Alahady 26 jolay 2020

Alahady 26 jolay 2020

IVOM-BOKATRY NY RFF
‘’Ambarao ny fahafahana ao amin’ny tompo’’

FIARAHABANA APOSTOLIKA

Ny Loholona Rajaonarison Jean Dieu Donné no nitarika ny fotoana. Andriamatoa Razafinarivo Andriatsilavina Nofy, Mpitandrina no nitondra ny hafatry ny Tompo. Andriamatoa Andriamampianina Randrianjaka, Diakona no nanantanteraka ny vavaka mialoha ny vakiteny. Ramatoakely Andriambolamanana Andriamihaja Toky no nanantateraka ny vakiteny. Ny II Timoty 2 :1-13 no tenin’Andriamanitra nangalana ny toriteny.
Alahady fahafito manaraka ny Trinité. Alahady natokan’ny foibe FJKM hitondrana am-bavaka ny Toeram-panomanana Mpitandrina (TPM) sy ny IFRP. Alahady famaranam-bokatra ny Rindra Fanantanjahantena sy Fialam-boly (RFF). Alahady farany hibanjinantsika ny lohahevitra manao hoe ‘’ Ambarao ny fahafahana ao amin’ny Tompo’’.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Novakian’ny mpitarika ny Salamo 34 : 1 – 8 ¬“Hisaotra an’I Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. Jehovah no reharehan’ny fanahiko ; hahare izany ny mpandefitra ka ho faly. Miaraha mankalaza an’I Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika. Mitady an’I Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ny tahotro rehetra . Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaiahy ny tavany . Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ny fahoriany rehetra. Ny Anjelin’I Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy. Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. »
Taorian’izay dia nohiraina ny hira FFPM 16 : 1 ”Avia ry vazantany o “.

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Natao ny vavaka fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra :”Ray o, midera anao izahay noho ny fitiavanao anay teo amin’ny Jesoa Kristy zanakao izay nomenao hamonjy anay. Mankalaza anao izay satria nomenao izao fotona izao ahafananay mihaona aminao. Manoloana ny fitiavanao dia mahatsapa fa mpanota tsy mendrika. Koa manatona anao amin’ny fanetre-tena izahay ary mangataka famelan-keloka avy aminao. Misaotra fa Andriamanitra mamindrafo sy miantra tokoa ianao ary mahari-po sady be famindram-po ianao. Misaotra noho ny famelan-keloka izay raisinay amin’ny finoana. Ankehitriny noho ny rany Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy, dia samy hiasan’ny Fanahy Masina mba handray sy hivelona ao amin’ny teninao mba hitombonay sy hiatsaranay amin’ny fitondran-tena masina. Amin’ny anarany Jesoa Kristy Zanakao . Amen”.
Taorian’ny vavaka dia niroso tamin’ny 5 minitra ho an’ny ankizy sy ny tanora.

FOTOANAN’NY TANORA SY NY ANKIZY - SEKOLY ALAHADY

Zoky Andrianantoandro Christian no nanatontosa ny dimy minitran’ny Sekoly Alahady. Ny Malakia 1: 6a no andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra fohy : « koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? Ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah »

Nohazavaina ary nakana lesona tamin’izany ireto sary telo ireto :

Sary 1 : sary mampiseho ny Ray amandreny na Raim-pianakaviana mibedy ny zanany.

Ny haja sy ny tahotra ny Ray amandreny izay hita maso. Ny tahotra eto dia  mety nisy nanao fahadisoana na mety namalivaly na koa tahotra  ny ho bedin’ny Dada sy Neny.

  • Sary 2 : mampiseho ny mpianatra sy tanora mandray ny fampianarana manoloana ny mpampianatra.

Hita eto ny fanajan’ny zatovo na ny  tanora mihaino ny fanazavana. Manaja ny mpamianatra, manana tahotra amin’ny fiatrehana ny fanadinana. Mihaino ny fanazavana, manana tahotra izy noho ny fiatrehana ny fanadinana. Izany hoe mety tsy ho tafavoaka izy ka any amin’ny lesona izay atao no mihaino tsara. Tahotra ny tsy ho tafasondrotra ny kilasy rehefa tonga ny farany taom-pianarana.

  • Sary 3 : Ramatoa miatrika asa ao am-piasana

Tahotra ny lehibeny raha sanatria tsy vita antsakany sy andavany  ny asa dia mety ho voasazy, na koa tahotra ny mety ho voaroaka

Ny lesona azo tsoahina, araka ny andinin-Tsoratra Masina : “koa raha Ray Aho, aiza izay hajako? Ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy?”. Maika lavitra noho ilay Andriamanitra izay Raintsika izay any andanitra, mahita antsika amin’ny toerana rehetra, mahafantatra ny zavatra rehetra.

Fampiharana : Rehefa miteny ny Ray amandreny : tonga dia mankato sy manatanteraka. Ho an’ny Tanora : mila manomana ny hoavy, any am-pianarana dia efa mifantoka amin’ny zavatra izay ampitain’ny mpanabe. Ho an’ny Ray amandreny : sarobidy amintsika ny fanajana hy lehibe.

Taorian’izay hafatra fohy sy vavaka dia nohiraina ny FFPM 205:1 « Ny teninao rehetra ».

FANKALAZANA NY TENIN’ ANDRIAMANITRA

Nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny Andriamampianina Randrianjaka, Diakona ary nanao ny vakiteny Soratra Masina kosa Andriambolamanana Andriamihaja Toky. Ny Perikopa novakiana dia ny II Samoela 7: 17-24; Lioka 8: 26-39; II Timoty 2: 1-13. Nohiraina ny hira FFPM 205: 4 « Fa teny mampisava ».

TORITENY

Ny Mpitandrina miana-draharaha Razafinarivo Andriatsilavina Nofy no nitory ny tenin’Andriamanitra.

Ny teny nangalàna ny hafatra dia avy ao amin’ny tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny II Timoty 2: 1-13.

Famaranam-bokatry ny RFF. Miaina fotoana sarotra isika satria tsy afaka manao izay tiana, misy ny teritery, misy ny fanenjehana. Sao dia mikohakohaka, sao tsy salama tsara ranamana, mandeha ny endrikendrika maro samy hafa.
Ao anatin’izany no hakana ny hafatra. Hibanjinana ny loha-hevitra hoe : “Ny tokony ho fiainany kristianina ao anatiny fotoan-tsarotra” : fizahan-toetra, sedra, olana ary izao fiainantsika izao, izay lalovan’ny fiangonana sy ny krstianina.

And 4-6 : Misy kazaran’olona telo izay miaina fotoana sarotra mandrakariva.

Toetra tokony ho raisina ho toetran’ny kristianina

Toetra tahaka ny any miaramila :

Ny fiainana miaramila dia ho any tanindrazana. Ao anatin’izany misy ny fibaikona, ny mpibaiko ary misy ny manatanteka ny baiko.

  • Ny fiainana miaramila: Misy ny mpibaiko na ny lehibeny no mandray ny andraikitra rehetra momba ny baiko izay omena. Raha maniraka ny lehibe iray, ohatra Jeneraly, kapiteny, kaporaly no maniraka ny miaramilany hoe andeha tifiro iry dia ataony izany. Ao no ahitantsika ny toetsainany manatanteraka baiko mba hahafaly izay niantso ho miaramilany.

Araka ny voasoratra ao amin’ny Soratra Masina, Miaramila tsara an’I Kristy : Isika eto dia nantsoiny Kristy ho miaramilany. Fepetra tokony ho tanterahina dia ny manaraka ny baiko. “Mandehana any amin’izao tontolo izao, mitoria ny filazantsarany amin’ny olombelona rehetra”. Mahatanteraka izany baiko izany ve ianao.?

Ao anatin’izao fotona sarotra izao, ny fihidinany lalana , ny karazana fepetra toa maneritery, tsy azo atao ny mamangy havana. Ao anatin’izany no manome baiko Kristy, amin’ny hoe “Mitoria ny filazantsara…”

Tokony manana toetra manaiky ny baiko ny kristianina. Amin’ny fanarahantsika hamakiana ny baiboly, aza atao antsirambina, tanteraho ny baiko.

Mijoro hatramin’ny farany, ho vavolombelon’ny Kristy. Raha te ho miaramila mijoro ho fiarovana sy ho aron’ny hafa. Manaraka ny baiko koa raha misy ny zavatra sarotra dia eo ianao.

 

  1. And 5 :Ary raha misy manezaka amin’ny filalaovana, dia tsy satrohana satroboninahitra izy raha tsy manezaka arak any lalàna”.

Toetra ny Atleta no ambaran’ny Paoly eto. Ambarany Paoly raha te ho “Champion” na hahazo ny satroboninahitra dia mila manaraka fepetra, mila manaraka ny toromarika araka ny lalàna.

Toy ny ahoana moa ny Atleta. Raha mandray ohatra ny theorie amin’ny fanatanjahan-tena, dia misy karazana fepetra na fitsipika arahiny atleta. Misy ny fitsipika ho an’ny tenany manokana, ar misy ny fitsipika ho an’ny fitsipi-dalao. Misy ny ihany koa ny sakafo arahinao.

 

Ny fitsipika manokana ho any kristianina dia ny fifehezan-tena, ny fahononantena. Maha onon-tena ve ianao? Misy ihany koa ny fitsipi-dalao iraisana.

 

Ny tiana ambarana eto dia ny fanarahana ny fitsipika. Raha ny toetrany miaramila dia miaina ny fitsipika izany hoe manatanteraka, misy ny baiko izay mande fa misy ihany koa ny fitsipika izay iainanao isan’andro isan’andro. Tsy maintsy tanterahanao ny fitsipika mba hahatonga anao amin’ny tanjona izay irinao. Raha ho any Toamasina ohatra tsy ny RN1 mankany Tsiroanomandidy no andehanana fa ny RN2 no raisinao.

Izany hoe mahatonga anao ny ho amin’ny tanjona ny fanarahana ny fitsipika, miaina ilay fitsipika.

 

Ho any krisitianina,  ny fitsipika ho amin’ny fianantsika dia voarakitra ao anatin’ny Baiboly : anisan’izany ny hoe “velona ho any hafa”, “tsy tia tena isika”, (fitsipika personnel) izany hoe ho any tena manokana. Misy ny fitsipika ho an’ny hafa , “tsy manaratsy ny hafa ny kristianina”.

Ao anatiny fihibohana isika, misy kristianina manaratsy ny kristianina hafa. Tahaka ny hoe : “aiza ny mpanao rallye de miracle amin’izao marary efa firy arivo izao”. Tsy fanao izany. Tsy ny kristianina no andeha hifanenjika. Mba ho iray ihany ny vavaka hasandratra. Misy ny fitsipika maro isan-karazany, ka andeha ho tanterahintsika.

 

  1. Mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra , voambarany Paoly :

 Ny mpamboly no voambara eto. Toetra tokony arahina dia ny fananana faharetana. Tena manana faharatana tokoa ny mpamboly.

Mialoha ny hidiran’ny Mpitandrina Andriatsilavina Nofy tao amin’ny toeram-panomanana dia teknisiana tantsaha izy. Manana fahaizana manokana amin’ny fambolena vary.

Manana faheretana ny mpamboly. Miandry telovolana na mahery kely mba hiakarany vokatra. Tahaka  izany ny kristianina mila manana faharetana.

 

Mafy izany efa-bolana confinement tsy hidiram-bola, tsy maintsy mandoa hofatrano, tsy maintsy izao sy izao. Mila manana faharetana ho fiarovana antsika amin’ny aretina. Izany faharetana izany dia mitondra ho amin’ny vokatra tsara , mitsinjo isika ny vokatra tsara.

Ny vokatra tsara no tadiavina eto. Ho amin’ny fiainana maha Kristianina, mila manana faharetana isika. Sarotra izany kanefa fiainana takiana aminao izany  mba ahatonga anao kristinaina tena maharitra ao anaty fotoan-tsarotra. 

Tsy afaka manao izay tiana ianao, kanefa ireo toetra telo ireo dia ahatonga anao ho tena kristianina marina ary ahatonga anao tena hiaina izany amin’ny maha kritsianina,

 

Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra fa ho aminao ny fiadanana ary hanananao toetra hanatanteraka baiko ny manaraka fitsipika ary manana faharetana.

FAMELAN-KELOKA

Nisy feon-javamaneno fohy tao aorian’ny toriteny. Ary rehefa izany dia nanao ny anjara hira ny RFF aryni vavaka ny Mpitandrina Razafinarivo Andriatsilavina Nofy. . Ho fanehoana ny finoana dia niarahana ny fanekem-pinoana Laharana 4.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina ny FFPM 731:1 « Homba anao anie Jesoa» ary niarahana nanonona ny tondrozotra 2020. Natolotra ny tsodrano ary noredonina ny hira FF 731:4 « Raha mitolona ady sarotra » nofaranana tamin’ny Amen.

IREO TOMPON’ANJARA

  • Nitarika ny fotoana : Rajaonarison Jean Dieu Donné, Loholona
  • Nitari-bavaka : Andriamampianina Randrianjaka, Diakona
  • Namaky ny Tenin’ny Soratra masina : Andriambolamanana Andriamihaja Toky
  • Nitory ny teny: Mpitandrina miana-draharaha Razafinarivo Andriantsilavina Nofy
  • Nikirakira ny feo: Randriamahefa Tianarivony
  • Nitendry ny feon-javamaneno: Rabiazamaholy Mahery
  • Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly
  • Naka sy nandrindra ny horonan-tsary : Rabemananoro Jonathan
  • Naka ny sary : Rabemananoro Jonathan

Alahady 19 Jolay 2020

ALAHADY 19 JOLAY 2020

Alahadin’ny Vondrona Fototra Laika (VFL)

“Ambarao ny fahafahana ao amin’ny Tompo”

Rajaonarison Rivo, Filohan’ny VFL Amparibe no nitarika ny litorjia androany noho ny ivon’ny herinandrom-bokatry ny sampana. Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina no nitondra ny hafatry ny Tompo tamin’ny Fiangonana.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny feon-javamaneno dia niroso tamin’ny fiarahabana apostolika ny mpitarika. Notanterahina ny fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra ka namakiana ny Salamo 54 : 4 – 7 ; nihirana ny FFPM 240 “Alahady andro tsara” ary nisy vavaka fisaorana sy fifonana. Fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora no nanohizana izany.

FOTOANA HOAN'NY ANKIZY SY NY TANORA - SEKOLY ALAHADY

Ny 5 minitran’ny Sekoly Alahady dia notontosain-dRamanandraibe Ravosson Haingo, mpampianatra ao amin’ny K7. OHA 14 : 26 no andinin-tSoratra Masina niompanan’ny hafatra. Manana tahotra ny olona noho ny aretina misy ankehitriny izay miteraka fanontaniana maro. Ao amin’i Jehovah ihany no misy fiarovana mahatoky. Misy mahatsapa fiadanana kanefa mila mahay misaotra an’Andriamanitra sy mialoka Aminy ary matahotra Azy amin’izay atao rehetra. Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Nisy vavaka. Rehefa izay dia fankalazana ny Tenin’Andriamanitra no natao.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Natao ny hira FFPM 475 : 1-2 “Jesoa Mpamonjy Mpiandry tokoa”. Ny nanao ny vavaka fangatahana ny famenoan’ny Fanahy Masina dia Randretsa Laza. Andriambolamanana Andriamihaja Toky, mpitantsoratra no namaky ny SAL 26 : 1-12 raha Andriamahadison Ndrina no namaky ny JAO 4 : 25-30 sy ROM 8 : 1-8. Nohiraina ny FFPM 334 : 1-2 “Sambatra ny sofiko” ary nitory Teny ny Mpitandrina.

TORITENY

Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra dia ny JAO 4 : 25-26. Tantaran’ny vehivavy samaritana tafahaona tamin’i Jesoa, izay tonga ho an’izao tontolo izao fa tsy nifidy fiaviana. Jesoa Kristy no nisaim-piainana : ao Aminy no misy fahavelomana, famonjena, fahafahana. Nahafantatra ny azy ny Tompo araka ny JAO 2 : 25. Manatona ny fahatsaran’ny Tompo ny Azy, naterak’Andriamanitra izay olona nofidiany.

1) Nandao izay nataony taloha ravehivavy

Nanambara marimarina tokoa i Jesoa taminy ny nataony taloha. Talanjona izy ary nanapaka hevitra ny hiova : nilaozany ny toetra tsy mendrika sy ny asa tsy mahasoa. Fantatry ny Tompo avokoa ny momba antsika. Paoly apostoly koa tany Damaskosy dia tratra an’io, nahatonga azy nianjera sy jamba ka nitenenany fa ao amin’i Jesoa ihany no tsy misy fanamelohana. Ny ROM 8 :1-2 dia milaza ny fandehanana araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina, izorana araka ny sitrapony, anaty fiadanana.

2) Nitaona ny namany hizaha ny Mesia ity vehivavy ity

Lasa nihazakazaka izy nijoro vavolombelona momba izay rehetra nambaran’i Jesoa taminy ka nitaona ny namany izy hino Azy ary nanapaka hevitra nandao izay rehetra momba azy. Tsapany fa Andriamanitra tonga nofo tokoa ny Mesia : mahalala izay zavatra faran’ny miafina indrindra eo amin’ny fiaianan’ny zanak’olombelona. Hita ao amin’ny SAL 26 ny tantaran’i Davida milaza fa raha ivelan’ny famindrampon’Andriamanitra dia tsinontsinona ny fiainana, misy fankahalana ny zava-dratsy sy fikasana handeha amin’ny fahamarinana sy fanehoana fisaorana.
Isika rehetra dia tahaka ity vehivavy samaritana ity fa ny zavatra niainantsika no tsy mitovy. Ilaozy amin’izay ny talohanao fa tsy mahasoa izany, taomy ny namanao mba hanatona sy hanana an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Andriamaniny eo amin’ny fiainana. Ray aman-dreny kristiana no tokony hitarika sy ho fitaratry ny ankohonany. Ataovy tanteraka ny fitaomana ny hafa hanana fiainana vaovao ao amin’i Jesoa Kristy. Tandremo sao mifamingana any amin’ny toeram-piasana fa taomy ny olona hiaina amin’ny fifankatiavana. Indraindray isika mpiara-miangona tratran’ny fahalemena : mifananaratsy, mifanenjika kanefa tokony hifanohana sy hifampitrotro amim-bavaka. Izaho sy ianao firy taona no efa nivavaka sy nandray andraikitra teo anivon’ny Fiangonana? Izay rehetra tsy mety sy tsy mahasoa dia ilaozy.

Ny antony nanorenana ny VFL dia betsaka ny olon’Andriamanitra ao anatin’ny FJKM manana fanomezam-pahasoavana tokony hampiasaina ho fampandrosoana ny asan’ny Fiangonana. Midira ao amin’izany sampana izany raha mbola tsy ao. Tanteraho ny asam-panompoana ho an’izay efa ao anatiny. Ilaina ny vola hampiasaina ho an’ny asa, mila olona ihany koa ny Tompo. Raha te-hanatanteraka ny baiko hoe “ Ambarao ny fahafahana ao amin’ny Tompo” dia ilaozy ny taloha ary taomy ny hafa. Rehefa tontosanao izany dia hotsaroanao fa hanana ny anjara valim-pitianao ao amin’ny Tompo ianao. Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra! Amen.
Nisy feon-javamaneno fohy taorian’ny toriteny ary nisy hiran’ny STK.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Rehefa izany dia nivavaka ny Mpitandrina nisaotra noho ny Teny nambara sy ho fiainana izany hafatra izany. Notononina ihany koa ny mpitondra fivavahana sy mpitory ny Filazantsara rehetra miatrika izao areti-mandoza izao. Nentina amim-bavaka ny Fiangonana manontolo, ny zanaka am-pielezana, ny rafitra rehetra mijoro eto anivon’ny Fitandremana, indrindra ny VFL ao anatin’ny herinandro natokana ho azy ; ny firenena Malagasy mba handroso, ny mpitsabo sy ny tsaboina, ny mpitandro ny filaminana. Nambara ny faniriana mba ho levona ny COVID-19 ka ho voaaro ny olona, ny mpianatra hiatrika fanadinana manomboka amin’ny volana septambra, ny fivelomana isam-pianakaviana, ireo sahirana, ny marary, ny mana-manjo, ireo mangata-bavaka. Tsy adino ny ranombavaka famonjena isan-kariva, ny fampianarana ny boky nosoratan’i Jaona isaky ny zomà sy ny fotoam-bavaka isaky ny alahady maraina mba ho tontosa soa aman-tsara. Nofaranana tamin’ny “Rainay izay any an-danitra” izany.

Notononina ny fanekem-pinoana nikeana (Lah.2) ary ny hira fanevan’ny VFL Amparibe noho ny faha-40 taonany “Amin’ny finoana” no nanaraka izany kanofaranana ny fotoana.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nisaotra an’Andriamanitra sy ny tompon’anjara ny mpitarika noho ny fahatontosan’ny fotoana amin’ny alalan’ny sary sy feo ho an’ny Fiangonana rehetra tsy afaka manatrika ny fotoana. Nohiraina ny FFPM 639 : 1 “Ry miaramila! Mandrosoa izao.”, natolotry ny Mpitandrina ny tsodrano taorian’ny fanononana ny tondrozotra 2020. Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra! Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen

Tompon'anjara :

Naka sy nandrindra ny horonan-tsary : Ranaivoson Joël, Rabemananoro Jonathan
Naka ny sary : Rabemananoro Jonathan
Fanamafisam-peo : Randriamahefa Tiana Arivony
Feon-javamaneno : Rabiazamaholy Mahery
Nandray an-tsoratra : Ralaiarimanana Narindra

Jolay 2020>Tantarampiangonana

Raha jerena eo amin’ny takila voalohany amin’ny fihirana nivoaka tamin’ny taona 1894,  hita fa efa fanontana “fanimpolony” izany, izany hoe raha natonta isan-taona ohatra, efa tany amin’ny taona 1884 tany ho any izany no nivoaka io fihirana io.

Mazava araka izany fa vokatry ny fisalovanan’ny Mpitandrina ANDRIAMBELO, no nipoiran’ny komity nandrindra ny Fihirana voalohany. Mampisaotra an’Andriamanitra izany satria, tena fandraisana andraikitra lehibe teo amin’ny fivoaran’ny “hiram-pivavahana” izany, ho voninahitr’Andriamanitra.

Haingana dia haingana anefa ny fivoarana, satria tena nifarimbonan’ny tompon’andraikitra isan-karazany ny fandavorariana izany, ka ny misionera efa nahafehy tsara ny fiteny malagasy no niara-niasa tamin’ny Mpitandrina manan-talenta amin’ny hira sy ny tononkira, tafatsangana ny komity nandrindra ny fihirana voalohany nivoaka tamin’ny taona 1894 .

Tsy ela akory tao taorian’izany, niforona  ny komity vaovao, taona vitsivitsy talohan’ny 1902, misionera enin-dahy no tao anatiny dia roa avy amin’ny LMS , roa avy amin’ny FFMA ary roa avy aminy MPF. Ny avy amin’ireo voantendrin’ny komitin’ny Isan’Enimbolana dia miisa enina koa, lehilahy avokoa ireo 12 voatendry rehetra ireo .

Naharitra herintaona ny fihaonan’ny komity isaky ny alatsinainy hariva (4 ora hatramin’ny 6 ora), ny tatitra voarakitra an-tsoratra no nahalalana fa tena fifandresen-dahatra goavana no nifanaovana tamin’izany satria isan’ny nifanazavana ela.

* Tao ny te hampiditra  hira betsaka

* Tao ny te hanaisotra vitsivitsy

* Tao ny te hanaisotra ny hira maintimolaly rehetra

Nifampaherezana ihany anefa ny tsy hisian’ny alahelon’ny olona be loatra amin’ny fitiavany ny hira izay ankafiziny, nefa natao ny fifandresen-dahatra. Akory ny hagagana tamin’ny farany fa izao no niafarany ; nahena ny isan’ny hira ao anatin’ny fihirana, ka ireo hira 400 teo aloha dia lasa 277 sisa, ary ny fanampiny nampidirina any amin’ny farany dia ireto avy :

* «Manan-jara ry Jesosy» noforonin’ny Mpitandrina RAZAFIMAHEFA

* Ny Tsanta miisa 12

* Ny Antema miisa 12.

Raha tsy dinihina tsirairay ireo hira 400 tao amin’ny fihirana edisiona 1894, dia tsy ho hita ireo 53 noesorina tao, ary tsy ho fantatra koa ireo hira 22 nampidirina, ary nisy aza nasiana fanitsiana ny sasany.

Araka izany voalaza rehetra izany sarotra ny fifanarahana, ary faha 12 septambra 1902 nivoaka soa aman-tsara indray ny fihirana vaovao.

Hita fa nandalo fizahan-toetra goavana ny fihirana vao tonga amin’ny endriny ankehitriny, satria mbola handalo ny ambaratonga toy ny sivana sy fanitsiana ary fanamarihana isan-karazany, satria aim-panahin’ny Fiangonana no ventesina ao anatin’ny hiram-pivavahana, ary ny fiainan’ny olona rehetra sy ny olona manontolo no tezaina amin’ny alalan’ny hira. Tsy mahagaga raha sarotra tahaka izany ny lalana nolalovany mandra-pahatongany any amin’ny tanjona tratrariny.

Tsy takona afenina, fa miharihary na dia tsy voalaza aza, ny disadisa sy ny fifandresen-dahatra teo amin’ny fandavorariana izao fihirana edisiona taona 1902 (alahady faha 12 septambra 1902) izao.

Antony maro no nahatonga izany fanamarihana izany, dia izao avy :

* 400 ny isan’ny hira tao anatin’ny Fihirana 1894, nefa nihena ka lasa 277 sisa.

* 12 ny isan’ny misionera nanao tononkira tao amin’ny fihirana 1894, nefa lasa 23 ny isan’ny misionera nanoratra tao amin’ny fihirana edisiona 1902, ary misy vehivavy (mety vadin’ny Misionera angamba) nanatevin-daharana azy.

* 16 ny isan’ny hira maintimolaly, ny roa voalohany dia tafiditra ao amin’ny fihirana 1902, dia ny “Misaora an’i Zanahary (hira faha 2) sy ny hira “Mamy ny fitianao” (hira faha 3), fa ny hira maintimolaly 14 sisa, dia mitondra ny laharana faha 252 ka hatramin’ny faha 277 farany.

Raha tena alalinina ny famakafakana dia tsy maintsy voaresaka avokoa ireo antony rehetra ireo, ary tsy maintsy nisy ny olana nifandresen-dahatra vao lavorary ny asa fanavaozana.

Raha voaresaka lava dia lava ny fitotongan’ny hiram-pivavahana teo aloha dia betsaka kosa ny fanazavana momba izao fihavaozan’ny hiram-pivavahana izao.

Mbola hotohizana

RAJAOFETRA John

Jolay 2020>Vatsimpanahy

Misy anarana maro ilazana ny Fanahy Masina ato amin’ny Soratra Masina: Iray amin’ireny ity antsoina hoe: Mpananatra ity. Ato amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona irery ihany no ahitana Azy, ary Jesoa mihitsy no manonona izany anarana izany. Fanontaniana telo no hovaliana andraisana fampianarana sy hafatra:

– Inona no hevitra sy dikany ary antony nilazan’i Jesoa ny Fanahy Masina ho Mpananatra?

– Inona no asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny asam-pamonjena?

– Inona no tombontsoa azon’ny mino amin’ny fandraisany ny Fanahy Masina?

Maro no valin’ireo fanontaniana telo ireo raha momba ny Fanahy Masina, fa ny anomezana valiny anio, dia ny ambaran’ny perikopa sy ny manodidina azy ihany.

Inona no hevitra sy dikany ary antony nilazan’i Jesoa ny Fanahy Masina ho Mpananatra?

Ny hevitra sy ny dikan’ny atao hoe: Mpananatra

Ny teny grika hoe Parakletos no nadika hoe Mpananatra ato amin’ny Baibolintsika (hita ery amin’ny naoty ambanin’ny pejy, n°4). Io teny io, dia teny roa nakambana ho iray: Para (manolotra akaiky), sy ny Kletos (olona voantso).

Olona voaantso hijoro eo akaiky ho tohana sy solovava. Izany no anomezana azy hevitra hoe Mpampianatra, Mpanampy, Mpampahery, Solovava (Avocat).

Araka izany dia manana hevitra momba ny lalàna sy fitsarana Izy ity. Izany indrindra no ilazan’i Jesoa Azy hoe “Mpananatra hafa” (Jao.14/16); satria misy an’io koa eo amin’izao tontolo izao any amin’ny lafiny fitsarana any. Ity Mpananatra ity dia hafa noho ireny, avo lenta, masina, mitoetra mandrakariva ary mandrakizay eo amin’ny mino. Tsy hoe: amin’ny fotoana ilana Azy ihany no eo Izy, na koa hoe any amin’ny raharaham-pitsarana vao ilaina; fa amin’ny androm-piainana manontolo, amin’ny zavatra rehetra sy ny toerana rehetra, ary amin’ny atao rehetra, indrindra amin’izay ijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy.

Ny antony nilazan’i Jesoa ny Fanahy Masina ho Mpananatra

Raha ny Filazantsara nosoratan’i Jaona no jerena, dia mizara roa mazava ny teny sy ny hafatra ary ny fampianarana nataon’i Jesoa.

Fampianarana natao ho an’ny be sy ny maro: Jao.2-12. Izay tandrify sy sahaza azy ireny no nambara.

Fampianarana natao ho an’ny antokon’olona miavaka dia ny mpianatra: Jao.13-17. Ny Tompo sy ny mpianatra sisa no miresaka, ary isan’izany izao perikopantsika izao.

Handeha, ka hisaraka tanteraka ara-batana amin’ny mpianatra ny Tompo, dia nampahery azy ireo, ka nilaza ny mahamety izany amin’ny drafi-pamonjena izany.

– Hanamboatra fitoerana ho an’ny mpianatra any amin’izay misy Azy any an-danitra (Jao.14/1-12)

– Mampirisika ny mpianatra hazoto miasa ny asan’ny Tompo hatrany na tsy eo intsony aza Izy; ka manolotra toro-marika amin’ny fanatanterahana izany (Jao.17/12-14)

– Fanambatambazana ny mpianatra mbola hifikitra amin’ny fitiavany an’i Jesoa sy ny fiavahany amin’ny olon’izao tontolo izao (Jao.14/15-17)

– Fampahafantarana fa tsy ho kamboty velively ireo akory na tsy ho eo aza Izy. Izao tontolo izao no tsy mahita Azy; fa ny mpianatra kosa dia mahita Azy am-panahy noho izy ireo mitandrina ny didiny (Jao.14/18-21)

– Fanamafisana, fa izay tia ny Tompo no tia ny Ray koa. Ireny no mitandrina ny teniny ka ny Mpananatra ho tonga no hampianatra azy ireo indray (Jao.14/22-26)

Inona no asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny asam-pamonjena?

Tsy misy asa hafa ataon’ny Fanahy Masina eo amin’ny asam-pamonjena ankoatra izay efa vitan’i Jesoa Kristy. Ny andraikiny kosa, satria efa tanteraky ny Tompo izany dia ny mampianatra ny mpianatra ny teny sy ny asa ary ny fiainan’ny Tompo natrehin’ny mpianatra niaraka taminy. Fanampin’izany dia miasa ao amin’ny mino ny tenin’ireto vavolombelon’ny finoana an’i Jesoa Kristy ireto.

Mampianatra ny mpianatra ny Mpananatra

Raha ny ato amin’ny perikopantsika no jerena, nanononan’i Jesoa ny Fanahy Masina ho Mpananatra dia ireto roa ireto (na dia maro noho  izany aza izy).

Mampianatra: Tsy eo mivantana intsony ny Tompo, fa ny Fanahy Masina, Izay nirahin’ny Tompo avy amin’ny Ray no mampianatra ny mpianatra. Miasa ao anatin’ny fo sy saina ary fanahin’ny mpianatra. Izy no mametraka ny zavatra rehetra ao am-bavan’ny mpianatra izay tokony ho lazainy amin’ny fotoana samihafa. Izy no mitarika azy ireo handeha amin’ny fahamarinana sy fahamasinana, ary ny fahendrena  eo amin’izao tontolo izao.

Vavolombelon’ny Tompo mihitsy ny Fanahy Masina sady Mpananatra mahavita azy.

Hampahatsiaro ny zavatra rehetra izay nolazain’ny Tompo tamin’izy ireo

Asan’ny Fanahy Masina ao anatin’ny mpianatra ny fampatsiahivana mba tsy hisy hadino na tsy tadidy fa ho tafaverina ao anatin’ny fo sy saina ary fanahy avokoa ny fampianarana; ny asa, ny teny, ary ny fiainan’ny Tompo rehetra tety an-tany. Tsy hisy ho latsaka na dia kely aza izany, fa ho marina, sy tena izy ary mazava amin’ny mpianatra tokoa izay heviny. Hita ny fanamarihan’ny mpianatra an’izany ao amin’ny Filazantsara nosoratany: Oh: Mat sy Jao

– Jao.7/39: “… fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesoa tsy mbola niditra tamin’ny voninahiny

– Jao.2/19-21: “fa ny tenany no tempoly nolazainy

Raha raisina amin’izao mahakasika ny fanadinan’ny mpianatra ny Fanahy Masina, dia sady manao “vision” no mampanao “révision” ireto mpianatry ny Tompo ireto. Misy ny ampianarina hino tsara, misy ny ampahatsiahivina ho lalimpaka sy hitombo ary hitohy.

Azo ambara toy izao àry ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny asam-pamonjena

– Manamafy sy mahalalim-paka ary mampitombo ny finoan’ny efa mino Izy.

– Manorina finoana marina sy madio ary masina ho an’izay nisy fisalasalana na mbola miroaroa saina.

– Miteraka finoana an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Andriamanitra ho an’ireo izay mbola tsy nahalala mihitsy Izy, ka hahatonga ireny ho andiany ho iray amin’ireo izay efa ao am-bala, dia ny Fiangonana izany.

Ny tombontsoa azon’ny mino amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina

Tsy tambo isaina, ary tsy ho voatonon’ny vava ny tombontsoa azon’ny mino avy amin’ny Fanahy Masina. Ny ambara kosa, dia izay lazaina ny amin’ny maha-Mpananatra Azy eto araka ny ambaran’i Jesoa. Izay efa azon’ny mpianatra rehetra, dia azon’izany rehefa mino koa any aoriana, ary mihoatra noho izany aza, satria ny vanim-potoana iainana samy hafa. Azon’ny mino ho tombontsoany avokoa ireto:

– Tsy malahelo izay nodimandry ao amin’ny Tompo izy, satria ampianarina sy ampahatsiahivin’ny Fanahy ny tenin’i Jesoa (Jao.14/1-11).

– Toy izany koa: matoky ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ny mino noho ny asan’ny Fanahy Masina.

– Mahavita asa lehibe ny mino, fa mahazo valim-bavaka avy amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (Jao.14/15-24)

– Mandray fampianarana ny fampahatsiahivana mandrakariva sy ho mandrakizay ny asam-pamonjena vitan’ny Tompo sy ny finoana izany (Jao.14/25-26)

– Mitombo sy mihalalina ary avo lenta ny finoan’ny mino noho ny asan’ny Fanahy Masina ao aminy (Jao.14/27-31)

Oh: Finoana ny amin’ny Trinité. Raha miresaka izany dia tsy ho azon’ny olona mino an’Andriamanitra tokana. Ankehitriny kosa, noho ny Mpananatra azo sy raisin’ny mino dia  ambarany faAndriamanitra Tokana no Andriamanitra ivavahany saingy  misy “persona” telo.

Fehiny

Vavolombelon’ny Tompo ny Fanahy Masina. Amin’ny maha-Mpananatra Azy dia velona sy azo antoka ary mitombo ny finoan’ny kristiana an’Andriamanitra Telo nefa iray.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amena. RAHARIJAONA Solofonirina , Mpitandrina

Jolay 20>AMBARAO NY FAHAFAHANA AO AMIN’NY TOMPO

Tsianjery : “Dia nandeha izy ka nitory eran’ ny tanàna izay zavatra lehibe nataon’ i Jesosy taminy.” (Lioka 8: 39b)

Efa tanterak’i Kristy ny fanafahana antsika tamin’ny asam-pamonjena lehibe namoizany ny ainy teo amin’ny hazofijaliana. Isika anefa ve tena te ho afaka amin’ny gadra rehetra mamatotra antsika?

Koa raha ny Zanaka no hanafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo». (Jao 8:36)

Andriamanitra manafaka ny olony : Faharavoravoana mandrakizay no hanaraka izay nohafahan’i Jehovah. Eny hifaly tokoa amin’izany izy satria fantany ary ambarany mandrakariva ny nanavotana azy tamin’ny fomba mahagaga.(Isa 51:9-11). Ny fanafahan’Andriamanitra dia izay mampiala antsika tamin’ny fahaverezana fahiny ho amin’ny fiainam-baovao hanjakan’ny fitahiana mahatretrika. Mahatoky tokoa Izy ka manome fiadanana tsy manam-petra  ho an’izay manaiky hangoniny ao am-balany. (Jer 31:10-14). Tsy haintsika hampanginina izay ampitenenan’ny Fanahy antsika ny amin’ny fanafahan’Andriamanitra antsika. Izy no nifidy antsika ho olony sy ho olona afaka, misitraka ny fitahiany sy ny fombàny. (2 Sam7:17-24). Aoka tsy hisy hihevitra ny hohamarinina amin’ny lalàna isika. Efa an’i Kristy isika, fahasoavana no namonjena sy nanafahana antsika, koa aoka ny finoana ihany no hanesika antsika ho amin’ny asa tsara, izay ataon’ny olona afaka amin’ny fitiavana. (Gal 5:2-6)

Olona afaka ao amin’i Kristy: Ny olona afaka dia mandà izay mety faharatsiana rehetra ary maharikoriko azy ny fiharoharoana amin’ny mpanao ratsy. Manalavitra ireny tokoa izy satria efa nohamarinin’Andriamanitra tamin’ny famindram-po lehibe. Fideràna sy fisaorana no zary tiany hameno ny fiainany hanehoany ny fahafahany. (Sal 26 :1-12). Izay nohafahan’ny Tompo dia tsy menatra ny hitory sy hanambara ny amin’ny fomba nanafahana azy. Mety hihomehy sy haneso azy tokoa ny olona noho izany, anefa fantany izay inoany ary mainka aza ho reharehany izany. (Jao 9 :30-38). Izay nohafahan’ny Tompo dia lasa olom-baovao tanteraka. Mety hampitolagaga ny olona izany fa mety hampatahotra ny hafa koa. Isika anefa tsy maintsy manambara ny hasarobidin’ny asan’i Kristy tamintsika, satria vavolombelon’izany indrindra isika. (Lio 8 :34-39). Ny olona nohafahan’ny Tompo dia mangetaheta ny

hitoetra lalandava eo anilany. Fa ny Tompo kosa anefa dia mbola maniraka azy ihany hiverina eo anivon’ny fiarahamonina mba hitory sy hanambara amin’ny maro izany fanafahana izany. (Lio 8 :38-39). Ny fiainana ao amin’ny Fanahy dia manafaka amin’ny fihevitry ny nofo izay mitondra fahafatesana. Ny olona afaka dia izay efa nandà ny fitarihan’ny nofo ka nisafidy ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra. (Rom 8: 1-8). Izay efa nandray ny fanafahana ho amin’ny fiainana miaraka amin’i Kristy dia mila mahay mifampahery mba hielezan’ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. (2Tim 2 :1-2). Mitaky faharetana sy fiaretana ny fihazonana ny fanafahana izay nomen’ny Tompo antsika satria ety an-tanim-pihazakazahana isika, ka izay mahonon-tena ihany no handray ny satro-boninahitra sy hiara-belona Aminy rahatrizay.(2Tim 2 :3-13)

Fehiny : Aza fehezina ho anao irery izay namonjen’ny Tompo sy nanafahany anao. Aza miahotra ny hanambara izany hatrany amin’ny mpitondra avo amin’ ny firenenao, dia toy izay nataon’i Paoly fahiny; fa raha manao izany ianao dia hahafaka fanahy maro tokoa. (Asa 26 :12-18)

Ambarao i Kristy Ilay Mesia, eny ilazao ny rehetra fa efa tonga ilay Mpanafaka antsika. Efa noravany ny efitry ny fampisarahana rehetra, ka ny olona rehetra na lahy na vavy, na kely na lehibe dia afaka manambara ny amin’ny fanavotany avokoa.(Jao 4 :25-30)

Koa efa mby amintsika ankehitriny ny fanafahana, ary efa maro izay efa nositranin’ny Tompo sy

nohafahany tamin’ny endri-pangejàna maro. Ndeha àry hotorintsika ny amin’ny fahasambaran’ny olona afaka marina ao amin’i Kristy. (Lio 7 :18-23)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra, fa ho amintsika olona afaka kosa ny fiadanana.

Amena !!!                                                                             Vaomieran’ny Aim-Panahy

Alahady 12 jolay 2020

ALAHADY 12 Jolay 2020

Alahady ivom-bokatry ny STK

Alahady faharoa ibanjinana ny lohahevitra “Ambarao ny fahafahana ao amin’ny Tompo”
Ny Litorjia tamin’ny endriny faharoa no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana
Fiderana ; mpikambana ao amin’ny Sampana Tanora Kristiana no nitarika ny fotoana
Ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina kosa no nitory ny tenin’Andriamanitra

FANOMBOHAN’NY FOTOANA:

Hiran’ny STK “Fanahy masina” no nentiny nanaomboka ny fotoana anio. Rehefa izany dia niroso tamin’ny Fiarahabana Apostolika ny Mpitandrina ka ny II Koritiana 13,14 no teny nentiny  nanolotra izany.

Novakiana ny Salamo Fiderana tao amin’ny bokin’ny Salamo 66,1-4. Nanaraka izany ny hira tao amin’ny fFhirana Fanampiny 13

Vavaka

Midera sy mankalaza ary misaotra Anao izahay ry Tompo amin’izao alahadin’ny STK izao. Misaotra Anao izahay noho ny soa nataonao taminay sy izao asa masina izao. Fenoy ny Fanahinao Masina izahay . Omeo fifantohana izahay izahay ahafahanay manatanteraka izao fanompoana masina izao. Ho voninahitrao irery ihany anie no isandratra amin’izao fanompoam-pivahana izao. Amen

DIMY MINITRAN’NY SEKOLY ALAHADY:

I zoky Tanteraka RAKOTOARISOA no nanao ny dimy minitra hoan’ny ankizy sy ny tanora anio ka ny I Petera 2,16 no nitondrany ny fizarany.
Nisy ankizivavy iray bikana sy tsara tarehy andevon’olona. Maro mpitsiriritra izy kanefatsy mba namidin’ny Tompony. Nony farany dia namidiny ihany ary nataony lavanty. Nisy nahasahy nividy lafo dia lafo izy tamin’izany. Natahotra ity tovovavy ity sao dia ho ampiasain’ny tompony vaovao sy hanaranany fo ho setrin ‘ny nividianany azy lafo. Sy izany anefa no nitranga fa raha vao tonga tany an-tranony izy dia nohafahany ary navelany nandeha. Nandeha ilay ankizivavy ary rehefa lasa lavidavitra izy dia niverina hanompo maimaim-poana ilay nividy azy noho ny fahatsapany ny fitiavan’ilay nanafaka azy. Isika ankizy sy tanora ihany koa dia efa nohafahan’i Jesoa tamin’ny fanandevozan’ny fahotana. Ho setrin’ny fitiavan’ny Tompontsika antsika dia andeha isika hanantona Azy sy hanompo Azy amin’ny fampandrosoana ny asany.

Vavaka

Jesoa Kristy o, mbola misaotra Anao isahay fa mbola nampandrenesinao ny teninao sy nampahafantarinao ny sitraponao. Omeo ny Fanahy Masinao izahay itoetra aty anatinay hampianatra anay ampatsiahy anay fa ny fahafahanay izay ao aminao dia entinai ihany koa anompoana sy anomezana voninahitra Anao ary anaovanay mandrakariva izay sitrakao mba ampandrosoana ny fiangonanao. Dia mitomoera mandrakariva aty anatinay ianao ry Tomponay. Amen
Ny hira FFPM 244,2 no notanterahina mialoha ny famakiana ny tenin’Andriamanitra, ary nisy ny vavaka mialoha izany : « Ry Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy masina ô, mbola tsy mitsahatra misaotra sy midera ary mankalaza ny anaranao izahay noho ny amin’ity fotoana ity izahay izay ahafahanay indray mihaino sy mandray ny teninao. Koa ankehitriny Tompo ô, mangataka ny fitarihan’ny Fanahy masinao izahay ho an’izay hamaky ny Teny sy izay hitondra ny hafatrao mba ho izay tena tianao ambara Tompo no ho tenenin’izy ireo aoka ny sitra-ponao irery ihany no ho voalazan’ny vavany. Dia mitenena Jesoa ô fa vonon-kihaino Anao ny mpanomponao » Amen.
Ireto ny teny novakiana izay mifanaraka amin’ny perikopa dia ny : Jeremia 31, 10-14 / Lioka 7,18- 23 / Galatiana 5,2-6 Rehefa vita izany dia natao ny hira FFPM 226,1

Toriteny

Raha ny valan’aretina Covid 19 no jerena dia mampihorohoro, mampatahotra ary mampihoro-koditra ny fanarahana ny vaovao mahakasika azy. Amin’izao fotoana izao dia eo amin’ny zato ka hatramin’ny telonjato isan’andro ny olona voany ary efa mananika ny telopolo mahery ny olona lavony. Manoloana izany dia “Ambarao ny fahafahana ao amin’ny Tompo”. Fotoana izao iainana izany lohahevitra izany. Ilaina izany fanambarana ny fahafahna ao amin’ny Tompo mba: Anaporofoana ny asan’ny Tompo Ampaherezana ny hafa mbola malemy Ampahafantarana ny Tompo ireo tsy mahalala Azy sy ny asa mahagaga nataony.

1 Fampaporofoana ny asan’ny Tompo:

Ao amin’ny Jeremia 31,10-14 dia miasa ny Tompo manavotra sy manafaka ny olony izay teo ambany vahoan’ireo mahery noho izy.
Ity jeremia toko faha 31 ity ihany koa dia mampatsiahy ny zanak’Israely fa fitiavana mandrakizay no nitiavan’Andriamanitra azy izany no nampaharetany ny famindram-pony tamin’izy ireo.
Eo amin’ny andininy faha 11 dia manambara ny fanavotany ireo olony izay eo am-pela-tanan’izay mahery noho izy Andriamanitra. Rehefa tanteraka izany fanavotana izany dia afaka nihoby an’Andriamanitra ny vahoakan’Israely izany fihobiana izany dia fanaporofoana ny asan’Andriamanitra teo amin’ny fiainan’ireto zanak’Israely ireto tamin’ny fanavotany sy fanafahany azy ireo teo am-pelatanan’ny fahavalony.
izany fihobiana izany dia narahin’ny fifaliana sy fandihizana Naseho tamin’ny fihetsika ny asan’Andriamanitra. 

Nasehon’ny zanak’Israely tamin’ny fihobiana sy fandihizana ny fanafahana nataon’Andriamanitra taminy. Ny fanambarana ny asan’Andriamanitra dia fanaporofoana fa miasa eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra.

2 Fampaherezana ny hafa mbola malemy

Misy olona izay tsy mahalala , tsy mahatsapa, tsy mino tsy te hahalala ny amin’ny fiasan’ny Tompo. Ao amin’ny Galatiana 5,2-6 dia gaga Paolynahita ireto Galatiana efa nandray ny Filazantsara kanefa mbola miverina indray amin’ny fanatanterahana sy fiankinana amin’ny lalàna ho entina manamarina ny tena eo amin’izay atao. Somary nalahelo Paoly satria toa misasatra ihany izy kanefa ireto Galatiana ireto dia nanadino ny fampianaran’I kristy. Tamin’izany dia nisy ireo nilaza fa tsy ho Kristiana mihitsy ny olona raha tsy mitandrina ny lalàna ary mila mitandrina ny Sabata sy foràna. Noho izany fahalemen’ny Galatiana izany dia hoy Paoly: Mila amporisihina ny Galatiana tsy hiverin-dalana amin’ny fanamarinana arak any lalàna fa very maina ny finoana raha hiverina amin’ny fitandremana ny lalàna ny Galatiana. Fahamarinana amin’ny Finoana izay avy amin’ny Fanahy Masina mitoetra ao anatintsika no amonjena antsika. Ny Fanahy Masina no mitarika antsika ahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra fa tsy ny nofontsika. Mila fampaherezana hihazona ny finoana ny Galatiana ka hamela ny Fanahy Masina hiasa ao anatiny. Izany no ahafahany miaina ny fanantenana ny fahamarinana izay finoana miasa ao anaty amin’ny fitiavana araka an’i Kristy. Ho an’ny Galatiana dia ny filazana ny fanafahana ao amin’ny Tompo dia fampaherezana azy indray. Ahafahany mijoro mandao ny fiainany taloha ka hitoetra amin’ny fiainana vaovao ao amin’i Kristy.

3 Fampahafantarana izay tsy mbola mahalala: Lioka 7, 18-23

Naniraka ny mpianany Jaona hanontany an’i Kristy hoe “Ianao ve no ilay Mesia sa mbola hafa no andrasanay?” Tamin’izany fotoana izany Jesoa dia nanao asa fanasitranana maro. Izany asa fanasitranana nataony izany no valin’ny fanontanian’ireto mpianatr’i Jaona ireto ary nasain’i Jesoa notanterin’ireto mpianatra ireto tany amin’i Jaona ny asa mahagaga izay hitany. Ny zavatra hitan’ireto mpianatr’i Jaona ireto dia ny fahiratan’ny jamba, fahafahan’ny mandringa, fahadiovan’ny boka, fahaladian’ny marenina, ny fananganana ny maty, ny fitoriana ny filazantsara amin’ny malahelo ary ny fahasambaran’izay tsy ho tafintohina noho ny zavatra tanterahin’ny Tompo. Sambatra izay tsy ho tafintohina amin’ny asan’I Kristy satria ho avy ny andro izay hanafintohana ireo mpitondra fivavahana noho ny asan’i Kristy ka hitarika azy ireo any amin’ny fanombohana an’i Jesoa amin’ny hazo fijaliana. Ireo zavatra telo lehibe ireo no fanambarana ny fanafahana ao amin’ny Tompo. Ho anareo izay ao anatin’ny tsy fahasalamana, ho anareo izao tenin’Andriamanitra izao. Ny tenin’Andriamanitra dia mitory aminao ny fanafahana. Ao amin’ny Tompo no misy ny fanafahana anao. Rehefa azonao izany fanafahana izany dia ambarao tahaka ny nataon’ny zanak’Israely afaka tamin’ny fahababoana, ambarao tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy fa tanteraka ny asam-pamonjena sy fanafahana ho an’ny olona rehetra. Rehefa nahazo fahafahana ianao dia aza miverin’dalana intsony fa mijoroa ka ambarao amin’ny fahasahiana izany fahafahanao izany. Ianao izay salama tsara aza mieritreritra fa ny fitandremanao sy fahaizanao miaina no mahasalama anao; Olombelona ihany ianao ,mety hanjo anao ihany izany tsy fahasalamana izany; Izao no izy angatao amin’ny Tompo mba ho ao aminao mandrakariva izany fahasalamana izany. Manoloana izao areti-mandoza izao dia mitoera tsara ao amin’ny Tompo, ambarao ny fahafahanao satria ny Tompo no momba anao, ny Tompo no miaraka aminao, ny Tompo no maha-toa izao anao, Ny fahasoavan’I Jesoa Kristy no mitahiry anao hatanjaka tsara. Raha misy fahalemena eo aminao na ara-nofo na ara-panahy dia ao amin’i Kristy no fanafahana anao ary rehefa afaka ianao . Rehefa mitoetra ao amin’i kristy ianao dia omeny fahafahana ary rehefa azonao ny fahafahana dia ambarao ataovy tanteraka aminao ny Fampaporofoana ny asan’ny Tompo, ny 2 Fampaherezana ny hafa mbola malemy, ny Fampahafantarana izay tsy mbola mahalala. Ho antsika rehetra, araraoty ny tombon’andro atolotry ny Tompo ho anao, Raiso izany ho tombon’androm-pahasoavana ho anao. Ampiasao anambarana ny fanafahana ao amin’ny Tompo ny tombon’andronao. Alahadin’ny STK isika izao ho anao tanora ity perikopa ity. Ilaina ianao anaporofo eo amin’ny fiainanao fa nomen’ny Tompo fahafahana ianao ka miaina izany fahafahana izany. Asehoy amin’ny fanatanterahanao ny asan’Andriamanitra sy ny fijoroanao vavolombelona ny fahafahanao. Izany ataonao izany dia fampaherezanao ny tanora sahala aminao eny na dia ireo ray aman-dreny aza. Mitaiza anao hanana fitondran-tena Kristiana ny Sampana Tanora Kristiana amporisio ireo namanao hiditra amin’izany sampan mitaiza tanora arak any sitrapon’Andriamanitra izany. Jaona Apostoly dia tao amin’ny fahatanorany no nantsoin’ny Tompo izany no niantsoana azy hoe Apostolin’ny fitiavana satria sady tian’ny Tompo izy no nitory ny fitiavana avy amin’ny niarahany tamin’ny Tompo. Ry tanora ô, na anaty na ivelan’ny Sampana dia tohany ny STK fa fanaporofoana io fa olona nandray fahasoavana avy amin’ny Tompo ianao ka ny asan’ny Tompo no hita ao anatinao. Ahafahana manao zavatra lehibe ny fahatanorana satria feno hery ny tanora, feno fahalalana, manana fotoana, araraoty izany fahafahanao manao zavatra izany mba hanaovanao zavatra ho an’Andriamanitra. Ento anambarana ny fahafahanao ao amin’ny Tompo ny fiainanao manontolo. Raha ambaranao ny fahafahanao ao amin’ny Tompo dia omen’ny Tompo anao izay rehetra angatahinao amin’ny Anarany satria tsy foana tsy akory izay fikelezanao aina ao amin’ny Tompo. Ny fanambaranao ny fanafahana ao amin’ny Tompo dia sady fampaherezanao ny hafa no fampahafantaranao sy fitaomanao izay mbola tsy ao amin’ny Tompo mba hanana izany fahafahana avy amin’ny Tompo mba ho ao amin’ny Tompo izy. Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra Amen.

Vavaka Fangatahana

Andriamanitra o, Rainay amin’ny alalan’I Jesoa Krsty Ianao. Isaoranay ny Anaranao noho ny fampahafantaranao anay ny sitraponao. Tafio hery izahay ahafahanay manambara ny fahafahana ao aminao Kristy sy ilay fahafahana avy aminao ho porofo fa efa nandray ny asanao teo amin’ny fiainanay izahay sy mba ho fampaherezana ny namanay izay mbola tao anatin’ny fahalemena sy tafaverina tao anatin’ny fahalemena indray mba ho afaka ao amin’izany izy ka hiha mahery lalandava ary ijoro mandrakariva ampiasa ny tombon’androny ho tombon’androm-pahasoavana izarana fitiavana ho an’ny namana sy ny Havana ary ampahalala ny aminao Jesoa Kristy ilay Andriamanitra manafaka ka ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra ahatanteraka izany eo amin’ny fiainany. Tomp ô, mivavaka aminao izahay ho amin’ireo asan’ny fiangonanao, ho an’ireo mpitondra fiangonana, ho an’ireo mpitory Filazantsara, ho an’ireo toby masina rehetra izay ikarakarana ireny mpanomponao izay tratran’ny aretina izay gejain’ny fanahy ratsy ireny. Mpamonjy ô, mino izahay ary manantena fa ijery sy omba azy ireny Ianao ka ho lavorary ny asa ho voninahitrao Kristy ary ho fanambarana ny fahafahana avy Aminao ry Tompo. Entinay am-bavaka ry Tompo ity fitandremana misy anay ity sy ny Kristiana eto, ny sahan’ny FJKM Ny birao, komity, mpikambana STK, ny tanora tsy ao amin’ny STK, nyRay aman-dreny sy ny mpanohana dia apetrakay eo am-pelatananao. Mivavaka ho an’izany Sampana izany izahay amin’izao ivom-bokany izao ahafahany manatonosa tsar any adidy aman’andraikiny ary ny raharaha rehetra entina mampandroso ny asanao eo amin’ny sehatry ny tanora. Itanao ny zava-misy ankehitriny apetrakay eo am-pelatananao Tompo ny fahafahan’ireo Kristiana manohana ity sampan ity. Ampaherezo izahay Tompo hanohana ity Sampana ity na dia misedra olana aza izahay. Mivavaka aminao izahay ho an’ny zanaky ny fiangonana. Jereo sy tsinjovy izy ireo ry Tompo mba hahajoro mandrakariva ho afaka manambara ny fahafahana ao aminao. Mivavaka aminao izahay Tompo ô manoloana ity aretina izay mianjady aminay ity. Mangataka ny fiarovana avy aminao izahay. Ianao no anasitrana, hanala ny rofy ary handevona izany aretin-dratsy izany mba tsy hanan-kery, tsy hanam-pahefana intsony, tsy handripaka olona na hanenika amin’ity Nosindrazanay ity indrindra ny faritra Analamanga izay misy anay Ianao Tompo ô no irinay hiasa eo anatrehan’izany satria maro no voan’izany eto amin’ity faritra misy anay ity. Mivavaka aminao izahay Tompo ô ho an’ity Firenena misy anay ity. manomboka any amin’ny mpitondra ka hatrany amin’ny vahoaka entina rehetra; homba azy ireo Ianao, ijery azy ireo Ianao ka mba hifampitsinjo ho olona hahay mifanaja Ianao anie hiasa ao anatin’ny fijerena vaha-olana amin’ity aretina ity mba ho tanteraka ny zava-kendrena rehetra. Mivavaka aminao izahay ho an’ny mpitsabo sy ny fitaovana ary ny fanafody izay ampiasainy. Entinay am-bavaka ny Miaramila izay hampandry fahalemana izao fiaraha-monina misy anay izao mba ahavitany tsara am-pahamarinana ny asany. Entinay am-bavaka aminao ireo mpianatra indrindra ireo mpanala fanadinana. Mivavaka aminao izahay ho an’ny asa, ny orinasa ny mpiasa. Jesoa malala ô, fantatrao fa misy orinasa efa madiva hikatona, misy efa nikatona, maro ny very asa . Tompo ô, apetrakay eo am-pelatananao ireny. Fantatrao fa tsy maintsy mihinana izahay isan’andro ary dia apetrakay eo am-pelatananao ny fiainan’ireny olonao ireny sy ny asany ary Ianao no hijery sy hitsinjo ny isam-batan’olona, isa-tokatrano ary Ianao Tompo ô hitahy azy ireo ka ahatongaazy hanana fahafahana hiatrika ny fiainana eo anoloany. Entinay am-bavaka ireo sahirana, trotronay ho eo am-pela-tananao ny marary, ary ankininay eo ambany fahasoavanao ny mana-manjoa. Tompo ô, Hahita vahaolana izy ireo, ary ho sitrana amin’ny aretina, hahay hionona sy hahery noho ny fampiononanao Kristy Mpamonjy sy ny fandresenao ny fahafatesana.Mivavaka aminao izahay ho an’ireo izay mangata-bavaka, izay maniry ho entina am-bavaka ary ireo manana hataka manokana. Entinay am-bavaka aminao izay tsy voatonon’ny vavanay kanefa mahasoa anay. Izany vavaka izany dia ampiarahinay amin’ilay vavaka nampianarin’ny Tompo manao hoe “Rainay izay any an’danitra…” Amena
Fanekem-pinoana laharana voalohany no natao,
Nanatanteraka Hira iray ny Sampana Taninketsa: “Mandehana ka torio Jesoa”, rehefa vita izany dia notononina ny Tondrozotra 2020 ary notanterahan’ny Mpitandrina ny Tso-drano. Rehefa vita izany dia natao ny hira famaranana ao amin’ny Fihirana Fanampiny 52 ary nitohy tamin’ny Vavaka Mangina

IREO TOMPON’ANJARA:

Nitarika ny fotoana : Fiderana Andrianarivo

Dimy minitran’ny sekoly Alahady : Tanteraka RAKOTOARISOA

Namaky ny tenin’ndriamanitra : Sitraka Andrianarivo

Nitory ny teny : Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina

Nanao ny tatitra : Toky ZANAHARITSIMBA

Nanao ny oronantsary sy ny sary : Jonathan RABEMANANORO, Rova HARENTSOA

Alahady 05 Jolay 2020

Alahady 05 Jolay 2020

 » Ambarao ny fahafahanao amin’ny Tompo « 

Ambarao ny fahafahanao amin’ny Tompo. Izany indray no lohahevitra banjinintsika Fjkm amin’ity volana Jolay ity. Alahady voalohany ity faha 05 Jolay ity, Alahady fahaefatra manaraka ny trinite ary Alahady ivombokatry ny sampana Taniketsa. Ny filohan’ny sampana Atoa Ranivoson Toky no nitarika ny fotoana, Atoa Rajaoarisoa Lala Herizo no nanao ny vavaka ary Atoa Rabiazamaholy Haga sy Randriambeloson Sitraka no nanao ny vakiteny. Ny mpitandrina Raharijaona ihany no nitondra ny hafatra. Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no nitondrany ny fotoana.

Fiantsoana sy fiderana an’Andriamanitra

Ny Salama 103 : 1-5 no novakiana niderana an’Andriamanitra. Rehefa izay dia natao ny hira Ffpm 427 : 1, 2, 3. Nanao ny vavaka ny mpitarika ary rehefa izany dia nanambara ny sitrapon’Andriamanitra.

Natao ny hira Ffpm 511 : 1 ho setrin’izany sitrapon’Andriamanitra izany. Natao ny vavaka fifonana  ary natao ny hira Ffpm 426 : 1. Nambara ny teny famelankeloka ary natao ny hira Ffpm 538 : 2.

Ny fanekempinoana laharana voalohany no natao ho fanavaozana indray ny fanolorantena.

 

Nisy feonjavamaneno ary dia niroso tamin’ny tantara ho an’ny ankizy.

Fotoana ho an’ny ankizy

Atoa Rajaofetra Eric, tompon’andraikitra ny K1 no nanatanteraka ny fotoana ho an’ny ankizy. Natombony tamin’ny vavaka izany ary ny tenin’Andriamanitra izay nitondrany hafatra teto dia ny Joba 22 ; 21 « MIfankazara amin’ny Tsitoha hianao dia hiadana ». Nitondra tantara iray izy nanazavany izany hafatra izany ary nofaranana tamin’ny hira Ffpm 790 : 1, 2 izany.

Nisy ny hiran’ny STAF « Ray ô, inty » taorian’izany. Noho ny tsy fifanatrehana moa dia samy nanao fakana feo tany antranony avy ny ankizy ary natambatry ny tompon’andraikitra

 

Niroso avy hatrany tamin’ny fiomanana amin’ny soratra masina sy ny hafatra ka natao ny Ffpm 207 : 1, 3 mialoha izany.

Soratra masina sy hafatra

Niroso tamin’ny vavaka mialoha ny vakiteny ny tompon’anjara ary avy eo dia novakiana ny teny. Ny perikopa anio moa dia ny Isaia 51 : 9-11, Jaona 9 : 30-38 ary ny Asan’ny Apostoly 26 : 12-18.

 

Natao ny hira Ffpm 202 : 1, 2 mialoha ny hafatra

Toriteny

Ny filazantsara araka ny Jaona no nitondran’ny mpitandrina Raharijaona Solofonirina ny hafatra.

Perikopa tafiditra amin’ny fotoana nifandiran’ny mpitondra fivavahana ny amin’i Jesoa Kristy ity etoity. Araka ny voalaza ao amin’ny filazantsara dia nisy lehilahy iray izay teraka jamba nefa dia sitrana rehefa noahafahan’i Jesoa Kristy.

Nanahirana ireo mpitondra fivavahana teo amin’ny Jiosy io toe-javatra iray io. Nanadihady hatrany amin’ny ray amandrenin’ity lehilahy jamba ity ireo mpitondra fivavahana ireo satria dia te hiampanga an’i Jesoa Kristy ireo. Ilay lehilahy izay jamba hatramin’izay tokoa manko no nahagaga ireto mpitondra fivavahana ireto. Izay no itondran’ny mpitandrina hafatra amin’ity anio ity.

Nanambara ny fahafahany tanteraka izy ary fahafahana roa tonta no azony tamin’izany dia fahafahana ara-nofo ary fahafahana ara-panahy ihany koa.

Fahafahana ara-nofo

Ny olona jamba dia olona tsy mahalala afa-tsy ny loko mainty. Ny alina sy ny aizina no mandrakotra ny fiainany. Rehefa nahita izy ary dia afaka nahita loko hafa ankoatra ny mainty ary lasa olona afaka niaina ny mazava, ny andro sy ny alina.

Rehefa nohadihadin’ireto mpitondra fivavahana izy dia tsy nisy azony lazainy afatsy ny fahafahany. Nijoro hatrany hatramin’ny farany noho izany fahafahana azony izany izy.

Nisy moa ny fanontaniana nipetraka hoe izy ve no nanota sa ireo ray amandreniny. Fahiny manko dia vokatry ny ota matoa misy takaitra mahazo ny taranaka. Namaly nefa Jesoa fa tsy noho izy na noho ny ray amandreniny no nahatonga azy ho jamba fa fanehoana ny voninahitr’Andriamanitra.

Ny voninahitr’Andriamanitra dia ho an’ny rehetra. Izay dia tena aseho eto tokoa satria ity jamba ity dia olona madinika, tsy dia misy miraharaha loatre teo amin’ny fiaraha-monina. Na mahantra hianao, na marary, na ireo efa voahilikilika azy dia afaka hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra avokoa.

Ny Isaia 51 : 9-11 dia tantara manambara fa ny zanak’Israely dia babo tany Babylona. Efa nanome ny teny fikasana azy ireo Andriamantira fa ho afaka izy ireo ary hody any an-tanindrazany. Rehefa Adriamanitra no miteny dia tsy maintsy tontosa. Manambara ny herin’Andriamanitra ity bokin’Isaia voalaza eto ity.

 

Fahafahana ara-panahy

Noroahan’ireo mpitondra fivavahana ilay jamba raha toa ka tsy nahazoany teny izay eritreretany fa mety azo hanenjehana ny Tompo.

Ity lehilahy izay rehefa nifanena tamin’ny Tompo taty aoriana dia lasa nangetaheta sy te-hahalala ny Tompo. (andininy 36-38). Azon’Andriamanitra atolotra izay mangetaheta Azy ny famonjena.

Dia toy izany koa ny boky ao amin’ny Asan’ny Apostoly, perikopa anio miala ny ny amin’ny Paoly Apostoly izay afaka roa sosona.

Hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Manana izay hanafahana anao amin’izay manahirana anao ny Tompo. Eo amin’ny fiainantsika dia misy ireo fahazarantdratsy izay fanaontsika. Ny Tompo irery ihany no afaka manafaka antsika amin’izany.

Eo amin’ny sehatrintsika Fjkm, ny asan’ny Fiangonana dia ny hanafaka ny olona rehetra. Amin’izao fiainantsarotra izao dia tokony ahatoky an’i Jesoa Kristy isika. Manana ny rafitra hitondrany ny fiainantsika ny Tompo. Tokony hanao toy ny zanak’Israely, na dia mbola tany amin’ny fahababoana aza dia efa mifaly sahady satria Izy Andriamanitra mihitsy no mapanantena antsika.

Na ny fifandefasantsika vaovao eo tambazotrantsika aza dia efa fifampizarana lehibe.

Ivon’ny taniketsa anio , io sampana io dia famolavolana ankizy, fanomanana azy ireo mba ho olom-piangonana. Izay mahakolokolo no manana ny soa hoy ny hira Ffpm 787. Ny sampana dia hitaizana ny ankizy mba hanana fiainam-panahy manomboka any amin’ny fahazazany, hiditra mpianatra katekomena, ho lasa mpandray ny fanasan’ny Tompo, hanohy ny fanompoana amin’ny alalan’ny hira. Ireo no hoavin’ny Fiangonana. Anisan’ny fitaizana dia asaina mihaino toriteny ny ankizy ary mandray an-tsoratra izany.

 

Nisy ny anjarana hiran’ny Antoko mpihira Hasin’ny Famonjena, « Afak’olana » taorian’ny hafatra.

Famaranana ny fotoana

Rehefa izany dia nanao ny vavaka fangatahana ny mpitandrina ary nofaranana tamin’ny Rainay izay any an-danitra… 

 

Natao ny hira Ffpm 642 : 1, 2, nambara ny tondrozotra 2020 ary natolotra ny tso-drano. 

 

Natao ny hira Ffpm 414 : 1, 2 namaranana ny fotoana.

Lahatsoratra : Robel Hanitra

Sary : Ranaivoson Joel

Nampita ny horonan-tsary : Rabemananoro Jonathan, Raharijaona Nirina,

Fanamafisam-peo : Tina Arivony