ALAHADY 30 AOGOSITRA
" MAHATOKY HATRAMIN’NY FAHAFATESANA NY MINO "
Alahady natokana itondrana am-bavaka ny Akany fialofana Tangaina.

Alahady farany ibanjinana ny lohahevitra “Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino” ; Alahady faha roa ambin’ny folo (12) manaraka ny Trinite ; Alahady natokana itondrana am-bavaka ny Akany fialofana Tangaina ; Ny Mpitandrina ANDRIANTSILAVO Nofy no nitarika ny fotoana ; Ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina kosa no nitory ny tenin’Andriamanitra ary ny Asa 21, 10 – 14 no nangalana ny toriteny
FANOMBOHAN’NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA
Ny litorjia , endriny faharoa no nentina nitondrana izao fanompoam-pivavahana izao.
Taorian’ny fiarahabana Apostolika nataon’ny mpitarika dia ny tenin’ny Soratra Masina araka izay voalaza araka ny SALAMO faha 66 and. 1-4 no noraisina ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra.
Ny hira FF 6 and 1 – 3 no hira nentina nanombohana ny fotoana, ho fiderana an’Andriamanitra.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA - SEKOLY ALAHADY

Zoky RANDRIAMBELOSON Malalatiana no nanatontosa ny dimy minitran’ny Sekoly Alahady
Jesoa ô misaotra anao izahay noho ny amin’izao fotoana izao. Ny Fanahy Masina anie hanazava ny sainay mba ho azonay izay tianao ambara aminay. Mitenena Jesoa ô fa vonon-kihaino sy hankatoa izahay Amen.
Ny Asan’ny Apôstoly 4,12 no nangalana ny hafatra ho an’ny tanora. “Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa ; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay ahazoantsika famonjena.”
Jesoa Kristy irery ihany no tokony itokiantsika amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zavatra rehetra. Azy aloha izay vao manapa-kevitra. Manontany Tsy mitoky amin’ny olona na amin’ny zavatra na amin’ny herin’ny tena na amin’ny fombafomba maro samihafa.
Tantara fohy: Fiaran-dalam-by mampitohy an’I Angleterre sy Ecosse no tojo andro ratsy. Mandalo moron-tsiraka ity fiaran-dalamby ity, ratsy anefa ny andro ary dia nanonja mafy ny ranomasina ka niakapoka tamin’ny tetezana. Nijanona ny mpamily teo anoloan’ny tetezana satria nanahy izy sao tsy hahazaka ny fiarandalamby ilay tetezana. Nanoloana izany fihetsika nataony izany dia nitabataba ny olona nandodona ilay mpamily mba hiroso. Narosony ary ny fiara tampoka teo natelin’ny rano ny tetezana niaraka tamin’ ilay lamasinina. Jesoa Kristy irery ihany no tokony ametrahana ny fitokisana. Tao anatin’ity fiaran-dalamby ity dia nitoky tamin’ny mpamily ny mpandeha, ilay mpamily kosa dia nametraka ny fitokisany tamin’ny tetezana. Arak any tenin’Andriamanitra natolotra antsika teo dia Jesoa Kristy irery ihany no tokony ametrahantsika fitokisana. Isika dia toy ny mpandeha handeha lavitra ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Jesoa Kristy irery ihany no lalana ahatongavantsika any, Izy irery no mpamonjy azo antoka. Ho avy ny fanadinam-panjakana, omena antsika zandry sy zanaka rehetra izany tenin’Andriamanitra izany. I Jesoa Kristy irery ihany no itokio, ankino aminy izay ataonao rehetra dia hahita fahombiazana. Rehefa mitoky amin’I Jesoa Kristy ihany koa isika dia ho tafita any amin’ny fiainana mandrakizay.
Nisy ny vavaka notanterahina taorian’izany : Jesoa ô, misaotra Anao izahay. Vonona izahay ny hatoky Anao amin’ny fotoana rehetra dia apetrakay eo am-pelatananao ry Tompo ireo zandry sy zanaka izay hanala fanadinana amin’ny erinandro mba hahatoky Anao hatrany Amen.
Mialoha ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra dia nohirain’ny Fiangonana ny hira FF 6 and. 2
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA.


Vavaka: RAZAFINDRABE Mamy Bam : » Ry Tompo Andriamanitray ô, dia mbola misaotra Anao izahay fa mbola tonga amin’izao fotoana izao ahafahanay indray mandray ny teninao. Misaotra anao izahay amin’ny mpanomponao izay hitondra aminay ny teninao. Koa Mangataka aminao izahay ampidino amin’ny mpanomponao ny Fanahy Masina hiasa mangina aminy ahafahany mamaky ny teninao ho teny velona tokoa ho sakafonay. Ny Mpanomponao izay itondra ny fanazavana ny teny dia androtsay ny Fanahinao Masina ka Ianao mihitsy no hanazava aminay ny teny fa ho fitaovana fotsiny ihany izy. Ary izahay izay handray dia mangataka aminao mba ho mpihaino Mankato ary hanao tokoa ny sitraponao. Izany dia ho voninahitrao ihany ry Tompo ô. Amen «
Vakiteny :
- RABEZANDRINA Lalaina
Testamenta taloha: Joba 2,1-10
- Testamenta vaovao:
Marka 10, 32-34
Asan’ny Apostoly21,10-14
Ny hira FFPM 205 and. 4 no nohiraina mialoha ny toriteny.
TORITENY

Mamarana ny lohahevitra “Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino” isika izao.
Alahady faha 12 manaraka ny Trinite anio ary natokana itondrana am-bavaka ny Akany fialofana Tangaina
Ny Asa 21,10-14 no nangalana ny toriteny
Fotoana kely talohan’ny fotoanan’ny fankalazana ny andron’ny firavoravoana ny Pentekosta io fotoana izay niasan’i Lioka ao amin’ity Asan’ny Apostoly toko faha 21 ity ary fotoana izay fiomanana iakarana any Jerosalema . Anankitelo ny fotoan-dehibe eo amin’ny Jiosy izay anaovana fivahinianana masina iakarana any Jerosalema dia ny Paska, Pentekosta ary fetin’ny Tabernakely. Eto dia ny fotoana fiomanana ho amin’ny Pentekosta no voasoratra. Tao amin’izany fiomanana izany no nisian’ny ady hevitra sy dinidinika nifanaovan’i Paoly sy ny namany. Nafana ny fanenjehana ny Kristiana tamin’izany fotoana izany. Ary ireo mpitarika fiangonana Kristiana no tena nokendrena indrindra fa ny Apostoly Paoly. Tamin’io fotoana io dia nandrasan’ny Jiosy ny fiakaran’i Paoly tao Jerosalema. Tao an-tranon’i Filipo no nitoeran’i Paoly sy ny namany nanaovany izany dinidinika izany.
Ny vontoatin’ny dinidinika dia mahakasika ny hiakarana na ijanonan’I Paoly hiakatra any Jerosalema amin’ny andro fankalazana manoloana ny fanenjehana azy. Tamin’izany fotoana izany no nahatongavan’ilay mpaminany avy any jodia tao amin’ny tranon’i Filipo antsoina hoe Agapo. Izy dia nanambara fa hisy zavatra hanjo an’i Paoly. Nambarany fa ho samborina i Paoly rehefa tonga any Jerosalema ka ho kapohina sy ho ampijaliana ary ho vonoina mihitsy i Paoly. Tsy naharesy lahatra an’i Paoly hijanona i Paoly ary hoy ireto namany ireto hoe” Aoka ny sitrapon’Andriamanitra no ho tanteraka” Nanoloana izany dia nanambara Paoly fa vonona na dia hanaraka hatramin’ny ainy aza ho voninahitr’I Jesoa Kristy Tompo izay niantso azy. Na dia fantatra aza ny zavatra mety hanjo amin’ny fanatontosana ny asan’ny Tompo dia aoka isika hianatra ny nataon’i Paoly hanahaka an’i Jesoa Kristy ka hanambara sy haneho fa tsy hatahotra amin’ny fanatanterahana ny asan’Andriamanitra ary mijoro vavolombelona na dia hatramin’ny fahafatesana aza.
Tsy matahotra ny mino amin’ny fanatontosana ny asan’ny Tompo na dia hihatra hatramin’ny fahafatesana aza eny tsy miemotra na dia fantatra aza ny loza mety hanjo. Tian’i Paoly ampitaina amin’ny namany sy ny vahoakan’Andriamanitra izany toe-tsaina izany. Izany toe-tsaina izany dia voafehy amin’ireto anankiroa ireto: Voalohany Ny asan’Andriamanitra vita no vain-dohan-draharaha ; Faharoa Andriamanitra dia tsy mampanao zavatra tsy ho vita.
Izany fomba fijery izany no nahatonga an’I Paoly hanoratra ao amin’ny I Korintiana 10,13 manao hoe “Fa tsy misy fakam-panahy izay mahazo ny olombelona ka tsy zakany. “ Izany no aoka ho ao an-tsaintsika manoloana ny asan’Andriamanitra. Tsy mamela antsika ho irery ny Tompo, Tsy maintsy vita ny asan’Andriamanitra ary Andriamanitra tsy hampanao zavatra antsika zavatra tsy vitantsika.
Ny perikopan’i Joba dia mampiseho antsika fa na dia mafy aza ny fitsapana nahazo an’i Joba dia nifikitra sy nahatoky an’Andriamanitra izy. Na dia naneso sy nandatsa ary niteny ratsy an’i Joba aza ny vadiny dia nanaiky izay fandaharan’Andriamanitra hiatra taminy Joba. Nandalo taminy ny aretina ny fahoriana ny fahantrana kanefa tsy niala tamin’Andriamanitra Joba. Ny olona mino dia mahatoky hatramin’ny fahafatesana.
Mijoro vavolombelona ny Kristiana na dia hatramin’ny fahafatesana aza. Ohatra amin’izany I Paoly izay vonona na dia hatramin’ny fahafatesana aza. Ny Alahady 12 Aogositra dia alahady natokana ahatsiarovana ireo Maritiora. Ny Maritiora dia nijoro vavolombelona hatramin’ny fahafatesana anisan’izany Paoly Apostoly sy ireo Kristiana nanerana izao tontolo izao anisan’izany Rasalama Maritiora, dadabe Rainimamonjy … Isika FJKM dia zanaky ny Maritiora ka tokony hijoro vavolombelona isika na dia hatramin’ny fahafatesana aza. Fotoana amelomana izany fahasahiana izany izao vanim-potoana iainantsika izao. Paoly dia niezaka naneho ny fanahafany an’i Kristy manoloana ny fahavononana ho vavolombelon’Andriamanitra na dia hanaraka hatramin’ny aina aza ary namporisika ny olona hanao izany koa Paoly.
Izay sahy amin’ny fijoroana vavolombelon’ny Tompo na hatramin’ny fahafatesana aza dia manana ireto toetra ireto:
voalohany dia miha-mahery izy manoloana ny sakana amin’ny fanatontosana ny asan’Andriamanitra, tsy miady irery izy fa miaraka aminy ny Tompo.
faharoa dia mitombo sy miha-mafy ny finoany. Ary mitafy ny herin’ny Tompo izy ka mahatsapa fa feno ny Fanahy Masina ka hanahaka ny Tompo ary ho vonona hatramin’ny fahafatesana.
Ny niainan’i Paoly tamin’izany fotoana izany dia sahala amin’ny niainan’I Jesoa.
Samy nahalala ny loza hanjo Azy Jesoa sy Paoly kanefa tsy nihemotra izy.
