Alahady 26 Septambra 2021

ALAHADY FAHA 26 SEPTAMBRA 2021

« Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny Batisa »

Alahady faha 16 manaraka ny Trinite. Alahady natokana itondrana am-bavaka ireo mpianatra katekomena Andiany Miray sy ny sampanasa Fikarohana sy Fandalinam-Pinoana SFP). Ny Litorjia tamin’ny endriny fahatelo no nentina nanatontosa ny fanompoam-pivavahana.
Ny diakona Rakotovololona Lova no nitarika ny fotoana.
Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina kosa no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Salamo 96 :1-10 no novakiana ho fiderana an’Andriamanitra
Taorian’izay dia nohiraina ny FFPM 18 : « Ny feonay rehetra izao », and.1sy 2.

VAVAKA

Dera, laza ary voninahitra no natolotra ny Tompo ho setry ny fitiavany ka nahavory indray eto amin’ny tranon’Andriamanitra ny mpianakavin’ny finoana. Nisaorana ny Tompo noho ny fahafahana miombona vavaka amin’ny katekomena Andiany Miray.
Nangatahina ny fanatrehan’ny Fanahy Masina ny fotoana.

Fotoanan’ny ankizy sy ny tanora

Ny Matio 5 : 9 no Tenin’Andriamanitra nangalana ny hafatra. « Sambatra ny mpampihavana fa izy no atao hoe zanak’Andriamanitra. ». Mpirahalahy mpiray tampo i Solofo sy Nary. Nisy fifanolanana teo amin’izy mirahalahy ka tsy nifampiteny intsony izy ireo. Nifindra monina tery ampitan’ny renirano mihitsy ny anankiray vokatr’izany. I Solofo kosa tsy te hahita ny rahalahiny etsy ampita intsony ka naka mpanao trano, mba hanamboatra tamboho avo dia avo hanakonana ilay tananan’i Nary. Tsy nety tamin’ilay mpanao trano izany fihetsik’izy mirahalahy ireto ka nampihavana azy ilay mpandrafitra.
Nihavana tokoa izy ireo ka nitondra hafaliana indray ho an’i Nary sy Solofo ny fampihavanana azy ireo. Tamin’ny alalan’ny Batisa no nampihavanana antsika tamin’Andriamanitra. Isika ihany koa dia tokony hahay hifankatia sy tia fihavanana ary mampihavana ny olona. Taorian’izay dia nohiraina ny FFPM 790:1 « Jesô ô, Sakaiza tsara ».

VAVAKA

Nisaorana ny Tompo noho ny fanadiovana nataony tamintsika tamin’ny alalan’ny Batisa. Nangatahina ny Tompo mba hampianatra antsika hahay mifankatia sy tia fihavanana ary hahay hampihavana ny mpifandrafy.

VAKITENY

Nohiraina ny tao amin’ny Fihirana Fanampiny 4: “Ry Fanahy ô”, and. 2-3
Vavaka mialoha ny vakiteny
Nisaorana ny Tompo noho ny fahafahana mandre ny sitrapony. Nangatahina ny Fanahy Masina mba hiasa mandritra ny fandraisana ny hafatry ny Tompo.
Perikopa: Nomery 31: 21-24; Lioka 12: 49-53: I Korintiana 10: 1-5.

TORITENY

Noho ny fangatahan’ny Vaomieran’ny Aim-panahy dia natao amin’ny endrika fampianarana ny toriteny anio.
Mifantoka amin’ny Batisa izany fampianarana izany.
Ny Batisa dia Sakramenta. Ny Sakramenta dia teny latina ilazana zavatra masina.
Teny na baiko avy amin’i Kristy izy io ary misy marika hita maso.
Raha ny Batisa manokana dia fanadiovana amin’ny alalan’ny rano no marika hita maso amin’izany Sakramenta izany.
Izy io dia misy tandindona ao ami’ny Testamenta Taloha. Ny safo-drano no fanehoana ny Batisa tamin’ny mpianakavin’i Noa.

Ny famorana kosa no tandindon’ny Batisa tamin’i Abrahama sy ny taranany. Teo amin’ny zanak’Israely kosa dia ny fiampitana ny ranomasina mena no tandindon’ny Batisa.

Ny Nomery 31: 21-24 dia mampiseho antsika fa mila voadio ny miaramila avy niantafika izay vao mahazo miditra ao an-toby. Ny fisasana rehetra tany amin’ny Testamenta Taloha dia tandindon’ny Batisa.
Ahazoana fitahiana ny Batisa. Anisan’izany ny famelan-keloka. Rehefa vita Batisa isika dia mitafy an’i Kristy. Amin’izay fotoana izay dia Kristy no hitan’Andriamanitra rehefa mijery antsika Izy. Mitondra Famonjena ho antsika ihany koa ny Batisa ary farany, rehefa vita Batisa isika dia mandray ny Fanahy Masina ho Tombonkase.
Ny Batisa dia atao isam-batan’olona fa tsy mahazo atao faobe.
Miteraka ady hevitra matetika ny hoe « Afaka atao Batisa ve ny zazakely? »
Tsy mifidy taona ny fanaovana Batisa ny olona. Ny famorana ny taranak’i Abrahama dia tandindon’ny Batisa ary raha vao feno valo andro ny zaza dia foramina. Rehefa nita ny ranomasina ny zanak’Israely dia niampita avokoa na zaza vao teraka na olon-dehibe. Araka izany dia natao ho an’ny olona rehetra ny famonjen’Andriamanitra ary tsy mifidy taona ary anisan’izany ny Batisa.
Ny zaza aza no tena mendrika ny handova ny lanitra. Ary ny zaza dia ampiasain’Andriamanitra araka ny Salamo 8: 2 manao hoe: “Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta hamaly ratsy”.
Ny fahazazana dia niainan’i Jesoa. Ny Mpianatra dia nanilika ny zaza tsy hanatona ny Tompo ary dia tsy nankasitraka izany fihetsiky ny mpianatra izany Jesoa. Ny fiainam-piangonana dia miantomboka any amin’ny fiandohan’ny fiainan’ny olona iray.
Rehefa atao Batisa ny olon-dehibe dia mila mibebaka, ny zaza kosa dia tsy mila mandalo amin’izany fibebahana izany satria tsy mbola nanota. Na ny olon-dehibe aza dia mila miverina tahaka ny zaza mba hahazoany ny Fanjakan’Andriamanitra. Mitovy amin’ny zaza ny olona rehefa mibebaka.
Aretina apôkalyptika ny covid-19, tsy mifidy taona ny fahafatesana fa asiany avokoa na kely na lehibe.
Aza andrasana ho lehibe ny ankizy fa dia ny mbola kely ny zaza dia mila atao Batisa fa aza andrasana ho viravirain’i satana izy vao atao Batisa.
Baikon’ny Tompo ny fanaovana Batisa ny olona rehetra. Ny Batisa feno dia Batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Tsy mandeha tsirairay ireo fa miaraka. Tsy azo atao in-droa ny Batisa, Kristy dia maty indray mandeha ary velona mandrakizay. Raha atao Batisa fanindroany, ny olona iray dia efa miala amin’ny sitrapon’Andriamanitra izy izay ka mihemotra. Tandremo sao dia ataon’ny olona batisa fanindroany ka ampidirany fanahy hafahafa. Tsy fanalana ny loton’ny nofo toy ny tsikoko ny Batisa ka hoe mila ranobe izay vao afaka ny loto. Tsy mila ady hevitra izany hoe ranobe sa ranokely no fanaovana azy.
Mila ampahafantarina ny olona vita Batisa ny fahavitan’izany Batisa izany ahafahany miaina ny fiainana Kristiana na aiza na aiza misy azy.
Tsy mety ny Batisa à distance, Mila mifanatri-tava ny atao Batisa sy ny Mpanao Batisa.

VAVAKA

Nisaorana ny Tompo noho ny fampianarana azo. Noho ny tsy fahatanterahana manoloana ny sitrapon’Andriamanitra dia nangatahina ny famelan-keloka.
Tahorian’ny vavaka fangatahana famelan-keloka dia nohiraina ny FFPM 571: 1.

Famelan-keloka

Mihainoa Ahy, ry taranak’i Jakoba sy izay sisa rehetra amin’ny taranak’Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka: Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, Izaho no hitondra sy hanafaka.

Taorian’ny famelan-keloka dia nohiraina ny FFPM 4: “ Mamy ny fitianao”, and.2
Ho fanehoana ny finoana dia niarahana nanonona ny Fanekem-pinoana laharana fahatelo.

Vaovaom-piangonana

– Tatitry ny mpianatra Katekomena andiany Miray
Ny 13 desambra 2020 no nanomboka ny fianarana. Naseho tamin’ny Mpihevidraharaha sy ny Mpandray izy ireo ny 20 jona. Nandray anjara hatrany tamin’ny fiainan’ny Fiangonana sy ireo hetsika karakarainy ny Katekomena Miray. Ny Fisintonana sy ny fanadinana dia tontosa ny 25 septambra 2021.
– Raharaha avy any ivelany
Tontosaina ny 17 oktobra eny Antsonjombe ny fanompoam-pivavahana fametrahana ny Birao Foibe koa dia mila diakona hifandrimbona amin’ny fanantazana sy ny fanisan-drakitra.
– Raharaha anatiny

  • Alahady 7 novambra 2021: Fandraisana ny katekomena Andiany Miray ho Mpiray latabatra amin’ny Tompo.

  • Alahady 3 oktobra * Fotoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny Mpitandrina mianakavy.

* Fisokafan’ny taom-pianarana vaovao ho an’ny Sekoly Alahady

*2 ora sy sasany: fivoriam-be tsy ara-potoana ho an’ny SAMPATI

  • Sabotsy 9 oktobra, Fiofanan’ny Tomponandraikitra.

Famakiana ny toetry ny vola.

Fiantsoana fanambadiana

Notontosaina taorian’ny fanompoam-pivavahana anio ny fivorian’ny Mpandray sy ny fanomanam-panahy.

Novakina ny taratasy fisaorana avy amin’ ny Komity ny fankalazana ny faha 160 taonan’ny FJKM Amparibe Famonjena.

Hafatra avy amin’ny Mpitandrina
Nanentana ny fahavitrihan’ny tsirairay amin’ny fahalalana Soratra Masina ny Mpitandrina ary nanentana ihany koa ny hitondrana am-bavaka sy hanohanana ny Sampanasa Fikarohana sy Fandalinam-pinoana (FFP).

Natao ny hira: FFPM 107:3; FFPM 462:1 nandritra ny rakitra & fanomezana.

Fangataham-bavaka

Fisaorana noho ny fahazoana fahasoavana sy valim-bavaka
Fisaorana noho ny fahafahan’ny zanaka fanadinana ary mangataka fitondrana am-bavaka azy ireo.
Fanolorana ny rakitra: Nohiraina ny FFPM 445: 3

Asa Vavolombelona: Fahalalana Soratra Masina

« Ringana ny oloko noho ny tsy fisian’ny fahalalana » Hosea 4,6a
« Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao ; Eny, hitandrina azy amin’ny foko rehetra Aho »

Famaranana ny fotoana

Nisaorana ny Tompo noho ny fampianarana mahakasika ny Batisa. Nentina am-bavaka ny fampiharana izany fampianarana.
Nisaorana ny Tompo ny fahavitan’ny fahalalana Soratra Masina.
Nentina am-bavaka ny :
– Fiangonana, ny mpitondra Fiangonana ary ny Tomponandraikitra rehetra ;
– Toby masina fitaizana ;
– Mpianakavin’ny finoana eto Amparibe Famonjena sy ny zanaka am-pielezana ;
– Komity ny fankalazana an’ Andriamanitra noho ny faha160 taona ;
– Sampana manao fankalazana rehetra ;
– Fanorenana ny trano atsimo ;
– Mpiomana ho mpandray ny Fanasan’ny Tompo ;
– Sampanasa Fikarohana sy Fandalinam-pinoana (FFP) ;
– Fanompoam-pivavahana fametrahana ny Birao Foibe ;
– Malagasy tratran’ny Kere ;
– Sahirana, tsy salama,azom-pahoriana ;
– Manana hataka manokana ;
– Nanao voady sy raki-pisaorana .

Nentina am-bavaka ihany koa ny areti-mandringana covid-19 mba ho levona.

Ho famaranana ny Vavaka dia natao ny vavaka nampianarin’ny Tompo
Nohiraina ny FFPM 582:3

Niarahana nanonona ny « Tondrozotra 2021 »
Natolotra ny tsodrano.
Teo am-pamaranana dia nohiraina ny hira « Mialoka Aminao ».

Ireo tompon’anjara:

  • Nikirakira ny fanamafisam-peo : Ramahery Yves
  • Naka sary : Ramiadamanana Lovatiana
  • Nandray an-tsoratra: Zanaharitsimba Toky

Alahady 19 Septambra 2021

ALAHADY 19 SEPTAMBRA

“Fa masina ny Tempolin’Andriamanitra dia ianareo izany” (IKor 3:17b)

Miorena tsara ao amin’ny batisa

Fa masina ny Tempolin’Andriamanitra dia ianareo izany” (IKor. 3:17b). 19 septambra 2021, andro voatokana ho Ivon’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha160 taonan’ny Fitandremana Amparibe Famonjena. Nanomboka ny feonjavamaneno fidirana, ary niditra avy amin’ny varavarana aoriana (avaratra) ny Mpitandrina, ny Filohan’ny komity, ireo diakona tompon’anjara. Efa tafapetraka tany ambany avokoa ireo sampana manao fankalazana dia ny Rantsana Fanatanjahantena sy Fialamboly (RFF), ny Sampana Fifohazana (SAFIF), ny Sampana Mpiangaly ZavaManeno (SMZM), ny Sampana Lehilahy Kristiana (SLK) ary ny Sampana Taninketsa Amparibe Famonjena (STAF). Ny Birao sy Komity 160 taona no niandraikitra ny fotoana. Ny Filoha, Ramananarivo Andry, no nitarika, Rabiazamaholy Léa, mpampianatra K7 no nanao ny fotoana ho an’ny ankizy, Andriambelomanana Andry sy Andrianaly Yves ary Ramahandry Hanitra no nanatanteraka ny vavaka sy ny vakiteny. Ny Mpitandrina Raharijaona Solofo no nitondra ny hafatra ho amin’ity taom-pankalazana ity.

Azonao henoina ato ny hafatra.

 

Fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiderana an’Andriamanitra. Ho fiderana an’Andriamanitra dia novakiana ny Salamo 95 : 1 – 6.

Natao ho hira fiderana ny Ffpm 194 : 1, 4 “Andriananahary ô, endrey ny voninahitrao”.

Nanao ny vavaka fisaorana sy fiderana ny mpitarika. “Fisaorana lehibe an’Andriamanitra noho ny fahatrarana ny fankalazana”, izany no tena nasandratry ny mpitarika.

Sitrapon’Andriamanitra : Nanambara ny sitrapon’Andriamanitra ny mpitarika taorian’izany. Izany dia nalainy tao amin’ny I Jaona 2: 4-29 “Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny … Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany”. Nofaranana izany tamin’ny “Sambatra ny mahitsy lalana …”

Natao ny hira Ffpm 417: 1 “Nandao Anao ela aho…” Samy tsy nahatanteraka izany sitrapon’Andriamanitra izany ka nanao ny vavaka fifonana sy fiaikenkeloka. Natao ny hira Ffpm 403 : “Ry Jeso Tompo tsara ô…” ho fiaikenkeloka fa mpanota ary ho fangatahana famelana.

 

Ajoutez votre titre ici

Nanambara ny teny famelankeloka ny mpitarika izay nalaina tao amin’ny Isaia 44 : 22 sy ny Lioka 19 : 10. Rehefa avy nanambara izany ny mpitarika dia niara-nanonana ny mpivavaka “Sambatra ny olona izay voavela ny helony, sy voasarona ny fahotany …” Natao ny hira Ffpm 452 : 1 “Tompo ô, ovay ny foko …” noho ny fandraisana ny famelankeloka, ary rehefa izany dia natao fanekempinoana kristiana laharana voalohany.

“Great is thy faithfulness”, izany no feonkira nataon’ny SMZM rehefa nipetraka ny mpiara mivavaka.

Fotoana ho an’ny ankizy

Rabiazamaholy Lea no nitondra izany. Ny tononkiran’ny hira faneva no nentiny hosaintsainina tamin’izany. Nasaina nitsangana ireo ankizy sy tanora, fianakaviamben’ny sekoly alahady. Novakiana ny tononkira, andininy 1, 2, 3 ary ny fiverenana. Nohiraina kosa ny fiverenana fotsiny taorian’izany. Nofaranany tamin’ny vavaka izany.

Rabiazamaholy Léa no nitondra izany. Ny tononkiran’ny hira faneva no nentiny hosaintsainina tamin’izany. Nasaina nitsangana ireo ankizy sy tanora, fianakaviamben’ny Sekoly alahady. Novakiana ny tononkira, andininy 1, 2, 3 ary ny fiverenana. Nohiraina kosa ny fiverenana fotsiny taorian’izany. Nofaranany tamin’ny vavaka izany.

Tatitra asa 160 taona

Ramahandry Nirina no nitondra ny tatitry ny asa vitan’ny komity. Ny desambra 2020 no nijoro ny komity. Ireto manaraka ireto ny asa vitan’izy nanomboka tamin’izay :

  • 03 Janoary 2021 : Fifidianana ny teny faneva : 13 no isan’ny mpandray Anjara
  • 18 Janoary 2021 : Fifidianana ny sary famantarana, 9 no mpandray Anjara
  • 21 Janoary 2021 : fanokafana tamin’ny fombam-piangonana ny fankalazana tamin’ny fotoampivavahana, miaraka amin’ireo sampana enina miara-mankalaza : 20 taona ny RFF, 30 taona kosa ny SLK, SMZM, SAFIF, SVM ary ny STAF
  • 12 Jona : Hetsika vaksiny nahazoana nanaovana ny 1er dose Covisheild
  • 27 Jona 2021 : Notanterahina ny hetsika gasigasy izay nahitana seho an-tsehatra, fifaninanan kabary
  • 21 Jolay 2021 : Fifidianana ny hira faneva
  • 16 hatramin’ny 23 Aogositra 2021 : Tafika masina tany Bevoay, nandray Anjara mavitrika tamin’ny fandehanana tany ireo komity 160 taona.
  • 28 Aogositra 2021 : “Randonnée” teny Ambohijanaka. 224 no isan’ny mpianakavin’ny finoana tonga teny. 6 hatramin’ny 9 km no halavan’ny lalana nandehanana
  • 04 Septambra 2021 : Hetsika vaksiny izay nanaovana ny 2è dose Covishield ary ihany koa ny Jensen. Miisa 246 ireo olona nanatanteraka izany
  • 13 hatramin’ny 19 no hankalazana ny ivon’ny fankalazana ka niaraka tamin’ny Aff izy ireo ny Alatsinainy 13. Fampianarana niaraka tamin’ny mpitandrina Tsimizafy Dinah izy ireo ny talata. Ny 17 dia nisy ny fotoambavaka zoma hariva ary ny 19 no ivon’ny fankalazana.

Ny tohin’ny fankalazana hoy izy dia ireto manaraka ireto :

  • Oktobra 2021 : Sorapiainan’I Rado : Seho hamerenana indray ny sangan’asan’I Rado, na hira na tononkalo
  • Novambra 2021 : Garden party sy fanolorana ny tsangambato voalohany
  • Desambra 2021 : Antsampanahy iarahan’ireo sampan mpitaiza tanora ary famaranana ny fankalazana amin’ny fanolorana ny tsangambato.

Raha misy ny dera sy laza hoy izy ireo dia atolony ho an’Andriamanitra.

Noredonina ny hira faneva taorian’ny tatitra.

Raharahampiangonana

Ny Biraom-piangonana Rakotomanana Andry  no nanambara ny raharaham-piangonana. Anisan’ny voalazany tamin’izany ireto manaraka ireto : 

Ivelany : 21 Septambra 2021 : hisy ny fotoampivavahanaho tanterahin’ny Ffp eto amin’ny fitandremana Amparibe Famonjena – Ny Université Ravelojaona dia manao fanentanana fa misokatra ny fisoratana anarana – 26 Septambra 2021 dia manao antso ny Paroisse Internationale fa misy ny fotoampivavahana amin’ny teny anglisy.

Anatiny : Ny Zoma sy Sabotsy ho avy izao dia hanao fisintonana ny katekomena mialoha ny fandraisana azy ireo amin’ny fanasan’ny Tompo – Ny rakitra, voady, rfara rakitra sy hafa dia mitontaly Ar 4 091 400 – Teo amin’ny fanambadiana dia misy zanaky ny Fiangonana roa : Razafindralambo Zo sy Rakotomavo Chrystelle, Ramasy Rija sy Rakotoarisoa Simonelle – Misy ny ankatoky ny fandraisana ny 26 Septambra 2021 – Ny SMZM dia hanao ny AG ny 25 Septambra 2021 – Ny VAP dia hanao fahalalana soratra masina ny 26 Septambra 2021

Nanao fanentanana ny mpitandrina taorian’izany. Ny fitsangatsangana izay hanaovana ny sakafo agape ary ny fotoampivavahana ny Talata 21 Septambra no tena nanaovany ny fanentanana.

Rakitra sy fanomezana

Maro ireo nanao rakipisaorana sy voady, misy ireo afaka fanandianana, sampan nahatratra ny kobily, ireo nahazo fahasoavana, ny fahatrarana ny faha 15 taona ny fanambadiana, ny nahazo fahasalamana. Ireo hira nagatahan’izy ireo dia ny hira Fanevan’ny RFF, ny Ff 7 : “Tsy hainay ny hangina …”, Ff 12 “ Am-pelatananao …”, Ffpm 460 : 3 “Ny fitondrany soa …”, Ff 10 : 2 “Mibahana ato am-poko …”, Antema 16 “Isaoranay …”.

 Ho fanolorana ny rakitra dia natao ny hira Ffpm 275 : 2 “He Anao, ry Tompo soa …”.

 Vavaka sy vakiteny

Natao ny Ffpm 177 : 1, 2 “Ry Fanahy mpanazava ….” mialoha ny vavaka sy ny famakiana ny teny.

Ny vavaka izay natao dia nangatahana ny Fanahy masina mba hirotsaka handraisana ny teninao.

Ny perikopa anio di any Nomery 8 : 5 – 12, Matio 3 : 5 – 12, Asan’ny Apostoly 8 : 34 – 40.

Toriteny

Ny teny faneva no novoasan’ny mpitandrina Raharijaona Solofo raha nitondra ny hafatra.

Ny teny faneva dia natao ho fiainana. Ary izany dia mandra-pahatongavan’ny teny faneva hafa indray. Izany hoe mandra-pahatongan’ny fankalazana ny faha 165 taonan’ny Fiangonana.

Rehefa dinihina ny teny faneva dia toa mahafinaritra nefa toa manahirana. Teny natao ho an’ireo korintiana izy ity, izay bedy tamin’ny fiainany no nahatonga ity teny ity.

Tsy izany no hiainana azy amin’izao fa tena fanentanana, famporisihina ary fampieritreretana. Manomboka izao dia masina ny tempolin’Andriamanitra.

Raha nazavain’ny mpitandrina ny teny hoe masina dia milaza ireto teny ireto :

  • Voatokana : ho an’Andriamanitra hianareo izay masina
  • Voadio : Afaka amin’ny ratsy
  • Voaavaka : Miavaka amin’izao tontolo izao hianareo

 Ny tempolin’Andriamanitra kosa idray dia milaza :

  • Toerana nisehoan’ Andriamanitra tamin’ny mpanompony
  • Toerana misy ny tabernakely tany aloha. Nivadika ho trano Fiangonana mihitsy izay taty aoriana

Ho an’ireo olona “Masina” ireo dia voatokana ho an’Andriamanitra. Nambaran’ny mpitandrina moa ny fitiavan’I Jesoa Kristy ny Fiangonana izay mampiseho ny fiahiaNy izany Fiangonana izany. Andriamanitra dia nanokana antsika ho Azy

Arak any voalaza ao amin’ny bokin’Nomery dia misy ny fanokanana ny fanokanana Levita. Fanadiovana azy ireo no resahana ao amin’izany. Manana sata manokana eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fiaraha-monina izy. Tsy miaroaro amin’ny zavadrats intsony.

Ny fiananao dia lasa fiainan’olona madio.

Voavaka amin’izao tontolo izao. Efa natokan’Andriamanitra ho Azy hianao. Efa voadio, nesoriny ary napetrany amin’ny toerana hafa.

Nampiafandraisan’ny mpitandrina tamin’ny lohahevitra mandritra ity volana ity moa izany “Mitoera ao amin’ny Tompo amin’ny batisa”. Ny Tanjona amin’ny fiorenana amin’ny batisa di any mba handraisana ny Fanahy masina ary mba ho isan’ny olomboavonjy.

Miantso antsika ny mpitandrina ao anatin’ity fankalazana ity mba hieritreritra, mba ho tena fiainana.

Filipo dia nentin’ny Fanahy masina raha nandeha ho atao batisa. Ataovy batisa ireo izay mbola tsy vita hoy ny mpitandrina sao ho tara loatra.

Ny olondrehetra dia misatroka satroboninahitra ety amin’ity tany ity. Omen’ny Tompo antsika izany araka izay notanterahintsika tety ambonin’ny tany.

Manana Anjara isika rehetra izay manatrika ny fotoana.

Miorena tsara ao amin’ny batisa, fa masina hianao satria tempolin’Andriamanitra.

Nisy ny feonkira mialoha ny vavaka fangatahana ny mpitandrina. Nanao fisaorana ny Tompo ny mpitandrina noho izoa andro izao ary satria efa “Masina” satria efa voadio, voatokana ary noavahana mba ho Azy irery. Nivavaka ho an’ny Fiangonana, ny mpitondra Fiangonana, ny toerana fanabeazana,ireo kristiana ampielezana ary ireo Fiangonana miara-mandroso.

Nanao vavaka izy mba ho faly mihira fotsiny fa mba hitoetra tsara ao amin’ny Tompo sy hiaina izany. Nivavaka ho an’ny asan’ny komity izy mba ho tontosa ireo tetik’asa izay kinasa.

Nanao hira ny STk taorian’izay ary niroso tamin’ny asa vavolombelona

Asa vavolombelona

Fizarana mari-pankasitrahana no natao nandritra ny asa vavolombelona.

  • Ny teny faneva dia Rabenasolo Muriel no nahazo ny voalohany tamin’ny I Korintiana 3 : 17b
  • Ny sary famantarana dia Ramananarivo Mparany no nahazo ny voalohany
  • Ny hira faneva kosa dia Randriamasimanana Hanta no voalohany nanao ny tonony ary Andriambeloson Sitraka Fabrice no nanao ny feony

Nasaina nitsangana ireo sampana 6 sy ireo nandray mari-pankasitrahana dia nentina ambavaka

Famaranana fotoana

Natao ny ffpm 753 : 1, 2 “Tiako hiaraka aminao …” mialoha ny tondrozotra sy ny tsodrano.

Natao ny Ffpm 547 : 1, 3 “Ry Jesoa Masoandronay …”

Mpitendry orga : Rabiazamaholy Mahery
Fafana : Rakotondramboa Andry
Mpaka sary : Rabemananoro Jonathan
Nanao ny tatitra : Robel Hanitra
 

Alahady 12 Septambra 2021

Alahady 12 Septambra 2021

Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny batisa. Mbola izany lohahevitra izany no banjinina amin’izao Alahadimbokatry ny Asa fitoriana ny filanzantsara izao. Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no nitondrany ny fotoana. Rtoa Andrianary Mbolamasoandro no nitarika ny fotoana, Rtoa Rakotoarisoa Hiratra no nanao ny vavaka, Rtoa Rasolofo Joceline sy Atoa Rakotondramboa Andriniaina no nanao ny vakiteny.

Taorian’ny feonjava-maneno fidirana dia noredonina ny hira faneva K160. Novakiana ny Salamo 98 : 1-6 ho fiderana an’Andriamanitra. Natao ny hira Ffpm 16 ary natao ny vavaka fisaorana sy fiderana.

Nambara ny sitrapon’Andriamanitra izay nalaina tao amin’ny Rom 10 :13-15/II Tim 4 :2 ary rehefa izany dia natao ny ffpm 639 : 1, 2.

Noho ny tsy fahantanterahina izany sitrapon’Andriamanitra izany dia nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika ary natao ny hira Ffpm 403. Nambara ny teny famelankeloka izay nalaina tao amin’ny Heb 9 :22/Asa 5 :31.

Natao ny hira Ffpm 643 : 2, 3 ary ho fanavaozana ny fanolorantena dia niara-nanonona ny fanekempinoana laharana faharoa ny mpianakavin’ny finoana.

Tatitr’asa AFF

Niroso avy hatrany tamin’ny tatitr’asan’ny sampana ka Atoa Rabeson Fidy no nanatanteraka izany. Anisan’ny nataony tatitra moa ny fandraisana anjara tamin’ny fitoriana ny filazantsara tany Bevoay. Taorian’ny tatitra dia nasaina nitsangana ny mpivavaka rehetra ka niaraka nanao ny hira FF 47 niaraka tamin’ny AFF.

Nanambara ny raharampiangonana Atoa Razafindrabe John Bam.

Rehefa izay dia niroso tamin’ny rakitrasy fanomezana ary natao ho fanolorana rakitra ny hira HF 6 : 1.

Natao ny FF 6 : 1 ho fiomanana amin’ny vavaka sy vakiteny. Ny perikopa anio dia ny Salamo 51 : 1 – 12, Marka 16 : 14- 18,  1Petera 3 : 18- 22.

 

Toriteny

Alahady faharoa iainanna ny lohahevitra fitaizam-panahy : »Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny Batisa », misy hifandraisany amin’ny filanzatsara amin’ny maha Alahadin’ny AFF anio.

Ny Filazantsara dia fanambarana vaovao mahafaly, hafatra tsara mahafinaritra mahafaly. Ny nampiasana ny vaovao mahafaly (euaggelion) dia efa hatramin’ny tontolo Grika izay ilazana ny valisoa omena ny mpitondra hafatra, izay avy nandeha tongotra, na nitaingin-tsoavaly, na nandeha Sambo. Ohatra, mandeha manambara ny fahaterahan’ny handova ny fanjakana, fahatongavan’ny Emperora vaovao (Emperora=Kurios= Kristy)  eo amin’ny fanjakana antenaina hitondra fandrosoana sy fandriampahalemana. Tamin’ny vanim-potoana « Pré-Pascal », i Jesoa dia nitory fibebahana sy ny fahatongavan’ny fanjakan’ny lanitra, ary ny Post-Pascal nanombohana ny fitoriana ny filazantsara an’Ilay nitsangana tamin’ny maty. Koa ao anatin’ny hevitry ny filazantsara dia maneho fibebahana, fanirahana ary fampaherezana ny olombelona. Hitantsika ireo ao anatin’ny Teksta angalana ny hafatra dia ny Marka 16 :14-18. Hafatra telo no azo azo zaraina sy hifampaherezana ao anatin’izany.

