Alahady 28 Jona 2020

Alahady 28 Jona 2020

"Mihavana ao amin’ny Tompo"

Alahadin’ny taranaka – fianakaviana – ankohonana / Fetim-pirenena

Nohon’ny sedra izahay lalovantsika dia nandray fanapahan-kevitra ny fiangonana ny hanakatona
ny trano fivavahana manomboka anio ka hatramin’ny faran’ny volana Jolay,
Isaorantsika anefa ny Tompo ny mbola hahazoana manatanteraka ny fanompoam-pivavahana
amin’ny alalan’ny horonan-tsary, hifandraisana amin’ny mpianakavin’ny finoana. Izao Alahadin’ny
taranaka izao dia mbola hibanjinatsika ny lohahevitra hoe « Mihavana ao amin’ny Tompo ».
Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitarika ny fanompoam-pivavahana sy nitory ny
Tenin’Andriamanitra. Ny litorjia amin’ny endriny faharoa no narahina.

FIDERANA SY FISAORANA AN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny fiarahabana Apostolika dia nasain’ny mpitarika nosokafana eo ambany maso ny
Salamo 33 and 1 ; 6 ; 8 ; 12 ary novakiana ho fiderana an’Andriamanitra izany tenin’ny Soratra
Masina izany: « … »
Natao ny hira sy ny hira Ffpm 170 and. 1 « Ry Jesoa ny fitiavanao »

VAVAKA FIDERANA

Niombona tamin’ny vavaka fiderana taorian’izay ary tao amin’izany no nilazany hoe « Ry
Andriamanitra Ray , Zanaka ary Fanahy Masina ô, dera sy laza sy saotra no asandratray Anao fa
mendrika ho Anao hatrizay izany ry Tompo ary mbola ho Anao mandrakizay. Dia indreto izahay
izay navotanao, nomenao tombon’andro ary tombon’androm-pahasoavana, midera Anao,
Mankalaza Anao, manome voninahitra Anao, eny mitsaoka Anao satria Andriamanitra velona
Ianao, ary mijery sy mitsinjo ny olonao mandrakariva. Isaoranay Anao Tompo, ny zavatra rehetra
izay efa nataonao teo amin’ny fiananay, ny famindraponao no mbola maha toy izao anay.
Manaoloana izany anefa dia mahatsiaro izahay fa tsy mendrika eo Anatrehanao, ary efa nanao
ratsy teo imasinao ka mifona aminao izahay ary mangataka ny famindraponao mba hamela ny
helokay. Fa Andriamanitra tsy mba mitahiry fahatezerana Ianao ho an’izay rehetra mibebaka
marina tokoa sy miaiky ny fahotàny. Ny famelankeloka atolorao no anandratany ny feonay satria
Andriamanitra tia anay Ianao. Mangataka ny fanatrehanao izahay mba hameno izao fotoana izao
ny Fahamasinanao ka izay rehetra manatrika sy manaraka ary mihaino izay fotoana izao dia Ianao
Tompo no homba azy ireo. Ianao no deraina sy Asandratra nohon’ny fitahinao sy famindraponao.
Amena

FANKALAZANA NY TENIN'ANDRIAMANITRA

Ny hira ao amin’ny fihirana FFPM 741 and.1 no nohiraina « Jehovah Tompo o » mialoha ny vavaka
sy ny vaki-teny.
Ny teny novakiana dia araka ny Perikopa Fjkm voalahatra dia ny Zakaria 8 : 14-17, Marka 5 : 25-26
ary II Koritiana 13: 11-14. Mialohan’ izay dia nanao ny vavaka Rtoa Raharijaona Rasetamanana
Bodoarisoa.
Ny hira FFPM 487 and 1,2 « Fanavaozan’izay mahagaga tokoa » no nohiraina mialoha ny toriteny.

Toriteny

Ny teny izay entina handraisana hafatra dia izay voasoratra ao amin’ny bokin ‘i Zakaria Mpaminany
toko faha-8 and 14-17.
Tantaran’ireo Jiosy tafaverina avy any amin’ny fahababona tany babylona, anisan’ny fotoan-
tsarotra tokoa tamin’izany fa indrindra ny teo anivon’ny fiaraha-monina sy toe-karena ary ny
fanarenana ny tanàna.
Nampanantena Andriamanitra fa hanisy soa ity firenena ity ary ho tanterahina tokoa izany. Ho resy
sy hiova fo ireo firenena manodidina ity firenena Masina antsoina amin’ny Anarany ity, hitsahatra
ny ratsy ary ho tonga ny soa.

Ity bokin’ny Zakaria ity dia azo omena lohateny hoe «  Ny olona mihavana amin’ny Tompo » satria
manambara ireo toromarika iainana ho an’ireo tafaverina avy any am-pahababoana ka hanorina
fiainana vaovao ao an-tanindrazana.
Lohahevitra roa lehibe no azo tsohahina dia ireto :
1- Olona mihavana amin’ny Tompo dia tia namana
Ny fisehon’izany dia :
– Miteny marina amin’ny namany
– mitsara marina : ireo izay rehetra nahazo izany fahasoavana izany dia tokony handeha amin’ny
marina
Raha tia namana tokoa izany ny olona iray ary mitsara marina dia mitondra fiadanana eo amin’ny
fiaraha-monina izany.
– mitadrina ny sitrapon’Andriamanitra : tsy manisy ratsy ny namana satria baikon’ny Tompo ny
mba hifankatiavana. Tokony hotiavina avokoa ny olona rehetra eny fa ny dia olona mankahala
anao aza.
Tsara ihany koa ny tsy manao voady tsy hefa.
Hitan’Andriamanitra avokoa ny fikasàna sy faniriana eny fa na dia ny feon’ny fieritreretanao aza.
2 – Mihavàna ao amin’ny Tompo ianao sy ny namanao
Ny fihavanana izay atao dia fihavanana ao amin’ny Tompo, fihavanana masina sy tanteraka ao
amin’Andriamanitra.
Ny mpiray sampana, sampan’Asa ihany koa dia tsara raha ao amin’ny Tompo no miaraka rehefa
manatanteraka asa.
Ity fihavanana ao amin’ny Tompo ity dia fiainan’ny Fanjakan’Andriamanitra, santarina dieny ety
an-tany.
Raha mihavana amin’ny Tompo isika dia tokony mihavana ihany koa ao amin’ny Tompo satria
izany ilay fiaraha-monin ‘ny lanitra, fihavanana marina, tanteraka ary kasain’i Kristy hatramin’ny
voalohany ho fiainantsika mandrakizay.
Amena.
Hiran’ny antoko mpihira RFF no natao setrin’ny hafatra ny Tompo.

VAVAKA FANGATAHANA

Nisaotra sy nankatelina an’Andriamanitra ny Mpitandrina Raharijaona fa afaka nandre ny teny ny
hafatry ny Tompo. Teny izay mamelona ny fo, saina ary Fanahy na dia tsy afaka manatrika ny
fotoana aza ny mpino. Nangataka fampaherezana mba tsy ho avela irery ny fiangonana.
Nangataka mba hahatandrina hatrany ny sitrapon’Andriamanitra. Ary amin’izao fotoana
fihibohana izao dia mba tsy ho lefy ato anaty ka hanana faharetana ny Kristianina tsirairay. Vavaka
ho an’ireo mararin’ny aretina Covid-19 sy ny mba hahalevona izany.
Vavaka ho an’ny fiangonana sy ny mpitondra fivavahana rehetra, vavaka ho an’ny Nosy sy ireo
mpitondra fanjakana. Vavaka ho an’ireo tompon’andraikitra rehetra eo anivon’ny sehatry ny
fahasalamàna, fitandrona ny filaminana. Vavaka ho an’ireo mpianatra izay ho avin’ny firenena,
ankohonana rahatrizay. Vavaka ho an’ireo miasa, ireo very asa amin’izao fotoan-tsarotra izao ka
hijery sy hitsinjo azy ireo.
Tariho ho ao Aminao Kristy hihavana aminao ary hihavana ao Aminao ihany koa.
Vavaka ho an’ireo havana marary, nodimandry mba hahitra fiononana sy ho sitrana amin’ny
aretina mahazo azy. Na dia misy aza tsy voatonona dia hangatahana mba ho tanteraka araka ny
sitrapon’Andriamanitra. Izany vavaka izany dia faranana amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo :
«  Rainay izay any an-danitra »
Amena.

FAMELAN-KELOKA

Ho setrin’ny vavaka fangatahana dia hanavao ny fanoloranena isika amin’ny alalan’ny fanononana
ny fanekem-pinoana natao Apostolika laharana voalohany.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina hira Ffpm 734 and.1 « Zanahary o ! Tahio ny tanindrazanay »
Notononina avy hatrany tondrozotra 2020 ary nanome tsodrano ny mpitandrina.
Ny hira ao amin’ny fihirana fanampiny 44 and 1 no nentina namarana ny fotoana «  Ry
Madagasikara soa »
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy
Masina. Amena.
Nanetana n mpitandrina ny mba hanaovantsika ny akanjo gasigasy ka havoaka ao amin’ny pejy
facebook-n’ny fiangonana mba hifampizarantsika ny soa sy ny mamy eny fa na dia samy any an-
tranony tsirairay avy aza,
Homba antsika anie Jesoa Kristy ilay lohan’ny fiangonana. Amena

Naka sy nandrindra ny horonan-tsary : Raharijaona Nirina sy Rabemananoro Jonathan
Nanao ny fanamafisam-peo : Tiana Arivony 
Nandray an-tsoratra : Ranaivoson Joël

RAJAOFETRA Seta Marcel

RAJAOFETRA SETA MARCEL (15 Martsa 1954 - 22 Jona 2020)

« Sambatra izay maty dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy ; fa ny asany manaraka azy. » APOK 14 : 13

Nindaosin’ny fahafatesana RAJAOFETRA Seta Marcel, Filoha amperinasan’ny Gazety TARATRY NY FAMONJENA SY NY TRANONKALA ny Alatsinainy 22 jona 2020 rehefa nampindramin’ Andriamanitra antsika nahalala azy sy nifanerasera taminy nandritra ny 66 taona. 

Noho ny asa vitany teo anivon’ity rafitra ity nandritra ny taona maro dia heverinay fa mendrika ny hanaovana tatitra manokana eto momba ny fotoam-bavaka famoahana sy ny nanaterana ny nofo mangatsiakany tany am-pasan-drazany ny talata 23 jona 2020. Famintinana ho tahiry sy ho hitan’ny olona maro izay naniry nanatrika nefa tsy mba afaka noho izao hamehana ara-pahasalamana izao fa indrindra koa ho fampaherezana ny Fiangonana hahafahana mbola manohy ny hezaka tsara nozarainy tamim-pikirizana, fitiavana, fifaliana ary faharetana fony fahavelony. Banga olo-manga ny Fiangonana ary malahelo kanefa tsy maintsy mionona manoloana izao fahoriana izao. Anterina ny fampaherezana ny reniny, ny vadiny, ny zanany mianadahy, ny iray tampo aminy (izay any ampita) sy fianakaviana manontolo.

Araka ny fandaminana dia voafetra ho 50 ihany ny olona afaka niditra tao anatin’ny trano fiangonana ary ny solontenan’ny rafitra sy ny olona hafa dia teo an-tokontany no nipetraka (voafetra ihany koa ny isa), nisy koa ny nijoro.

Tamin’ny 1 ora tolakandro no niditra ny trano fiangonana ny razana sy ny fianakaviana akaiky tao anatin’ny feon-javamaneno notendren’ny tanora miisa 15 mpikambana ao amin’ny SMZM « Let the river run » (Carly Simon).

FANOMBOHANA

Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina no nitarika ny litorjia sy nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’ny nanatrika.

Taorian’ny fiarahabana apostolika dia ny SAL 23 no novakiana teo am-pitsanganana izay narahin’ny hira FFPM 8 : 1-2 « Dera, laza » ary vavaka.

«  Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy ; mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy. Mamelombelona ny fanahiko Izy ; mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy. Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho ; fa Hianao no amiko ; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ny fahavaloko Hianao ; manosotra diloilo ny lohako Hianao ; ny kapoakako feno dia feno. Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho. »

SORATRA MASINA

Rehefa izay dia novakiana misesy ny SAL 73 : 25-28 ; JAO 14 : 1-7 ; APOK 14 : 12-13, ity farany izay andinin-tSoratra Masina nofidian’ny fianakaviana.

« Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra. Fa, indro, very izay lavitra Anao ; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao. Fa, izaho, dia ho akaikin’ Andriamanitra no mahatsara ahy ; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho. […]  Aza malahelo ny fonareo ; minoa an’ Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro ; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho ; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay halehako. Hoy Tomasy taminy : Tompoko, tsy fantatray izay alehanao ; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana ? Hoy Jesosy taminy : Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Raha mahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa ; ary hatramin’izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy. […]  Indro ny faharetan’ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy. Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe : Soraty : Sambatra izay maty dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy ; fa ny asany manaraka azy. »

Taorian’ny vakiteny dia natao ny hira « Aza avela hahalala » FF 32 ary niroso tamin’ny fitoriana ny hafatra ny Mpitandrina. (Tsy nisy feo azo nalaina moa noho ny tsi-fisian’ny fitaovana sy olona ary i Tonton Seta no tena niandraikitra mivantana ny fakana feo ny toriteny, no tsy mba afaka koa nihaino ilay toriteny satria teo ivelany).

Nanaraka ny toriteny ny feon-kira « Missa Amoris » (Saint Preux) sy vavaka fangataham-pitahiana nofaranana tamin’ny « Rainay Izay any an-danitra ». Noredonina ny hira FFPM 753 : 1-2 « Tiako ny hiaraka Aminao, Jesoa ». Vita izany dia nanantontosa ny famangiana ny Fiangonana ka solontena iray avy ihany no nijoro manoloana ny alitara nanatrika ny fianakaviana. Raha tsiahivina dia Loholona i Tonton Seta ary Vaomieran’ny Vola ; mpikambana ao amin’ny Gazety Taratry ny Famonjena sy ny Tranonkala (Filoha) ; ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (Chef d’orchestre) sady mpitendry organ’ny Fiangonana ; ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena ; ny Vondrona Fototra Laika ary solontena ao amin’ny Komitin’ny Efitra Atsimo. Rehefa nivoaka ny namangy dia nanolotra ny teny fisaorana sy fandaminana ny Mpitandrina. Nohiraina ny FFPM 480 : 3 « Mamin’ny foko » dia nomena ny tsodrano. Ny feon-kira firavana dia « Prélude et chorale » (Saint Preux). Tamin’ny 2 ora sy 14 minitra tolakandro no nivoaka teo an-tokontany ny fianakaviana novangian’izay tsy mbola nahefa ny adidiny sy tsy afaka nandevina. 

Ny lalana nolalovana dia Ambohidahy, Betongolo, Analamahitsy, Ilafy. Tamin’ny 3 ora sy 38 minitra no nanomboka ny fotoana teny am-pasana eny Antsofinondry Ramilison Diamondra, Mpitandrina. Natao ny hira FFPM 141 : 1 « Efa resy izao » dia nisy andinin-tSoratra Masina novakiana ary vavaka. Rehefa izay dia nanambara miaraka ny fanekem-pinoana apostolika ny nanatrika, natolotra ny tsodrano, notononina ny Trinité ary nasitrika ny razana tao anatin’ny hira FFPM 515 « Tsara lova, ry Jesoa ». Niditra tao am-pasana ny reny, vady, zanak’i Tonton Seta ary mbola nitohy ny hira FFM 701 : 1-2 « Ny hiran’ny lanitra ». Nijoro manoloana ny mpandevina ny solontenan’ny fianakaviana ka nandray fitenenana fohy tamin’izany i Sandrine zananivavy nanantitra ny fisaorana ary namintina ny naha-izy azy ny rainy. Ny Mpitandrina miana-draharaha Andriatsilavina Nofy no nanao teny fohy fanatevenana ny fisaorana, nanolotra valopy samihafa. Nanangana ny tanana havanana ny nanatrika ho solon’ny fifandraisan-tanana. Nifarana ny fandevenana an’i Tonton Seta tamin’ny 3 ora sy 55 minitra tolakandro. Nisy feon-javamaneno nalefa ary mbola nijoro ny fianakaviana nampaherezina ary samy namonjy ny tokantranony avy.

Na dia tampoka sy mafy aza dia isaorana Andriamanitra naka ho any Aminy ny mpanompony. Izy anie hampahery antsika hatrany !

« Fa na dia ory sy malahelo aza aho, ny Tompo no mihevitra ahy ; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao. Aza ela, Andriamanitra ô ! » SAL 40 : 17

 

  • Hisy pejy manokana voatokana hampahatsiahivana ny momba azy ao amin’ny gazety TARATRY NY FAMONJENA volana jolay 2020 (Lah.514).

Nanoratra : Ralaiarimanana Narindra

Naka sary  : Raharijaona Rasetamanana Solofonirina sy Rajaofetra Sandy

Alahady 21 Jona 2020

ALAHADY 21 JONA 2020

« MIHAVANA AO AMIN’NY TOMPO »

Ny fotoana voalohany tamin’ny 7 ora no nakana izao tatitra izao. RAZAFIMBELO Holy, diakona sy mpikambana ao amin’ny Sampana Vokovoko Manga no nitarika raha RAZAFINARIVO Andriatsilavina Nofy, mpianatra ho Mpitandrina no nitondra ny hafatry ny Tompo tamin’ny Fiangonana. 

Ny litorjia endriny faharoa no narahana. Marihina fa ivom-bokatry ny Sampana Vokovoko Manga manerana ny sahan’ny FJKM ny Alahady anio ary iarahana amin’ny Rantsana Fanantenana izany ho antsika eto Amparibe Famonjena, anio ihany koa no Alahady hahatsiarovana ireo raim-pianakaviana rehetra,

FIDERANA AN’ ANDRIAMANITRA

Ny SAL 85 ; 8 – 13 no andinin-tSoratra Masina niarahan’ny Fiangonana namaky teo am-pitsanganana taorian’ny feon-javamaneno fidirana, ny fanolorana sy ny fiarahabana apostolika. Ny hira FFPM 1 :1 -4 « ANDRIANANAHARY, Masina Indrindra » no nanaraka izany ary vavaka fisaorana. Nisy feon-javamaneno fohy dia niroso tamin’ny 5 minitra ho an’ny ankizy ny efa niomana tamin’izany.

FOTOANAN’NY ANKIZY

Zoky HARENTSOA Louisa, mpampianatra ao amin’ny kilasy K8 no nitondra ny hafatra ho an’ny ankizy.

Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra fohy dia araka ny Sal : 34: 1b: « Hisaotra an’i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. »

 

Isika rehetra dia tokony hanana fahazarana izay tian’Andriamanitra ho ataontsika, toy ny vao mifoha maraina noho ny tombon’andro izay nomeny antsika, ny fahasalamantsika

Tokony hideran an’Andriamanitra ihany koa isika, tsy voatery amin’ny hira ihany izany fa amin’ny fitondran-tena ihany koa amin’ny maha Kristianina antsika.

Izany fahazarana anakiroa izany no tian’ny Tompo ho tanterahantsika,

 

Nanatontosa vavaka ny mpampianatra rehefa vita ny fampianarana.

Notanterahin’ny fiangonana avy hatrany hira FFPM 179 : 1 « Ny fanahy Masina efa tonga tokoa », ary notohizana tamin’ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra ny fotoana.

FANKALAZANA NY TENIN’ ANDRIAMANITRA

Nanao vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ny mpikambana avy eo anivon’ny SVMRF.

Novakiana misesy ny teny, araka ny OHA 20 : 1 – 3 ; LIO 21 : 34 -36 ; JAK 3 : 13 – 18 . Nataon’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira FFPM 226 « Tompo ô ! Mba te hihaona » dia toriteny no nanaraka izany.

TORITENY

Ny teny nangalàna ny hafatra dia ny avy ao amin’ny tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny Lio 21 : 34-36.

Lohahevitra azo tsoahina amin’izany ny hoe «Ny olona vonona hihavana ao amin’ny Tompo».

Ahitana hevitra roa izany dia ny :

·         Ny olona vonona hihavana ao amin’ny Tompo dia mitandrina tokoa

·         Ny olona vonona hihavana ao amin’ny Tompo dia miambina sady mivavaka mandrakariva

1 – Ny olona vonona hihavana ao amin’ny Tompo dia mitandrina tokoa

Eto Jesoa dia milaza ny amin’izany fitandremana izany, mba hanaovana ho anaka andriamaso ny fo ka tsy ho vesaran’ny fahafinaretan’izao tontolo izao, miaro sy mikolokolo ary mikarakara ny fo.

Rehefa variana amin’izany fahafinaretana mandalo izany ianao dia tsy tompon’ny tenanao,

Aoka isika Kristianina hijoro vavolombelona mba hiteny ny namantsika sy ny havantsika tsy ho vesaran’ny fahafinaretan’izao tontolo izao.

Misy ny olona izay manana fiainana tsy mandeha raha tsy mikitika na misotro kely. Azo lazaina fa vesatra ho amin’ny fiainany izany.

I Jesoa no lalana raha sendra izany ianao, koa ento ao Aminy ny vesatrao fa izy irery no mahavita sy maha afaka izany, ka tsy ho variana amin’ny fahafinaretan’izao fiainana izao.  

2 – Miambina sady mivavaka mandrakariva

Azo raisina amin’ny fomba fijery anakiroa izany dia ny hoe :

·         mifoha ary manaramaso ny manodidina azy

·         mifantoka tsara amin’izay atao

Mila mangataka amin’ny Tompo mandrakariva isika mba hahery ary hampandositra ny loza ho avy.

Ny hahatongavana amin’izany rehetra izany dia :

– mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy

– aoka hitoetra ao am-ponao i Jesoa ka hijoro ho Vavolombelony hatrany ianao

 Amena!

FAMELAN-KELOKA

Nisy feon-javamaneno fohy tao aorian’ny toriteny, rehefa izany dia nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika. Natolotra teo am-pitsanganana ny Teny famelan-keloka ary natao ny fanononana ny fanekem-pinoana (Lah.3).

Nisy feon-javamaneno fohy tao anaty vavaka mangina.

RAHARAHAM-PIANGONANA

Maminirina RAZAFIMAHARO, diakona no nilaza vaovao tokony ho fantatra. Ny teny nentiny niarahaba ny fiangonana dia ny  Eze 36 : 24 « Fa halaiko avy any amin’ny Jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra ka ho entiko any amin’ny taninareo»

·         Araka ny fanapahan-kevitra noraisina dia ny Alahady ihany no misy ny fanompoamp-pivavahana dia amin’ny 7ora, 9ora ary 11ora.

·         Ny fianarana Katekomena dia ny Alahady amin’ny 2ora sy fahaefany

·         Fampahafantarana sy fanentanana ny olona hanaraka ny fepetra takiana amin’izao vaninandro izao momba ny fandaminana ny fanompoam-pivavahana.

·         Misy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo

·         Alahady hitondrana am-bavaka ny taranaka sy ny fianakaviana ny amin’ny eriny anio

·         Manao fitafiana Malagasy ihany koa amin’ny eriny anio ho fanamarihana ny fetim-pirenena

Mangataka ny fiangonana hitrotro am-bavaka ny firenena ny amin’izao valan’aretina izao

ASA VAVOLOMBELONA

Fotoana manokana ho fiarahabana ny raim-pianakaviana rehetra, ka ny teny nentina niarahaba azyr ireo dia tao amin’ny Rom 13 : 8 « Aza avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany ; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna»

Nitondra ny tantara mahakasika ny nahatonga ny fetin’ny ray ny ny Mpitandrina Raharijaona Solofinirina. Nohamafisiny fa ny raim-pianakaviana Kristianina no tena mpitarika ny ankohonana ny amin’ny fatahorana an’Andriamanitra, izany dia ho mariky ny fifankatiavana.

Noho ny avy eo dia nisy ny fitondrana am-bavaka azy ireo izay notanterahin’ny Mpitandrina.

Rehefa vita izany dia niroso tamin’ny rakitra sy ny fanomezana.

RAKITRA

FFPM 283 « Manan-jara ry Jesosy! » no hira nataon’ny Fiangonana nandritra ny rakitra. Ho fanolorana izany dia ny hira FFPM 275: 1 “Raisinao ry Tomposoa ” no nataon’ny Fiangonana. Nitohy tamin’ny vavaka notarihan-dRaharijaona Solofinirina, Mpitandrina izany.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Nisaotra noho ny fanolorantena izay nataon’ny Fiangonana ary nivavaka ho an’ny mpitondra Fiangonana sy mpitory ny Filazantsara ; ho an’ny kristiana rehetra eto amin’ny Fitandremana Amparibe ; vavaka ho an’ny sampana sy ny sampan’asa rehetra indrindra ho an’ny Sampana Vokovoko manga ny amin’ny asa lehibe sy mafy izay miandry azy ireo ; vavaka ho an’ny asan’ny fiangonana, indrindra amin’izao fotoana ratsy lalovan’izao tontolo izao noho’ny aretina ; vavaka ho an’ny tany sy ny firenena, amin’izao akatoky ny fety izao, ho an’ny ny mpitondra mba handeha amin’ny fahamarinana sy fahamasinana ; vavaka ho an’ny mpikarakara ny fahasalamana rehetra, ny mpitandro ny filaminana mba hiasa am-pitiavana sy hitsinjo ny vahoaka ka andry fahalemana i Madagasikara ; vavaka ho an’ireo sahirana sy marary ary mana-manjo ; ny manana hataka manokana rehetra sy izay nangata-bavaka. Izany dia nofaranana tamin’ny “Rainay Izay any an-danitra”. Amena

Rehefa vita izany dia nitohy avy hatrany tamin’ny Fandraisana ny Fanasan’Ny Tompo ny fotoana,

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao ny hira SVM 28 : 2 « Asehoy ny fanekena » dia notononina ny tondrozotra 2020. Natolotra ny tsodrano dia noredonina ny andininy faha 4 tamin’ny hira SVM 28 nofaranana tamin’ny Amen. Nisy vavaka mangina sy trinité ary feon-javamaneno. Nifarana tamin’ny 8 ora sy 30 minitra ny fotoana.

NY TOMPON’ANJARA

Mpitendry: Rajaofetra Philippe
Diakona tompon’anjara : Vaomieran’ny Fananana
Fafana: Ratiarison Joris
Fanamafisam-peo : Rakotovololona Lova
Naka sary : Ranaivoson Joël
Nandray an-tsoratra ny fotoana : Ranaivoson Joël

Sabotsy 13 sy Alahady 14 Jona 2020

ALAHADY 14 JONA 2020

Alahadin'ny Sampana Lehilahy Kristiana
"Miahavana ao amin'ny Tompo"

« Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah. » (Levitikosy 19:18)

Ny fotoana voalohany tamin’ny 7 ora no tanterina amintsika izao. Rakotovololona Lova avy ao amin’ny Sampana Lehilahy Kristiana no nitarika ny fotoana. Ny Mpitandrina miana-draharaha Andriantsilavina Nofy no nitondra ny hafatry ny Tompo ary Rasolonjanahary Fidy no nanatanteraka ny vavaka sy vakiteny. Ny litorjia amin’ny endriny faharoa no nanatanterahina izao fanompoam-pivavahana izao.

Alahady ivom-bokatra sy nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana androany, ary ny lohahevitra izay banjinina amin’izao volana Jona izao dia ny hoe « Mihavàna ao amin’ny Tompo ».

FIDERANA AN’ ANDRIAMANITRA

Taorian’ny feon-javamaneno fidirana, ny fanolorana sy ny fiarahabana apostolika dia ny Salamo 97:10-12 « Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin’ny olony masina Izy Ary mamonjy azy amin’ny tanan’ny ratsy fanahy. » no niarahan’ny Fiangonana namaky teo am-pitsanganana ho fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.

Taorian’izay dia nohiraina ny hira FFPM 267 :1,4 « He ny andon’ny maraina »

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Misaotra noho ny fitantanan’Andriamanitra izay tsy namela hiaina tao anatin’ny fahabadona, naniraka mpanompo hanorona sekoly. Manokana izao fotoana izao hitondrana am-bavaka ny ezaka rehetra ho fampandrosoa izany sekoly izany ary koa hitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana izay manatanteraka ny herinandrom-bokatra. Mangataka ny herin’ny Fanahy Masina mba hifantoka sy ho mendrika ny hanome voninahitra an’Andriamanitra. Amin’ny anaran’i Jesoa no anaovana izao vavaka izao.

Nisy feon-javamaneno fohy dia niroso tamin’ny 5 minitra ho an’ny ankizy ny efa niomana tamin’izany.

FOTOANA HO AN’NY SEKOLY ALAHADY

Harentsoa Mamy, mpampianatra ao amin’ny K10 no nanatontosa ny dimy minitran’ny Sekoly Alahady. Ny Filipiana 2 :4 no andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra fohy : « Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa. »

Naka ohatra momba ny vaovao malaza eran-tany izy dia ny “Coronavirus”.

Nohazavana tamin’izany fa ny haterak’izany « Coronavirus » izany dia ny “confinement” izany hoe  fihibohana, tsy mahazo mifanerasera intsony, tsy mahazo mifamangy ny fianakaviana sao mifindra ny aretina.

Tokony ho tadidintsika anefa fa Jesoa Kristy dia mpampihavana , toky fampiraisana eo amin’ny fiainana. Izany hoe isika dia tokony hanana fijery vaovao, fomba fanao vaovao, fisainana vaovao.

Ny takian’ny Tompo amintsika araka ny tapany faharoa amin’ny andinin-tSoratra Masina « mihevitra ny amin’ny namanao », dia izaho sy ianao, tokony tsy mieritretritra izay momba ny tenantsika irery intsony, noraisina ohatra: ny fianarantsika, ny asantsika, ny tokantranontsika no mahavariana antsika. 

Ny tokony ataontsika dia ny mivavaka ho any namana mba handray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy, mivavaka ihany koa ho an’ny namana  izay tratry ny olana.

Taorian’iay hafatra fohy sy vavaka dia nohiraina ny FFPM 534:1,4 « Misy didy tena tsara » ary nofaranana tamin’ny vavaka.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA.

Nanao ny vavaka sy ny famakiana nisesy ny Teny Soratra Masina i Rasolonjanahary Fidy.Ny Perikopa androany dia ny Levitikosy 19:16-18 ; Marka 9:33-50 ; Filipiana 2:1-4.

Nohiraina teo am-pitsanganana ny hira FFPM 531 : 1,3 « Ry Jesoa loharanon’aina».

TORITENY

Nivavaka ny Mpitandrina miana-draharaha, Andriatsilavina Nofy, mialohan’ny nitoriny Teny. Nangataka  an’Andriamanitra mba hiasa ao anatin’ny tsirairay amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba ho feno izany Fanahy Masina izany ka ho tany lonaky ny Tenin’Andriamanitra.  

Ny hafatra dia noraisiny avy ao amin’ny Levitikosy 19:16-18. Resaka fampiharana no hafatra. Fampiharana na fiainana avy  hatrany amin’ny Teny hoe : “tiava ny namanao tahaka ny tenanao”

Ohatry ny ahoana izany tia ny namana tahaka ny tena izany ? Ampidirintsika ny amin’ny hoe fotoanan’ny SKL anio. Ny lehilahy rehefa miresaka dia somary mivatambatana ka haheno fomba fitenin-jatovo ianareo ato anatin’izao toriteny izao.

1- Tiava ny namanao tahaka ny tenanao

Aza lehilahy manao zipo. Tsy kilt écossais akory ny zipo eto. Ny  andininy faha 16 no manambara izany eto. Ny tiana ambara amin’izany eto dia hoe :

  • Aza manaratsy ny namana amin’ny hafa, izany hoe lehilahy mitantara “secret” na ny tsiambaratelony. Ny lehilahy rehefa tafavorivory eo ambody vera dia hoy ilay teny hoe “dans un verre se trouve la vérité”. Mitantara “secret” ilay namana dia mihaino ianao dia avy eo tsy mahatana ilay “secret” dia lasa hitantara sy hanaratsy amin’ny namana hafa. Tokony hosafidiana ihany ny namana amintsika Kristiana. Mila mahatandrina, ny zavatra hohenoina, mitahiry tsiambaratelo. Aoka tsy ho lehilahy manao zipo
  • Aza mijoro ho vavolombelona mandainga. “aza mitsangana handatsaka ny ran’ ny namanao”: Misy lehilahy tsy menatra ny mandainga, milaza zavatra tsy marina. Toetran’olombelona hita eny amin’ny fiaraha-monina eny izany. Mety misy tahaka izany eo anivon’ny Fiangonana. Lehilahy variana mitatasika, hoy ny fiteny ankehitriny, mangorongoron-dreska etsy sy eroa.

Ny vehivavy koa tsy latsa-danja amin’izany. Ao anatin’izany ny vehivavy. Ao anatiny toetra takiana amintsika kristiana ny hoe tsy mifanaratsy, tsy mijoro ho vavolombelona mandainga.

Aoka tsy isika no hahatonga fanafitohina, apka tsy ho avy amin’ny lehilahy  ny hijoro ho vavolombelona mandainga

2- Aza maka aretim-po FAMELAN-KELOKA (and. 17)

Ny andininy faha 17 no hangalana izany. Angaha moa ny aretim-po alaina ? Fomba fiteny ankehitriny izany. Misy olona  maka hatezerana amin’ny tsy misy antony, mankahala amin’ny zavatra tsy fantatra.

a -Aza mankahala.

Raha namaky ny Filipiana dia tokony hitady fiombonana, fampiraisana , firahalahiana isika eo anivon’ny fianakaviana, fiaraha-monina. Fankahalana anefa no betsaka ; tsy hidirana ny lafony politika fa ny atsy mankahala ny atsy,  ny atsy mankahala ny atsy hany ka na zavatra tsara aza by ataon’ny anakiray dia tsy tiavin’ny anankiray. Eo anivon’ny fianakaviana koa dia misy fankahalana isan-karazany. Ao anaty fianakaviana tsy maintsy misy Ra-Dadatoa be fitenenana. Miteny tsy amin’ny ftiavana dia lasa hankahalan’ny ankizy. Koa raha miteny ianao dia soloy fitiavana ny fankahalana. Ny lehilahy mantsy somary mitratrevatreva, nefa raha am-pitiavana dia fantatra ihany.

Tsy latsa-danja amin’izany koa ny vehivavy. Tahaka ny ahoana ny vehivavy eo amin’ny fiainana andavan’andro ? Tsy hilaozan’izay misy fahatezerana mandala. Aza mankahala fa soloy fitiavana

b- mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.

Mananara mahitsy ny namanao, tsy miolakolaka, tsy manao “demagogie”, tsy miodikodina fa miteny mahitsy. Ny hoe mananara dia misy dikany telo :

  • Manitsy ny tsy mety ataony, manitsy am-pitiavana. Mandresy lahatra ny namanao amin’ny izay ratsy ataony, mampibebaka azy
  • Manondro sy mampahafantra azy fa tsy mety ny nataony.
  • Ny takiana aminao dia fanitsiana am-pitiavana, fanitsiana feno fitiavana. Hita taratra amintsika Malagasy koa izany manao hoe “Am-pitiavana be no hitenenako aminao hoe izao no nataonao”. Aza mankahala be fahatany. Rehefa manitsy dia manitsy am-pitiavana. Rehefa tafita ny hafatra dia mahatsiaro maivana isika

Jesoa dia tsy mamaly be fahatany ny mpianany fa manitsy am-pitiavana koa aoka isika hanitsy ampitiavana. Aza mankahala.

3- Aza miandry “retour”

Ao amin’ny andininy faha 18 no ahitana izany. Aza mamaly ratsy na “vengeance” no tiana resahina eto : misy karazana olona toy izany, na ny lehilahy, na ny vehivavy.  Ho an’ny lehilahy, aza manana izany famaliana ratsy izany, ary ho an’ny vehivavy aza miandry kendritohana.

Lasa manao lolompo ny olona izany hoe mitahiry ao anaty vokatr’ilay ratra anaty, fahatezerana, tsy famelana heloka.Hoy ny Tenin’Andriamanitra hoe “aza mitahiry lolompo ianao”

Amin’izao fotona izao eo anivon’ny fiangonana ny atao hoe “vengeance pastorale”.  Aza manao izany. Aza miandry kendritohana. Aza mamaly ratsy, aza mitahiry ny lolompo. Rehefa tanterakao izany dia ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao.

Aoka ho fiainanao izany satria izany no kendrena ho aminao.

Mampahery anao lehilahy kristiana satria misy ireo karazana olona ireo. Ny Tompo hampahery anareo.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra

feon-javamaneo

FAMELAN-KELOKA

Misaotra an’Andriamanitra izay tsy namela ho diso anjara amin’ny hanim-panahy, tsy mitsahatra mampahafantatra ny sitrapony. Araka ny hafatra noraisina dia mampianatra anay ny ho tia ny namanay tahaka ny tenanay Izy, tsy hankahala, tsy hanaratsy, tsy hijoro ho vavolombelona mpandainga ary tsy haka aretina amin’ny fahatezerana fa mba hifananatra am-pitiavana. Nampianatra koa Andriamanitra ny tsy hamaliana ratsy sy tsy hitehirizana lolompo.

Mpanota anefa, tsy misy fahamarinana, koa manantona amin’ny fo torotoro mihaiky ny tsy fahamarinana.

Andriamanitra be famindrampo sy mamela heloka ny Andriamanitra hivavahanay ka mino ny famelan-keloka ao amin”i Jesoa Kristy Mpamonjy izahay. Misaotra Jesoa.

Ho fanehoana ny finoana dia niarahana  ny fanekem-pinoana Nikeana (Lah.2).

RAHARAHAN’NY FIANGONANA

Ralaindimby Haja, Mpitantsoratry ny volan’ny Fiangonana, no nilaza ny raharaha. Anisan’ny nambarany tamin’izany :

  • Mitohy ny fanatotonsana ny fanompoam-pivavahana na mbola eo ary ny fepetra tsy maintsy arahana
  • Alahady heriny dia fanateram-bokatry ny Rantsana Fanantenana sy ny Sampana Vokovokomanga
  • Alahadin’ny taranaka sy ny ankohonana : 27 sy 28 jona. Amin’io koa no hanatanterahana ny hetsika gasigasy koa aza adino ny fitafy malagasy

FANATI-PISAORANA

Nandray anjara hira ny Sampana Taninketsa.

Natao nandritra ny fanati-pisaorana ny hira FFPM 268 “Jesosy no mpiandry ny Fiangonanay”.

Ny FFPM 356 :5 “ Ry sakaizan’ny mpanota”no nohiraina ho fanolorana izany.

VAVAKA FANGATAHANA

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nanao ny vavaka fangatahana

Mbola nisaotra an’Andriamanitra izy noho ny fahasoavany ka mbola afaka nanatanteraka izao fanompoam-pivavahana izao. Indreto mitondra am-bavaka ny Fiangonana, ny mpitondra Fiangonana. Mitondra am-bavaka ny rafitra rehetra ao anatin’ny Fiangoanana ka tsaroanay manokana amin’izanyny Sampana Lehilahy Kristiana manatanteraka ny fetim-bokatra 2020. Mivavaka koa ho an’ny Sekoly FJKM manerana ny nosy izay ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Mivavaka ho an’ny fiainan’ny firenena manontolo mihitsy. Ianao Tompo mahalala ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Mpamonjy ô, ho any amin’iza izahay ? Apetrakay eo am-pelatanao  manomboka any amin’ny Filoham-pirenena ka hatrany sefo fokontany sy izay nomena andraikitra mba handeha amin’ny fahamarinana sy fahamasinana ka hifampitsinjo. Toa izany no hametrahanay eo ampelatananao koa hatrany amin’ny mpanao gazety, mpikarakara ny fahasalamana mba hahatanteraka ny asany ka ho voaaro amin’izany areti-mandringana izany. Trotroinay am-bavaka koa ny mpitandro ny filaminana hanao ny asany amin’ny fahamarianana sy am-pitiavana. Mivavaka ho an’ireo ray amandreny manan-janaka hiatrika fanadinana, na ireo ankizy hisondrotra kilazy ; apetraka eo ampelatananaofa ireo no ho avin’ny firenena, ho avin’ny Fiangonana koa.

Mivavaka ho an’ireo izay mahatsiaro fahasahiranana, tsy salama, manamanjo, mangata-bavaka….

Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina ny FFPM 753 :1,4 “Tiako ny hiaraka aminao jesoa”Niarahana nanonona ny tondrozotra 2020.

Natolotra ny tsodrano ary noredonina ny hira  FF 39 :1 “ Ray ô, mba faniriako” nofaranana tamin’ny Amen.

Nivavaka mangina ary notononina ny Trinite masina : “Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” Amen

IREO TOMPON’ANJARA:

  • Diakona tompon’anjara : Vaomieran’ny Aim-panahy
  • Fafana : Raharijaona Nirina
  • Fanamafisam-peo : Rajaonarison Lanto
  • Mpitendry orgue : Rajaofetra John
  • Nandray an-tsoratra :  Raoliarizaka Bakoly
  • Naka ny sary : Ranaivoson Joël
  • Naka ny horonan-tsary : Rakotondramboa Andry
  • Nandrafitra ny horonan-tsary : Raharijaona Nirina

Jona 2020>Ny hiram-pivavahana sy ny fivoarany

“ Tandremo tsara izay fandehanareo mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala fa tahaka ny hendry” Efesiana 5: 15

Tena ara-bakiteny mihitsy ny fivoaran’ny hiram-pivavahana vokatry ny fandraisana andraikitra nataon’ny Mpitandrina ANDRIAMBELO tao amin’ny fivoriamben’ny Isan’Enim-Bolana tamin’ny

fivoriana ara-potoana tao Ambonin’Ampamarinana.

Mampalahelo ihany fa ny anarany irery no voarakitra an-tsoratra (ny marimarina kokoa dia ny anarana hita), fa vokatry ny hetsika nataon’ny kristiana katolika tao Fianarantsoa indrindra izay naharaisana tatitra no niaingan’izao fivoaran’ny hiram-pivavahana izao, satria ara-tantara dia voasakana ny ankizy tsy hanatrika ny lamesa misasak’alina fa ny lehibe kosa (na ny kristiana protestanta aza), dia nirohotra avokoa nanatrika satria mbola nanana endrika fahatsiarovana ny andro FANDROANA fahiny izany, ary NIVARINA niaraka tamin’izany ny hiram-pivavahana.

Dia rototra avokoa ny Misionera sy ny Mpitandrina indrindra indrindra,nanangana Komity niara-nandinika ny fanavaozana ny tahirin-kira mifanaraka amin’ny foto-kevitra isan-karazany ao amin’ny fanompoam-pivavahana ka nametraka lohateny tamin’ny hira tsirairay (Fihirana disiona 1894; Laharana 1 ka hatramin’ny laharana faha 168)

Dia toy ny Diksioneran’ny Fihirana no voarakitra an-tsoratra ao anatin’io Fihirana io ary ny laharana faha 169 ka hatramin’ny faha 400 dia tsy nisy lohateny intsony, mazava tsara kosa fa vokatry ny fandinihana LALINA sy feno RISI-PO no naha lavorary izao fanavaozana izao.

Mizara roa mazava tsara ireo hira 168 voalohany fa tononkira sy feon-kira tena malagasy na dia tsy voasoratra aza ny anaran’ny mpamoron-kira fa ny sasany kosa dia feon-kira nentin’ny Misionera avy any ivelany ka ny tononkira no nadika (malaladalaka), na nanaovana tononkira mifanaraka amin’ny feon-kira…Vitsy dia vitsy ny tononkira lavabe amin’ny andininy iray ary avy hatrany dia tsapa fa nanaovana fandinihana lalina izy rehetra ireo vao nalamina ho ao anaty fihirana ary na dia tsy voalaza aza ny mpanoratra ny tononkira dia ampoizina fa olona manana ny maha izy azy avy ireo nanoratra ireo.

Malahelo ihany ny mpitantara fa tsy ananana ny boky mirakitra ny feon-kira afa-tsy ireo vitsy dia vitsy TAFITA ho ary amin’ny fihirana FFPM ankehitriny.

Manomboka eo amin’ny hira laharana faha 169 kosa dia isaorana an’Andriamanitra fa misy ny anaran’ny Mpamorona ny tononkira rehetra ary mahavariana ny fifehezan’ny Misionera ny teny Malagasy sy ny fahaizany mandrindra izany amin’ny feon-kiram-pivavahana satria amin’ny maha tononkira FOHY azy, dia tena sarotra tokoa ny mamintina ny foto-kevitra teolojika ao anatiny, ary tena fanomezam-pahasoavana nilofosany fatratra matoa vitany lavorary tsara izany.

Ny tononkira noforonin’ny kristiana Malagasy koa dia tahaka izany ihany satria tena Teolojia lalim-paka no voarakitra ao anatin’ny tononkira fohy, izay mibanjina ny foto-kevitra isan-karazany araka ny voalaza etsy aloha.

Mbola mety hisy ihany ny fomba hamoahana ny tononkiram-pivavahana voarakitra ao anatin’ity Fihirana edisiona 1894 ity, satria harena sarobidy ho an’ny taranaka ankehitriny, indrindra izay te handalina ny literatiora kristiana momba ny tononkiram-pivavahana satria tononkalo fohy dia fohy, nefa kanto dia kanto tokoa ary mirakitra hevi-dalina sarobidy mirakitra tantara.

Soso-kevitra mandalo ihany izany fa raha misy ny faniriana tiana ho tanteraka dia ho hita miandalana ihany ny handavorariana izany.

Efa voalaza teo aloha fa mizara roa ny mpanoratra ny hira ao amin’ny fihirana nivoaka ny taona 1894 ka manomboka eo amin’ny laharana faha 169 hatramin’ny faha 400 farany dia Misionera avokoa no nanoratra azy miaraka amin’ny Mpitandrina sy kristiana laika malagasy ary mahavariana ny nandaminan’ny Komity nandrindra azy, fa azo lazaina fa: “Mpanakanto” avokoa ireo nanoratra ireo, na Malagasy na Misionera Anglisy.

Ireto avy ireo Misionera nanoratra ny tononkira ao amin’ny Fihirana LMS nivoaka ny taona 1894/ Rév. J. RICHARDSON, Rév. R. HARTLEY, Rév. R. BARON, Rév. RH HOULDER, Rév. A KINGDOM, Rév; WE COUSINS, Rév; ET PRICE, Rév. GW PARKER, Rév. AE BROCKWAY, Rév. R TOY, Rév. L STREET, Rév. JS SEWELL.

Ireto kosa ny mpanoratra tononkira Malagasy: RAMAHANDRY, J ANDRIANAIVORAVELONA, RADAFINE, RAJAONARY, P RANIVO,

RANAIVO, ANDRIANONY, RAMBOATIANA, ary RAINIZAFIMANGA (Raiben’ny Renin’ny mpanoratra…)                    

 Mbola hotohizanaRAJAOFETRA John

Jona 2020>Mihavana ao amin’ny Tompo

Tsianjery : « Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin’ izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.» Levitikosy 19 :18

Efa nandao Ilay Fitiavana voalohany isika, fa ankehitriny kosa dia Jesoa Kristy mihitsy no ilay tena FAMPIHAVANANA antsika : dia isika amin’Andriamanitra ary koa amintsika samy olona.

Ny fihavanana ao amin’i Kristy : Mikatsaha mandrakariva izay tsara ho an’ny namanao, fa indrindra ny iray firenena aminao; alaviro izay rehetra fifanaratsiana, mananara ny mpanao ratsy fa hanadinan’Andriamanitra anao tokoa ny amin’izany ka mba tsy ho heloka ho anao ny tsy fanaovanao izany. (Lev 19:16-18).

Koa raha Jehovah Tompo aza namindra fo tamintsika izay mpanota tsy mendrika akory ; nahoana kosa isika no tsy mba hanahaka Azy, ka hifanisy soa sy hifampitsinjo marina,  hitoeran’ny fiadanany eo amintsika ? (Zak 8:14-17). Manahafa an’i Kristy, fa indrindra amin’ny fitiavana, izany no ahitan’ny olona antsika fa mpianany tokoa isika. (Jao 13:34-35).

zay tena tia tsy mba manandra-tena, fa mametraka mandrakariva ny hafa ho mihoatra noho ny tenany. Aza avela hisy aminao hahasakana anao tsy ho tia ny hafa. Izany no tena asam-pamonjena araka ny hafatry ny Tompo: dia famonjena ho an’ny tenanao sy ho an’ny hafa koa. (Mar 9:33-50).

Izay nahatanteraka ny tena fitiavana marina, dia toa izay efa nahatanteraka ny didy  rehetra nomen’ny Tompo: koa tiava ny namanao tahaka ny tenanao. (Rom 13:8-10).

Asehoy amin’ny fitondran-tena tsara ny asan’ny Fanahy Masina ao aminao: madio, tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be vokatsoa, tsy mihanahana na mihatsaravelatsihy. (Jak 3:13-18)

Kristiana mahatandrina fihavanana : Fadio izay rehetra mety hanimba ny fiaraha-moninao, na avy amin’izay hiditra ny vavanao izany na izay haloaky ny molotrao. Ny adala no tsy mba mitandrina izay ataony, satria izy te hanisy fahatafintohinana ho an’ny hafa mandrakariva. (Oha 20:1-3)

Raha azo atao dia mihavàna amin’ny olona rehetra, izany no fifampirisihana tsara indrindra mety ataontsika. Ny fifampiandaniana mandroaka ny firaisan-tsaina, satria mandranitra ny fanambonian-tena. (Fil 2:1-4).

Araraoty ny fotoana ahazoanao mamitrana izay fihavanana rava rehetra, dieny tsy mbola tara loatra. Raha tsy manao izany ianao dia toy izay mampitatao fanamelohana eo an-tampon-dohanao. (Mat 5:25-26).

Izao tontolo izao sy ny fampisarahany dia mety hahalavo tokoa izay tsy miambina tsara.Tehirizo ny fonao hadio fa lehibe loatra ho antsika ny hahajoro tsy manan-tsiny eo anatrehan’ny Tompontsika rahatrizay. (Lio 21:34-36).

Ao amin’Andriamanitra no misy ny fihavanana marina, dia ny firaisana ao amin’ny Fanahy Masina; mifalia isika raha efa ao amin’ny Tompo tokoa, fa izany no hitoeran’ny fiadanana ho amintsika sy ho amin’ny firenentsika. (2 Kor 13:11-14)

Fehiny : Eto dia hitrikitrihintsika tokoa ny hoe « Fihavanana maha kristiana » (mihavana ao amin’ny Tompo), satria tena misy tokoa mantsy ny endrim-pihavanana hafa toy ny hoe : fisakaizana ratsy, firaisana tsikombakomba, firahalahiana anaty fanompoan-tsy izy, sns maro mbola azo tanisaina.

Katsahin’ny devoly fatratra tokoa amin’ny fomba rehetra ny hampisaraka ny olona samy olona, fa indrindra izay tena iray aina. Nefa endrey ny hatsarana rehefa mifankatia isika ka amirapiratan’ny Voninahitr’Andriamanitra. (Sal 133).

 Koa mandrakariva, aoka ny fitiavana sy ny fihavanana no hanetsika antsika, fa izany no hahatanterahan’ny asan’ny Fanahy Masina ao amintsika, Izy izay manambara amintsika fa zanak’Andriamanitra marina isika.

Izay mamafy ny voan’ny fihavanana dia mitory an’i Kristy FAMPIHAVANANA. (Jak 3:13-18)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra, fa ho amintsika tia fihavanana kosa ny fiadanan’ny mpiara-dia amin’ny Tompontsika. Amena !!!                               

 Ny Vaomieran’ny Aim-Panahy

Jona 2020>Mihavàna ao amin’ny Tompo

Perikopa: 1Sam.10 :1-10 ; Jao.20 :21-23 ; Asa.4 :27-31

“Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany, dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka nitory ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana.” Asan’ny Apostoly 4 : 31.

Ny voalohany asan’ny Fanahy Masina teo amin’ny Fiangonana dia ny nanome fahaizana miteny amin’ny fiteny samihafa, naka ny endriky ny lela mitarehin’afo (Asa.2:1-4). Ny faharoa kosa dia ity eto ity (Asa.4:27-31), ny fahasahiana mitory ny Tenin’Andriamanitra. Voalaza tamin’ireo roa ireo, fa samy feno ny Fanahy Masina avokoa ireo nanao izany.

Tany amin’ny 1Mpan.19 : 11-13, nisehon’Andriamanitra tamin’ny Elia mpaminany, dia ireto no famantarana voalaza: rivotra sy horohorontany, afo, ary feo. Ny telo tamin’ireo dia niseho tao Jerosalema tamin’ny andro Pentekosta. Eto kosa – ilay fahaefatra, dia ny horohorontany-,  dia eto ihany hita eto.

Araka ny hita ato amin’ny perikopa dia nivavaka nangataka io fahasahiana ny hitory ny Tenin’Andriamanitra io no nataon’i Petera sy Jaona sy ireo namany tafangona tamin’ny toerana iray. Fa nahoana? Fa maninona raha ny handresy ny fahavalony? Lalina loatra ny hevitry ity atao hoe: fahasahiana ity: parrhsiaV avy amin’ny hoe: par-rhsia (31):

fahatokiana sy fahakingana no ambarany. Izany dia asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny olon’Andriamanitra, mitarika azy hahomby amin’ny fanatanterahana ny asa.

Fahasahiana fahatokiana

Ny olona feno ny Fanahy Masina no manana io fahasahiana FAHATOKIANA io. Ao anatin’izany fahasahiana fahatokiana izany dia tsy misy intsony ny fisalasalana, ny fahatahorana, na miahotra. Ny fahavononana hanao zavatra ho an’ny Tompo no mibosesika ao anaty. Izany koa no hevitr’ilay horohorontany niseho: mandrava sy manongotra ary manala ireo mety ho sakana rehetra tsy ahafahana manao ny asan’Andriamanitra. Hita tamin’ny andron’i Elia izany, teo amin’ireo apostoly sy ny namany niara-niangona taminy. Olona avy nosamborina, notsaraina teo amin’ny Synedriona ireo roalahy ireo, ary norahonana tsy hitory na hampianatra intsony ny anaran’i Jesoa (Asa.4 : 8-20).

Ny fandresena, dia amin’ny fotoana isian’ny ady ihany no miseho. Ny fahasahiana mitory kosa dia asan’ny olon’Andriamanitra eo amin’ny fiainany manontolo. Azo ny  fandresena rehefa vita ny asa.

Ao anatin’ny fahatokiana ny finoana sy fanantenana fa hahavita zavatra sy fahombiazana amin’ny atao ary ny fandresena mahatretrika.

Toy izany no nilazana tamin’i Saoly mpanjakan’Israely fahiny rehefa nohosorana ho mpanjaka izy hoe: “Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon’ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao” (1Sam.10/7). Nomen’Andriamanitra fo vaovao izy, ka tonga taminy avokoa androtr’iny ny famantarana rehetra, noho izy nilatsahan’ny Fanahin’Andriamanitra… (1Sam.10/9-10).

Afaka mangataka izany rehetra izany amin’Andriamanitra ihany koa isika rehetra, ry havana.

* Ny ho feno ny Fanahy Masina;

* Ny hahavita zavatra ho an’ny Tompo;

* Hisy fahombiazana amin’ny atao rehetra;

* Fiandrandrana fitahiana mahatretrika;

* Fampandrosoana ny Fiangonana sy ny fiainanao manokana;

Ry Amparibe Famonjena, sahia ary matokia ny Tompo.

Fahasahiana fahakingana

Ny hoe: feno ny Fanahy Masina dia ny Fanahy Masina no mitarika sy mampandeha ny olon’Andriamanitra ary mampanao ny asa rehetra izay kasainy hotontosaina. Tonga kinga sy havanana ary kalaza amin’izay atao izy. Eto ny apostoly roa lahy (Petera sy Jaona), dia ny mitory ny Tenin’Andriamanitra, araka ny hevitr’ilay teny hoe:  parrhsiaV  midika: fahasahiana no tao aminy. Izao no hevitr’ izany teny izany: fahaizana mandaha-teny tsara, mahagaga, kanto. Ireo hevitra voalaza rehetra ireo dia ianarana sy ilofosana sady folahina tsara vao hay. Mila vola, fotoana, fahalalana vao afaka manao izany…

Eto anefa, rehefa feno ny Fanahy Masina dia mahazo izany. Maha-tsiaro ny tenin’ny Tompo hoe: “Koa raha ianareo na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka Aminy?” (Mat.7:11; Lio.11:13). Misy zava-tsoa ho antsika azo ampitahaina amin’ny Fanahy Masina tokoa va? Nahay nangataka ny apostoly Petera sy Jaona ary ireo namany ny amin’ity fahasahiana,  fahakingana mitory ity.

