Alahady miavaka ity alahady ity, tsy noho ny maha alahady fitondrana am-bavaka ny TPM sy ny IFRP ihany, fa indrindra, ivom-bokatry ny Rindra Fanantanjahantena sy Fialamboly (RFF) izay mankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 20 taonany, ao anatin’ny faha 160 taonan’ny Fiangonana Amparibe Famonjena.
Mamarana ny fibanjinana ny lohahevitra eo amin’ny sahan’ny FJKM manao hoe « Miorena amin’ny antson’ny Tompo » isika.
Rakotondramboa Johary, Filohan’ny RFF, no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Rasendrahasina Lala Haja, nasaina manokana, no nitondra ny hafatra amin’izao fotoam-pankalazana izao.
Litorjia endriny faharoa no notanterahana.
Feon-javamaneno teo am-pidirana ary ny hira “Ianao no heriko” no noventesin’ny RFF teo ampanombohana.
Rehefa vita ny fiarahabana apostolika dia novakian’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny Salamo 98 : 1-4, ho fiderana an’Andriamanitra.
Natao ny hira FFPM 167 : 1-3-4 « Midera ny Anaranao » taorian’izany ary nanao ny vavaka ny mpitarika.
Midera sy mankalaza ny anaran’ Andriamanitra. Misaotra noho ny alahady natokana ho an’ny RFF izay Sampana mitaiza mba hiova fo ny rehetra. Mifona anefa ka matoky ny famelan’Andriamanitra ka misaotra indrindra. Mametraka eo ampelatanan’Andriamanitra ny fahatontonsan’ny fanompoam-pivavahana. Mahatsiaro manokana ireo tsy afaka tongo ka mitondra am-bavaka azy ireo.
Feon-javamaneno fohy no nanohizana ny vavaka.
Andriambolamanana Toky, mpampianatra ao amin’ny K3, no nanatanteraka izany. Ny Teniny ao amin’ny Matio 4:19b no noraisiny: « Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo ». Niara-novakiana izany. Hevitra roa no nosintominy tamin’izany :
-Handeha hanaraka ahy : baiko sy didin’i Jesoa. Isan’izany ny fandehanana aty am-piangonana. Eo amin’ny fianana koa
-Hataoko mpanarato olona : isika rehetra mety efa nahavita izany. Nitaona ny namana , havana ho tonga aty am-piangonana.
Fehiny : tokony hanana fandavantena hanaraka an’i Jesoa sy hitarika ny rehetra isika.
Nitsangana ny Sampana Sekoly Alahady, ny ankizy sy tanora rehetra, ray aman-dreny, sakaiza nivavaka.
Natao ny hira FFPM 761:1-3 « Ry Jeso, Zoky be fitia ! »
Rajaonarison Mbolatiana no nanolotra ny perikopa voalahatra ao amin’ny Testamenta Taloha : Isaia 6 : 1-8, sy Testamenta Vaovao : Matio 4:18-22 ; Asan’ny Apostoly 9 : 1-19, izay novakiana misesy. Nivavaka izy, nangataka ny Fanahy Masina, mialohan’ny namakian’i Andriantseheno Rasoamaharo Hanitra sy Rabeharimanana Faniry ny Tenin’ny Soratra Masina. Samy mpikambana ao amin’ny RFF avokoa ireo tompon’anjara ireo.
Natao teo am-pitsanganana ny hira FF 6 : 1-2 « Ny teninao » mialoha ny toriteny.
Niarahaba ny Fiangonana eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena ny Mpitandrina Rasendrahasina Lala. Niarahaba manokana ny RFF noho ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny nahatrarany 20 taona ao anatin’ny faha 160 taonan’ny Fiangonana.
Ny Salamo 98 : 4b, ao amin’ny Teny Fanevan’ny RFF no noraisiny : “Velomy ny hoby, ka mihirà.” Toa ny baiko ao anaty tononkira izany tenin’ny mpanao Salamo izany. Io Salamo io irery io ihany no ahitana hoe “fihirana” eo am-piandohana. Misy dikany izany eo amin’ny sitrapon’Andriamanitra satria ity Salamo ity dia salamon’ny kamboty.
Ny kamboty dia tsy manan-kanteherana nefa mbola manana an’Andriamanitra izay andry sy fanantenany ka izany no mahatonga azy hanao izao hira izao ho toa ny fihirana.
Inona ny sitrapon’Andriamanitra amin’izany ?
1)Avy amin’i Jehovah ny hira sy mozika.
Ny feontsika olombelona, hoy ny mpandinika, no zavamaneno tsara indrindra.
Ao amin’ny Genesisy 4 : 21 dia milaza Andriamanitra amin’ireo karazana zavamaneno fototra. Milaza izany fa zava-dehibe eo anatrehan’Andriamanitra sy eo amin’ny Fiangonana izany feo izany. Ny vava no mihoby, no mihira. Izay vao milaza zava-maneno. Tsy tokony atao ambanin-javatra izany.
Fihirana ity Salamo 98 ity. Ny mpandinika ny Salamo dia milaza fa rehefa nohiraina ity dia nohiraina tamin’ny feo efatra. Sitraopn’Andriamanitra izany. Rahoviana ny Fiangonana vao hiverina ami’izany fihirana amin’ny feo efatra izany ? Hatraiza izany fitiavan’ny Fiangonana ny fahatasaran’ny feo izay nomen’i Jehovah azy izany ?
2)Jehobah no vontohatin’ny hira.
Manambara inona moa izany ? Hita ao amin’ny Salamo 98 manontolo ny fanandratana an’i Jehovah ho mpajaka, Mpitsara marina, Mpanonjy milaza ny fahamarinany sy ny fahamasinany. Ny kamboty dia mametraka ny fanantenany ao amin’i Jehovah, eo amin’ny and 9. Fanantenan’ny mino izany.
Manintsy ny fampiasana tsy mety ataon’ny olona ity Salamo ity. Ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ankehitriny dia lasa any amin’izao tontolo izao.
Ny olona mahafantatara ny tantaran’ny zava maneno, ohatra ny orga, dia mahalala fa nampiasaina tany amin’ny “boite de nuit”, nefa nalain’ny Fiangonana mba hanintsina, hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, mba ho fantatry ny jentilisa ny voninahitr’Andriamanitra.
Misy olona tonga aty am-piangonana noho ny hira. Ny vontohatiny dia fanozam-boninahitra an’Andriamanitra, fandresena lahatra milaza ny famonjen’Andriamanitra. Hafa ihany ny miaraka mihira aty an-tranon’Andriamanitra fa manome hery, manome fanantenana.
Noho izany, natao teo ampitsanganana, mialohan’ny famaranana, ny hira FFPM “Andriananahary masina indrindra” and 1-5
3)Sitrapon’Andriamanitra, Tenin’ Andriamanitra mibaiko ny mpanao Salamo.
Ataovy manakohako ny feonao, ataovy fantatry ny olona fa faly ianao. Maninona no atao mafy ny feo, maninona no atao avo ny foe ? hisintomana sy fampaherezna ny olona izany. Bakoin’ny Tenin’Andriamanitra isika mba hizara amin’ny hafa amin’ny alalan’ny hira ny famonjena.
Hoy ny mpanao Salamo hoe midera an’Andriamanitra na ny riaka aza, ny zava-manan’aina rehetra, ka maninona isika no tsy hanao izany ?
Misy fikambanan’ny mpitendry zavamaneno ny Fiangonana maro ankehitriny, natao hitaiza ny Fiangonana mba hihira sy hamaoka ny ao am-potsika. Mihira am-panahy sy mihira an-tsaina Ny am-panahy dia ny fo, fa an-tsaina kosa dia mametraka kalitao. Misaotra misy RFF sy “chorale” mametraka izany fahaizana mihira.
Baikoin’Andriamanitra isika mba hihira, mba hihoby ny asan’Andriamanitra sy ny voninahitr’Andriamanitra hitondra fampaherezana sy handinihan-tsika tena ka hiverenana eo amin’ny fitiavan’i Jesoa Kristy ary hitaona ny hafa.
Koa velomy ny hoby ka mihirà. Amena
Voninahitra ho an’Adriamanitra irery.
Feon-javamaneno fohy taorian’ny toriteny ary nohirain’ny RFF ny hira « Kanto »
Ny mpitarika ny fotoana ihany no nanatanteraka izany.
Misaotra an’Andriamanitra noho ny Teniny manentana ho amin’ny fiderana. Matoky ny Tenin’Andriamanitra izay hanova ny anaty ka hanompo Azy, hahay mahafoy ny tenany ho tena iraka. Mangataka fitahiana mba hanefa tsara izany Asa izany. Mangataka ny hery avy amin’Andriamanitra hahatontosa izany Asa izany.
Niarahan’ny Fiangonana nanonona, teo am-pitsanganana, ny Fanenkem-pinoana laharana 1 ho fanamafisana ny finoana.
Vita izany dia nipetraka, nivavaka mangina tao anatin’ny feo-javamaneno.
ANDRIANTSEHENO Rantotiana no nanao ny tatitr’Asa
“Velomy ny hoby, ka mihirà” : Lohahevitra amin’izao taom-pankalazana an’Andriamanitra noho ny 20 taona nijoroan’ny RFF;
Ny tanjon’ny RFF : fanabeazana sy fifampitaizana amin’ny alalan’ny fanantanjahantena sy fialamboly ary fianarana Sorara Masina. Ny mpikambana dia ankizy, tanora, ray aman-dreny eto Amparibe sy ivelany.
Tatitr’ASA nandritra ny fotoana novambra 2020 hatramin’izao no natao.
« Ny voninahitra » no hira nohirain’ny RFF taorian’ny tatitr’Asa
« Amparibe Famonjena : Mahatahiry ny finoana, Mifankatia, Miasa amin’ny fahazotoana »
Rakotomanana Andry, Mpitantsoratry ny Fiangonana no nanatanteraka izany.
I Korintiana 17: 3b « fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany. »
Toy izao manaraka izao no santionan’ny ilaina hofantarina :
-Eny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ny fahamoahana ireo Mpitandrina 122 androany amin’ny 11 ora sy mpampianatra 61 amin’ny 2 ora sy sasany, eo anivon’ny FJKM
-Alarobia 28 jolay : fampianarana eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena hataon’ny Mpitandrina Rahrijaona Solofonirina. Ny lohahevitra : “ Ny asafitoriana ny Filazantsara manoloana ny hamehana ara-pahasalamana”
-Sefala : miova ny daty famohahana ireo Mpitoriteny, Mpiandry ary Katekista. Ny 28 septambra dia efa hanomboka raha novambra izany isan-taona. Samy manana ny datiny ireo ivon-toerana tsirairay avy
-Fivorian’ny ankatoky ny Fandraisana aorian’ny fanompoam-pivavahana
-AFF : hanatanteraka ny tafika masina ivelany. Roa no faritra handehanana : Fiangonana Ambohipiara ny 13 hatramin’ny 15 aogositra sy Bevoay (faritra Ambovombe) ny 13 hatramin’ny 23 aogositra. Ny alahady 1 aogositra no fanirahana ireo mpiantafika.
Ranaivoson Jacky, Biraom-piangonana, no namaky ireo voady sy raki-pisaorana
“Aoka hifaly sy hiravoravo Aminao izay rehetra mitady Anao ; Ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe : Ankalazaina anie Andriamanitra ! ” (Salamo 70:4)
Ireto manaraka ireto ireo hira nangatahan’ireo nanatanteraka voady sy rakim-pisaorana :
RFF “Saingy tsy foinao”, “Tompo ô, fantatrao”, “Mandehana, manarana” ; HF 12 “Feno toky” (natao mialohan’ny Tsodrano) ; FFPM 20 : 1 ; FF 11
Ny hira FFPM 441:3 « Raiso ny fahaizako » no hira vavaka natao teo am-pitsanganana ho fanavaozana ny fanoloran-tena sy fanolorana ny rakitra. Nofaranana tamin’ny “Amena”.
Notohizina tamin’ny feon-javamaneo
Ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina no nanohy, nanao ny vavaka fangatahana.
Manentana mandrakariva ny Tompo mba hiorenana amin’ny antsony ny vahoakany. Nampahafantatra Ianao tamin’ity fotoana ity fa avy amin’I Jehovah ny hira sy ny zava-kanto ary ny zavamaneno mba hanarahana ny baiko sy ny sitrapon’Andriamaninitra, hijoroana ho vavolombelona.
Na dia salamon’ny kamboty aza izany dia mila mahatsaro fa ny hira sy ny mozika dia avy amin’Andriamanitra.
Mivavaka ho an’ny Birao Foibe tarihin’ny Filoha, ny Mpiandraikitra Foibe, ny mpanatanteraka sy mpandraharaha. Mitondra am-bavaka ny Synoda Lehibe hatao any Sambava ho vita soa.
Mivavaka ho an’ny SPA tarihan’ny Presida sy ny birao, ny mpandrahraha ary ny Fiangonana rehetra. Mivavaka ho an’ny SSA, ny vaomiera indrindra ny eto Amparibe Famonjena mba hiasa amin-kery anie ny Tompo indrindra amin’izao ao anatin’ny faha 160 nijoronan’ny Fiangonana izao. Mivavaka ho an’ireo rafiftra mankalaza an’Andriamanitra noho ny faha 20 sy 30 taona nijoroany. Tsaroana manokana ny RFF izay mbola maro ny fikasana ka hiasa amin-kery. Ho tontosa anie ny “Grand Concert” d’orgue ho tanterahana ny tolakandro. Misaotra ny Mpanompon’Andriamanitra nitondra ny hafatra. Ny Tompo anie hijery manokana azy amin’ny asany sy ny ankohonany. Mivavaka ho an’ny TPM sy ny IFRP ; ireo havana Malagasy kere any atsimo hanana tandrify sy ho ahanina. Mafy ny Covid 19, ho fongotra tanteraka anie izany. Mivavaka ho an’ny fanombohana ny fanatanterahana ny trano atsimo. Mivavaka ho an’ireo sahirana, marary, mana-manjo, ireo manana hataka manokana rehetra. Mivaka ho an’ireo mpanompo nanao rakim-pisaorana sy nanao voady masina : nangata-bavaka sy nisaotra momba ny asa, fanadinana, fiadanampo, fifaliana, fitahiana eo amin’ny tokatrano, ny RFF hajoro tsara, ireo afaka fanadinana, nanao fanadinana sy mbola hanao fanadinana ; miantehatra amin’ny Tompo hametrahana ny fikasasan rehetra.
Izany vavaka izany dia natambatra, ho amboara tokana, amin’ilay vavaka nampianarin’ny Tompo manao hoe : “Rainay izay any an-danitra…”
Amena
Natao teo am-pitsanganana ny hira HF 12 « Feno toky » ary novakina ny tondrozotra 2021.
Natolotra ny tsodrano
Nohiraina ny hira FFPM 625 : 3 « Ry Kristy be fitia ! », nofaranana tamin’ny Amena nohiraina.
Nipetraka ny Fiangonana nanao vavaka mangina.
Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra !
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Amena.
Feon-javamaneno teo am-piravana
Nitendry orga : Ranaivoson Jacky /Rakotonarivo Hery
Naka ny sary : Andriamampianina Faneva
Nikirakira ny fanamafisam-peo: Rakotovololona Lova
Nikirakira ny fafana : Rakotonarivo Vatsy
Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly
RAKOTOMANANA Andrimbazotiana no nanao izany tatitra izany. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia ao amin’ny I KOR 3 : 17b. Toy izao ny asa tsara fantarina ary hotanterahin’ny Fiangonana sy hentiny amim-bavaka :
Herinandrom-bokatry ny VFL hanomboka ny alatsinainy 12 jolay 2021 ;
Fivorian’ny mpihevi-draharaha ny sabotsy 17 jolay 2021 amin’ny 8 ora maraina ao amin’ny Akany Rainimamonjy ;
Fotoam-bavaka fankasitrahana an-dRAZAFINDRATRIMO Alain, Filoha mpanorina ny VPL SPAA 10 ny sabotsy 17 jolay 2021 amin’ny 9 ora sy sasany maraina hialohavan’ny antsan-kira ;
Fanadinana Sekoly Alahady K1-5 ny alahady 18 jolay 2021 eto am-piangonana sy famaranana ny taom-pianarana ;
Fanasana avy amin’ny Mpitandrina zanaky ny Fiangonana miana-draharaha amin’ny fanohanan-kevitra an-dRAMILISON Diamondra ny talata 20 jolay 2021 amin’ny 10 ora maraina ao amin’ny Faculté de théologie Ambatonakanga mitondra ny lohateny hoe : “L’homme nouveau face au péché et perfection”; amin’ny 1 ora tolakandro an’ANDRIATSILAVINA Nofy
Concert d’orgue karakarain’ny RFF ny alahady 25 jolay 2021 amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro
Famoahana sy fitsofan-drano Mpitandrina ny alahady 25 jolay 2021 amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ao Antsahamanitra ;
ny Synoda Lehiben’ny FJKM izay kasaina hatao any Sambava.
Nisy fanentanana momba ny fitandremana ny fahasalamana.
Nandray fitenenana ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina nampahafantatra fa izay katekista sy mpitoriteny nivoaka avy tao amin’ny SEFALA fa tsy diakona dia manao akanjom-panompoana rehefa mitarika fotoam-bavaka. Nentanina ny fikambanana hanotrona an-dRAZAFINDRATRIMO Alain (filohan’ny FDL) amin’ny sabotsy. Nisy mpivady vao nanorina ny tokantranony natsangana miaraka amin’ny fianakaviany, narahabaina, nirariana soa ary nentina amim-bavaka.
Nohiraina ny FFPM 177 : 1,2 “RY FANAHY MPANAZAVA, MITARIHA”. Nanao vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ANDRIAMAMPIANINA Toky Harijesy. ANDRIAMIHAJA Michel no namaky ny EKS 3 : 7-14 raha RAVOKATRA Tsiky Harimalala no namaky ny ao amin’ny JAO 10 : 1-10 sy ASA 7 : 30-38. Natao teo am-pitsanganana ny FF 52 : 1,2 “AVIA, TORIO KRISTY”, toriteny no nanaraka izany.
JAO 10 no nakana ny hafatra, izay tantara fanoharana ny amin’ny mpiandry ondry. Eo amin’ny toko faha-9 dia nanasitrana ny jamba sy ny marary tamin’ny andro sabata i Jesoa ka nampirehitra ny fahatezeran’ny Fariseo, Jesoa mamaly eo amin’ny toko faha-10 ny antony nanasitranany tamin’ny andro sabata. Ny tanjony ho amin’ny fiainantsika dia eo amin’ny and.10b : “Izaho avy mba hananany fiainana sady hananany be dia be ”.
Ho amin’ny fiadanana no niantsoany anao ary mba tena hizara izany.
Raha miantso sy manasitrana Jesoa dia ho amin’ny fiainana sy fiadanana. Amin’ny tanora ny manao fiainana dia fanaovana izay tiana, tsy misy teritery. Ho an’ny ray aman-dreny kosa izany fiadanana izany dia milamina, tsy misy korontana. Ho an’ny kristiana dia mitovy ny famaritana ny fiainana mandrakizay ao amin’i Jesoa : ny fiainana dia fitaovana entina miaina, Izy mihitsy no miditra eo amin’ny fiarahamonina raha miantso antsika hanao ny asany Izy. Matoa mbola tsy milamina ny fiainantsika amin’ny sehatra misy antsika, sao dia tsy mbola i Jesoa no fofonaina mahavelona anao ? Tsy hoe manasitrana fotsiny i Jesoa fa te-hanome fiainana. Fantany ny fitarainana sy fikasan’ilay jamba dia nomeny azy ny fahiratana.
Jesoa Kristy mihitsy no loharanom-piadanana. Tsy ho amin’ny fiadanana ihany fa hoy Izy hoe “midìra” izay mitaky fanolorantena sy fahavononana. Mila mamaly ny antso isika, mandray, miditra amin’ny vavahady araka ny eo amin’ny and.7. Jesoa no miaro ny fiainantsika amin’ny fahavalo rehetra : ny rotoroto, ny tebiteby amin’ny fivelomana, ny asa aman-draharaha, ny fianarana… Jesoa ilay vavahady ka rehefa eo Izy dia mandry tsara ny ondry. Jesoa ilay fefy dia tsy ho azon’ny loza izaho sy ianao (and.9) fa hovonjena. Rehefa Jesoa no vavahadinao dia Izy no mampandeha anao (miditra sy mivoaka) mba hilamina tsara ny fiainanao.
“Sady hahazo hanina” : ny sakafom-panahy dia tsy tokony hoadinointsika. Mila mandini-tena isika raha ampy sakafo tsara ny vatana, saina, fanahintsika. Misitraka sakafo ny vatana intelo isan’andro, impiry isan’andro no sokafanao ny Baibolinao ? Ilaintsika mihitsy ny miditra amin’ny fiadanana, mila finiavana avy amintsika ny fandraisana izany. Vao miditra eny amin’ny vavahady isika alohan’ny hiangona dia mila miteny hoe : “vonona handray Anao aho Jesoa” dia mifantoka amin’ny litorjia, manontolo (fiderana, famelan-keloka, rakitra, tsodrano…,) fa tsy toriteny ihany. ‘Ndeha manomboka izao hozarintsika amin’ny sakafo ara-panahy ny fiainantsika.
Nanao hira ny STK “MANDINIHA HELY” (ny tononkira nalefa teny amin’ny fafana).
Nanana fotoana lava nieritreretana sy nandinihana ny fiainanao ianao. Efa namaly ny antsony ve ianao ? Tena efa niditra amin’ny fiadanana sa mody fanina ? Vitan’ny Tompo ny famonjena na tsy hamaly ny antso aza ianao fa matoa Izy miantso anao dia mbola mila anao Izy, “ny ondry manaraka azy satria mihaino ny feony ireo”. Jesoa dia mahafantatra antsika ary isika izay mahalala Azy koa tsy tokony hanaraka feo hafa ankoatra ny feony.
Zarao ny fiadanana : Ilay fiainana omena antsika dia mihoatra lavitra mba hizarana ny fiadanana. Izay no andrasan’ny Tompo aminao. Matoa mbola misy kristiana tsy manana dia misy tsy mizara.
“Sady hananany be dia be”: misy fadiranovana ara-panahy, mba te-hihaino ihany izy, misy olona te-handalina fa tsy mahay. Anjaranao amin’izay ny mizara rehefa vita ny eto. Ny tanora manana hery sy tanjaka mba efa nizara izany ho an’ny hafa ve ianao ? Fandehanana amin’ny toerana misy ray aman-dreny ohatra. Ilay fifaliampo no tokony hozaraintsika. Ampiasainao anaovana inona ny fahatanoranao ? Indray mipì-maso io dia mety hesorin’Andriamanitra aminao rehefa tsy hozaraina. Zarao ilay fiadanana ao aminao fa aza kobonina ho anao samirery. Andriamanitra no efa manome lalana, araka ny ao amin’ny Eksodosy “homba anao Aho”. Aza matahotra raha irahina ianao satria nomena mihoatra : Andriamanitra mihitsy no hialoha lalana anao. Mila fitehirizana ilay Fanahy hahantanteraka ilay asa niantsoana antsika eo anivon’ny fiarahamonona dia vitao hatramin’ny farany izany. Ny anjara vavakao dia hoe “tehirizo aho, Tompo ô! haharitra hanao ny asanao”. Nanao ny hira “TEHIRIZO AHO” ny STK.
Raha ray aman-dreny ianao zarao amin’ny ankohonanao ny fiadanana (tsy mitondra na maka lagy ao an-trano).
Ho amin’ny fiadanana no iantsoana anao : midìra amin’izany fiadanana izany mba ho tena Jesoa Kristy no fofon’aina mahavelona hitondra anao, zarao izany fiadanana izany ho an’ny manodidina anao.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.
Nisy feon-javamaneno fohy. Nohiran’ny STK ny “ MANAOVA NY METY ”. narahin’ny vavaka fangataham-pitahiana.
Ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina no nitarika izany vavaka izany. Nisaotra an’Andriamanitra izy noho ny Teny avy notoriana mba hampiharana izany eo amin’ny fiainana. Nivavaka koa izy ho an’ny fiainan’ny Fiangonana, ny mpitory Filazantsara rehetra, ny mpitaiza eny amin’ny toby rehetra mba hiaina fiadanana ; ny Birao sy ny mpiandraikitra foibe, ny Synoda Lehibe amin’ny volana aogositra ; ny SPAA10 ; ny rafitra mijoro eto amin’ny fitandremana ; ny STK mankalaza ny alahady fanateram-bokatra anio ; ny fikambanana manao fankalazana amin’ity taona ity ; ny kristiana rehetra ; ny sahirana, marary, mana-manjo. Voatonona koa ny faniriana mba ho levona ny herin’ny aretina amin’ny endriny samihafa ka ho salama sy haharitra amin’ny firaisana amin’Andriamanitra ny mpanompony rehetra ; ny manana hataka manokana ; ireo nanao raki-pisaorana sy nangata-bavaka. Nofaranana tamin’ny « Rainay izany any an-danitra » ny fangatahana.
Ny hira FFPM 813 : 1 “TIA ZAZA no nataon’ny Fiangonana nandritra ny firosoan’ny ray aman-dreny teo amin’ny alitara. Nisy teny fanorenana, fanekena nataon’ny ray aman-dreny nanolotra ny zanany hatao batisa, vavaka nataon’ny Mpitandrina. Nisitraka ny sakramenta RAKOTOARISOA Ranty dia nisy vavaka sy Teny fanomezan-toky..
Natao avy hatrany ny hira FFPM 332 : 1 “FINARITRA NY OLONAO” raha namonjy ny toerany ny ray aman-dreny sy zaza natao batisa. Notononina ny tondrozotra 2021 hoe : “ Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara… Famindrampo sy fahamarinana no ho an’izay manao asa tsara ”. Natolotra ny tsodrano dia noredonina ny hira vavaka FFPM 336 : 1 “AMPODIO IZAHAY, JEHOVAH”. Nisy vavaka mangina sy trinite ary feon-javamaneno. Nifarana tamin’ny 11 ora sy 52 minitra ny fotoana.
NY TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : RAJAOFETRA John & HARENTSOA Rova
Fafana : RABIAZAMAHOLY Mahery
Naka sary : RAMAHERY Hasina
Diakona tompon’anjara : Vaomieran’ny Fifandraisana sy Vaomieran’ny Asa Vavolombelona
Nandray an-tsoratra : RALAIARIMANANA Narindra
Ny Mpitandrina RAMILISON Diamondra no nitarika ny fotoana.
Ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina kosa no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny II Tesaloniana 2,13-14 no nangalana ny toriteny.
Ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra dia ny Salamo 108,1-5 no novakiana.
Taorian’izay dia nohiraina ny FFPM 6: « Avia, miondreha »
Tompo ô misaotra, midera ary mankalaza ny Anaranao izahay. Tompo ô, Misaotra Anao izahay noho ny fivimbinanao anay.
Misaotra Anao izahay fa mbola afaka mifanotrona amin’ny sampana Dorkasy amin’izao anio izao. Atreho feno ry Tompo ity fotoana ity.
Tariho izahay ry Tompo hahafahanay mibanjina Anao
Amena
Manaraha an’I Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo. (Deoteronomia 13,5)
!fa manaraha Ahy hianao (Jaona 21,22b)
Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy misy hanenenany (Romana 11,29)
Tahorian’ny fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra dia nohiraina ny FFPM 349,1: »Dera re, laza anie »
fa manaraha Ahy hianao (Jaona 21,22b)
Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy misy hanenenany (Romana 11,29)
Tahorian’ny fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra dia nohiraina ny FFPM 349,1: »Dera re, laza anie »
Ray ô, Manatona Anao izahay amin’ny anaran’i Jesoa Kristy,Mamela ny helokay, mamonje anay. Tsy nahatanteraka ny sitraponao izahay. Miaiky izahay fa diso Taminao ka mifona sy mibebaka.
Mamela ny helokay ry Tompo ka tehirizo ho Anao izahay.
Amena
Taorian’ny vavaka dia nohiraina ny FF 25,1: » Ny voadiko »
Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitra. (Isaia 59,2a)
Ho tezitra mandrakizay va Izy (Jeremia 3,5a)
Fa tamin’ny fahatezerako no namelezako anao . Ary amin’ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao (Isaia 60,10b)
Ho fanambarana sy fanehoana ny finoana dia niarahana nanonona ny Fanekem-pinoana Apostolika laharana voalohany
Ny IITesaloniana 5,17 no nangalan’i RAMINO Lalaina mpampianatra sekoly alahady ny hafatra
« Mivavaha ka aza mitsahatra »
Mivavaka rehefa misakafo, matory, mianatra!
Toa adinodino izany fivavahana izany rehefa tonga ny fihibohana mety ho vokatry ny tsy fahafahana mamonjy ny trano fivavahana angamba izany na vokatry ny tsy fahafahana manaraka ny fanompoam-pivavahana ampitain-davitra.
Mbola mivavaka foana isika tsy an-kiato mandra-pahatapitry ny fofon’aina.
Taorian’ny hafatra dia nohiraina ny FFPM 760,4: »Aza mba manadino »
Misaotra Tompo ô fa tsy manadino anay Ianao, mampianatra anay hivavaka tsy an-kiato Ianao. Omeo anay ny Fanahinao Masina hampianatra sy hitarika anay ho any Aminao. Amen
Ny biraom-piangonana RAKOTOMANANA Andry no tompon’anjara amin’izany hoan’ny anio.
Raharaha ivelany:
Tontosaina ny 11 & 10 aogositra 2021 any Sambava ny Synoda lehibe koa mila entina am-bavaka izany
Feno 50 taona ny Fikambanana Mampiely Baiboly, ary hisy seminera anasana antsika izay hotontosaina ao Antaninarenina ny 5 ka hatramin’ny 10 jolay
Raharaha anatiny:
Noho ny fahafenoan’ny faha 25 taona niasan’Andriamatoa RAZAFINDRATRIMO Alain dia hisy fanompoam-pivavahana hotontosaina ny 17 jolay 2021 amin’ny 9ora sy sasany
Tontosaina ny 20 jolay amin’ny 10 ora ny « soutenance » hataon’ny Mpitandrina RAMILISON Diamondra.
Ny fanompoam-pivavahana zoma hariva dia naroso amin’ny dimy ora.
Ny maraim-baovao kosa dia amin’ny enina ora sy sasany.
Nambara ny toetry ny vola.
Amin’ity volana ity dia ny Sampana STK, Laika ary RFF no manatanteraka fotoam-bokatra
Amin’ny herin’ny anio dia manatanteraka fanadinana eny amin’ny LMA ny Sampana Sekoly Alahady K6 ka hatramin’ny K10
Ny K1 hatramin’ny K5 kosa dia manao fanadinana ny 18 jolay eto amin’ny tanànan’ny Fiangonana.
Noho ny faha 160 taonan’ny Fiangonana sy faha 20 taonan’ny RFF dia ny « concert d’orgue » no hanamarihana izany.
Ny komitin’ny faha 160 taonan’ny Fiangonana dia nisaotra ny mpianakavin’ny Tompo noho ny fahatontosan’ny « Fitafy gasigasy ».
Ny Salamo 29,11 no nentina nirary soa ireo mpianakavin’ny Tompo teraka volana jona
« Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin’ny fiadanana »
Jesoa Kristy ô, misaotra noho ny tombon’andro azon’ireto mpanomponao ireto. Tanteraho amin’izy ireo Tompo ny teny firarian-tsoa natolotra azy ireo. Amena
Hira : FF14: » Jesoa apetrako Aminao »
Vavaka fangatahana sy raki-boady:
Fangataham-bavaka ho an’ny zanaka hiatrika fitsarana
Fangataham-bavaka ho an’ny fianarana
Fisaorana an’Andriamanitra noho ny fahafaham-panadinana
Fisaorana an’Andriamanitra noho ny tombon’andro
Fisaorana an’Andriamanitra noho ny valim-bavaka
Fangatahana ny fomban’Andriamanitra ny fiainana
Vavaka ho an’ny fahasalamana
Hira:
FFPM 164,1: »Jesosy irery ihany »
HF 11,1
FFPM 3,1: » Isaorana anie Andriamanitra »
Vavaka:
Tompo ô, misaotra noho ny fitiavanao, sy ny famindramponao. Ataovy tanteraka aty aminay ny Teninao. Arotsahy ny Fanahy Masinao amin’ny mpamaky ny Teny, ny mpitory ny Teny ary aty aminay izay mihaino ny hafatrao. Mitenena Tompo ô fa mihaino izahay. Amen
Vakiteny:
Genesisy 12:1-9
Lioka 5:27-32
II Tesaloniana 2:13-17
Miorena tsara ao amin’ny Tompo »
Ny Tesaloniana 2:13-14 no nangalana ny toriteny
Misy hevi-dehibe anankiroa tao amin’ny toriteny:
1) Andriamanitra efa nifidy antsika hahazo famonjena
a) Mifidy anareo:
Isika dia olona nofidin’Andriamanitra. Hatry ny mbola tsy ary izao tontolo izao dia efa nifidy antsika Izy. Nofidiany ho Azy mandrakizay isika ary notsongainy sy nalainy mba hanana anjara ao aminy.
b) Hahazo famonjena:
Tsy ny ezaka ataontsika no ahazoantsika famonjena. Mahazo famonjena isika satria Andriamanitra nifidy antsika mba ho voavonjy.
Ny mpanara-dia an’I Jesoa ihany no mahay mihaino Azy, izay tsy olony kosa dia mamorona korontana satria hoy ny Tompo « Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy taomin’ny Ray »
Abrama dia taranaka mpanompo sampy no nofidian’Andriamanitra hanaraka Azy ka handao ny Rainy sy ny reniny ka hanorim-ponenana any Kanana.
2) Izany no iantsoana anareo hahazo ny voninahitr’I Jesoa Kristy
a) Ny fiantsoan’Andriamanitra ny olony:
Fony tsy mbola voaforona na nateraka aza Jeremia dia voafidin’Andriamanitra sy namasininy ka na dia maro aza ny fahalemen’i Jeremia dia tsy nahasakana ny antson’Andriamanitra izany.
Isika rehetra izao ihany koa dia efa voafidin’Andriamanitra sy voantsony ary voatokana hanatanteraka ny asan’Andriamanitra.
b) Velona ao anatin’ny fiainan’ny vahoakany ny Tenin’Andriamanitra ary miombona Aminy ny vahoakany.
Maro ny Sampana eto amin’ny Fiangonana fa matoa ao amin’ny Sampana Dorkasy no misy anao dia voantson’Andriamanitra ho Dorkasy ianao.
Tsy hamelan’Andriamanitra ny olony raha tsy mahatanteraka ny irany. Jona dia nandà ny irak’Andriamanitra ary niala izany hany ka ny trozona no nanatitra azy tany amin’ny toerana nanirahan’ny Tompo azy ary niaritra andro maro tao an-kibon’ny trozona izy.
Ny fifidianan’Andriamanitra ny olona iray dia manome risi-po ny olona iray hanatontosa ny asan’Andriamanitra.
Tsy mampahazo aina ny olon’Andriamanitra ny tsy fahafahany manatontosa ny asan’Andriamanitra na tsy fahafahany miombom-po amin’ny vahoakan’Andriamanitra.
Raha nanaraka fitsaboana tany amin’ny hôpitaly ny Mpitandrina dia nahatsiaro nalahelo satria tsy afaka niaraka tamin’ny mpianakavin’ny Tompo nanatontosa ny Herinandro masina. Soa ihany fa mba afaka nanaraka ny fanompoam-pivavahana tamin’ny « Radio »
Ento sy ampitoero tsara ao amin’ny Tompo ny fiantsoany sy fifidianany anao. Jereny sy karakarainy ary velomin’ny Tompo ny olom-boafidiny.
Apetraho amin’ny Tompo ny fanahianareo ka matokia Azy. Tomoera tsara hahafahan’ny Fanahy Masina manamasina ny tenanareo ka ahazoanareo ny voninahitr’I Kristy.
Ho setry ny toriteny dia nanao ny anjara hirany ny Hasin’ny Famonjena.
Tompo ô, Manoloana ny Teninao, reseo lahatra ny misalasala, aoka tsy ho diso lalana ireo manapa-kevitra.
Entinay am-bavaka Aminao ny ezaka fitoriana ny Filazantsara, Tahio ny rafitra isan-tsokajiny sy ny asan’ny Fiangonana androsoan’ny fanjakanao.
Entinay am-bavaka Aminao ny FJKM Amparibe Famonjena ; ny Sampana Dorkasy, ny Birao sy Komity ary ny Mpikambana ao anatiny.
Trotronay am-bavaka Aminao ihany koa ny Mpitandrina sy ny mpiara-miasa aminy ,ny sampan’asa sy asa ary ny komity sy ny vaomiera.
Entinay am-bavaka Aminao ny mpianakavin’ny finoana sy ireo nangataka vavaka vavaka manokana sy nanao raki-boady rehetra.
Trotroinay am-bavaka ireo tratry ny tsy fahampiana, ny ory sy azom-pahoriana, ny marary, ny mpitondratena sy ny kamboty,!
Ny taninay sy ny vahoakany, ny manam-pahefana sy ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena ihany koa Tompo dia entinay am-bavaka eo anatrehanao. Amen
Izany vavaka izany dia ampiarahanay amin’ilay vavaka nampianarinao manao hoe Rainay izay any an-danitra!
Hafatra:
Tsy hianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona. (Jaona 15,16)
Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy misy hanenenany. (Romana 11,29)
Famaranana:
Famakiana ny tondrozotra
Tsodrano
Antema 5