1-Minoa ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy : And 14, 16b

Asaina mino isika satria ahitana endrika tsi-finoana eto.

Endrika 1 : ny tsi-finoan’ny mpianatr’i Jesoa. And 14

Misy mpianatra efa nisehoana mialoha (And9,12) ireo samy nitory tamin’ny mpianatra fa efa nitsangana i Jesoa, tena vaovao mahafaly izany manoloana ny fahoriana niainan’izy ireo tamin’ny fahafatesan’ny Tompo. Saingy tsy nety nino ireo satria mafy fo hoy i Marka « Ary Izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin’ny fony ».

Endrika 2 : ny tsi-finoan’ny olona hitoriana And 16b

Nanomboka teo amin’ny vanim-potoana « Post-pascal » izay itoriana ny Filazantsaran’Ilay nitsangana tamin’ny maty, dia mizara roa ny olombelona eo imason’Andriamanitra : ny mino sy ny tsy mino. Amin’Andriamanitra tsy misy elanelana. Ireo tsy mino dia izay manidy ny fony tsy handairan’ny finoana ny filazantsara. Vokatra ratsy miandry azy ireo dia hiharan’ny fanamelohan’Andriamanitra. Ary hibaribary izany amin’ny andro fitsarana, fa ho very mandrakizy ireo tsy mino. Araka ny Jaona3 :36 « Fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy. ». Ny filazantsara anefa efa toriana amintsika aty am-piangonana, eny amin’ny tambazotran-tserasera, eny an-dalam-be, sns

Ry havana, isika koa tahaka ireo mpianatra, tsy miorina tsara ny fiainana ny filazantsara. Miovaova araka ny trangam-piainana eny, rehefa tsy mety ny atao dia iny isika mivily lalàna.  Ary misy aza moa, tonga mivavaka fa mbola manidy fo tsy mandray filazantsara ka mbola miaina anaty fahotana tanteraka. Tampenan’i Satana amin’ny fahoriana sy ny fahasahiranana ny masom-panahy tsy hitraka hibanjina ny Tompo. Ho antsika indrindra izao hafatra izao, minoa ny Filazantsara ary raiso ho Tompo sy Mpamonjy anao Ilay niaritra ny hazo fijaliana toerana tokony nisy ahy sy ianao. Ndeha hitalaho ny famindrampon’Andriamanitra, hamela ny helontsika ary handraisantsika ny famelan-keloka ahatonga antsika ho olom-baovao. Ny Salamo faha 51 Perikopa anio mitaona antsika amin’izany fivalozana amin’ny Andriamanitra ahazoana famelan-keloka Aminy. Tanteraho izany ry havana, ataovy Tomponao sy Mpamonjinao i Jesoa Kristy. Androany miteny aminao ny Tompo : « Aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa » Jao20 :27.

2-Torio ny filazantsaran’i Jesoa Kristy : And 15-16a

Rehefa avy nisehoan’i Jesoa ny mpianatra dia nanamafy izy niseho tamin’ny mpianatra 11 lahy ary naniraka azy ireo, amin’Ilay iraka lehibe indrindra omen’ny Tompo « Mandehana, mitoria ny Filazantsara… »

Foto-kevitra telo no raisintsika ao anatin’izany :

-Torio ny filazantsara amin’ny toerana rehetra : And 15 « Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo » ny teny fototra manambara hoe « Eny am-pandehanana » misy fahasamifahana ireo. Ny voalohany dia toa manambara hetsika afaka miandry, fa ny faharoa dia milaza fa amin’ny fotoana rehetra, eny am-pandehanana amin’ny fiainana andavanandro no mitory isika, atao fiianana ny fitoriana. Koa asehoy amin’ny fihetsika fa Zanak’Andriamanitra Ianao, asehoy amin’ny toetra ny maha Kristiana anao, ary ambarao amin’ny vava ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy efa iainanao.

Ny tanjon’ny fitoriana dia manova ny fahizian’ny olona itoriana. Fanovana ireo fomba amam-panao, ny volintsaina, ny fady tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina. Manafaka ny olona amin’ireo satria ny Filazantsara dia herin’Andriamanitra ho famonjena izay very.

Torio ny filazantsara amin’izao herinao izao : « Mandehana any amin’izao tontolo izao, ianareo »

Voafaritra eto fa ny rehetra mpianatr’i Jesoa no asaina mitory. Isika no iantefan’ny iraka. Koa isika dia IRAKA ‘Andriamanitra avokoa. Ary ny Fiangonana atao hoe Fiangonana misionera. Dia mety sadaikatra isika anao hoe ahoana no ahavitana izany ?

Hanintona ny saintsika aho fa mpianatra tsy vontom-pinoana no nirahina. Ary raha hiandry olona ho tonga lafatra dia tsy ho tanteraka velively ny fitoriana. Dia ireto mpianatra nandeha fa ny fampanantenana ataon’i Jesoa no fototra ; izany hoe miaraka amin’i Jesoa.

Nandeha na dia mafy aza ny toe-zava-misy teo amin’ny toerana nanirahana satria i Jodia sy i Galilia tsy nilamina ny ara-tsosialy sy ara-pivavahana. Nanjaka be ny  Empira Romana niteraka faharatsiana ara-pivavahana. Ary mady dia many ny zava-misy ara-ekonomika ho an’ireo tantsaha kely maro an’isa. Nipoitra ihany koa ny hetsika fanoherana ny « Mesia » tao Paletsina tamin’ny taona 66. Kanefa izany tontolo izany nahavitana nanangana sy nampivoatra ary nampiroborobo ny Fiangonana Kristiana voalohany. Dia toy ireo ihany koa ny tontolo misy ny firenentsika, fanompoam-tsampy etsy sy eroa, karazam-pivavahana tsy Kristian amaro, mangony fotsiny ny fahasahiran’ny vahoaka izay mitady mpamonjy eo noho eo.

Mandehana ry havana, torio ny filazantsara dieny izao mba tsy hanenena. Manàna fo onena ireo izay mbola very, fa tian’Andriamanitra ho tonga ami’ny fibebahana avokoa ny olombelona rehetra. Ndeha hizakazaka tahaka ilay mpitondra hafatra (tontolo Grika tany aloha), hitondra ny vaovao mahafaly an’Ilay Mpanjaka Mpamonjy izao tontolo izao, mitondra fiainam-baovao sy fiadanana ary fiainanana mandrakizay ho antsika olombelona.

Torio ny filazantsara ary araho asa izany : « izay mino sy atao Batisa no hovonjena » And 16a

Misy asa takiana amin’ny Mpitory : mahatonga ny olona hino, ary manao batisa ny mino.

Izay mandre ny Toritenin’izy ireo ka tonga amin’ny finoana no omena ny mariky ny maha zanak’Andriamanitra dia ny Batisa izany. Ary satria marika iny, dia iny ihany koa no ahafantaran’ny Tompo ny Azy. Amin’izay raha tonga amin’ny tsi-fisalasalana izay efa nahazo ny marika dia mba azo averina amin’ny finoana tahaka ny nataon’i Jesoa tamin’ny mpianatra. Manampy an’izany, ny maha-zava-dehibe ny Batisa Kristiana tarafina amin’ny ireo tandindona tany amin’ny fanekena taloha araka ny I Pet 3 :21-22 dia, mamonjy ny Batisa.

Ry havana malala, andeha hampiharintsika izany ka andeha ho entina eo amin’ny Tompo ny olona nitoriana, ataovy izay ahavita Batisa azy ireny. Tanteraho ary ny fanompoanao.

3-Matokia ny herin’Andriamanitra miasa amin’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy : And 17-18

Eto dia nomen’ny Tompo fahefana hahavita famantarana maro ny mpianatra sy ny mino. Ny teny hoe famantarana dia asa mahagaga manambara sy maneho ny asa mesianika. Fahefana zany hahavita zavatra amin’ny fanohizana ny asan’ny Tompo ety an-tany mandra-piveriny. Ny anton’izany, dia ny hitarika ny mino hivelona sy ho velona amin’ny finoana mandrakariva. Karazana maro ireo famantarana, ohatra, ny menarana midika fahavalo eny am-pandehanana ; ny zava-mahafaty : rehefa misy fanamelohana fa rà izao tontolo izao aza manameloka dia hovonjena ny mpino, omen’ny Tompo hery no enti-manasitrana, sns.

Ireo dia toky sy fampaherezana ary fampiorenam-pinoana ho an’ny mpianatra fa tsy mandeha irery izy ireo fa eo anivony mandrakariva i Jesoa. Manamafy izany, ilay teny nampaherezan’ny Tompo ny mpianatra hoe « …Izay mino Ahy ny asa ataoko no atoany koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray (Jao14 :12s)

Ry havako malala, hamafiso ny fihaonana sy fifaneraserana amin’i Jesoa velona fa izay no mahatonga ho olom-baovao sy fiainana mihavao, minoa ny herin’Andriamanitra manampy anao ao anatin’izany.

Nohiraina ny hira FFPM 753 :2 teo am-pitsangana ho fanoloran-tena ataon’ny Fiangonana.

Ry havana, maniraka ny Fiangonana i Jesoa Kristy hitory. Lehibe ny andraikitra ho an’ny olom-boaantson’ny Tompo, ny fanatanterahana izany no antom-pisian’ny fiangonana. Koa vonona va ianao ?

Sahia manoa zava-dehibe ho an’Andriamanitra, tanteraha amin’ny finoana izany, mandehana amin’izao herinao izao fa IRAKA ianao, matokia fa ny fombàna, ny fitahiana, ny fahombiazana dia an’Andriamanitra.

Ho Azy irery ny Voninahitra, ho an’ny Fiangonana ny finoana ny Filazantsara. Amen !

Nisy feonjavamaneno fohy taorian’ny toriteny ary nanao ny vavaka fangataham-pitahiana ny mpitarika izay nofaranana tamin’ny Rainay izay any an-danitra.

Nanao anjara hira  « Ray ô, inty » ny STAF ary niroso avy hatrany tamin’ny asa vavolombelona

 

Asa vavolombelona

Nisy batisa moa tamin’ny asa vavolombelona. Zaza roa no nanatanteraka izany dia RALAMBOMANANA Ennrick Emmanuel sy RALAMBOTIANA Nathalia Ambinintsou.

Natao ny hira Ffpm 178 : 1, 3 mialoha ny tsodrano sy tondrozotra ary ny hira Ff 1 no namaranana ny fotoana.

Mbola nisy moa ny asa fampaherezana taorian’ny fotoampivavahana.

Alahady 05 Septambra 2021

ALAHADY 5 SEPTAMBRA 2021

 “MIORENA AO AMIN’NY TOMPO AO AMIN’NY BATISA”

ALAHADY HITONDRANA AM-BAVAKA

NY SAMPANA TANORA KRISTIANA ZOKINY (STK Zo)

Alahady faha XIV manaraka ny Trinité ity alahady ity ary alahady voalohany amin’ny volana septambra hibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy eo amin’ny sahan’ny FJKM, hoe « Miorena ao amin’ny Tompo ao amin’ny Batisa ».

Alahady miavaka, nitondrana am-bavaka ny Sampana Tanora Kristiana Zokiny ary koa Fivoriamben’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo.

Ny Mpitandrina Ramilison Diamondra no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitondra ny hafatra.

Litorjia endriny voalohany no notanterahina.

Nanomboka tamin’ny 9 ora ny fanompoam-pivavahana.

Nianatra ny Hira Fanevan’ny faha 160 taonan’ny Fiangonana nialoha ny nanombohana ny fotoana ny mpiangona.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Nitsangana dia niara-niredonina ny Hira Fanevan’ny faha 160 taonan’ny Fiangonana teo am-panombohana.

Taorian’ny Fiarahabana Apostolika dia niaraka novakian’ny Fiangonana, teo am-pitsanganana, ny Salamo 108: 1-5 ho fiderana an’Andriamanitra ary natao ny hira FFPM 7 « Misaora an’Andriamanitra ».

Nanao ny vavaka fiderana ny Mpitandrina nitarika ny fotoana.

Nankalaza an’Andriamanitra. Nisaotra Azy nanaiky nandray teo amin’ny Tranony. Nangataka mba hanokafan’ny tsirairay ny fony ary samy hanambara fiderana ny vavany. Andriamanitra dia tsara, Andriamanitra dia Fitiavana, Andriamanitra dia Masina. Misaotra Azy noho ny fahasoavana, ny tombon’andro sy nv volana vaovao. Misaotra noho ny Sampana Tanora Kristiana Zokiny izay miaraka mankalaza sy midera an’Andrimanitra amin’ity alahady ivom-bokatra ity. Mangataka ny Fanahy Masina hitarika mandritra ny fotoana rehetra mba ho voninahitr’Andriamanitra. Mba ho olona navaozina sy nampiorenina anie aorian’ny fanompoam-pivavavahana.

NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA 

Nofidian’ny Mpitandrina ny Teny ao amin’ny 1 Jaona 3 : 3 ; 9 ho fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra.

« Izay rehetra naterak’ Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak’ Andriamanitra. Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy »

Natao ny hira FFPM 752: 1-5 « O, ry Jesosy ny Anaranao ».

 VAVAKA FIFONANA

Raha mandini-tena manoloana izany Sitrapon’Andriamanitra izany dia mifona sy mibebaka eo anatrehan’ny Tompo.

Mivavaka noho ny Teny izay mitaona ny hifona sy hibebaka. Ireo izay naterak’Andriamanitra no tsy manota ary tsy mahay manota ary amin’izany dia tonga manadio ny tenanay ho tahaka an’i Jesoa Kristy tsy mba nanana ota.

Raha ny marina dia tokony ho efanay izany satria ny vita Batisa no voadio sy voasasa. Tsy tanteraka anefa izany satria mahatsapa fa tsy miorina amin’ny alalan’ny Batisa, matoa mbola manota ihany. Ireo toetra sy fomba hafa mbola nentina nandikana ny Sitrapon’Andriamanitra, izay maha be ny alahelony koa mifona satria tsy nandeha ho mendriky ny Filazantsara.

Raha miaiky ny fahotanay izahay dia mahatoky sy marina Ianao ka mamela ny fahotanay ary manadio anay ho afaka amin’ny tsy fahamarinanay rehetra.

Misaotra noho Jesoa mifona eo ankavan’Andriamanitra.

Rehefa vita ny vavaka dia natao ny hira FFPM 408 : 1-5 « Jehovah, Ray mahari-po »

FAMELAN-KELOKA 

Andriamanitra dia mamindra fo sy miantra.

1 Jaona 1 : 9 ; 2 Korintiana 5 : 21 ; Matio 8 : 3b

Ireo no Teny famelan-keloka atolotr’Andriamanitra, noraisina teo am-pitsanganana. Rehefa avy nandray ny Teny famelan-keloka dia natao teo am-pitsanganana ihany ny hira FFPM 351: 2 « Voninahi-panjakana isaloranao ». Avy eo dia niara-nanonona ny Fanekem-pinoana apostolika.

Nipetraka nanao vavaka mangina, narahina feon-javamaneno fohy izany

 FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Rafidison Hanitra, mpampianatra ao amin’ny K6, no nanatanteraka izany.

Nitsangana, ary ny Tenin’Andriamanitra noraisiny nitondrany fampianarana dia tao amin’ny Lioka 20: 17 « Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro ». Niara-novakiana izany Teny izany. Andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Salamo 118: 22 koa io. Eto dia Jesoa mihitsy no manambara izany.

Tantara:  Nisy misionera nanatanteraka iraka tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Gaga izy nahita olona maro nangataka hatao Batisa. Isan’izany, tovolahy iray teo amin’ny 15 taona teo ho eo. Nieritreritra ilay misionera fa mety tsy mazava tsara amin’io tovolahy io ny dikan’ny Batisa, ka mety hiova hevitra izy, ka hanimba ny fandrosoan’ny asa fitoriana izany. Ka hoy izy hoe: “Mbola hiverana aho afaka enim-bolana ka raha tsy miova ilay tovolahy fa tena tapa-kevitra, izay vao hatao Batisa”. Taitra ny olona ary nanambara fa io tovolahy io no nampianatra ka nampandresy lahatra azy ireo ny amin’ny Batisa.

Lesona telo no tsoahina amin’izany:

  • Jesoa no vato fehizoro hiorenanan’ny finoantsika izay aseho antsika amin’ny alalan’ny Batisa
  • Ny fihevitr’Andriamanitra dia tsy fihevitr’olombelona.
  • Ianao ilay mahatsiaro voahilika, voatositosika eo amin’ny sehatra maro. Aza mijery ny tenanao amin’ny fomba fijerin’ny olona fa amin’ny fijerin’Andriamanitra.

Ny hira FF 3:1 « Jeso vato fehizoro » no natao teo am-pitsanganana, ho solom-bavaka.

TATITR’ASAN’NY SAMPANA STK Zo

Rakotoarimanitra Narindra, mpitantsoratry ny Sampana, no nanao ny tatitr’Asa.

«Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ ny asan’ ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ ny Tompo. » 1Korintiana 15:58;

« Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ ny fanompoana ny Tompo». Romana 12:11

Ny Asa notanterahin’ny Sampana ny 12 oktobra 2020 hatramin’izao faha 05 septambra 2021 no notaterina. Na teo ary ny zavatra nitranga eran’izao tontolo izao, indrindra ny amin’ny Covid19 dia nanatontosa ny Asany ny STKZo. Ny STKZo dia mijoro sy miasa, mandray anjara feno amin’ny hetsika rehetra entina hampandrosoana ny Fanjakan’Andriamanitra.

Rehefa vita ny tatitr’Asa dia nitsangana nanao ny hira « Andriamanitra, eh mahagaga » ny Sampana.

 VAOVAOM-PIANGONANA

Rakotomanana Andry, Mpitantsoratra, no nilaza ny raharaham-piangonana.

« Fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany » (1 Korintiana 3:17b)

Ireto manaraka ireto ny vaovao nisongadina tsara ho fantarina:

Avy any ivelany

.Oniversite Ravelojaona: Fisokafan’ny taom-pianarana 2021-2022.

.AFF: 23-26: septambra ny Fihaonambe any Manakara

Anatiny

.Tafaverina soa aman-tsara, avy nanatrika ny Synoda Lehibe tany Sambava sy niala sasatra, ny Mpitandrina mivady;

.Tanterahina ity alahady ity ny Fivoriambe ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo

.Tontosa ny sabotsy 4 septambra ny hetsika “tournoi 160e”. Tena vory maro ny nanatrika sy mpandray anjara. Misaotra manokana ny tanora.

.Hetsika fanaovam-baksiny ny tolakandron’ny alahady 5 septambra manomboka amin’ny iray ora sy sasany. Hetsika karakarain’ny K160.

.24-25 septambra: Fisintonan’ny Katekomena

.26 septambra: Fahalalana Soratra Masina

.Fampahalalan’ny Biraom-piangonana noho ny fahataperan’ny hamehana ara-pasalamana. Miverina tsikelikely ny fiainam-piangonana:

  • Manomboka amin’ny 6ora sy fahefana ny fanompoam-pivavahana zoma hariva
  • Ho tanterahina any an-tokantrano ny famangiana fahoriana sy fampaherezana ny fianakaviana
  • Tsy voafetra intsony ny isan’ny olona mivory saingy entanina ny fanohizana ny fitandroana ny fahasalamana.

 « Amparibe Famonjena : Mahatahiry ny finoana, Mifankatia, Miasa amin’ny fahazotoana »

Nandray fitenenana ny Mpitandrina:

Nanamafy fa hitohy ny fampandraisana an-trano.

FIARAHABANA IREO NAHATRATRA NY TSINGERIN’ANDRO NAHATERAHANY

Nasain’ny Mpitandrina nitsangana ireo rehetra teraka volana aogositra ary natolotra azy ireo ny Tenin’ny Soratra Masina: « Ampy ho anao ny fahasoavako » (2 Korintiana 12: 9) izay Tenin’i Jesoa tamin’ny apostoly Paoly. Natao ny vavaka.

Natao ny hira HF 12 « Feno toky » mandritra ny nanaovan’izy ireo Fanati-mpisaorana teny amin’ny alitara.

Nitotaly 41 ny isan’izy ireo.

 RAKITRA SY FANOMEZANA

Ralaindimby Haja, Mpitantsoratry ny volam-piangonana, no namaky ireo voady sy raki-pisaorana.

Ireo hira nangatahan’ny nanao voady sy raki-pisaorana: FF 34, FFPM170:2, FFPM 531:1.

Ny hira HF 12 dia notanterahina tamin’ny rakitra “anniversaire”.

Ny hira FFPM 276: 3 « O! mba raiso re, ry Tompo »  no hira vavaka natao teo am-pitsanganana ho fanavaozana ny fanoloran-tena sy fanolorana ny rakitra. Nofaranana tamin’ny “Amena”.

Natao avy hatrany ny hira FFPM 146: 1-2 « Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray ».

 FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nanolotra ny Perikopa ho vakiana Randriamampianina Andrianjaka ary nivavaka nangataka ny Fanahy Masina mialoha ny famakiana ny Soratra Masina izay nofandimbiasany tamin-dRamiadamanana Josiane. Samy Diakona ao amin’ny Vaomieran’ny Vola ireo tompon’anjara ireo.

Ny perikopa: Genesisy 17: 9 – 14; Lioka 3:21-22; Asan’ny Apostoly 10: 44-48.

Natao ny hira FFPM 36: 3 « Hoderaina lalandava ny Anaranao » mialoha ny toriteny.

TORITENY

Miditra amin’ny lohahevitra fitaizam-panahy vaovao indray isika:

“Miorena ao amin’ny Tompo ao amin’ny Batisa”

Ny Teny nakana hafatra, nandraisana izany fitaizam-panahy izany dia ny Asan’ny Apostoly 10:44b izay manao hoe, amin’ny anaran’ny Tompo: “dia nilatsaka tamin’ izay rehetra nandre ny Teny ny Fanahy Masina.”

Natokan’ny Fiangonana ho Fivoriamben’ny Mpandray ny androany ary Ivom-bokatry ny STK Zo. Fa ho an’ny Fiangonana rehetra ihany koa izany Teny izany, satria ny fientanana hiorina ao amin’ny Tompo amin’ny Batisa, dia ho an’ny tsirairay.

Ny Batisa dia ny Sakramenta voalohany ao amin’ny Fiangonana FJKM. Io no hanoloran’Andriamanitra ny fahasoavany tsy hita maso, amin’ny alalan’ny famantarana hita maso.

Ny rano dia manana ny heviny: Fidiovana na fanadiovana; fisasana na fanasana izay maloto. Izany no Batisa (fidiovana/fanadiovana; fisasana/fanasana).

