Alahady 30 Mey 2021

ALAHADY 30 MEY 2021

“MAMPIORINA NY MINO NY HERIN’NY FANAHY MASINA”

ALAHADIN’NY TRINITE

Alahadin’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona (FDL)

Alahady Fetin’ny reny

Ny horonan-tsary notontosaina ho fiaraha-miombona an-tokantrano izao taterina eto izao, izay nozaraina tao amin’ny vondrona Facebook “Mpiangona @ Amparibe Famonjena” , satria tsy mbola misy fotoam-bavaka azon’ny Fiangonana atrehina mivantana ao an-tranon’Andriamanitra.

Ny mpiomana ho Mpitandrina, RATSIMBA ANDRIAMILANDY Liantsoa, ao amin’ny Faculté de Théologie no nitarika ny fotoana, raha ny Mpitandrina miana-raharaha RAMILISON Diamondra no nitory ny Teny. Ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena no nitarika hira. Ny litorjia endriny voalohany no narahina.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny feon-javamaneno fidirana sy ny fanolorana ary ny fiarahabana apostolika dia ny SAL. 113 no niarahana namaky teo am-pitsanganana, izay manao hoe: « Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon’i Jehovah, miderà ny anaran’i Jehovah. Isaorana anie ny anaran’i Jehovah hatramin’izao ka ho mandrakizay. Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany no hoderaina anie ny anaran’i Jehovah. Avo ambonin’ny jentilisa Jehovah ; ambonin’ny lanitra ny voninahiny. Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ny avo, nefa miondrika mijery ny any an-danitra sy ny ety an-tany ? Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ny zezika, mba hametraka azy ho naman’ny mpanapaka ny olony. Mampitoetra tsara ny momba Izy, fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia ». Ny hira FFPM 197: 1; 3;4 “ HALELOIA DERAINA ANDRIAMANITRAY ” no nanaraka izany ary vavaka fisaorana. Rehefa izay dia nambara ny sitrapon’Andriamanitra araka ny I KOR. 6 : 19 ; I TAN. 22 : 19a ; JOS. 23 : 11 manao hoe : « Ahoana àry ? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’ Andriamanitra ? ka tsy tompon’ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo… Koa ankehitriny ampitadiavo an’i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo… Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an’i Jehovah Andriamanitrareo » Amena. Natao ny hira FFPM 242: 3; 4 “MISAOTRA ANAO IZAHAY, RY RAY” dia nisy vavaka fifonana. Nohiraina ny FFPM 437: 3 “RY JESOA KRISTY TOMPO”. Nisy ny Teny famelan-keloka nomena ny Fiangonana teo am-pitsanganana manao hoe : « Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony ? Eny, mety manadino ihany izy, fa izaho kosa tsy mba manadino anao … Satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra… dia Izaho efa nihaino… Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao. Fa amin’ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao. Tamin’ny firehetan’ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja. Fa amin’ny famindrampo mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah Mpanavotra anao » (ISA. 49 : 15 ; II MPA. 22 : 19a; e ; ISA. 54 : 7-8). Nohiraina ny FFPM 547 : 3 “ RY JESOA MASOANDRONAY Ô! Notononina ny fanekem-pinoana apostolika (laharana I). Nisy vavaka mangina tanaty feon-javamaneno fohy taorian’izany.

FANATITRA

Rehefa izay dia notatazana ny rakitra. Nampahatsiahivina ny fanentanana mba hanao izany ny isan-tokantrano ka hanatitra izany rehefa misokatra ny trano fiangonana. Ny hira FFPM 181: 1-2 “FANAHY MPANAZAVA”no notanterahina nandritra izany. Nisy vavaka fanavaozana fanoloran-tena natao teo am-pitsanganana.

FANKALAZANA NY TENIN’ ANDRIAMANITRA

Nohiraina ny FFPM 181 : 3 “ FANAHY MPANAZAVA”. Nanao vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ny Loholona RABAKO Ralambonirina Jean-Jacques sy namaky ny EKS. 31: 1-5, raha ny Diakona RANDRIAMASIMANANA Hanta no nanohy ny vakiteny araka ny ao amin’ny LIO. 10: 17-24; I JAO. 3 : 18-20. Natao teo am-pitsanganana ny hira FF 46: 1 “MBA TANTANONAO, RY RAIKO”. Toriteny no nanaraka izany.

TORITENY

Mifandray avokoa ny perikopa voalahatra anio: ny fahombiazana avy amin’ny Fanahy Masina ao anatin’ny olona manatanteraka asa.

  • Ny Eksodosy dia milaza ny Fanahy hahazoana talenta sy fahaiza-manao araka ny fandaminan’Andriamanitra, ary ny iraka nampanaovin’ny Tompo an’i Mosesy. Eto dia ao anaty fandrafetana ny tabernakely (fanaka). Ny tokony hatao mba hikaliana ilay endrika tadiavina: ny Fanahin’Andriamanitra izay nomena irery ihany no afaka hamantatra sy hanatanteraka ny asa. I Bezalila no nomena fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahalalana.
  • Ny ao amin’ny Lioka kosa dia manambara fa hananana fahefana ny Fanahy. Rehefa niverina nitory ny Filazantsara nanirahan’ny Tompo azy ny mpianany, dia nilaza tamin’i Jesoa ny fahatsapany hoe nisy fandrosoana ny asa nataony toy ny fandroahana demonia. Ny fahaizana maka lesona tamin’ny iraka nampanaovina azy ireo, no nahatonga ny fahombiazana. Fa ambonin’izany ny Fanahin’i Jesoa, izay avy amin’Andriamanitra ihany, izay fahefana faran-tampony ka resy ny fahavalo.
  • Ao amin’ny I Jaona 3: 18-20 indray no ahitana ny Fanahy ho amin’ny fitiavana ny asa. Mamaritra zava-dehibe roa momba ny Fitiavana, ny fanambarana fanentanana mba tsy ho tia amin’ny teny na lela fa amin’ny asa sy ny marina. Rehefa mahatsapa ny olona iray, fa tonga sy misongadina ao anatiny ny Fanahin’ny fitiavana, dia afaka hiasa am-pitiavana sy fahamarinana izy ary handresy lahatra fa tena kristiana izy amin’ny fiainany manontolo.

Ireo fanazavana ireo dia mamehy ny olona manontolo. Hita ao ny momba ny fanahy (Fanahin’ny fahefana nomena ny mpianatra), ny saina sy ny fo (fandehanana amin’ny fitiavana), ny vatana (fananana talenta vaovao hoentina miasa). Hampiorina tsara antsika amin’ny finoana izany hahafahana mihavao hatrany hatrany noho ny asan’ny Fanahy Masina. Ny maha olona antsika manontolo no aoka ho voakasiky ny Tenin’Andriamanitra.

Mba hanaovan’ny Fiangonana dingana àry dia ireto no hafatra omena:

  • Velomy ny talenta ao anatinao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

Rehefa miantso olona ny Tompo hanao ny asany, dia omeny miaraka amin’izany koa izay rehetra ilaina, hahafahana manao ny asa fanompoana. Mety hanana faniriana tsara isika fa ny fahaiza-manao no mety tsy misy na tsy ampy. Azo atao ny mifehy zavatra maro avy amin’ny asan’ny Fanahy Masina satria io Fanahy io ihany no hany manome fahendrena sy fahiratan-tsaina. Ny vokatra ho antsika izay mandray ny Fanahy dia tsara fitomboana sy fiovan’ny fari-piainana. Noho izao andro natokana ho an’ny reny izao dia entanina izy ireo amin’ny fahaiza-manao ao an-tokantrano toy ny fikarakarana sakafo, fanjairana… Atony ny Tompo, angataho Aminy izany Fanahy izany. Ho an’ny raim-pianakaviana sy zanaka izay manomana fanomezana ho an’ny reny, omeo lanja ny fanaovana asa tanana. Banjino i Jesoa Kristy izay afaka manampy antsika, miantehera Aminy sy ny Fanahy Masina omeny, hahatonga antsika ho matihanina sy hamokatra ho an’Andriamanitra.

 

  • Ampiasao ny fahefana omen’ny Fanahy Masina hampiorina anao

Ny fanaovana ny asa amin’ny finoana no handraisana ny Fanahin’ Andriamanitra, ka hanehoany asa lehibe eo amin’ny olona. Ny famantarana sy ny fahagagana rehetra eo amin’ny fitoriana ny Filazantsara, dia tsy avy amin’ny asan’olombelona, fa avy amin’ny asan’ny Fanahy Masina; isika no fitaovana. Mitondra fanafahana ho an’ny olona izany ny Fanahy Masina, amin’ny asan’ny ratsy rehetra izay mamatotra ka tokony hibebahana. Raiso sy ampiasao ny herin’ny Fanahy Masina mba hahazoana fifaliana sy fahasambarana. Tsy io fahombiazana io no tadiavin’ny Tompo mialoha, fa ny fibebahantsika hahatongavantsika ho mponin’ny lanitra. Ny fifaliana laharam-pahamehana tian’i Jesoa hitoetra, dia isika manao ny asa no voavonjy, avy eo vao manaraka ny fifaliana, izay mitaona ho amin’ny fiderana ao anatin’ny fahamasinana. I Jesoa Kristy dia nifaly noho ny asan’ny Fanahy Masina tao amin’ny mpianatra. Sambatra ireto farany satria nahita ny zava-miafina momba an’Andriamanitra ao amin’ny asan’ny Fanahy Masina, izay tsy naseho ny olona hafa nandritra ny taona maro nefa nampahitana azy ireo. Raha toa isika ka mahatsiaro fangirifiriana amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo, dia mahazo mahatoky isika ny fahitana ny asam-pamonjena tsapain-tanana. Tsy afaka mandray fifaliana anefa isika, raha tsy manana fo feno fanetren-tena toy ny zaza, handraisana ilay fahefana lehibe omeny antsika. Andriamanitra tokana miseho amin’ny “Olona” telo ao amin’ny Trinite: Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Mifandray sy mifameno ireo sady feno Fitiavana antsika olombelona. Isika zanany no atao fitaovana, handray sy hampiasa ny fahefan’ny Fanahy Masina, hanomezam-boninahitra ny asan’Andriamanitra hamonjena ny hafa.

 

  • Hatsarao ny fanaovana ny asan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

Ny asa ataon’ny kristiana no itarafana ny maha kristiana azy, mampiavaka azy: tena miasa marina manahaka an’i Jesoa Kristy, izay marina. Tsy miresaka ihany, fa tena mitia olona tanteraka, manome izay fanampiana amin’ny hetsika rehetra izay tanterahina, mizara fiainana. Ho an’ny Diakona sy Loholona ao anatin’izao alahady natokana ho azy ireo izao, miasà amin’ny fitiavana sy amin’ny marina. Manaova jery todika ny toe-panahintsika enti-miasa: milofo miaraka Aminy marina ve? Raha eny, dia tohizo izany fa ankasitrahan’ny Tompo. Raha tsia kosa, dia izao no fotoana hanavaozana ny fanoloran-tena marina eo anatrehan’Andriamanitra. Mampahery antsika ny Tompo hanatsara ny fanaovana ny asany. Raiso ny lalam-pitiavana hamerina anao amin’ny lala-marina sy hanampy anao.

Manoloana ny ady amin’ny Covid-19 sy ny loza maro mihatra amintsika, dia aoka isika mpino kristiana tsy ho rendrika na ho variana miatrika olana, ka manadino ny hampiorina ny finoantsika. Manàna fahazavan-tsaina sy fahendrena, fahefana, fitiavana, fifaliana satria efa nomena ny Fanahy Masina nandritra ny batisa, ka hampiasa ireo karazana herim-panahy omena antsika, ho fiaingana vaovao indray ho amin’ny fanoloran-tena amin’ny toerana misy antsika sy andraikitra sahanintsika.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.

 

Nisy feon-javamaneno fohy. Nalefa ny hiran’ny Taninketsa “MITOETRA SY MIORINA” (RAJAOFETRA John). Narahin’ny vavaka fangataham-pitahiana izany.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny mpitarika no nanao izany vavaka izany. Nisaorany ny Teny avy notoriana mba hampiharana izany eo amin’ny fiainana. Nivavaka koa izy ho an’ny reny rehetra hahatanterahany amim-pifaliana sy fahasambarana, ny asa eo anivon’ny tokantranony. Nentina amim-bavaka ny FDL eto amin’ny Fitandremana hiorina tsara amin’ny fanampiana ny Mpitandrina. Notononina koa ny mpianakavin’ny finoana isam-batan’olona mba handaminan’Andriamanitra raha misy ny korontana ; hisian’ny vahaolana ; hahasitrana ny aretina. Nivavaka koa ho an’ny FJKM isan’ambaratonga, mba ho mendrika ny anarana entiny, hiorina amin’ny herin’ny Fanahy Masina. Tsy diso anjara amin’ny hataka ny firenena malagasy sy ireo manana hetaheta. Nisy vavaka mangina. Nofaranana tamin’ny « Rainay izany any an-danitra » ny fangatahana.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao ny hira FFPM 645: 2 « JESOSY KAPITENINAY». Notononina ny tondrozotra 2021 hoe : “ Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara… Famindrampo sy fahamarinana no ho an’izay manao asa tsara”. Natolotry ny Mpitandrina RAMILISON Diamondra ny tsodrano, dia noredonina ny hira « MIALOKA AMINAO », nofaranana tamin’ny “Amena” nohiraina. Nisy vavaka mangina; notonina ny Trinite ary nanaraka ny feon-javamaneno. Naharitra 1 ora sy 5 minitra ny fotoana manontolo.

Ireo Tompon'anjara:

Nitendry orga : RAJAOFETRA Philippe

Fanamafisam-peo : RAMAHERY Yves

Nandray an-tsoratra : RALAIARIMANANA Narindra

Alahady 23 mey 2021

ALAHADY 23 MEY 2021

ALAHADY PENTEKOSTA ANORENANA NY MAHA KRISTIANA

Alahady faha efatra mbola hibanjinana ny lohahevitra ifampitaizana : « Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina »

Ny Litorjia amin’ny endriny voalohany no nentina nanatanterahana ny fanompoam-pivavahana.

Ny Mpitandrina RAMILISON Diamondra no nitarika ny fotoana.

Ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina kosa no nitory ny Tenin’Andriamanitra.

FANOMBOHANA NY FOTOANA

Niarahana namaky ny Salamo 103,1-5,22 ho fiderana an’Andriamanitra noho ny fahatsarany sy ny famindrampony. Avy eo nohiraina ny hira FFPM 20 : Tsaroanay tokoa izao
Natao ny vavaka :
Natolotra ny Tompo ny voninahitra noho ny fahafahana mankalaza ny fotoana anio.
Nankalazaina Andriamanitra noho ny fitiavany ka nanomezany ny Zanany sy ny Fanahy Masina, noho ny famonjeny, natolotra Azy ny dera, saotra ary ny laza. Nisaorana ny Tompo noho ny fitahiany.

NY FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA

« Fa ny Fanahy Masina Izay nirahin’ny Ray amin’ny anarany, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra ary hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra. Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra Izay nanasiavana tombon-kase anareo amin’ny andro fanavotana ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo fa hifampiantra sy hifamela heloka tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy Jesoa ».
Noventesina ny hira FFPM 177,2 : Ry Fanahy mpanazava

NY VAVAKA FIFONANA

Andriamanitra ô, tsy nahatanteraka ny Teninao izahay ka mangataka famelan-keloka Tompo ô hahatonga anay ho isan’ireo olom-boavonjinao. Amena.
Notohizina tamin’ny hira FFPM 175 : Avia Fanahy ô ! 1-2-3

NY TENY FAMELAN-KELOKA

« Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako ny famindram-poko aminao. I Kristy Izay tsy mahalala ota dia efa nataon’Andriamanitra ota hamonjy antsika mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika *. Ary omeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no ataoko ao anatinareo. »
Hira FFPM 176 : Avia Fanahy Masina ô ! 1-4
Fanekem-pinoana : Ho fanambarana ny finoana dia ny fanekem-pinoana voalohany no niarahana nanonona.

NY VAOVAOM-PIANGONANA

Tokony anio no nanatontosana ny voka-dehibe fa hahemotra amin’ny fotoana manaraka izany koa mangataka antsika hitondra am-bavaka izany fotoana izany.

Rakitra sy fanomezana

Tontosaina any an-tokantrano izany ary entina any amin’ny tomponandraikitra amin’ny fotoana manaraka.

Vavaka fanolorana ny rakitra : Ray ô, fitahiana avy Aminao no ahafahanay manolotra ireto rakitra ireto ho an’ny asanao. Apetrakay Aminao ny rakitra rehetra tanterahinay. Atolotray ho fanatitra velona ho Anao ihany koa ny tenanay hampandrosoana ny fanjakanao. Amena.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Fihirana fanampiny faha 4 : Ry Fanahy ô, 1

Vavaka :
Ray ô, Ianao nampianatra anay hisaotra amin’ny zavatra rehetra, koa misaotra Anao izahay fa na dia tsy afaka miaraka miombom-bavaka any am-piangonana aza, dia mbola afaka mihaino ny Teninao sy ny hafatrao isan-tokantrano. Mahatsiaro ny nanangananao ny Fiangonana izahay sy ny nandatsahanao ny Fanahy Masina tamin’ireo Kristiana voalohany, koa arotsahy aminay ry Tompo izany Fanahy Masina izany hahatonga ny Teninao hanambara aminay ny herin’ny Fanahy Masina, hampiorina ny finoanay sy hanome aina ny Fiangonanao. Mitenena Tompo ô, fa mihaino izahay. Amena.

Vakiteny :

  • Ezekiela 36 : 22-30
  • Jaona 16 : 12-15
  • I Korintiana 2 : 1-5

Natao ny hira : FFPM 183 : Midina ry Fanahy ô, 2

TORITENY

Ny I Korintiana 2 : 4-5 no nangalana ny toriteny. Ny kristiana dia misy karazany telo, dia ny kristiana ara-nofo, ny kristiana ara-tsaina ary ny kristiana ara-panahy. Ity fahatelo ity no ilaina amintsika dia ny kristiana ara-panahy. Aza kivy na mikatona aza ny trano fiangonana amin’izao Pentekosta izao. Ny kristiana dia mampiorina tsara ny finoany ary mahay mifankatia ary mazoto mandrakariva amin’ny fanompoana, rehefa mitoetra tsara amin’ny Fanahy Masina.Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : « Inona no tokony atao mba ho tena kristiana ara-panahy manana an’i Kristy ?

Ny tokony atao dia mila aorina amin’ny herin’Andriamanitra ny finoana. Araka izany, ny fahendrena avy any ambony no ahazoantsika mitoetra ho kristiana ara-panahy resin’ny herin’Andriamanitra. Manaraka izany, ny fiorenana azo antoka  ka itokiana amin’ny finoana dia ny fitarihan’ny herin’ny Fanahy Masina izay mahatonga antsika ho tena Fiangonana malaza tsy misy pentina na fikentronana.

  • Fahendrena avy any ambony :

Ny fahendren’izao tontolo izao dia mahasarika sy manintona saingy mamitaka ihany. Anisan’izany ny rhetorika na ny fanehoana ny fahaizana amam-pahalalana amin’ny alalan’ny lahateny izay nahasarika ny maro tamin’ny andron’i Paoly.

Tao Korinto, Paoly manokana dia nitory ny Filazantsara tamin’ny fomba tsotra mba hahatonga ireo mpanara-dia azy ho kristiana ara-panahy, tsy ho tahaka ireo kristiana ara-tsaina sy ara-nofo izay mora voahozongozona.

Ny kristiana ara-panahy dia mahay mandanjalanja sy mailo amin’ny fandraisana ny zavatra rehetra sy ny tontolo manodidina azy,

Ny kristiana ara-panahy ihany koa dia mihevitra ny zava-panahy mba handrosoany ao amin’ny Tompo,

Farany, ny kristiana ara-panahy dia miezaka ny ho tia ny namany sy ny olona rehetra.

Tamin’ny andron’i Ezekiela dia niala tamin’Andriamanitra ny zanak’Israely ka nanaraka ny fanompoan-tsampy. Tamin’izany no nanomezan’Andriamanitra  azy ireo ny Teniny Izy Andriamanitra, mba hananany fo vaovao sy fanahy vaovao satria ny Fanahin’Andriamanitra na Fanahy Masina no napetrany ao amin’ny zanak’Israely, mba hampiverina azy ireo sy hahatonga azy hahatsiaro an’Andriamanitra.

Amin’izao Pentekosta izao dia raiso ny Fanahy Masina ary ekeo Izy.

Teo amin’ny Jiosy dia fotoana fanateram-bokatra ny Pentekosta, isika ihany koa dia tokony nanatanteraka izany fanateram-bokatra izany anio, saingy noho ny zava-misy eto amin’ny firenena dia tsy tontosa izany.

Omeo toerana ao aminao ny Fanahy Masina, ataovy hita eo amin’ny fiainanao ny fiasan’ny Fanahy Masina, amin’ny alalan’ny fandraisanao ny fahendrena avy any ambony. Raha tsy misy vokany eo amin’ny fiainantsika ny asan’ny Fanahy Masina dia maty antoka isika, ka toy ny tsy nankalaza ny Pentekosta, fa sahala amin’ny jentilisa very sy vavela tanteraka any ivelan’ny Fiangonana.

* Eo amin’ny fandraisana ny herin’Andriamanitra dia mila miorina amin’ny finoana isika.

Misy olona tsy mitory Teny fa ny tenany no toriny sy asandrany. Tsy mety izany fa ny Tenin’Andriamanitra no anorenana ny finoana, ka ny zava-panahy no atao laharam-pahamehana. Ny herin’ny Fanahy masina ihany no hanatanterahana izany. Aza manao izay mampalahelo ny Fanahy Masina fa avelao Izy hiasa sy hampiorina ny finoantsika.

Mba hampiorina antsika amin’ny finoana dia mila manaiky ny fiasan’ny Fanahy Masina isika, mila mahatoky ny Teny fikasany ihany koa isika ary mila manatanteraka ny baikon’ny Tompo.

Mangidy sy mafaitra izany hoe tsy afaka miditra any am-piangonana amin’ny andro Pentekosta izany. Tsarovy anefa fa ny fahatsiarovantsika ny filatsahan’ny Fanahy Masina sy fiasan’ny Fanahy Masina aminao no atao hoe Pentekosta.

Io no manome risi-po antsika hampandroso ny asan’ny Tompo sy hampandroso antsika mba hanolo-tena ho an’Andriamanitra. Tiavo ny olona rehetra na dia ny fahavalonao aza.

Ho tena kristiana ara-panahy anie isika ka ho voatafy hery, hahafahantsika manaraka ny fiainan’ny Fiangonana na inona na inona miseho.

Aoreno amin’ny herin’Andriamanitra ny finoanao ahafahanao miaina amin’ny fitarian’ny Fanahy Masina hahazoantsika hery iorenantsika tsara  ao amin’ny Tompo. Amena.

VAVAKA FANGATAHANA

Andriamanitra ô, an-kafaliana no isaoranay Anao noho ny hafatrao. Tianao izahay ho Kristiana ara-panahy, ka irinay mba ho hita aty anatinay ny fiasan’ny Fanahinao Masina. Entinay am-bavaka eto ity Fitandremana ity sy ny sampana rehetra ao anatiny mba hiasa amin’ny finoana sy amin’ny fahatokiana Anao hatrany.

Entina am-bavaka Aminao ny isan-tokantrano, ny mpivady, ny ankizy sy ny fianarany, ny zanaka am-pielezana. Entina am-bavaka Aminao ireo izay azom-pahoriana, ireo izay ao anatin’ny aretina sy ny fitsaboana azy ary ireo mpitsabo. Entinay am-bavaka Aminao ireo kivy sy ketraka ary very hevitra. Ataovy mandeha amin’ny Fanahy izahay ary apetrakay aminao ny fiainanay.

Manoloana izao fahasarotana eto amin’ny firenenay izao, dia entinay am-bavaka ny firenenay sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, ireo rehetra manana andraikitra eto amin’ny firenena toy ny mpiasan’ny Fitsarana, ny mpianatra sy ny fampianarana… mba hilaminan’ny firenenay.

Entinay am-bavaka ihany koa ny mpiasa rehetra. Entinay am-bavaka ihany koa ny Fiangonana sy ny tompon’andraikitra rehetra. Henoy ihany koa ireo rehetra izay manana hataka manokana ry Tompo.

Izany vavakay izany dia ampiarahinay amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo.

famaranana ny fotoana

Natao ny hira FFPM 174 : Fanahy Masina ô

Notononina ny Tondrozotra.

Natolotra ny Tsodrano.

Natao ny hira : Mialoka Aminao.

ireo tompon'anjara:

  • Mpitendry orga : RABIAZAMAHOLY Hery Lanto
  • Mpandray an-tsoratra :  ZANAHARITSIMBA Toky

Alahady 16 mey 2021

Alahady 16 mey 2021

Alahady mialoha ny Pentekosta

“Mampiorina ny Mino ny Tenin’Andriamanitra ”

Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy masina. Mbola mibanjina izany lohahevitra izany isika amin’ity alahady 16 mey 2021 ity.

Ny Mpitandrina RAKOTOMALALA Fy no nitarika ny fotoana. Ireo Diakona ao amin’ny Vaomieran’ny Fifandraisana ANDRIANASY Fanja sy ANDRIAMAMPIANINA Naivo no nanao ny vavaka sy namaky ny perikopa anio. Ny Mpitandrina RAMILISON Diamondra kosa no nitondra ny hafatra tamin’izany.

Fiantsoana sy fiderana an’Andriamanitra

Ny Salamo 134 : 1 – 3 no novakina niderana an’Andriamanitra. Ny FF 7 : 1, 2 « Tsy hainay ny hangina » no notanterahina taorian’izany. Nanao ny vavaka fisaorana sy fiderana ny mpitarika avy eo.

Nanambara ny sitrapon’Andriamanitra izy, manao hoe : « Mifampanompoa amin’ny fitiavana …Tiava ny namanao tahaka ny tenanao … ».

Rehefa nahatsapa fa tsy nahatanteraka ny sitrapony isika dia nanao ny vavaka fifonana ny Mpitandrina.

Natao ny hira Ffpm 417 : 3 « Nitambesaran’ny ota natao … » ho fiaiken-keloka.

Nambaran’ny mpitarika teo am-pitsanganana ny famelan-keloka, ary novalina tamin’ny hoe : « Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany, sambatra ny olona izay tsy hisain’ i Jehovah heloka ka tsy misy fitaka ny fanahiny ».

Rehefa izany dia natao ny hira Ffpm 480 : 1 « Mamin’ny foko ry Jesoa o ».

Nanavao ny fanoloran-tena ny Fiangonana ary nanambara ny finoana indray ka nanao ny fanekem-pinoana laharana voalohany.

Nanentana tamin’ny rakitra ny Mpitandrina mba hanavana izany isan-tokantrano ary hanatitra izany rehefa tonga ny fotoana mahamety azy.

Soratra Masina sy vakiteny

Natao ny hira FF 6 : 1, ho fiomanana amin’ny vavaka sy vakiteny ary hitondrana ny hafatra.

Natao ny vavaka ary novakina ny perikopa anio. Izany dia hita tao amin’ny Nehemia 9 : 20-25 ; Matio 12 : 1-21 ; I Korintiana 2 : 1-5.

Mialoha ny hafatra dia natao ny hira Ffpm 190 : 1, 2.

Toriteny

Ny perikopa rehetra anio no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra. Andriamanitra dia nanolotra ny Fanahiny ho an’ny olony sy ho an’ny mpanompony. Ary io Fanahy Masina io dia :

  • Mampianatra ny olona ho tsara,
  • Maniraka ny mpanompony hiasa,
  • Mampiombona ny mpino.

*Mampianatra ny olona ho tsara

Bokin’i Nehemia 9 : 20b « Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao … ». Izany no nentina nanazavana izany. Tsara ny Fanahin’Andriamanitra. Nanamarika dieny am-boalohany ny mpitarika fa rehefa misy ny tsara, dia misy koa ny ratsy.

Mampianatra ny olona hanana toe-panahy sy toe-piainana tsara ny Fanahy. Namerina ny tantaran’ny zanak’Israely ny mpitarika eto, ny nitantanan’i Jehovah ny lalan’izy ireo.

Efa nisy fotoana nimenomenona ny zanak’Israely noho ny fiainany, nefa dia nasehon’Andriamanitra fa tsy notantanan’Andriamanitra sy nampianariny mba hanao zavatra tsara hatrany, mba hanaiky Azy Andriamanitra hatrany.

Ny Fanahin’Andriamanitra dia mihevitra ny olona manontolo. Andriamanitra dia manome izay mety sy izay sahaza ny olona, mba tsy hahavery hevitra ny olony izay matetika be fanahiana. Ny olona kosa, ho tambin’izany, dia tokony hitodika sy hihevitra an’Andriamanitra hatrany amin’izay ataony. Tokony hanao zava-dehibe ny fifandraisana Aminy.

Ny Fanahin’Andriamanitra dia loharanon’ny fampianarana rehetra ao anatintsika.

Maniry hitombo ve isika hahalala an’Andriamanitra, maniry hahay ny Tenin’Andriamanitra, maniry hivoatra amin’ny fiainana, maniry hankato ve isika ? Mila ny Fanahy Masina isika raha te hahatratra izany.

Tokony ho ny herin’ny Fanahy Masina no rentsika ao anatintsika, miteny amintsika amin’izay rehetra ataontsika fa tsy ny herin’olombelona, na ny haino aman-jery, na zavatra hafa.

*Fanahy masina maniraka ny mpanompony hiasa

Matio 12 : 18. Nofidin’Andriamanitra izay olona hanompo Azy. Izay rehetra milaza fa mpanompon’Andriamanitra ve nefa dia tena mpanompo ? Izay te hitondra izany dia tsy maintsy manahaka an’i Jesoa Kristy.

Ny mpanompon’Andriamanitra dia akaiky an’Andriamanitra : nofidiny, malalany, hametrahan’ny Tompo ny Fanahiny. Ireo no mahatonga ny mpanompon’Andriamanitra.

Io mpanompo io dia tokony manatanteraka iraka manokana ho an’ny Tompo. Izany dia ny hitorina ny rariny amin’ny jentilisa mba hitarihana azy. Manana anjara amin’izany isika raha tena mpanompony.

Ny rariny dia ny fanarahana ny sitrapony, dia ny fandraisana ny famonjena. Ny tsy rariny dia ny fandavana ny famonjena eo anatrehany.

Atoron’Andriamanitra ny lalam-pamonjena satria tian’Andriamanitra hovonjena ny jentilisa. Manome ny Fanahy Masina ho an’ny olona iharan’ny tsy rariny koa Andriamanitra, ka manampy azy mba hiarina. Andriamanitra dia te hanala ny aizim-pahotana manerana izao tontolo izao ary fifaliana lehibe Aminy ny fahitana olona iray, izay mibebaka ka miverina Aminy.

Ny Fiangonana dia manana anjara amin’izany asa izany koa, hoy ny mpitarika, ka na dia tsy afaka mivoaka lavitra aza isika, dia tokony manao ny asa ao an-tokantrano sy eny amin’ny fiarahamonina. Tokony hitory ny fahamarinana isika ary hitondra izany amin’ny olona.

Ny rariny amin’Andriamanitra dia ny hananantsika fitiavana satria ny didy lehibe dia ny hitiavana an’i Jehovah amin’ny fo rehetra, hitiavana ny hafa tahaka ny tenantsika.

*Fanahy mampiombona ny mpino

I Kor. 12 : 13 no nangalana ny hafatra. Eto no ahitan’ ny fiombonan’ny mpino rehetra. Jesoa no banjinintsika tsirairay. Ny hoe « nampisotroina » eto dia hoe feno tanteraka ny Fanahy Masina isika.

Izany dia midika fiombonan’ny mpino izay samy mibanjina an’i Jesoa Kristy.

Ny fiainana rehefa ao amin’ny Fiangonana dia fianakaviana iray. Tsy ny tena no zava-dehibe fa ilay fiombonana. MIfameno ny olona rehetra manao ny asa fanompoana ary Kristy no lohany ho antsika.

Miala amin’ny fototra isika raha tsy mifanaraka eo anivon’ny Fiangonana. Eo amin’ny fiarahamonina dia misy ny faly amin’ny fahavoazan’ny sasany. Tsy tokony ho izany ny eto anivon’ny Fiangonana fa miara-paly na miara-ory rehefa misy ny manjo. Tena iray ao amin’i Kristy isika. Raha misy manana talenta, dia tokony manana fifaliana isika satria mifameno amin’ny izay mety ho talenta efa nanananao izany. Mila mametra-panontaniana isika hoe niala tamin’izany ve isika ?

Naka ohatra ny amin’ny fanomanana ny fotoam-pivavahana toy izao moa ny mpitarika hoe, misy ny mpitoriteny, mpamaky teny, manao sono, mpihira, mpaka sary. Noho ireo rehetra ireo dia mahavita zavatra tsara isika satria mifameno.

Tokony handeha amin’ny lojikan’ny Fanahy Masina isika satria tsy misy fetra izany. Hankatoavy ny fanomezan’Andriamanitra ny herin’ny Fanahy Masina ho antsika, fa izany no hampiorina antsika, noho ny herin’ny Fanahy masina, mpampianatra ambony indrindra. Efao ny adidy izay maniraka antsika mba hiasa ary io Fanahy Masina io dia mampiombona ny mino.

Nanao sy nampanao vavaka mangina ny mpitarika taorian’izany ary notohizana tamin’ny vavaka fangatahana.

Famaranana ny fotoana

Natao ny hira Ffpm 488 : 1, nambara ny tondrozotra ary natolotry ny Mpitandrina ny tsodrano. Ny hira Ffpm 513 : 1 no namaranana ny fotoana.

NY TOMPON’ANJARA

Fanamafisam-peo: RAMAHERY Yves

Mpitendry orga: IRIMANANA Eninkaja

Nandray an-tsoratra: ROBEL Hanitra

Alahady 09 Mey 2021

ALAHADY FAHA 09 MEY 2021

ALAHADIM-BOKATRY NY SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA

« MAMPIORINA NY MINO NY HERIN’NY FANAHY MASINA »

“Koa amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika...”
Romana 5 : 1-5

Mandia volana vaovao indray isika ankehitriny ka izany no isaorantsika sy hiderantsika ny Tompo. Izy no mbola manome ny fahasoavany ho antsika ka afaka miombom-po sy fiderana ary miombom-bavaka amin’izao fitaovana fifandraisan-davitra izao . Lohahevitra vaovao no hobanjinin’ny Fiangonana ao anatin’ity volana mey ity dia ny hoe : “MAMPIORINA NY MINO NY FANAHY MASINA” . Miavaka ihany koa ity fotoana ity satria natao indrindra ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 30 taona niorenan’ny Sampana Lehilahy Kristiana teto amin’ny Fitandremana. Ity ihany koa no alahady, ivon’ny fanateram-bokatra ho an’izany sampana izany.
RAKOTOVOLOLONA Lovanosy, Diakona no sady mpikambana ao amin’ny SLK, no nitarika ny fanompoam-pivavahana . Ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina kosa no nitory ny Tenin’Andriamanitra. Ny litorjia endriny voalohany no nitondrana izao fanompoam-pivavahana izao.

FANOMBOHAN’NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Taorian’ny fiarahabana Apostolika nataon’ny mpitarika dia ny Soratra Masina  araka izay hita ao amin’ny Salamo faha 108 and. 1-5 no noraisina ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra: “Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko no hihira sy hankalaza. Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho. Hidera Anao eny amin’ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin’ny jentilisa.

Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin’ny rahona ny fahamarinanao. Misandrata any ambonin’ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin’ny tany rehetra ny voninahitrao. Amen”.

Ny hira FFPM 24 : 1-4-5  “ Ny lanitra ao ambony ao” no niarahan’ny Fiangonana niredona sy niray fo tamin’ny fiandohan’ izao fanompoam-pivavahana izao.

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Izao no vavaka natao ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra :

“Endrey ny fitiavanao anay ry Andriamanitra tsara indrindra ô. Misaotra Anao izahay noho izao andro anio izao izay nomena anay. Misaotra Anao izahay noho ny amin’ny fitahiana sy ny fahasoavana rehetra nomenao anay: ny rivotra iainana , ny sakafo mahavelona anay isan’andro, ny fitahiana ary koa ireo soa narotsakao ho anay. Heniky ny hasoavanao tokoa Tompo ô izahay ka avy, midera sy mankalaza ary manome voninahitra Anao satria mendrika ho Anao izany. Misaotra Anao ihany koa Tompo ô! Noho ny Telopolo taona nomenao anay sampana Lehilahy Kristiana, mitory ny Filazantsaranao sy ny hazavanao hamirapiratra amin’ireo lehilahy  kristiana marobe eto amin’ny Fiangonana ka ho mpandresy mandrakariva manana Anao ho Tompo sy Mpanjakanay. Izay rehetra ataonay eto dia raiso ho voninahitry ny Anaranao irery ihany. Ankehitriny, indreto izahay tonga eto an-tranonao manao izao fanompoam-pivavahana izao.  Aoka ny fonay hahita Anao amin’ny alalan’ny Teninao. Manatreha izao fotoana izao Ianao ary aoka ny Fanahinao Masina hiasa aminay vahoakanao ka hahatonga anay hihavao hatrany amin’ny fandraisana ny famelan-keloka atolotrao anay ary ny Teninao mba hahazoanay mijoro ho vavolombelonao hatrany ka ho sahy hitory ny Filazantsaranao amin’ny olona rehetra. Fanahy masina ô! Avaozy ny voaary manontolo. Amin’ny Anaran’i Jesoa. Amen!”.

FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA

Izao kosa no sitrapon’Andriamanitra nambara tamin’ny Fiangonana : “fa voasoratra hoe : Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.

 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.Fa raha tarihin’ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ny lalàna. Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra. Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy,fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. Amen”.(Galatiana 5:16-23)

Taorian’izany dia nohiraina ny hira FFPM 241 and. 3 “Ry Jeso ô! Monena,
Midira Hianao”.

FIAIKEN-KELOKA

Eo anatrehan’ny sitrapon’Andriamanitra dia tsy tanteraka isika, ka noho izany dia mila mifona isika sy miaiky ny fahotantsika : “Ry Andriamanitra tsara sady mpanao ny tsara indrindra ô! Misaotra Anao izahay fa mbola manana fotoana, afaka mandre sy mandinika ny sitraponao.Tamin’ity anio ity dia nanambara Ianao fa tokony handeha araka ny Fanahy izahay; ka ny vokatry ny Fanahy no tokony ho hita eo amin’ny fiainanay, indrindra eo amin’ny fifandraisanay samy izahay. Mifona Aminao anefa izahay fa tsy mendrika na dia ny hiantso ny Anaranao  aza  satria hitanao fa tsy araka izany ny fiainanay . Ry Andriamanitra Mpamindra fo ô, mitalaho eto anatrehanao izahay. Raiso re ny fifonanay rehetra . Henoy ny vavakay Tompo ô, ka mamelà anay. Diovy izahay mba ho afa-pahotana, ary sasao mba ho afa-keloka. Raiso ho zanakao izahay ankehitriny mba hiara-handova amin’i Jesoa Kristy ilay nitondra ny fahotanay sy nanasa anay tamin’ny ràny, fa amin’ny Anarany no anaovanay izany vavaka izany. Amen!”

Ny hira FFPM 175 : 2-3 “Fa diso làlana, ka ory izahay!” no nohiraina ho fifonana amin’ny Tompo.

FAMELAN-KELOKA

Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina ny Tompo ka mamela ny fahadisoantsika sy manadio antsika ho afaka amain’ny tsy fahamarinana rehetra .  Raiso  am-pifaliana ny Teny famelan-keloka izay hambaran’ny Tompo aminao ankehiriny:  “Fa hoy ny Tompo, Izaho tsy manameloka anao. Mandehana ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony . Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’ izay ao amin’i Kristy Jesoa. Koa ho anao izay  nibebaka marina tokoa dia voavela ny helokao noho ny famindrampon’Andriamanitra. Amen”.

Taorian’ny fandraisana ny famelan-keloka dia nohiraina ny hira FFPM 424 and.1, 3, 4 “Tsaroako dia tsaroako” ary rehefa izany dia natao ny fanekem-pinoana laharahana voalohany.

ASAN’NY FIANGONANA

Nandritra ny fotoana nanambarana ny raharahan’ny Fiangonana dia fanentanana no natao ka RAKOTOVOLOLONA Lovanosy ihany no nanatanteraka izany.
Nambara tamin’izany fa ho fanatanterahana ny vokatra ho an’ny Sampana Lehilahy Kristiana dia entanina isika mpianakavin’ny finoana handefa izany amin’ny laharana finday 0342520850. Dia ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

FAMAKIANA NY SORATRA MASINA

Mialoha ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra dia mbola nataon’ny Fiangonana ny hira 243 and. 1. 2. 3 “Mivory eto izahay”.
RANDRIAMAHOLISON Jules  no nanatanteraka ny vavaka mialoha ny vakiteny ary izy ihany no namaky ny Testamenta Taloha. RAKOTOMALALA Johary kosa no namaky ny Testamenta Vaovao. Ny Testamenta Taloha dia araka izay hita ao amin’ny Genesisy 41: 37-46. Ny Testamenta Vaovao kosa dia araka izay hita ao amin’ny Marka 13: 9–11 ary ny epistily dia ny Romana 5:1-5.
Mialoha ny nirosoana tamin’ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra dia  natao ny hira FFPM 179 and. 1. 3 “ Ny Fanahy masina efa Tonga tokoa ”.

TORITENY

Ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Rehefa avy niarahaba ny Fiangonana izy dia nandray ny teny araka ny Romana 5 : 1-5, hitondrana ny hafatra androany.

Mbola nampahatsiahiviny moa fa ity dia alahadim-bokatry ny Sampana Lehilahy Kristiana ary natao ihany koa ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 30 taonan’izany Sampana izany.

Mandray lohahevitra vaovao isika ankehitriny dia ny hoe: “MAMPIORINA NY MINO NY FANAHY MASINA”.

Ny bokin’ny Romana , ary indrindra eto amin’ity toko faha 5 ity dia mampianatra sy mandroso foto-kevitra  mikasika ny famonjena amin’ny finoana ny Apostoly Paoly.

I Paoly dia nahatsapa fa tsy ny asan’ny lalàna izay tanterahina akory no hahazoana famonjena fa ny asan’ny finoana, dia tsy inona fa ny finoana ny famonjena izay tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy. Lohahevitra iray lehibe no azontsika atolotra ao anatin’ity perikopa ity dia ny hoe:

“NY SOA ANANAN’NY MINO AO AMIN’I KRISTY”.

Roa ny hafatra hampitaina amin’izany:

    *NY TOERANA MISY NY MINO EO ANATREHAN’ANDRIAMANITRA: (and1-2)

Misy tombontsoa telo faritan’ny Apostoly Paoly ho an’izay mino an’i Jesoa Kristy :

  • Efa nohamarinina ao amin’i Kristy ny mino,
  • Manana fihavanana amin’Andriamanitra ny mino,
  • Mifaly amin’ny fanantenana noho ny voninahitr’Andriamanitra ny mino.

Ny herin’ny Fanahy Masina izay miasa ao anatin’ny mino no ahafantarany fa manana ireo tombontsoa ireo izy. Entina nanazava izany ny tantaran’i Josefa izay nanana ny Fanahin’Andriamanitra ka afaka nandika ny nofin’i Farao. Ny tombontsoa azon’i Josefa noho izany dia lasa nametrahan’i Farao ny fitokisana rehetra izy teo amin’ny fahefana sy ny fanapahana ny tany sy ny firenena. Tsy izy ihany no nahazo tombontsoa fa ny fianakaviany ihany koa.

Ry havana, omen’Andriamanitra tombontsoa tokoa ny olona izay mino Azy na lahy na vavy .

Fa miavaka ihany anefa ny lehilahy indrindra raha aseho ity tantaran’i Josefa ity.

Ny mpanakanto aza dia mba naneho izay mampiavaka ny lehilahy izay ihany koa fa hoy indrindra ny hiran’izy ireny manao hoe :

“Matanjaka sy mahery ny lehilahy; mafy, mahari-pery ny lehilahy; maharitra ny mafy ny lehilahy; fa zatra ny miafy ny lehilahy; raha sendra ka voadona any ho any, dia sanatria aminay izay hitomanimany; na hikolay hiolomay raha ny lehilahy; raha misy manahirana, tsy maintsy miramirana; tsy mba malemy saina ary tsy mba mitaraina ny lehilahy”.

Nomena toerana sy tombom-pahasoavana manokana ny lehilahy ary izany no efa noharian’Andriamanitra azy, hitafy ilay endrik’Andriamanitra ka hifehy ny voaary manodidina azy ety ambany masoandro. Nomena namana izay tandrify sy mendrika ho azy ihany koa anefa ny lehilahy.

Anio dia hanatanteraka vokatra ny Sampana Lehilahy Kristiana. Manana ny zara toerany ho voalohany na eo anivon’ny fiarahamonina sy eo anivon’ny Fiangonana ny lehilahy.

   *FALY AMIN’NY ZAVATRA REHETRA AO AMIN’I KRISTY NY MINO

Mety misy zavatra samihafa mitranga eo amin’ny fiainan’ny olona fa ny tombony ho an’ny mino dia ny fananany ny herin’ny Fanahy Masina izay mitaona azy hiverina am-po, an-tsaina am-panahy ao amin’ny Tompo mandrakariva. Koa na dia  misedra zavatra aza isika eo amin’ny fiainana dia ho eo am-bavantsika tokoa anie ny hira Ffpm 488 :

Na inona na inona hitranga !
Na ny lanitra ho manga  !
Na ho maloka mangina !
Dia ho feno fifaliana !

Azontsika hiraina tokoa izany hira izany na amin’ny fotoan-tsarotra na amin’ny fotoana mahafaly fa indrindra amin’izao fotoana izay hikatonan’ny trano fiangonana izao.

I Paoly dia manambara teny mifandraika indrindra amin’izany eto  dia ny  hananana faharetana amin’ny fahoriana amin’ny fanarahana an’i Jesoa.  Izany dia mitondra antsika mba hanana toe-panahy araka an’Andriamanitra, maneho ny maha olom-baovao ny mino.

Izany ihany koa dia mampahatanjaka ny fanantenana ao amin’ny mino ka mitondra azy amim-pahasahiana hisedra ny sarotra rehetra.

Ny herin’Andrimanitra izay miasa ao anatintsika no mahatonga antsika maharitra sy miaritra izany ary mampitsidika ny fifaliana ao anaty.

Ampahafantarin’ny Tompo ao amin’ny Marka 13 : 9-11 ny toe-tsaina mifaly mandrakariva amin’ny zavatra rehetra.

Ho anao Lehilahy kristiana io , dia zava-dehibe ny fahafahanao mijoro sy miditra ao anatin’ny Sampana Lehilahy Kristiana, satria fanehoana fa noresenao izay zavatra any ivelany, fa nidiranao sy nanapahanao hevitra kosa ny zavatra izay mahasoa ny fiainam-panahinao ao amin’ny Fiangonana hahatonganao ho tena Kristiana mpanara-dia an’i Kristy sy mitafy ny fandresen’i Kristy.

Tsarovy ary fa ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra no hananantsika fahasahiana sy fanapahan-kevitra tsara .

Ny hafatra dia ny hanekentsika ny herin’ny Fanahy Masina miasa ao anatintsika, ao anatin’ny Fiangonana, ny ankohonana sy ny tenantsika tsirairay. Mba ho ao amin’i Kristy mandrakariva ka ny fandresen’i Kristy no ho fandresentsika ny zavatra rehetra ary hijoroantsika ho mpanompo mahatoky, eny, hatramin’ny fahafatesana, fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena, mba ho tombontsoa ho antsika tokoa ny faharetantsika manatanteraka ny asan’Andriamanitra, entin’ny herin’ny Fanahy Masina manatanteraka izany amin’ny ankehitriny sy amin’ny hoavy.

Ho an’Andriamanitra irey ny voninahitra.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nanatontosa ny hirany ny Hasin’ny Famonjena tamin’ny hiran-dRAJAOFETRA John manao hoe: “Efa nandre ny antsonao” taorian’ny toriteny.

Taorian’izany no nanaovana ny vavaka fangatahana, nitondrana am-bavaka:
*ny Mpitondra Fiangonana,
*ny Mpiandraikitra Foibe rehetra,
*ny fanomanana ny Synoda Lehibe,
*ny rafitra samihafa eo anivon’ny Fiangonana,
*ny Sampana Lehilahy Kristiana,
*ny kristiana amin’ny Fitandremana sy ny any am-pielezana.

Nivavaka mba hanomezan’Andriamanitra fahasalamana ny olona rehetra. Nivavaka ho an’izay manana hataka manokana.
Izany vavaka izany dia nofaranana amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo.

Natao ny hira FFPM 307 :1,3 ary novakiana ny Tondrozotra 2021 ary taorian’ny fanambarana izany no natolotra ny Tsodrano.

Nofaranana tamin’ny hira FFPM 283 and 5 izao fanompoam-pivavahana izao.

NY TOMPON’ANJARA

Nandray ny Soratra : RABAKO Tovohery

Nitendry Orga : IRIMANANA Eninkaja

Naka sary : RABEMANANORO Jonathan

Nikirakira ny oronan-tsary sy ny feo : RANDRIAMAHEFA Tianarivony

Alahady 02 Mey 2021

ALAHADY 02 MEY 2021

Alahady voalohany amin’ny volana mey, fahefatra aorian’ny Paska

« MAMPIORINA NY MINO NY HERIN’NY FANAHY MASINA »

“Koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala ” MATIO 10 : 16b

Noho ny hamehana ara-pahasalamana dia tsy nisy fotoam-bavaka azon’ny Fiangonana natrehina mivantana tao an-tranon’Andriamanitra. Ny horonan-tsary notontosaina ho fiaraha-miombona an-tokantrano izao taterina eto izao, izay nozaraina tao amin’ny Facebook Mpiangona Amparibe tamin’ny 9 ora maraina.
Ny Mpitandrina miana-draharaha RAMILISON Diamondra no nitarika ny fotoana raha ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina no nitory ny Teny. Solontena avy ao amin’ny Sampana Tanora Kristiana no nitarika ny hira. Ny litorjia endriny voalohany no narahana.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny feon-javamaneno fidirana sy ny fanolorana ary ny fiarahabana apostolika dia ny SAL. 108: 1-5 no niarahana namaky teo am-pitsanganana, izay manao hoe : « Andriamanitra ô ! Tafatoetra ny foko.  Ny fanahiko no hihira sy hankalaza. Mifohaza, ry valiha sy lokanga ; hifoha maraina koa aho. Hidera Anao eny amin’ny firenena maro aho, Jehovah ô, ary hankalaza Anao eny amin’ny jentilisa. Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindramponao ; ary mipaka eny amin’ny rahona ny fahamarinanao. Misandrata any ambonin’ny lanitra Ianao, Andriamanitra ô ! Ary aoka ho ety ambonin’ny tany rehetra ny voninahitrao ». Amen. Ny hira FFPM 194: 1; 3 « ANDRIANANAHARY Ô! ENDREY » no nanaraka izany ary vavaka fisaorana.

 Rehefa izay dia nambara ny sitrapon’Andriamanitra araka ny ROM. 8 : 5-6  manao hoe : « Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo ; fa izay araka ny Fanahy kosa dia mihevitra izay zavatry ny Fanahy. Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana ; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana sy fiadanana » izay notohizana tamin’ny « Sambatra ny mahitsy lalana izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah. Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony ka mitady Azy amin’ny fo rehetra » (SAL. 119 : 1-2). Amen.  Natao ny hira FFPM 599: 3 « Ô, RY JESOSY MIFALY NY FOKO » dia nisy vavaka fifonana. Nohiraina ny FFPM 174: 1; 2 « FANAHY MASINA Ô ! »  nialoha ny Teny famelan-keloka nomena ny Fiangonana teo am-pitsanganana ao amin’ny EZE. 36 : 26a ; 27b ; ROM. 6 : 22 ; JAO. 8 : 11 manao hoe : « Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo…ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. Fa rehefa natao afaka tamin’ny ota hianareo ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin’ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. Mandehana ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony » ary narahin’ny « Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany, sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka ary tsy misy fitaka ny Fanahiny ». Amen. (SAL. 32 : 1-2). Nohiraina ny FFPM 430: 2 « ENDRIKA SARIAKA » dia notononina ny fanekem-pinoana apostolika (laharana I). Nisy vavaka mangina tanaty feon-javamaneno fohy.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nohiraina ny FF 6 : 1 « NY TENINAO ». Nanao vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina sy namaky nisesy izany ny Soratra Masina Ramatoa RAHARIJAONA RASETAMANANA Bodo. Ny perikopa voalahatra eo amin’ny sahan’ny FJKM androany dia ao amin’ny DEO. 34 : 5-9 ; MAT. 10 : 16-20 ; II KOR. 3 : 1-6, izay narahin’ny « Ray masina ô! Manamasina anay amin’ny fahamarinana; ny Teninao no fahamarinana » Amen (JAO. 17 17). Natao teo am-pitsanganana ny hira FFPM 177: 1 « RY FANAHY MANAZAVA, MITARIHA ANAY », toriteny no nanaraka izany.

TORITENY (Fintina)

Ny MAT. 10: 16-20 no niompanan’ny hafatra androany, izay momba ny iraka nampanaovin’i Jesoa Kristy ny mpianany ary nanomezany azy ireo fahefana hanatontosany ny iraka ampanaovin’ny Tompo azy.

Mizara telo ny hafatra:

  1. Ny toetry ny iraky ny Tompo ;
  2. Ny fitandremana amin’ny fanatanterahana ny asa ;
  3. Ny fahatokiana ny Fanahin’Andriamanitra miasa ao amin’ny irany.
  1. Ny toetry ny iraky ny Tompo

Tany Galilia no nanambaran’i Jesoa ny fanjakan’ny lanitra. Rehefa nahafantatra ny asa nataon’i Kristy ireo mpianatra ireo dia voairaka. Ny votoatin’ny hafatra dia hoe: “ Efa mby akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ”. Ny herin’ny Fanahy Masina no mitarika azy ireo hanana ny toetra takiana, dia: “ hendry tahaka ny menarana ary mora tahaka ny voromailala ”. Ilaina ny fahaizana mandanjalanja amin’ny fanatanterahana ny asa mba hahavitana izany ka ho hitan’ny fiarahamonina, satria toetran’i Jesoa rahateo izany. Ny II KOR. 3: 3; 6b dia misarika ny kristiana tany Korinto hanana izany toe-panahy izany. Ataovy tsapan’ny olona amin’ny toetranao àry fa mpanompon’Andriamanitra ianao, ezaho ho fitaratra sy fitahiana ianao, eny na dia manoloana ireo mankahala anao aza.

  1. Ny fitandremana amin’ny fanatanterahana ny asa

Tsy sitrak’i satana ny sitrapon’Andriamanitra: mankahala ny fitoriana izy, izay no antony ampitandremana. Ireto avy no fampitandremana hita tamin’izany vanim-potoana izany:

  • Mitandrema amin’ireo manam-pahefana ara-pivavahana sy ara-panjakana : mety tsy hifanaraka amin’ny eritreriny ka hisy olana samihafa (fisamborana sy fanenjehana) ;
  • Mitandrema amin’ireo mpiara-monina: ny Tompo efa niteny mba hitiavana ny fahavalo, mila malina isika, manana fahendrena, mora sy tsotra mba hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny ataontsika ka na misy aza ny zava-tsarotra dia efa nahazo fampitandremana ka mahatanteraka ny asa.
  1. Ny fahatokiana ny Fanahin’Andriamanitra miasa ao amin’ny irany

Raha tsy tafiana ny herin’ny Fanahy Masina dia tsy ho vita ny asa. Noho izany, aza be fanahiana rehefa mandray antso: ny olona nirahina dia nomena fahefana ary io manana fahefana io no manana hery. Ambaran’i Jesoa ny toky sy fanantenana fa tsy miady irery ny iraka fa ny Fanahin’Andriamanitra mihitsy no miasa (“hanolotra izay tokony holazaina ”), izany hoe hanome fahamendrehana. Aoka isika hanana antoka ary hivelatra amin’ny fitoriana. Ny Tompo rehefa maniraka sy miantso dia tsy mijery olona fa omeny fahefana izy ka mahatanteraka asa. Ao amin’ny DEO. 34 mikasika ny nitondrana ny zanak’Israely nivoaka avy tany Egypta dia nisy Teny fikasana izay lova: i Josoa dia nanana fanahin’ny fahendrena tamin’ny fametrahan’i Mosesy tanana azy.

Rehefa mahatoky ny herin’ny Fanahy Masina ianao fa tsy miantehitra amin’ny herinao na ny fahalalanao dia ho vita ny asa. Tsy ny fikatonan’ny trano fiangonana no tsy hahatanterahana ny vina sy tanjon’ny rafitra mijoro rehetra. Aoka isika hangataka saina Aminy hahafahantsika manao ny asa. Marina fa mafy ny tolona eo anatrehan’ny aretina – ary nandalovanay izany – fa Andriamanitra manome antsika ny fomba rehetra hahatontosantsika ny asany rehefa mahatoky isika. Ny hafatry ny Filohan’ny FJKM averimberina ao amin’ny Radio Fahazavana hoe “ kristiana VTT na voiture tout terrain ” dia mitaona antsika hiorina tsara amin’ny finoantsika.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.

Nisy feon-javamaneno narahina vavaka fangataham-pitahiana.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina miana-draharaha RAMILISON Diamondra no nitarika izany vavaka izany. Nisaoran’ny mpitarika ny Teny avy notoriana mba hiasan’ny herin’ny Fanahy Masina any anatin’ny Fiangonana ka hampiarahana izany eo amin’ny fiainana andavanandro. Nivavaka koa izy ho an’ny FJKM (ny Foibe sy ny Synodamparitany) ; ny Mpitandrina rehetra ; ny mpitory ny Filazantsara mba tsy hisy intsony ny fangatsiahana ara-panahy ateraky ny fikatonan’ny trano fiangonana fa hafana amin’ny alalan’ny fiasan’ny Fanahy Masina, hiorina mafy ary handroso hatrany ; ny fanatanterahana ny Synoda Lehibe. Voatonona koa ny ambaratongan-drafitra rehetra misy eto anivon’ny Fitandremana Amparibe Famonjena (ny Mpitandrina sy ireo mpiara-miasa aminy, ny sampana, sampanasa, komity, vaomiera, ny mpianakavin’ny finoana, ny any am-pielezana). Tsy diso anjara tamin’ny tsiaro ny mila fanafahana, ny azom-pahoriana ; ny marary ; ny mpitsabo ; ireo manana olana isan-karazany ; ny tsy an’asa, ny tsy manan-kohanina ; ny kamboty sy ny mpitondra tena ary ireo ao anaty fahasoavana sy fanambinana. Nambara nandritra ny tonom-bavaka ny firenena, ny mpitondra, ny vahoaka rehetra, ny fampianarana, ny fitsarana, ny sehatra tsy miankina, ny mpandraharaha. Nofaranana tamin’ny « Rainay izany any an-danitra » ny fangatahana.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao ny hira FF4: 2 « RY FANAHY Ô! », notononina ny tondrozotra 2021 hoe:“ Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara… Famindrampo sy fahamarinana no ho an’izay manao asa tsara ”. Natolotry ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina ny tsodrano dia noredonina ny hira FFPM 460: 1; 3 « ARIO NY TAHOTRAO » nofaranana tamin’ny Amen nohiraina. Nisy vavaka mangina sy Trinité ary feon-javamaneno. Naharitra 56 minitra ny fotoana.

NY TOMPON’ANJARA
  • Nitendry orga : RANAIVOSON Jacky sy HARENTSOA Rova
  • Nanantontosa sy ny horonan-tsary : HARENTSOA Rova
  • Nikirakira ny fanamafisam-peo: RABEMANANORO Jonathan sy HARENTSOA Rova
  • Nandray an-tsoratra : RALAIARIMANANA Narindra
  • Naka ny sary : RABEMANANORO Jonathan