Andriamanitra dia manana ny hevitra iheverany antsika ary hevitra ahatonga fiadanana fa tsy loza. Teny fampaherezana ao anatin’ny fotoana farany izay sarotra izany. Teny nentina hampaherezana ny zanak’Israely izany rehefa ho entina any am-pahababoana izy ireo. Manana ny hevitra hiheverany ny olony ny Tompo ary fiadanana fa tsy loza. Misy olona mijoro vavolombelona nitantara izay nahazo azy rehefa voan’ny Corona-virus. Tsy manan-javatra tenenina sy ambara afa-tsy ny vavaka sy ny anaran’i Jesoa. Mahery vaika ny fitsaboana. Hoy izy “Raha amin’izao fotoana izao aho no afaka miantso an’i Pasitera ka afaka maheno ny feon’i Pasitera dia mba zava-dehibe amiko izay ka na dia ho faty aza aho dia fifaliana ho ahy izany satria sady tafahorina tsara tao amin’ny finoana aho no nahazo fampaherezana tamin’ny Mpitandrina.” Rehefa sitrana izy dia niantso ka niteny hoe”Isaorana ny Tompo, omem-boninahitra Jesoa satria nomeny fandresena aho ka mbola sitrany ny hananako tombon’Andro entiko anompoana azy”. Ry Kristiana Amparibe Famonjena, hoy ny Tompo aminao “Aza matahotra ianao fa momba anao Aho ary aza mierikerika foana ianao fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao miara mandia aminao miaraka aminao ary mijery sy mitsinjo anao hatrany” Tsy maintsy ho resy io aretina io ary omen’Andriamanitra fandresena isika izay mitazona ny finoana an’i Jesoa Kristy. Tao anatin’ny fiaretany nandritry ny fanarahany ny Tompo i Paoly dia hoy izy ”Iza no ahasaraka ahy amin’ny fitiavan’I Kristy, fahoriana va, fanenjehana va fahafatesana va? “
Manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika fa mahatoky aho fa na fahafatesana na fiainana na ny ambony na ny ambany na inona na inona amin’izao ady izao dia tsy ahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa. Teny nampahery ny fiangonan’Andriamanitra fahiny izany teny izany ary mbola ampaherezana antsika ankehitriny. Ry Fiangonana Amparibe Famonjebna ô, matokia fa ny fandresen’Andriamanitra mihitsy, ny fandresen’i Jesoa Kristy mihitsy no nomeny anao mba ho entinao mijoro sy manatanteraka ny asa. Aza kivikivy, aza reradreraka fa mijoroa hatrany, manàna fahasahiana tahaka ny fahasahian’ny Apostoly Paoly izay olombelona tahaka antsika ka nantsoina hanatontosa ny asan’Andriamanitra. Na mafy aza ny aretina na misy aza ny tsy fahasalamana dia mahatokia an’Andriamanitra, mahatokia hatramin’ny fahafatesana satria ao anatin’ny fahatokisantsika hatramin’ny fahafatesana no isatrohantsika ny satro-boninahitry ny fiainana izay omen’ny Tompo mpitsara marina amin’izay fotoana izay. Ary tsy ho antsika irery ihany arak any nambaran’ny Apostoly Paoly fa ho an’izay rehetra mino ny fisehoany koa ka mahatoky hatramin’ny fahafatesana satria manana an’i Jesoa Kristy velona ao anatiny izay miasa tsy manam-petra dia ny Fanahy Masina no mameno azy mba ahavitany ny asan’Andriamanitra sy ny fijoroany ho vavolombelon’I Kristy. Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra Amen.
Nanatanteraka hira iray ny Hasin’ny Famonjena taorian’ny toriteny.
FENEKEM-PINOANA
Ny fanekem-pinoana laharana voalohany na ny fanekem-pinoana Apostolikoa no nanehoan’ny Mpianakavin’ny Finoana ny Finoany eo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana.
VAVAKA FANGATAHANA
Ry Tompo Andriamanitry ny famonjena anay ô, tsy mitsahatra izahay maneho fankasitrahana Anao fa Andriamanitra tia dia tia anay tokoa Ianao. Ary ny fitiavanao Tompo ô dia mialoha mandrakariva ny fitiavanay Anao. Mbola sitrakao indray Tompo ô ny andraisanay ny teny sy ny hafatrao izay notoriana taminay mba ampaherezanao anay hahajoro hatrany ho vavolombelon’ny Anaranao. Tsy hihaotra rehefa misy sarotra fa handroso hatrany ary hanatontosa ny zara fanompoana izay napetrakao hiantsoroana. Ho sahy mandrakariva hijoro vavolombelon’ny anaranao na dia misedra zava-tsarotra aza eo amin’ny fanatanterahana izany. Mivavaka aminao izahay Tompo ô ho an’ny fiangonanao, ho an’ny mpitondra fiangonana, ho an’ireo mpitory ny filazantsara rehetra, Tompo ô, apetrakay eo am-pelatananao izany mba hahavita tsara ny asanao. Ka tsy itsahatra sy ho voafatotra na ho voasakana izany asa fitoriana filazantsara sy fitaizana ao anatin’ny fiangonana izany. Ary izany indrindra no ahatsiarovanay ny Kristiana rehetra eto amin’ity Fitandremana Amparibe Famonjena ity sy ny zanaka am-pielezana rehetra na ny eto an-toerana izany na ny any am-pitan-dranomasina Mpamonjy ô mba haharitra hahatoky hatramin’ny fahafatesana anie izy ireny satria ao Aminao ihany no misy ny teny fiainana mandrakizay. Mivavaka aminao izahay Tompo ô ho an’ny ankizy sy ny tanora eo amin’ny fianaran’izy ireo ary indrindra ho an’ireo izay hiatrika fanadinana atsy ho atsy. Apetrakay feno eo am-pela-tananao izy ireo Tompo ô. Sy izany andraikitra sy adidy miandry azy izany fa ireo no taninketsan’ny fiangonana. Ireo no ho avin’ny firenena ary ireo no mbola antenainay fa mbola itondra hatrany ny finoana ka ifandimbiasana isaky ny taranaka ahavelona ny fiangonana sy ijoroany mandra-pihavinao Kristy. Mivavaka aminao izahay Tompo ô ho an’ny ankohonana sy fianakaviana kristiana rehetra eny fan a dia tsy kristiana aza Tompo ô amin’izao fotoana mangidy sy mafaitra ary sarotra izao. Apetrakay feno eo am-pela-tananao ny asan’izy ireny, ny momba ny fivelomany, eny ny momba azy manontolo satria misedra zava-tsarotra izy ireny fa ao ny very asa, ao ny miady amin’ny atao hoe inona no ho hanina androany ary inona no ho hanina rahampitso. Tompo ô, manana ny hevitra izay iheveranao azy ireny Ianao dia ataovy fantany fa Andriamanitra tsy mamela azy ireny ho kamboty Ianao fa mijery sy mitsimbina azy ary manafaka azy amin’ny sarotra. Mivavaka aminao izahay jesoa ô ho an’ity firenenay ity, ho an’izao tontolo izao mihitsy aza fantatray fa fantatrao rahateo fa ny fiatrehana izany fiatrehana ny afitsok’ity valan’aretina Covid-19 ity dia tsy eto Madagasikara ihany na eto amin’ny faritra Analamanga fotsiny fa manerana izao tontolo izao mihitsy ary izany no ametrahanay am-bavaka sy ametrahana eo am-pela-tananao ny olombelona rehetra manan’aina satria antsonao ihany koa izany ry Tompo. Ireny fizahan-toetra rehetra ireny Jesoa ô dia raisinay ho fiantsoana anay ho fampieritreretana anay ka na ao anatin’ny ratsy aza no ahatsapanay sy iainanay izany ary ahatsiarovanay hoe inona ary ity loza amin’atambo ity dia fantatray fa mampitodika anay Aminao misimisy kokoa izany. Dia raisinay ho antso Tompo ô hamelombelona ny finoanay sy ny fanantenanay ary azahoanay fahazotoana hanao ny asanao ka tsy hiato mihitsy izahay raha tsy tontosa izany zara fanompoanay izany, hanana fahasahiana izahay hijoro vavolombelonao mandrakariva isedra ny zavatra rehetra na ao anatin’izany vanim-potoana izany aza. Tompo ô, tehirizo ao anatinay izany toe-tsaina sy izany toe-piainana izany mba ahazoanay manompo Anao amin’ny fifaliana handrosoana sy hihitaran’ny ambaindain’ny fanjakanao. Mivavaka aminao izahay Tompo ô ho an’izay manana hataka manokana ary mangataka ho entina am-bavaka. Apetrakay feno eo am-pela-tananao izy ireo Tompo ô. Ianao no mahalala ny fibitsiky ny fony sy ny hetahetam-pony, Ianao hamaly vavaka azy ireny amin’ny fotoana rehetra. Ireo sahgirana, ireo marary, ireo mana-manjo, ireo azon’ny tsy fidiny, ireo mizaka ny tsindry hazolena, Mpamonjy ô, ho any amin’iza moa izahay. Ao Aminao no misy ny teny fiainana mandrakizay. Raiso izahay ary tazony fa tsy mahatana anao. Valio vavaka izahay fa fantatrao ny fahoriana izay mianjady aminay. Mivavaka aminao izahay Tompo ô amin’ny fisokafan’ny fiangonanay amin’ny Alahady ho avy izao. Apetrakay feno eo am-pela-tananao izany ka omany izahay tena saina fo fanahy ampaherezo izahay mba ahafahanay miombona amin’ny fanatanterahana indray ny fanompoana Anao eto amin’izao vavahadin’ny lanitra izao. Ary izany fiomananay izany Tompo ô dia ataovy tanteraka ka ho fifaliana safo nonoka ho anay ao anatin’ny fifankatiavana toy ny mpirahalahy miara-monina amin’ny fifaliana no iarahanay manatanteraka ny fanompoana masina indray eto anivon’ny fiangonanao.Izay mahasoa ny fiainanay Tompo ô tanterao aminay na dia tsy voatonon’ny vavanay aza. Fa ireny rehetra ireny dia akambanay sady farananay ho amboara tokana amin’ilay vavaka nampianarinao manao hoe
Rainay izay any an-danitra…
Rehefa izany dia nohiraina ny hira FFPM 194 : 2- 4
FAMARANANA NY FOTOANA
HAFATRY NY MPITANDRINA: Miverina misokatra ny fiangonana ny Alahady 6 Septambra 2O2O. Araka izany dia misy fidirana in-telo (7ora maraina , 9 ora maraina , 11 ora maraina). Misy fandraisana ny fanasan’ny Tompo ireo fotoana anankitelo ireo. Ny fianarana katekomena kosa dia miditra amin’ny 2ora sy fahefany ariva.
Tohizana ny fazotoana mivavaka any an-trano / Mila mifampivavaka isika / Tsara raha mandray anjara amin’ny rojom-bavaka / Mila manatanteraka ny voadintsika isika amin’i Jehovah Andriamanitra ary tokony hanefa ny adidintsika.
Rehefa tanteraka izany dia natao ny famakiana ny Tondrozotra ary taorian’ny fanambarana izany no natolotra ny Tsodrano.
Nofaranana tamin’ny fihirana ny hira FF 16 and 2 izao fanompoam-pivavahana izao ary natao ny vavaka mangina nofaranana tamin’ny trinité masina.
IREO TOMPON'ANJARA
- Nandray an-tsoratra: ZANAHARITSIMBA Toky Noely Tiana
- Nitendry ny feon-javamaneno: RABIAZAMAHOLY Mahery
- Nandrindra sy naka ny horonon-tsary sy ny sary : RABEMANANORO Jonathan
- Nikirakira ny feo: RANDRIAMAHEFA Tinarivony