Alahady 25 Oktobra 2020

Alahady 25 Oktobra 2020
“MIROSOA AMIN'NY FINOANA MASINA”

IVOM-BOKATRY NY SAMPANA FIFOHAZANA

Ny fotoam-bavaka faharoa tamin’ny 10 ora maraina izao noraisina an-tsoratra izao. Nisy fivorian’ny ankatoky ny fandraisana taloha’izany.

Alahadin’ny SAFIF androany. ANDRIANJAFIMASY Harinaivo no nitarika ny litorjia. RAZAFIARIMALALA Nathalie Christine, Mpitandrina no nitondra ny hafatry ny Tompo tamin’ny Fiangonana. Solontena avy amin’ny STK no nitarika ny hiran’ny Fiangonana.
Ny litorjia amin’ny endriny faharoa no narahana.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny feon-javamaneno fidirana sy teny fampidirana dia nisy fiarahabana apostolika. Nataon’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny famakiana ny SALAMO 66 :1-4.
Noredonina ny hira SAFIF 359 : 1-2 “ JESOSY O! INDRETO NY OLONAO ” ary nataon’ny mpitarika ny vavaka fisaorana izay narahana feon-javamaneno sy vavaka mangina.
Nitohy avy hatrany tamin’ny 5 minitran’ny ankizy ny fotoana.

5 MINITRAN’NY SEKOLY ALAHADY

RAVEROMBOLAMANANA Fanja, mpampianatra ao amin’ny K6 no nitarika izany. Natsangana ny ankizy sy tanora nihira ny FFPM 772 : 1 “ MANATONA AN’I JESOA IZAO ”. Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra dia hoe :  » Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa  » KOL 2 : 6. Ny antony andehanantsika aty dia fihaonana amin’ Andriamanitra. Mila manapa-kevitra handray an’i Jesoa isika raha mbola tsy nanao izany. Mivavaha fa hitany izany na tsy ren’ny olona aza. Ampiharina eo amin’ny fiainana izany fampianarana izany. Tsy manao izay tiany intsony ny olona fa manaraka an’i Jesoa. Tantaran’i Paoly no natao  : i Paoly dia tsy voataiza araka ny tokony ho izy, tsy tia fianarana, lasa mpangalatra ary nigadra, teny am-ponja no nahenoany ny Filazantsara, tao no niovany fo, lasa Mpitandrina “ aumônier “ izy ankehitriny. Nanaraka ny fotoanan’ny Sekoly Alahady ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nohiraina ny FFPM 357 : 1 « EFA TONGA ATY IZAO ». Ny vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina dia notontosain-dRAZAFINDRAKOTO Tatamo.
Namaky misesy ny ISA 7 : 1-9 ; JAO 4 : 46-54 ; KOL 2 : 4-7 kosa RASOANAIVO Lalao.
Natao ny hira SAFIF 205 : 1-2 ” RANON’AINA IZAY TENA MATEZA “ mialoha ny toriteny.

TORITENY

Ny JAO 4 : 46-54 no andinin-tSoratra Masina niompanan’ny hafatra androany.
Fanomezam-pahasoavana ny asa fanasitranana. Fahagagana faharoa nataon’i Jesoa tao Kana no resahina eto taorian’ny fahagagana tany Galilia izay nanovana ny rano ho divay. Famantarana na “signe” ny hevitry ny “miracle”. Misy zavatra tian’ Andriamanitra ambara ao anatiny fa tsy fahagagana fe fahagagana fotsiny ihany.

1) Ny kristiana miroso amin’ny finoana an’i Kristy dia mamela ny maha-izy azy ny tena ka manatona an’i Jesoa. Nanao dia lavitra ity tandapa ity saingy tsy nataony sakana izany ary nanetry tena izy, izy no nanatona an’i Jesoa. Na teo aza ny voninahitra dia nampandeferiny izany satria fantany fa mahay ny zavatra rehetra i Jesoa noho ireo asa efa vitany. Tao anatin’ny fahamoizampo izy noho ny aretina nahazo ny zanany, nentiny teo amin’i Jesoa ny olany. Fantany fa vitan’i Jesoa ny fanasitranana ny zanany eo ambavahoan’ny fahafatesana. Rehefa tojo zava-tsarotra isika dia manadino an’i Jesoa. Mampianatra antsika ny Teny eto mba hitondrantsika ny manahirana antsika rehetra (adintsaina, olana) eo amin’i Jesoa Kristy. Mitaky finoana sy fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra izany.
2) Ny kristiana miroso amin’ny finoana an’i Kristy dia mankato sy mino ny Tenin’Andriamanitra
Mety ho hafa no zava-niseho raha namikitra ny voninahiny ity tandapa ity. Na tsy nankany an-tranon’ilay narary aza i Jesoa dia tonga ny fahasitranana. Tsy nisalasala tamin’ny finoany ity tandapa ity : noho ny Tenin’i Jesoa tafatoetra tao am-pony dia tsy kivy izy ary nino izay nolazaina taminy. Nankato ny Tenin’Andriamanitra izy. Entanina isika hankato ny Teny, tsy hihahanahana.
3) Misy fiantraikany amin’ny manodidina anao ny fiainanao ny finoanao
Misy fotoana malalaka eo amin’ny asan’ny fifohazana ho fijoroana vavolombelona, fizarana hanehoana ny hatsaran’Andriamanitra. Ny asan’ny fifohazana dia tsy tanteraka rehefa tsy misy finoana, izay no isian’ny Tenim-pahefana hanorenana ny asa sy fampaherezana izay atao. Manjary fantsom-pamonjena ho an’ny hafa ihany koa izay mino. Ny aretina noheverina ho fahafatesana no tonga fifaliana sy fahavelomana. Finoana no ilaina fa tsy tokony hiandry famantarana.

Na dia tsy nahita an’i Jesoa aza isika dia eo hatrany ny Teniny. Meteza ho tahaka ity tandapa ity amin’ny lafim-piainantsika rehetraa. Tsy mitsahatra hanao fahagagana Andriamanitra.
Mila mamela ny maha-izy azy antsika isika, manatona Azy, mino sy mankato dia mijoro vavolombelona. Na dia tsy mbola nahita vokatra aza isika dia nanana finoana (fanehoana ny zavatra tsy hita).
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra! Amen.

Nisy feon-javamaneno fohy. Rehefa izay dia nanatontosa ny vavaka setrin’ny Tenin’ Andriamanitra sy fifonana ny mpitarika, izay narahin’ny fanononana ny fanekem-pinoana niarahana tamin’ireo vavolombelona talohantsika (Lah. IV) natao teo am-pitsanganana. Nisy feon-javamaneno fohy.

TATITRA

Ny tatitry ny asan’ny sampana dia notontosain’i BODOVOAHANGY Yasmina. Nisy ny famakiana ny hafatra Foibe SAFIF.

Nisongadina tamin’izany ny fanorenana toby eny Ambohimanga Rova noho ny faha-40 taona. Ny raharaham-piangonana no nambara taorian’izay.

RAHARAHAM-PIANGONANA

RAKOTOMANANA Andry no nanatanteraka izany. Novakiany ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny JAO 4 :50b nanombohana ny filazan-draharaha. Toy izao manaraka izao no santionan’ny asa ilaina fantarina, tadidiana, entina amim-bavaka sy hotanterahin’ny Fiangonana :

ASA IVELANY
Avy amin’ny FJKM : Antso ho amin’ny fanampiana ny kere any Atsimo, raisina ao amin’ny sekreteram-pinagonana ny laharana MVola, havoaka amin’ny gazety Marturia Vavolombelona ny lisitr’ireo hanome tolotanana.

ASA ANATINY
    • Manohy fianarana ny katekomena “ MIJORO “ ;
    • JAO 17 no vakiana amin’ity herinandro ity ;
  • Sabotsy 31 oktobra 2020 amin’ny 10 ora sy sasany maraina : Fivoriamben’ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena ;
    • Fotoam-bavaka alahady 01 novambra 2020 amin’ny 10 ora maraina handraisana ny katekomena  : izy ireo sy ny akaiky azy ihany no afaka manatrika izany fotoana izany fa kosa halefa mivantana amin’ny pejy facebook-n’ny Fiangonana ny fotoana hahafahantsika miombompo, ny amin’ny 7 ora kosa dia ho an’ny rehetra ;
    • Ny sampana efa mivory dia : ny RFF sy ny Hasin’ny Famonjena rehefa sabotsy, ny STK rehefa alahady, ny Dorkasy rehefa talata
    • Sabotsy 7 novambra 2020 amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ao amin’ny Akany Rainimamonjy : fivoriamben’ny VFL
    • Ar 2 513 900 no vola niditra nandritra iny herinandro iny.
Nitohy tamin’ny fanatitra ny fotoana.

FANATI-PISAORANA

Natao mialoha ny fanononana ny voady ny hira SAFIF 328 “ NY ANTSONAO ANDRIAMANITRA O”!
RALAINDIMBY Haja no namaky ny voady taorian’ny nanomezana andinin-tSoratra Masina ao amin’ny JER 33 : 3. Nisy ireo nisaotra sy nangata-bavaka : raim-pianakaviana mandalo fotoan-tsarotra mba hahazo ny rariny, afaka nifindra kilasy ambony kokoa ary mametraka ny tohiny amin’ Andriamanitra. Ny hira FFPM 444 : 4 « RY RAIKO FENO ANTRA » no natao nandritra ny fanatazana ny rakitra. Natolotra teo am-pitsanganana tamin’ny alalan’ny hira vavaka fanavaozana ny fanolorantena ny SAFIF 10 : 5 ny fanatitra. Nisy feon-javamaneno dia notohizana tamin’ny asa sy fampaherezana ny fotoana.

ASA VAVOLOMBELONA : ASA SY FAMPAHEREZANA

Ny nitarika ny fotoam-bavaka ihany no nidina teo amin’ny alitara nanao ny fampidirana.
Nohiraina ny FFPM 175 : 1-2 « AVIA FANAHY O ! FANAHY MASINA O » nandritra ny fiomanan’ny mpiandry. Novakiana ny Teny fanorenana ny asa masina ary RASOLONJANAHARY Fidy no nanohy ny fitarihana. Natsangana teny an-toerana ny Fiangonana nangetaheta nomena Teny : fandraisana famelan-keloka, fampaherezana, fikasana tsara, vavaka. Nandritra izany ny mpiandry teny an-toeranay dia nanangana ny tanany ankavanana. Namonjy ny toerany ny mpiandry. Ny Mpitandrina nitory Teny tamin’ny Fiangonana dia nanolotra hafatra sy nitarika ny vavaka fangataham-pitahiana.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Nisaorana an’Andriamanitra ny fahatontosan’ny fotoana rehetra androany. Nentina amim-bavaka ireo nanao voady ; ny adim-piainana manerana izao tontolo izao ; ny SAFIF manerana ny FJKM sy eto anivon’ny fitandremana Amparibe ; ny sampana velona rehetra hamoa voa tsara harenesan’ny olona rehetra ny Filazantsara ; ny Mpitandrina sy ny ankohonany ; ny Biraom-Piangonana sy ny kristiana rehetra ; ny fivorian’ny Mpiandrikaitra Foibe FJKM ; ny firenena malagasy manoloana asan-jiolahy, haintrano, aretina… mba hahery. Nofaranana tamin’ny “Rainay izay any an-danitra…” ny vavaka fangataham-pitahiana.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao avy hatrany ny hira SAFIF 313 «  ISAORANAY ZANAHARY ». Novakiana ny tondrozotra 2020 ; natolotra ny tsodrano, nohiraina ny hira SAFIF 324 :  1  » TSY MISY SOA HO AHY AFA-TSY I JESOA  » nofaranana tamin’ny Amen hiraina, nisy vavaka mangina sy trinité. Nirava ny Fiangonana tamin’ny 11 ora sy 46 minitra tao anaty feon-javamaneno.

Mpitendry : HARENTSOA Rova

Niandraikitra ny fafana : RAKOTONARIVO Vatsy

Nikirakira ny fanamafisam-peo : RAKOTOVOLOLONA Lova Nosy

Diakona : Vaomieran’ny Asa Vavolombelona sy Vaomieran’ny vola (rakitra sy varavarana)

Naka sary : RAKOTONDRAMBOA Andry

Nandray an-tsoratra : RALAIARIMANANA Narindra

Alahady 18 Oktobra 2020

Alahady 18 Oktobra 2020
“MIROSOA AMIN'NY FINOANA MASINA”

Alahady ivom-bokatry ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno

Alahady 18 Oktobra 2020, Alahady fahatelo ibanjinana ny lohahevitra “Mirosoa amin’ny fonoana masina”. Ny fidirana faharoa tamin’ny 10ora maraina no nangalàna izao tatitra izao. Alahady natokana itondrana am-bavaka ny MAMRE. Anio no ivom-bokatry ny Sampana Mpiangaly Zava-maneno. Ramatoa RABAKO Miora no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina kosa no nitory ny tenin’Andriamanitra.

Fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra

Ny Salamo 93,1-5 no niarahana namaky ho fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.
Noventesina ny FFPM 1 : 3  » Andriananahary Masina indrindra » ary nanao ny vavaka fisaorana ny mpitarika taorian’izany : « Noho ny fahasoavany sy ny indrafony nahavory ny mpianakavin’ny Tompo dia natolotra an’Andriamanitra ny dera, laza ary voninahitra.Nisaorana ny Tompo noho ny fotoana anio izay ahafahana miombom-po amin’ny Sampana Mpiangaly Zava-maneno sy mitondra am-bavaka ny MAMRE. Nisaorana ny Tompo noho ny fitantanany nandritry ny erinandro.
Nangatahina ny Tompo mba hanatrika ny fanompoam-pivavahana anio.
Nangatahina ny Tompo mba hamafa ny heloka sy tsy fahamendrehan’ny  mpanompony ahafahan’ny mpanompony mahita ny tavan’ny Tompo. « 

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Zoky RAHALIVASEHENO Radanielina Noro mpampianatra ao amin’ny K6 no nanatontosa ny dimy minitran’ny Sekoly Alahady
Ny I Korintiana 16,13b “Tomoera tsara amin’ny finoana” no nangalana ny hafatra ho an’ny Ankizy sy ny Tanora.
Tantara-na zazalahy iray no nozaraina tamin’izany. Nampidirina Sekoly Alahady ity zazalahy ity ary dia nazoto tokoa sady nandray anjara mavitrika tamin’ny asan’ny fiangonana no navitrika tamin’ny fandalinam-pinoana. Noho izany fahazotoana nananany sy famporisian’ny Ray aman-dreniny azy tamin’ny fanarahana an’i Kristy izany dia nitombo tamin’ny finoana izy.
Ny hafatra azo sintonina amin’izany tantara fohy izany dia  ny famporisihana ny ray aman-dreny rehetra sy ny mpanabe mba itaiza tsara ny zanaka amin’ny finoana.
Vavaka:
 Nisaorana ny Tompo noho ny hafany izay nampianatra mba hitoetra tsara amin’ny finoana. Notrotroina am-bavaka ireo zanaka izay hanala bacc rahampitso Alatsinainy mba ahatoky sy hino an’Andriamanitra.

 

Vavaka sy vakiteny

Notanterhina ny hira FFPM 480,1 :  » Mamy ny foko ry Jesoa  » mialoha ny vakiteny.
Vavaka mialoha ny vakiteny : Nisaorana ny Tompo noho ny fahafahana miombom-bavaka.
Nisaorana Izy noho ny soa azo avy Aminy, noho ny Teny soa omeny mampiroso amin’ny Finoana Masina. Nangatahina ny Tompo mba ahatonga izany Teny izany ho latsa-paka any amin’ny tsirairay hananany fiainam-baovao sy hanome hery azy.

Novakiana misesy ny Tenin’ny Soratra Masina izay hita tao amin’ny :
– II Tantara 20 : 20 – 23
– Matio 21 : 18 – 22
– II Timoty 1 : 1 – 5

Toriteny sy hafatra

Somary niavaka ny toriteny anio satria dia notontosaina tamin’ny toriteny am-peon-kira izany izay niarahana tamin’ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno.
Ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina no nitory ny teny
ANDRIANASY Fanja kosa no niventso ireo tononkalo sy tononkira
Ireo mpitendry ao amin’ny SMZM kosa no nandravaka ny toriteny tamin’ny feonkira.

Nambaran’ny Mpitandrina tamin’ny mpianakavin’ny finoana fa Fitiavana mandrakizay no nitiavan’Andriamanitraantsika ary izany fitiavana izany no nampaharetan’Andriamanitra ny famindram-pony tamintsika. Ny zanak’Israely no niantefan’izany teny izany tany am-boalohany. Ankoatra ny adyamin’ny fahotana dia manampy antsika amin’ny ady rehetra atrehitsika ny Tompo. Teto dia nataon’Andriamanitra mpandresy ny zanak’Israely satria dia nataony niady an-trano ny fahavalon’ny olon’Andriamanitra ka resy ho azy.
Ny Fitiavan’iKrity dia mitondra antsika amin’ny finoana masina.
TONON’KIRA sy FEON-JAVAMANENO : “Ny fitiavana”
Ny olona nandre ny fitiavana masina dia olona nandre ny antson’Andriamanitra sy mamaly izany ary nanapakevitra handroso.
Ny antson’Andriamanitra dia mizara roa: ao ny antso miantefa amin’ny vahoaka. Ny zanak’Israely dia firenena voaantson’Andriamanitra.
Ao kosa ny antso miantefa amin’ny olon- tokana. Ny olona voaantso amin’izany dia manana andraikitra isolo tena an’Andriamanitra hanatontosa ny asany.
I Paoly izao dia olona nanana ny fiainany amin’ny maha-Jiosy azy ary rehefa voaantson’Andriamanitra izy dia niova fo nanaiky ny antson’ny Tompo ka nahataona olona maro.
TONONKALO SY FEON-KIRA “ Feo miantso”
Jesoa dia sarotiny amin’ny finoantsika. Ny finoana dia hery ahafahana mahavita zavatra mihoatra izay eritreretina toy ny famindrana tendrombohitra araka izay nambaran’i Jesoa na ihany koa famonoana hazo tsy mamoa  amin’ny alalan’ny fibaikoana araka izay nataon’I Jesoa.
Mamonjy sy manafaka ny finoana an’I Jesoa Kristy.
Hoy mantsy ny Tompo “Fa toa izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao nomeny ny Zanany Lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy”
“Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana kanefa matokia fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao”
TONONKALO SY FEONKIRA “Noho”
Vavaka setrin’ny toriteny:
Nisaorana ny Tompo noho ny fitiavany, ny hafatra nomeny tamin’ny toriteny.
Noho ny tsy fahatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra dia natao ny vavaka fifonana ho famelan-keloka.

 Niarahana nanonona ny fanekem-pinoana laharana fahatelo.

Tatitry ny sampana

RABOANARIJESY Liantsoa no namaky ny tatitra
Notaterina ireo asa vitan’ny Sampana teto anivon’ny fitandremana toy ny fandraisana anjara tamin’ny fanompoam-pivavahana sy fahoriana ary fanamasinana fanambadiana. Notanterina ihany koa ny fandraisany anjara amin’ny fandravahana mozika ireo fotoan-
dehibe nankalazaina teto amin’ny fitandremana.
Nampahafantarina ny fiangonana ireo seho nandraisan’ny sampan anjara.
Nambara ny fanatanterahan’izy ireo ny asa sosialy toy ny famangiana ireo zaza kamboty sy ny fampaherezana azy ireo ary ny famangiana ny zokiolona.
Nambara fan oho ny amehana ara-pahasalamana dia nisy ny fikasana tsy tanteraka, na dia izany aza anefa dia nifanome Tanana tamin’ny fiangonana ny sampan tamin’ny fanatontosana ny “fanompoam-pivavahana en ligne”
HIRAN’NY SAMPANA

Raharaham-piangonana

Amin’ity volana Oktobra ity dia mitohy ny fanompoam-pivavahana in-droa isak’Alahady.
Amin’ny fito ora ny fidirana voalohany ary amin’ny folo ora maraina kosa ny fidirana faharoa.

Miomana amin’ny fandraisana azy ireo ho mpiray latabatra amin’ny Tompo ny Katekomena
Mitohy ny fianarana soratra Masina ka ny Jaona toko faha 16 izao no iarahan’ny mpanakavin’ny Tompo mamaky.
Nambara ireo fotoana amin’ity erinandro ity.
Nambara ny toetry ny vola nandritry ny erinandro.
Nametraka taratasy fisaorana noho ny fahatontosan’ny Fifaninanana Soratra Masina ny Vaomieran’ny aim-panahy.
Notontosaina ny fiarahabana ireo zanaky ny  fiangonana nahatontosa ny fanamasinana ny fanambadiana ary nentina amy-bavaka izy ireo.

Rakitra sy fanomezana

Novakianaireo voady sy rakipisaorana . Ny SMZM no nanao feon-kira nandritry ny rakitra :  » ARIA « 

Ho fanolorana ny rakitra dia ny Ffpm 275 : 1  » Raisonao ry Tompo soa « 

Nisaorana ny Tompo nohon’ny fahatontosan’ny rakitra, Nangatahina Izy mba handray sy hanamasina izany fanomezana izany.
Nentina am-bavaka ny asan’ny Fiangonana, ny mpitory ny filazan-tsara, ny Toby masina.
 Nentina am-bavaka ihany koa ireo Mpiangona eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena sy ny zanaka am-pielezana.
Nentina am-bavaka ny SMZM, ny sampana sy sampan’asa rehetra ary ireo rafitra misy eto amin’ny Fitandremana.
Notrotroina am-bavaka ireo mpanala fanadinana Baccalaureat.  
Nentina am-bavaka ny sahirana, ny tsy salama, ny mana-manjo.
Nentina am-bavaka ireo manana hataka manokana sy ireo nanao raki-pisaorana sy voady masina.

Famaranana ny fotoana

Natao ny hira FFPM 427 : 2  » Ho vavolombelonao  » mialoha ny filazana ny tondrozotra sy tsodrano ary ny andininy faha telo kosa no namaranana ny fotoana.

  • Nitarika ny fotoana: RABAKO Miora
  • Nitory ny teny: RAHARIJAONA Solofonirina
  • Dimy minitran’ny Sekoly Alahady: RAHALIVASEHENO Radanielina Noro
  • Namaky ny teny: RAKOTONDRAMBOA Fidy (Vavaka sy Testamenta taloha) ;  RAOLIARIZAKA Bakoly (Testamenta vaovao)
  • Zavamaneno: SMZM
  • Sono: RANDRIAMAHEFA Tinarivony
  • Fafana: RABAKO Tovohery
  • Nandray an-tsoratra: ZANAHARITSIMBA Toky Noely Tiana
  • Naka ny sary : HARENTSOA Rova

     

 

 

Alahady 11 Oktobra 2020

Alahady 11 Oktobra 2020
“MIROSOA AMIN'NY FINOANA MASINA”

Alahady ivom-bokatry ny Sampana Tanora Kristiana Zandriny

Alahady 11 Oktobra 2020. Alahady ankalazaina ny ivombokatry ny sampana tanora kristiana. Alahady hitondrana ambavaka ihany koa ny SP Andrefana noho ny faha 25 taonany. Mbola mibanjina hatrany ny lohahevitra « Mirosoa amin’ny finoana Masina » isika. Nitarika ny fotoana anio ny Rtoa Fy Rakotomalala, mpiomana ho mpitandrina. Ny nanao ny vavaka sy ny vakiteny dia ireo mpikambana ao amin’ny STK avokoa, Rtoakely Razafindrakoto Mikanto, Andriamampianina Faneva, Andriamampianina Tsanta. Ny nitondra ny hafatra kosa dia ny mpiomana ho mpitandrina Ramilison Diamondra.

Taorian’ny feonjavamaneno fidirana dia nanao anjara hira avy hatrany ny STK « Mahagaga ».

Fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra

Ho fiderana an’Andriamanitra dia novakiana ny Salama 33 : 12 – 22. Natao ny FFPM 6 : 1, 2. Nanao ny vavaka fisaorana ny mpitarika taorian’izany.  

Nisy feon-javamaneo avy hatrany taorian’izay.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Zoky Rajaonarivelo Yasmina, mpampianatra K7 no nitondra ny fampianarana ho an’ny ankizy. Ny bokin’ny Jeremia 33 : 3 « Antsoy aho dia hoavaliako hianao ka hampisehoaka zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao » no nitondrany ny hafatra ho an’ny ankizy.

Nisy tantara nentiny natao fanoharana ny amin’ny hafatra nentiny. Na inona manery antsika dia antsoy foana Andriamanitra.

Vavaka no namaranany ny fotoana izay notanterahiny.

Natao ny FFPM 210 : 1, 4 mialoha ny vavaka sy vakiteny.

Vavaka sy vakiteny

Mialoha ny vavaka dia nambara ny perikopa anio dia ny I Samoela 17 : 42-51, Lioka 17 : 1-6, I Korintiana 16 :13-18 ary novakiana izay avy eo.

Natao ny FF 26 : 2, 3 mialoha ny hafatra.

Toriteny sy hafatra

Ny Lioka 17 : 1-6 no nitondrany ny hafatra. Eny andalana hiakatra ho any Jerosaleman Jesoa sy ny mpianatra eto. Fampianarana ny amin’ny fandeferana sy ny finoana no voalaza eto.

  1. Meteza mitombo amin’ny finoana

Raha raisina eto izany dia misy hetaheta lalina tamin’ny Apostoly « Ampitomboy ny finoanay ». Rehefa nandre ny fampianaran’i Jesoa Kristy ny Apostoly dia nahatsiaro fa tsy ampy ny finoana izay efa nananany.

Zava-dehibe ny fahatsapana hoe hatraiza moa ny finoana izay hanananao. Ny fananana hetaheta no dingana voalohany raha te hiroso.

Faharoa dia mila manaiky ny tsy fahatanterahintsika isika ka matoky ny fitiavan’i Kristy.

Nanana finoana miezinezina ireto Apostoly ireto. Nanana tanjona ara-pinoana lehibe izy ireo.

Mila manana hetaheta aloha isika voalohany raha te hanao zavatra tsara ka te hanatratra tanjona. Hetaheta hidera an’Andriamanitra, hiaraka amin’ny tanora.

Tokony manao toy ireto Apostoly ireto isika eo amin’ny fiainantsika izany.

Ny fitomboana amin’ny finoana dia entina miaina ny fitsipi-piainana omen’ny Tompo. Ireto avy izany fitsipi-piainana izany :

  1. Ny mpino dia tsy mpanafintohana olona (Loza ho an’ny olona izay miteraka fanafintohinana)

Ny mpino dia mitaona ny olona hanaraka ny Tompo, ny mpino dia mitandrina ny teny, ny tena, ny mpino dia mitsara ny teniny amin’ny alalan’ny sitrapon’Andriamanitra.

Mila manana fahasahiana isika amin’izao fotoana hatrehintsika izao, mila mivoaka amin’ny fahanginana isika noho ny fahatafintohinana ateraky ny toe-draharaha ankehitriny

  • Ny mpino dia mananatra ary mamela heloka

Raha mananatra ny rahalahy dia atao amin’ny fahasoavana izany. Ny fanaranana ny olona dia miainga amin’ny tenin’Andriamanitra. Raha manao izany isika dia tsy atao amin’ny fo fotsiny.

Jesoa dia efa nampiantra antsika mba hifamela heloka ihany koa. Ny fepetra napetrany nefa dia misy ny fifonana ary misy ny fanekena izany fifonana izany.

Eo amin’ny fiarahamonina dia misy ny fifamelankeloka tokony ho tanterahina toy ny efa namelan’i Jesoa ny helontsika.

MIrosoa sy mitomboa amin’ny finoana amin’ny fanarahana ny Tompo

  • Mampisy ny ts misy ny finoanao

Eo amin’ny andininy 6 dia milaza fa na madinika aza ny finoanao dia mety ahavitanao zavatra lehibe izany.  Ny Tompo ia mitaky fanetre-tena aminao rehefa manao zavatra hianao. Tsy tokony handeha amin’ny herin’ny tena ny olona iray rehefa manao zavatra.

N’inona angatahina amin’ny anaran’ny Tompo dia tanterahiny izany. Raha mifanaraka amin’ny sitrapony izany dia tanterahiny. Mila mankato sy manana fiombonana aminy isika raha te ho afaka tanteraka.

Tsy voatery hamorona ny tsy misy zay vao hanana finoana.

Ny finoana no hampahiratra indray ny fiainana sy ny fanompona izay tanterahinao.

Tsy tokony hiala sy hampiala ny hafa amin’Andriamanitra ary tokony mangataka fahatokiana amin’Andriamanitra mba ahatontosa sy ahalasa lavitra antsika amin’ny finoana.

Nisy feonjavamano ary nanao ny anjara hira ny STAF « Raha mbola ao ny Tompo ».

Nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika taorian’izany.

Taorian’izay dia nanambara ny fanekempinona faharoa ny mpiaramanompo rehetra ary nisy feonjavamaneno nanaraka izany.

Tatitry ny sampana

Nanao ny tatitry ny tompon’andraikitra, Atoa Rajaonarivelo Nomena no nanao izany. Nilaza ireo asa vita tao anatin’ny herintaona izy. Anisan’izany ny fanaovana ny tafika masina, ny fanatrehana ny fiofanana sy fivoriana foibe, ny fandraisana anjara tamin’ny lalao ara-panatanjahantena.

Nanao anjara hira ny STK « Tehirizo », taorian’ny tatitra.

Raharahampiangonana

Nambara ny raharahampiangonana Rtoa Rakotomanana Andry. Ny mpitandrina miana-draharaha eto ankehitriny dia Rtoa Ramilison Diamondra. Anisan’ny voalaza amin’izany ireto manaraka ireto :

  • Alahady hitondrana ambavaka ny FIFAB anio
  • Mankalaza ny faha 25 taonan’ny SPAA amin’ity taona ity ka nosokafana omaly izany. « Miorena tsara amin’ny finoana hianareo », izany no lohahevitra napetraka amin’izao 25 taona izao. 10 Oktobra 2021 no ivony ary ny 4 Desambra 21 no famaranana ny fotoana.
  • Fidirana roa hatrany no misy amin’ity volana Oktobra ity, amin’ny 7 ora sy amin’ny 10 ora. Ny sekoly Alahady dia amin’ny 9 ora hatramin’ny 10 ora. Ny k6 hatramin’ny k10 no manatrika ny fampianarana amin’ny heriny.
  • Ny fianarana Jaona dia ny Jaona 15 no hitondran’ny mpitandrina ny fampianarana
  • Antsoina ny mpihevi-draharaha ny Sabotsy 17 oktobra @ 8 ora maraina
  • Ny rakitra sy voady, adidy dia mitontaly Ar 4 678 300
  • Filazana Manjo : nodimandry Atoa Randriambololona René, maty ny 6/10 teo amin’ny faha 80 taona
  • Ny herinandro manaraka dia an’ny SMZM
  • Hitohy ny fotoampivavahana iarahana amin’ny zokiolona arahina fandraisana ka amin’ny 21 oktobra @ 9 ora maraina no hanatanterahina ny amin’ity volana

Fanoloran-java

Ny zaza Harentsoa Annaëlle Melodia an’i Avo no natolotry ny ray amandreniny tamin’ity Alahady ity. Natao ny hira 480 : 2 natao tamin’izany. NItrotro ambavaka ny fanolorana ny zaza ny Fiangonana.

Rakitra sy fanomezana

Namaky avy hatrany ireo voady sy rakipisaorana ny Atoa Razafindrabe John Bam. Ny hira « Misaotra anao izahay » no nisy nangataka voady.

Ho fanolorana ny rakitra dia ny Ffpm 437 : 3

Nisy feonjavamaneno fohy ary niroso avy hatrany tamin’ny vavaka fangatahampitahiana.

Famaranana ny fotoana

Natao ny hira FF 3 mialoha ny filazana ny tondrozotra sy tsodrano ary ny hira Ffpm 621 : 1 kosa no namaranana ny fotoana

IREO TOMPON’ANJARA

  • Nikirakira ny fafana : RAJAOFETRA Arielle
  • Nikirakira ny fanamafisam-peo : RANDRIAMAHEFA Tinarivony
  • Naka ny sary : RAKOTONDRAMBOA Andry
  • Nandray an-tsoratra : ROBEL Hanitra
  • Nitendry orgue: RAJAOFETRA John

Alahady 11 Oktobra 2020 :: Alahady STK

Alahady 11 Oktobra 2020. Alahady ankalazaina ny ivombokatry ny sampana tanora kristiana. Alahady hitondrana ambavaka ihany koa ny SP Andrefana noho ny faha 25 taonany. Mbola mibanjina hatrany ny lohahevitra « Mirosoa amin’ny finoana Masina » isika. Nitarika ny fotoana anio ny Rtoa Fy Rakotomalala, mpianatra ho mpitandrina. Ny nanao ny vavaka sy ny vakiteny dia ireo mpikambana ao amin’ny STK avokoa, Rtoakely Razafindrakoto Mikanto, Andriamampianina Faneva, Andriamampianina Tsanta. Ny nitondra ny hafatra kosa dia ny mpianatra ho mpitandrina Ramilison Diamondra.

Taorian’ny feonjavamaneno fidirana dia nanao anjara hira avy hatrany ny STK « Mahagaga ».

Fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra

Ho fiderana an’Andriamanitra dia novakiana ny Salama 33 : 12 – 22. Natao ny FFPM 6 : 1, 2. Nanao ny vavaka fisaorana ny mpitarika taorian’izany.  

Nisy feon-javamaneo avy hatrany taorian’izay.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

Fotoana ho an’ny Sekoly Alahady

Zoky Rajaonarivelo Yasmina, mpampianatra K7 no nitondra ny fampianarana ho an’ny ankizy. Ny bokin’ny Jeremia 33 : 3 « Antsoy aho dia hoavaliako hianao ka hampisehoaka zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao » no nitondrany ny hafatra ho an’ny ankizy.

Nisy tantara nentiny natao fanoharana ny amin’ny hafatra nentiny. Na inona manery antsika dia antsoy foana Andriamanitra.

Vavaka no namaranany ny fotoana izay notanterahiny.

Natao ny FFPM 210 : 1, 4 mialoha ny vavaka sy vakiteny.

Vavaka sy vakiteny

Mialoha ny vavaka dia nambara ny perikopa anio dia ny I Samoela 17 : 42-51, Lioka 17 : 1-6, I Korintiana 16 :13-18 ary novakiana izay avy eo.

Natao ny FF 26 : 2, 3 mialoha ny hafatra.

Toriteny sy hafatra

Ny Lioka 17 : 1-6 no nitondrany ny hafatra. Eny andalana hiakatra ho any Jerosaleman Jesoa sy ny mpianatra eto. Fampianarana ny amin’ny fandeferana sy ny finoana no voalaza eto.

  1. Meteza mitombo amin’ny finoana

Raha raisina eto izany dia misy hetaheta lalina tamin’ny Apostoly « Ampitomboy ny finoanay ». Rehefa nandre ny fampianaran’i Jesoa Kristy ny Apostoly dia nahatsiaro fa tsy ampy ny finoana izay efa nananany.

Zava-dehibe ny fahatsapana hoe hatraiza moa ny finoana izay hanananao. Ny fananana hetaheta no dingana voalohany raha te hiroso.

Faharoa dia mila manaiky ny tsy fahatanterahintsika isika ka matoky ny fitiavan’i Kristy.

Nanana finoana miezinezina ireto Apostoly ireto. Nanana tanjona ara-pinoana lehibe izy ireo.

Mila manana hetaheta aloha isika voalohany raha te hanao zavatra tsara ka te hanatratra tanjona. Hetaheta hidera an’Andriamanitra, hiaraka amin’ny tanora.

Tokony manao toy ireto Apostoly ireto isika eo amin’ny fiainantsika izany.

Ny fitomboana amin’ny finoana dia entina miaina ny fitsipi-piainana omen’ny Tompo. Ireto avy izany fitsipi-piainana izany :

  1. Ny mpino dia tsy mpanafintohana olona (Loza ho an’ny olona izay miteraka fanafintohinana)

Ny mpino dia mitaona ny olona hanaraka ny Tompo, ny mpino dia mitandrina ny teny, ny tena, ny mpino dia mitsara ny teniny amin’ny alalan’ny sitrapon’Andriamanitra.

Mila manana fahasahiana isika amin’izao fotoana hatrehintsika izao, mila mivoaka amin’ny fahanginana isika noho ny fahatafintohinana ateraky ny toe-draharaha ankehitriny

  • Ny mpino dia mananatra ary mamela heloka

Raha mananatra ny rahalahy dia atao amin’ny fahasoavana izany. Ny fanaranana ny olona dia miainga amin’ny tenin’Andriamanitra. Raha manao izany isika dia tsy atao amin’ny fo fotsiny.

Jesoa dia efa nampiantra antsika mba hifamela heloka ihany koa. Ny fepetra napetrany nefa dia misy ny fifonana ary misy ny fanekena izany fifonana izany.

Eo amin’ny fiarahamonina dia misy ny fifamelankeloka tokony ho tanterahina toy ny efa namelan’i Jesoa ny helontsika.

MIrosoa sy mitomboa amin’ny finoana amin’ny fanarahana ny Tompo

  • Mampisy ny ts misy ny finoanao

Eo amin’ny andininy 6 dia milaza fa na madinika aza ny finoanao dia mety ahavitanao zavatra lehibe izany.  Ny Tompo ia mitaky fanetre-tena aminao rehefa manao zavatra hianao. Tsy tokony handeha amin’ny herin’ny tena ny olona iray rehefa manao zavatra.

N’inona angatahina amin’ny anaran’ny Tompo dia tanterahiny izany. Raha mifanaraka amin’ny sitrapony izany dia tanterahiny. Mila mankato sy manana fiombonana aminy isika raha te ho afaka tanteraka.

Tsy voatery hamorona ny tsy misy zay vao hanana finoana.

Ny finoana no hampahiratra indray ny fiainana sy ny fanompona izay tanterahinao.

Tsy tokony hiala sy hampiala ny hafa amin’Andriamanitra ary tokony mangataka fahatokiana amin’Andriamanitra mba ahatontosa sy ahalasa lavitra antsika amin’ny finoana.

Nisy feonjavamano ary nanao ny anjara hira ny STAF « Raha mbola ao ny Tompo ».

Nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika taorian’izany.

Taorian’izay dia nanambara ny fanekempinona faharoa ny mpiaramanompo rehetra ary nisy feonjavamaneno nanaraka izany.

Tatitry ny sampana

Nanao ny tatitry ny tompon’andraikitra, Atoa Rajaonarivelo Nomena no nanao izany. Nilaza ireo asa vita tao anatin’ny herintaona izy. Anisan’izany ny fanaovana ny tafika masina, ny fanatrehana ny fiofanana sy fivoriana foibe, ny fandraisana anjara tamin’ny lalao ara-panatanjahantena.

Nanao anjara hira ny STK « Tehirizo », taorian’ny tatitra.

Raharahampiangonana

Nambara ny raharahampiangonana Rtoa Rakotomanana Andry. Ny mpitandrina miana-draharaha eto ankehitriny dia Rtoa Ramilison Diamondra. Anisan’ny voalaza amin’izany ireto manaraka ireto :

  • Alahady hitondrana ambavaka ny FIFAB anio
  • Mankalaza ny faha 25 taonan’ny SPAA amin’ity taona ity ka nosokafana omaly izany. « Miorena tsara amin’ny finoana hianareo », izany no lohahevitra napetraka amin’izao 25 taona izao. 10 Oktobra 2021 no ivony ary ny 4 Desambra 21 no famaranana ny fotoana.
  • Fidirana roa hatrany no misy amin’ity volana Oktobra ity, amin’ny 7 ora sy amin’ny 10 ora. Ny sekoly Alahady dia amin’ny 9 ora hatramin’ny 10 ora. Ny k6 hatramin’ny k10 no manatrika ny fampianarana amin’ny heriny.
  • Ny fianarana Jaona dia ny Jaona 15 no hitondran’ny mpitandrina ny fampianarana
  • Antsoina ny mpihevi-draharaha ny Sabotsy 17 oktobra @ 8 ora maraina
  • Ny rakitra sy voady, adidy dia mitontaly Ar 4 678 300
  • Filazana Manjo : nodimandry Atoa Randriambololona René, maty ny 6/10 teo amin’ny faha 80 taona
  • Ny herinandro manaraka dia an’ny SMZM
  • Hitohy ny fotoampivavahana iarahana amin’ny zokiolona arahina fandraisana ka amin’ny 21 oktobra @ 9 ora maraina no hanatanterahina ny amin’ity volana

Fanoloran-java

Ny zaza Harentsoa Annaëlle Melodia an’i Avo no natolotry ny ray amandreniny tamin’ity Alahady ity. Natao ny hira 480 : 2 natao tamin’izany. NItrotro ambavaka ny fanolorana ny zaza ny Fiangonana.

Rakitra sy fanomezana

Namaky avy hatrany ireo voady sy rakipisaorana ny Atoa Razafindrabe John Bam. Ny hira « Misaotra anao izahay » no nisy nangataka voady.

Ho fanolorana ny rakitra dia ny Ffpm 437 : 3

Nisy feonjavamaneno fohy ary niroso avy hatrany tamin’ny vavaka fangatahampitahiana.

Famaranana ny fotoana

Natao ny hira FF 3 mialoha ny filazana ny tondrozotra sy tsodrano ary ny hira Ffpm 621 : 1 kosa no namaranana ny fotoana

Alahady 04 oktobra 2020

Alahady 04 Oktobra 2020
“MIROSOA AMIN'NY FINOANA MASINA”

Alahady hitondrana am-bavaka ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina mianakavy.

Alahady natokan’ny Fiangonana hitondrana am-bavaka ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina mianakavy, Alahady faha 17 manaraka ny Trinité, alahady himbanjinana indray ny lohahevitra vaovao manao hoe « Mirosoa amin’ny finoana Masina »

Ny fanompoam-pivavahana niditra tamin’ny 10 ora no taterina eto izao, ary ny litorjia endriny faha telo no narahina.

RANAIVOSON Jacky, biraom-piangonana, no nitarika ny fotoana ; RALANDISON Triumph, Mpitandrina, Tonian’ny sampan’asa sy asa fitoriana filzantsara eo anivon’ny foibe no nitondra ny hafatra.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny feon-javamaneno fidirana sy ny fiarahabana apostolika. Nataon’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny famakiana ny Salamo 33 : 1-8.
Ny hira FFPM 200 : 1-2 “RAINAY Ô MASINA!” no nohiraina nanarak’izany ary nataon’ny mpitarika ny vavaka fiderana. Nisaotra an’Andriamanitra tafavory eto ary nangataka ny Fanahy Masina ka izay rehetra atao eto dia ho voninahitr’Andriamanitra avokoa.
Nisy feon-javamaneno fohy

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

RAKOTOARISOA Tanteraka, mpampianatra ao amin’ny K1, no nitondra ny hafatra.
Koa ny Tenin’Andriamanitra noraisina tamin’izany dia ny Isaia 41:10a : “Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao”

Matetika ny ankizy rehefa hiatraika fanadinana dia matahotra ka tratran’ny fakam-panahy hangalatahaka amin’ny namany satria tsy matoky an’Andriamanitra. Tsy mitondra vokatsoa anefa izany satria mety ho voasazy mafy raha sanatria ka tratr kanefa ny tenin’Andriamanitra efa milaza hoe : « Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao”

Misy koa ny olona sasany tsy matoky ny fitiavan’Andriamanitra eo amin’ny fiainana hany ka rehefa te ho tafita izy dia lasa miditra amin’ireny fikambanana miafina ireny, kanefa Andriamanitra dia efa milaza amintsika manao hoe : « Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao”

Tokony hatoky Azy mandrakariva isika, indrindra rehefa misedra zavatra mafy eo amin’ny fiainana ary tokony hivavaka satria Izy dia hivadika amin’ny Teniny.

Nitsangana ny Sampana Sekoly Alahady rehetra nanao ny Hira FFPM 512 :2 “ HE! MATOKY AHO TOMPO ” nofaranana tamin nofaranana tamin’ny vavaka fisaorana an’i Jesoa noho ny famindrampony.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Natao avy hatrany ny hira FFPM 242 : 1-3 “MISAOTRA ANAO ‘ZAHAY RY RAY” mialoha ny vakiteny .
RAKOTOMANANA Andrimbazotiana, biram-piangonana no nanao ny vavaka ary RAZAFINDRABE John Bam, biram-piangonana no namaky ny Soratra Masina. Novakiana misesy ny perikopa voalahatra ao amin’ny Eksodosy 14:15-22 / Jaona 9:35-41 / Joda 1:17-23
Natao ny hira FFPM 482 : 1-2 “JEHOVAH Ô! IANAO” mialohan’ny toriteny.

TORITENY

Ny Teny nangalana ny hafatra dia ny Mpitoriteny 8 : 12-13. Novakiana izany andinin-tSoratra Masina izany « Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’ izay matahotra an’ Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany. Fa tsy hisy soa ho an’ ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan’ Andriamanitra. »
Ny fahendren’ny olona dia miankina amin’ny zavatry ny tany. Mila miverina amin’Andriamanitra ny olona. Tsinontsinona izay rehetra ety ambany masoandro. Mila mahay manavaka izay avy amin’Andriamanitra sy ny tsy avy Aminy.
Ankehitriny, ny mahamaika ny olona dia ny hahatonga ny fiainany ho tsaratsara hatranay. Ny maha olombelona azy no jereny. Soa fa teo ny Tenin’Andriamanitra misarika ny sain’ny olona hoe misy soa izay matahotra an’Andriamanitra.
1- Tsy misy mahalala ny fotoampitsaran’Andriamanitra
2- Ny tahotra an’Andriamanitra no mitondra ny olona ho amin’ny fahavelomana

1- Tsy misy mahalala ny fotoampitsaran’Andriamanitra
Mila mivonona hatrany isika. Ny fitiavan-tena dia miteraka faharatsiana. Ankehitriny tsy mifampitsinjo intsony ny olona fa atao izay hahazoana voninahitra sy harena. Hita ao amin’ny Salamo 73:1-3.
Araka ny Filazantsaran’i Marka, mihevitra ny ratsy fanahy fa tsy ho faty, matoky tena ka mihevitra ny ho ela velona.
Ry katekomena, nisafidy ny hanara-dia ny Tompo ianareo ka aza mety ho voarebirebin’ny akanga tsara soratra. Maro ny fampianaran-diso ankehitriny.
Aza manamari-tena. « Lozan’ izay milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy » Isaia 5:20
Manana ny fotoanany Andriamanitra. Manome malaka ny olona hisafidy Izy. Misy fotoanany ny zavatra rehetra nefa rehefa tongabny fotoanan’Andriamanitra dia aza tratra farany. Mila fiomanana ny fahatongavany
2- Ny tahotra an’Andriamanitra no mitondra ny olona ho amin’ny fahavelomana
Mila manaiky ny fahadisoany ny olona. Ny adin’ny mpino dia tsy ady amin’ny nofo aman-dra. Jesoa irery no azo hianteherana handresena ny hevi-petsin’ny satana rehetra. « Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy. » Ohabolana 1:33
Ny tahotra an’aAndriamanitra dia ny fahendrena hikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra. Ahoana ny fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra?
Mila manadio tena, mila fihovam-po, mankato ny didin’Andriamanitra. Andriamanitra no mpandray an-tanana ny ho avin’ny olona matahotra Azy koa apetrao ary meteza ho tantatan’Andriamanitra ny fiananaao ; fantaro fa famindram-po lalandava no ataony.
Ny endry nandray fampianarana avy amin’i Jesoa Kristy dia afaka manavaka tsara sy ny ratsy. Misy andraikitra sy adidiy miandry ny mpanara-dia an’i Kristy dia ny fahalebiazany’ny fahatohorana an’Andriamanitra. Andriamanitra no atahory ary ny didiny no tandremo fa ny atao rehetra dia entin’Andriamanitra hitsarana anao.
Ho an’Andriamanitra ny voninahitra.

Feon-javamameno fohy taorian’ny toriteny ary nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika.

Rehefa vita izany dia nohiraina ny hira: FFPM 503 “RY JESOA TOMPO TSARA Ô”

Natolotra ny teny famelan-keloka ary natao ny Hira: FFPM 461 : 1 “ AOKA HO AN’ANDRIAMANITRA ” mialohan’ny nanononana ny Fanekem-pinoana kristiana laharana faha 1.

Nanatanteraka hira iray ny antokom-pihira Hasin’ny Famonjena

TATITRA KATEKOMENA

Nandray fitenenana ny solotenan’ny katekomena : Nisaotra an’Andriamanitra ny katekomena fa afaka nianatra ihany nandritra ireny fotoana sarotra ireny, nisoatra ny Mpitandrina sy ny mpampianatra ary mametraka eo ampelatan’Andriamanitra ny tohiny rehetra.

VAOVAOM-PIANGONANA

RAZAFIMAHARO Mamy no nilaza ny raharaha. Niarahaba manokana ny katekomena.
– Ny tsara fantarina :
Synodamparitany :
Feno 25 taona.ny SP, amin’ny 10 oktobra ny fankalazana ka noho ny hamehana sia isam-paritra no hanaovana izany.
11 oktobra : Fivoriam-be any amin’ny isam-pitandremana
Ho an’ireo SSAA any amin’ny fitandremana, hankalaza jobily amin’ny taona 2021 : mila alefa ny daty
Eto an-toerana :
200 no afaka manatrika ny fotoam-pivavahana, mila manaraka ny fepetra rehetra. Mila misoratra anarana. In-droa ny fidirana : amin’ny 7ora sy amin’ny 10 ora.
Fahalalana Soratra Masina ity alahady ity. Mitohy ny famakiana ny Filazantsaran ‘ i Jaona. Mitohy koa ny rojombavaka. Fandraisan-tanana sy Fitondrana am-bavaka ny Mpitandrina mivady sy ny ankohonany ny alahady 4 oktobra.

RAKITRA SY FANOMEZANA

RAKOTONIRINA Tsiry solontenan’ny Vaomieran’ny Aim-Panahy no nandray ny fitenenana.
Enti-mody ny laza-adina ary ny alahady 4 oktobra no hamerenana azy. Alefa taratasy na hafatra miafina (MP) any amin’ny Facebook « Vap Amparibe Famonjena », na mail amin’ny adresse « vap.amparibefamonjena@gmail.com »
Ny hira FFPM 476:1, hira nangatahan’ny mpianakavin’ny finoana nanao voady, no natao nandritra ny fanatazana ny rakitra.
Natolotra teo am-pitsanganana tamin’ny alalan’ny hira vavaka FFPM 275 : 1 “RAISONAO, RY TOMPOSOA, NY FANATITRAY” ny rakitra, ho fanavaozana ny fanolorantena.
Nisy feon-javamaneno dia notohizana tamin’ny vavaka fangatahana.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina no nanao ny vavaka fangatahana. Nisaotra an’Andriamanitra izy, misaotra mandrakariva hoy izy, satria mendrika ho Azy izany. Ny fahasoavan’Andriamanitra no maha toa izao.
Tsy misy mahalala ny fotoam-pitsarana fa mila miomana hatrany. Avy nanavao ny fanoloran-tena tamin’ny raki-pisaorana izay entina hampandrosoana ny asan’Andriamanitra.
Mivavaka ho an’ny Fiangonana, ny mitondra Fiangonana, ny mpitory Filazantsara
Mivavaka fa amin’ity taona ity dia feno 25 taona ny SP ka mametraka izany eo ampelatanan’ny Tompo.
Mivavaka ho any fahalalana ny Soratra Masina. Na eo ary ny fahasarotana dia natao vaindon- draharaha izany. Mampitombo finoana sy ny fahalalana ny Teninan’Andriamanitra izany sy hahafantarana ny sitrapony.
Mivavaka manokana ho an’ny katemena “Mijoro”. Volana vitsy sisa dia horaisina izy ireo ka tsy hisy ho latsaka an-dalana anie. Mahatsiaro ny Asa Fikarohana sy Fandalinampinoana. Asa makadiry izany ato amin’ity Fiangonana misy anay ity. Mba ho vita sy ho lavorary ka handroso hatrany.
Mivavaka ho an’ny firenena. Mbola ao anaty fotoan-tsarotra ka Ianao Tompo hampandroso amin’ny fahatsarana hatrany. Mivavaka ho ny mpitondra firenena, ny mpitsabo, ny mpitandro filaminana. Ho tanteraka anie fa ianao Kristy dia ho an’ny Malagasy ary ny Malagasy ho an’i Kristy.
Ho eo ampelatanan’Andriamanitra ireo rehetra manana fahasahiranana, ireo mpianatra koa satria ireo ny ho avin’ny Fiangonana sy ny firenena. Mangataka amin’Andriamanitra hijery ireo any ampielezana satria Andriamanitry ny lavitra sy akaiky Izy.
Misy mpanompo mangata-bavaka manokana, misy manao voady fa mandalo ady sarotra ka hiaino hanome fandresena Izy.
Izay tsy takatry ny saina dia angatahina ho tanteraka amin’ny rehetra. Ary izay tsy feno amin’ izao vavaka izao dia akambana amin’ny vavaka tonga lafatra nampianarin’i Jesoa : Rainay izay any an-danitra…Amena

FAMARANANA NY FOTOANA

Nataon’ny Fiangonana ny hira FFPM 476: 4 “NY EO AKAIKINAO, RY RAY”, novakiana ny tondrozotra 2020 ; natolotra ny tsodrano, nohiraina ny hira FFPM 338 “AROVY AHO, TOMPO” nofaranana tamin’ny Amena hiraina, nivavaka mangina.
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Amena

IREO TOMPON’ANJARA

  • Nikirakira ny fafana : RAKOTONDRAMBOA Andry
  • Nikirakira ny fanamafisam-peo : RANDRIAMAHEFA Tinarivony
  • Nikirakira ny oronan-tsary : RABEMANANORO Jonathan, RAHARIJAONA Solofonirina ary RANAIVOSON Joël
  • Naka ny sary : HARENTSOA Rova
  • Nandray an-tsoratra : RABAKO Tovohery
  • Nitendry orgue: RAJAOFETRA John Philippe