Maro ny fahasoavana atolotr’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Batisa. Santionany amin’izany ny famelan-keloka, ny fanomezana Fanahy Masina, ny fitafiana an’i Kristy ary koa ny Famonjena. Hita izany ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:38, Galatiana 3:26-29, 1 Petera 3:21.

Inona no vokatr’izany?

  • Miasa ao anatin’ny fanompoam-pivavahana tanterahin’ny mino ny Fanahy Masina
  • Izay mandray an’i Jesoa dia nomena hery ho tonga zanak’Andriamanitra
  • Porofo nanalana ny ahiahin’ny Jiosy io nandraisan’ny jentilisa ny Fanahy Masina io.
  • Miasa ao anatin’ny fanompoam-pivavahana tanterahin’ny mino ny Fanahy Masina

Tao an-tokatranon’i Kornelio no niseho ny tantara. Petera nitoriteny tao amin’ny tokantrano jentilisa.

Inona no nitranga?

  • Nandray ny Fanahy Masina izay niangona teo. Tena zava-dehibe ny fanatanterahana fanompoam-pivavahana
  • Nahazo ny vokatry ny fiasan’ny Fanahy Masina izy
  • Ireo tsy nahay nankalaza an’Andriamanitra dia tonga nankalaza fatratra tokoa an’Andriamanitra.

Ny asan’ny Fanahy dia mampiombona sy mampiray. Mamokatra fahasoavana ao amin’ny olona.

  • Izay mandray an’i Jesoa dia nomena hery ho tonga zanak’Andriamanitra

Maro ny fisehoan’ny asan’ny Fanahy. Ny mihira (hiran’ny STK Zo) manentana, mampahery ny olona manome risi-po. Ny fitiavana an’Andriamanitra no fanomezam-pahasoavana ambony indrindra. Ny fivelaran’ny fifankatiavana no hisehoan’ny Fanahy Masina (« Amparibe Famonjena: Mahatahiry ny finoana, Mifankatia, Miasa amin’ny fahazotoana »).

Jaona 1: 12 « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia izay mino ny anarany » Ny rehetra mihitsy. Tsy ho an’ny Jisoy ihany ny famonjena fa ho an’ny jentilisa koa. Manana anjara amin’izany isika.

Ny rehetra dia tonga mpisorona mifandray mivantana amin’Andriamanitra Aseho fa mitovy eo anatrehan’Andriamanitra ny rehetra. Tsy misy kely sy lehibe. Fandaminana sisa no atao ao am-piangonana mba hisian’ny filaminana.

Genesisy 17: io no nanehoana ny fanekena sy ny famorana hanekena ny taranak’i Abrahama. Fanekena vaovao ny Batisa. Hita ao amin’ny Kolosiana 2:11-12 ny firesahana momba izany. Zava-dehibe eo amin’ny fiainana ny atao Batisa, ny vita Batisa, ny hanolorana ny zanaka an’Andriamanitra.

  • Porofo nanalana ny ahiahy ny Jiosy io, nandraisan’ny jentilisa ny Fanahy Masina io

Ny finoana dia tsy an’ny Jiosy ihany fa an’ny Jentilisa ihany koa.

Ilay fanomezana tsy hita maso (Fanahy Masina) efa azo koa inona no tsy hanaovana Batisa (hita maso)

Hafatra telo:

-ny mino ny Filazantsara no mandray ny Fanahy Masina ary tonga zanak’ Andriamanitra

-ny fananana ny Fanahy Masina no maha zanak’Andriamanitra

Dieny mbola zaza dia atolory an’Andriamanitra, fa aza avela efa noviravirain’ny devoly vao atolotra an’Andriamanitra.

-Rehefa vita Batisa vao an’i Kristy. Ny fanolorana ny zanaka dia fiomanana ho an’ny Batisa

Jesoa raha natao Batisa ka nandray ny Fanahy Masina dia nahare feo sy nahita i Jaona

Miorena tsara ao amin’ny Tompo ianao rehefa vita Batisa, manana ny Fanahy Masin’Andriamanitra

Ho an’Andriamanitra ny voninahitra.

Feon-javamaneno fohy taorian’ny toriteny, avy eo dia nanao ny anjara hirany ny Antoko Mpihira Hasin’ny Famonjena.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina Ramilison Diamondra, izay nitarika ny fotoana ihany, no nanao ny vavaka.

Misaotra noho ny asan’ny fahasoavana ao amin’ny Fiangonana ka afaka nisaotra tamin’ny alalan’ny raki-pisaorana.

Misaotra nanome ny STKZo, mangataka mba ho feno fahamasinana izy ireo hanaovany asa mampamirapiratra ny voninahitr’Andriamanitra, ka ho tanteraka ny Teny Fanevan’ny Sampana.

Mivavaka ho an’ireo SSA rehetra mijoro eto amin’ny Fitandremana, ho an’ireo rafitra manao fankalazana. Mangataka mba ho an’ny olona rehetra ny famonjena. Maniry mba hisy vokatra tokoa ny asan’ny Fanahy Masina.

Mivavaka mba hampaherezina ireo ray aman-dreny mbola malaina hanolotra ny zanany amin’ny Batisa. Mivavaka ho an’ny Asa fitoriana, Asa fanamboarana isan-karazany. Mivavaka ho an’ny marary hahazo hery sy fahasitranana. Mivavaka koa ho an’ireo tra-pahoriana mba ho tolorana ny fampaherezana, mivavaka ho an’ireo sahirana amin’ny lafiny maro, ho an’ireo kere, ho an’ny fandriampahalemana.

Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo niara-notononina izany. Ary nisy feon-javamena fohy.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao teo am-pitsanganana ny hira FFPM 534: 1-3 « Misy didy tena tsara » ary novakiana ny tondrozotra 2021.

Natolotra ny Tsodrano.

Notohizana ny hira FFPM 534: 4 « Jesoa no Ilay foto-kazo », nofaranana tamin’ny Amena nohiraina.

Nipetraka ny Fiangonana nanao vavaka mangina.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra!

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Amena.

Feon-javamaneno teo am-piravana

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

Natao ny Fivoriamben’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo  teo  am-panombohana, notarihan’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina.

Fotoana miavaka, nanaovana dinika  momba ny adidy. Manomboka hiverina amin’ny laoniny ny fiainana koa mila fanentanana sy fampirisihina.

Ny karazana adidy dia 2 : anatiny (entina mampandroso ny asam-piangonana), ivelany (ao am SP sy FJKM)

« ny adidy tsy an’olon-dratsy » hoy ny Malagasy.

Izay no hanentanana hoe : Efao ny voadinao

« Amparibe Famonjena tsy mandà adidy, tsy mandositra adidy fa manefa “adidy ».

Nitohy tamin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo avy eo.

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina sy Ramilison Diamondra no nanantanteraka izany

Natao ny hira FF 33: 1 « Inty aho Jesoa » teo am-piomanana.

Novakiana ny Soratra Masina, natao teo am-pitsanganana ny vavaka fanandratana ary ny hira fihobiana Antema 1 « Masina, Masina ».

Ireto manaraka ireto ny hira natao nandritra ny fotoana: FFPM 184, FFPM 599, FFPM 499.

Natao ny vavaka. Notantazana ny Raki-pisaorana sy nangonina ny kapoaka tao anatin’ny hira FFPM 356.

HAFATRA

« Ary amin’ izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin’ ny Tompo hianareo, ry malalako. » Filipiana 4:1.

Natolotra ny Tsodarano ary natao ny hira FFPM 699:1 « Midera anao ny olo-masina ».

Feon-javamaneno teo am-piravana.

IREO TOMPON’ANJARA

  • Nikirakira ny fafana : Rakotonarivo Vatsy
  • Nikirakira ny fanamafisam-peo: Harentsoa Rova
  • Naka ny sary : Raharijaona Solofonirina
  • Nitendry orga: Rajaofetra John
  • Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy