Alahady 27 Febroary 2022

ALAHADY 27 FEBROARY 2022
“MITANA NY TENINY NY TOMPO”

Alahady fahaefatra
“Ary Jehovah namangy an’ i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon’ i Jehovah tamin’ i Saraha araka ilay efa noteneniny…”
Genesisy 21: 1-8

Misaotra ny Tompo isika fa afaka niombom-bavaka teto amin’ny tempolin’Andriamanitra  indray androany alahady 27 febroary 2022. Alahady farany amin’ity volana febroary ity izay mbola hibanjinantsika eto amin’ny sahan’ny FJKM ny lohahevitra hoe : “Mitana ny Teniny Ny Tompo.”

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitarika ny fanompoam-pivavahana.

Ny Mpitandrina Andrianaivomanana Willy Johnson, Mpitandrina miana-draharaha eto anivon’ny Fitandremana, no nitory ny Tenin’Andriamanitra. Azo henoina ato ny hafatra.

FANOMBOHANA NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Raha niatrika izao fotoana izao ny Fiangonana dia mbola nampahatsiahivin’ny mpitarika tao anatin’ny fiarahabana ny lohahevitra banjinina ho fitaizam-panahy nandritra ity volana febroary ity.

Ny litorjia fahatelo nampiasaina teto amin’ny sahan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara no notanterahina.

Nisy ny fivoriana ankatoky ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo, taorian’ ny fanompoam-pivavahana.

FISAORANA SY FIDERANA

Ny Salamo faha 25:1-5 no nentin’ny mpianakavin’ny finoana nisaotra sy nidera  ny anaran’Andriamanitra : “Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko. Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian’ ny fahavaloko aho.

Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.

Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.

Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.” Amen.

Rehefa izany dia nasandratra ho fiderana ny hira FFPM 8 “Dera, Laza, Hery, Haja”

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

“Ry Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina o!, telo Ianao nefa tokana ihany. Ary fomba mahagaga no nanehoana izany fahafenoanao izany sy ny fahatanterahan’ny Famonjena. Indreto izahay Tompo o! Midera Anao, mankalaza Anao, manome voninahitra Anao, fa ny fahasoavanao no maha toy izao anay.

Mitahiry anay ho velona tra-pamonjena ary mitaona anay ho tonga eto amin’ity vavahadin’ny lanitra ity Ianao, hanatanteraka izao fanompoana masina izao. Mangataka Aminao izahay ny hanatrehinao feno izao fanompoam-pivavahana izao, ny hanamasinanao izany ka izahay izay tonga manatrika izao fotoana izao dia tsy ho diso zava-tsoa avy Aminao, fa handray araka ny tandrify azy avy. Entinay amim-bavaka ihany koa  ireo izay mbola eny an-dàlana mba ho tonga soa eto amin’ity toerana masina ity, hiombona aina sy hiara-hanandra-peo, hanome voninahitra Anao ary hanao izao fanompoana izao. Manantena izahay fa eto anivonay rahateo Ianao. Anao ny laza sy ny voninahitra izay efa Anao hatramin’izay ary ho Anao mandrakizay. Amen.”

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Andriamampianina Naivo, mpampianatra ao amin’ny K9, no nitondra ny fotoana.

Ny Teny araka ny Jaona 3:16:  » Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” no nitondrana ny fampianarana.

Notsiahivin’ny tompon’anjara moa fa vao tsy ela akory izay isika no nankalaza ny Fetin’ny mpivady sy ny mpifankatia ary koa ny Herinandron’ny ankohonana.

Nisy ny fanontaniana napetrany  ny amin’izay fanomezana tsara indrindra tsaroanao fa noraisinao teo amin’ny androm-piainanao… Samy mamaly an’eritreritra ny tsirairay.

Nisy ny tatitra kely  izay nitantara ilay fanomezana nomen’ny lehilahy iray ny vadiny. Rehefa natolotr’ilay rangaha ilay fanomezana dia tsy nahafaly ilay ramatoa, ka natsipiny teny amin’ny arabe. Raha lasa nitsimpona izany  tany amin’ny arabe anefa ilay rangahy no indro fa nodomin’ny fiara izy ka maty tery,  koa fanenenana no naterak’izany ho an’ilay ramatoa.

Izao no hafatra araka ny Jaona 3:16: Tia antsika Jesoa dia Izy ilay fanomezana natolotr’Andriamanitra ho antsika; hapetraho eo Aminy ny fanahiana rehetra fa Izy handamina ny lalantsika.

Taorian’izany dia natao ny hira FFPM 775:1 “Ry Jesosy Tomponay”, notohizina tamin’ny vavaka.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mialoha ny famakiana ny Soratra Masina dia mbola niarahan’ny mpianakavin’ny finoana noredomina ny hira FFPM 175:1;4 “Avia, Fanahy o!”

Ireo diakona tompon’anjara, ao amin’ny Vaomieran’ny Vola, Rakotondramboa Johary sy Rakotondramboa Riana no nitari-bavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina sy namaky ny Teny. Ny perikopa voalahatra novakiana dia araka izay hita ao amin’ny Genesisy 21:1-8, Lioka 1:34-38, Hebreo 11:11-12.

Teo am-pitsanganana no niarahan’ny Fiangonana natao ny hira FFPM 243:1-2Mivory eto izahay”. Rehefa izany dia niroso tamin’ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra ny Mpitandrina.

TORITENY

Ny Mpitandrina miana-draharaha Andrianaivomanana Willy Johnson no nitondra ny Tenin’Andriamanitra  tamin’ny fitoriana izany.

Ny Genesisy 21:1-8  no nitondrana ny hafatra .

Ity perikopa ity dia miresaka ny fahaterahan’Isaka ary koa ny fahatanterahan’ny Tenin’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy Isaka.

Isaka  = Fifaliana , Fihomehezana

Andeha omena lohahevitra izao hafatra izao dia ny hoe : Ny loharanom-pifaliana

Misy zanakevitra roa no hojerena ao anatin’izany:

1-Ny loharanom-pifaliana dia ny nanatanterahin’Andriamanitra ny Teniny tamin’ny mpanompony (and.1 -7)

Andriamanitra dia niteny tamin’i Abrahama sy Saraha  (Genesisy 18:9-15), ary dia notanterahin’Andriamanitra tokoa ny teny nomeny azy.

Ny teny nolazain’Andriamanitra (Heb. “Amare” ) dia mitovy dika amin’ny teny ao amin’ny Genesisy 1 tamin’ny namoron’Andriamanitra izao Tontolo izao. Ny hevitr’io “Amare” io dia teny fiainana, teny manorina. Izany dia mifamatotra amin’izay voalaza araka ny Jaona 1:1.

Ny teny eto dia teny miteraka fiainana sy aina. Tanteraka teo amin’i Jesoa Kristy izany dia Izy Ilay Teny fiainana, Izy  Ilay Teny tonga nofo.

Andriamanitra dia miteny amintsika ary izany Tenin’Andriamanitra izany dia tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy ho famonjena ho ahy sy ho anao ary famonjena mandrakizay no natolony antsika.

Mety mandalo olana sy ady sarotra isika kanefa tsarovy fa Andriamanitra dia miandany amintsika ary manatanteraka ny Teny fikasany amintsika ao amin’i Jesoa Kristy. Hinoy Jesoa Kristy dia raiso ny Teniny dia hiaino amin’ny finoana fa hisy  fifaliana amin’ny tenantsika.

2- loharanom-pifaliana ny fanolorantena ho an’Andriamanitra (And. 4, and. 8)

Eo amin’ny and. 1-3 dia hitantsika fa Andriamanitra no manao ny asa sy manatanteraka ny Teniny.

Fa eo amin’ny and. 4, and. 8 kosa dia  Abrahama no manatanteraka ny hetsika.

Ao amin’ny Genesisy 17:9-11 no ahitantsika ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama.

Nambaran’Andriamanitra fa amin’i Abrahama no hitahiana ny firenena rehetra, ary dia nomen’Andriamanitra an’Isaka izy. Rehefa nozahan-toetra anefa Abrahama dia nahafoy an’ Isaka mba hatolotra an’Andriamanitra. Nafoin’i Abrahama ho an’Andriamanitra ilay tsara indrindra teo aminy. Io dia tandindon’ny fahafoizan’Andriamanitra kosa an’i Jesoa Kristy ho famonjena antsika. Nanolotra ny ainy ho ahy sy ho anao. Nahafoy ny toerana maha-Andriamanitra Azy, tonga olombelona mba hamonjena ahy sy ianao. Jesoa Kristy izany no modelin’ny fanolorantena.

Ny endrika famorana izay notanterahina tamin’Isaka raha natolotra ho an’Andriamanitra izy, araka ny Fanekena taloha dia maneho kosa ny batisa araka ny Fanekena vaovao. Amin’ny fanatanterahina ny batisa dia misy ireo fanekena izay tanterahintsika ao anatin’izany, saingy tena manana fahafoizantena sy fanolorantena tokoa ve isika amin’izany?

I Paoly dia nanafatra araka ny 1 Petera 2:5 “Aoka ny tenanareo atolotrareo ho fanatitra velona,masina,sitrak’Andriamanitra”. Ny fanolorantenantsika no zava-dehibe amin’Andriamanitra.

Ndeha ary isika tena hanolotena ho an’Andriamanitra. Atolory ho Azy ny fonao.

Ho an’Andriamanitra ny voninahitra.

VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

“Ry Andriamanitra Rainay Izay any an-danitra ô! Rainay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay, nahafoy ny ainy ho famonjena anay mba hanananay anjara ho amin’ny fiainana mandrakizay. Ndreto izahay vao avy nandre ny Teninao. Lasa saina sy mitebiteby fanahy nefa Ianao dia efa nanambara fa Loharanon’ny fifaliana Ianao, Andriamanitra manatanteraka ny Teny izay efa nambaranao .

Koa tokony hahatanteraka kosa ny fanolorantenanay izahay tahaka ny nataon’i Abrahama sy Saraha tamin’Isaka zanany dia ilay fanomezan-tsarobidy natolotrao ho azy. Indreto izahay Tompo o! Mba inona teo amin’ny fiainanay moa no nahatsapanay fa  niseho tahaka izany? Fantatray tokoa fa  izay nampalahelo Anao aza no setriny nataonay, rehefa nomenao fifaliana izahay. Mahatsiaro tokoa izahay fa Ianao no manome ny tsara fa ny valiny mifanohitra amin’izany no notanterahinay. Indreto izahay mifona Aminao, mibebaka Aminao, mangataka ny famindramponao mba hamela ny helokay. Mpanompo tsy mahasoa izahay. Izay ratsy teo anatrehanao no vitanay. Ataovy mitodika Aminao izahay ary ataovy mahatoky fa mitàna ny Teninao Ianao Ry Andriamanitra miantra sy mamindra fo ary mamela heloka isan’andro. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy , fanehoam-pitiavana feno sy tanteraka, no hanaovanay izany vavaka izany. Amen”

Taorian’ny vavaka dia natao ny hira FFPM 403:1 “Ry Jesoa Tompo Tsara o!” ary rehefa izany dia natolotra ny Teny famelankeloka.

TENY FAMELANKELOKA

Izao no Teny famelankeloka avy amin’ny Tompo, noraisin’ny Fiangonana: “Izaho efa nandevona ny fahotanao tahaka ny fandevona ny zavona ary efa nandevona ny heloka tahaka ny fandevona ny rahona; miverena Amiko fa efa nanavotra anao Aho; fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very. Voavela ny helokareo noho ny Anarany Masina.”

 

Natao ny hira FFPM 480:1 “Mamin’ ny Foko.”

Nanambara ny finoany tamin’ny fanononana ny Fanekempinoana faha 4 ny Fiangonana.

 RAHARAHAN’NY FIANGONANA

Amparibe Famonjena: “Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo »

 

Ny Jaona 15: 9-11 no nentin’ny Biraom-piangonana Mamy Razafimaharo niarahaba ny mpianakavin’ny finoana.

Avy any ivelany:

  • Fiombonam-bavaka eny Andrainarivo Fahasoavana tanterahin’ny Foibe androany alahady 27 febroary 2022  amin’ny 2.30 ora,  ho fitondrana amim-bavaka ny firenena manoloana ny voina samihafa.
  • Hetsika fizahana maso andiany faharoa ny sabotsy 5 sy 26 martsa noho ny faha 30 taonan’ny SAMPATI Ambatonakanga. Misy ny sara-pizahana.

Eto an-toerana:

  • Fivorian’ny Vaomieran’ny Fifandraisana ny alarobia faha 2 martsa 2022 amin’ny 5.30 ora hariva eto amin’ny tananan’ny Fiangonana.
  • Fivorian’ny Komitin’ny Fisotroan-drononon’ny Mpitandrina ny talata 01 martsa 2022 amin’ny 5.30 ora hariva eto amin’ny tananan’ny Fiangonana.
  • Fivorian’ny Sampana Dorkasy ny talata 01 martsa 2022 amin’ny 2 ora tolakandro. Hisy ny asa sy fampaherezana.
  • Hiverina ny fitaizana ireo ankizy ao amin’ny Rantsana Fanantenana  ny sabotsy 05 martsa izao.

Hafatry ny Mpitandrina

Nisaotra an’Andriamanitra noho ity fotoana ity.

Nanentana ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo hiditra SETELA sy FITELA.

Nitondra am-bavaka ny fiofanan’ny tomponandraikitra ny sabotsy 12 martsa 2022.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Ny Biraom-piangonana Ralaindimby Haja no namaky ireo voady sy raki-pisaorana

Nisy ny fianakaviana nisaotra an’Andriamanitra, nanatanteraka ny voadiny noho ny soa sesehena nomen’Andriamanitra azy. Mangataka ho an’ny fiainan-tokantranony, ny fianaran’ny zanany, ny asa aman-draharaha.

Nisy ny raim-pianakaviana nahatsiaro ny fitahiana sy ny valim-bavaka noraisiny tamin’ny Tompo.

Nisy ny nangata-bavaka tamin’ny Fiangonana fa hanala fanadinana amin’ity herinandro ity.

Ny hiran’ny RFF “Tompo o, fantatrao”  sy ny hira FFPM 515:1 “Tsara lova, ry Jesoa o!” ary ny 627:1 “Vimbino tsara izahay” no nangatahin’ireo nanao voady sy raki-pisaorana.

 

Ny hira FFPM 437:3Mba Raisonao Ry Tompo” no notanterahina ho fanolorana ny rakitra

ASA VAVOLOMBELONA

Natao ny hira FFPM 248:1 “Nitondra ny zaza.”

Ny Asa Vavolombelona notanterahin’ny Fiangonana dia ny Sakramentan’ny Batisa ho an’ny zaza Rakotondramboa Misandratra teraka ny 22 aogositra 2018, zana-dRakotondramboa Heritiana sy Faniry.

Nanatanteraka ny anjara hirany ny Rindra Fanatanjahantena sy Fialamboly (RFF), tamin’ny alalan’ny hira hoe : “Jesoa Sakaizanay”.

 VAVAKA FANGATAHANA

Teo amin’ny vavaka fangatahana no nanehoana fa ny Andriamanitsika dia Andriamanitra mitana ny Teniny sy manome fifaliana ary manatanteraka ny Teniny.

Nivavaka ho an’ny Fiangonana sy ho an’ny mpitondra Fiangonana, ireo akany sy toby samihafa.

Nivavaka ho an’ny Foibe FJKM.

Nivavaka ho an’ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena sy ny zanaka ampielezana., ny asan’ny Fiangonana sy ny hetsiky ny rafitra manatanteraka ny fankalazana an’Andriamanitra.

Nivavaka ho an’ny Komitin’ny fisotron-drononon’ny Mpitandrina

Nivavaka ho amin’ny fiverenan’ny mpianakavin’ny finoana miombom-bavaka indray.

Nivavaka ho an’ny sahirana sy  ny marary ary ireo azon’ny manjo, ireo traboina very asa sy tsy manan-kialofana.

Napetraka tamin’ny Tompo ireo olona izay nangata-bavaka  sy nanao voady.

FAMARANANA NY FOTOANA

Notanterahina ny hira FFPM 599:2 “O, Ry Jesosy mifaly ny foko” ary taorian’izany no notononina ny Tondrozotra 2022 . Natolotra ny tsodrano ary ny hira FFPM 312:3 “Mitoera, ry Jesosy!  no namaranana ny fotoana.

Ny dera sy ny laza ary ny voninahitra anie ho an’ Andriamanitra irery.

Alahady 20 Febroary 2022

ALAHADY 20 FEBROARY 2022 “MITANA NY TENINY NY TOMPO”
Ivombokatry ny Vondrona manambatra ny fanomezam-pahasoavana (VMFP)

« Paoly, mpanompon’Andriamanitra sy Apostolin’i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan’ny olom-boafidin’Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, »

Eo amin’ny sehatry ny FJKM dia Alahadin’ny Arsiva ny andro anio ary alahady fahafito manaraka ny Epifania. Andrianasy Fanja, Diakona, Filohan’ny VMFP, no nitarika ny fotoana ary ny litorjia amin’ny endriny fahatelo no nanatanterahina izany.

Nandray vahiny ny Fitandremana anio, ny Mpitandrina Lazandrainy Martin, mpampianatra eo amin’ny Toeram-Pampianarana Mpitandrina, TPM Fianarantsoa, izay nitondra ny hafatra ihany koa. Natolotra mialoha izy, amin’ny maha litorjia endriny fahatelo ny fotoana. 

Azo henoina ato ny hafatra

FIANTSOANA SY FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Teo am-pitsanganana no nanao ny fiderana an’Andriamanitra ny Fiangonana tamin’ny famakiana ny Salamo 84:1-2 ; 11-12. Nohiraina ny FF 13 « Mihira fihiram-baovao » taorian’izany.

Natao avy eo ny vavaka sy ny fisaorana. Nisaotra ny Tompo ny mpitarika, noho ny fahatratrarana izao fotoana izao, nidera sy nitsaoka Azy.

Nisy ny feon-java-maneno rehefa vita izany.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Manitra Pulchérie Felaniana, mpampianatra ao amin’ny K5, no nitondra ny hafatra. Nanomboka tamin’ny vavaka ny mpitarika. Nanamarika ny herinandron’ny fianakaviana isika ka ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka no noresahina.

Kolosiana 3:20 « Hianareo zanaka, maneke ny tomponareo … ».

Notohizany tamin’ny tantara izany. Nangataka hono ity zanany mba tsy helingelenina rehefa milalao, fa avela hanao izay tiany aloha ary tsy ho antsoina hoe « Ndao hisakafo » na hoe « Ndao hianatra amin’izay ». Eny ary, hoy ireto ray aman-dreniny. Ny rainy dia nilaza koa hoe : «  Aleo tsy hiasa intsony fa hijanona ao an-trano foana ». Ny reniny koa dia nilaza fa « Aleo handeha hiala sasatra foana fa tsy hikarakara tokantrano intsony ». « Tsy mety indray izany » hoy ity zanany, satria dia tsy hisy hikarakara sy hamelona izy raha izany no mitranga.

Manana ny anjara toerany ny tsirairay ao an-tokantrano. Ny ray aman-dreny natao hitaiza, hikolokolo hanabe ny zanany, ary ny zanaka natao hanaiky izay lazain’ny ray aman-dreny.

Nitsangana ny Fianakaviamben’ny Sekoly alahady ka nanao ny hira FFPM 761:2 « Maniry izahay Jesoa  » ary narahiny vavaka izany.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Natao ny hira FFPM 226 « Tompo ô, mba te hihaona » ho fanomanana ny amin’ny vakiteny sy handraisana ny hafatra.

Ny diakona Rakotomalala Harizo no nanao ny vavaka, Ramahandry Hanitra no namaky ny Testamenta taloha ary Rakotonarivo Sitraka kosa no namaky ny Testamenta vaovao.

Ny perikopa anio dia ny Nomery 23 : 16 – 24, Jaona 16 : 19 – 24, Titosy 1 : 1 – 4.

Natao ny hira FFPM 176 : 1, 2, 3 « Avia Fanahy masina » mialoha ny toriteny.

TORITENY

Natomboka tamin’ny vavaka ny hafatra izay nentin’ny Mpitandrina Lazandrainy Martin,   izay nisolo toerana ny Mpitandrina Rakondramanana Jaona noho ny tsy fahafahany.

Ny boky ao amin’ny no Titosy 1:1-2 : « Paoly, mpanompon’Andriamanitra sy Apostolin’i Kristy hampandroso ny finoan’ny olomboafidin’Andriamanitra …. » nitondrana ny hafatra.

Ny VMFP, dia vondrona hampiraisana ny hery ao amin’ny Fiangonana, mba tsy hisy hiteny intsony hoe « Andraso eo i Paoly ». Ny olona rehetra dia samy tokony hitondra ny anjara birikiny avokoa satria samy manana ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra.

Manome ohatra mihitsy i Paoly eto, izy izay mpanompon’Andriamanitra. Izy eto dia « à la disposition » an’Andriamanitra ».

Paoly dia nanaiky fa tsy nisy izy raha tsy teo Andriamanitra ary vonona hanao izay hampanaovin’ny Tompo azy na inona na inona.

Paoly, raha tena ara-bakiteny dia andevon’Andriamanitra. Tokony tsy hanana fitsaharana ny fanaovana ny asan’Andriamanitra satria izy no mpanompo. Mandra-pahatapitry ny baiko dia manatanteraka asa foana. 

Eo anatrehan’Andriamanitra dia tsy afaka miteny izay maha izy anao akory ianao, satria dia mpanota eo anatrehany.

Ny olona tena manolo-tena dia manafoana ny tenany, ka manaiky izay iraka ampanaovin’Andriamanitra. Nataony ohatra ihany koa moa ny tantaran’i Maria, renin’i Jesoa. Izy dia nanaiky ho « à la disposition » an’ny Tompo ny amin’izay ilan’ny Tompo azy.

Betsaka ny olona no miandry fotoana vao hanaraka sy hamaly ny andron’ny Tompo nefa dia an’Andriamanitra avokoa izay rehetra momba anao rehetra.

I Korintiana 15:9-10 : « Fa izaho dia ambany indrindra amin’ny Apostoly ka tsy mendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra aho ».

Ny tanana, ny tongotra, ny fanomezam-pahasoavana hanananao dia an’Andriamanitra avokoa. Mila manatona ny Tompo ianao satria maro ny asa tokony hotanterahina. Ndao hiasa, hoy ny Mpitandrina.

Nilaza tantara niarahany tamin’ny olona iray, izay nanana fikasana marobe, moa ny Mpitandrina. Narary teo  am-pandriana anefa ilay olona. Maty izy avy eo, ka tsy nisy tanteraka ny fikasana rehetra. Tokony hanararaotra hanao ny asa isika dieny mbola afaka manao izany.

Tokony hampiasa ny « moyens »  rehetra isika hanaovana ny asany dieny mbola afaka manatanteraka izany. Ny herin’Andriamanitra dia miaraka aminao foana rehefa mazoto ianao manatanteraka ny asany.

Raha tanteraka izany hoy ny Mpitandrina dia tena Amparibe Famonjena tokoa isika, mendrika izany anarana entintsika izany.

Ndao hitory ny Filazantsara, hoy ny Mpitandrina ka hanatanteraka ny baikon’ny Tompo. Tsy voatery hieritreritra ny hafa foana, raha te handroso. Raha olona vitsy no manaiky hanaraka ny Tompo dia misy vokany lehibe izany, na eo amin’ny Fiangonana na eo amin’ny  firenena.

Ny tanjon’i Paoly koa dia ny hampandroso ny finoana ho an’ny olom-boafidin’Andriamanitra.

Ilay talenta hanananao ka hampiasainao, dia mety hanova ny fon’ny olona. Mety io no ampiasain’Andriamanitra hanatanterahina ny asany.

Ny tanjona dia ny hahatonga ny olona handroso amin’y finoana ka hanana ny fiainana mandrakizay.

Sarobidy ny fiantsoana sy ny hifidianan’Andriamanitra anao, mba ho ianao ilay mpanompo mahatoky sy mandova ny fiainana mandrakizay. Firy taona no naha Mpandray anao? Naha diakona anao? Fa firy no voataonanao hanatona ny Tompo ?

Mila mitandrina isika ny amin’ny fitondrantenantsika, sao manko isika indray no hampihemotra ny hafa ka mila tandrovina izany.

Zakaria 8:23b  » …mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra ».

Misy tokoa mantsy ny olona mijery anao, ary dia manapa-kevitra fa hanara-dia ny Tompo noho ny fahitany ny momba anao. Mety maloto fiteny sy fisainana ny olona iray, ka mampihemotra ny hafa ny amin’ny fanatonana ny Tompo. Mety ho fitafy, na zava-pisotro dia mety hampiova fo ny olona iray.

Araraoty izay azo atao dieny mbola afaka manao izany ianao, mba hahatonga ny olona hanana ny fiainana mandrakizay. Ianao izao ilay mpiara-miasa amin’Andriamanitra, ka dia tontosay ny baikony ary ataovy tanjona izany.

VAVAKA FIFONANA

Noho izany sitrapon’Andriamanitra izany dia nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika. Andriamanitra mitana ny Teniny ny Tompo, ka  tokony hanolo-tena isika hoy izy tanatin’ ny vavaka, mba hahatanteraka izany. Nifona izy noho izany fitondrantena tsy mendrika sy tsy fahatanterahin’izany baikon’ny Tompo izany.

Natao ny hira FF 37:3 « Ny fisainanay izay kely «  taorian’izany. 

Nanonona ny Teny famelan-keloka ny mpitarika izay nalaina tao amin’ny  Jaona 5 :24 ; Jaona 3 :1 ; Romana 8:1 ; Efesiana 2:8 ; Romana 6 :23b.

Natao ny hira FFPM 36:1 « Moa ho haiko tantaraina » ary niara-nanonona ny Fanekempinoana laharana fahatelo ny Fiangonana.

TATITR’ASA VMFP

Nanao ny tatitry ny asa vita Rajaonah Rovatiana. Anisan’ny voalaza tamin’izany ireto manaraka ireto :

– Fandraisana anjara amin’ny lahatsoratra gazety Taratry ny Famonjena (Kabary, Fanomezam-pahasoavana, Pejin’ny fahasalamana…),

– Tafika masina tany Ambohipiara sy teto anivon’ny Fiangonana,

– Fiandrasan-draharaha ara-pahasalamana,

– Nanohana ny TPM Fianarantsoa,

– Nandrindra ny hetsika nandritra ny herinandrom-bokatra 14/02 hatramin’ny 20/02.

Ireo asa miandry kosa dia anisan’ny voalaza ireto manaraka ireto :

– Velankevitra hiadiana amin’ny zava-mahadomelina,

– « Cours de soutien » ho an’ireo mpianatra hanala fanadinana,

– Fizarana traikefa samihafa.

Nanatanteraka ny  hira fanevany ny VMFP niaraka tamin’ny AKAFITA (Akany Fitaizana Tangaina)

VAOVAOM-PIANGONANA

Nanambara ny raharahan’ny Fiangonana ny Biraom-piangonana Razafimaharo Mamy. Anisan’ny voalaza tamin’izany ireto manaraka ireto :

– Foibe Fjkm : fotoam-pivavahana manoloana ny voina samihafa, FJKM Andrainarivo,

– Ivon’ny faha 200 taona nahatongavan’ny misionera, talata 2ora30 eny Ambohidratrimo,

– Ny rakitra sy voady ary adidy isan-karazany dia nahatratra 4 262 400 Ar.

– Ny AFF dia nanao taratasy fisaorana fa tontosa soa aman-tsara ny fankalazana ny « Mpivady mifankatia ». Nisy ny asa vavolombelona, ny zaza Radimiarilalao Sandriana no nandray ny sakramentan’ny Batisa.

Fanentanan’ny Mpitandrina

Nisaotra ny VMFP noho ny herinandro Mpivady mifankatia. Niarahaba ny AKAFITA (Akany Fitaizana Tangaina) izy ary indrindra ireo ray aman-dreny mpitaiza. Manentana ny Mpandray hanohy ny fahalalana ny amin’ny Baiboly sy finoana : Setela, Fitela. Nanentana ny hitondra amim-bavaka ireo komity manao fankalazana an’Andriamanitra noho ny tsingerintaona.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Roa no voady voaray izay nangataka ny hira FFPM 808 : 1 « Eo an-tratranao Jesosy » sy ny FF 48 : 1 « Andriamanitra fitiavana ».

Ho fanolorana ny rakitra dia natao ny hira FFPM 45 : 4 : »Ry Tomponay mandraisa »

Nanao anjara hira ny AKAFITA taorian’izany.

ASA VAVOLOMBELONA

Natao ny hira FFPM 808 : 2 « Mampifaly ahy koa »  sady nandroso ireo fianakaviana sy ny zaza hatao Batisa,  Radimiarilalao Sandriana Andriatsiavonana. Ny ray aman-dreniny ihany no niantoka azy.

 Nanao ny anjara hirany ny STK « Misaotra anao » taorian’izany.

VAVAKA FANGATAHANA

Natao ny vavaka fangataham-pitahiana. Nisaotra noho ny Teny sy ny hafatra ny Mpitandrina. Mila mianatra ny apostoly Paoly izahay, hoy izy, mba hampandroso ny finoana.

Mba hahatanteraka ny vina « Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara » dia tokony hanatanteraka izany hafatra izany izahay, hoy ny Mpitandrina tao anaty vavaka.

Netina tamim-bavaka ny Arsiva FJKM, izay mitahiry ny maha izy azy ny FJKM, mba ho fantatry ny taranaka fara mandimby ny tantarany. Nentina tamim-bavaka ny Mpitandrina izay nitondra ny hafatra ; toy izany koa ny hafatra nozaraina mba tsy ho very maina. Nentina tamim-bavaka ny VMFP, ny akany Fialofana Tangaina izay miara- manatrika ny fotoana. Nentina tamim-bavaka ny tomponandraikitra, ho tena akany Fialofana tokoa ny asan’ny Fiangonana. Nangatahina ny hiverenan’ny kristiana ato amin’ny Fiangonana ary nentina amim-bavaka ireo traboina.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao ny hira FF 16 : « Tsy izany no ilaina ». Novakiana ny tondrozotra, ary natolotra ny tsodrano. Natao ny andininy faharoa tamin’ny hira  FF 16. Nofaranana tamin’ny Trinite Masina izany.

 

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Ranaivoson Jacky

Nikirakira fafana : Rabiazamaholy Mahery

Nikirakira fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto

Naka sary : Randriamampianina Faneva

Nandray an-tsoratra : Robel Hanitra

Alahady 13 Febroary 2022

ALAHADY 13 FEBROARY 2022
“MITANA NY TENINY NY TOMPO”
Alahady faharoa
Alahadin’ny Baiboly
« Fa na firy na firy ny Teny fikasan'Andriamanitra, dia ao Aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay. » 2 Korintiana 1:20

Alahady narindran’ny Vaomieran’ny Aim-Panahy sy ny Fikambanan’ny Mpitoriteny sy Katekista ity alahady ity ary indrindra koa  alahadin’ny Baiboly.

Ny lohahevitra banjinina eo amin’ny sahan’ny FJKM mandritra ity volana febroary ity dia hoe « Mitana ny Teniny ny Tompo »

Ny Diakona Razafimbelo Holy no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina miza-draharaha Andrianaivomanana Willy Johnson no nitondra ny Tenin’Andriamanitra.

Ny litorjia endriny faharoa no narahina.

Noho ny fandalovan’ny rivodoza Batsiray dia tsy afaka niara-niombom-bavaka teto amin’ny trano fiangonana ny alahady 6 febroary 2022,  koa ity alahady ity no nanatanterahina ny  fiarahana nandray ny Fanasan’ny Tompo.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Feon-javamaneno teo am-pidirana, ary rehefa vita ny Fiarahabana Apostolika dia novakian’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny Salamo 145:10-13/20-21, ho fiderana an’Andriamanitra.

Nohiraina ny FFPM 438:1, 3 « Avia, Jehovah Tomponay » taorian’izany ary nanao ny vavaka ny mpitarika.

Nisaotra sy nidera, nanome voninahitra ny Anaran’Andriamanitra. Nisaotra noho ny tombon’andro mbola nomeny na dia nandalo aza ny rivodoza sy ny fizahan-toetra, ary ny fisedrana isan-karazany ka dia notahiany. Nisaotra fa misitraka ny lohahevitra ka tsy misy tsy tanteraka izay efa noteneniny. Nisaotra koa noho ny fitehirizana ny Fikambanana Mampiely Baiboly ka miara-mivavaka noho izany.

Manambara ny Teny fahamarinana ny Tompo nefa mandalo fotsiny izany satria mpanota isika koa mangataka famindrampo sy famelankeloka.

Isaorana ny Tompo noho ny famelankeloka, noho ny ran’i Jesoa. Hiasan’ny Fanahy Masina anie izao fotoana izao.

 

Feon-javamaneno fohy no nanohizana ny vavaka

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Rabezandrina Lalaina, mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny K9 no tompon’anjara tamin’ izany.

Ny Tenin’Andriamanitra noraisiny dia ny Galatiana  6 :7 « Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivaziana, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy ». Niara-novakiana izany ary tantara no nentiny nanazavana izany.

Nisy mpanompon’Andriamanitra manana fanomezam-pahasoavana hanasitrana nalaina dimy lahy fanahy. Naka filanjana izy ireo ary ny iray mody narary. Ny Marka 4:2 no nalain’izy ireo « Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin’ny paralysisa ho eo Aminy, izay nolanjain’efa-dahy. » Nanontany ilay mpanompon’Andriamanitra hoe «Tena voan’ny paralysisa ve ianao ? » Fantatr’ilay mpanompon’Andriamanitra fa tsy marina akory. Nivavahany ary lasa tena lasa nalemy tanteraka tsy afa-nihetsika ilay nisandoka ho marary.

Ny lesona nosintomina amin’izany :

Tsy tokony mamazivazy mpanompon’Andriamanitra, indrindra fa Andriamanitra sy Jesoa. Tsy tokony manao tsinontsinona ireny mpanompon’Andriamanitra ireny. Andriamanitra tsy azo vazivaziana.

Teo am-pamaranana dia nasaina nitsangana ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady ary natao ny vavaka.

Nitohy ny fotoana, nohirain’ny Fiangonana avy hatrany ny FFPM 426:2 « Manatona Anao » mialohan’ny famakiana ny Soratra Masina.

 

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nilaza ny Perikopa voalahatra ny Diakona Randrianonimandimby Mickael ary nivavaka, nangataka ny fahafenoan’ny Fanahy Masina. Novakian’ny Diakona Randrianonimandimby Lanto nisesy ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ny Perikopa : Isaia 55:6-11, Matio 24:32-35, Asan’ny Apostoly 27:21-26. Nataon’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira FFPM 205 : 1,2 « Ny Teninao rehetra » mialohan’ny Toriteny.

TORITENY

Ny Matio 24:32-35 no nandraisana ny hafatra. Raha  vao hoe  Matio 24  dia ao an-tsaina avy hatrany ny fiavian’ny Tompo. Manoloana izany dia misy fambara samihafa (Mpaminany sandoka, horohoron-tany, loza…);
Alahadin’ny Baiboly androany koa nasongadina ny Tenin’Andriamanitra izay loharanom- piainana.
« Mitana ny Teniny ny Tompo ». Noho izany:


1-MAMPIOMANA NY OLONA NY AMIN’NY FIAVIANY. (and 32, 33)

Rehefa mahita ireo famantarana ireo dia efa akaiky ny fiavian’i Jesoa. Hita amin’ny zavatra rehetra mitranga ankehitriny izany. Koa efa vonona ve isika handray an’i Jesoa Kristy rehefa ho avy Izy ?


Hita ao amin’ny Apokalypsy 3:20 ny fitiavan’Andriamanitra izay milaza fa efa eo am-baravarana Izy mandondona. Mandondona ao amin’ny fonao Andriamanitra. Izany no finoana kristiana. Ho an’ny kristiana dia Jesoa no tonga eo aminao, fa ho an’ny fivavahana (religion) dia ny olona no manakatra an’Andriamanitra.


2-MAMPAHARITRA NY FANEKENY HO MANDRAKIZAY (and 34-35)
Jesoa Kristy nanao fanekena. Ny ainy no natolony, nalatsany ny rany. Rehefa manao fanekena Andriamanitra dia amin’ny alalan’ny Teniny. Tamin’ny andron’i Abrahama dia tany sy taranaka no fanekena; fa rehefa niditra Jesoa Kristy dia fiainana mandrakizay no nomena antsika. Efa nekentsika ve izany fanekana nataon’Andriamanitra izany ? Fantaro fa rehefa manao fanekena Andriamanitra dia ENY sy MANDRAKIZAY.
2 Korintiana 1:19-20 « fa ny Zanak’Andriamanitra, dia Jesoa Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao Aminy dia eny ihany.  Fa na firy na firy ny Teny fikasan’Andriamanitra, dia ao Aminy ny eny, ary amin’ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr’Andriamanitra amin’ny ataonay. »

Ao amin’i Jesoa Kristy ny ENY dia amin’ny alalan’ny AMEN. Jesoa Kristy no mila manjaka eo amin’ny fiainanao.

Mampisaina izany hoe manao ahoana isika manoloana ny fanekena ataon’Andriamanitra sy ny fanekena ataontsika. Ny an’i Jesoa Kristy rehefa eny dia eny. Fa izaho sy ianao ahoana ?

Alahadin’ny Baiboly androany. Tenin’Andriamanitra ny Baiboly.
Fotoanan’ny Saint Valentin izao. Ny mpifankatia mifanoratra taratasim-pitiavana dia mampidobodoboka fo ery ny mamaky ilay taratasy nosoratan’ny olon-tiana. Zava-dehibe ery izany. Andriamanitra koa nanoratra taratasim-pitiavana ho antsika dia ny Baiboly, ka tokony tsy handry ny hamaky ny Baiboly. Raha mahatsapa ianao fa tena tianao Andriamanitra dia tokony hidobodoboka ery ny fonao hamaky ny Baiboly.
Be tombotsoa ny Baiboly. Manova fiainan’ny olona maro ny Baiboly. Raha miaina amin’ny Tenin’Andriamanitra dia tsy misy fiainan-tokantrano mikorontana izany. Ao no ahitana ny tena fitiavana.
Tano ny Tenin’Andriamanitra fa manova.
Mitana ny Teniny ny Tompo : Efa mandondona Izy, mampiomana fa efa akaiky ny fiaviany. Avelao Jesoa hanjaka eo amin’ny fiainanao fa mampaharitra ny fanekeny ho mandrakizay Izy.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ! Amen. Feon-javamaneno fohy taorian’ny Toriteny ary nanao ny anjara hirany ny Sampana Taninketsa

VAVAKA NOHO NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nisaotra an’Andriamanitra noho ny fitiavany, Andriamanitra izay miteny isan’andro sy mananatra.  Nisaotra koa noho ny Baiboly izay hahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra.

Mitana ny Teniny ny Tompo ka mampiomanana ny amin’ny fiaviany, ka tsy ho tampoka izany. Mampaharitra ny Teny ho mandrakizay Izy, koa ho mpankatoa anie isika fa tsy mpihaino fotsiny.

 

FANEKEM-PINOANA

Rehefa izany, dia niarahan’ny Fiangonana nanonona, teo am-pitsanganana, ny Fanekem-pinoana  laharana faha 2, Fanekem-pinona Nikeana, ho fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra sy hijoroana ho vavolombelona.

 

Vita izany dia nipetraka, nivavaka mangina tao anatin’ny feo-javamaneno

 

VAOVAOM-PIANGONANA

« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo »

Razafimaharo Mamy, Biraom-piangonana-Mpitantsoratra, no nilaza ny raharaham-piangonana.

Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia noraisiny tao amin’ny Jeremia 33:14  

« Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanatanterahiko ny Teny soa, izay nolazaiko ny amin’ny taranak’ Israely sy ny taranak’ i Joda »

Ireto manaraka ireto ny vaovao nisongadina:

Avy any ivelany

Foibe FJKM:

-Antso ho amin’ny famoronana hira sy sary famantarana ny “Hazakazaka Masina”

-Vontosy Filazantsara Madagasikara: Fanokafana fanompoam-pivavahana amin’ny fiteny anglisy ny alahady13 febroary amin’ny 2:30 tolakandro ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely

Anatiny

-Mitohy toy ny mahazatra ireo fandaharan’ny Sampana –kerinandro

-Herinandrom-bokatry ny VMFP ny 14-20 febroary. Hisy fandaharana isan-karazany noho ny Herinandron’ny Fianakaviana

–Sabotsy 19 febroary: fivorian’ny Mpihevidraharaha

Ny Mpitandrina:

-Nanamafy ny momba ny Herinandron’ny Fianakaviana, izay vaovao eo amin’ny sahan’ny FJKM.

-Nisaotra ny mpianakavin’ny finoana nahavita ny Vokadehibe 2021. Nasaina nitsangana nitehaka ny Fiangonana no izany.

-Nanao ny Fiarahabana ireo nanana tsingerinandro nahaterahana volana janoary. Nasain’ny Mpitandrina nitsangana izy ireo ary nomeny ny Tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny Ohabolana 3:4

Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ianao. »

Nitondra amim-bavaka ireo mpianakavin’ny finoana nahazo fahasoavana ireo ary nanao Rakitra alitara avy eo. Ny hira FFPM 462: 4 (hira nangatahin’ny mpanao voady) no natao nandritra izany. Notohizana tamin’ny andiny hafa mandra-pahavitan’ny mpanao rakitra.

Niisa 41 izy ireo.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Andriamasinoro Tantely, Biraom-piangonana Mpitan-tsoratry ny vola, no namaky ireo voady sy raki-pisaorana.

Ireo voady sy raki-pisaorana: fisaorana noho ny tsingerintaona, fiverenena miasa, fahazoana fahasitranana, fahafahana fanadinana, fitohizan’ny dia ho any ivelany; fangatahana fahasalamana.

Ireo hira nangatahina: FFPM 462:4, FF 39:2, FFPM 36:1, HF 43.

 

Ny hira FFPM 3:3 « Isaorana anie Andriamanitsika » no notanterahina teo am-pitsanganana ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanolorantena.

Nitohy feon-javamaneno teo am-panangonana ireo kitapon-drakitra.

 
VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nanao ny vavaka fangataham-pitahiana. Nilaza ny fahatokiana fa mitana ny Teniny hatramin’izay sy mandrakizay ny Tompo ; mampiomana ny amin’ny fiaviany mba hananana fiainana tafaray sy mateza ao Aminy ; mampaharitra ny fanekeny hitoetra mandrakizay ary hiainana amin’ny fifaliana ety ambany masoandro.

Mba ahoana moa ny momba anay ?

Nivavaka ho an’ny Mpitondra Fiangonana, ny Mpitory Filazantsara, ny toby masina manerana ny Nosy,  ny akany fitaizana. Nivavaka ho an’ny Foibe FJKM, SPAA, ho an’ny kristiana rehetra eto Amparibe, ny zanaka ampielezana eto an-toerana sy any Ampita mba hitoetra tsara izy ireo.

Mitondra amim-bavaka ny Fikambanana Mampiely Baiboly mba hipariaka maneran-tany, hahavita soa ny asany. Mitondra amim-bavaka koa ny Herinandron’ny fianakaviana,  ny vokatry ny VMFP izay miara-manatontosa sy miketrika izany. Mivavaka ho an’ny Asan’ny Fiangonana voafaritra ao amin’ny soritr’asan’ny Fiangonana sy ny Vina. Mivavaka ho an’ny  Fankalazana tanterahin’ireo Rafitra sy ny amin’ny fiomanana amin’ny fisotroandrononon’ny Mpitandrina.

Misaotra an’Andriamanitra  noho ny fiverenan’ny fahafanam-po, ny finiavana sy ny miaina anatin’ny Covid. Ho toy ny tamin’ny lasa anie ny fiainana mba hitombo finoana.

Ireo sahirana, mana-manjo, ny kere, ny traboina, ny very asa : homba azy ireo Andriamanitra ary hanampy ny fitondram-panjakana amin’ny fitsinjovana azy ireo. Mivavaka ho an’ireo manana hataka manokana sy ireo nanao raki-pisaorana sy voady masina. Hoy ny Tompo : «Mangataha dia omena, dondony dia ho vahana », koa ny vavaka rehetra voatonona na tsia dia mba ho tanteraka anie.

Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo, niarahan’ny mpianakavin’ny finoana izany.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

Nitohy tamin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo ny fotoana. Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina sy ny Mpitandrina miza-draharaha Andrianaivomanana Willy Johnson no niara-nanantanteraka ny fotoana. Nohiraina ny FFPM 446:3 « Atolotro Anao ny tenako » teo am-piomanana. Novakiana ny Soratra Masina, natao ny vavaka fanandratana ary ny hira fihobiana Antema 1 « Masina, Masina »

Ireto manaraka ireto ny hira natao nandritra ny fotoana: FFPM 244:1, FFPM 261, FFPM 262. Natao ny vavaka ary nohiraina mandritra ny fanantazana ny Raki-pisaorana sy ny fanangonana ny kapoaka ny « Inona no hahasaraka ahy.». Nanome hafatra ny Mpitandrina:

Koa tahaka ny nandraisanareo an’ i Kristy Jesoa Tompo, ka mamaka tsara sy miorina mafy ao Aminy ary tafatoetra amin’ny finoana.
Mazotoa amin’ny fisaorana


Natolotra ny Tsodrano. Ny hira FFPM 579:4 « Aza mba mandalo ahy » no natao teo am- pamaranana ny fotoana. Nipetraka ny Mpandray ary nivavaka mangina.“Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.”Amena.

IREO TOMPON’ANJARA

·       Nitendry orga : Rajaofetra Philippe sy Rajaofetra John ary ireo mpiofana ho mpitendry orga : Rajaofetra Anthonio – Rabiazamaholy Mahery

·       Nikirakira ny fafana Rajaofetra Arielle

·       Nikirakira ny fanamafisam-peoRabiazamaholy Hery Lanto

·       Naka sary Rakotondramboa Andry

·       Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy