Alahady 30 Janoary 2022

ALAHADY 30 JANOARY 2022
“MAHARITRA TSY MIOVA NY TOMPO.”
Alahady faha efatra manaraka ny Epifania, nitondrana amim-bavaka ny marary hoditra “Mety Aho ; madiova ianao”
Lioka 5 : 13b

Anio no famaranana ny fibanjinan’ny FJKM ny lohahevitra hoe : “ MAHARITRA TSY MIOVA NY TOMPO ”, alahady faha efatra manaraka ny Epifania, nitondrana amim-bavaka ny marary hoditra. Nisy ny asa sy fampaherezana amin’ny maha alahady fahadimy amin’ny volana janoary 2022.

Ny Mpitandrina miana-draharaha taona fahadimy ao amin’ny Faculté de Théologie Ambatonakanga Andrianaivomanana Willy Johnson no nitarika ny fotoana. Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitondra ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny Fiangonana. Ny litorjia endriny voalohany no narahina.

FANOMBOHANA NY FOTOANA

Taorian’ny feon-javamaneno sy ny fanolorana dia nisy ny fiarahabana apostolika. Ny andinin-tSoratra Masina fiderana an’Andriamanitra dia araka ny ao amin’ny Salamo 90 : 1-4 hoe : « Tompo ô, efa fonenanay hatramin’ny taranaka rehetra Hianao. Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, dia Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay. Mamerina ny olona ho amin’ny vovoka Hianao ka manao hoe : Miverena, ry zanak’olombelona. Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ny omaly, ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin’ny alina. ” Ny hira FFPM 203 : 1,2,4 “ Ry Rainay be fitia ” no nanaraka izany.

Azonao henoina ato ny hafatra

VAVAKA FISAORANA

Nisaotra an’Andriamanitra ny mpitarika noho ny Salamo sy hira fiderana, ny fahalehibiazany ary ny fitiavany, satria velon’aina sy tra-pamonjena ary nangataka fitarihana sy fanatrehan’ny Fanahy Masina mba ho hanitra ankasitrahana sy ho voninahiny irery ihany ny fotoana.

 

NY SITRAPON’ ANDRIAMANITRA

Rehefa izay dia nambara ny sitrapon’Andriamanitra araka ny Jaona 6 : 36  manao hoe : “ Ny fanahy no mahavelona ; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona ; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana ”. Notononina ny : “ Sambatra ny mahitsy lalana, izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah. Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony ka mitady Azy amin’ny fo rehetra” Salamo 119 : 1-2. Natao ny hira FFPM 174 : 1 “ Fanahy Masina o ”.

VAVAKA FIFONANA

Nivavaka tamin’i Jesoa Kristy, maty nisolo heloka teo amin’ny hazofijaliana, ny Fiangonana, izay mahatsiaro ho tsy tanteraka manoloana ny sitrapon’Andriamanitra, variana ary manana fanahiana, nanota ; vavaka mba hodiovina sy ho afa-pahotana ka hanjakan’i Jesoa Kristy sy hibanjina Azy.

Nohiraina ny FFPM 439 : 1 “ Mba taomy aho e!”


FAMELAN-KELOKA

Ny Teny famelan-keloka nomena ny Fiangonana teo am-pitsanganana dia ny manao hoe : “ Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy ry Israely izay nantsoiko : Tsy miova Aho ; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany… Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Israely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah  dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony ; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny ralahaliny avy intsony izy hoe : Mahalalà an’i Jehovah ; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, hoy Jehovah ; fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany ” Isaia 48 : 12 ; Jeremia 31 : 33-34. Nanambara ny mpitarika fa voavela ny heloky ny Fiangonana noho ny Anaran’i Jesoa Kristy ka niara-niteny ny Fiangonana hoe : “ Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain’I Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. ” Salamo 32 : 1-2.

Nohiraina ny FFPM 469 : 1 “ Jeso o Mpitia anay.


FANEKEM-PINOANA

Ny fanekem-pinoana apostolika (laharana voalohany) no natao. Nisy vavaka mangina tanaty feon-javamaneno fohy.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Rakotondramboa Hanitra, mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny kilasy faha 4, no nitarika ny fotoana. Nohirain’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady teo am-pitsanganana ny FFPM 760 : 1 “Aza mba manadino ny ray sy reninao”, narahina vavaka.

Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra dia ny Ohabolana 1 : 8.:  » Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao ” Niarahana namaky izany. I Dada, i Neny, ny zoky na na ny mpanabe dia tena tia antsika. Mitady izay hahasoa antsika izy ireny, mitaiza antsika ho olom-banona ny kapoka, sazy, sns… Andriamanitra sy Jesoa dia toy ny raiamandreny ka tokony hohenoina sy hankatoavina, izany no antony ianarana Soratra Masina. Tsy miova hevitra Izy sady tia antsika hatramin’ny farany, miaro antsika tsy ho azon’ny ratsy. Mbola ho tsapantsika any aoriana ny vokatry ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra na eo aza ny zava-mitranga heverintsika ho ratsy. Nisy vavaka.

 

RAHARAHAN’NY FIANGONANA

“ Amparibe Famonjena mifankatia tsara, mihazona mafy ny finoana, mahefa be amin’ny asan’ny Tompo ”

Rakotomanana Andrimbazotiana, Biraom-piangonana, no nanao izany tatitra izany. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia ao amin’ny Jaona voalohany 3 : 1a : “ Endrey! Manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoany antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady izany tokoa isika”. Toy izao ny asa tsara fantarina ary hotanterahin’ny Fiangonana sy hentiny amim-bavaka:

        Famakiana ny taratasy avy amin’ny Foibe FJKM manoloana ny zava-mitranga, mitaona ho amin’ny voin-kava-mahatratra ary fampiomanana fa maro ny vinavina amin’ny andro ratsy ;

        Fotoam-bavaka fanokafana ny jobily faha 25 taonan’ny Radio Fahazavana ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana anio tolakandro ;

        Natsangana sy natolotra ny Fiangonana ny Mpitandrina vaovao miana-draharaha Andrianaivomanana Willy Johnson sy ny vadiny izay miomana ho Mpitandrina koa (taona fahatelo) ;

        Nisy fankasitrahana ny Fiangonana manontolo tamin’ny fanomezana vola sy fitaovana ho an’ny tra-boina izay natolotra tao Mahamasina ;

        Hisy fivorian’ny Komitin’ny fisotroan-drononon’ny Mpitandrina ny talata 01 febroary 2022 amin’ny 5 ora sy sasany hariva.

Nisy fampianarana Sekoly Alahady talohan’ny fotoam-bavaka. Nandritra ny famaranana, ho solon’ny fifampiarahabana noho ny nahatrarana ny taona vaovao dia nizarana “huiles essentielles” ny mpianatra tsirairay ary nisy tononkalo azo atao fahatsiarovana ihany koa niaraka taminy. Efa miverina amin’ny laoniny ny fampianarana ka ampirisihina ny ankizy sy tanora hianatra ny Tenin’Andriamanitra. Na izany aza dia nanterina fa raha misy tsy salama dia tsara kokoa raha mijanona any an-trano izy fa hiezaka ny Biraon’ny sampana handefa ny fintin’ny lesona amin’ny alalan’ny raki-tsary sy feo.

 

 

Nandray fitenenana ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina niarahaba ny Fiangonana, nisaotra ny Tompo sy ny mpanompony manana anjara; nankasitraka ny Fiangonana naneho fitiavana amin’ny fiheverena azy mianakavy momba ny filazana hoe hisy tany hihotsaka (niantso, vonona hampiantrano, nanome toromarika,…). Momba ny fiaraha-miaina amin’ny Covid dia aoka, hoy izy, tsy hatao tahaka ny tamin’ny taona roa lasa fa hanaraka toromarika, hanao izany toy ny fiainana mahazatra, hanana fiainam-bavaka, hiezaka hanatanteraka ny asam-piangonana raha tsy hoe misy fanapahankevi-panjakana, nanentana ny amin’ny fanaovam-baksiny.

Mifanarana androany ny famakiana ny fanateram-bokatra.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Razafindrabe John Bam, Biraom-piangonana, no namaky ny voady rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Korintiana voalohany 3 : 17b izy : “ Fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany ”. Toy izao manaraka izao ny hetahetan’ny mpianakavin’ny finoana nentina teo anivon’ny Fiangonana : renim-pianakaviana misaotra an’Andriamanitra fa nahazo fahasoavana, mangata-bavaka ho famelan-keloka sy ho fitahiana ho an’ny ankohonany. Ny hira nangatahiny izay nohirain’ny Fiangonana nandritra ny fanantazana ny rakitra dia HF 39 “Tompo o Izay mahita”.

Novakiana ny tonombola ka isaorana Andriamanitra fa 89.50 %-n’ny tanjona amin’ny voka-dehibe no vitan’ny Fiangonana hatreto, mbola azo tohizana ny fanatitra mandrapahatratra ny tanjona, fa tsy ho isan’ny hotononina.

 

Ny hira vavaka FFPM 434 : 4 “ Ny foko, ry Mpamonjy ”.no notanterahina teo am-pitsanganana ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanolorantena. Nitohy ny fotoana.

 

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nohiraina ny FFPM 170 : 1 “ Ry Jeso, ny fitiavanao ”. Nanao vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina sy namaky ny Testamenta Taloha ny Diakona avy ao amin’ny Vaomieran’ny Aim-Panahy, Rabenasolo Rija. Ny Diakona Rabenasolo Muriel no namaky ny Testamenta Vaovao, araka ny perikopa voalahatra ao amin’ny Levitikosy 14 : 1-9 ; Lioka 5 : 12-16 ; Jaona voalohany 3 : 1-6. Ny Fiangonana niteny tamin’ny faran’ny vakiteny hoe : “ Ray masina ô, manamasìna anay amin’ny fahamarinana ; ny Teninao no fahamarinana” Jaona 17 : 17. Natao teo am-pitsanganana ny FFPM 244 : 1,2 “ Ry Jeso! Mba henoinao.” Toriteny no nanaraka izany.

TORITENY

Ny habokana dia aretina faran’izay ratsy teo amin’ny Jiosy. Ny Levitikosy no ahitana lalàna maro, momba ny habokana no lava indrindra, ao amin’ny toko 13 sy 14 misy andininy 116. Tsy misy filazana mahafinaritra amin’izany fa mampatahotra. Nametraka lalàna ny fiarahamonina nandinika izany aretina izany sy nanome izany an’i Mosesy mba hotandreman’ny firenena. Ny mpisorona no mamoaka hoe boka na hoe sitrana sy nadio ny olona.

Ny andinin-tSoratra Masina niompanan’ny hafatra hoe : “ Mety Aho ; madiova ianao ” Lioka 5 : 13b dia miresaka lehilahy iray nanatona an’i Jesoa, nitaraina taminy ary nangataka taminy. Tsy mamihina zava-tsoa ho an’izay mangataka Aminy ny Tompo, fa mihaino ny fitarainana Aminy ary mamaly soa ny mitaraina Aminy.

1)     Mihaino ny fitarainana aminy ny Tompo

Mafy ny manjo ity boka ity, manaintaina azy ny aretiny. Rehefa nandre an’i Jesoa izy dia nanatona Azy satria fantany i Jesoa sy izay efa nataony, nahatoky izy fa vitan’i Jesoa ny zavatra rehetra, nanana fanantenana izy fa hahita fitia aminy. Hoy izy hoe : “ Raha mety ianao dia hadio aho ” fa tsy hoe “ sitrano aho ”, dia namaly azy i Jesoa hoe : “ Mety Aho, madiova ianao”. Sitrana tanteraka sy nadio tamin’ny aretin-dratsy izay tsy niverina taminy intsony ilay boka.

Ho antsika izay efa nanolotena sy zanak’Andriamanitra : mandray antsika Izy ka mitondra antsika amin’ny fahasitranana roa, nadio tamin’ny habokana sy afaka amin’ny fahatezeran’Andriamanitra, izay navelany  tsy hitoetra sy hitambesatra fa ny Fitiavana no mitondra ny fiainany.

 

2)     Mamaly soa ny mitaraina Aminy ny Tompo

Fangatahana sady fanehoana ny fijaliana manjo ny fitalahoana. Ny Tompo dia mamaly sy manisy soa izay mitalaho Aminy, mandinika ny voa sy ny fo Izy, fantany ny tena fitalahoana marina, mahalala ny hetahetan’ny olona Izy. Jesoa dia manome eo no ho eo rehefa izay no mety hitondra fiainana vaovao ho an’ny olona iray. Sitrany ny hoe olona afaka tanteraka amin’ny aretim-panahy fa tsy ny nofo ihany. Tanteraka eto ny Teny ao amin’ny Matio 21 : 22 sy Marka 11 : 24 hoe : “ Na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo izany ”. Ny vavaka tsy mbola mivaly tsy hoe tsy hainy na tsy tiany fa misy fitaizana, arakaraka ny toe-pontsika no isehoan’ny valimbavaka. Lehibe indrindra ny fahasitranana sy fandraisan’ity boka valimbavaka, izay no nahatonga azy tsy nahatahiry na nanafina. Rehefa entina eo amin’i Jesoa ny aretina dia sitrana. Nanomboka fantatry ny olona ny fahefana ananan’i Jesoa : manafaka ny olona amin’ny fatorana mangeja.

Sao isika mihevitra hoe rehefa kristiana dia tsy noana, tsy marary, tsy iharan’ny tsi-fananam-bola na zava-dratsy,… Ny fandraisanao famonjena no zava-dehibe nanafahan’ny Tompo anao, manomboka ao anatin’ny fanjakan’ny mazava sy misy fiainana vaovao. Ny any amin’ny fanjakan’ny lanitra tsisy boka fa olona madio, miaina amin’ny fifaliana. Sitrak’Andriamanitra ny iainanao amin’ny fiadanana. Ny Tompo dia mihaino ny fitarainana sy mamaly soa izay mitaraina Aminy satria ao Aminy ny harena rehetra ary foiny tsy misy tambiny. Ianaro ny nataon’ity lehilahy boka ity, manetry tena eo anatrehany hoe : “ Meteza Tompo ô hanadio ahy ”, manaiky ho ratsy eo anatrehany ka mila fiainana tsara fa Izy afaka manome mihoatra. Sahia manatona ny Tompo sy mangataka Aminy izay heverinao hahasoa sy hanananao anjara any amin’ny fiainana mandrakizay. Manàna finoana, fahatokiana, fanantenana ary fitiavana an’i Jesoa Kristy hafahana miantoraka eo am-pototry ny hazofijaliany.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.

 

Nisy feon-javamaneno fohy. Nohiran’ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena ny “ Natolotrao ho avotray ”. narahin’ny vavaka fangataham-pitahiana.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina ihany no nitarika ny vavaka : vavaka fisaorana noho ny Teny sy hafatra avy norenesina, izay mampianatra fanetrentena, maniry mba hialan’ny habokana amin’ny endriny rehetra, mandohalika am-panahy mitalaho sy mitaraina hahazoana famindrampo.

Notononina ny Fiangonana, ny mpitondra Fiangonana, ny mpitory Filazantsara, ny toby masina miorina, ny akany fitaizana izay samy mahatanteraka ny fijoroana ho amin’ny fanafahana. Tsy diso anjara amin’ny tsiaro ny mpiandraikitra foibe tsy ankanavaka, ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana, ny Fiangonana sy kristiana eto amin’ny fitandrema Amparibe Famonjena, hitondra anarana hanafaka ny olona, ny kristiana rehetra tonga niara-nivavaka, ny zanaka am-pielezana, mba hahay hitandrina ny fahadiovana sy afaka hizara izany ho an’ny hafa handraisana fahasoavana amin’ny manodidina. Nisy fisaorana noho ny nanatanterahana ny fanateram-bokatra hahatrarana ny tanjona, tarigetra, vina. Nentina tamim-bavaka ny asan’ny Fiangonana rehetra, ny fikasan’ny mpianakavin’ny finoana hampandroso sy hampivelatra ny fiainam-panahiny, ireo rafitra manao fankalazana amin’ity taona ity mba ho taona miavaka ity satria efa voatsodrano, ny komitin’ny fanomanana ny fisotroan-dronon’ny Mpitandrina, ny hiverenan’ny kristiana amin’ny fiainana toy ny mahazatra na eo aza ny aretina sy ny voka-dratsiny, tsy ho resy na hatahotra fa ho malina sy handray andraikitra, ho feno fahendrena, hitazona ny finoana, ho lavorary ny zavatra hatao. Tsy diso anjara amin’ny vavaka ny sahirana amin’ny endriny rehetra, ny tsy manan-kohanina, ny tra-boina noho ny rivo-doza sy tondra-drano, ny mana-manjo, izay manana hataka manokana mba hahazo valimbavaka, ireo nanao raki-pisaorana, Nofaranana tamin’ny « Rainay Izay any an-danitra » ny fangataham-pitahiana.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao avy hatrany ny hira FFPM 428 : 1 “ Reko izao ry Tompo ”. Notononina ny tondrozotra 2022 hoe : “ Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala… Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa ; fa Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. ” Romana 12 : 10 ; Kolosiana 3 : 12b ; Petera voalohany 5 : 5b. Natolotra ny tsodrano dia noredonina ny hira vavaka FFPM 295 : 4 “ Miorena mafy tsara”. Nisy vavaka mangina sy Trinite ary feon-javamaneno. Nifarana tamin’ny 10 ora sy 40 minitra ny fotoana. Nisy famangiana mana-manjo. Asa sy fampaherezana no nanaraka izany.

 

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rabiazamaholy Hery Lanto

Nikirakira ny fafana : Raharijaona Nantenaina

Nikirakira ny fanamafisam-peo : Ramahery Yves

Naka sary : Ramahery Hasina

Nandray an-tsoratra : Ralaiarimanana Narindra

Alahady 23 janoary 2022

ALAHADY 23 JANOARY 2022
« MAHARITRA TSY MIOVA NY TOMPO »
Alahady nitondrana amim-bavaka ny Firaisan’ny Sampana sy Sampan’Asa ary Asa

« Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase » Jaona 6 : 27

Androany no nanatontosana ny fandraisan-tanana ireo Birao sy Komitin’ny fankalazana an’Andriamanitra ho an’ireo Sampana, Sampan’Asa sy Asa hanao izany mandritra ny taona 2022 ary ihany koa nandraisan-tanana ny Birao sy Komitin’ny Fisotroan-drononon’ny Mpitandrina izay hiasa mandritra ny roa taona.

Rajaonarison Rivo, Filoha lefitry ny Firaisan’ny Sampana, no nitarika ny fotoana ary Andrianary Mbolamasoandro, Filohan’ny Asa Fitoriana Filazantsara, no nitondra ny hafatra.

Ny Litorjia amin’ny endriny voalohany no nanatanterahina izany.

FANOMBOHANA NY FOTOANA

Taorian’ny feon-javamaneno fidirana sy ny fiarahabana apostolika, ho fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra dia novakian’ ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny Salamo 89 : 8-14.
Rehefa vita izany dia natao ny hira FFPM 36 : 1-2 « Moa ho haiko tantaraina ny hasoavanao ? »
ary nanao ny vavaka fisaorana sy fiderana ny mpitarika.
Noho ny fahafahana manatontosa ny fanompoam-pivavahana miaraka amin’ny Firaisan’ny Sampana dia nisaorana ny Tompo, natolotra Azy ny dera sy laza ary ny voninahitra ary nangatahina ny fanatrehan’Andriamanitra ny fotoana.

NY SITRAPON’ ANDRIAMANITRA

Nalaina tao amin’ny Matio 28 : 18-20 « Ary Jesoa nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. »

Nohiraina ny hira FFPM 622 : 1-3 « Mba tantano Raiko ô ! » 

Nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika.
Nisaorana ny Tompo noho ny sitrapony. Noho ny tsy fahatanterahana manoloana ny sitrapon’Andriamanitra dia nangatahina ny famindram-pony.
Taorian’izay dia nohiraina ny hira FF 22 « Tsy mendrika ahy ».
Ny Isaia 54 : 7-8 ; 10 sy Romana 8 : 1 no Teny nanolorana ny famelan-keloka.

« Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin’ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao. Tamin’ny firehetan’ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja,  fa amin’ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao. » Isaia 54 : 7-8.

« Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa. » Romana 8 : 1.

Taorian’ny fanolorana ny famelan-keloka dia noventesina ny hira FFPM 539 : 1 « Faly dia faly ».
Ho fanambarana sy fanehoana ny finoana dia niaraha-nanonona ny fanekem-pinoana faha-4.  

Nisy vavaka mangina tanaty feon-javamaneno fohy.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ramatoa Raharijaona Bodo, mpampianatra ao amin’ny K9, no nanatanteraka izany. Ny Salamo 119 : 68a no noraisiny nitondrany hafatra. « Andriamanitra dia maharitra tsy miova satria sady tsara Izy no manao ny tsara. »
Maharitra tsy miova ny Tompo satria tsara Izy sady mpanao ny tsara. Raha manao ny tsara ianao dia azomy izany fa aza miova, toy ny fanamarihana naoty tsara any am-pianarana manao hoe « Tsara fa tohizo ».
Ny ratsy kosa dia ialao, ajanony ny toetra ratsy sy ny fomba ratsy.
Tao amin’ny fampiharana dia milaza toetra tsara, fomba tsara, ary fahazarana tsara ny mpitarika. Ny Fiangonana kosa sady manangana ny ankihibe no mamaly manao hoe « Tsara fa tohizo ».
Avy eo milaza toetra ratsy, fomba ratsy ary fahazaran-dratsy indray ny mpitarika, ka sady manatsongoloka ny ankihibe tanana ny Fiangonana no mamaly hoe « Ratsy ka ialao ».
Vavaka no namaranany ny fotoana. Nisaotra ny Tompo noho ny fahatsarana natolony ny zanany. Nangatahina ny Fanahy Masina mba hitahiry izany fahatsarana izany sy hialan’ny tsirairay amin’ny ratsy.

TATITRY NY FIRAISAN’NY SAMPANA

Rajaonarison Rivo ihany no nanao ny tatitra.

Toy izao ny asan’ny Firaisan’ny Sampana araka ny tatitra :
Mandamina ny fandaharam-potoana mba tsy hifanitsaka ;
Mandamina sy mikarakara ny hetsika tontosain’ny Fiangonana rehefa 24 Desambra ;
Mandamina sy manatontosa ny famangiana ny Zokiolona ;
Mandamina sy mikarakara ny Alahadin’ny Firaisan’ny sampana, ny fanompoam-pivavahana amin’ny Advento sy Zoma masina.
Ny hira « Tokim-pamonjena » no niaraha-niredona rehefa vita ny tatitra.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA

Rakotomanana Andry, Biraom-Piangonana, no nilaza ny raharaha. Andinin-tSoratra Masina no nanombohany izany. Ireto manaraka ireto ny tsara hofantarina :
Raharaha avy any ivelany :
-Manentana amin’ny fifankatiavana ny FJKM Foibe manoloana izao voina ankehitriny izao. Ka nisy ny fanentanana hifanampy amin’ny tolo-tanana. Manao anjara biriky amin’ireo tra-boina raisina an-tanana etsy Mahamasina ny FJKM Amparibe Famonjena.
-Manao fanavaozana ny Komity sy Vaomiera ny FJKM Foibe. Izay liana amin’izany dia mandefa ny mombamomba azy eny amin’ny Foibe alohan’ny 25 febroary.
Tapitra ny 30 martsa izao ny fisoratana hidirana mpianatra ho Mpitandrina.
-Ny Zoma ho avy izao no natokan’ny FJKM hanatontosana vavaka fifadian-kanina.

Raharaha eto anatiny :
-Nentanina ny fitohizan’ny fivoriana sy ny asan’ny sampana sy sampan’asa tsirairay.
Miverina ny fivorian’ny sampana mitaiza tanora.
Miverina ny fianarana Sekoly Alahady.
Misy ny fivorian’ny Mpandray aorian’ny fanompoam-pivavahana.
Misy ny asa fampaherezana ny alahady 30 janoary.
-Natao ny fanentanana ara-pahasalamana, toy ny fanajana ny elanelana, ny fanaovana vaksiny ary ny fitandroana ny fahadiovana.
Misy ny fivorian’ny Komitin’ny Fitsipika ny talata 25 janoary 2022.
Fanentanan’ny Mpitandrina :
Nisaorana ny Birao sy Komity ao amin’ny Firaisan’ny Sampana.
Natao ny fanentanana amin’ny fivorian’ny ankatoky ny Fandraisana.
Nentanina ny Kristiana amin’ny fanatanterahana ny voka-dehibe.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Ny hira FFPM 515 : 1 « Tsara lova Ry Jeso ô » no hira natao tamin’ny Voady sy raki-pisaorana.
Fisaorana noho ny fahazoana fitahiana, noho ny valim-bavaka, noho ny fihatsaran’ny toe-pahasalamana, nisy koa fisaorana fa todisoa an-tanindrazana.
Ny hira FFPM 432, 2 « Mandra-piavin’ny Tompo, miasà ! » no nohiraina teo am-pitsanganana,  ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanoloran-tena.  

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nohiraina ny hira FF 6 : 1 « Ny teninao ».
Andrianarivo Sitraka avy ao amin’ny STK no nanao ny vavaka mialohan’ny famakiana ny Soratra Masina.
Noho ny fanomezany ny fotoana hafahana mihaino ny Teniny dia nisaorana ny Tompo. Nangatahina ny Tompo mba hiasa any anatin’ny mpitondra ny Teny sy ny hafatra.

Ramanana Alain  (SAMPATI) no namaky ny Teny tao amin’ny Testamenta Taloha, ary Andriambeloson Tifanny  (STK Zo) sy Rajaofetra Voahangy  (Gazety TaFa) ny Testamenta Vaovao araka ny Perikopa voalahatra : Malakia 3 : 1-6 ; Jaona 6 : 22-27 ; Hebreo 7 : 20-28.
Taorian’izay dia noventesina ny Hira FFPM 183 : 1-2 « Midina, ry Fanahy ô ».

TORITENY

Ny Jaona 6 : 22-27 no nangalana ny toriteny.
Anisan’ny mpianatra tena tian’i Jesoa i Jaona. Jaona dia mampirisika ny olona mba hino fa Jesoa Kristy no Mpamonjy. Izay rehetra mitady Azy dia hahita Azy.
Rehefa nitory teny an-tendrombohitra Jesoa dia maro ny olona nitady sy nanara-dia Azy. Indrisy anefa fa noho ny mofo no antony nanarahan’ny olona ny Tompo, fa tsy noho ny famonjena atolony.
Eo am-panarahana ny Tompo sy ny fanatontosana ny asany dia misy ireo mitady tombotsoa manokana, mitady laza sy voninahitra… Misy ny mitarika ny Kristiana hikatsaka sy hanatsara ny fiainana ara-nofo, izany anefa dia manakana ny olona tsy hahita an’Andriamanitra. Hoy ny Tompo manoloana izany fikatsahana ny ara-nofo izany : « Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ny Zanak’olona anareo ; fa Izy no nasian’Andriamanitra tombokase. »

Ao anatin’ny mofo anana dia misy anana, ny mofo sakay misy sakay, ny mofo legioma misy legioma,… ny mofon’aina misy aina. Jesoa kristy no mofon’aina, izay manana azy no manana ny fiainana mandrakizay. Asan’Andriamanitra ny manao izay hinoan’ny olona fa Jesoa no Mpamonjy. Ny finoana an’i Jesoa Kristy no manosika antsika hanao ny asam-panompoana, midera sy miantoraka amin’i Jesoa Kristy. Tsy mahay asa tsara isika raha tsy manana an’i Kristy. Izaho no voaloboka hoy Jesoa, ianareo kosa no sampany, raha miray amiko ianareo dia hamoa be, fa raha misaraka amiko ianareo dia tsy mahavita na inona na inona. Ataovy laharam-pahamehana Jesoa fa ao Aminy no hahazoantsika hery sy hafahantsika manohitra ny fakam-panahy. Jesoa no manafaka antsika amin’ny fatorana rehetra, ny Fanahy Masina kosa dia mananatra antsika sy mitarika antsika. Jesoa no manazava antsika sy mampahery antsika amin’ny ady rehetra. Izay mbola tsy nandray ny Tompo, fotoana izao hanekena sy hinoana an’i Jesoa Kristy. Izay efa nandray an’i Kristy kosa dia manana andraikitra hiasa hitarika ireo tsy mbola mino. Mahaiza mizara ny famonjena.
Tsy misy takalony ny fitiavan’i Jesoa Kristy antsika. Izy dia mamonjy sy mivavaka ho antsika izay manantona Azy.
Raiso Jesoa Kristy, fikiro ny famonjeny ary mahereza. Aza miova ary zarao amin’ny hafa ny mofon’aina.
Taorian’ny toriteny dia nanao anjara hira ny RFF.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

 Noho ny fitiavany sy ny hafatra natolony ho an’ny mpianakavin’ny finoana dia nisaorana ny Tompo.
Nangatahina ny Tompo mba ho amin’ny fiainana mandrakizay no hanarahan’ny mpanara-dia Azy fa tsy amin’izao fiainana eto an-tany izao ihany. Nangatahina ny Fanahy Masina mba ho mpitari-dalana. Nentina amim-bavaka ireo tomponandraikitra eo amin’ny Fiangonana sy ny Kristiana rehetra.
Nentina amim-bavaka ny voka-dehibe, nentina amim-bavaka ireo sahirana, tra-boina,marary, manan-manjo, nentina amim-bavaka ireo rehetra nanefa ny voadiny sy manana hataka manokana.
Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo ny vavaka fangatahana.

ASA VAVOLOMBELONA

-Fandraisan-tanana ny Birao sy Komitin’ny Fankalazana an’Andriamanitra mandritra ny taona 2022

STK : 65 taona ; STKZo 65 taona ; SAMPATI : 60 taona ; Gazety Taratry ny Famonjena  45 taona ; AFF 25 taona.
-Fandraisan-tanana ny Birao sy Komitin’ny Fisotroan-drononon’ny Mpitandrina.
Noho ny fifidianany ireo mpanompo ho amin’ny andraikitra maha Birao sy Komity dia nisaorana ny Tompo ary nentina amim-bavaka izy ireo mba hahavita soa ny andraikitra napetraka taminy.

-Fanokafana ny « banderole » manamarika ny taon-jobily:
Ireo solotenan’ny sampana niaraka tamin’ny Mpitandrina no nanatontosa ny fanokanana teo amin’ny tanànan’ny Fiangonana.
Rehefa voatokana izany dia noredonina ny hira FFPM 545 : 1-2-3 « Endrey izany hafaliana ».

FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina ny hira FFPM 146 : 1 « Anao ny dera ».
Niarahana nanonona ny Tondrozotra 2022 ary natolotra ny tsodrano.
Ny hira FFPM 545 : 1 « Endrey izany hafaliana » no namaranana ny fotoana.
Nipetraka ny Fiangonana ary nanao vavaka mangina. Notononina ny Trinité « Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ».

IREO TOMPON’ANJARA

  • Nitendry orga : Rajaofetra Philippe sy Raharinoa Fetra (mpiofana ho mpitendry orga)
  • Nikirakira ny fafana: Randriamasimanana Andrianavalona
  • Nikirakira ny fanamafisam-peo: Rabiazamaholy Hery Lanto
  • Naka sary : Rabemananoro Jonathan
  • Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky Noely Tiana

Alahady 16 Janoary 2022

ALAHADY 16 JANOARY 2022

“MAHARITRA TSY MIOVA NY TOMPO”

Fanompoam-pivavahana ho fisaorana an’Andriamanitra ary nitondrana amim-bavaka ny Filohan’ny FJKM

 « Miasà, miovà, mivavaha, miasà »

Dr. Irako Andriamahazosoa

Ity alahady ity dia natokan’ny FJKM ho fitondrana amim-bavaka ny Filoha, dia ny Mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi sy ny ankohonany ary ny taom-piasana 2022. Teny amin’ny Coliseum Antsonjombe no nanatanterahina ny fotoana ary nisy fidirana indroa, dia ny tamin’ny 7 ora sy ny tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Ny fidirana tamin’ny 7 ora no taterina amintsika eto. Ny nitarika ny fotoana dia ny Mpitandrina Rakotobe Rajaomanjato Dodaherisoa, mpanolotsaina ao amin’ny Birao Mpiandraikitra Foibe (BMF). Ny nitondra ny hafatra kosa dia ny Mpitandrina Andriamampianina Zaka Hary Masy, Filoha mpanampy. Nozaraina roa  izany ny synodamparitany nanatrika ny fotoana. Ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana,  izay misy ny Fitandremana Amparibe Famonjena, sy ny SP Antananarivo Avaradrano, no niditra tamin’ny 7 ora maraina. Azonao henoina eto ny hafatry ny filoha.

FANOMBOHANA NY FOTOANA

Ho fiderana an’Andriamanitra sy ho fanomezam-boninahitra Azy dia niarahan’ny Fiangonana namaky teo am-pitsanganana ny Salamo 136 : 1-9 hoe : «1 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony. 2 Midera an’ Andriamanitra Avo Indrindra*; Fa mandrakizay ny famindram-pony. [Heb. Andriamanitry ny andriamanitra]. 3 Miderà ny Tompon’ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony; 4 Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 5 Izay nanao ny lanitra tamin’ ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 6 Izay namelatra ny tany ho ambonin’ ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 7 Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 8 Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 9 Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony) ». Nohiraina ny hira FF 13 « Mihirà fihirambaovao ».

Nisy vavaka fiderana sy fisaorana ary fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra noho ny nahafahana niombom-bavaka, sy nahazoana fitahiana velon’aina.

Nambara ny sitrapon’Andriamanitra izay nalaina tao amin’ny Daniela 6 : 27 « Manao lalàna aho mba hangovitan’ny olona sy hatahorany eo anatrehan’Andriamanitr’ i Daniela eran’ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin’ny farany ».

Natao ny hira FFPM 445 : « Jeso mora fo indrindra » taorian’izay.

Nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika, nangataka famelana noho ny tsy fahatanterahana izany sitrapon’Andriamanitra izany. Natao ny hira FFPM 437 : 1, 2 « Ry Jesoa Kristy Tompo ».

Nomena ny famelankeloka atolotr’Andriamanitra nalaina tao amin’ny Isaia 48 : 9-12 / Salamo 32 : 1–2.

Natao manaraka izany ny hira FF 36 : 1 «  Vahoaka sesehena ».

Niara-nanonona ny Fanekempinoana Apostolika ny rehetra ary nisy feon-javamaneno.

 

RAHARAHAN’NY FIANGONANA
Ny Mpitandrina Rakotonindrainy Jaona, Sekretera Jeneraly, no nilaza ny raharahan’ny Fiangonana. Anisan’ny voalazany tamin’izany fa misokatra ny fisoratana anarana amin’ny fanadinana ho Mpitandrina ; ny 29 janoary dia natokana ho fifadian-kanina ; hosokafana ny jobily fankalazana ny faha 25 taona ny radio Fahazavana.

RAKITRA SY FANOMEZANA
Taorian’izay dia niroso tamin’ny rakitra sy fanomezana. Nanao anjara hira moa ireo antoko mpihira nandritra izay fotoana izay. Ny hira FFPM 275 : 1, 2 « Raisonao ry Tompo soa » no natao ho fanolorana ny rakitra.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Natao avy hatrany ny hira FFPM 770 : 1, 4 « Hajain’ny saiko ».
Notanterahina ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora. Ny Mpitandrina Razakarivony Charlot, Tonian’ny Sekoly Alahady Foibe, no nanatanteraka izany. Nanao vavaka izy, ary nasaina nitsangana ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Sampana. Ny Eksodosy 20 : 12 « Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro hianao ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao » no nentiny tamin’izany. Nambarany fa ireo ray aman-dreny dia ireo niteraka, ny mpitondra fivavahana, ny mpitondra Fanjakana ary nolazainy fa fatiantoka ny tsy fanajana an’ireny. Tantara no nentiny nanazavana izany teny izany.
Nohiraina ny hira Fifohazana 83 : 1, 5 « Ny Baiboly re » mialoha ny vavaka sy ny vakiteny.
Nivavaka nangataka ny fahafenoan’ny Fanahy Masina Randriana Voahangy, ary nanao ny vakiteny nisesy kosa ireo Tonia telo ao amin’ny Departemantan’ny Fiangonana, Sekoly ary Mpiasa sy vola ary fananana.  Ny perikopa dia ny Isaia 46 : 3-7, Jaona 8 : 52-59 ary ny Romana 11 : 25-32. Natao ny hira FFPM 163 : 1, 3 « Jesosy irery ihany » mialoha ny hafatra.

TORITENY
Ny Filoha mpanampy Andriamampianina Zaka moa no nitondra ny hafatra. Ny boky tao amin’ny Isaia 46 : 1 – 7 no nakany izany.

Andriamanitra dia tokana ihany. Mety ho maro ny karazana andriamanitra teo amin’ny Babyloniana, ka rehefa resy izy ireo dia resy ihany koa ny andriamanitra izay nivavahan’izy ireo. Ny Andriamanitry ny Israely kosa dia ilay tsy miova hatramin’izay ka hatramin’izao. Io Andriamanitra io dia miteny fa tsy ampitenenina. Izy no mibaby, mitrotro ary mitondra antsika. Ny nanjo ny zanak’Israely dia tena Andriamanitra mihitsy no nanao izany mba hahatonga saina azy ireo. Io Andriamanitry ny Israely io no Andriamanitry ny kristiana.

Nisy mpandinika vahiny, hoy ny mpitoriteny, nandalo teto Madagasikara ; Charles Renel no anarany, ary nanao fanadihadiana izy io mikasika ny Malagasy.

Ny razana hoy izy, teo amin’ny Malagasy dia ireo fianakaviana teo aloha, ireo ao am-pasana ary velona ao an- tsaina ny momba azy.

Ny andriamanitra kosa, na hoe andriananahary, dia ireo razana izay efa tsy tadidy intsony ny momba azy. Razana ihany ireo, fa efa razana lavitra.

Rehefa miteny izany hoe ho tahian’andriamanitra sy ny razana, dia tsy ilay Andriamanitry ny kristiana izany. Mitaiza antsika izany ny amin’ny finoantsika kristiana.

Io Andriamanitra io dia mitondra antsika amin’ny fampandrosoana, fifankatiavana, mandroso, manaja ny zon’olombelona.

 

ASA VAVOLOMBELONA

Teo amin’ny asa vavolombelona dia nitondra ny teny ny Birao Mpiandraikitra Foibe (BMF), ary natao ny hira FF 1 : « Mitsangana ianao ry mino ».

Nanao ny teny fiarahabana ny Filoha, ny mpisolotenan’ ny BMF. (Afaka henoina ato izany fiarahabana izany). Nitondra tononkalo ihany koa moa ho an’ny Filohan’ny FJKM.

Nandray fitenenana ny Filoha Irako Andriamahazosoa, taorian’izay. Teboka efatra no nentiny tamin’izany : Mitrakà, Miovà, Mivavaha, Miasà. Ireo no fitondran-tena tokony hananantsika mandritra ity taona 2022 ity indray.


FAMARANANA

Natao ny hira FF 23 : « Andriamanitra ô, Ry Tompo Zanahary » namaranana ny fotoana. Nomena ny tsodrano ary nirava tamim-pilaminana ireo mpiara-mivavaka tonga tao.

Alahady 09 Janoary 2022

ALAHADY 09 JANOARY 2022
“MAHARITRA TSY MIOVA NY TOMPO”

Alahady natokana ho an’ireo tompon’andraikitra sy mpanao raharaha ny Fiangonana
« Fa firenena masina ho an’i Jehovah Andriamanitrao ianao, fa ianao efa nofidin’i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ny tany » Deotoronomia 7:6

Alahady notarihin’ny Vaomieran’ny Aim-Panahy, alahady natokan’ny fitandremana FJKM Amparibe Famonjena nitondrana am-bavaka sy niarahabana ireo tompon’andraikitra sy mpanao raharaha ny Fiangonana no tanterina izao.

Ny fotoam-bavaka natrehin’ny Fiangonana mivantana tao an-tranon’Andriamanitra tamin’ny 9 ora maraina, izay notarihin’ny diakona ao amin’ny Vaomieran’ny Aim-Panahy, Ramino Lalaina. Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina, no nitondra ny Tenin’Andriamanitra. Ny litorjia endriny faharoa no narahina.

Nisy feon-javamaneno nandritra ny fidiran’ny mpitarika sy ny diakona. Azonao henoina eto ny hafatra.

FANOMBOHANA NY FOTOANA

Ho fiderana an’Andriamanitra sy fanomezam-boninahitra Azy dia niarahan’ny Fiangonana namaky teo am-pitsanganana ny Salamo 146 : 1-5 hoe : « Haleloia, miderà an’i Jehovah ry fanahiko. Hidera an’i Jehovah aho raha mbola miaina koa. Eny hankalaza an’Andriamanitra aho raha mbola velona koa. Aza matoky ny lehibe. Na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Mila ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy. Ary amin’izany indrindra no hahafoanan’ny fikasany. Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny. » Nohiraina ny hira FFPM 171:2 « Tompo mandahatra hendry ».

 

Nisy vavaka fiderana sy fisaorana sy nanomezana voninahitra an’Andriamanitra noho ny nahafahana niombom-bavaka, nahazoana fitahiana sy velon’aina. Feon-javamaneno fohy ny nanohizana ny vavaka.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny K6, Rado Navalona no nitarika izany.

Nivavaka izy teo am-panombohana ary andinin-tSoratra Masina noraisiny dia ny Isaia 41 :10a « Aza matahotra ianao fa momba anao Aho ».

Ny tantara fohy mahakasika tovovavy kely tao anaty fiaramanidina no nangalana ny hafatra. Nikoropaka, nikotaba, nikiakiaka, kivy sy ketraka, ny mpandeha sasany tao anaty fiaramanidina taorian’ny filazan’ny mpanamory ary fampandrenesany mba hamatotra tsara ny fehikibo fiarovana fa misy « panne » teknika. Nisy kosa ny nitomany, tao kosa ny nivavaka. Ankizivavy kely iray kosa no sady tsy nikorapaka ary tsy nikotaba fa nilamina tsara. Taorian’izay dia tafapetraka tsara ilay fiara-manidina. Rangahy iray no nahatsikaritra ny filaminany sy ny fahatoniny tsara ka nanontany azy hoe « fa maninona ianao no tsy mba mikotaba toy ny olona rehetra ?», namaly ity ankizivavy kely nanao hoe « fantatro ilay mpanamory ka tsy matahotra aho, mayoky azy aho, fa ny raiko izy ».

Raha ampifandraisina amin’ny fiainantsika izany dia :

        Fiaramanidina : izao tontolo izao

        Mpanamory : Jesoa Kristy

        Mpandeha : olona rehetra toa ahy sy ianao

        Olana ara-teknika : olana isan-karazany miseho amin’ny fiainantsika

 

Hitan’ny Tompo avokoa ny olantsika rehetra, tahotra sy tebiteby sy ahiahy. Ataon’ny Tompo avokoa izay rehetra anavotany antsika.

 

Nohirain’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady teo am-pitsanganana ny hira FFPM 430 :3-4 « Endrika Sariaka ».

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Natao avy hatrany ny hira FFPM 206 :1-4 « Ny Teny Masinao ». Nivavaka nangataka ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ny diakona Rabenandrasana John avy ao amin’ny Vaomieran’ny Aim-panahy. Razafimaharo Hanitra kosa no namaky ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, araka ny perikopa voalahatra : Deoteronomia 7:6-11, Marka 12:28-34, Jakoka 1:16-21. Nohirain’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira FFPM 177 : 1-2 « Ry Fanahy Mpanazava» mialohan’ny Toriteny.

TORITENY

Ny Deoteronomia 7 :6-11 no andinin-tSoratra Masina nitondrana ny hafatra.

Miompana amin’ny lohahevitra hoe « Maharitra tsy miova ny Tompo », sy ny alahady fiarahabana ireo mpanao raharahan’ny Fiangonana.

Ny zanak’Israely hiditra tao amin’ny tany Kanana no resahana eto. Ny tany Kanana dia voalaza fa misy firenena fito matanjaka, lehibe sy mahery. Raha tsy maharesy ireo izy ireo dia tsy afaka miditra sy mandova izany tany Kanana izany. Ny teny hoe « lehibe » eto dia hilazana ny tanàna efa mandroso, manana sivilizasiona matanjaka. Raha eo amin’ny lafiny ara-tafika kosa dia efa lasa lavitra, raha manoloana sy ampitahaina ny zanak’Israely izay tsy manana na inona na inona fa hazo sy tehiny no entiny miady. Ny « mahery » kosa eto dia entina hilazana zavatra goavana, olona « géant » no hiady aminy, misy eo amin’ny efatra metatra ny halavany ary roa metatra ny sorony. Izany no olona hiady amin’ireto Israely ireto. Nampanantenaina sy nomen’i Jehovah Andriamanitra azy ireo mantsy io tany Kanana io ho lovany.

Marihina fa firenena voandevozina tany Egypta ireo handeha hanafika ny tany Kanana ireo, ary nalefa andeha hiady ary hiditra ny tany Kanana. Izay no hisintonan’Andriamanitra ireto zanak’Israely ireto hiditra ny tanana tondrahan-dronono sy tantely.

Eto dia misy ny fitsipika sy didy nasaina narahan’ireto zanak’Israely ireto mba hitarafana ny Tenin’Andriamanitra, ary ho tsarovany fa masina eo anatrehan’i Jehovah izany Israely izany.

Zavatra roa no azo tsoahina amin’ity andinin-tSoratra Masina ity :

– Fitazonan’Andriamanitra ny fanekena

– Fitandreman’Andriamanitra ny fiainianany

 

1-Fitazonanan’Andriamanitra ny fanekena eo amin’ny olona na ny firenana

  momba ny firenena Andriamanitra raha mitandrina ny fanekena nataony io firenena io,

mandringana io firenena io kosa Izy raha mitsangana ho fahavalony io firenena io,

Izany no tokony ho tsarovantsika eo anatrehany ny fanekena ataontsika raha manao voady isika. Ohatra noraisina ho mpandray ny Fanasan’ny Tompo, Diakona, afaka fanadinana….. Tadidio fa zavatra roa no miandry antsika : na isika tahin’Andriamanitra sy ombany , na isika haringany.

Asehon’Andriamanitra amin’ny alalan’ireto firenena ireto ny fitazonany ny fanekeny :

natokana sy nosarahan’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao izany firenena Israely izany. Masina toy izany isika, voatokan’Andriamanitra, tsy tian’Andriamanitra hifangaroharo amin’ny hafa. Rehefa manao fanekena eo anatrehan’Andriamanitra dia masina.

olona nofidin’Andriamanitra ho rakitra soa ho azy (Deoteronomia 30-31 ), maharitra hatramin’ny taranaka mifandimby (arivo mandimby), izany hoe maharitra mandrakizay, « génération » iray eo amin’ny 50taona.

Mialoha ny hidirany amin’io tany Kanana io dia asehon’Andriamanitra fa firenena nofidin’Andriamanitra ary masina izy ireo. Ary azon’ny firenena Israely tokoa ny tany.

Maharitra tsy miova ny Tompo, ilay didy napetraka tamin’ny andron’i Mosesy dia tokony ho tanterahina. Ny fanekena an’Andriamanitra dia tokony ho tanterahintsika tahaka ny nandovana ny tany Kanana. Ny didy izay napetrak’Andriamanitra eto dia : ny fitiavana Azy, sy ny fitiavana ny namana. Isika no mandova ny firenena Israely izany. Izany didy izany dia natao hitiavana amin’ny fo, ny fanahy, ary ny hery manontolo.

Ao anaty ny fandraisan-tanana ireto mpanao raharahan’ny Fiangonana ireto dia misy ny didy, ny fitsipika, ny fanekena napetraka ato anatin’ny Fiangonana . Rehefa miditra ka handray ny andraikitra ianao dia ny Tompo no nanaovanao ny fanekena. Matoa mandray izany andraikitra izany, dia tandremo ny manao kitoatoa izany raharaha izany. Raha te handova izany fiainana mandrakizay izany ianao dia manaova tahaka ny zanak’Israely niditra ny tany Kanana. Izany no antom-pisian’ny andro alahady na fotoana manokana ho azy ireo, satria zava-dehibe  amin’ny Fiangonana io asa atao io. Olona masina eo anatrehan’Andriamanitra ka Izy no hitsara anao. Andriamanitra no mamporisika hanao ny asa. Na mpiasam-panjakana na mpiasa « privé » isika, na ato anaty Fiangonana na ivelany Fiangonana dia tokony ho hita taratra ny maha kristiana.