Alahady 28 Martsa 2021
“...Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra…” Matio 21: 1-10
« MAMPIORINA NY MINO NY FIZAHAN-TOETRA »

Ny Mpitandrina RAMILISON Diamondra no nitarika ny fanompoam-pivavahana ary izy ihany no nitory ny Tenin’Andriamanitra. Ny litorjia faharoa fampiasa eto anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara no nanatanterahina izao fanompoana masina izao .
FANOMBOANA NY FOTOANA
“Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. Hankalaza Anao isan’andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria. Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany . Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin’izay mandimby azy, Sy hanambara ny asanao lehibe. Ny lazan’ny voninahitry ny fiandriananao, Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko. Ny herin’ny asanao mahatahotra no hotenenin’ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko. Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ny fahatsaranao izy, Sy hihoby ny fahamarinanao. Amen !”
Ny hira FF 9: “Isaorana anie Jehovah” no notanterahina ho fiderana sy nentina nankalaza an’ Andriamanitsika.
VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA
“Ry Rainay izay any an-danitra ô! Mpamorona sy mpanavotra anay Ianao. Miondrika eto anatrehanao izahay zanakao. Misaotra indrindra Andriamanitra o! Fa tsy navelanao tsy hanana anjara amin’ny fiombonam-bavaka toy izao izahay, fa na dia eo aza ny valanaretina, ny fizahan-toetra iainan’ny Fiangonana dia indreto izahay mpianakavin’ny finoana eto Amparibe Famonjena nampiraisinao amin’ny alalan’izao teknolojia izao ary tonga mitoetra ety an-tokantranonay Ianao, amin’izay misy anay tsirairay avy. Tena fifaliana ho anay izany Andriamanitra ô! Satria avy amin’izany indrindra no andraisanay fahasoavana sy hery indray avy Aminao amin’ity anio ity. Koa asandratray, omenay Voninahitra ny Anaranao masina. Misaotra Anao koa izahay Jesoa Malala ô! amin’izao fomba nitantananao ny fiainanay izao. Teo ny mora, ny sarotra, teo ny mangidy, fa tamin’ireny rehetra ireny dia teo Ianao, Andriamanitra nampahery, nanampy ary nivimbina anay. Koa misaotra Anao amin’ny fonay manontolo izahay noho ny fitahianao anay ka nitehirizanao anay nandritra ny herinandro, hatramin’izao fotoana iarahanay mivavaka Aminao izao. Hitanao ihany koa anefa ny momba anay tsirairay avy ireto, tsy misy miafina Aminao izany. Manana ny heloka izay ibaboanay eo anatrehanao izahay ka mifona , mamelà heloka , mamindrà fo Jesoa Kristy tamin’izay nandehananay tsy araka ny sitraponao. Teo ny fisainanay, ny eritreritray, izay nalehan’ny tongotray , ny fitempon’ny fonay aza dia tsy nahamendrika anay teo anatrehanao. Fa Andriamanitra be fitiavana Ianao ka tsy mitahiry fahatezerana , manolotra famindram-po noho ny amin’i Jesoa Kristy. Koa raisinay amin’ny finoana ny famindram-po, ny famelan-keloka omenao Jesoa Kristy anay tsirairay avy ireto, hanamarina sy hanamasina anay Ianao. Ankehitriny dia tanteraho sy hamasino ary hamarino eto ny Teninao ny amin’ny fanatrehanao ny olona izay mivory amin’ny Anaranao koa amin’izay toerana misy anay avy dia ny fahafenoan’ny Fanahinao Masina anie ho aminay tsirairay avy , hitarika anay hibanjina Anao ka hihaona Aminao Andriamanitra amin’ny alalan’ity fotoana lehibe ity. Ho voninahitrao anie Andriamanitra, izao fanompoam-pivavahana iombonanay eto izao. Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Mpanjaka Tsitoha, ilay omem-boninahitra mandrakizay no hanandratanay izany vavaka izany. Amen!”
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny Jakoba 4: 8a no nitondrany ny hafatra: “ Manatòna an’Andriamanitra dia hanatona anareo Izy.”
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA


Nisy ny vavaka ho an’ny Tenin’Andriamanitra izay notanterahin’ny Diakona RABENASOLO Rija ary taorian’izany dia novakina misesy ny perikopa izay voalahatra. Ny Testamenta Taloha dia araka izay hita ao amin’ny Zakaria 9:9-11. Ny Testamenta Vaovao sy ny Epistily kosa dia araka izay hita ao amin’ny Matio 21:1-10 ary ny Apokalypsy 3:7-13. Izy no namaky ny Testamenta Taloha, ny Diakona RABENASOLO Murielle kosa no namaky ny Testamenta Vaovao.
Mialoha ny nitoriana ny Tenin’Andriamanitra dia natao ny Hira Fifohazana faha 70 and. 1, 2: “Ry Fanahy Masina ao ambony”.
TORITENY
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.
VAVAKA SETRIN'NY TENIN'ANDRIAMANITRA
Manoloana ny hafatra izay notorina dia nataon’ny Mpitandrina ny vavaka ho setrin’ny Tenin’Andriamanitra.
Nambara tamin’izany ny fisaorana ny Tompo noho ny hafatra izay nampahery ny Fiangonana androany. Nampahafantatra fa ho antsika izay mpino miorina ao amin’ny Tompo avy amin’ny fizahan-toetra izay iainantsika, dia tokony manomana ny fisehoan’ny Tompo amin’ny olona isika. Taomin’ny Tompo mba hanaiky irahina ary hanao miohatra noho izay nangatahan’ny Tompo aza. Tsy hihambahamba raha mandray ny baiko fa hanatanteraka amim-pinoana. Nangataka ny hampahiratana ny masontsika mahita ny Tenin’Andriamanitra tanteraka amin’ny fiainantsika ka ahazoantsika mitombo amin’ny finoana.
Nangataka fanavaozana sy fihavaozana ahazoana manao miohatra noho ny hafa ka tsy hifaninanantsika amin’ny olona anefa izany, fa aoka hifaninanana amin’ny tenantsika ihany, handrosoantsika dingam-pinoana isan’andro eo amin’ny Tompo.
Mivavaka mba hahafahana maneho fa mpanjaka tokoa ny Tompo ary Mpamonjy ka haneho izany isika amin’ny alalan’ny fihetsika, ny fiteny sy ny asa tanterahina ka hitondra ny anaran’i Kristy ary hitondra fiainana sy zava-tsoa ho an’ny olona .
Aoka ny momba antsika rehetra ho fitaovana hanandratra ny Tompo ho Mpanjaka, ilay Jesoa velona, mipetraka eo ankavanan’ny Ray mangataka mandrakariva ho antsika. Tompon’ny fiainantsika Izy. Asehon’ny Tompo amin’ny fiainantsika anie fa Izy tokoa Ilay miahy sy mpamonjy antsika.
FANEKEM-PINOANA
Ny olona nandray ny Tenin’Andriamanitra sy mahatsiaro fa voavela heloka dia sahy manambara ny finoany eo anatrehan’ny Andriamanitra sy ny Fiangonana . Ny fanekem-pinoana Apostolika no notanterahan’ny Fiangonana tamin’izany.
VAVAKA SETRY NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Nambara tamin’izany ny fisaorana ny Tompo noho ny hafatra izay nampahery ny Fiangonana androany. Nampahafantatra fa ho antsika izay mpino miorina ao amin’ny Tompo avy amin’ny fizahan-toetra izay iainantsika, dia tokony manomana ny fisehoan’ny Tompo amin’ny olona isika. Taomin’ny Tompo mba hanaiky irahina ary hanao mihoatra noho izay nangatahan’ny Tompo aza. Tsy hihambahamba raha mandray ny baiko fa hanatanteraka amim-pinoana. Nangataka ny hampahiratana ny masontsika mahita ny Tenin’Andriamanitra tanteraka amin’ny fiainantsika ka ahazoantsika mitombo amin’ny finoana.
Nangataka fanavaozana sy fihavaozana ahazoana manao mihoatra noho ny hafa ka tsy hifaninanantsika amin’ny olona anefa izany, fa aoka hifaninanana amin’ny tenantsika ihany, handrosoantsika dingam-pinoana isan’andro eo amin’ny Tompo.
Mivavaka mba hahafahana maneho fa mpanjaka tokoa ny Tompo ary Mpamonjy ka haneho izany isika amin’ny alalan’ny fihetsika, ny fiteny sy ny asa tanterahina ka hitondra ny anaran’i Kristy ary hitondra fiainana sy zava-tsoa ho an’ny olona .
Aoka ny momba antsika rehetra ho fitaovana hanandratra ny Tompo ho Mpanjaka, ilay Jesoa velona, mipetraka eo ankavanan’ny Ray mangataka mandrakariva ho antsika. Tompon’ny fiainantsika Izy. Asehon’ny Tompo amin’ny fiainantsika anie fa Izy tokoa Ilay miahy sy mpamonjy antsika.
FANEKEM-PINOANA
VAVAKA FANGATAHANA
Tamin’izany vavaka izany no nanambarana fa na dia mandalo fizahan-toetra aza ny Fiangonana dia mbola faly sy ravo fa afaka mivavaka, nomen’Andriamanitra hery sy fanantenana ary tsy levona ny finoana.
Nentina am-bavaka ny mpianakavin’ny finoana. Ao ireo mbola ao anatin’ny aretina.
Nivavaka ho an’ny Mpitandrina mivady sy ny ankohonany.
Nangataka tamin’ny Tompo ny hanasitranana amin’ny aretina rehetra fa indrindra ny amin’ny “covid-19” fa ny dian-kapoka tamin’i Kristy no nahasitranana anay rehetra.
Nivavaka ho an’izay manana olana hafa sy ny marary. Nivavaka ho an’ny mpitsabo sy ny fanafody hoenti-mitsabo mba hahomby.
Nivavaka ho an’ny fianakavian’ny marary.
Nivavaka ho an’ny Fiangonana mba tsy hiraviravy tànana fa hiantoraka amin’ny Tompo.
Nivavaka ho an’ny asa fivelomana , ny fikarakarana ny ankohonana.
Nivavaka ho an’ny havana sy ny namana ary ankohonana.
Nivavaka ho an’ny asan’ny Fiangonana, ny asan’ny sampana ary ny vaomiera samihafa.
Nivavaka ho an’ny foibe FJKM, ny Synoda lehibe.
Nivavaka ho an’ny Asa fifandraisana FJKM.
Nivavaka ho an’ny Mpitandrina rehetra, ny evanjelistra sy ny mpiasa rehetra eny an-tanimbolin’ny Tompo.
Nivavaka ho an’ny Firenena eo ambany famindram-pon’Andriamanitra.
Izany vavaka izany dia natao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ary nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo.
FAMARANANA NY FOTOANA
Natao ny famakiana ny Tondrozotra ary rehefa izany dia natolotra ny Tsodrano.
Ny hira FFPM 731 and 1: “Enga anie ka homba anao Jesoa” no natao, nentina namaranana izao fanompoam-pivavahana androany izao .
IREO TOMPON’ANJARA:
Nandray an-tsoratra: RABAKO Tovohery
Ny niandraikitra ny feo sy sary : HARENTSOA Rova