Alahady 28 Novambra 2021

ALAHADY 28 NOVAMBRA 2021

“TAFATOETRA NY FON'IZAY MIANDRY NY TOMPO”

Alahady fanateram-bokatry ny Zanaka Am-pielezana FJKM Amparibe Famonjena

“Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.” Romana 8:25

Alahady Advento I ity alahady ity, alahady farany amin’ny volana novambra.

Alahady nitondrana am-bavaka ny KPMS (Komitim-Pirenena Miady amin’ny SIDA)

Alahady fanateram-bokatry ny Zanaka Am-pielezana.

Alahady nitondrana am-bavaka ny raiamandreny Mpitandrina mianakavy.

Alahady namaranana ny fibanjinana ny lohahevitra hoe «Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo

Ny Filohan’ny Fikambanan’ny Zanaka Am-Pielezana, Rajaonarison Sahondravololona, no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitondra ny hafatra.

Litorjia endriny fahatelo no notanterahina.

Nisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

 

Ny Hira Fanevan’ny faha 160 taonan’ny Fiangonana, noredonina teo am-pitsanganana,

 no nanombohana ny fotoana. Azonao henoina ato ny hafatra. 

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny Hira Faneva dia niara-novakiana, teo am-pitsanganana ihany, ny Salamo 108: 1-5, ho fiderana an’Andriamanitra.

Avy eo dia natao ny hira FFPM 18: 1-2 “Ny feonay rehetra izao”.

Nanao ny vavaka fiderana ny mpitarika, nisaotra sy nidera ny Anarana Masin’Andriamanitra.

Feno fifaliana tafahoana amin’ny havana, namana, ny mpianakavin’ny finoana eto Amparibe Famonjena. Nandalo fotoana namaivay tao anatin’ny herintaona noho ny aretina. Tao ny narary, ny maty , ny mamoy havana… Mbola mirongatra indray ankehitriny izany aretina izany, koa mangataka amin’ny Tompo ny fitahiany sy ny fiarovany. Izy anie hanatrika feno ny fotoana ka hampamirapiratra ny voninahiny.

Feon-javamaneno fohy no nanohizana ny vavaka.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny mpampianatra ao amin’ny K3, Raharintsalama Hantanirina, no nanatanteraka izany.

Ny Tenin’Andriamanitra noraisiny dia tao amin’ny Hebreo 4: 12a ka nirara-novakiana: «  Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra … »

Hita izany fa velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra. Amin’izany dia miaina sy mitombo ara-panahy sy ara-pinoana. Ny Teny dia mampiorina sy manamafy ny finoana. Ny Fanahy Masina no mampiorina ary isika kosa dia mandalina. Isan’izany ny fianarana Sekoly Alahady.

Ny mpino kristiana dia mahita fahombiazana eo amin’ny fiainany, rehefa miankina amin’ny Tenin’Andriamananitra.

Nitsangana ny mpikambana ao amin’ny Sekoly Alahady ary nasaina nitsangana koa ireo ankizy sy tanora rehetra nanao ny hira FFPM 212: 1 “Velona sy mahery”. Nofaranana tamin’ny vavaka ny fotoana, nisaotra noho ny Teny izay velona sy mahery ka manazava ny fiainana.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Natao avy hatrany ny hira FFPM 786: 1 Ny Teninao Jehovah mialoha ny vakiteny. Ny Zanaka Am-pielezana hatrany no nanohy ny fotoana.

Rakotoson Andrianasy Rova no nivavaka  mialoha ny famakiana ny Soratra Masina. Ny Randriamanana Toky no namaky ny Testamenta Taloha, ary Rakotonirainy Josie sy Razafindralambo Andrinirina no namaky ny Testamenta Vaovao.

Ny perikopa: Salamo 16: 7-11; Lioka 1: 46-55; Romana 8: 18-25


Natao ny
hira FF 6: 2 “Soraty re ho velona ao anaty, mialoha ny toriteny.

 

TORITENY

Faly sy tretika ary ravo mifanatri-tava amin’ny Zanaka Am-pielezana, hoy ny Mpitandrina, raha vao nanomboka nandray fitenenana izy. Heno tao amin’ny Radio Fahazavana, hoy izy, ny fanentanana natao. Raha jerena ny manatrika ny fotoana dia hita fa maro amin’ ireo tonga no vaovao.

Nasainy nitsangana ny Zanaka Am-pielezana rehetra tonga ary hita fa betsaka tokoa. Nanao teny fisaorana azy ireo ny Mpitandrina.

Ny Teny noraisiny ho fifampaherezana sy famaranana ny lohahevitra « Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo » dia ny Romana 8:25: Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ny faharetana.

Miandry amin’ny faharetana! Ny Apostoly Paoly dia manao antso avo, tsy ho an’ny kristiana tany Roma ihany, fa ho an’ny kristiana rehetra mihitsy. Ny Fanjakana romana mantsy no nanapaka tamin’ny fotoanandro, ka raha voarakotra izany Filazantsara izany ny Fanjakana romana, dia efa voatory amin’ny rehetra. Ny fanentanana ataon’i Paoly eto dia ny hitoeran’ny olona tsara amin’ny fanantenana na dia mbola tsy hita aza izany. Ka na inona na inona mandalo eo amin’ny fiainany ka sedrainy dia hananany faharetana sy fiaretana.

Ka rehefa miandry ny zavatra lehibe hasehon’Andriamanitra dia:

1) Manantena izay mbola tsy hita ny kristiana

Ny kristiana marina dia manantena izay tsy mbola hita. Fa ny kristiana marefo dia ny hita ihany no fantany. Hita izany tamin’i Tomasy. Tsy indray mandeha ihany, fa raha niantso an’i Tomasy i Jaona hoe maty i Maria, renin’i Jesoa, dia tsy tonga izy, ka nalevina i Maria. Tsy nahatratra ny fandevenana i Tomasy ka nangataka ny hahita ny toerana nilevenan’i Maria. Nony tonga tany anefa dia fasana mivoha no hitany sady tsy tao intsony Maria. Teo vao nanomboka nino Tomasy fa nitsangana tamin’ny maty i Maria ka niakatra tany an-danitra.

Ny mpianatra rehetra ankoatra an’i Tomasy sy Jodasy dia manantena nefa tsy nahita.

Aoka isika hanantena izay tsy mbola hita satria ny Tenin’Andriamanitra izay toriana amintsika isan’andro dia mampanantena antsika zavatra mbola ho avy tsy hitantsika.

Raha marefo na tsy mitoetra tsara dia tsy haharitra hatramin’ny farany. Nefa hoy Jesoa hoe izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.

Ny fanantenana ny amin’ny tsy mbola hita eo amin’ny fivavahana kristiana:

        Hoy Paoly: “Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra… “ Isika izany dia tokony hanana fanantenana miorina tsara ao amin’i Kristy (I Korintiana 13 :12-13)

        Olona manana fanantenana : miandry ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra

        Ny fahafahana amin’ny fahalovana (fahafatesana ara-batana). Rehefa tonga io fotoana io dia hitafy ny tsy mety lo isika, hiditra any amin’ny fiainana mandrakizay. Na tsy mbola hita aza izany dia efa hiainana sy santarina.

Ny fivavahana kristiana dia fivavahana hafa. Na izay tsy mbola hita aza dia ampanantenain’Andriamanitra.

2)Miandry ny Teny fikasana nomen’Andriamanitra amin’ny faharetana ny kristiana marina

Miandry hatrany na rahoviana izany na rahoviana.

Hoy Jesoa: izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.

Ny miaritra sy maharitra dia tena fiainana, fiainan’ny kristiana rehetra.

Misy antony lehibe ny amin’ny finoana sy ny fanantenana izany:

        Fanavotana ny tena. Andrasana ohatran’ny vehivavy hiteraka (fahoriana, fijaliana, fangirifirina). Amin’ny fotoana tahaka izao dia miandrandrà ny lanitra fa efa akaiky ny fotoana fanavotana (Lioka 21:28 Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.)

Efa miaina izany vanim-potoana farany izany isika izao. Ny Coronavirus dia aretin’ny amin’ny andro farany: mandripaka, mamono. Koa miandrandrà fa efa akaiky ny fanavotana hoy ny Tompo.

Na inona na inona mitranga eto an-tany, isika efa manana izay efa antenaintsika, na tsy mbola hita aza dia efa ivelomantsika anaty sahady.

        Efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy isika, hoy Paoly. Io no nananganan’Andriamanitra antsika ho zanany. Fananganan’anaka ny fananantsika ny Fanahy Masina

        Rehefa tonga izany dia ho feno ilay voninahitra maha zanak’Andriamanitra antsika. Izany no kaloin’i Davida ao amin’ny Salamo 16:7-11. Andriamanitra no fototry ny soa rehetra. Davida dia nahita ny fitahian’Andrimanitra rehetra teo amin’ny fiainany manontolo. Izy no fanambarana mialoha ny Firenen’Israely ny amin’ny Mesia ho tonga.

Ny fananantsika ny Fanahy Masina dia zava-dehibe satria atolotra amin’ny Sakramentan’ny Batisa io. Ny zaza vita Batisa dia zaza natsangan’Andriamanitra. Ilaina mihitsy ny manolotra ny zaza an’Andriamanitra.

Nitondra izao Teny izao ny Mpitandrina ho an’ny ato anatin’ny Fiangonana sy ho an’ny zanaky ny Fiangonana izay miely any am-pielezana.

Ato amin’ny Fiangonana: mamporisika ny amin’izany hoe zanaky ny Famonjena izany. Raha jerena ny anarana rehetra natsangan’ny SSAA ato anatin’ny Fiangonana dia efa lasany daholo ny mahafinaritra rehetra (Sekoly Alahady: “Antoky ny Famonjena”, Antoko mpihira: “Hasin’ny Famonjena”…) Dia manontany tena ianao hoe Ianao izany inona? Ianao no atao hoe Zanaky ny Famonjena. Izay ilay fanantenantsika na dia mbola tsy hita aza izany dia antenaintsika foana.

Tsy ny eto Amparibe Famonjena ihany no Zanaky ny Famonjena fa izay rehetra mino ary manana fanantenana sy miaina amin’ny Fitiavan’i Kristy.

Ho an’ny Zanaka Am-Pielezana: Zanaky ny Famonjena daholo. Mahery miasa, manantena an’izay tsy mbola hita ary miandry amin’ny faharetana an’izany famonjen’Andriamanitra izany. Na lasa any am-pielezana aza dia miasa mafy, mba te hizara amin’ny hafa izany famonjena izany. Ka ny rehetra dia ho tonga Zanaky ny Famonjena.

Raha Zanaky ny Famonjena ianao taloha dia aoka ho mbola Zanaky ny Famonjena ihany ankehitriny, ary ho Zanaky ny Famonjena mandrakizay.

Ho Zanaky ny Famonjena hatrany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

VAVAKA FIFONANA

Nisaotra ny mpitarika noho ny Teny izay vatsy nampahalala ny sitrapon’Andriamanitra, mba ho fampianarana tsy handalo foana anie fa hanana hery, faharetana sy fiaretana. Ho kristiana marina.

Mifona fa tsy nahatanteraka foana ny sitrapon’Andriamanitra. Matoky hatrany anefa ny hanahaka an’i Kristy amin’ny Asa tanterahana ka ho tena Zanaky ny Famonjena

Natao ny hira FFPM 408:1 “Jehovah, Ray mahari-po”.

TENY FAMELAN-KELOKA

Teo am-pitsanganana no nandraisana ny Teny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra

Voavela ny heloka noho ny Anaran’i Jesoa Kristy. Haleloia!       

 Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany; Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. Amena

Natao teo am-pitsanganana ny hira FFPM 445:3, He manolo-tena aho, avy eo dia niara-nanonona ny Fanekem-pinoana laharana 4

Narahina feon-javamaneno fohy izany                                                                 

VAOVAOM-PIANGONANA

« Amparibe Famonjena : Mahatahiry ny finoana, Mifankatia, Miasa amin’ny fahazotoana »

« Fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany » (1 Korintiana 3:17b)

Ny Mpitantsoratra, Rakotomanana Andry, no nilaza ny raharaham-piangonana.

Rehefa avy niarahaba ny Zanaka Am-pielezana izy dia nanambara fa manomboka ny ezaka voka-dehibe 2021.

Ireto manaraka ireto ny vaovao vitsivitsy ilaina fantarina:

Avy any ivelany

*KPMS: tsy ny ady amin’ny SIDA ihany no ataon’ny KPMS fa miady amin’ny aretina rehetra.

Ny fanentanana: aza variana amin’ny coronavirus ihany fa misy ny tazo moka, pesta ets…

*Chaîne d’honnêteté (Tohi-vakan’ny Fahamarinana): 12 desambra ny Andro iraisam-pirenena miady amin’ny kolikoly. Ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana amin’ny 2 ora tolakandro.

Toby Getsemane Antambohomena: 8 desambra no fankalazana ny faha 20 taonany.

Anatiny

*Fitondrana am-bavaka ny Fikambanan’ny Zanaka Am-pielezana ity alahady ity. Rakitra alitara no atao. Rakitra roa: iray ho an’ny Alahadin’ny Mpitandrina ary ny iray Vokatra. Fiombonan’aina aorian’ny fanompoam-pivavahana.

* Ny STKZo dia hanolotra valisoa ho an’ireo afa-panadinana ara-panjakana sy  nahavita SETELA,  FITELA…  Ny 12 desambra no fara-fisoratana anarana.

*Hanao famangiana ireo vehivavy voafonja ny Talata ny Sampana Dorkasy

Fanentanana Vokadehibe

Ny 25 desambra (Krismasy) ny fanateram-bokatra 2021 ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.

32 000 000 Ar ny tanjona hamitana ireo Asa tsy mbola vita sy ny Asa 2022.

Asa 2022: Ara-panahy sy fijoroana vavolombelona

Ny Asa ara-panahy no tena lehibe (28 200 000 Ar).

Ny Mpitandrina:

Nankasitraka ny Birao sy ny Komitin’ny Zanaka Am-pielezana sy ny Zanaka Am-pielezana rehetra.

Nanamafy ny amin’ny fiomanana amin’ny voka-dehibe.

Nanao antso amin’ny fianarana SEFALA

Mpiomana ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo: 12 desambra no manomboka ny fianarana.

FANOLORAN-JAZA

Ny Hira FFPM 813: 1 “Tia zaza, tia zaza” natao mandritra ny fiakarana teny amin’ny alitara

Ny zaza natolotra: Andrianjafy Amine Maria Andréa.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Nanatanteraka ny Rakitra Alitara, fanateram-bokatra sy Alahadin’ny Mpitandrina, ny Zanaka Am-pielezana. Natao ny Hira “ Ô ry Ampribe izay nitaiza” nandritra izany.

126 no isan’ireo nanatitra rakitra teny amin’ny alitara.

Ny Mpitantsoratry ny volam-piangonana, Andriamasinoro Tantely, no namaky ireo voady sy raki-pisaorana. Fisaorana an’Andriamanitra avokoa no voaray.

“Mandehana Manaràna” (RFF) no hira nangatahana.

Ny Vaomieran’ny Fifandraisana sy ny Vaomieran’ny Vola no tompon’anjara tamin’ny fanantazana ny rakitra.

Ny hira FFPM 275: 2: “He, Anao ry Tompo soa” no hira vavaka natao teo am-pitsanganana ho fanavaozana ny fanoloran-tena sy fanolorana ny rakitra. Nofaranana tamin’ny “Amena”.

ASA VAVOLOMBELONA

Nisy karazany roa: Batisa sy Fitondrana am-bavaka ny Mpitandrina

Batisa:

Niroso avy hatrany tamin’ny Asa Vavolombelona (Batisa). Ny hira FFPM 808:1 “Eo an-tratranao Jesosy” no natao mandritra ny niakaran’ireo olona teny amin’ny alitara.

Ireo zaza natao Batisa: Rafidison Tia Soa sy Rafidison Fitia Kaliana.

Nanao ny anjara hirany ny Rantsana Fialamboly sy Fanatanjahantena (R.F.F) mialoha ny nirosoana tamin’ny Asa Vavolombelona faharoa.

Fitondrana am-bavaka ny Mpitandrina mianakavy

Ny Filohan’ny Fikambanan’ny Zanaka Am-pielezana no nanatanteraka izany.

Fanomezana sy adidy

Vavaka

Zanaky ny Famonjena nanome voninahitra an’Andriamanitra. Misaotra noho ny Mpitandrina mivady. Nitondra am-bavaka: Tsinjovy manokana izy mianakavy handray ny zava-mahasoa.

Andriamanitra tsy mandao ary ny fiadanana no hirotsaka hatrany;

Omeo fifaliana, sy izay mahasoa. Andriamanitra tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Hanana fahasalamana

Fanolorana ny marika hita maso ho an’ny Mpitandrina sy ny ankohonany natolotry ny Birao.

Nitsangana ny Mpitandrina sy ny ankohonany naneho ny fisaorana Na tsy akaiky ara-batana azan y Zanaka Am-pielezana, azo antso, hoy ny Mpitandrina, akaiky ara-tsaina, ara-po. Mihetsi-po tokoa fa tsy nanadino. Andriamanitra homba hatrany

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Nivavaka mba hananan’ny kristiana fanantenana sy faharetana ary fiaretana. Ho kristiana tena mitoetra, Zanaky ny Famonjena.

Nivavaka ho an’ny Mpitondra Fiangonana, ny mpitory Filazantsara, ny Toby.

Nivavaka ho an’ny mpianakavin’ny finoana eto Amparibe tsy ho voarebireby fa hifikitra. Ho an’ireo Ampielezana na an-tanindrazana na any Ampita mba hahefa be amin’ny Asa, ho modely, any amin’ny sehatra rehetra misy azy. Ho an’ny SSAA, ao anatin’ny fankalazana, mba ho voninahitr’Andriamanitra ny anaranao.

Nivavaka ho an’ny fiomanan’ny Fiangonana amin’ny voka-dehibe. Nivavaka ho an’ny tsirairay, ny isan-tokantrano, ny ankohonana, ny mpianatra Sefala, na vao manombaka na mbola mandini-tena, ho an’ireo nanapa-kevitra hiditra katekomana, ho an’ireo sahirana, marary, mana-manjo mba homen’Andriamanitra faherezana, ho an’ireo mpanompo manana hataka manokana, mba hahazo valim-bavaka amin’ny fotoana izay sitraky ny Tompo.

Nivavaka koa ho an’ireo nanao rakipisaorana sy voady masina. Nametraka eo amin’ny Tompo ny fiainan’izy ireo hitomboany ka handraisany fitahiana.

Izany vavaka izany dia nakambana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo, niaraha-nanonona.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nitsangana ny Fiangonana nanao ny hira FFPM 643: 1 “O! mandrosoa, mba ho tena mpandresyary novakiana ny Tondrozotra 2021.

Natolotra ny Tsodrano.

Natao ny hira FFPM 643: 3 “Mba matokia ny hery tsy hita”, nofaranana tamin’ny Amena nohiraina sy vavaka mangina izany.

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Amena.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

 

Ny hira FFPM 203 : 1 – 3 no natao ho fiomanana

Taorian’ny Soratra Masina sy ny vavaka dia natao ny hira vavaka nakambana tamin’ny feon’ny anjely : Antema 1 « Masina, masina, masina »

Ireo hira  natao nandritra ny fotoana : Hira FFPM 312 : 1 taorian’ ny Teny Fanorenana sy vavaka Fahatsiarovana ; FFPM 443 – FFPM 444 teo am-pizarana  ny Mofo sy ny kapoaka;

FFPM 437 – FFPM 445 nandritra ny fanantazana  ny Raki-pisaorana sy ny fanangonana ny kapoaka ary nataony FFPM 448: 1 rehefa avy nandray ny tsodrano.

HAFATRA

Ho an’izay maharitra manao soa …. dia fiainana mandrakizay.

IREO TOMPON’ANJARA

Nikirakira ny fafana : Rabako Tovohery

Nikirakira ny fanamafisam-peo: Ramahery Yves

Naka ny sary : Rakotondramboa Andry

Nitendry orga: Rajaofetra Philippe – Rajaofetra Antonio (mpiofana ho mpitendry orga)

Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy

Alahady 21 Novambra 2021

Alahady 21 novambra 2021
Alahady faha 25 manaraka ny Trinite Masina
Alahadin’ny SAMPATI manerana ny Sahan’ny FJKM
TAFATOETRA NY FON’IZAY MIANDRY NY TOMPO
« Hetseho mafy ny herinao » Nahoma 2 :2b ; « Tanteraho ny fanompoanao » 2Timoty 4 :5b

Alahady natokana hitondrana am-bavaka ny fanokafana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 60 taona niorenan’ny Sampana Mpanazava sy Tily sady ivon’ny herinandrom-bokatra eto amin’ny Fitandremana FJKM Amparibe Famonjena androany.

Ramatoa Ramino Vololona (Boloky Mavitrika), komity lehibe Mpanazava sy Tily eto Madagasikara, no nitarika ny fanompoam-pivavahana. Ny Filohan’ny komity lehibe Mpanazava sy Tily eto Madagasikara, Rakotonarivo Haja (Ara Mientana), no nitondra ny hafatry ny Tompo ho an’ny Fiangonana. Ny litorjia amin’ny endriny fahatelo no narahina.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Feon-javamaneno no nanombohana ny fotoana. Noredonina ny hira faneva faha 160 taonan’ny Fitandremana.

Ho fiderana an’Andriamanitra dia novakian’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny Salamo 1:1-3Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ny lalana falehan’ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira. Fa ny lalàn’i Jehovah no sitrany, eny ny lalàny no saintsaininy andro aman’alina. Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo, ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa”. Noredonina ny hira FFPM 1:1-4-5 “Andriananahary Masina indrindra” ary nataon’ny mpitarika ny vavaka fisaorana izay narahana feon-javamaneno sy vavaka mangina.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny Mpampianatra K3, Andriamahatana Nomena, no nitarika sy nivavaka. Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra dia: “Fa ianao kosa mahonona tena amin’ny zavatra rehetra….tanteraho ny fanompoanao.IITimoty 4:5a, 5b.

Inona moa no atao hoe manompo rankizy? Ahitana litera fito mandrafitra ny teny MANOMPO izay milaza asa masina sy fahafenoana

  • Manaja: Mitandrina fatratra sy manaiky ireo didin’Andriamanitra
  • Antso: Olom-boafidin’Andriamanitra
  • Nomena: satria Fanomezam-pahasoavana atolotra ho an’ny tsirairay
  • Amin’ny fO: Olona tia sy mankamamy an’Andriamanitra
  • Mifaly: Faly sy ravo hatrany manatanteraka ny asan’Andriamanitra
  • Tsy manamPaharoa: satria sarobidy tsy voavidy
  • vOnona: miomana, manokana fotoana hatrany ho an’Andriamanitra
  • Hafatra: Tanteraho ary ny fanompoanao ry Sekoly Alahady. Ianaro ny Tenin’Andriamanitra

Nohirain’ny ankizy, ny tanora sy ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady teo am-pitsanganana ny hira FFPM 283:1 “Mananjara ry Jesosy”.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nohiraina ny FFPM 432:1-3 “Mandra-pihavin’ny Tompo mivavaha“. Natao ny vavaka fangatahana ny fanehoan’ny Fanahy Masina izay notontosain’i Fanomezantsoa Jean Marc. Rabearinoro Ionty no namaky ny Testamenta Taloha, Amosa 9:11-15 ; Rakotomalala Akon’ny Fitia Mahaliana kosa ny Testamenta Vaovao Jaona 11 :21-27, sy ny Epistily Kolosiana 1 :21-23. Natao ny hira FFPM 210:1-5 “Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao” (feo zafindraony) mialoha ny toriteny.

Toriteny

Rakotonarivo Haja, (Ara Mientana), Filoha komity lehibe Mpanazava sy Tily eto Madagasikara no nitondra ny hafatra sy ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny Fiangonana.
Ny teny nangalana ny vatsy sy hafatra avy amin’ny Soratra masina dia ny Nahoma 2 :2 e « Hetseho mafy ny herinao »
Ny tantara fampahatsiahivana lasy ho an’ny mpiofana no nisintonany ny hevitry ny teny hoe « hery ». Isan’andro, mba hamelomana ny afo, hahatonga ny hery hihavao hatrany, sy ny olona hazoto tsara, isa-maraina dia ireto ny sokajy mendrika, andro fahatelo ny lasy, ataovy ny hiakanareo ry zalahy. Hoy ny Filoha nanontany ny sokajy : «Fa maninona ianareo no mbola tsy mendrika hatramin’izao », dia namaly ny sokajy « Ka mbola mitsitsitsitsy aina koa ». Namaly sady tezitra ny Filoha « Fa maninona ? Tsitsiana atao inona io aina io ? »

Inona moa no hevitra fonosin’ny teny faminaniana ? Nahoma 1-2-3 dia manambara teny faminaniana ho an’i Joda sy Ninive, renivohitry ny Fanjakana syriana, amin’izao fotoana izao dia Irak, amin’ny ilany tendrony avaratra. Firenena matanjaka izany. Jehovah Andriamanitra dia nanome teny faminaniana an’i Nahoma sy Zefania mikasika ny hanavahana ny tananan’i Ninive, tanana isan’ny voaorona voalohany taorian’ny safo-drano. Ny zavatra nitranga dia tena tanana ratsy, feno fahalovana, mandatsa-dra, feno lainga, fandozana. Ka nasain’Andriamanitra hanamboarana loza sy fampijaliana hahavoa azy i Nahoma ho an’ny tananan’i Ninive.Misy fampianarana ngeza indrindra ao amin ‘ny bokin’ny Nahoma : tsy azo andosirana ny lalànan’ny Tenin’Andriamanitra. Ka na firenena, na ny tsirairay, ny ota rehefa tanteraka dia miteraka fahafahatesana.
Nahoma 2 :2 « Misy mpanorotoro miakatra hamely anao ». Ny teny faminaniana dia milaza fa hoe : tandremo fa tonga ny fahavalo. Ambeno ny manda, atanjaho ny valahanao, hetseho mafy ny herinao. Niteny ny mpaminany, fa ny ataony ihany no ataony. Niafarany, tonga ny mpanafika ; rava i Ninive ; nitsoaka ny mponina. Tsy nisy intsony Ninive. Alaivontsika sary an-tsaina i Ninive, 50km lavany, 25km sakany, 30 m ny haavon’ny manda, 1500m ny tilikambo fiambenana. Misy farany ny zavatra rehetra. Ny ota dia tsy maintsy miafara amin’ny fahafahatesana.

 

Moa mifanalavitra amin’izany ny firenentsika ? Jereo ny « à la une » amin’ny gazety mivoaka isan’andro, henoy ny radio, jereo ny fahitalavitra, feno zava-doza, feno loza ny firenena, feno mpandatsadrà. Feno zava-doza ny miandry ny firenentsika. tsy lavitry Ninive. Sanatria anie tsy hiafara toa an’i Ninive ny firenentsika. Ry Fivondronana, hery ny famonjena, tena manana adidy ise : ho tilikambo, mpilaza hafatra, rehefa mitandrina.
Raha ny tokony ho izy, ny Mpanazava sy Tily : tsy ambesana fa miambina, tsy tairina fa ilay manaitra. Manana adidy isika hiteny amin’ny mpiarabelona, hiteny ny mpiaramonina amintsika. Ambeno mafy, hetseho mafy ny herinao. Misy manorotoro miakatra ianao.

Inona no antony hanetsehana ny hery amin’izao vanim-potoana iainantsika izao ? :

  • Iaraha-mahita, iaraha-mahalala, efa mby an-koditra ny loza, efa tonga ny fahavalo, devoly mierona toy ny liona mitady izay harapany, fahavalo tsy hita maso.
  • Misy riandrano mandeha ; mikoriana ny rano, izany hoe raha misedra ny riandrano, ka manandrana milomano miverina aho, dia ho gaga ny olona. Izany isika amin’izao fotoana izao, ny olona rehetra variana mandeha tahaka ny boka manao fasana, mandeha ny olona dia mba mandeha. zatra ny fanaon’ny olona. Ny Tompo Andriamanitra miantso antsika : tandremo ry kristiana, aza variana amin’ny mandeha fanaon’io tontolo izao io ianao ; aza mandeha amin’ny fanaon’ny besinimaro. Manana fahasahiana, sedrao ny riandrano, na akorain’ny olona aza isika. Ankehitriny, izay manao ny mety no hafahafa. Any ka sahirana ny kristiana, sahirana ny Tily, sahirana ny Mpanazava, rehefa tevatevain’ny olona, tenenin’ny olona ratsy, noho ny fanarahana ny Tompo.
  •  

Mba hanatanterahina ny fanompoana. (IITimoty 4 :5) ahoana mihitsy moa no hanatanterahina ny fanompoana raha tsy misy hery ? Izao ny lakilen’ ny fiainana ry havana, adidintsika olombelona ny mitsemboka sy misasatra, fa zava-miafin’ny fitantanan’Andriamanitra no mahatonga izany ho fitahiana. Andriamanitra no mampitombo noho Izy. Lakilen’ny fahombiazana : tsy maintsy mandeha mamboly, fa Andriamanitra mampitombo noho Izy, mila ny herinao.

  • Ahoana kosa ary no ahazoana ny hery ? Misy « courbe » roa :

– « Courbe 1 » : Kristianisma
– « Courbe 2 » : Skotisma.

Izao no ampifandraisana ireo « courbe » roa ireo :
– « Discipline » na fifampifehezana. Raha tsy tafatoetra tsara ianao, raha tsy manana fifehezana tsara ianao, dia tsy manana hery. Ny olona tsy manana fifehezantena tsy mba manana hery. Kolosiana 1 : « Maharitra ny finoana mba ho mafy orina ». Mila manana fifehezantena ara-panahy. Noharina amin’ny Fanasan’ny Tompo, izay zara raha nisy olona. (Lioka 14) : vita ny fanasana, antsoy ny olona. Tereo ny olona hiditra mba ho feno ny trano. Ny Tompo dia manery antsika mba hameno ny trano, izay no « discipline ». Raha oharina amin’ny finoana silamo isika, sao tsy « discipliné », noho ny silamo isika ? Mandroso izy ireo amin’ny lafiny ara-ekonomika, Mahafehy tena izy.
– Skoto kristiana : ny avy ao anatiny (toe-tsaina, toe-po, izay vao ny ivelany) no zava-dehibe fa tsy ny endrika ivelany. Hetseho mafy ny herinao. Hery avy ao anaty io, ilay nomen’ny Tompo io. Fa tsy zavatra ankoso-bolamena hosorana ety ivelany. Ny takian’ny Tompo amintsika araka ny Deotoronomia (mpandinika ny fo sy mpamantatra ny voa sy ny ao anaty), arakaraka ny hetsehina no ahazoana hery.

Hafatra ho an’ny Skoto, ho avy ny 3è covid, miezaha mandrakariva mandehana eny ankalamanjana, anaty ala, mifoka rivotra madio. Ny mahavoa antsika ety an-drenivohitra dia mihiboka.
Jobily faha 60 taona izao, maro ny famaritana ny jobily : tsatoka iray ao anatin’ny fiainan’ny olona. Atsatoka hanaovana tomban’ezaka ary hanetsehana hery indray ny amin’ny hoavy. Misaotra ireny zoky, raiamandrenintsika ireny isika nametraka ny dian-tanany tato amin’ny 10èA. Mampahatsiahy ny tantaran’ny misionera, David Johns sy Thomas B., tovolahy erotrerony, nitory Filazantsara taty Madagasikara, izay nahazo ny fanenjehana. Raha jerena ihany koa ny tantaran’Amparibe, momba ny Dadabe Rainimamonjy, kristiana maintimolaly, 1887, nihamafy ihany koa ny fanenjehana noho ny fanaovany  fitoriana sy ny fanompoam-pivavahana tao an-tranony.Ry Mpanazava sy Tily Amparibe, tsy tokony hisy ny Mpanazava sy Tily,  mosamosalahy.

Ry havana, henoy ny hafatry ny Tompo aminao anio, tandremo tsara. izay nahavoa an’i Ninive. Miteny ny mpaminany,  mbola tsy henony ; rehefa tratry ny devoly indray mandeha dia tsy hamelany raha tsy maty, potika tanteraka isika.-        Ry 10èA : Hetseho mafy ny herinao. Izao fahatanorana izao, ampiasao tsara. Fa rehefa lehibe, mitazana ny tanora sisa. Andao hanao skoto. Mivavaka mafy, mianatra tsara, manao skoto foana. Izay no lakilen’ny fiainana.-        Ry kristiana : mila mailo isika, mila mitory miaro ny firenena isika, efa mby an-koditra ny loza.-        Ry Mpitantana : mihamafy ny asa, mihamafy ny asa fanompoana, efa miharava izao tontolo izao.-        Ry ray aman-dreny mitaiza ny zanany : hetseho, ampitao aminy fa ny hery avy ao anaty no zava-dehibe. Herim-panahy, herin’ny finoana.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ! Amen.

 

Nisy ny feon-javamaneno fohy. Rehefa izay dia nanatontosa ny vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra sy fifonana ny mpitarika, izay narahin’ny fanononana ny fanekem-pinoana laharana fahatelo natao teo am-pitsanganana. Natao ny hira FFPM 779 :3 « Mamindrà fo aminay ». Nisy ny feon-javamaneno fohy.

TENY FAMELANKELOKA :

 Isaia 62 :11 : « Indro Jehovah efa manambara hatrany amin’ny faran’izao tontolo izao nanao hoe : Lazao amin’i Ziona zanakavavy : Indro, avy ny famonjena ana ; Indro, ny valim-pitia hatolony dia ao Aminy, ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany. » Noredonina ny hira FFPM 487 :1-3 « Fanavaozan’izany mahagaga ». Notonina ny fanekempinoana fahatelo. Vavaka mangina sy feonjavamaneno.

Tatitry ny SAMPATI 

: Razanajatovo Ravakiniony no nanao ny tatitra sy namaky ny hafatra avy amin’ny Foibe. Nanao ny hira « He tazanay mitsiky ery » ny SAMPATI teo am-pitsanganana.

RAHARAHAM-PIANGONANA

Ny Biraom-piangonana, Rakotomanana Andry, no nanao izany tatitra izany. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany ary toy izao ny asa tsara hofantarina ary hotanterahin’ny Fiangonana sy hoentiny am-bavaka :

 

        Talata 23 – 26 novambra, Foibe FJKM Analakely, fanofanana mahakasika ny Arsiva

        Synoda andrefana

o   25 novambra amin’ny 9ora 30 : FJKM Ivoanjo Finoana : Jobily Mpitandrina

o   26 novambra : FJKM Imerimandroso : Jobily volafotsy

o   27 novambra amin’ny  9ora 30 : Fjkm Ambohitrinibe fahazavana

        28 novambra amin’ny 7ora 30 : Paroisse internationale : fanompoampivavahana alahady

        24 novambra amin’ny 10ora 30 : Mampiely Baiboly, andro irasampirenena ho any Baiboly,- Chapelle militaire Ampahibe

        27 novambra : Vakomanitra noely : mpikabary malagasy, Amparibe

        Itondrana am-bavaka ny SAMPATI sy ny asa fanabeazana

        28 novambra : Alahady zanak’ampielezana. Misy ny fandraisana Fanasan’ny Tompo. Mitohy ny fampianarana Sekoly alahady

        Ankatoky ny Fandraisana sy fankatoavana ny raharahan’ny Fiangonana

        Nisy ny fanentanan’ ny Sampana fifohazana hanasana ny zanaka lahy sy ny ray, ny zanaka vavy sy ny reny : hisy ny tafatafa dinidinika, kilalao dihy. Ka ho tokantrano mahatamana, manana an’i Jesoa Kristy, feno fitiavana. Toerana : Androhibe, Masera, amin’ny 8ora30 ny fahatongavana. Fiaingana eto Amparibe amin’ny 7ora30 ho an’ireo mandeha fiara iombonana, misy ny fisoratana anarana

        28 novambra amin’ny 2ora tolakandro: Vokovoko manga : famaranana ny tolakandro, antsampiderana, GMMC, STK Ambodihady, Taniketsa, RFF

        23 novambra : Fivoriana vaomieran’ny vola

        28 novambra 2021 -09 janoary 2022 : nanao ny fanentanana momba ny vokatra  Andriamasinoro Tantely,

Matio 2 :11b : «Nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora »

        Nisy ny fanentanana nataon’ny Mpitandrina mahakasika ny fidirana ao amin’ny SEFALA

        Fanoloran-jaza : Ramaromandray Soanay Kasia Inès ; hira 788 :1 « Ry Jesoa sakaizan’ny zaza ».

RAKITRA SY FANOMEZANA

Ny Diakona tompon’anjara ao amin’ny Vaomieran’ ny Vola sy ny Sampati no nananty ny rakitra. Ny Biraom-piangonana, Ranaivoson Jacky, no namaky ny voady rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina. Toy izao manaraka izao ny hetaheta sy ireo hira nangatahin’ny mpianakavin’ny finoana nentina teo anivon’ny Fiangonana:  

 

        RFF : Tompo o fantatrao, noho ny tsingerintaona niorenany  21 novambra 2001

        Hira FFPM 170 : 2 «Mahery ny fitiavanao», Ray aman-dreny Sampati nisaotra noho ny fahasitranan’ny zanany izay tapa-tanana tany amin’ny lasy

        Hira FF 34 :1 « Tompo malala o »

        Hira 2 : 1 « Misaora an’i Zanahary »

        Hira FF 13 : 1 « Mihira fihiram-baovao », Sampana Dorkasy, fanampiana amin’ny fanaovana ny trano atsimo.

Ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanoloran-tena, nohiraina teo am-pitsanganana ny hira FFPM 432 :2 « Mandra-pihavin’ny Tompo miasà ».

 

ASA VAVOLOMBELONA

« Hetseho mafy ny herinao » Nahoma 2 :2b

 

Niroso teo amin’ny alitara ireo komity fankalazana ny faha 60 taonan’ ny SAMPATI 10A araka ny fomban’ny Fiangonana sy fitsofandrano ny hotokanana. Nomena azy ireo ny Teny fanorenana avy ao amin’ny Soratra Masina « Miorena tsara ary mahefa amin’ny asan’ny Tompo » narahina hafatra fohy. Notanterahina ihany koa ny fanokafana izany jobily faha 60 taona izany. Nitsangana ny Fiangonana nandritra ny vavaka fangatahana fitsofandrano sy fanokanana azy ireo mba hahatontosany ny asa aman’andraikiny. Nisy ny fanokanana ny tsangambato.


Nanao lahateny ny Filohan’ny jobily 60 taona Ramanana Alain. Nisy ihany koa ny fampisehoana hetsika sy fanentanana « vidéo ». Vavaka fangataham-pitahiana no nanaraka izany.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Nanao ny vavaka fangatahana ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina. Nivavaka ho an’ny akany fitaizana kristiana rehetra; ny zanaky ny Fiangonana any am-pielezana, na ny eto an-toerana na any ivelany; ny mpikambana SAMPATI noho ny fankalazana ny jobily mba hanatratrarana ny vina, ireo mpanompo manana faniriana hiditra ao amin’ny SEFALA, ireo olona manana fikasana hiomana ho Mpandray  ny Fanasan’ny Tompo mba ho vonona amin’ny fanolorantena; ireo sahirana, marary manan-manjo, ireo mpanompo manana hataka rehetra nanao raki-pisaorana sy voady masina

Nofaranana tamin’ny “Rainay Izay any an-danitra” ny fangataham-pitahiana.

 

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao avy hatrany ny hiran’ny finoana 12:1-3 “Feno toky ny fanahy. Notononina ny tondrozotra 2021: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara… Famindrampo sy fahamarinana no ho an’izay manao asa tsara”. Natolotra ny tsodrano ary noredonina ny hira vavaka FF 39:1-2 “Ray o mba faniriako”. Nisy vavaka mangina nofaranana tamin’ny Trinité ary feon-javamaneno. Nifarana tamin’ny 12ora ny fotoana.

NY TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rajaofetra John
Fafana : Rakotondramboa Andry
Naka ny sary sy feo :Harentsoa Rova
Diakona tompon’anjara : Vaomiera ny vola, Vaomiera ny fifandraisana
Fanamafisam-peo: Rabiazamaholy Hery Lanto sy Randriambololona Mamisoa
Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly

Alahady 14 Novambra 2021

ALAHADY 14 NOVAMBRA 2021, fotoam-bavaka 9 ora maraina.

Alahady faha XXIV manaraka ny Trinite

Fitondrana amim-bavaka ny fitantanana ny fananan’ny FJKM

Ivom-bokatry ny Asa Gazety Taratry ny Famonjena sy Tranokala

“TAFATOETRA NY FON’IZAY MIANDRY NY TOMPO” “Izay rehetra manatona Ahy sy mandre

ny teniko ka mankatò azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy ” Lioka 6 : 47

Ny Filohan’ny Gazety Taratry ny Famonjena sy Tranokala,
Andrianilaina Gina, Loholona,
no nitarika ny fotoana. Ny Mpitandrina
Raharijaona Solofonirina no nitondra ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny Fiangonana.
Ny litorjia endriny voalohany no narahina.

 

 

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny feon-javamaneno fidirana dia noredonin’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira fanevan’ny faha 160 taona « FA MASINA NY TEMPOLIN’ANDRIAMANITRA DIA IANAREO IZANY ».

 « Tafatoetra ny foko Andriamanitra ô, eny tafatoetra ny foko…fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery … » (Salamo  57 : 7 ; Isaia 40 : 31a)

Ny fiarahabana apostolika dia : «Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.» Amen. (II Korintiana 13 : 14).

Ny andinin-tSoratra Masina fiderana dia ao amin’ny Salamo faha 100 hoe: « Mihobia an’i Jehovah ry tany rehetra. Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana. Mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana. Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra. Izy no nanao antsika, ary Azy isika, dia olony sy ondry fiandriny. Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana, ary eo an-kianjany amin’ny fiderana. Misaora Azy, mankalazà ny Anarany, fa tsara Jehovah ; mandrakizay ny famindrampony, ary mihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.» Amen. Ny hira FFPM 8 « DERA, LAZA, HERY, HAJA » no nanaraka izany ary vavaka fisaorana.

Vavaka Fiderana sy Fisaorana: Ry Fiangonana, manoloana ny halehiben’Ilay Andriamanitra Nahary, be fitiavana sy be famindrampo ary feno ny fahamarinana, ndeha isika hiondrika am-panajana, hanao vavaka Fiderana sy Fisaorana:” Isaoranay Ianao Andriamanitra ô! Eny isaoranay Ianao fa akaiky ny Anaranao. Mitory ny fahagagana ataonao ny olona. Famindrampo sy fitsarana no ankalazanay Anao. Ianao, Tompo ô, no hoderainay. Ho Anao anie ny voninahitra ao amin’ny Fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesoa hatramin’ny taranaka farany indrindra. Ankehitriny dia misaotra sy midera Anao izahay noho ny nitantananao ny gazety Taratry ny Famonjena ka nanomezanao azy indray tombon’andro hahafahany mamakivaky ny taona faha 45 nisiany teto anivon’ny Fiangonanao sy manerana izao tontolo izao. Isaoranay Ianao noho izany fitondrana mahagaga izany. Dia misaotra anao koa izahay noho ny 160 taona nomenao ny Fitandremana. Tompo ô, ny asa rehetra mbola hotanterahin’ny Fiangonanao, eto amin’ity Fitandremana ity anie, hamirapiratan’ny voninahitrao hatrany. Ianao tompon’ny fiadanana, arotsahy aminay izany hahafahanay mizara izany amin’ny mpiara-belona aminay. Ianao no tompon’ny hery, zarao aminay izany hahafahanay manao ny asanao eo anivon’ny fiarahamonina. Ianao no tompon’ny fahefana, ampitao aminay izany, hahafahanay miroso amin’ny fanavaozana hatrany. Amin’ny Anaran’i Jesoa, Amen.”

Rehefa izay dia nambara ny sitrapon’Andriamanitra hoe: Ry kristiana havana, isika no mpaminany ankehitrio, nirahan’Andriamanitra eo anivon’ny fiarahamonina, hahita sy hanampy ny manodidina antsika, ka hanampy azy amin’ny geja mbola mamatotra azy. Toy izao àry ny sitrapon’Ilay Mpahary ambara amintsika Fiangonana : « NyTompo Andriamanitsika dia Tompo iray ihany, koa tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra. Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa dia izao : Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo. » Amen. (Marka 12 : 29-31). « Sambatra ny mahitsy lalana. Izay mandeha araka ny lalan’i Jehovah. Sambatra izay mitandrina ny tenivavolombelony ka mitady Azy amin’ny fo rehetra.» (Salamo 119 : 1,2) Amen. Natao ny hira FFPM 242: 1 « MISAOTRA ANAO IZAHAY, RY RAY ».

Vavaka fiaiken-keloka: Noho ny tsy fahatanterahantsika, ka tsy nananantsika fomba fijery mitovy amin’Andriamanitra, dia tsy nahatanteraka izay sitrapony izany isika, ka andeha hifona. Rehefa avy miteny ny mpitarika hoe: « Koa indreto mivalo sy mifona Aminao », ny Fiangonana kosa hanohy hoe : « Tompo ô, henoy ny vavakay ».

Mpitarika : Ry Tompo Andriamanitra ô! nambara taminay ny sitraponao. Mahatsapa anefa izahay fa tsy nahatanteraka izany. Koa indreto manatona Anao amim-panetren-tena, mivalo sy mifona Aminao.

Rehetra : Tompo ô, henoy ny vavakay.

Mpitarika : Ry Tompo ô, nanota taminao, tamin’ny namanay, tamin’ny firenenay ary tamin’ny tenanay izahay. Diovy ny fonay ho mendrika Anao ary havaozy ny fanahy ato anatinay. Koa indreto izahay mivalo sy mifona Aminao.

Rehetra : Tompo ô, henoy ny vavakay

Mpitarika : Ry Tompo ô, tsy mahay manaja ny tontolo manodidina anay izahay, tsy nandeha tamin’ny fahamarinanao fa ny tianay ihany no nataonay. Koa indreto izahay mivalo sy mifona Aminao.

Rehetra : Tompo ô, henoy ny vavakay

Mpitarika : Ry Tompo ô, misaotra Anao izahay fa fantatray fa mpamindra fo sy mpamela heloka Ianao. Koa raiso ny fifonanay sy ny fitalahonay famelan-keloka Aminao. Noho ny amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy, mamindrà fo aminay, ry Tompo ô. Amen.

Nohiraina ny FFPM 354: 4 « NY MPAMONJY NO MITADY ».

Ny Teny famelan-keloka nomena ny Fiangonana teo am-pitsanganana dia manao hoe: « Na dia mandra-pahantitratreo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsivolo anareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao ka Izaho ihany no hitrotro. Eny, Izaho no hitondra sy hanafaka. Tongava aminao araka izay irinao.» (Isaia 46 : 4 ; Matio 15 : 28). Voavela ny helokareo noho ny Anarany masina. « Sambatra ny olona izay voavela ny helony (sy voasarona ny fahotany). Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny » (Salamo  32 : 1,2) Amen.

Nohiraina ny FF 3 : 1 « JESOA VATO FEHIZORO ». Notononina ny fanekem-pinoana apostolika (Laharana 1). Nisy vavaka mangina tanaty feon-javamaneno fohy.

FOTOANAN’NY ANKIZY

Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny kilasy faharoa, Randrianjafitrimo Elia, no nitarika izany. Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra dia : “Ary amin’izany dia mahareta tsara, ry rahalahy mandra-pihavin’ny Tompo’” Jakoba 5 : 7a.

Ny tantara dia momba an’i Bary. Kivy izy noho ny tranga niseho teo amin’ny fiainany ka nanontany tena raha tena misy sy mamaly vavaka Andriamanitra no sady nanapa-kevitra ny tsy hivavaka intsony. Nandinika ny fihetsiky ny vitsika anefa izy dia tonga saina, nifona tamin’ny Tompo ary niverina taminy.

Tsy voatery hilamina foana ny fiainantsika. Mazàna isika dia mora kivy, mora manome tsiny rehefa misy olana sy sedra mandalo eo amin’ny fiainana. Mety mandalo fitsapana isika kanefa tsy izany no hahatonga antsika tsy hanao ny sitrapon’Andriamanitra fa Izy dia manana hevitra iheverana antsika, dia hevitra hitondra fiadanana fa tsy loza.

Natsangana ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady niara-namaky ny andinin-tSoratra Masina. Nisy vavaka. Nitohizana avy hatrany ny fotoana.