Ka na ireto jamba roa lahy ireto azy izay niandrandra famonjena, rehefa nandre izy fa nandalo ny Tompo, iny Jesoa, dia nihorakoraka ny olona ary fantany fa nandalo eo aminy tokoa Jesoa dia mba nanao antso izy mirahalahy. Ary rehefa nahita azy Jesoa ka nizaha toetra ny finoany dia nambarany fa tena manana finoana tokoa izy roa lahy.
Tsy niteny na inona na inona Jesoa ka rehefa izany dia niditra tao antranony izy roa lahy. Ary izy roa lahy niandrandra amin’ny finoana izay atao hoe famonjena. Ary nanaraka sady niditra tao amin’ny trano izay nidirany Tompo ihany koa izy roa lahy. Ka nahatonga ny Tompo niteny hoe : Tongava aminareo araka ny finoanareo.
Asehony Tompo amin’ny perikopa eto fa azahoana valim-pangatahana atao ny finoana izay ananantsika. Jesoa miteny matetika fa “Na inona na inona angatahinareo ka ataonareo amin’ny finoana dia ho azonareo amin’ny finoana izany.”
1- Aseho eto ny kalitaon’ny finoana an’Andriamanitra (qualité).
Misy tokoa ve ny kalitao ny finoana?
Ary ny kalitaon’ny finoana eto dia hita ary andrasana. Ary izay no ahazoana ny valiny fangatahana izay ataony.
Manao ahoana ary ny kalitao finoana. Araka ny voalaza dia Izy miaralahy jamba dia efa nangataka tamin’ny Jesoa teny an-dalana, ary ny faharoa dia efa nanontany ihany koa Jesoa hoe manana finoana ve ianareo ary mino ve ianaoreo fa mahavita izany Aho. Dia efa nanaiky izy roa lahy ary izy ireo nitsofoka tao antrano mbola naneho izany fagatahana izany
Zavatra roa no miseho amin’izany :
– Haingana dia mivaly ny fangatahana sy ny vavaka izay atao.
– Maharitra eo amin’ny fiainana fa tsy mandalo na miserana ihany.
Hitany Jesoa teo tamin’ny fiainan’ireo jamba izany ka nahatonga Azy nilaza hoe mandehana araka ny finoanareo dia nahiratra izy ireo satria nokitihany Jesoa ny masony.
Izany no andrasany tompo amintsika. Ary hitenenany mandrakariva fa raha miandrandra famonjena isika, dia afaka manome araka ny kalitaon’ny finoantsika Izy.
Izay no angalatsika lesona, misy mantsy ny atao hoe Jakobisme. Avy amin’ny teny Hebreo Jakoba. Ny dikany eto dia hafetsifetsena hahatafavoaka gorobaka. Amin’ny hafetsifestena, i Jakoba dia izany mihintsy. Noteneny Jesoa izy hoe mandeha mody any amin’ny tanindrazanao misy anao. Fantany tsara ny hatezerany rahalahiny Esao sy ny fahatahorany fa hamono azy ny rahalahiny.
Inona no nataony :
– Lasa izy naniraka olona hiresaka amin’ny Esao izany hoe hitondra dinidinika diplomatika.
Manetry tena diplomatika izy satria nolazainy fa ny tompo dia ny rahalahiny ary izy no mpanompo izay tsy fomba teo amin’ny Hebreo izany.
– Ny hevitra faharoa hitany dia mbola nitondra olona 400 Esao. Nieritrerita izy fa ho potika indray. Ka andeha ho zaraiko roa ny antoko, dia rehefa enjehina iry dia mitsoaka ireto.
Mbola tafavoaka gorobaka amin’ny hafetsena ihany Jakoba. Rehefa niverina tamin’ny finoana ny amin’ny tenin’i Jehovah izy dia nifamihina sy mifampiarahabana tamin’ny Esao indray.
20 taona no nisarahany izy mirahalahy. mbola tsy levona ihany anefa ny Jakobisme. Fa eto amin’ity fotoana farany izay nentiny taloha ity rehefa miverina amin’ny finoana misy kalitao amin’ny nandrasan’I Tompo. (Gen 32-33) dia miravona ny zava-drehetra, haingana ny valiny ary maharitra izany.
Izaho sy ianao ihany koa dia manana andraikitra sy adidy, ny fiangonana, ny fiaraha-monina , ny firenena, dia manana an’ity finoana ity, ka ny kalitao andrasan’I Tompo amintsika dia hitaona izany ary miandrandra famonjena, fa ho haingana ny valimbavaka. Haharitra eo amin’ny fiainana fa tsy miserana fotsiny.
Ho antsika manana fotoana manokana hahatsiarovana Jobily, fankalazana an’Andriamanitra, nisy ny areti-mandoza manerana izao tontolo izao ary Madagasikara, nisy tsy nahavita na inona na inona, misy ihany koa ny zavatra mampalahelo, ankoatra izany misy mpitandrina hisotro ronono amin’ity taona ity, tsy misy hetsika azo atao kanefa Pasitera handeha retraite amin’ny volana desambra, afaka iray volana nefa niaraka amam-polo taonany tamin’ireto fiangonana ireto
Manàna finoana misy kalitao izay azo heverina fa hitondra fahombiazana.
Ho an’ny Katekomena, raha tena miandrandra famonjena amin’ny Tompo ka tena andiany MIJORO, ny hira “Tsy mana-tahotra” ny finoantsika fa ny tahotra tsy misy fitiavana, ary raha tsy misy fitiavana tsy misy handrandraina amin’ny Tompo akory. Ny finoana dia tokony tsy misy tahotra satria izany no fahavoazana nahatonga an’I Adama niafina tao amin’ny saha Edena. Voaraoka tao aminy saha edena adama. Izaho sy ianao mety ho tratra izany koa.
Eto asehony Tompo fa misy kalitao izany finoana izany. Heveriny Tompo izany fa tokony hananana. Raisina eo amin’ny vavaka sy hataka, izay ataonao, ny matoky an’Andriamanitra dia matoky ny teniny, dia izay ihany.
Rehefa izay dia tsy tahaka any Jakoba izany fa omen’I Tompo maimam-poana ary hanigana sy maharitra izany fahasoavana atolotry ny tompo.
2- Mifamatra amin’ny finoanao ny vokatra azonao, ny valiny omeny tompo aminao (quantité)
Izay no nahatonga ny Tompo hilaza hoe “Tongava aminareo..”. Raha kely ny finoana adia kely koa ny quantité.
Eto dia mety hiteny hanakampo hoe, aiza kosa e! fa ny Tompo ve tsy mahalala izay omena ahy? Ahoana ary ny fatrany ny fionana no tsy atao mitovy amin’izay eritretreretinao izany.
– Asehony Tompo fa rehefa nangataka izy roa lahy dia noheveriny fa mahavita izany ny Tompo. Hoy izy y roalahy “Eny tompoko”. Eo no ahitana ny fatrany finoan’izy roa lahy. Ary nahatongava izany valim-bavaka izany ary nandraisany fitahiana niatrehany any Jesoa izany. Raha ny fatra dia tanteraka araka izay iriany zavatra ho azonao. Araka ny fatrany finoanao. Indraindray misy olona mieritreritra raha omeny Tompo an’izao aho dia ahoana re?.
Raha ny fatrany finoana dia tanteraka araka izay irinao ny zavatra ho azonao araka ny fatrany ny finoana.
Ny faniriana ngezabe, kanefa ny finoana kely. Raha ny fatrany finoana no refesina, izay no mahatonga ny tsy azontsika. Misy miteny hoe otran’ny manaloka ahy ity tendrombohitra ity isa-maraina, tsy misy masoandro miditra.
Ny Tompo miteny hoe :”Na dia manampinoana aza ianareo ka na dia kely noho ny voatsinampy atsingidino any andranomasina any io andeha any. Tonga ny maraina mbola teo ihany ny tendrombohitra. Efa nampoiziko fa tsy hiala eo io, ahoana moa no ahafahako manozona io tendrembohitra io hitsingidina ary. Fatrany ny finoana, tsy tanteraka satria tsy nisy finoana.
Tanteraka araka izay irinao izay anagatahinao ka omen’I Tompo anao.
– Sahaza ny hetahetanao ny ataony Tompo aminao amin’izany valim-bavaka atolony izany. Mety sy tsy mety mendrika eo anatrehan’ny vavaka ataonao.
Misy ny olona mahazo valim-bavaka fa tsy sahaza satria tsy tao amin’izany niriany. Misaora ny Tompo. Misy ihany koa olona mahazo fa tsy sahaza, tsy mankasitraka ary tsy misaotra , satria tsy ao amin’izay ilainy ary tsy mifanaraka, tsy ao amin’ilay iriny. Diso fangataka, ary ny fatrany finoana tsy mifanaraka aminy zavatra angatahina akory.
Na ny Apostoly aza mba niharan’izany koa (Asa 16). Nieritreritra I Paoly fa isaky ny mande izy ao anatiny vavaka ataony dia sakany Fanahy Masina, farany dia nipetraka ary nahita fahitana. Ny dikany aza mihetsiketsika fa miandrasa sy miandry ny asan’Andriamanitra tiany hitondrany anao ka ampiasany anao. Tena Makedonia izany no tokony handehanana.
Ho antsika izay miharitra fahorianan,tahotra, fahasahiranana, ary mba te ho tafavoaka amin’izany, aoka ny fatrany finoantsika tahaka izay ataontsika ary raha mangataka dia ataovy sahala amin’ny fatrany finoana izany. Io fahasahiranana mahavery hevitra io dia hainy Tompo ny mamaha ny fahasahiranana izany. Rehefa sahy ny mitondra izany eo anatrehan’I Tompo, na dia fiainantsika manokana dia hitantsika ny valimbavaka.
Amin’izao vanim-potona iainantsika izao, misy ny very asa, ento eo anatrehany Tompo,fa ny Tompo mahay mamaly araka ny habeny indrafo sy araka ny fatrany finoanao.
Toy izany ny katekomena andiany MIJORO, sao tratra izany koa isika, maro ny mbola masiaka lavitra noho izay nolalovanao tamin’ny fiofanana, ny fakam-panahy aorian’ny fandraisana fanasan’ny tompo. Maninona ranona mpivavaka tsara lasa mpandray fanasany tompo tsy hita mihitsy, ny olona mpiofana , mpiomana nandritra ny fiofanana rehefa lasa mpandray dia lasa mangatsiaka ary tsy hita aoriany fandraisana azy. Lasa fialan-tsiny sy fakampanahy tsy andehanana mivavaka ny fihibohana na dia tsy marefo aza.
Misy Diakona, tsy mipoitra mihitsy, misy Loholona, ary misy Mpiandry.tratra izany koa. Mafy io ary mila resena. Miandrandra famonjena, arakaraky ny fihatsaran’ny kalitao ny finoana ary rehefa mihatsaratsara ny kalitao ary mitobo hatrany hatrany ny fatrany finoana. Ianareo 43 mianadahy rehefa tonga ny fotoana no ho Diakona rahampitso.
Izaho sy ianao mpandray ny fanasan’ny Tompo, Diakona, Loholona, Mpiandry, Tompon’andraikitra ao amin’ny sampana, isika mpiara-mivavaka, miteny aminao isan’ndro ny Tompo; fiandrandratsika famonjena “Tongava aminareo arak any finoanareo”.