Alahady 29 aogositra 2021
Alahady fahadimy natokana ho an’ny Akany Fialofana eny Tangaina
« Miorena amin’ny asa tsara »
« Tiava ny fahavalonareo, manaova soa amin’ny mankahala anareo »

Ny fanompoam-pivavahana mivantana, notanterahina teto amin’ny Fitandremana F.J.K.M. Amparibe Famonjena tamin’ny 9 ora maraina, izay notarihan’ny diakona avy ao amin’ny Vaomieran’ny Aim-panahy, no taterina amintsika mpianakavin’ny finoana. Rakotonirina Tsiry no nitarika. Ny Mpitandrina Ramilison Diamondra no nitondra ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Lioka 6 : « 27- 36 » no andin-tSoratra Masina nangalana ny hafatry ny Tompo. Ny litorjia amin’ny endriny fahatelo no narahina.
Nitondra am-bavaka ny teny hovakiana Ramahaleo Muriel, ary namaky ny Soratra Masina, Ramahaleo Zo.
Ranivoson Toky no nampianatra ny hira fanevan’ny faha 160 taonan’ny Fiangonana, mialoha ny fanompoam-pivavahana. Nisy ny feon-javamaneno nandritra ny fidiran’ny mpitarika sy ny diakona.
FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA
Niarahana niredona ny hira fanevan’ny 160 taona, mialoha ny famakiana ny andin-tSoratra Masina tao amin’ny Salamo 26 :1-7 « Tsarao aho, Jehovah o, fa mandeha amin’ny fahamarinako aho. Ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho. Diniho aho, Jehovah o, ka fantaro. Izahao toetra ny voako sy ny foko. Fa ny famindramponao no eo anoloan’ny masoko. Ary mandeha amin’ny fahamarinanao aho. Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olon-dratsy aho. Na manan-draharaha amin’ny olom-petsy. Halako ny fiangonan’ny mpanao ratsy. Ary tsy miara-mipetraka amin’ny ratsy fanahy aho. Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho. Ka te-hitoetra eo akaikin’ny alitaranao, Jehovah o, mba hanao feo fiderana ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra ».
Nohiraina ny FFPM 14 :1, 2,3 « O ! Ry tany rehetra, avia izao ». Nisy ny vavaka fiderana sy feon-javamaneno fohy.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Zoky Rakotoarisoa Tanteraka, mpampianatra K1, no nitondra ny hafatra fohy ho an’ny fianakaviamben’ny sampana Sekoly alahady. Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Kolosiana 4:5b « Hararaoty ny andro azo anaovantsoa »,no nandraisana izany hafatra izany.
Ohatra teo amin’ny fiainana andavanandro no narosony ho an’ny ankizy. Raha misy namana mpiara-mianatra dia afaka ampiana izy ireo. Ianareo no fitaovana entin’ny Tompo hanazava ny lesona. Raha misy akanjo, na boky na kilalao mbola tsara tsy ampiasaina na manana maromaro dia afaka zaraina amin’ny ankizy, na taomina ny ray aman-dreny hanome ny zaza kamboty ihany koa. Betsaka ny asa soa afaka atao. Raha izao mbola kely izao ny ankizy no manao izany,na lehibe aza dia afaka ataony foana izany.
Niarahan’ny fianakaviamben’ny Sekoly alahady niredona ny hira FF 16:2 « Ny mpianatry ny Tompo, asainy mifanompo ».
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Mialoha ny famakiana ny Soratra Masina dia nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny, Ramahaleo Muriel. Nanatanteraka ny vakiteny araka ny perikopa Ramahaleo Zo, izay hita ao amin’ny boky Fanekena Taloha II Samoela 9 :1-13 sy ny Filazantsara Lioka 6 :27-36 ary ny Epistily nosoratana ho an’ny Hebreo 10 :19-25. Noredonina ny hira FFPM 823 :1,2 « Hoderaina tokoa » taorian’izay.




TORITENY

Fampahatsiahivana ny asa tsara mifanaraka amin’ny lohahevitra fitaizam-panahy nobanjinina nandritra ny efatra alahady no nataon’ny Mpitandrina Ramilison Diamondra.
Ny finoana mihitsy no miteraka asa tsara izay mifanaraka amin’ny toetran’Andriamanitra. Misy ny toe-panahy sy toe-po entina manompo, eo ihany koa ny fahendrena, miala amin’ny lainga, manana fahatahorana an’Andriamanitra. Nitaona ho amin’ny fibebahana ny perikopa :
- Manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo manontolo ;
- Fitaizana ny Fiangonana ho amin’ny famoriam-bola ;
- Fanaovana fanatitra manome ny rehetra fa tsy ny ampahany ihany.
Mamehy ireo voalaza ireo ny hafatra androany alahady. Didim-pitiavana vaovao izay mitondra antsika amin’ny asa tsara no hafatra ho antsika anio. Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Lioka 6 : « 27- 36 » no nanompanana ny hafatra.
Manambara ny toriteny, nataon’i Jesoa tao an-tendrombohitra tany Galilia sy ny Fanjakan’Andriamanitra, iainan’ny mino ety an-tany sahady, ny ao anatin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo. Fampianarana ny mifono ao amin’ny zavatra niainan’i Kristy, araka ny vavaka nampianariny manao hoe : « Ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra » no nokendren’i Lioka.
Zavatra telo no kendrena amin’ity hafatra ity :
- Jesoa Kristy no sady Andriamanitra no olona (afaka miaina ety an-tany no any an-danitra) nefa koa Mpamonjy izy. Ampifandraisin’i Lioka ny Filazantsaran’ny asa marina sy ny asa soa. Matetika dia mirona amin’ny fifehezan-tena sy filana maro i Lioka raha manoratra.
- Jesoa raha nampianatra dia misintona ny saintsika mpianany, isika kristiana (And 27).
Fiainana manokana mihitsy, misaraka amin’ny fanao samihafa efa misy eto amin’izao tontolo izao, no iarahana amin’i Jesoa Kristy. Fihainoana miaraka amin’ny fankatoavana izany no ilaina. Misy didim-pitiavana izay andidian’i Jesoa antsika anio.
Baiko tokana (And 27 -35) « Tiava ny fahavalonareo » : izany dia mifanaraka amin’ny toe-tsaina misy fahafoizan-tena tahaka ny manao sorona ny tena :
- Manao soa amin’izay mankahala ny tena (Lev. 19 :17) : mamerina amintsika fa tsy tokony hankahala ny rahalahintsika isika fa mananatra kosa no setriny. Ahazoana heloka ny fankahalana. Mitafy henatra ny mankahala olona, Ny fankalahala dia tsy fiainana.
- Fisaorana ho an’izay manenjika antsika kristiana : voarainao ny Fanjakan’Andriamanitra, ary iaino. (Matio 5 :17). Enjehina isika dia fahasambarana izany.
- Mila mivavaka ho an’izay manisy ratsy : raha isika kristiana no mamaly faty dia very ny fifaliana mitoetra ao anatintsika sy azontsika. Izy Andriamanitra no manala ny fahoriana ataon’ny hafa amintsika. Tsy misy ny maso solon’ny maso, ary nify solon’ny nify fa dia mivavaka ho azy ireo kosa isika.
- Ny teny « Raha » eto dia manambara fa mampiasa fepetra Jesoa : mampifanohitra ny fitiavantsika eo amin’izao tontolo izao.
- Ny teny « lamba » sy « akanjonao » : misy heviny lehibe teo amin’ny Jiosy. Ny lamba aminy dia mifono ny vatana na toy ny « sac de couchage », milaza sy manamarika ny maha izy ilay olona.
- Ny fomba anehoana fitiavana fahavalo : miresaka fanomezana (and.30) : na izay olona mangalatra ny an’ny tena aza, dia tsy arahina.
Ahoana ary anefa ireto mpangataka eran’ny lalana ?
Baiko eto no arahina. Araka ny fahafahana faratampony no tian’ny Tompo ho tanterahintsika.
- Ny and.31dia milaza ny antony anaovana io sy ny tsy ahazoanao ny vokany. Raha mbola mitory ny Filazantsara ny Fiangonana, ary raha mijanona ho kristiana isika, Jesoa nampianatra ny mpianatra amin’izany fombam-piainana izany. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : Ahoana no ahavitana izany marina ? Izaho tsy Jesoa ka manana fahamasinana faratampony, tsy mpitondra fivavahana, ahoana ny fihetsika asehontsika ? Moa handà avy hatrany sa hanaiky amin’ny zato isanjato ?
Raha jerena amin’ny lafiny maha olona irery ihany dia tsy vita izany. Kanefa vita izany raha miaina amin’ny lafiny fahasoavana, amin’ny fitiavana « agape ». Mahafehy ny lalana rehetra ny fitiavan’Andriamanitra, fitiavana manome zato isanjato, hatramin’ny farany, tsy fihetsehampo fa fitiavana manome mandrakariva.
Hafatra ho antsika Fiangonana, mahakasika ny fitiavana ny fahavalo :
- Katsaho ny valim-pitia lehibe ho anao (And. 35) :
- Tsy izay tiana ihany hotiavina fa izay tsy mendrika hotiavina. Ny mino dia manaraka ny Ray mandrakariva. Ireo ratsy fitondra ny mino no asain’ny Tompo tiaviana.
- Tsy izay manao soa ihany no asiana soa. Tsy misy ny fanavakavahana. Asaina manao soa amin’ny olona rehetra, na izay tsy tokony hanaovana soa ihany koa (Mat.5 ; 47)
Alahady natokana ho an’ny Akany Fialofana eny Tangaina, akany mpitaiza zaza kamboty sy maditra. Raha manao soa eny isika dia izy ireo no tsy afaka hamaly soa amintsika. Mampahatsiahy ny soa nataon’i Davida tamin’i Mesoboseta. Nitady ny taranak’i Saoly i Davida, nomeny ny fananany, niray latabatra taminy ihany koa Davida ; namela heloka, santatra nomen’i Jesoa Kristy izany. « Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanampy anao ny zavatra rehetra », fa katsaho ilay soa, dieny ety an-tany isika dia misitraka izay. Manaova soa mba ho valim-pitia lehibe. Manaova soa tsy misy fepetra.
- Katsaho ny maha zanak’Andriamanitra anao : Zanaky ny Avo indrindra isika, kristiana manana finoana isika, zanaka dia manaraka ny Ray. Mpamindra fo ny Ray, dia aoka ho mpamindra fo koa isika. Zanak’Andriamanitra isika. Mila maneho fitiavana amin’ny alalan’ny asa tsara. Ilay fitiavana dia aseho amin’ny asa tsara. Zanak’Andriamanitra isika satria namboarin’Andriamanitra, tsy maintsy miasa tsara. Hijoroantsika vavolombelona, ohatra, ny fitiavana ny namantsika, ny fanatanterahantsika Fiangonana ny Tafika masina, mitaona antsika ho amin’izany ny Tompo.
Fehiny, tsy misy fahavalo hotiavina any an-danitra. Hiaino ary ny Fanjakan’Andriamanitra.
Taorian’ny feon-javamaneno fohy, nanatontosa ny vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra sy fifonana ny mpitarika. Ary nohiraina ny hira FFPM 444 :1,3 : « Ry raiko feno antra ». Norenesina teo am-pitsanganana ny Teny famelan-keloka.
Niarahana noredonina ny hira FFPM 317 :1,3 : « O ry Rain’ny fahazavana tsy milentika ». Natao ny Fanekempinoana laharana voalohany. Niroso tamin’ny filazana ny raharahan’ny Fiangonana taorian’ny feon-javamaneno fohy.




RAHARAHAM-PIANGONANA
Ny Mpitantsoratra, Razafimaharo Mamy, no nanao ny tatitra. Ny andinin-tSoratra Masina IKor 3 :17b « Fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany » no nanombohany izany. Toy izao izany :
Raharaha ivelany :
- Alahady natokana hitondrana am-bavaka ny Akany Fialofana eny Tangaina , ny Synodam-paritany
- 04 septambra : fanokanana trano fiangonana nitarina eny amin’ny FJKM Itaosy
- 03 septambra : fankalazana ny faha 145 taona FJKM Antsapanimahazo.
Raharaha anatiny :
- Fisaorana noho ny nahavitan’ny Tafika masina Bevoay sy Ambohipiara,
- Fisaorana avy amin’ny K160 noho ny fahatontosan’ny « Randonnée » (190 ny mpandray anjara)
- 04 septambra : lalao ara-panatanjahan-tena manomboka amin’ny 09 maraina
- Fanolorana ny zaza Rakotobe Andrianiaiko Heaven
- Fivoriana ankatoky ny Fandraisana
- Mianatra ny katekomena
- Fivoriamben’ ny mpandray Fanasan’ny Tompo amin’ny alahady herin’ny anio.
Nohiraina ny FFPM 3 :3 « Isaorana anie » ary natao ny fanoloran-jaza. Natao ny hira FFPM 788 :1 « Fahiny ianao tonga teto » ary niroso tamin’ny fanatitra.
RAKITRA SY FANOMEZANA
Ny Biraom-piangonana Andriamasinoro Tantely no namaky ny voady rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Salamo 100 : 4,5 « Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana. Ary eo ankianjany amin’ny fiderana. Misaora Azy, mankalaza ny anarany ». Toy izao manaraka izao ny hetahetan’ny mpianakavin’ny finoana nentina teo anivon’ny Fiangonana.
Hira FFPM 107 :1 « Maniry mafy aho »
Hira FFPM 539 : 1 « Faly dia faly »
Taorian’izay, niarahan’ny Fiangonana noredonina ny hira vavaka fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana ny fanoloran-tena FFPM 441 :1,3 « Raiso aho Tompo o ! ». Nanao ny anjara hira ny Rantsana Fanantenana sy Fialamboly.
VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA
Ny Mpitandrina Ramilison Diamondra no nanatontosa ny vavaka fangataham-pitahiana ho an’ny : Fiangonana, vondrom-bavaka, Akany Fialofana eny Tangaina, tobimpifohazana, Synodam-paritany fahafolo, Fiangonana rehetra ao amin’ny synodam-paritany, tomponandraikitra, Fitandremana Amparibe, sampana sy sampan’asa ary asa, komity velona rehetra, mpianakavin’ny finoana, ; nanana vavaka hataka, fanomanana ny fidiran’ny mpianatra, andraikitra fitaizana ny taranaka, havana namonjy ny fialantsasatra, fitsaboana ireo tsy salama, miatrika ady, kamboty, ary ireo manana vavaka maro samihafa. Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo : « Rainay izay any an-danitra » izany.




FAMARANANA NY FOTOANA
Nohiraina ny FFPM 627:1,2 « Vimbino tsara izahay ». Noredonina miaraka ny tondrozotra 2021 narahin’ny tsodrano. Notohizana tamin’ny hira FFPM 351 :1,3 « Tsy hangina re ny hoby noho ianao ry Ziona » ary nofaranana tamin’ny vavaka mangina sy ny Trinité Masina.
IREO TOMPON’ANJARA
Fafana : Rajaofetra Arielle
Mpitendry orga: Rajaofetra Philippe
Fanamafisam-peo : Rabemananoro Jonathan
Naka sary : Andriamampianina Faneva
Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly