Ny antsoina hoe kristiana dia izay mandray toriteny ka tonga mpanara-dia an’i Jesoa, ary mijoro vavolombelona amin’ny fiarahany amin’i Jesoa ihany koa ka mitaona olona hafa ho mpanara-dia an’i Jesoa toa azy.
Zavatra telo no vokatry ny toriteny noraisin’ny mpianatra, hita ato amin’ny perikopa:
A- Mpianatra mijery an’i Jesoa
Ny andininy faha 36 no manamarina izany “ary nijery an’ i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra!”
Ny ataon’ny kristiana dia mibanjina ny maha Izy Azy. Jesoa Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra.
Anarana nomen’i Jaona mpanao batisa io. Mampahatsiahy ny Zanak’ondrin’ny Paska, mampahatsiaro ny fanafahana tany Egypta (Eksodosy 12). Ondry koa no natolotra tao amin’ny Tabernakely, ondry natao fanatitra ho an’Andriamanitra. Ny Mesia no voalaza fa ondry hovonoina mampiseho faharetana, fahoriana sy fahavononana ho faty.
Ny amin’ireo rehetra ireo dia Jesoa no antsoina hoe ondry, tsy manan-tsiny Izy. Fanatitra ho an’ny fahotana Izy. Mamonjy antsika mpanota, raha mibanjina ny maha Izy an’i Jesoa isika dia:
1) Tahaka an’i Jaona izay nitarika ny mpianany tao amin’i Jesoa.
Ny mpitarika dia tokony hibanjina an’i Jesoa ka hitarika ny olona amin’ny finoana, ka isika Fiangonana dia hanaiky ireo mpitarika ireo.
2) Mijery Azy amin’ny fotoana rehetra, amin’izay atao rehetra. Mila mandrava sakana maro tahaka an’i Zakaiosy izay nandrava ny sakana rehetra, izay tsy nahitany ny Mpamonjy satria fohy kely izy.
Betsaka ny sakana ankehitriny, be ny manahirana tsy hahatongavana amin’ny finoana. Ny finoana dia ny fijerena an’i Jesoa ao anatin’ny zavatra tsy misy nefa antenaina hisy ao anatin’ireny.
3) Midera sy manome voninahitra Azy noho ny asam-pamonjena vitany. Fiainan’ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena izany fiderana an’Andriamanitra izany. Manao laharam-pahamehana izany fiderana ny Tompo izany amin’ny maha mpianatry ny Tompo azy.
Mila manahaka ny Zanak’ondrin’Andriamanitra isika amin’ny toetra. Ny ondry dia manana endrika faharetana, fanetren-tena ary fahalemem-panahy.Toetra fanehoana ny maha kristiana ireo. Hita ao amin’ny Romana 12 ny adidin’ny kristiana amin’ny hafa. Tao Roma dia nanindrahindra ny tenany ireo olona tao amin’ny Fiangonana ka nanarin’i Paoly hanana fanetren-tena. Ny finoana dia mila ampiasaina amin’ny fahatokiana an’Andriamanitra ka haneken’ny tsirairay ny fahasamihafana ao anatin’ny Fiangonana mba hisian’ny fiombonana amin’ny finoana hatrany.
Isika rehetra nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana, ka tsy hanana fanetren-tena sy fiombonana isika, raha tsy manana ireo toetra telo ireo dia ny faharetana, fanetren-tena ary fahalemem-panahy.
Koa mijere an’i Jesoa isika, aza menatra mibanjina Azy, aza miherikerika. Maneke hihatsara hatrany manahaka ny toetran’ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra.
B-Mpianatra manaraka an’i Jesoa
Ny andininy faha 37 hatramin’ny faha 39 no entina manazava izany.
Raisina manokana ny and. 37: “Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an’ i Jesoa.”
Mamantatra ny toerana misy an’i Jesoa ny mpianatra manaraka Azy: “Raby ô! Aiza Ianao no mitoetra?” (and. 38). Eo no ho eo ny valitenin’ny Tompo fa tsy mampiandry Izy. “Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo.” (and. 39).
Ny tena finoana dia miainga avy amin’ny fahatokiana avy ao am-po, avy amin’ny fifandraisana amin’i Jesoa. Ny mitady ny fonenan’ny Tompo dia mitady ny Tompo ihany. Tsy fantatrao ny toerana misy an’i Jesoa raha tsy mandeha ianao dia mahita hoe eto no misy Azy.
Misy antson’ny Tompo ankehitiny hahatongavana amin’ny finoana. Mila mandeha isika ary mahita. Izay no hahatongavantsika ao amin’ny finoana. Raha hampiharina eo amin’ny fiainantsika izany dia izao: manaraka Azy ka vonona manaiky ny fepetra apetrany. Izany hoe miala amin’ny fankahalana; mila mandeha amin’ny finoana ka tsy mitady tombontsoa manokana ho an’ny tena; mila fiombonam-piainana Aminy amin’ny fotoana rehetra, tsy asiana fepetra.
Ianao ve niala tamin’ny zavatra rehetra ka nanaraka Azy? Nohadinoinao ve ny hevi-diso, ny fahotana sy ny fanadinoina? Nankininao tamin’i Jesoa ve ny tenanao?
Ny ampaherezana antsika dia ny fanarahana an’i Jesoa, tsy mahakivy, tsy mampijaly. Jesoa mahalala fa misy manaraka Azy ary mitodika Izy mijery, mitantana ny diantsika.
Ao anatin’ny fanarahana ny Tompo dia ireto no tadidiana: mitady, manaraka, mitoetra, mahita.
D-Mpianatra mitondra olona ao amin’i Jesoa
Ny andininy faha 42 no anamarinana izany: “Dia nitondra azy ho any amin’ i Jesosy izy.” Efa resy lahatry ny maha Mesia an’i Jesoa ireto mpianatra ireto, ka nandehandeha nanambara izany tamin’ny hafa, nijoro vavolombelona, nahataona mpanara-dia vaovao. Ny efa nahita no mandeha mampahita. Ny olona mandray an’i Jesoa dia mandray fahasoavana, mahazo famonjena ary mizara. Izany no atao hoe kristiana. Mijoro vavolombelona fa efa hitany ny Mpamonjy ka tonga olom-baovao izy. Tsy olona menatra miseho eto amin’izao tontolo izao fa olona hahataona olona.
Firy taona izay no efa nivavahanao ka nahataona olona tao amin’ny Tompo? Efa 50 taona izao ny Hasin’ny Famonjena no nitory an-kira. Firy tamin’ireny toriteny an-kira ireny no efa nahakasika antsika, ka naharesy lahatra antsika hoe hanara-dia ny Tompo, ka nametraka finoana taty anatin-tsika?
Raha sanatria tsy mbola tanteraka izany dia izao no fotoana ampatsahivan’Andriamanitra antsika fa tena mila mijoro isika.
Araka ireo rehetra ireo, hoy ny Tenin’Andrimanitra hoe: “ny finoana raha tsy misy asa dia maty mihitsy” (Jakoba 2:17).
Tandremo! Aza avela hisy hahasakana anao hanambara izany fahasoavan’Andriamanitra izany, fa notaomina isika ho mpianatry ny Tompo dia tanteraho izany antson’ny Tompo izany. Ny didy lehibe napetrak’i Jesoa dia hoe: “Mandehana ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olona rehetra”.
Mijere an’i Jesoa, manaraha Azy ary mitondrà olona ao amin’ny Tompo. Hotanteraka anie izany hampiorenana ny finoantsika.
Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany.
Feon-javamaneno fohy taorian’ny toriteny.