Alahady 26 Desambra 2021

ALAHADY 26 DESAMBRA 2021
« MINOA NY FIFALIANA AO AMIN’NY TOMPO »
Alahady fahefatra
Alahady farany amin’ity taona 2021 manaraka ny Krismasy
« Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany »
Salamo 96:11

Ny fotoam-bavaka natrehin’ny Fiangonana mivantana teto an-tranon’Andriamanitra tamin’ny 9 ora maraina izao tanterina eto izao, izay notarihian-dRamatoa Raharijaona Bodo, ary ny Mpitandrina  Raharijaona Solofonirina no nitondra ny Tenin’Andriamanitra. Ny litorjia amin’ny endriny fahatelo no narahina. Mialoha ny fanombohan’ny fanompoam-pivavahana dia nohiraina ny hira fanevan’ny faha-160 taonan’ny Fiangonana « Fa masina ny tempolin’andriamanitra dia ianareo izany ».

FANOMBOHANA NY FOTOANA

Ho fiderana an’Andriamanitra sy fanomezam-boninahitra Azy dia niarahana namaky teo am-pitsanganana ny Salamo 96 :11-13 : « Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany. Aoka hirohodrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy. Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy. Dia hihoby amin’izay ny hazo rehetra an’ala. Eo anatrehan’i Jehovah, fa avy Izy, Eny, hitsara ny tany Izy. Hitsara izao tontolo izao araka ny  rariny Izy. Ary ny firenena amin’ny fahamarinany ». Taorian’izay dia natao ny hira FFPM 75 : 1-3 « Andro malaza ». Nisy vavaka fiderana sy fisaorana izay maneho ny voninahitr’Andriamanitra noho ny nahafahana niara niombom-bavaka tamin’ity farany taona 2021 ity, noho ny tombon’androm-pibebahana. Misaotra an’Andriamanitra noho ny fanomezany fifaliana tsy mety ritra, ny famindram-pony ny nahafahana niara nivavaka. Taorian’ny vavaka dia feon-javamaneno fohy.

FOTOANA HOAN'NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny K7, Rabiazamaholy Léa, no nitarika izany.
Ny tantara fohy mahakasika an’i Vony, 14 taona, no nanatsoahina ny lesona sy ny hafatra araka ny andinin-tSoratra Masina I Tesalonian 5 :21-22 « Fantaro ny zavatra rehetra, hazony mafy izay tsara. Fadio ny fanao ratsy rehetra ».
Zazavavy, sariaka dia sariaka i Vola, vokatr’izay dia nanana namana be dia be izy. Nampitandrina azy ny ray aman-dreniny mahakasika ny fitondran-tenany, momba ireo namany ireo. Kanefa dia niaraka tamin’ireo namany ireo ihany izy. Indray andro dia niharan-doza ny fiara nitondra azy sy ireo namany rehefa avy tany amin’ny toeram-pandihizana izy ireo. Namonjy an’i Vola tany amin’ny hopitaly ny ray aman-dreniny noho ny voina nahazo azy sady nitebiteby fatratra. Nifona tamin’ireo ray amandreniny i Vola ary nilaza hoe « Mety mbola ho voavonjy ve aho ? ». Hoy ny reniny « Eny anaka, voavonjy ianao »
Andriamanitra no tokony ekentsika. Ary dada sy neny no solotena hita maso. Rehefa mananatra ireny mpanabe ireny dia sahia manao « Eny » isika. Tokony ho lavintsika kosa ny ratsy rehetra dia manao « Tsia » isika.
  Taorian’ny vavaka dia nohirain’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady teo am-pitsanganana ny hira FFPM 79 « Sambasamba Zanahary ».

FANKALAZANA NY TENIN'ANDRIAMANITRA

Mialoha ny vakiteny, nanao ny vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina i Rakotomalala Harizo. Namaky ny Tenin’ny Soratra Masina araka ny Perikopa voalahatra i Ranaivoson Toky : Isaia 40 : 6-8 ; Lioka 2 : 15-20 ; Asan’ny Apostoly 13 : 1-5. Nohirain’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira HF 12:1 “Feno toky ny Fanahy”. Toriteny no nanaraka izany.

TORITENY

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitondra ny hafatry ny Tompo.
Ny Lioka 2 : 15-20 no andinin-tSoratra Masina nanompanana ny hafatra sy nakana ny lesona izay entina hamakivaky sy nankalazana ny krismasy. Nifantoka amin’ny tantara ny mpiandry ondry ny andinin-tSoratra Masina. Ny nataon’ny mpiandry ondry teto dia nandeha nijery sy namantatra ny feo reny sy izay nifanaovany tamin’i Maria sy Josefa.  Ary hitany fa marina tokoa izany.
Eto dia mizara roa ny fitoriana ny filazantsara :
–        Fitoriana ny filazantsara sady fankalazana an’Andriamanitra
–        Fitoriana ny vaovao mahafaly izay fiderana ny Tompo
1-Fitoriana ny filazantsara sady fankalazana an’Andriamanitra
Nasehon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny feon’ny anjely Gabriela : “Voninahitra ho amin’ny Avo indrindra ary fiadanana ho an’ny olona ety amboniny tany”. Izany teny izany no manambara ny fanehoan’Andriamanitra ny fitiavany sy ny fiadanana ho an’ny olona ankasitrahany.
Hojerentsika ary ny fomba nentina nampielezana an’Andriamanitra izany voninahitra izany :
Noho ny fahatsiarovany ny zavatra hitany. Asain’Andriamanitra miantsoantso sy miorakoraka ny olona.
Ny Isaia farany dia milaza ny fiverenan’Andriamanitra ary nasaina miantsoantso sy midera an’Andriamanitra ny olona. Manala azy ireo ihany koa ao anatiny geja. Toy izany koa ny andron’ny mpiandry ondry. Tamin’izany fotoana izany dia nozanahany fanjakana Romana ny fanjakan’Israely, ka nahatonga ny olona hiantsoantso hoe “Rahoviana no ho avy ny Mesia?” Eto dia tonga tokoa ny Mesia.
–        Inona no nataony mba hankalazana an’Andriamanitra?
o   Nisy ny fanandratana an’Andriamanitra satria tena tretrika izy ireo,
o   Nanome voninahitra an’Andriamanitra Ray Tsitoha ny olona. Hitan’izy ireo ihany koa  ny fahaterahan’ilay zaza.
Eto dia ireo mpiandry ondry kely ireo no nanehon’Andriamanitra ny fanambarana ny vaovao mahafaly. 
2-Fiderana ny Tompo : fitoriana ny vaovao mahafaly
Tsy toy izany kosa ny ankehitriny. Ao ny mpianakavy ny finoana izay mianatra amin’ny Setela, Sefala, ary Fitela, ao ihany koa ireo mirotsaka ho Pasitera. Tamin’izany fotoana izany kosa dia ny Tompo no mampiasa mivantana ary mirotsaka an-tsehatra. Olon-tsotra ary manetry tena any anaty bozaka tany no nitoriana ny filazantsara.
Zavatra roa no azo tsoahina:
–        Fihobiana ny hery, ny fiventesana izany fahatsarana, fahalalana fa io zaza nohodidinina lamban-jaza io no olon-tsotra nahay nidera sy nofinidin’Andriamanitra.
–        tsy ho an’ny olon-tsotra ihany ny hafatry ny Filazantsara, tsy teo amin’ny jiosy ihany koa fa eo amin’ny jentilisa. Manana anjara amin’izany ihany koa ny firenena rehetra.
Raha tsy niandoha tamin’ny Apostoly ny Vaovao Mahafaly tsy tonga taty Madagasikara ny Filazantsara. Betsaka ny manao “matraquage”, izany hoa mamerimberina. Misy ny antokom-pivavahana izay manao andoharano, toy ny “judaisme Madagascar” izay mampianatra  ny hoe efa tonga ny Mesia. Mandray ny ankamaroan’ny Testamenta Vaovao izy, ary ny Filazantsara efatra kosa tsy misy noraisiny.
Fehiny, miverena, manetre-tena, ny fisainanao tsotra no ahitanao ny voninahitry ny Tompo sy ny filazanao ny Tenin’Andriamanitra.
Nisy ny feonjava-maneno fohy.

VAVAKA FIFONANA

Nisy ny vavaka fifonana notononina. Hanetry tena, hifona sy hibebaka ary hanaraka izao vavaka izao isika. Misaotra an’Andriamanitra noho ny fitiavany sy ny fialany nenina amintsika isan’andro isan’andro. Miantso antsika mba handini-tena sy hibebaka. ny hafatry ny Filazantsara, kanefa rehefa nahita ny fahaterahan’ny Tompo dia nandeha nidera sy nankalaza. Misaotra ihany koa noho ny nanomezany ny Teny sy ny hafatra ahatonga antsika mba handini-tena. Mibebaka, mifona ary mangataka famelana noho ny fahadisoanay ry Tompo amin’ny fanaovana antsirambina. Mifona amin’ny fanaovana ny tafika masina ho fialam-boly na vacances. Mamela ny helokay, mamindra fo aminay. Omenao asa izahay, sarotra anefa izany. Mifona izahay satria tsy nahatanteraka ny asanao tsara. Amin’ izao farany taona izao, mivoady izahay fa tsy hanao izao sy izao. Fa amin’ny taona vaovao kosa hanao izao indray izahay. Mifona amin’ny fitondran-tena, ny fitafiana. Misaotra ry Tompo amin’ny fanoloran-tena teo amin’ny hazo fijaliana.
Nohiraina ny hira FFPM 415 :1 « Mifona aminao zahay »
Natolotry ny mpitarika ny Teny famelankeloka « Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo,ianareo ». Ezekiela 36:26. Nohiraina ny hira FFPM 64:3 « Injany hiran-danitra ». Notononin’ny Fiangonana ny fanekem-pinoana niarahana tamin’ireo vavolombelona talohantsika (Laharana 4).
Nisy feon-javamaneno ary nanao ny anjara hirany ny RFF “Noely ny fanantenana”.

RAHARAHAN'NY FIANGONANA

Razafimaharo Maminirina, Biraom-piangonana, no namaky izany raharaha izany. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia ao amin’ny I Korintiana 3: 17b « Fa masina ny tempolin’andriamanitra dia ianareo izany ».
Toy izao ny asa nisongadina tsara fantarina ary hotanterahin’ny Fiangonana sy hoentiny am-bavaka:
–        29 desambra : Antsoina ny solontenan’ny rafitra, ny komity fisotron-dronono ny Mpitandrina hivory amin’ny 6ora hariva
–        22 janoary 2022 : fiaraha-miombom-bavaka eny amin’ny colesium, fangataham-pitahiana sy fitondrana am-bavaka ny taona vaovao 2022 ary ny taom-piasana Foibe FJKM. Misy ny  fidirana in-droa 7ora30, sy 10ora
–        alahady farany amin’ity taona 2021, famaranana ny taom-pankalazana faha 20 sy 30 taona’ny Sampana (SLK – Sampana Taniketsa, RFF, Vokovoko Manga, SMZM, Fifohazana,, K160)
–        Fahatsiarovana ireo nodimandry ka nentina teto amin’ny Fiangonana
–        Fizarana valisoa ho an’ireo nandray anjara tamin’ny fifaninanana Tenin’ny Soratra Masina.
–        Tsy nianatra ny katekoma androany hariva
–        Fanompom-pivavahana
o   01 janoary 2022 : fidirana amin’ny 8ora30
o   02 janoary : fiarahabana ny zokiolona 70 taona no mihoatra, sy ny Mpitandrina, . Fidirana amin’ny 7ora sy amin’ny 10ora
–        Tsy misy ny fiarahabana zokiolona any an-tokantrano noho ny hamehana ara-pahasalamana
–        Akatoky ny fandraisana anio
–        Antsoina ireo zokiolona na ny fianakavian’izy ireo mba hanavao ny fisoratana anaran’ireo zokiolona ho raisin-tanana

RAKITRA SY FANOMEZANA

Tantely Andriamasinoro, Biraom-piangonana, no namaky ny voady rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny I Tesaloniana 5 :15
Ny hetahetan’ny mpianakavin’ny finoana nentina teo anivon’ny Fiangonana dia fisaorana an’Andriamanitra fa afaka nanatrika ny fanaovam-batisa sy ny nahazoana fahasoavana ihany koa., fisaorana noho ny Fiangonana sy ny sampana izay nitaiza.
Ireo hira nangatahiny dia : Hira FF 7:1 « Tsy hainay ny hangina », Hira FFPM 731:1  » Enga anie ka ombanao Jesoa »
Ny hira vavaka FFPM 432: 2 « Mandra-piavin’ny Tompo, mivavaha » no notanterahina teo am-pitsanganana ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanolorantena.

ASA VAVOLOMBELONA

BATISA

Sakrameta ny Batisa sy fitondrana am-bavaka ireo zaza nandray izany sakramenta izany.Nohiraina ny hira FFPM 248:1-2 « Nitondra ny zaza ny reny. »Ireo zaza natao Batisa :

–        Razafimaharo Nirina Camilla Harintsoa

–        Pruvot Yonnel Manoa
–        Andriamihaja Miahy Aliya

–        Andriamihaja Mahaliana Shanya Haroun
–        Andriamihaja Mahatia Inaya Haroun

–        Raharijaona Ranaivosolo Iharantsoa
–        Andriamahatana Iantsa Kalointsoa

–        Rakotoarivony Tiavina Raphael
–        Rakoto Alson Princy Fandresena

–        Rakoto Alson Princy Fifaliana
–        Andriamahatana Kristen Ashley

–        Andrianjafy Rakotonirina Hery Andrianina

FIZARANA VALISOA

Fizarana valisoa sy fitondrana  am-bavaka ireo nandray anjara tamin’ny fahalalana ny Soratra Masina. Novakiana ny Salamo 119 : 34 « Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao. Eny hitandrina azy amin’ny foko rehetra aho ». 284 no isan’ireo nandray anjara. 29 no nahazo valisoa ary 5 isaky ny sokajy taona no notolorana izany.

FAMARANANA NY FANKALAZANA

Famaranana ny taom-pankalazana faha 20 sy 30 taona ny sampana :
SLK – Taniketsa, RFF, Vokovoko Manga, SMZM, Fifohazana, Nandray anjara fitenenana ny solotena avy amin’ny SLK, Rabezandriny Solohery, ary nanolotra fanomezana (fitaovam-pihinanana) ho an’ny Fiangonana.
Famaranana ny taom-pankalazana ny faha 160 taona ny Fitandremana.
               I korintiana 3: 17b « Fa masina ny tempolin’andriamanitra dia ianareo izany ».
Nisy ny tatitra ny zava-bita :
–        Fanaovana vaksiny ny mpianakavy ny finoana izay notarihiny Ray amandreny Mpitandrina
–        Tafika Masina tany Bevoay
–        Randonnée teny Ambohijanaka : 224 no isan’ny mpandray anjara
–        Tournoi K160 teny amin’ny kianja Andohalo
–        Ivon’ny fankalazana : nisy ny famelaberan-kevitra sy ny taom-pankalazana
–        Diampenin’i Rado : loha-hevitra niompana tamin’ny Finoana, Tanindrazana, Fiaraha-monina , niarahana tamin’ny zanaky ny Fiangonana sy ny fianakavian’i Rado
–        Garden party teny Androhibe : nisy ny sakafo agape, hira ara-pilazantsara, fialamboly
–        Fanolorana fanomezana niarahana tamin’ny katekomena
–        Fizarana akanjo teny amin’ny fitandremana Paragoay
–        Tsangambato faharoa : fanavaozana ny bassin miampy robinet sy ny ampahany amin’ny tokotany

VAVAKA FANGATHANA

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitarika izany. Nitondra am-bavaka ny zanaky ny Fiangonana, ireo vahiny niara- niombom-bavaka tamin’ny Fiangonana, ny fanohizana ny fanatanterahana ny vokatra mba ho tratra ny tanjona, ireo niaram-boina izay nanaovana fisaonam-pirenena, ireo miaramila sy sivily, ny firenena, ny famaranana ireo hetsika fankalazana samihafa teto amin’ny fitandremana, ireo sahirana, marary, manamanjo, ireo mpanompo manana hataka manokana, nanao rakim-pisaorana sy voady masina, vita soa ny batisa, nisy ny tsy fahasalamana ary afaka nandray fitahiana sy fahasoavana, nandray fitahiana niray latabatra tamin’ny Tompo, vita ny fianarana izay natao teto an-tanindrazana ary manana fikasana hanohy ny fianarana any am-pita, mitondra ambavaka izao fotoana izao sy ho an’ireo izay tsy afaka manatrika. Nofaranana tamin’ny « Rainay izay any an-danitra » ny vavaka fangataham-pitahiana.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina ny hira FFPM 76:1-3 « Miderà anio ry mino ». Notononina ny tondrozotra 2021. Natolotry ny Mpitandrina ny tsodrano.
Natao ny hira FFPM 67 :1-4 « Avia ry mino ». Nipetraka ny Fiangonana, notononina ny Trinite.
Nisy feon-javamaneno sy ny vavaka mangina ary mofo mamy nozaraina hoan’ny mpianakavin’ny finoana rehetra.

IREO TOMPON’ANJARA

·        Nitendry orga : Rajaofetra Philippe niaraka tamin’i Rajaofetra Anthonio (mpiofana ho mpitendry orga)
·        Nikirakira ny fafana: Rajaofetra Arielle
·        Nikirakira ny fanamafisam-peo: Rabiazamaholy Hery Lanto
·        Nandray an-tsoratra: Raoliarizaka Bakoly

Sabotsy 25 Desambra 2021

SABOTSY 25 DESAMBRA 2021
KRISMASY
“FIFALIANA TENA IZY” IVON’NY VOKA-DEHIBE TAONA 2021
“Voninahitra ho any amin’ny Avo indrindra ho an’Andriamanitra Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany ho an’ny olona ankasitrahany”
Lioka 2 : 14

Ho fenoin’ny Tompo fifaliana anie ny andrompiainanao. Izany no teny nifampiarahaban’ireo mpianakavin’ny finoana sy ny mpitandrina tamin’ny Sabotsy 25 Desambra 2021, andro krismasy ity. Raharijaona Bodo no nitarika ny fotoana, ary ny mpitandrina Raharijaona Solofo no nitondra ny hafatra. Ivon’ny voka-dehibe ihany koa moa ity andro anio ity. Ny litorjia endriny voalohany no nitondrana ny fotoana ary rakitra alitara no notanterahina noho izany voka-dehibe izany. Fidirana roa moa no androany ka ny fidirana tamin’ny 10 ora no tanterina amintsika eto. Taorian’ny feonjava-maneno fidirana dia noredonina avy hatrany ny hira faneva faha 160 taonan’ny Fiangonana.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Ho fiderana an’Andriamanitra dia novakiana ny Isaia 9 : 5 – 6 ary noventesina ny hira FFPM 67 : 1-2-3-4 “Avia ry Mino, hifaly sy hihoby …”. Natao ny vavaka fisaorana sy fiderana. “Nisaotra ny Tompo satria manana fifaliana Izy Tompo natolotra ho antsika olombelona. Nangataka ny Tompo mba hanatrika ny fotoana ho tanterahina. Nahatsiaro ireo olona maro izay tsy afaka mivavaka ihany koa ny mpitarika”. Nambara ny sitrapon’Andriamanitra izay nalaina tao amin’ny Isa.7:14 ; Mat.1:21 ; 1 Jao 4 : 2 sy 12. Rehefa izany dia natao ny hira Ffpm 68 : 1 – 2 “Re tokoa ny feon’anjely …”. Natao ny vavaka fifonana taorian’izany. Fifonana satria tsy nahatanteraka izany sitrapon’Andriamanitra izany. Natao ny hira Ffpm 64 : 3 “O ry mivesatr’entana, …”.  Nambara ny teny famelankeloka taorian’izay taorian’izay. Nalaina tao amin’ny Jao. 3 : 17-18 ; II Kor. 5 : 17 ; Jao. 8 :11. Rehefa avy nambara izany dia natao ny hira FFPM 79 « Sambasamba Zanahary ». Ho fanavaozana ny finoana dia naira-nanononany fanekem-pinoana laharana voalohany. Nisy feonjava-maneno fohy taorian’izany.

FOTOANA HO AN’NY SEKOLY ALAHADY

Zoky Razafintsalama Hanta no nitondra ny fampianarana ho an’ny ankizy. Ny bokin’ny Asa 16 : 31b “Minoa an’I Jesoa Tompo hianao, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao”,  no nitondrany ny hafatra ho an’ny ankizy. Teraka Jesoa hoy izy, mba hamonjy antsika mba hanana fiainana mandrakizay. Niara-nitsangana, namerina ny teny voalaza etsy ambony ary nivavaka ny fianakaviamben’ny sekoly alahady. Tsy nisy moa ny vaovaom-piangonana anio fa nitondra hafatra kosa nefa ny mpitandrina nilaza fa misy ny fotoampivavahana tokana ny 26/12 ary miditra amin’ny 9 ora ihany. Taorian’izay dia nanao ny fifampiarahabana nho izao andro Krismasy izao ny mpitandrina. “Ho fenoin’ny Tompo fifaliana anie ny andrompiainanao”. Izany no teny nifampirariana tamin’ity andro Krismasy ity.

RAKITRA ALITARA

Satria ivon’ny vokadehibe moa ny andro anio dia nanatanteraka ny rakitra alitara ny mpianakavin’ny finoana. Novakiana ireo voka-dehibe voaray. Nambara ary ary eo fa mahatratra 20 tapitrisa no vola voaangona hatreto. Nandritra ny rakitra alitara mora dia nanao hira 2 ny Hasin’ny Famonjena. Ho fanolorana ny rakitra dia natao ny hira Ffpm 75 : 3.

VAVAKA SY VAKITENY

Mialoha ny vavaka sy vakiteny dia natao ny hira FFPM 71 : 1 ; 4 “Mihaino, mihainoa, …” Nanao ny vavaka Rabezandrina Solohery ary nanao ny vakiteny kosa dia Rabezandrina Lalaina. Ny perikopa anio dia ny Zak. 8 : 18 – 23 / Lio. 2 : 8 – 14  / Rom. 1 : 1 – 7. Mialoha ny hafatra dia natao ny FFPM 70 : 3 “Izy no Tompo nahary ..”.

TORITENY

Ny filazantsara araka ny Lioka 2 : 14 no nitondran’ny mpitandrina ny hafatra “Voninahitra ho any amin’ny Avo indrindra ho an’Andriamanitra Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany ho an’ny olona ankasitrahany”.

Izany lohahevitra izany no nentina namakivaky ity herinandro sambatra ity.


Tety ampiandohana dia nilaza ny mpitandrina fa toa rabirabian’ny olona ny vanimpotoanan’ny Noely. Jentilisa hoy ny sasany no mankalaza ny Noely fa ny Jiosy tsy manao izany. Io fahaterahan’I Jesoa io nefa fiandohan’ny tantaram-pamonjena. Tsy maintsy teraka Izy aloha izay vao misy ny tantara rehetra.

Ny mahavariana nefa hoy ny mpitandrina dia olona farak’izay tsotra no nahafantatra ny fahatongavan’ny mpamonjy: ny mpiandry ondry izany.

Fa mpamonjy no tonga ety …., teny soa lehibe izany.

Rehefa teraka Jesoa dia betsaka no tsy nino. Ehefa maty indray Izy dia tena maro no nadrabiraby hatrany, hiarahantsika mahalala izany.

Ao amin’ny tantaran’ny baiboly, rehefa misy firenena roa miady, ka resy ny fivavahany, dia resy ihany koa ny andriamaniny.

Efa resy avokoa nefa izay fivavahana hafa rehetra satria efa fiadanana no tonga ety ambany masoandro dia Jesoa Kristy.

Rehefa tonga manko Jesoa Kristy dia vita ny fampihavanana tamin’Andriamanitra ary vita ny fampihavanana amin’ny olona samy olona. Izay no dikan’ilay Lakroia, hazo fijaliana. Ilay mitsivalana dia fifandraisan’ny olona samy olona ary ny mitsangana dia fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra.

Rehefa misy zavatra nirinao teo amin’ny fiainanao ka tonga izany dia izay no tena mahafaly. Dia toy izay I Jesoa Kristy,  tanteraka ny fahatongavany satria tonga nofo Izy.

Rehefa lavo tokoa manko Adama sy Eva dia nipetraka teo ambany fahatezeran’Andriamanitra ny olona. Izany fahotana rehetra izany nefa dia ho ahafahan’Andriamanitra avokoa, ary ny tantara dia miantomboka amin’ny fahaterahana.

Vita fihavanana ny olona samy olona noho ny fahatongavan’I Jesoa Kristy. Ny firenena rehetra dia hifamela heloka avokoa. Rehefa tonga ny zanak’olona dia afaka tamin’ny fahotana tany aloha izy.

Izay no namaranan’ny mpitandrina ny hafatra nilazany fa ho tanteraka tokoa anie ny fiadanana ety ambany masoandro.

Taorian’ny toriteny dia nanao ny Anjara hira ny Hasin’ny Famonjena “Tokanana fanantenana” an’i Noel Rakotoarivony.

VAVAKA FANGATAHANA

Nanao ny vavaka fangatahana ny mpitandrina taorian’izany. Nangataka ny mpitandrina mba ho tanteraka ny hafatra izay nampitaina, ho vita ny fihavanan’ny olombelona amin’Andriamanitra ary ihany amin’ny samy olombelona. Nametraka ampelatanaNy ny synodam-paritany rehetra, sy ny Fiangonana ao aminy. Nangataka ho an’ireo zanaka ampielezana, ireo vahiny mba ahatsiaro fa hafa ny Noely nandalovana tao Amparibe. nitondra ambavaka ny mpitandrina noho ireo loza maro nihatra tamin’ny firenena, ireo namoy ny ainy maro an-dranomasina, ireo tsy salama maro izay any amin’ny hopital. Enga anie ahazo fahasitranana izy ireo.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao ny Ffpm 75 : 1 “Andro malaza” mialoha ny nanononana ny tondrozotra sy nanomezana ny tsodrano. Natao kosa ny andininy 2, taorian’izany.

Nofaranana tamin’ny vavaka mangina ny fotoana ary niroso tamin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.

IREO TOMPON’ANARA

  • Nandray antsoratra : Robel Hanitra
  • Nitendry Orga : SMZM
  • Nanao fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto
  • Nanao ny fafana : Rajaofetra Arielle

Alahady 19 Desambra 2021

ALAHADY 19 DESAMBRA 2021

« MINOA NY FIFALIANA AO AMIN’NY TOMPO »

 

Alahady ivom-bokatry ny Fikambanan’ny Mpitoriteny sy ny Katekista ary ny nahavita fiofanana

 

« Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona

maro dia atolory ny olona mahatoky izay hahay

mampianatra ny sasany koa » II Timoty 2 :2

Alahady natokana hitondrana amim-bavaka ny Fikambanan’ny Mpitoriteny sy ny Katekista ary ny nahavita fiofanana, sady ivom-bokatra eto amin’ny Fitandremana FJKM Amparibe Famonjena. Alahady farany amin’ny Trinité sady ankatoky ny Fety Krismasy ihany koa.

Rabako Miora, diakona, no nitarika ny fanompoam-pivavahana ka ny litorjia fahatelo no notanterahina. Razanamparany Clément, loholona, no nitondra ny Tenin’Andriamanitra.

Nisy feon-javamaneno nandritra ny fidiran’ny mpitarika sy ny diakona.

Nohiraina ny Hira fanevan’ny faha-160 taonan’ny Fiangonana «FA MASINA NY TEMPOLIN’ANDRIAMANITRA DIA IANAREO IZANY » mialoha ny fanombohan’ny fanompoam-pivavahana.

FANOMBOHANA NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra ary ho fanomezam-boninahitra Azy dia niarahan’ny Fiangonana  namaky teo am-pitsanganana ny Salamo. 100 manao hoe : « Mihobia ho an’i Jehovah, ry tany rehetra. Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana. Mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana. Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra. Izy no nanao antsika, ary Azy isika. Dia olony sy ondry fiandriny. Midira eo amin’ny  vavahadiny amin’ny fisaorana. Ary eo an-kianjany amin’ny fiderana. Misaora Azy, mankalazà ny anarany. Fa tsara  Jehovah. Mandrakizay ny famindrampony. Ary mihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany».

Nohiraina ny FFPM 16 « Avia ry vazantany o ».  Nisy vavaka fisaorana sy fiderana noho ny nahazoana  nivory sy niombom-panahy nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana. Nisy  feon-javamaneno fohy.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA 

Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny K1, Andriamizakason Rajaonah Ny Hasina, no nitarika izany.

Ny tantara fohy dia miresaka momba ny ankohonana tantsaha iray eny ambanivohitra, izay mamboly sy miompy. Mampitaha ny fahazoana vokatra tsara teo aloha sy ny amin’izao fotoana izao, noho ny tsy fisian’ny orana. Nitady vahaolana ary ireo tantsaha dia ny fitondrana amim-bavaka izany. Tsikaritry ny tantsaha namany anefa izany ka nilaza izy ireo fa tsy tokony ianareo irery no hivavaka fa isika rehetra. Nilatsaka tokoa  ny orana  noho ny vavaka izay natao. Naharitra teo amin’ny 10 minitra teo. Tao ny faly, tao ny gaga, fa naninona no izay fotsiny ? Mety vitsy ireo nino fa ho latsaka ny orana.

Toy izany koa isika. Taritina isika ho aty am-piangonana. Rehefa mivavaka amin’ny finoana isika mankaty am-piangonana. Rehefa mino amin’ny fonao manontolo dia hohazonao izay hirinao.

 

Niarahan’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady namaky teo am-pitsanganana  ny andinin-tSoratra Masina nangalana sy nampifandraisina amin’ny hafatra dia  Lioka 8 :50b « Aza matahotra, minoa fotsiny  ihany ». Taorian’ny vavaka, nohiraina ny FFPM 39 « Sambasamba Zanahary ».

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Rakotondrafara Nirina no nivavaka nangataka ny fahafenoan’ny Fanahy Masina mialoha  ny vakiteny. Namaky ny Testamenta Taloha dia Rakotovololona Malalatiana , Rakotovololona Lova, diakona, no namaky ny Testamenta Vaovao, araka  ny perikopa voalahatra ao amin’ny Isaia 12 :1-6 ; Lioka 1 :57-66 , 1 Tesaloniana 3 :6-13.

Nohirain’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny FFPM 190:2 « Ry Fanahy Mpanazava». Niroso tamin’ny Toriteny taorian’izany.

 

TORITENY

Ny Isaia 12 :1-6 no andinin-tSoratra Masina nanompanana ny hafatra.

 

Isaia no nilaza ny Mesia, izany hoe Mpampinany evanjelisitra, loharanom-pamonjena ho an’ny vahoaka. Mila mitodika amin’ny mpino ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Araka ny I Korintiana 1 :7, dia tokony hatoky ny Tompo daholo ny mpino.

 

Hafatra roa mahakasika ny hira fiderana no ampitaina amintsika :

·        Hira fiderana ho fankasitrahana an’Andriamanitra noho ny famindrampony ;

·        Hira fiderana izay mitaona ny mpino noho ny fahalebiazany sy ny famonjena.

 

1-     Hira fiderana ho fankasitrahana an’Andriamanitra noho ny famindrampony

 

Inona no nahatonga ny olona nanao izay ?

Isaia 9-10, ny fahatezeran’Andriamanitra nampitahotra sy nampihorohoro no nahatonga ny famaizana  ny olona. Andriamanitra anefa tsy mahafoy ny olona fa namindra fo ary nampitodika taminy. Vokatr’izany dia nisinda  ny ahiahin’ny olona.

Manao ahoana anefa ny ankehitriny ? : mahalasalasa saina, tena mahagaga, tsy mahatohitra ny rendrarendram-piainana ny olona. Hita taratra eto amin’ny fiainan’ny firenena,fa tia dera, fahefana, voninahitra, vola  ny olona. Mila mibebaka isika satria Andriamanitra feno famindrampo ny Andriamanintsika.

Alaim-panahy ny olona, manao izay mahafinaritra mandritra ny herinandro, fa rehefa alahady dia mitodika amin’Andriamanitra. Mila mitandrina sy miambina isika. Mila mibaboka amin’Andriamanitra raha te hanana fifaliana. Ataovy mazava ny fibebahana ary tanteraho ary aza mamerina intsony.

 

Isaia and. 2, maneho ny fahatokiana amin’Andriamanitra. Andriamanitra no isaorana  sy deraina. Ny famonjena  tany Egypta dia tandindon’ny famonjena vaitan’i Jesoa Kristy. Araka izany ny fanekena an’i Jesoa Kristy no tena lalana, ary manafaka antsika.

 

2-     Hira fiderana izay mitaona ny mpino noho ny fahalebiazany sy ny famonjena

 

Manao ahoana ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainan’ny olona voavonjy ?

Mampahatsiahy ny tantaran’i Elisabeta. Teo amin’ny fahanterany izy vao niteraka zazalahy. Araka izany, nifaly niaraka tamin’ny mpiara-belona taminy izy, novahan’Andriamanitra ihany koa ny lelan’i Abrahama,  izay naraikitr’Andriamanitra noho ny tsy finoany. Izay no vokatry ny fanekena an’Andriamanitra.

 

Andriamanitra irery ihany no afaka misintona sy manampy. Raha manana faniriana hiditra amin’ny fanatanjahan-tena ny olona iray dia mampiseho ny fahavononany hiditra ao izy. Ankoatra izany dia miatrika fifaninana araka ny fanazarantena sy ny fandaminana. Ny Kristiana kosa dia mitana ny fanekena amin’ny toerana rehetra, ary mijoro vavolombelona, Ny tsy fanatanterahana ny andraikitra dia miteraka tsy fahombiazana ho an’ny ekipa. Ny fitafiana ny anaran’i Kristy dia mitaky andraikitra.

I Korintiana 9 : 25 : « ary ny mpiazakazaka dia mahonontena amin’ny zavatra rehetra… ».

Misy ny andraikitra miandry ny mpitoriteny sy ny katekista. Andriamanitra Ray dia nanao sorona ny Zanany lahitokana mba ho famonjena ahy sy ianao. Tsy afaka miala amin’izany ny mpitory na iza na iza.

II Timoty 4 :2 « mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisia, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana ». Asa fanompoana miorina amin’ny tenin’Andriamanitra, teny ivelomana. Izay mihinana no ho velona. Izy no manome sakafo, izay voky ihany no mandeha. Ny fandalinana na fiofanana natao dia baikon’ny Tompo. Asa misiona no andrasan’i Kristy. Isika Fiangonana dia tompon’antoka zato isan-jato amin’ny fanapariahana ny tenin’Andriamanitra. I Petera 5 : 2-3 :« Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo, tsy amin’ny fitiavana harena maloto fa amin’ny zotom-panahy ». Tsy ho mpanjakazaka, amin’ny anjara fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry ».  

Fehiny : Tsy misy fitomboana ara-panahy raha tsy miala amin’izao tontolo izao. Rehefa an’ny Tompo isika dia tokony hanana fifaliana. Raha misy zavatra mahatezitra, dia tokony tsy hilona maharitra amin’izany, fa mitodika amin’Andriamanitra.

 

Ho famaranana ny fampianarana sy fampitana ny Tenin’Andriamanitra, niarahan’ny Fiangonana  niredona  teo am-pitsanganana ny hira FFPM 351 : « Tsy hangina re ny hoby noho hianao ry Ziona ».

 

Nisy ny feon-javamaneno.

VAVAKA FIFONANA SY FAMELAN-KELOKA

Manoloana ny sitrapon’Andriamanitra dia tsy nahatanteraka izany isika. Nasandratra ny vavaka nentin’ny Fiangonana nifona sy niaiky ny fahotany teo anatrehan’Andriamanitra. « Andriamanitra tsara, isaorana  ny fotoana nomenao anay. Tsapanay fa Ianao dia tsy mitsahatra miteny aminay. Tokony hanambara hira fiderana  hitaona  ny mpino hanambarana ny fiderana Anao izahay amin’ny asa fanompoana, hizara ny fiofanana. Nomena  maimaim-poana izahay dia tokony hizara maimaim-poana. Maro ny tsy tanteraka ary mifona Aminao izahay Tompo. »

Toy izao ny teny famelan-keloka noraisin’ny Fiangonana : « Dia ho fafazako rano madio ianareo, ka hadio, ny mba afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. Ary ny fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka .hanaraka azy » Ezekiela 36 :25-27. Amena.

Nohiraina teo am-pitsanganana ny hira FFPM 547 : 1-4 : « Ry Jesoa Tompo tianay »  narahan’ny fanekem-pinoana laharana fahatelo sy ny vavaka mangina.

TATITR’ASA

Razanarivelo Laure no nanao ny tatitry ny asan’ny Fikambanana Mpitoriteny sy Katekista (FMK) ary ny vita fiofanana. II Timoty 2 :2 « Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky izay hahay mampianatra ny sasany koa » no teny fanevan’ny Fikambanana ary nentina niarahabana ny Fiangonana sy nanazavana ny andraikitra sy ny tanjon’ny Fikambanana.

Taorin’ny tatitra dia nanao ny anjara hirany mpikambana, hira FF 24 :2 « Mandrosoa, miasà ».

 
RAHARAHAN’NY FIANGONANA

Ny Biraom-piangonana, Razafimaharo Maminirina, no nanatanteraka izany. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia ao amin’ny I Korintiana 3: 17b : « Fa masina ny tempolin’Andriamanaitra, dia ianareo izany ». Toy izao ny asa nisongadina, tsara ho fantarina ary hotanterahin’ny Fiangonana sy hoentiny amim-bavaka:

 

Raharaha ivelany :

·        Talata 21 desambra : FJKM Paragoay – Krismasy Synodamparitany andrefana

Raharaha eto an-toerana :

·        Sabotsy 18 desambra :

o   fanadiovana faobe ny trano fiangonana niarahana tamin’ny Vaomieran’ny  Fananana

o   fanaovana vaksiny niarahana tamin’ny K160 taonan’ ny Fitandremana FJKM Amparibe Famonjena

·        Sabotsy 25 desambra : fidirana in-droa : amin’ny 7 ora sy amin’ny 10 ora. Tsy misy ny fisoratana anarana fa mitondra taratasy misy ny anarana, ny adiresy sy ny laharana finday izay omena ny tompon’andraikitra mialoha ny hidirana ato am-piangonana

·        Alahady 26 desambra :

o   Fidirana indray mandeha amin’ny 9ora

o   Fivoriana ankatoky ny Fandraisana

·        Fizarana valisoaho an’ ireo mpianakavin’ny finoana afa-panadinana ofisialy/ara-panjakana, ireo mpianatra mpitoriteny, mpiomana ho Mpitandrina

·        Mitohy hatrany ny fivorian’ny sampana, sampan’asa eto amin’ny tananan’ny Fiangonana

·        Antsoina ireo zokiolona 70 taona mihoatra mba hisoratra anarana hanavaozana  indray ny lisitra natokana ho amin’izany

·        Mitohy ny fiainan’ny Fiangonana. Hohamafisina ny fepetra ara-pahasalamana noho ny fihanaky ny valanaretina. Entanina ny mpianakavin’ ny finoana tsirairay hanaraka izany fepetra izany : fanasana tanana, elanelana iray metatra, fanaovana arovava orona,….

FANOLORAN-JAZA

Nohiraina ny hira FFPM 813 : « Tia zaza ». Ny zaza Rabenandrasana Arivero Soa Miahy no natolotra sy nentina amim-bavaka tamin’izany.

 
RAKITRA SY FANOMEZANA

Ny Biraom-piangonana, Ralaindimby Haja, no namaky ny voady rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina ao xxxxx .Ny hetahetan’ny mpianakavin’ny finoana nentina teo anivon’ny Fiangonana  sy ny hira nangatahiny :

·        Hira FFPM 2 :1 : « Misaora an’i Zanahary » noho ny nahavitan’ny Concert de Noel an’ny RFF

·        Hira FF 7 :1 : « Tsy hainay ny hangina », noho ny nahatratrarana ny faha 30 taonan’ ny fanambadiana.

Ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana ny fanolorantena, nohiraina teo am-pitsanganana  ny hira FFPM  545 :1 « Endrey izany hafaliana ».

 
ASA VAVOLOMBELONA

Fitondrana amim-bavaka sy fizarana valisoa notanterahiny STK Zokiny ho an’ireo afaka fanadinana ara-panjakana, sy ireo nahavita  ny fiofanana ary ny mpianatra Mpitandrina.

Salamo 103 :1 « Misaora an’i Jehovah ry fanahiko, Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina ».

 
VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitarika izany.

Nitondra amim-bavaka ny Herinandro sambatra sy ny fahasalaman’ny mpianakavin’ny finoana, ny Krismasy sy ny fetim-bokatra, ireo zanaky ny Fiangonana afa-panadinana ka nomena valisoa, ny fikambanan’nyy mpitoriteny sy ny katekista ary ny mpianatra nahavita fiofanana, ny Sampana sy sampan’asa eto anivon’ny Fitandremana FJKM Amparibe Famonjena, ireo nanana taom-pankalazana 20 sy 30 taona, ireo mankalaza ny jobily, ny komity faha 160 izay hamarana ny fankalazana, ireo manana fahasahiranana, ny tsy salama,ny  manana fahoriana,  ny manana  hataka manokana, ireo nanao raki-pisaorana, ny RFF izay nahavita ny Concert de Noel, ireo nahatsiaro ny tsingerinandro nanorenana ny fanambadiana. Ireo mpanompo nandray anjara tamin’ny voka-dehibe, sy  izay mbola  hanatanteraka izany amin’ny hoavy. Nofaranana tamin’ny « Rainay izay any an-danitra » ny vavaka fangataham-pitahiana.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina ny FFPM 338 « Arovy aho Tompo». Notononina ny tondrozotra 2021. Natolotry ny Mpitandrina  ny tsodrano. Nipetraka ny Fiangonana. Notononina ny Trinite.

 
IREO TOMPON’ANJARA

·        Nitendry orga : Rabiazamaholy Hery Lanto

·        Nikirakira ny fafana : Rabiazamaholy Mahery

·        Nikirakira ny fanamafisam-peo : Ramahery Yves

·        Naka sary : Ramahery Hasina

·        Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly

Alahady 12 Desambra 2021

ALAHADY 12 DESAMBRA 2021 “MINOA NY FIFALIANA AO AMIN’NY TOMPO”
Alahady fahatelo amin’ny Advento
Ivom-bokatry ny Sampana Sekoly Alahady
“ANTOKY NY FAMONJENA”
" Ary ny zotom-ponareo dia namporisika ny maro " II Korintiana 9 : 2b

Alahady natokana ho ivon’ny herinandrom-bokatry ny Sampana Sekoly Alahady “ANTOKY NY FAMONJENA”, noho izany dia mpikambana avy ao no nandray anjara tamin’ny fandavorariana ny fotoam-bavaka. Ny Mpitahiry vola Rakotoharisoa Michel no nitarika ny litorjia. Ny Mpitandrina Rakotoarivony Hubert no nitondra ny hafatry ny Tompo tamin’ny Fiangonana. Ny fandaharana iombonan’ny FJKM avy amin’ny Sekoly Alahady Foibe no narahina, litorjia endriny faharoa.

Azo henoina ato ny hafatra

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Nisy feon-javamaneno fidirana. Noredonin’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira fanevan’ny faha-160 taona “ FA MASINA NY TEMPOLIN’ANDRIAMANITRA DIA IANAREO IZANY ”.

Taorian’ny teny fampidirana sy fanolorana ny vahiny dia nisy fiarahabana apostolika. Novakian’ny Fiangonana miaraka teo am-pitsanganana ny SALAMO 16 : 1-11. Noredonina ny hira FFPM 780 : 1 “HE DERA LAZA HERY”, nataon’ny mpitarika ny vavaka fisaorana izay narahana feon-javamaneno sy vavaka mangina. Notohizana avy hatrany tamin’ny fotoanan’ny ankizy.

 

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny kilasy faha-7, Ramanandraibe Ravosson Haingo, no nitarika izany. Nisy vavaka.

Vazaha roa lahy nivahiny tany ambanivohitra izay nahita olona efa-mianaka niasa an-tanimbary no noresahina. Ireo voalohany dia naka sary sy ontsa nahita ny fahantran’ireto farany izay nivarotra ny ombiny ka ny vidiny nataony fanatitra ho an’Andriamanitra. Na teo aza ny fahantrany dia hita ho nanam-piadanana ireo. Ohatra tsara izany zotom-po izany ary nahazoana fanampiana tany aoriana. Samia manahaka azy 4 mianaka isika rehetra araka izay tandrify azy. Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra dia ny II KORINTIANA 9 : 2b :  » Ary ny zotom-ponareo dia namporisika ny maro  »  .

Nohirain’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady teo am-pitsanganana ny FFPM 786 : 4 “NY TENINAO JEHOVAH”. Nisy vavaka. Nanaraka izany ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nohiraina ny FFPM 761 : 1 “RY JESOA ZOKY BE FITIA”. Ny vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina sy ny vakiteny ao amin’ny Testamenta Taloha dia notontosain-dRakotonarivo Steven. Rakotonarivo Kaloina sy Razafimbololona Kasmira kosa no namaky ny Testamenta Vaovao. Ireto avy ny perikopa voalahatra : OHABOLANA 23 : 12-18 ; LIOKA 1 : 39-45 ; II JAONA 1 : 1-6. Natao teo am-pitsanganana ny hira FFPM 786 : 1 “NY TENINAO JEHOVAH” mialoha ny toriteny.

 

TORITENY

Matetika dia zavatra hafahafa no manintona sy isontonana ny olona : tsikera, fanaratsiana, fanabantiana, famotehana. Mipetraka ny fanontaniana raha mbola misy anton-javatra mitondra fifaliana ho ansika ihany amin’ny fiainana manoloana ny zava-misy aparitaky ny haino aman-jery.

Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny OHABOLANA 23 no nakana vatsy, izay nampifandraisina amin’ny Teny nosafidian’ny Sekoly Alahady hoe : “ Ary ny zotom-ponareo dia mamporisika ny maro”.

I Paoly no mampita hafatra ho an’ny mpino tany Korinto. Ny resahina eto amin’ny perikopa dia ny nandraisana fanampiana avy amin’ny malala-tanana : misy nanome mihoatra noho izay tokony ho zakany. Mahatonga ny olona haneho fihetsika izany (provoquer). Rehefa haintsika ny mampiasa ny loharanon-karena dia afaka manao zavatra lehibe isika. Mbola misy tsy voatrandraka eo anivon’ny Fiangonana, izay no ilana zotompo sy fanolorantena. Mandringa ny fanabeazana raha tsy miaraka ny Fiangonana, ny ray aman-dreny, ny mpampianatra sy ny ankizy/tanora beazina.

Boky ahitana karazan’olona maro ny Baiboly, tsy tao amin’Israely ihany fa ny manodidina koa. Ny OHABOLANA mampianatra antsika hahalala : tsy tenim-pahendrena fotsiny, na tenim-paminaniana avy amin’ny fanambarana manokana avy amin’Andriamanitra fa vokatry ny fandinihana avy amin’ny saina mahiratra sy ny traikefan’ny hendry.

Vanim-potoana amohazana ny fisainana kristiana ny fahaiza-mandinika ny fizotry ny fiainana, tsy voatery amin’ny zavatra nianarana. Manome anatra fehezin’ny fahatahorana an’Andriamanitra izany tenim-pahendrena izany.

Ny Sekoly Alahady sy ny Fiangonana kristiana dia afaka mitondra fifaliana satria manana ny Tenin’Andriamanitra izay refy mazava, tsy iadian-kevitra, marina. Atodiho hanaiky ny fananarana ny fonao hiavian’ny voka-tsoa. Tohero ny hevitra rehetra izay mandà an’Andriamanitra mba hananana fanantenana.

Manana fifaliana ny Sekoly Alahady satria mahay sy mitaona hampihatra ny fananarana (and.13-14). Ilaina ny fahaizana mampianatra ny zanaka hifikitra amin’ny fahamarinana. Ny fahatsapana ny vokatry ny finiavanao no zava-dehibe. Mandania fotoana ho an’ny zanakao fa mila anao ray/reny ho filamatra sy ho môdely izy mba tsy handehanany ho any amin’ny fitoeran’ny maty. Miverena amin’ny loharano. Safidio ny hampihatra ny marina mba ho tsara ety an-tany sy any am-parany.

Ho an’ Andriamanitra irery ny voninahitra ! Amena.

 

Nisy feon-javamaneno fohy taorian’izany. Rehefa izay dia nanatontosa ny vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra sy fifonana ny mpitarika, izay narahin’ny fanononana ny fanekem-pinoana nikeanina (Laharana 2) natao teo am-pitsanganana. Nisy feon-javamaneno fohy.

TATITRY NY ASA

Ny Mpitantsoratry ny fivoriana Rabenasolo Landy no nanao ny tatitry ny asan’ny Sampana Sekoly Alahady. Novakiany koa ny hafatra avy amin’ny Sekoly Alahady Foibe. Rehefa izay dia nanao ny hira HF 7 “ANTOKY NY FAMONJENA” ny fianakaviambe.

 

RAHARAHAM-PIANGONANA

Ny Biraom-piangonana, Razafimaharo Mamy, no nilaza ny raharaha. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia ao amin’ny I KORINTIANA 17 : 3b. Toy izao ny asa tsara hofantarina ary hotanterahin’ny Fiangonana sy hoentiny amim-bavaka :

Alatsinainy 13 desambra 2021 : fanombohan’ny herinandron’ny Fikambanan’ny mpitory teny sy katekista vita fiofanana ;

Talata 14 desambra 2021 amin’ny 6 ora hariva : fivorian’ny Biraon’ny rafitra miaraka amin’ny Biraom-Piangonana handinihana ny tetibola 2022 ;

Sabotsy 18 desambra 2021 :

  • amin’ny 8 ora maraina fivorian’ny Mpihevi-draharaha;
  • fanaovam-baksiny;
  • amin’ny 1 ora tolakandro : asa iombonana, fanadiovana faobe.

Alahady 19 desambra 2021 : fizarana valisoa karakarain’ny STK Zokiny ho an’ny zanaky ny Fiangonana afaka fanadinam-panjakana.

 

Ireo sampana mpihira dia manomana antsa sy manasa ny Fiangonana hanohana azy ireo :

SAMPANA

ANDRO SY ORA

TOERANA

 

NY MAMPIAVAKA

RFF, Imanoela, amintsika Andriamanitra

16/12 @ 7 ora hariva

Arena Ivandry

 

Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona. Ny vahiny:Ramanantoanina Rija

HAFA, Fifaliana feno ao amin’ny Tompo

17/12 @ 6ora15 hariva

FJKM Amparibe Famonjena

 

Tapany voalohany: Rakotoarivony Noël

STAF, Krismasy fifaliana

19/12 @ 6 ora hariva

FJKM Amparibe Famonjena

 

Famaranana ny faha 30 taona

SA, Faly be aho, teraka Jesoa

25/12 @ 3 ora tolakandro

FJKM Amparibe Famonjena

  

 

Noho ny firongatry ny valanaretina COVID, nisy ny fanentanana fanajana ireo fepetra mba hitandroana ny fahasalamana.

Nandray fitenenana ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina, nisaotra ireo manana anjara, niarahaba sy nirary soa ny sampana Sekoly Alahady. Nankasitraka ny Mpitandrina nitory ny Teny (Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe teo aloha, Filohan’ny filankevi-pitantanana ao amin’ny SAF/FJKM) izy), nanao antso ho an’ireo hiditra katekomena. Nanentana koa izy ho fitondrana am-bavaka ny fanomanana ny herinandro sambatra, ny krismasy, ny voka-dehibe. Nisy mpivady natsangana niaraka tamin’ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviana, noarahabaina, nirariana soa sy nentina amim-bavaka. Nitohy tamin’ny fanati-pisaorana ny fotoana.

 

RAKITRA SY FANOMEZANA

Ny Biraom-piangonana Ralaindimby Haja no namaky ny voady rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny SALAMO 117 : 1-2 izy. Toy izao manaraka izao ny hetahetan’ny mpianakavin’ny finoana nentina teo anivon’ny Fiangonana : misaotra an’Andriamanitra fa nahazo valim-bavaka ; tontosa ny fanamasinana ny fanambadiany ; ankohonana nahazo fahasoavana. Ny hira nangatahin’ny mpianakavin’ireo finoana ireo, izay nohirain’ny Fiangonana nandritra ny fanatazana ny rakitra, dia : A 16 “ISAORANAY JEHOVAH TOMPONAY” ; “MISAOTRA ANAO IZAHAY”.

Notononina ny voka-dehibe voaray androany sy hatramin’izay. Amin’ny 25 desambra 2021 no ivon’izany, kasaina mbola hitohy hatramin’ny volana janoary 2022.

Ny hira vavaka FFPM 443 : 2 “RAISO HO ANAO NY FOKO”.no notanterahina teo am-pitsanganana ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanolorantena. Ny Filoha mpanampin’ny Sekoly Alahady Rabenahy Mahaly sy ny Mpitahiry vola Rabearinoro Dina no nandray ny rakitra faharoa teo amin’ny alitara.

 

ASA VAVOLOMBELONA

Fizarana valisoa ho an’ireo mpianatra Sekoly Alahady nahavita fanadinana Foibe no asa vavolombelona androany. Nanomboka izany ny Filoha Razafindrasata Abel. Nivavaka Rabenahy Mahaly. Rehefa izay dia nisy fandaminana ary notononina misesy ny anaran’ny mpampianatra sy mpianatra isaky ny kilasy : ny mpianatra K1 hatramin’ny K4 teny an-toerana ihany no nomena valisoa ; ny K5 noho miakatra kosa , nandroso teny amin’ny alitara. Rabearinoro Dina no nanao vavaka famaranana.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitarika ny vavaka fangataham-pitahiana. Nisaotra an’Andriamanitra izy noho ny Teny avy notoriana sy nangataka mba hampiharan’ny Fiangonana izany eo amin’ny fiainana. Voatonona koa ny mpitory Filazantsara sy mpitondra fivavahana rehetra, ny toby masina, ny akany fitaizana. Tsy diso anjara amin’izany ny tanjona kendren’ny Fiangonana, ny kristiana rehetra, ny sampana Sekoly Alahady, ny Mpitandrina nitory Teny sy ny ankohonany mba hahefa ny asany, ny fanapan-kevitra hiroso amin’ny fianarana katekomena, ny herinandro sambatra, ny krismasy, ny ivon’ny voka-dehibe, sampana sy sampanasa ary asa sy ireo manao fankalazana. Notsaroana koa ny sahirana, marary, mana-manjo, manana hataka manokana, ireo nanao raki-pisaorana sy voady. Nofaranana tamin’ny « Rainay izany any an-danitra » ny vavaka.

FAMARANANA NY FOTOANA

Notononina avy hatrany ny tondrozotra 2021 manao hoe : “ Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara… Famindrampo sy fahamarinana no ho an’izay manao asa tsara ”. Nohiraina ny FFPM 790 : 1 “JESOA O SAKAIZA TSARA”. Natolotra ny tsodrano dia noredonina ny hira vavaka FFPM 808 : 1 “EO AN-TRATRANAO JESOSY”. Natao ny vavaka mangina, notononina ny Trinite ary ny feon-javamaneno no nanaraka izay. Nifarana tamin’ny 11 ora sy 37 minitra ny fotoana.

 

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rajaofetra Philippe, nampian’ireo mpiofana ho mpitendry orga (Randriambeloson Sitraka, Rajaofetra Anthonio, Raharinoa Randriamparany Fenitra)

Nikirakira ny fafana : Razafimaharo Kantoniaina

Nikirakira ny fanamafisam-peo : Rakotovololona Lova

Naka sary : Raharijaona Nirina

Nandray an-tsoratra : Ralaiarimanana Narindra

Alahady 05 Desambra 2021

Alahady 05 desambra 2021
MINOA NY FIFALIANA AO AMIN’NY TOMPO
Alahadin’ny Firaisan’ny Diakona sy ny Loholona, FJKM Amparibe Famonjena
“Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo,” Filipiana 4: 4a 4a

Alahady voalohany amin’ny volana desambra 2021, ary  fotoana izay ibanjinan’ny Fiangonana eto amin’ny sahan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara  ny lohahevitra fitaizam-panahy vaovao manao hoe: « MINOA NY FIFALIANA AO AMIN’NY TOMPO ».

Alahady faha 2 amin’ny Advento ary ho an’ny FJKM Amparibe Famonjena manokana dia natao ho fiaraha-miombom-bavaka amin’ny Firaisan’ny Diakona sy ny Loholona na ny FDL.

Ny Loholona Rabako Ralambonirina Jean-Jacques no nitarika ny fanompoam-pivavahana ka ny Litorjia Voalohany fampiasa eto amin’ny Fiangonana no notanterahina.

Ny Mpitandrina Robel Bruno, izay zanaky ny Fiangonana ihany, no nitory ny Tenin’Andriamanitra.

Nisy ny fiarahana nandray ny Fanasan’ny Tompo, notarihan’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina, taorian’izao fanompoam-pivavahana izao.

FANOMBOHANA NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Notanterahina avy hatrany ny hira fanevan’ny faha 160 taonan’ny  Fiangonana « Fa masina ny tempolin’Andriamanitra dia ianareo izany ».

Nanao ny Fiarahabana Apostolika ny Mpitarika, ary nitohy tamin’ny Fiderana sy Fisaorana an’Andriamanitra izany, tamin’ny famakiana ny Salamo faha 98 :1-5 manao hoe:Mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena. Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason’ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany. Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin’ny taranak’Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen’Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra. Mihobia ho an’i Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihirà. Mankalazà an’i Jehovah amin’ny lokanga, Dia amin’ny lokanga sy ny feo fihirana.” Amena!

Natao ny hira 539 and.1-2 “Faly dia faly”, nentina nidera ny Tompo.

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Izao no vavaka fisaorana an’Andriamanitra notanterahin’ny Fiangonana tamin’ity fotoana ity:

“Andriamanitra Tomponay ô! Masina Ianao, koa indreto izahay Fiangonanao miara-manandratra vavaka ho fiderana Anao. Andriamanitra marina Ianao ary manao fahagagana mandrakariva eo imasonay. Mpamonjy anay amin’ny tsy fahatanterahanay Ianao, koa izany no ifalianay. Nombanao sy nosakambininao mandrakariva izahay tamin’ireo adim-piainana maro samihafa nosedrainay, ka nahatonga anay ho mpandresy tahaka Anao. Nomenao izao Alahady, andro tsara izao izahay, hihaonanay sy hifalianay Aminao eto amin’ity Fiangonanao, Amparibe Famonjena ity. Koa raiso Tompo izao vavakay izao. Ekeo re ny fiderana sy ny fisaorana atolotray Anao Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina, Amena!”

 

NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA

Ny sitrapon’Andriamanitra izay nambara tamin’ny Fiangonana dia araka izay voalaza manaraka izao:

Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon’izay mitady an’i Jehovah.

Mitadiava an’i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany. Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ny vavany, Hianareo taranak’Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak’i Jakoba. Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.” I Tantara 16:10-14.

 

Natao ny hira 531:1 “Ry Jesoa Loharanon’aina”. Natao ny vavaka fifonana avy eo.

VAVAKA FIFONANA

Tsy nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra isika fa nivily tsy nanaraka ny lalàny, koa izao no vavaka niombonan’ny Mpianakavin’ny Finoana, nifonana tamin’Andriamanitra: “Tompo Andriamanitray ô! Mifona Aminao izahay fa diso teo anatrehanao, variana tamin’ny olana sedrainay isan’andro izahay, ka nanadino ny niantoraka taminao. Tsy tsaroanay ny famonjena lehibe notanterahinao ho anay, koa ankehitriny ary, manatona Anao izahay. Raiso re Tompo ny fifonanay, mihainoa ny vavakay, ary hampamirapirato aminay ny tavanao; fafao re ny helokay. Amena!”

 

Ny hira 201 and. 1 “Midina Tomponay” no hira nentina nangataka ny herin’ny Tompo.

 

TENY FAMELAN-KELOKA

 

Izao no Teny famelan-keloka noraisin’ny Fiangonana tamin’ny Tompo: “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao; koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao; Kristy izay tsy nahalala ota dia efa nataon’Andriamanitra hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy koa isika. Voavela ny helokareo noho ny Anarany Masina. Aleloia!  Amena!”

 

Ny hira FF 34: 1, 3 “Tompo Malala ô!” no noredonin’ny Fiangonana ho fisaorana ny Tompo tamin’ny fandraisana ny famelan-keloka.

Ny olona voavela heloka dia sahy manambara ny finoany eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona. Ny Fanekem-pinoana Apostolika no nentina nanambara izany.

FOTOANAN’NY SEKOLY ALAHADY

 

Ny mpampianatra K7, Zoky Rahalivaseheno Noro, no nanantanteraka izany.

Teo am-panombohana, dia nanao vavaka ho fisaorana an’Andriamanitra ny tompon’anjara, noho ny fotoana sarobidy omen’ny Tompo ny tanora ahafahany mihaino sy mahita zava-mahagaga amin’ny fandraisana izao Tenin’Andriamanitra izao.

Araka ny lohahevitra izay banjinina manao hoe: “Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo “, dia noraisina ny Teny ao amin’ny Filipiana 4: 4aMifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo”, mba hitondrana ny hafatra.

Nisy mpivady iray izay nifanolotra fanomezana noho ny fahatongavan’ny noely. Na dia tsy nifanaraka tamin’izay nilan’ny tsirairay azy avy aza ny fanomezana, dia nifaly ihany ireto mpivady ireto.

