Tamin’ny fotoana izay nandinihana manokana sy nampianarana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy araka ny Jaona ity teto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena dia noresahina manokana ny mikasika indrindra ny atao hoe TENDRY MIALOHA ROA SOSONA.
Maneho izany indrindra ity perikopa izay voalahatra hotorina anio ity.
Ity teny ity dia mitovy amin’izay hita ao amin’ny Jaona 6:44 ihany koa.
Eo anoloan’ny fanambaran’i Jesoa sy ny fampianarana izay ataony dia hita fa misaraka roa ny hevitra teo amin’ny fiarahamonina izay mandre ireny fanambarana nataon’ny Tompo ireny.
Ireo mandray sy mino ny Teny
Ny voalohany dia ireo izay mino sy mandray ary miaina ny Teny fa etsy andaniny kosa dia eo ireo izay tsy mino sy mandà ary mimonomonona , tezitra amin’ny Tenin’i Jesoa.
Araka izany ary dia inona tokoa moa no mahatonga ny olona mandray sy mahalala ny fampianaran’i Jesoa ary inona kosa no mahatonga iretsy ankilany izay mandà ny fampianarana, tsy mety mandray ary tsy mety mino fa mimonomonona ary mandao an’i Jesoa.
Mazava ny valin’ireo fanontaniana ireo araka ity perikopa ao amin’ny Jaona 6:65 ity fa ny olona izay nandray an’i Jesoa dia ny olona NOMEN’NY RAY Azy .
Rehefa avy nanatanteraka ilay fahagagana ny Tompo tamin’ny namahanany ny olona tsy omby dimy arivo lahy dia nampianatra ny momba ny mofon’aina Jesoa.
Rehefa vita io fampianarana mikasika ny mofon’aina io dia eto indrindra ny Tompo no manambara fa satria nomen’ny Ray azy ireo dia afaka manatona sy mandray an’i Jesoa izy.
Zavatra telo no azo ambara amin’izany :
- Taomin’ny Ray ny olona afaka manatona an’i Jesoa (and. 44)
Ny Ray mihitsy no mitaona ny olona hanatona an’i Jesoa
- Ampianarin’ny Ray ny olona hahalala ny zava-miafin’ny finoana.
Ny Tenin’i Jesoa dia Fanahy sy Fiainana (and 63).
- Afaka mandray ny votoatin’ny fampianarana ny olona.
Manambara izany indrindra ny fanambaran’i Petera manao hoe: “ho any amin’iza moa izahay, ao aminao no misy ny Tenin’ny fiainana mandrakizay” , ary mbola mambarany ihany koa fa “Jesoa no ilay Masin’Andriamanitra”.
Raha mijery ny voalahatra indray isika araka ny 2 Tantara 34, araka ny perikopa androany ihany dia misy zavatra mahagaga ihany koa satria raha mijery ny tantaran’i Josia mpanjaka isika dia voalaza fa mbola zaza 8 taona izy no nandray ny fanjakana.
Ny anarana hoe JOSIA dia iray tarika amin’ny hoe JESOA, ary ny heviny aza dia mitovy ihany dia ny hoe Jehovah no mpamonjy.
Rehefa feno 16 taona i Josia dia efa nihevitra ny hamerina sy hanadio ny fivavahana teo amin’ny Israely izay tao anatin’ny fanompoam-tsampy.
Rehefa nanjaka 12 taona i Josia dia noravany avokoa ny fanompoan-tsampy rehetra teo amin’ny Israely. Mazava ihany koa ary eto fa Andriamanitra mihitsy no manome an’i Josia ho fanavotana ny Israely tamin’ny fanompoan-tsampy.
Ireo tsy mino sy mandà ny Tompo
Inona kosa ary no mahatonga ny olona izay tsy nety nandray ny Tompo sy nampimonomonona ny olona?
Ny valiny dia satria tsy nomen’ny Ray azy izany.
Rehefa tsy nomen’ny Ray ary tsy notaomin’ny Ray hanatona an’i Jesoa ny olona dia mijery ihany ireo fa tsy mahita ary mihaino ihany ireo fa tsy mandre.
Ny fahagagana nataon’ny Tompo dia hitan’ny olona nefa tsy fantany akory ny hevitr’izany.
Zavatra telo no azo hambara amin’izany:
- Tia ny tenany mihoatra ny fitiavany an’Andriamanitra ireto olona ireto.
Ny kibony no nataony ho andriamanitra ka tsy takany ny fahagagana nataon’ny Tompo.
- Tsy nihevitra ny hino an’i Jesoa
Donto ny fony fa ny hanina no tao an-tsainy. (and 40-59)
- Tsy te hiala amin’ny finoan-drazany ireto olona ireto. (and60-64)
Ry Havana ! Alahadin’ny Baiboly anio ka isaorantsika Andriamanitra.
Tokony hanohana ny fampielezana ny Baiboly isika.
Aoka ho zava-dehibe amintsika ny nahafahana nandika ny Teny amin’ny fitenin-drazantsika.
Ny Tenin’Andriamanitra no mahatonga ho amin’ny finoana marina ka hahatonga antsika mijery ka mahita, mihaino ka mandre ary hahalalantsika fa notaomin’ny Ray isika noho ny fanarahana izay voasoratra amin’izany Baiboly izany.
Manana anjara tokoa isika dia izaho sy ianao ka mandray izany Teny izany.
Anio ihany koa dia fantatsika fa natao ho fankalazana ny fetin’ny mpifankatia.
Noraisin’ny Fiangonana ihany koa io fotoana io ho fitaizana ny vahoakan’Andriamanitra, hahatonga ireo mpifankatia hiorina eo amin’ny vatolampin’i Kristy ary hiroso ho amin’ny fanambadiana kristiana ary ho fanamafisana ny fifankatiavan’ny mpivady efa niroso tamin’izany fanambadiana kristiana izany, hiaina amin’ny fitiavan’i Kristy.
Isika izao no efa notaomin’i Kristy ho tenan’i Kristy, hanahaka an’i Kristy ho isan’ny Fiangonana.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.