022 ny herinandrom-bokatry ny Sampana Taninketsa.
  • Sabotsy 19 martsa 2022 amin’ny 8 ora maraina: fivorian’ny mpihevi-draharaha.
  • Sabotsy 19 martsa 2022 amin’ny 9 ora : Fivoriambe voalohan’ny Sampana Vokovoko Manga.
  • Sabotsy 26 martsa 2022 amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro : famelabelaran-kevitra hotarihin-dRakotoarivony Hubert, lohahevitra : “ Ny Fiangonana manoloana ny LGBT “.
  • Alahady 20 martsa 2022 tolakandro : Jazz fiderana hiarahana amin’ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM) sy ny Cercle Germano-Malagasy (CGM).
  • Fitoriana any an-tokantrano (Fitoantoka) amin’ny endriny vaovao : hisy ny fifandraisana amin’ny alalan’ny antso an-tariby, ny dinika, isika rehetra no hanatanterahana izany mandritra ity taona ity ho fitoriana sy fampaherezana (édification). Ny AFF sy ny Vaomieran’ny Fifandraisana dia mandray ny mombamomba ny Mpiangona.
  • Oktobra 2022: fiofanan’ny tomponandraikitra andiany faharoa.

Nandray fitenenana ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina niarahaba ny Fiangonana, nisaotra ny tomponanjara, nanamafy ny firariantsoa ny evanjelistra sy nanentana amin’ny rakitra am-baravarana. Nisy koa ny antso ho an’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo manana fikasana handalina ny Soratra Masina ao amin’ny SETELA SY FITELA sy hanao fanadinana ao amin’ny toeram-panomanana Mpitandrina. Apetraka amin’Andriamanitra, hoy izy, ny asan’ny Fiangonana kasaina amin’ity taona ity.

FANOLORAN-JAZA

Natao ny hira FFPM 245 : 3 « Ray ô! Asehoinao » nandritra ny firosoan’ny ray aman-dreny sy zaza teo amin’ny alitara. Nisy Teny avy ao amin’ny Soratra Masina sy vavaka teo am-pitsanganana. Randrianarison Ilon’Ny Aina Andriantsoa no zaza natolotra. Nisy tsodrano. Nitohy tamin’ny voady ny fotoana.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Ny Biraom-piangonana Andriamasinoro Tantely no namaky ny voady rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Salamo 5 : 7 : “ Fa izaho kosa noho ny haben’ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao ; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin’ny fahatahorana Anao aho ”. Ny hetahetan’ny mpianakavin’ny finoana nentina teo anivon’ny Fiangonana : renim-pianakaviana handeha lavitry ny ankohonany, mangata-bavaka tsy ho azon’ny fakampanahy, ho an’ny famitana trano sy fanohizana ny fianaran’ny ankizy. Tovovavy nahazo fahasoavana nandritra ny taona na dia nandalo ny mafy aza, mangata-bavaka mba hahazo hery hiatrehany ny adidiny. Ny hira nangatahin’ireo mpianakavin’ny finoana ireo, izay nohirain’ny Fiangonana nandritra ny fanantazana ny rakitra dia FF 32 : 1 “ Aza avela hahalala ”.

Ny hira vavaka FFPM 4 : 4 “ Mamy ny Fitianao ”no notanterahina teo am-pitsanganana ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanolorantena.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitarika ny vavaka fangataham-pitahiana.

Nisaotra izy noho ny hafatra : Andriamanitra marina, masina, Fitiavana maneho ireo toetra ireo amin’ny olona, Andriamanitra tsy tia ratsy, tsy tia lainga, mamaly ny tsirairay amin’ny asany. Notononina ny Fiangonana, Mpitondra Fiangonana, Mpitory Filazantsara mba hiverina amin’ Andriamanitra, hiala amin’ny ratsy, ho velona, ho vita ireo andraikitra.  Nentina amim-bavaka koa ny toby masina rehetra, ny akany fitaizana, ny foibe FJKM isan’ambaratongany sy ny mpandraharaha, ny synodamparitany manerana an’i Madagasikara indrindra ny SPAA10 hahavita ny asany, ho lohany mandrakariva amin’ny fijoroana vavolombelona, eo koa ny Antananarivo Renivohitra sy ny Manodidina (ARM).

Voatonona ny kristiana rehetra eto amin’ny Fitandremana, na ireo tonga sy ny tsy afaka noho ny antony samihafa, efa miverina ny fitiavana miara-miombona fa iriana hitombo sy hivelatra, hiverina ny hafanampo. Eo ny zanaka ampielezana na aiza ny misy azy. Ny Mpitandrina evanjelistra nitory Teny sy ny ankohonany, ny asa fanompoany dia nentina teo amin’ny Tompo, toy ny nitondrana ny asan’ny Fiangonana voafaritra araka ny tondrozotra ; ny rafitra manatanteraka fankalazana amin’ity taona ity ; ny hiditra SETELA sy FITELA, hanao fanadinana ho Mpitandrina fa harena sarobidy ny manana olona maro afaka mitory sy mampianatra. Tsy diso anjara ny sahirana, marary, mana-manjo, traboina, very asa, tsy manan-kialofana, kere, indrindra taorian’ny rivo-doza, mba hitahiry ny finoany izy ireny sy hitodika amin’ Andriamanitra. Misy ireo manana hataka manokana ; ny nanao raki-pisaorana ; ny manana voady anaty mba samy handray ny valim-bavaka tandrify azy avy. Nofaranana tamin’ny « Rainay izany any an-danitra » ny vavaka.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao teo am-pitsanganana ny hira FFPM 625 “ Mpamonjy soa malala ô ”. Notononina ny tondrozotra 2022 hoe : “ Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra, araka ny olom-boafidin’ Andriamanitra sady masina no malala… Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa ; fa Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. ”  Romana 12 : 10 ; Kolosiana 3 : 12b ; Petera voalohany 5 : 5b.

Natolotra ny tsodrano dia noredonina ny hira vavaka FFPM 338 “ Arovy aho, Tompo ”. Nisy vavaka mangina sy trinite ary feon-javamaneno. Nifarana tamin’ny 10 ora sy 52 minitra ny fotoana. Nitohy tamin’ny asa sy fampaherezana izany. Nisy rakitra am-bavaravarana ho fanohanana ny evanjelistra amin’ny asany.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rabiazamaholy Mahery sy Randriambeloson Sitraka

Nikirakira ny fafana : Raoliarizaka Bakoly sy Randriamasimanana Andrianavalona

Nikirakira ny fanamafisam-peo : Harentsoa Rova sy Rabiazamaholy Hery Lanto

Naka sary : Ramahery Hasina

Nandray an-tsoratra : Ralaiarimanana Narindra

Alahady 6 Martsa 2022

ALAHADY 6 MARTSA 2022
« MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO »

Alahady voalohany, alahady nandraisana ny Fanasan’ny Tompo Alahady Karemy I
« Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra » (Genesisy 19:24)

Alahady voalohany androany, ibanjinan’ny FJKM  ny lohahevitra vaovao hoe « MAMALY NY FAHARATSIANA NY TOMPO » ary ihany koa alahady voalohany amin’ny Karemy.
Ny Mpitandrina miana-draharaha, Andrianaivomanana Willy Johnson, no nitarika ny fotoana. Ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina kosa no nitondra ny hafatra.
Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no nanatanterahina izany.

Azonao henoina ato ny hafatra.

FANOMBOHANA NY FOTOANA

Taorian’ny feon-javamaneno fidirana sy ny fiarahabana apostolika, ho fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra dia novakian’ ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny Salamo 147:1-6.
Rehefa vita izany dia natao ny hira FFPM 6 « Avia miondreha ».
Ary nanao ny vavaka fisaorana sy fiderana ny mpitarika.
Noho ny halehibeny sy ny fitiavany dia natolotra an’Andriamanitra ny dera, ny laza ary ny voninahitra. Nangatahina ny Fanahy Masina mba hiasa mandritra ny fanompoam-pivavahana. Nangatahina ny Tompo mba ho raisiny ny vavaka asandratra ary ihany koa mba hankasitrahany ny Firaisana latabatra Aminy.

NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA

Nalaina tao amin’ny Joela 2:12-13 : « Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena Amiko amin’ny fonareo rehetra. Ary amin’ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, Ary miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo ; fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be fiantrana ary manenina amin’ny loza. »

Rehefa voambara izany dia nohiraina ny FFPM 439 :1 « Mba taomy aho e ».
Noho ny tsy fahatanterahana manoloana ny sitrapon’Andriamanitra, dia nanao vavaka fifonana ny mpitarika.
Araka ny hafatry ny Tompo dia mila miverina Aminy ny mpanompony. Noho izany dia natao ny vavaka fifonana satria tsy tanteraka izany sitrapon’Andriamanitra izany. Nangatahina ny Tompo mba hanadio ny tenan’ny tsirairay hafahany mivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Rehefa vita ny vavaka fangatahana famelankeloka dia nohiraina ny FF 8 « Masoko manganohano ».

FAMELANKELOKA

Ny Isaia 54:8 sy ny 1Jaona 1:9 no Teny nanolorana ny famelankeloka
Taorian’ny fanolorana ny Teny famelankeloka dia noventesina ny hira FFPM 543 :1-3  « Mihoby ny fanahiko ».
Ho fanambarana sy fanehoana ny finoana, dia niaraha-nanonona ny Fanekempinoana laharana voalohany.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY TANORA

Ramino Lalaina, mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny K10, no nanatanteraka izany.« Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana » (Salamo 100:2a) no Teny nangalana ny hafatra.
Samy manana ny anjara fanompoany isika ao amin’ny sampana misy antsika tsirairay avy. Amin’ny fifaliana no tokony hanaovana izany, izay mitaky fitiavana sy fanolorantena. Mba hahazoana izany fifaliana izany dia tsara ny manao hiram-pivavahana mialoha ny hanatontosana asa fanompoana. Ny hira mantsy dia manala sorisory, manala adin-tsaina ary manohitra ny asan’ilay ratsy.
Taorian’izay dia noventesina, am-pifaliana, ny hira FFPM 430:1 « Endrika Sariaka »
Mba hahatonga izany hafatra fohy izany ho tanteraka dia narahina vavaka ny fotoanan’ny ankizy sy tanora.
Ny tonon’ny hira teo aloha no nasandratra ho vavaka ary nangatahina ny Fanahy Masina mba hitari-dalana sy hanolo-tsaina mba ho amin’ny fifaliana no hanatontosana ny asan’Andriamanitra.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA

Rakotomanana Andry, Biraom-Piangonana, no nilaza ny raharaha.
« Efa  nataoko teo alohanareo ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao » Isaia 30:19b.
Ireto manaraka ireto ny tsara hofantarina :
Raharaha avy any ivelany :
.Mitohy ny fifaninanana hira faneva ho an’ny Radio Fahazavana
.Tontosaina ao amin’ny FJKM Andavamamba ny 13 martsa 2022 amin’ny 3 ora hariva ny fanompoam-pivavahana fanokafana sy fitondrana amim-bavaka ny taom-pitaizan’ny SAMPATI.
Raharaha anatiny :
.Tontosaina androany ny fiarahabana ireo mpianakavin’ny Fiangonana nankalaza ny tsingerinandrony tamin’ny volana febroary.
.Ny 12 martsa manomboka amin’ny 8 ora dia hanatanterahana ny fiofanana ho an’ireo tomponandraikitry ny Fiangonana.

.Herinandrom-bokatry ny Sampana Taninketsa Amparibe Famonjena ny 14 ka hatramin’ny 20 martsa.
.Ny 26 martsa amin’ny 9 ora maraina dia hanatanteraka « Conférence » mikasika ny LGBT ny Sampana Vokovokomanga.

.Nambara ny toetry ny vola nandritra ny herinandro.
.Miverina manomboka izao ny famangiana ny fianakaviana tra-manjo.
.Miverina ny famangiana an-tokantrano sy ny fito antoka.

.Araka izany dia hanaraka fiofanana ireo Mpitoriteny, Katekista sy Mpitory Filazantsara ny 12 martsa tolakandro.

.Atolotra amin’io fotoana io ihany koa ny fandaminana.
.Ny Sampana Vokovokomanga dia miverina mivarotra ranomboankazo.

Hafatra sy fanentanan’ny Mpitandrina

.Noentanina ny mpianakavin’ny finoana hitondra amim-bavaka ny fiofanan’ireo tomponandraikitra hatao ny 12 martsa 2022 eto amin’ny trano fiangonana.
Nentanina ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo manam-paniriana hanaraka ny fiofanana SETELA sy FITELA, mba hisoratra anarana.


.Noarahabaina ireo nankalaza ny tsingerinandrony ny volana febroary :
« Mpanompoko ianao, efa nofidiko ka tsy mba hariako ! » Izany no Teny firariantsoa natolotra ireo mpanompon’Andriamanitra teny amin’ny alitara.
Taorian’izay dia nentina amim-bavaka izy ireo.
 Nisaorana ny Tompo noho ny fiheverany ny mpanompony sy ny fitsimbinany azy ireo. Nangatahina ny Tompo mba hihazona tsy hanary ny mpanompony. Ny tombon’andro sisa dia natokana ifaliana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Maro ireo mpanompon’Andriamanitra nanatontosa raki-pisaorana sy voady masina. Tao ireo nahazo tombon’andro, nahazo fitahiana sy valim-bavaka. Nisy ihany koa ny nangataka vavaka handroso bebe kokoa amin’ny asa fanompoana, ireo nangataka vavaka ho an’ny asa fivelomana. Tao ireo nangataka vavaka hahazo fahasalamana, tao ihany koa no nisaotra noho ny fitsapana sy ny mba hitrotroana amim-bavaka ny fianakaviany.
Ny hira FFPM 476:4 « Ny eo akaikinao ry Ray » sy ny FFPM 460:1 « Ario ny tahotrao » ary « Mialoka Aminao » no nangatahan’ireo nanao Voady sy Raki-pisaorana.
Ny hira FFPM 275:1 « Raisonao ry Tompo soa » no noventesina teo am-panolorana ny rakitra.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nohiraina ny FFPM 212:1-3 « Velona sy mahery »  mialoha ny vakiteny.
Ny Loholona Rakotonirainy Jacky no nanao ny vavaka  fangatahana ny Fanahy Masina, mialoha ny vakiteny, mba handraisana ny Teny hahatsapan’ny mpihaino fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny Teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra. Nentiny amim-bavaka ihany koa ny mpamaky ny Teny sy ny hitory ny Teny. Izy ihany no namaky ny Testamenta taloha : Genesisy 19:24-29 ary Rakotonirainy Josie no namaky ny Filazantsara sy ny Epistily : Jaona 5:24-29 ; II Petera 3:1-13
Taorian’ny vakiteny dia nohiraina ny FFPM 354:3 « Ny Mpamonjy no mitady fihavanana aminao ».

TORITENY

Amin’izao alahady voalohany amin’ny Karemy izao dia tsara ny mampahatsiahy fa ho an’ny FJKM dia fotoana fandinihan-tena eo anatrehan’Andriamanitra ny Karemy.
Mamaly ny faharatsiana ny Tompo. Izany dia maneho fa mitsara ny Tompo. Eo amin’ny fahavelomana dia manafay ny Tompo. Eo am-bavahoan’ny fahafatesana dia misy koa ny sivana hoe mankaiza ny fanahin’ny maty. Ny asan’ny tsirairay dia manaraka azy.
Ny fotoana hiverenan’ny Tompo no fitsarana farany. Ny fandevonana ny tananan’i Sodoma sy Gomoro dia tandindon’ny fitsarana farany.
Araka ny tatitry ny olona any Rosia dia tena mahery vaika ny baomba nokleary ary matiny hatramin’ny vitsika. Marihina fa mahery lavitra noho izany ny afo solifara. Mitandrema ary mieritrereta tsara sao hiaran’izany fandringanan’Andriamanitra izany ianao.  Aza miherikerika foana sao lasa vaingan-tsira sahala amin’ny vadin’i Lota.
Misy ny manao fampianaran-diso milaza fa tsy mamaly ny mpanao ratsy Andriamanitra ary hovonjeny avokoa na ny devoly aza.

Mitandrema ary mieritrereta tsara sao hiaran’izany fandringanan’Andriamanitra izany ianao.  Aza miherikerika foana sao lasa vaingan-tsira sahala amin’ny vadin’i Lota.
Misy ny manao fampianaran-diso milaza fa tsy mamaly ny mpanao ratsy Andriamanitra ary hovonjeny avokoa na ny devoly aza. Mitandrema, aza fahanana lainga ny olona. Andro farany izao tsy anganongano ny fandringanana ny ratsy fanahy fa tena ho avy. Rehefa avy izany andro izany dia ho aiza ianao ? Ho eo ankavanan’ny Tompo sahala amin’ilay jiolahy nahazo famindram-po sa ho very toy ilay tsy mino anatra ?
Fotoana fandinihan-tena izao, mibebaha mba ho voavonjy.
Misaora ny Tompo raha mandalo famaizana fa ny zanaka tiana tsy tsitsiana tsora-kazo.Mamaly soa izay tsara ataontsika ihany koa ny Tompo.
Raha mino sy mahatoky ary manao ny sitrapon’Andriamanitra isika dia manana fahefana hanome fiainana ho antsika Izy. Afaka manameloka izay mandà Azy ihany koa anefa ny Tompo.

Taorian’ny toriteny dia nanatontosa ny anjara hirany ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena : « Tia antsika ».

VAVAKA FANGATAHANA

Nisaorana ny Tompo noho ny fampahatsiahivany ny mpanompony fa mamaly ny mpanao ratsy Izy.
Manoloana izany dia naseho tamin’Andriamanitra ny fahatahorana izany fandringanana izany. Nangatahina ny Tompo mba hitana tsy hanary ny olony fa ho mpanara-dia ny Tompo sy hifady ny ratsy izy ireo.
Nentina am-bavaka ny tompon’andraikitry ny Fiangonana, ny Filoha foibe sy ny mpiara-miasa aminy, ny Synodamparitany Antananarivo andrefana, ny Filoha Synodaly sy ny mpiara-miasa aminy.
Nentina amim-bavaka ny tsirairay mba handini-tena. Nentina amim-bavaka ny asan’ny Fiangonana. Nentina amim-bavaka ihany koa izay rehetra mahasoa tsy voatonon’ny vava. Nentina amim-bavaka ireo rafitra rehetra manao fankalazana sy ny Komity manomana ny fisotroan-drononon’ny Mpitandrina.
Nentina amim-bavaka ireo manam-paniriana hiroso hanaraka ny fiofanana SETELA sy FITELA.
Nisaorana ny Tompo noho ny fiombonam-bavaka androany. Nangatahina ny Tompo mba hahay hifampitaona amin’ny fiombonam-bavaka ny mpianakavin’ny finoana.
Nentina amim-bavaka ny sahirana, ny tra-boina, ny marary, ny mana-manjo, ny very asa, ny tratry ny kere, ny tsy manan-kialofana, ireo manana hataka manokana. Nentina amim-bavaka ihany koa ireo rehetra nanao raki-pisaorana sy voady masina.
Nampiarahina tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo izany vavaka izany.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina ny FFPM  628:4 « Ry mpamonjy olom-bery » .
Niarahana nanonona ny Tondrozotra 2022.
Natolotra ny Tsodrano.
Nohiraina ny Antema 5.
Nofaranana tamin’ny vavaka mangina ny fotoana ary narahina feon-javamaneno ny firavana.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

Taorian’ny fanompoam-pivavahana dia nisy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

Nohiraina ny FFPM 446 : 3 « Atolotro Anao ny tenako, ry Raiko! » teo am-piomanana.

Novakina ny Soratra Masina, natao ny vavaka fanandratana ary ny hira fihobiana Antema 1 “Masina, Masina”.

Ireto manaraka ireto ny hira natao nandritra ny fotoana : FFPM 226FFPM 482-FFPM 107.

Natao ny vavaka ary nohiraina mandritra ny fanatazana ny Raki-pisaorana sy fanangonana ny kapoaka ny FFPM 465 « Ry Jeso ô, ry Jeso ! »

Nanome hafatra fohy ny Mpitandrina ary natolotra ny Tsodrano.

Natao ny hira « Mialoka Aminao » nofaranana tamin’ny Amena nohiraina sy vavaka mangina.


Nisy ny famangiana manjo rehefa vita ny fotoana.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Ranaivoson Jacky sy Harentsoa Rova                                 

Nikirakira ny fafana : Rabako Tovohery

Nikirakira ny fanamafisam-peo : Ramahery Yves sy Harentsoa Rova

Naka sary : Rabemananoro Jonathan

Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky Noely Tiana


0322Vatsimpanahy

Mamaly ny faharatsiana ny Tompo

Jao.6/65 : « Ary hoy Jesoa : Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany”

Perikopa : 2Tan.34/29-33 ;  Jao.6/60-71 ;  Heb.6/13-20

Ny fisehoan’ny fisarahan-kevitra roa mazava tsara tahaka izao hita eto izao  no fitrangan’ilay fampianaram-pinoana hoe « Tendry mialoha roa sosona ». Ireto no fanontaniana mipoitra avy hatrany: Fa inona no mahatonga ny olona mandray ka mahalala ny fampianaran’i Jesoa ho anjarany? Ary inona kosa no mahatonga ny olona tsy mahazo ka tafintohina rehefa mihaino izany? Ny valin’izany fanontaniana izany dia efa nambaran’ny Tompo eto amin’ny Jao.6/65 ihany.

  • Nomen’ny Ray azy izany

Vao avy nanao fahagagana sy famantarana tamin’ny famahanana olona tsy omby dimy arivo lahy ny Tompo, dia nampianatra ny amin’ny mofonaina. Manondro ny tenany izy amin’izany. Indro indray Izy milaza hoe, ny olona mahay manatona Azy sy mety mihaino ary mahazo izay lazainy dia:

  • Taomin’ny Ray izy hanatona an’i Jesoa. Mba hahita sy handre izay lazainy (and.44).
  • Ampianarin’ny Ray izy hahalala ny zava-miafin’ny finoana satria fanahy sy fiainana izany (and.63).
  • Afaka mandray ny votoatin’ny fampianarany. Fantany fa Jesoa no Ilay Masin’ Andriamanitra (and.69).

Mahagaga tokoa izany, fa na tamin’ny andron’i Josia mpanjaka aza dia efa nahatsinjovana izany hevitra izany (ny teny hoe Josia dia teny iray fianakaviana amin’ny Jesoa). Josia vao valo taona niainana dia tonga mpanjaka. Izy no namerina ny firenen’Israely nanompo an’i Jehovah. Nanana ny Fanahin’Andriamanitra niasa tao aminy izy, ka nahalala ny tokony hatao rehetra (2Tan.34/29-33). Tamin’ny faha-20 taonany no nanaovany fanadiovana an’i Joda sy Jerosalema (2Tan.34/3e). Zaza nandray fanjakana izy kanefa naharitra 31 taona ny nanjakany sady nahatafaverina an’i Joda sy Jerosalema amin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra velona izy. Josia mpanjaka fahamarinan’ilay hoe: “Nomen’ny Ray azy izany”.

 

  • Tsy nomen’ny Ray azy ireo izany

Vao avy notenen’i Jesoa mafy ireo vahoaka nitady sy nanaraka Azy, raha vao nanontany ny faharetan’ny nahatongavan’i Jesoa (and.25-34). Fantatra araka ny fitantaran’i Jaona sy ny tenin’i Jesoa voasoratra eto fa:

  • Tia ny tenany mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra izy ireo. Ny kibony no andriamaniny (Fil.3/19).
  • Tsy mihevitra ny tena hino an’i Jesoa izyireo, fa tsy mihaino na mifantoka akory amin’ny fampianaran’ny Tompo na ny fony na ny sainy na ny fanahiny (and.41-59).
  • Tsy te-hiala amin’ny finoan-drazany izy ireo, hany ka sarotra taminy ny nandray ny fampianaran’i Jesoa. Tsy azony dia tezitra sy tafintohina izy ireo (and.60-64).

Ireto olona nanaraka sy nitady an’i Jesoa ireto no fahamarinan’ilay hoe: “Tsy nomen’ny Ray azy ireo izany”.

Mampieritreritra antsika ity tenin’i Jesoa sy ny filazan’i Jaona ato amin’ny Filazantsara nosoratany ity ny amin’ny tendry mialoha roa sosona. Nefa toa tokony hampiorina tsara ny finoantsika an’Andriamanitra noho ny teny fanambarany ny Tenany.

Aoka ny finoantsika hifantoka sy hitoetra tsara amin’ny fandraisana ny Tenin’Andriamanitra ohatra an’i Abrahama izay nandray ny teny fikasan’Andriamanitra. Andriamanitra tokoa dia mitazona ny teny fanekena nataony; sady manatanteraka izany amin’ny fotoana izay sitrany (Heb.6/13-20).

Raiso ho finoana lalimpaka ho anao izany ry Amparibe mba hitazonanao ny Famonjena.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amena.

RAHARIJAONA Solofonirina Mpitandrina

 

NY EPISTILY HO AN’NY ROMANA

SY NY TENDRY MIALOHA ROA SOSONA

Lesona VIII: Rom.8/1-13 ( Tohiny )

 

Famintinana fohy ny fanazavana teo aloha. Mbola ao anatin’ny fizarana I amin’ny epistily (Rom.1/18-8/39): Ny famonjena amin’ny finoana. Miditra amin’ny zafim-pizarana III farany. Ireto no nohazavaina tamin’izany: Ny toetra tonga hananan’ny mino – Porofo ny maha-an’i Kristy ny mino – Toro-marika hitoetra ao amin’ny vokatry ny fandresena.

Nisy tamintsika mpianakavin’ny finoana no nanana fanontaniana ka omena valiny izao.

 

VALIM-PANONTANIANA

  • Fanazavana ny teny hoe: “Ao amin’i Kristy” Rom.8/2

Milaza hevitra telo izy io farafahakeliny:

  • Toerana misy ;
  • Ny hevim-panahy fonosiny ;
  • Ny tombontsoa omeny.

 

  1. Toerana misy:

Misy tontolo roa maneho fanjakana roa samihafa: Fanjakan’ny mazava sy ny fankajan’ny maizina – tontolo eo ambany fanapahan’ny maizina sy ny tontolon’ny mazava mandray an’i Jesoa ho Tompon’ny fiainany.

Ny olona ao amin’i Kristy dia olona afaka tao amin’ny fanjakan’ny aizina teo aloha ary efa tafiditra sy voafindra ao amin’ny fanjakan’ny mazava afaka tamin’ny fatoran’ilay maizina sy ratsy ary fahavalon’Andriamanitra teo aloha.

Amin’izany ny mino dia ifandroritan’ireo fanjakana roa ireo raha mbola eto an-tany. Ny vatana  izay mbola mitondra ny nofo ota  sy ny fanahy voavonjy noho ny finoana. Ny mahavelom-panantenana anefadia izao: efa misy vokatry ny fandresena iainan’io olona mino io  na dia misy ady atrehiny hatrany aza.

 

  1. Ny hevim-panahiny fonosiny

Misy ireto efatra ireto aroso araka ny ambaran’i Paoly apostoly ao amin’ireo epistily nosoratany.

  • Milaza ny asam-pamonjena nataon’Andriamanitra tao amin’i Kristy io (Rom.3/24; 2Kor.5/19; Kol.1/15-20…)
  • Maneho ny fananana firaisana lalina amin’i Kristy izany. Toy ny fanaovana grefy.
  • Vatan’i Kristy ny Fiangonana, ka sady ao amin’i Kristy izy no itoeran’i Kristy.
  • Manambara ny fanavaozana itambaran’ny fahamarinana sy fanamasinana izy io.

 

  • Raha fehezina izy rehetra, dia voafaokan’ny teny hoe: ny olona mandray sy mahazo ny fahasoavana avy amin’Andriamanitra no voatondro, fa ao amin’i Kristy noho ny asan’ny Fanahy Masina, ka ninoany ny asam-pamonjena nataon’Andriamanitra tao amin’i Kristy:

N.B. Efa nohazavaina tamin’ny Fampianaram-pinoana, gazety Tafa, volana Aogositra 2020 – Aprily 2021 izany; ary io azo hamintinana azy.

 

  1. Ny tombontsoa omeny

Manana sata vaovao ao amin’Andriamanitra isika fa tonga zanaka voatsangan’Andriamanitra ao amin’i Kristy sady mpiara-mandova Aminy ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay.

 

  • Ny teny hoe: “Araka ny nofo” dia hita eo amin’ny Rom.8/4,5,6,7,8. Voalaza fa ny nofo mifanohitra amin’ny Fanahy eo amin’ny and.9. Ao amin’ny Gal.5/19-25, ny apostoly Paoly dia milaza ny momba ny Fanahy sy ny amin’ny nofo eo amin’ny fiainan’ny olona.

Ny tendry mialoha roa sosona

Ny lesonaVIII manontolo, dia mitarika ny saintsika hiditra sy hamantatra ny tombon-dahin’izay voatendrin’Andriamanitra ho ao amin’i Kristy. Sady sava lalana no fanazavana sahady izany no ambara eto amin’ity toko ity. Izany dia mba hahazoana mialoha ilay hevitra tena izy ao amin’ny toko manaraka.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amena.

RAHARIJAONA Solofonirina Mpitandrina

0322Mahatoky

Mamaly amin'ny faharatsiana ny Tompo

Tsianjery : « Fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no omeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka. » ISamoela 2:30b

Fa ny Andriamanitra ivavahantsika dia tsara ary mpanao ny tsara. Isika rehetra dia samy mahalala izany. Andriamanitra tsy tia ratsy Izy ka ny zavatra rehetra nohariany dia marina avokoa (Sal 5:4-6).

 

Manome toky anefa Andriamanitra fa izay manao ny sitrapony dia hotahiany mandrakariva (ISam2:35) (Jao 5:24). Fa ireo izay tsy manao izany kosa dia haringany ho mandrakizay (ISam2:28-29) (30-34).

Tsy misy marina eo imason’Andriamanitra ny olona

Ny tenin’ny Soratra Masina no efa manambara fa tsy misy marina isika olombelona eo imason’Andriamanitra (Rom3:10). Isika anefa ilay nohariany tahaka Azy anefa no minia manao ratsy mandrakariva ka antsoina hoe mpanota avokoa (Rom 3:9). Eny fa hatramin’ny teny ambarantsika aza dia mazàna ratsy avokoa (Rom3:13). Hany ka lasa tsy matahotra an’Andriamanitra isika. (Rom. 3:11;18). Toa aleontsika hatrany misafidy ilay ratsy ka mahatonga ny fanamelohan’Andriamanitra antsika izany (Jao 3:19-20).

Mandrava izay ratsy sy tsy marina Andriamanitra

Tsy mitsahatra ny Tompo mampitandrina ny olony ny amin’ireo fomba ratsy izay tsy ankasitrahany ka tena melohiny. (Lio.20:47) Satria dia vitany ny mandringana ireo minia manao ny ratsy (Gen.19:24-26) sy izay tsy mino Azy Andriamanitra (Jod. 5). Na ireo zavatra àry rehetra toy ny olona, biby eny ny tanàna iray manontolo, hatramin’ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, dia horavany avokoa (Jod. 6-7). Ary tsy misy ho afa-bela ny mpanota, hatramin’ny vehivavy sy ny ankizy, eny ny zaza am-bohoka aza, dia hiharan’ny fahoriana sy ny famaizana (Lio. 21:23). Ka na tsy ho tonga amin’ny fahafatesana aza, dia hanjo azy ny fandringanana. (ISam.2:33)

Manavotra ny olony Andriamanitra

Isika koa anefa mahalala fa Andriamanitra dia fitiavana ka mampanantena mandrakariva izy fa tsy tiany hisy ho very ny olony rehetra fa ho tonga amin’ny fibebahana (IIPet.3:9) satria sitrany indrindra ny manavotra ny olony (Gen. 19:29).

Koa na dia miodina aminy aza ka faiziny matetika dia tsy sasatra Izy Tompo ny mampitandrina sy manoro ny hevitra marina hanavotana antsika (Lio. 21:20-22). Eny mitahy mandrakariva izay manao ny marina Andriamanitra (Sal. 5:12) ary miaro ny olony amin’ireo mpampahory sy manao ratsy azy ireo. (IITes 1:6)

Fehiny

Manome safidy antsika mpanara-dia Azy  ny Tompo ; na hanaraka Azy amin’ny lalan’ny fiainana ka hanao izay tsara  rehetra araka  ny sitrapony, na hisafidy ny lalan’ny fahafatesana, raha tamàna amin’ny fanaovan-dratsy izay mitondra ho amin’ny fahaverezana. (Jer. 21:8-10; Jao 5:29).

Iza amintsika anefa no tsy manantena handova Ilay lanitra vaovao sy tany vaovao izay itoeran’ny fahamarinana (IIPet3:13)?  Koa aza misalasala ary fa Izy Andriamanitra no efa mananatra antsika fa Izay manao ny marina sy mino an’i Jesoa Kristy ho Tompo no hahazo famonjena (Jao. 3:18;21).

Dia ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen!

                 Vaomieran’ny Aim-Panahy

Tantaram-piangonana

Ny hiram-pivavahana sy ny fivoarany

«Fadio ny fanao ratsy rehetra»
ITesaloniana 5 : 22

Tsy mitovy ary tsy mety sahala amin’ny hira ao anatin’ny fihirana fanampiny ny hira ao anatin’ny fihiranan’ny Sampana Vokovoko Manga. Araka ny efa voalazantsika tamin’ny laharana teo aloha rehetra, dia sampana eken’ny besinimaro ny Sampana Vokovoko Manga, saingy tsy idirany fotsiny.

Nahoana ary ? Satria tsy vitsy amin’ny mpianakavin’ny finoana no mbola misotro na dia tsy isan’andro aza, mainka moa izay hoe : “hihira ny hiran’ny Sampana Vokovoko Manga no hatao mandrakariva !”

Rehefa nohavaozina anefa ny boki-kira fihirana Vokovoko Manga, edisiona taona 1981, dia ho gaga isika raha mahita fa tena sangan’asa literatiora kristiana tonga lafatra no voarakitra ao, ary Mpitandrina nanana ny lazany sy ny fanomezam-pahasoavana manokana no nanoratra ny tononkira rehetra ao anatiny.

Roa ihany sisa ny Misionera nanao tononkira tafiditra ao anatin’ny fihirana Vokovoko Manga, dia Mlle Evans sy Rev W. E Cousins fa ny sisa koa dia Mpitandrina sy Mpanakanto kristiana nanana ny maha izy azy tao anatin’ny Sampana Vokovoko Manga avokoa.

Ho lava ny tantara raha ireo hira 142 rehetra no hotantaraina, satria tena samy manana ny maha izy azy avokoa izy rehetra, nefa hosinganina manokana izay tena miavaka sy manana ny akony mivantana amin’ny fiainana kristiana, satria tena manana tanjona mazava amin’ny ady atao, fa mampirisika kosa, hisotroana ny rano madio, araka ny hira laharana faha 8 manao hoe : “Hé! Ny hasoan’ny rano eny Ankaratra” (8) nosoratan-dRAZANAKA.

Tantara an-kira milanto sady mirindra ny hira laharana faha 37, “Dada, ry Dada malala, modia” izay tena sentom-pon’ny vady aman-janaka kanto tokoa, mitrotro am-bavaka ny raim-pianakaviana voafatotry ny zava-pisotro mahamamo, ka maha fadiranovana ny ankohonana.

Ny tena mahafinaritra amin’izao fahavitan’ny fihirana taona 1981 izao, dia ny fitovian’ny feon-kira amin’ny hira iraisam-pirenena efa iainantsika ao amin’ny fihirana FFPM rahateo, ka tsy sahirana ny vahoaka kristiana amin’ny fikaloana azy. Toy izany izao ny hira VVM laharana faha 59 izay mitovy feo amin’ny hira laharana faha 611.

Ny tokonkira dia mitondra ny lohateny hoe : “He, misy manda mafy iray” izay nifandrimbonan’ny mpanoratra telo dia JBD Rakotondranisa sy Ramarolahy Jaona Nirina ary Ndretsa Rakotobe. Koa raha vakina izany ny tononkira izany dia fampaherezana tonga lafatra tokoa no ambarany. Fa hoy ny andininy voalohany :

“He misy manda mafy iray

Hianihintsika izao

Ka miomana mba handray

NY fiadianao

Mamikitra mamahatra

Ireo mpitana azy ao

Ka miomana fatratra

Hanafaka azy ireo”

Hitantsika araka izany, fa tsy tokonkira fandrabirabiana ny mpisotro toaka tahaka izay voarakitra tany amin’ny fihirana voalohany akory, no iainantsika ao amin’ny Sampana Vokovoko Manga ankehitriny, fa tena hira nivoatra, ary tena manaraka ny foto-pisainana miady amin-panajana sy amim-pitiavana hanafaka ny hafa tokoa Raha heverina manokana indray ny tononkiram-bavaka voarakitra ao amin’ny fihirana Vokovoko Manga laharana faha 86, izay nosoratan’Atoa Ramasitera Théodore mitondra ny lohateny hoe : “Mifona aminao, mivalo re!” sy ny laharana faha 87 mitondra ny lohateny hoe : “Ny mason’i Jehovah tsy takona aminay”, dia hotsapantsika fa vavaka fitalahoana irariana ny soa ho an’ny hafa izany.

Ary ity farany ity aza, dia tononkira norantovina avy ao amin’ny Soratra Masina avokoa dia ny ndininy faharoa avy amin’ny Eksodosy 13 : 21 sy Jeremia 16 : 17 ary ny andininy fahatelo avy ao amin’ny Isaia 6 : 3 sy Apokalpsy 7 : 11 – 12.

Fa tena ara-bakiteny ny fivoaran’ny hiram-pivavahana raha ny hira laharana faha 122 ao amin’ny fihirana Vokovoko Manga no heverina. Lasa tafiditra ao amin’ny fihirana FFPM laharana faha 355 izy ankehitriny dia ilay mitondra ny lohateny hoe : “Ry namako mahantra”

Izao no tantarany izay tsara ho fantatry ny mpianakavin’ny finoana ankehitriny: feon-kira vahiny izy io, izay noforonin’i W. H DOANE (1832 – 1915), fa nasian’Andrianaivoravelona (Rainy) tonony izay nohiraina tamin’ny fanorenana ny “Fikambanan’ny vehivavy mpifady toaka”, tao amin’ny Sekoly Gilpin (Ampandrana) tamin’ny faha 6 febroary 1893.

Ny teny ho “Toaka” no novain’ny komitin’ny fihirana taty aoriana, ka nataony hoe “OTA”, fa ny voarakitra ao anatin’ny fihirana Vokovoko Manga dia tsy mbola miova akory.

Andrianaivoravelona tenany no nitarika ny fivoriana tamin’io andro fanokafana io, ary natrehin’ny manam-pahefana fahizay. Toy izao no voarakitra ao anaty tononkira :

1- Ry namako mahantra, manaram-po izao,

Ny toaka no mandratra, sao simba ianao

Izay anao rehetra, ho lasa avokoa

Fa tsy mba misy fetra, ho levona avokoa.

 

2- Ny Tompo malahelo, tsy foiny ianao

Ny feo mamelovelo, mibitsika aminao

Onena anao ny fony, ka mitaraina hoe:

“ny toaka ajanony, mba ajanony re!”

Mbola hotohizana

Rajaofetra John