Ny hafatra dia hoe: Mila mifaly amin’ny zavatra rehetra sy amin’ny fotoana rehetra isika. Taorian’ny hafatra dia nisy ny vavaka ary nofaranana tamin’ny fihirana ny hira faha 71: Mihainoa, Mihainoa! and. 2 izany.

 

TATITRY NY FDL

Ny Diakona Rajaonah Hanta Oliva no nanantanteraka izany.   Ny Jaona 15:16a: “Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo”, no tondrozotran’ny FDL eto amin’ny SPAA10.

Notsiahivin’ny mpanao tatitra ny fisian’ny mpikambana miisa valo izay nodimandry tamin’ity taona ity.

Ny volana janoary dia nisy ny fotoan-dehibe fanokafana ny taona vaovao tao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana.

Ny volana febroary dia nisy ny fiofanan’ny Diakona sy ny Loholona teto amin’ny Fitandremana.

Nisy ny fanatrehana ny fivorian’ny FDL Antananarivo Renivohitra.

Nisy ny fanatrehana ny fivorian’ny Komity lehiben’ny FDL Synodamparitany SPAA10.

Nisy ny fanatrehana ny fiofanana mahakasika ny tetik’asa “Talenta Mifanasoa”, izay miompana indrindra amin’ny fambolena.

Ny volana septamba dia niatrika ny fivorian’ny FDL SPAA10 Faritra antsinana.

Ny volana oktobra no nisy ny fiofanana faharoa teto amin’ny Fitandremana.

Ny volana novambra no nitsidika ny TPM tany Fianarantsoa isika teto Amparibe.

Noho ny toe-draharaha misy dia tsy tanteraka kosa ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao 2021 ary tsy tontosa ihany koa ny fivoahana an-tsaha.

Nanatanteraka ny hirany ny FDL taorian’ny tatitra, ka hira FF 2:1, 4” He! Manolo-tena” no natao.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA

Ny Biraom-piangonana Razafimaharo Mamy no nanantanteraka izany. Ny IKor 3: 17b “Fa masina ny tempolin’Andriamanitra dia ianareo izany” no nentiny niarahaba ny Fiangonana.

 

Taratasy fanasana avy any ivelany:

-Foibe FJKM: Sabotsy 18 desambra  eny Andanona ny fambolenkazo iombonana. Fiaingana: 6 ora maraina eo amin’ny Esplanade Analakely; fiara iombonana 6000 Ar ny sarandalana; sakafo 2500 Ar. Fisoratra anarana ao amin’ny Foibe FJKM varavarana 204.

-SPAA 10: Alahady 12 desambra tolakandro amin’ny 2.30, Antsam-panahy STK ao amin’ny Aumônerie Protestanta Befelantanana. Ny rakitra dia entina hanampiana ireo marary ao amin’ny sampana Pneumologie izay hiahian’ny sampana.

-Toby Getsemane Antambohomena: Alarobia 8 desambra 2021, Fanompoam-pivavavahana fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha20 taonan’ny Toby. Ezaka SINIBEN-DRANO (Château- d’eau) hatsangana eny Antambohomena. Mandefa valopy miisa 22 izy ireo ahafahantsika mandray anjara.

-Chaîne d’honnêteté: Alahady 12 desambra 2021 @ 2 ora tolakandro ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana, Fanompoam-pivavahana fanamarihana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly.

FJKM Tranovato Ambatonakanga / SAMPATI: Ho fankalazana ny faha 30 taona ny SAMPATI FJKM Tranovato Ambatonakanga dia mikarakara hetsika ara-pahasalamana“ fizahana maso” amin’ny 11 desambra sy 18 desambra 2021 ao amin’ny Akany Ambatonakanga . Ny saran’ny fizahana dia 5000 ar ary hisy solomaso azo jifaina amin’ny vidiny mirary.

 

Raharaha eto an-toerana:

        Manomboka alatsinainy ny herinandrom-bokatry ny sampana Sekoly Alahady

 Filazana manjo: Andriamizakason Rajaonah Ny Ando Lantoniaina dia nodimandry ny alarobia 1 desambra 2021 teo amin’ny faha 49 taonany.Ilazana ny Mpitandrina  mivady sy ny Fiangonana , ny Sampana SA , STK Zo ary ny SAMPATI.

      Fiantsoana fanambadiana:

   1- Rakotonarivo Vatsy Ambinina sy Ramasindraibe Hobiniaina: Fanamasinana hotanterahina ny zoma 10 desambra 2021  amin’ny 9 ora sy sasany maraina eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
          2- Ratavilahy Nomenjanahary Ronald sy Razafindravelona Volamihanta Nirina: Fanamasinana hotanterahina ny sabotsy 11 desambra 2021 amin’ny 10 ora sy sasany maraina eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.

  Fiantsoana faharoa:

* Gervos Léonander sy Ramilison Daniella                                                                    

*Rakotondramboa Sandy Jeremia sy Casimir Sandy Laurence

* Razafimandimby Niaina Tiantsoa sy Rajoelinarivo Saholy Elia

Fiantsoana voalohany: Ny zanaky ny Fiangonana vavy Rakotomavo Hanitriniaina dia hampakarin-dRandriamananjara Ny Aina harijaona ho vadiny.

Fiantsoana fivoriana sy filazana samihafa

        Antsoina ny solotenan’ny rafitra handrafitra ny Komity Fisotron-drononon’ny Mpitandrina ho ny alahady 12 desambra aorian’ny fanompoam-pivavahana.

        Komity faha 160 taona: Hisy indray ny fanantanterahana vaksiny fiarovana amin’ny Covid19 amin’ny sabotsy 18 desambra ho avy izao ka ny vaksiny Jensen tsindrona tokana no atao amin’izany ; koa asaina ireo rehetra tsy mbola nanao vaksiny ka maniry ny hanao izany mba ho tonga eto amin’ny Fiangonana.

        STKZo: Ny alahady 19 desambra ny fizarana valisoa: afaka fanadianana ara-panjakana, fandraisan-tanana ireo mpianakavin’ny finoana nahavita fianarana SETELA, SEFALA, SAAM,FITELA,SEMI. Ny taratasy fisoratana anarana dia raisina ao amin’ny Efitra atsimo, ka averina amin’ny STKZo hatramin’ny 12 desambra 2021.

        Sampana Dorkasy: Talata 7 desambra fiarahana amin’ny sampana Fifohazana manomboka amin’ny 2 ora.

        VMFP na Vondrona Manambatra ny Fanomezam-pahasoavana : Fiantsoana Fivoriambe faharoa sabotsy 11 desambra, 10 ora maraina, Akany Rainimamonjy.

        RFF na Rindra Fialamboly sy Fanatanjahantena: Mitohy ny fanazarantena, taranja Basket sy Volley ao amin’ny RMI Analakely ho an’ny Basket isaka ny sabotsy maraina amin’ny 8 ora; eny amin’ny ESCA Antanimea ny Volley ny sabotsy amin’ny 9 ora.

Voka-dalao manasa-dalana, taranja Basket tournoi karakarain’ny FJKM Anosivavaka: ny FJKM Amparibe dia nandresy ny FJKM Ambodimita tamin’ny isa 65 noho 64 . Ny lalao famaranana dia hotanterahina amin’ny sabotsy 11 desambra 2021.

Ho tohin’ny fankalazana ny faha 20 taona, ny RFF dia hanantanteraka Concert de Noel nampitondraina ny lohateny hoe : “ Imanoela amintsika Andriamanitra” izay hotontosaina ny Alakamisy 16 desambra amin’ny 7 ora hariva ao amin’ny ARENA IVANDRY.

        Sampana Taniketsa: Alahady 19 desambra hariva, Antsam-panahy hanomboka amin’ny 6ora hariva.

        Vaomiera Vola: Antsoina ny mpikambana ho tonga amin’ny fivoriana ny talata 7 desambra amin’ny 6 ora hariva eto amin’ny Fiangonana . Antsoina ihany koa ny Biraon’ny rafitra rehetra ho tonga amin’ny fivoriana izay hiarahana ny alarobia 8 desambra amin’ny 6 ora hariva eto amin’ny Fiangonana.

        Vaomieran’ny Fananana: Fivoriana ny talata 7 desambra amin’ny 6 ora hariva eto amin’ny Fiangonana.

        Vaomiera Aim-panahy: Alahady 26 desambra, fizarana valisoa ho an’ireo izay nandray anjara tamin’ny fahalalana Soratra Masina ny volana septambra lasa teo .

        Sekoly Alahady: Fandaharana herinandrom-bokatra :

Alatsinainy 6 desambra amin’ny 6ora latsaka fahaefany fotoana hiarahana amin’ny AFF.

Alarobia 8 desambra famangiana ny Akany eny Tangaina , fiaingana amin’ny 11 ora sy sasany. Entanina isika hanolotra fanomezana toy ny PPN ( vary , siramamy , voamaina , sns…) Aterina ao amin’ny mpiandry tananan’ny Fiangonana hatramin’ny Alarobia amin’ny 10 ora maraina.

        Fanentanana natao manoloana ny firongatry ny aretina Covid 19 no namaranana ny filazan-draharaha.

 Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.