ALAHADY 25 APRILY 2021
ALAHADY IVOM-BOKATRY SAMPANA TANORA KRISTIANA ZOKINY
"Mampiorina ny mino ny fanavotan’i Kristy"

RAMILISON Diamondra, Mpitandrina miana-draharaha, no nitondra ny hafatry ny Tompo. RAKOTOVAO Hanta, Diakona, no nitari-bavaka mialoha ny vakiteny ary nanao ny vakiteny tao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao.
Ny 1Jaona 2:1-2 no Tenin’Andriamanitra nangalana ny toriteny. Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no nanatanterahina izao fanompoam-pivavahana izao.
FIARAHABANA APOSTOLIKA
Taorian’ny feon-javamaneno sy ny fanolorana ary ny fiarahabana apostolika dia niroso tamin’ny fiderana sy ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny fotoana.
Novakina teo am-pitsanganana ny Salamo faha 103:1-8.” Misaora an’i Jehovah ry fanahiko; ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; ary aza misy hadinoina ny fitahiany rehetra. Izay mamela ny helokao rehetra. Izay manasitrana ny aretinao rehetra. Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao, Izay mahavoky soa ny vavanao. Ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ny voromahery. Jehovah manao fahamarinana sy fitsarana amin’izay rehetra ampahoriana. Efa nampahafantatra an’i Mosesy ny lalan-kalehany Izy. Ny zanak’Israely nampahafantariny ny asany. Mamindra fo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be famindrampo.”
Nohiraina FFPM faha 171:1 “Jeso, Mpanjaka malaza”.
Taorian’izay dia natao ny vavaka fisaorana noho ny nahafahana midera sy mankalaza an’Andriamanitra tamin’ny andro anio ity sy noho ny soa rehetra izay nomeny. Mangataka amin’Ilay Ray Tsitoha koa mba hofenoiny ny Fanahy Masina.
VAVAKA FIFONANA SY FAMELAN-KELOKA
Nohiraina ny FFPM faha 354:1 “Ny Mpamonjy no mitady”. Taorian’ny vavaka fifonana, ny hira FF 35:1 no noredonina ary narahan’ny Teny famelan-keloka izay nataon’ny mpitarika.
Nohiraina FFPM faha 539:2 “Faly dia Faly”, ary niarahana nanonona ny fanekem-pinoana laharana fahaefatra. Nisy feon-javamaneno fohy tao anaty vavaka mangina.
FANKALAZANA NY TENIN’ ANDRIAMANITRA

Mialoha ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra dia nohiraina ny FFPM faha 190: 1 “Ry Fanahy Mpanazava”. Nitondra am-bavaka ny Soratra Masina sy nanao ny vakiteny RAKOTOVAO Hanta, araka ny Perikopa androany, izay hita ao amin’ny Testamenta Taloha: Ohabolana 22:4-6, sy Testamenta vaovao: Matio 18:10-14, sy I Jaona 2:1-2.
Nohiraina ny FFPM faha 226 “Tompo ô! Mba te hihaona”.
TORITENY

Ny Teny nangalana ny hafatra dia avy ao amin’ny Epistily 1Jaona 2:1 sy 2, izay misy fifandraisany betsaka amin’izay hita ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona. Lohahevitra mitovy no hita ao;
– Filazantsara: manavoitra ny Tenin’i Jesoa sy ny fiainan’i Jesoa Kristy;
– Epistily: fitaomana sy fampianarana ny foto-pinoana nentin’i Jesoa, ho hita eo amin’ny fiainantsika zanak’Andriamanitra.
Misy fizarana telo ity Epistily ity.
Ao amin’ny fizarana voalohany no misy ny anjarantsika: miresaka ny mason-tsivana momba ny fiombonan’ny mino amin’Andriamanitra. Ny mpino dia raisina ho isan’ny manana anjara ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra. Mandeha amin’ny mazava, afaka amin’ny ota noho ny fanavotana nataon’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana, izay efa vita indray mandeha sady tanteraka ary tsy miverina intsony.
Hafatra roa no horaisintsika amin’izany:
- 1: “Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesoa Kristy, Ilay Marina”:
Jesoa no Ilay mpanafaka eo amin’ny fiainantsika. Misy teny na hevitra telo manambara izany:
- Anaka: manambara ny andraisana ny olona ho zanak’Andriamanitra, fitenin’ny mpampianatra amin’ny mpianany satria mandray azy tahaka ny zanany izy, misy fifamatoram-piainana mihitsy koa ao anatin’izany. Fomba ilazan’ny Mpitandrina ny zanany ara-panahy, mba ho fampaherezana sy fampirisihana azy ireo hitoetra tsara amin’ny finoana.
Hitantsika fa nantsoin’Andriamanitra hoe anaka isika ankehitriny. Navahan’Andriamanitra ho zanany isika, nataony ho olona araka ny fon’Andriamanitra isika. Nosafidiany manokana ka maha saropiaro Azy. Nametraka fahatokisana tamintsika Izy, ka nomeny antsika ny fahafahana tamin’ny alalan’i Jesoa hahazoantsika misitraka izany maha zanak’Andriamanitra izany.
Vokany, mitantana ny fiainantsika Izy sy izay rehetra mahakasika antsika mba tsy ho eo ambany fahefan’ny satana intsony. Kanefa, misy ny te haka ny toeran’ny Tompo ary miala amin’ny toerana maha zanaka azy. Nanao izay zava-doza tamin’Andriamanitra. Efa nantsoina ho amin’ny fahafahana isika. Efa naorina ao amin’i Jesoa, Ilay Fehizoro indrindra ny finoanao. Mitandrema ary aza mandoto, aza manimba, na manary tena tsy ho zanak’Andriamanitra, fa efa namoy ny ainy ho anao Kristy, ary mpiray lova Aminy ianao.
- Solovava: Raisintsika amin’ny fiteny hoe “avocat”; mpanampy, mpampahery, olona miara-dalana aminao mandrakariva, mahafantatra ny mety sy ny tsy mety atao. Antsoina ihany koa hoe mpananatra, (bokin’ny Filazantsara). I Jesoa Kristy no Solovava ho an’ny mino eo anatrehan’Andriamanitra, raha tojo fahalemana izy ka manota. Mpisolovava antsika Jesoa satria amin’ny fiainana kristiana, tsy ilaozana ota isika. Misy karazana ota izay tsy heverintsika akory ary tsy hifonantsika eo imason’Andriamanitra.
Efa nangataka an’i Jesoa hisolo vava anao ve ianao ao amin’Andriamanitra?
Izany dia atao amin’ny fibebahana marina sy fiaiken-keloka ka mahafoy ny fahotana. Ho antsika kristiana, Mpisolo vava antsika Jesoa. Olona antsoina hanampy sy hanafaka amin’ny fahalemena Izy. Hamafisina fa Izy Ilay marina, mitsara marina, maneho ny marina ny fiainany sy ny fitondrany soa ny fiainany ho antsika.
- Ilay marina
Ny anjarantsika dia manolotra sy mametraka ny fiainantsika feno sy tanteraka eo am-pelantan’Ilay Mpisolo vava antsika. Sahia miankin-doha tanteraka Aminy isika. Raha latsaka amin’ny ota dia mitodiha any amin’Ilay Mpisolovava. Izy no Ilay marina, tsy hitsara fa hanafaka no ataony ho antsika. Hery sy antoka lehibe ho antsika izay mino izany. Sahia mandeha lalina miaraka amin’ ny Tompo, fa amin’izany no ahitanao ny voninahitr’Andriamanitra sy ny fahagagana ataony eo amin’ny fiainanao. Hahatsapana fa voadio tahaka an’i Jesoa Kristy Ilay Madio ianao.
- And2.: Mampivoitra an’i Jesoa ho avotra eo amin’ny fiainantsika
- “Avotra”: voambolana fampiasa eo amin’ny fisoronana.
Fihetsika nataon’i Jesoa an-tsitrapo teo amin’ny hazofijaliana, tahaka ny mpisolo vaikan’ny famaizana. Izy no tokony hampihatra amintsika mpanota araka izay nataontsika teo anatrehan’Andriamanitra nentiny Jesoa Kristy.
Ankehitriny, ataon’i Jesoa Kristy eo anatrehan’Andriamanitra izany amin’izao fotoana iainantsika izao. Ho antsika mpanota mibebaka marina, manana anjara ao anatiny izany avotra nataon’i Jesoa Kristy izany isika.
Misy vokany tsara ary mahasoa eo amin’ny olona izany satria sambatra izay olona ao amin’i Kristy, avotra izy, ny Tompo Jesoa mamonjy ny olona amin’ny fahatezeran’Andriamanitra.
Ny fomba fanavotany dia ny nanolorany ny tenany. Mila fanavotana isika, mila vonjena amin’ny hafitsoky ny ota isika. Isika mamokatra ota satria ny fahafatesana no tambin’ny ota. Velona Jesoa Kristy, tsy irery ny Kristiana fa ombany mandrakariva na amin’ny fiainana na amin’ny fahafatesana, na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Kristy no avotra, Kristy no lohan’ny Fiangonana. Izy no mitarika antsika sy ny sampana ao aminy, ka mandresy ny Fiangonana na lazaina fa malemy aza ankehitriny. Sambatra ny olona mandray anjara feno ao amin’ny Fiangonana. Ka isika miombona amin’ny alalan’izao fanompoam-pivavahana izao dia mbola Fiangonana.
- Ny Fanahy Masina no fanomezana sarobidy indrindra, sady mpanome ny soa sy ny tsara indrindra ho antsika, mahalala antsika kokoa noho ny fahafantarantsika ny tenantsika, ny momba antsika. Izy no mahalavorary ny vavaka amin’Andriamanitra Ray antsika, mahalavorary ilay avotra nomen’i Jesoa mba hanadio antsika, manoro ny tokony atao sy hotenenina. Raha maniry izany isika dia Izy no manome hery.
- Misy fifaneraserana tokony hokarakaraintsika zanak’Andriamanitra dia ny fifaneraserana amin’i Jesoa sy ny fankatoavana Azy, mahatonga ny olombelona ho olom-baovao. Tokony ho katsahintsika fatratra andro aman’alina izany. Mahavaivay ny fahoriana misy, miaina izany isika ankehitriny, isika Fiangonana. Mampahery antsika ny Tompo. Izay mahay mifanerasera sy mahay mankatoa Azy dia tonga olom-baovao. Ao anatin’izany no hisitrahantsika ny maha zanak’Andriamanitra. Ny zavatra rehetra miara-miasa hahasoa antsika zanany.
Miantehera Aminy. Efa nomena antsika maimaim-poana izany avotra izany dia raiso maimaim-poana ary ataovy ho zavatra sarobidy eo amin’ny fiainantsika. Ny fananana izany no mahatonga antsika ho olom-boavonjy sy afa-keloka. Tsarovy fa ny fonao no ahitan’ny Tompo fa miankina Aminy ianao na tsia. Tsarovy ny saotra sy dera an’Andriamanitra noho ny avotra marobe nataony taminao.
FAMARANANA NY FOTOANA
Taorian’ny toriteny sy ny feon-javamaneno fohy dia nitondra am-bavaka ny Fiangonana, ny TOPAZA FJKM, ny Fitandremana FJKM Amparibe, ny Sampana ary ny sampan’asa, ny mpianakavin’ny finoana, STK Zokiny, ny Mpitandrina miana-draharaha RAMILISON Diamondra, ary nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo.
Notononina ny tondrozotra 2020. Taorian’ny tsodrano dia noredonina ny hira FFPM 338 “Arovy aho Tompo”.
Ireo Tompon'anjara:
Nitendry Orga: RABIAZAMAHOLY Hery Lanto
Nandray an-tsoratra: RAOLIARIZAKA Bakoly
Naka ny sary sy rakitsary ary nikirakira ny fanamafisam-peo: HARENTSOA Rova