Hanapaka ny fifandraisana amin’Andriamanitra ny mpanjaka sy ny zanak’Andriana:
- Zava-poana anefa izany rehetra izany satria hihomehezan’Andriamanitra (And 4)
- Mampitandrina ireo amin’ny fahaviniran’Andriamanitra ka mampangorohoro azy amin’ny fahatezerany (And.5)
- Tsy misy tian’Andriamanitra ho very ny olona, ka dia nanokatra lalana ahazoan’ny olona mitodika sy miverina aminy Andriamanitra. Miditra an-tsehatra Izy mampahafantara ny tendriny amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ho fanehoan’ny heriny.
- Tsy nanaisotra ny fahasoavany Izy. Jesoa Kristy no Mesia, iraka nalefan’Andriamanitra hitondra ny vesatra samihafa mianjady amin’ny mpino. Izy no famonjena ho an’izay rehetra manaiky azy ho Mesia.
Andriamanitra dia manome toromarika, manambara ny torolalana tsy maintsy tanterahina raha te ho velona ihany koa ny olona.
Adalana sy tsy fieritreretana, mivoana amin’ny tsy izy tanteraka ny fanoherana atao amin’Andriamanitra. Tsofiny rano koa ireo mametraka fitokisana Aminy. Ireo zavatra roa mifanohitra ireo no hitondrana ny vatsim-panahy ho antsika.
Fiaretana na fijaliana sy ny fahombiazan’olona manaiky an’i Jesoa ho Mesia
- Fijaliana arahina fahombiazana :
Manamarika na lakolosy ampitain’Andriamanitra fa misy farany ny fiainana ety an-tany. Fiaretan’ny olona manaiky an’i Jesoa. Tsy maintsy miaritra ny mpino satria nahoana?
Raha mbola eto an-tany dia maro ny dingana sy zavatra mihatra tsy maintsy atrehina: famaizana, fakam-panahy ataon’ny satana sy ny endri-javatra maro samihafa miseho eto amin’ny fiainana, na mety fizahana toetran’Andriamanitra.
Tsy maintsy tonga ny andro farany, andron’ny fanatontoloana izao na ny “mondialisation”. Misy ihany koa ny fanapahan-kevitra iraisam-pirenena toy ny fanekena ny firaisana eo amin’ny samy mitovy fananahana. Maneho ny endrika fanoherana an’Andriamanitra izany.
And 10-11: Andriamanitra dia mampitandrina hatrany
And 7: Minoa anatra ianareo ry mpitsara ny tany “zanako ianao, izao no niteraka anao androany”
And 8: Andriamanitra nanome ny fahefana rehetra: “omeko lova jentilisa….”
Ho avy ny Tompo hitondra fiadanana, mbola fanasana sy fialana nenina no ataony ho an’ny olombelona rehetra hilefitra, hanaiky fa Jesoa no ilay Mesia. Tsy misy afaka miala isika na dia iray aza. Miaina ao anaty tontolo tsy mitoetra, mihozongozona isika, tsy maharitra. Mbola manome “sursis” ho anao Andriamanitra, indrindra ianao milaza ho mpino amin’izao fotoana fahatsiarovana ny nahatongavan’ny Mpamonjy izao.
Raha tsy mibebaka isika fa mikiry amin’ny fanao ratsy hatrany dia tsy maintsy hihatra aminao, amiko ny didy fanamelohana amin’ny fotoana tsy fantatra, tsy ampoizina.
Sarisary mpifanantonana sy fifandraisana no misy eo amin’ny samy olona, vetivety dia mijoro, vetivety dia rava. Ny fahefana politika feno fihatsarambelatsihy, ny soa toavina ara-moraly na ara-pinoana dia mivoatra ary miovaova araka ny firehana misy sy mijoro eo amin’ny fiarahamonina.
Ao anatiny fiovaovana izay mandrafitra ny fiainan’ny fiarahamonina, isika olombelona na isika milaza ho kristiana aza dia tsy mahita izay asiana ny tenantsika, toa mahatsiaro latsaka an’elanenany, tsy mahajoro akory.
Fanontaniana manitikitika tsy ahitam-baliny:
- Mijery ny fahoriantsika ve Andriamanitra sa mitazam-potsiny?
- Endrika manao ahoana tokoa no nanaovana ity olona ity, avy aiza no nipoirany?
- Inona no atao hoe fiainana?
Zava-miafina, mistery ny fahafatesana sy ny tahotra aterak’izany. Mihazakazaka manao fikarohana ny “psychologue”, ny filozofy, ny siantifika, tsy mahita ny valiny. Midona amin’ny rindrina hatrany. Fa ianao kosa mba manao ahoana: manahy ny hoavinao ve ianao manoloana izany rehetra izany. Tsy foto-pisainana, tsy ezaka atao, tsy fahalalana no mitarika ny olona hanaiky an’i Kristy.fa asan’Andriamanitra ao anatintsika izany.
Ry fiangonana, ry mpitory Filazantsara namana, ho ahy sy ianao, misy fototra tsy azo hozongozonina ao dia Jesoa Kristy. Tsy misy mahay fanorenana hafa afa-tsy Jesoa Kristy(Kor I. 11). Tsy tokony ho kivy na hiraviravy tanana ny mpino. Raha mijery ny tantaran’i Davida Mpanjaka izay nisedra olana maro, tsy nivadika tamin’Andriamanitra ary nitalaho mba tsy ho tafarotsaka tao anatiny fandrika maro satria tsapany ny fahalemeny. (Sal 141 :3-4)
Isika matetika mahatsiaro voagejan’ny manodidina eo anatrehany fahasarotana ankehitriny. Mila miharitra sy maharitra isika. Mahazo vahana ny fandrebirebena sy fanambakana ataon’ny sasany. Fitiavan-tenan’ny olona no miteraka toetra te hifehy ny hafa hahatongavana amin’ny tombotsoa manokana. Ataony daholo ny fanomezan-toky, fandresen-dahatra manintona samihafa. Ary mety ho tonga amin’ny fandrahonana henjana raha miraikiraiky.
Mety ho voasarika ka halaviriny fahatokiana an’Andriamanitra ve ka ho resin’ny tahotr’olona ny mpino? Mety ho azon’ny fakam-panahy hitady vahaolana amin’ny fomba fanaon’ny olombelona ve: mandainga, miray tsikombakomba amin’izao tontolo izao sa hampangiana ny eritreritra ve izy.
Isika no afaka mamaly izany: tompon-tsafidy izaho sy ianao.
Eo no mampiavaka ny olona manaiky an’i Jesoa ho Mesia, ka na inona na inona karazana sedra dia mahay mitodika mitalaho amin’Andriamanitra hihazona azy tsy hilentika.
Ny hafatra tiana hampitaina (And 7): manompoa an’i Jehovah amin’ny fahatahorana.
Mitazona ny teniny hatrany Andriamanitra. (Toriteny 1:9). Tokana ny fototry ny finoana dia Jesoa Kristy. Izy no famonjeny sy vahaolana ho an’ny olona rehetra tamin’ny nanekeny ho sorona teo amin’ny hazo-fijaliana. Aza mitady fanohanana ivelany Kristy. (Apo 1:17-18)
- Fahasambarana sy fahombiazana no setrin’ny fanekena an’i Jesoa ho Mesia
Efa planin’ Andriamanitra hatramin’ny ela ny hamonjy ny olona rehetra. Tsy manery an’iza na iza Izy fa miala nenina ary entitra ka mampitandrina ny olona mandrakariva. Tsy misy tiany ho very isika ary te hamonjy antsika Andriamanitra ka izany no nanomezany ny zanany dia i Jesoa Kristy hanjaka sy hametraka ny fahefany eto amin’izao tontolo izao (And7-8). Fotoana fampieritreretana antsika mialoha ny fitsenanana ny Noely izao, fa mampitodika ho amin’ny fitsenana amin’ny heriny sy ny voninahiny (And 12) eny amin’y rahony lanitra.
Ny fahatongavan’ny Mesia dia fampieritreretana ny olona ny amin’ny famonjena tian’Andriamanitra ankasitrahany. Ahafahany manatanteraka izany, dia tonga olona i Jesoa Kristy, tsy manana fahotana Izy, fa Andriamanitra. Velona mandrakizay (heb 7:25) ary manao fifonana ho antsika. Koa raha mandalo zavatra sarotra ny Tompo niady ho ahy sy ianao, dia isika no nioty ny vokatra, raha manaiky isika fa Izy no Mesia. Atolory an’Andriamanitra ny porofom-pitiavana. (Matio 1:20).
Tahaka ny hita amin’ny fiainana andavanandro: dokotera sy ny mpisolo vava (avocat) no tsy tokony hanafenana ny marina. Satria ataony ahoana ny hitsabo sy hiaro ny olona raha tsy mazava aminy ny mikasika ilay olona. Voafetra anefa ny mety ho vitan’ny olona. Fa Andriamanitra kosa tsy voafetra fa manana ny fomba hamonjeny ahy sy ianao. Izy irery no vahaolana.
(Lioka 17: 26), nilaza tamin’i Noa Andriamanitra momba ny fikasany fa hamotika ny olona ambonin’ny tany, fa izao tontolo izao kosa dia nanohy ny fiainana mahazatra, niliba tamin’izay heveriny fahafinaretana. Ny sambo fiara kosa eto dia vavolombelony fitsarana, niroso ary naka ny bikany isan’andro tsy nisy famantarana fa ho avy ny safo-drano. Maro tamin’ny olo-kendry no nandrabiraby an’i Noa. Tonga ny safo-drano ka izay tsy tao dia maty avokoa.
I Noa dia sarin’ ilay mpanjaka niantso ny olona hiditra no iraka hanambara ny marina, taratr’i Kirtsy izay nilaza ny fiadanana. Miantso ahy sy ianao Jesoa Kristy hanatona Azy. Mino an’Andriamanitra ohatran’i Noa ve ianao sa mandà sy mitsipaka tahaka izao tontolo izao. Mahatsapa fa voaro tahaka an’i Noa ve ianao?