Novakiana ny andinin-tsoratra masina I Petera 1:17 nanombohana ny filazan-draharaha : «Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara araka ny asan’izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ny fahatahorana mandritra ny andron’ny fivahinianareo etỳ »Toy izao manaraka izao ny vaovaom-piangonana hampitaina amin’ny mpianakavy ny finoana :
· Natao ny fanentanana ny amin’ny fanajana ny fepetra hamehana ara-pahasalamana efa napetraka : fanasana tanana mialoha ny hidirana, fanaovana aro vava, fanajana ny elanelana iray metatra
· 20 septambra : alahady nato hitondrana am-bavaka ireo sampana mitaiza tanora rehetra
· Mitohy ny fianarana katekomena
· Alahady 26 septambra : manao ny fisintonana kosa ny katekomena manomboka amin’ny 8 ora maraina eto amin’ny tananan’ny fiangonana
· Miverina ny maraim-baovao isaky ny asabotsy maraina
· Zanaky ny fiangonana hiroso amin’ny fanambadiana : Atoa Ramaromandray Tojo sy Rtoa Rabefaritra Domoina
· Alahady 27 septambra : Alahady hanohanana ireo Katekomena
· Alahady 27 septambra : fifaninanana Soratra Masina. Alaina aty am-piangonana ny laza adina, averina ny alahady 04 oktobra ny valiny.
Perikopa hiomanana :
< 10 taona : volana Jona sy Aogositra
11 – 15 taona :Aprily sy Aogositra
16 – 25 taona :Jolay sy Aogositra
26 – 39 taona :Mey, Aogositra ary Jaona 6 sy 7
40 taona mihoatra :Jolay, Aogositra ary Jaona 6 & 7