• Fahaizana mandaha-teny tsara:

mazava tsara izay lazaina, mirindra, azon’ny besinimaro ny hafatra entina: ny manam-pahalalana, ny olon-tsotra, eny na ny bado aza.

Kanto: mahaliana, mahafinaritra, manintona, miantefa any amin’ny fo sy saina ary fanahy, mambabo, mahasarika, maha-te hijery na hihaino hatrany.

• Mahagaga: mahavita zavatra tsy takatry ny saina, mandresy ny sarotra rehetra, tretrika tokoa. Miseho ny voninahitr’Andriamanitra amin’izay zava-bita.

Hita sahady tamin’ny asa nataon’izy roalahy, anton’ny nisamborana azy izany. Izy ireo dia tsy mpahay lalàna, na nampianarina “Rhétorique”. Fantatra kosa fa efa niaraka tamin’i Jesoa (Asa.4 : 13).

* Nahasitrana olona marary efapolo  taona nitondrana izany  aretina izany.

* Nampitolagaga vahoaka tamin’ny teny sy ny asa natao.

* Natahotra ny hanao ratsy azy ny synedriona sy ny mpanapaka; fa nisambotra azy ary dia nandefa azy avy eo (Asa.4 : 15-22).

Rehefa nitsangana tamin’ny maty ny Tompo, dia nanome fahefana ireo apostoly ireo Izy. Ny Fanahy Masina no tompon’antoka amin’izany hatrany an-danitra sy ny ety an-tany (Jao.20:21-23), ho fandaminana ny Fiangonana  sy ho fampandrosoana ny ambaindain’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, mangataha hofenoina ny Fanahy Masina hanananao fahasahiana feno hakingana rehefa antsoin’ny Tompo amin’ny fanompoana. Ianareo tompon’andraikitra rehetra anaty rafitra indrindra no entanina amin’izany. Ianareo nanolo-tena nianatra any amin’ny SEFALA, SETELA, FITHELA, mpiomana mpitandrina, mpitandrina, diakona sy loholona,  mpampianatra sekoly alahady, misionera,… Eny na dia tsy isan’ireo voatanisa ireo aza ianao, dia mangataha mba ho fitahiana anao sy ny ataonao rehetra.  Manàna fahasahiana, hakingana amin’ny fandraisana andraikitra ato amin’ny Fiangonana. Ny asan’ny Fanahy Masina dia afaka manome anao izany ho  fampandrosoana  ny olona rehetra sy ny olona manontolo.

Ny vinan’ny FJKM, dia ny hoe: Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara.

Manantena antsika rehetra  hiara-hamita izany: – Ny manana fotoana: mandehàna.

– Ny manam-bola: manohàna.

– Ny besinimaro: mitrotroa azy ireny  am-bavaka.

Toy izany koa eo amin’ny vinantsika Fiangonana: Amparibe mahatahiry ny finoana, mifankatia, miasa amin’ny fahazotoana. Ataovy tanteraka izany ho fifaliantsika rehetra sady ho voninahitr’ Andriamanitra hatrany.

FEHINY

Tsarovy fa izay manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina ka hankato izany ihany no olona mety ho feno ny Fanahy Masina, ka manana sy mahazo ny fahasahiana toy ny nomena ny apostoly. Tian’Andriamanitra omena ny olon’ny Fiangonana koa izany ankehitriny. Koa aza misalasala. Raiso amin’ny finoana ilay tenin’i Jesoa manao hoe: “Izay mangataka no omena.”

“Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra”. Amena

RAHARIJAONA SolofonirinaMpitandrina

Sabotsy 06 sy Alahady 07 Jona 2020

SABOTSY 06 SY ALAHADY 07 JONA 2020

« Mihavàna ao amin'ny Tompo »

« Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. » (Jaona 13:34)

Ny fotoana voalohany tamin’ny 7 ora no nakana izao tatitra izao. Ramilison Diamondra, Mpitandrina no nitarika raha Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina no nitondra ny hafatry ny Tompo tamin’ny Fiangonana. Ny Diakona ao amin’ny Vaomieran’ny Fifandraisana Ravoniharimino Faramalala sy   Rabeson Fidy no nitari-bavaka sy namaky ny Tenin’ny Soratra Masina mialohan’ny toriteny.Ny litorjia amin’ny endriny faharoa no narahana.

Alahadin’ny Trinité androany ary koa  niarahabana sy nitondrana am-bavaka ireo reny rehetra. Lohahevitra vaovao indray no banjinina izao volana Jona izao dia ny hoe « Mihavàna ao amin’ny Tompo« 

FIDERANA AN’ ANDRIAMANITRA

Ny SAL 149 ; 1 – 4 no andinin-tSoratra Masina niarahan’ny Fiangonana namaky teo am-pitsanganana taorian’ny feon-javamaneno fidirana, ny fanolorana sy ny fiarahabana apostolika. Ny hira FFPM 1 :1 « ANDRIANANAHARY, Masina Indrindra » no nanaraka izany ary vavaka fisaorana. Nisy feon-javamaneno fohy dia niroso tamin’ny 5 minitra ho an’ny ankizy ny efa niomana tamin’izany.

FOTOANAN’NY SEKOLY ALAHADY

Zoky Rabiazamaholy Léa, mpampianatra ao amin’ny K6 no nitondra ny hafatra ho an’ny ankizy. Ny lohahevitra amin’ity volana Jona ity no teny fanolorona nentiny niarahaba ny fiangonana, dia ny hoe « MIHAVANA AO AMIN’NY TOMPO »

Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra fohy dia araka ny 1Jao : 4: 7a: «  Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ao amin’Andriamanitra ny fitiavana »

Matetika dia teny alain’ny mpanambady ho teny filamatra sy atao toriteny ity teny ity, fa eto kosa dia atao ho tantaran’i Soa kely, tovovavy kely Kristiainina sy mpianatra Sekoly Alahady izay monina any ambanivohitra izy eto.

Niantso namana iray izy hiraka hilalao tantara amin’ny vato kely aminy. Mialoha izany anefa dia namoaka ody ambava fo izy avy anay kitapo keliny ka mofo mihosotra tantely izany ary tsy foiny ho azy irery fa nozarainy tamin’ilay namana.

Ny fanoharana sy ny lesona azo nalaina tamin’izany, dia fanehoana ny fitiava-namana. Fifanampiana, fitiavana, izany tokoa no andrasan’ny Tompo amintsika tsirairay avy. Nanatontosa vavaka ny mpampianatra rehefa vita ny fampianarana.

Notanterahin’ny fiangonana avy hatrany hira FFPM 183 : 1 « MIDINA RY FANAHY O », ary notohizana tamin’ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra ny fotoana.

FANKALAZANA NY TENIN’ ANDRIAMANITRA

Nanao ny vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ny Diakona Ravoniharimino Faramalala ary ny Diakona   Rabeson Fidy no namaky nisesy ny Teny, araka ny SAL 133 ; JAO 13 : 34 – 35 ; ROM 13 : 8 – 10 . Nataon’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira FFPM 242 : 2 « MISAOTRA ANAO IZAHAY RY RAY » dia toriteny no nanaraka izany.

TORITENY

Ny teny nangalàna ny hafatra dia ny avy ao amin’ny tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny Jao 13 : 34-35, Ao anatin’io Teny io dia misy efa hain’ny Kristianina tsianjery ary napetrak’i Jesoa ho an’ny mpianany sy izay rehetra mpanaraka Azy, Lohahevitra azo tsoahina amin’izany ny hoe « Fanomezana fiainana vaovao », izany no lohahevitra atolotr’ity Soratra Masina ity.

Ny hevitra amin’izany Teny afaka zaraina roa mazava, dia ny :

  • Toro hay fiainana Kristianina
  • Famantarana fanoavan’i Jesoa Kristy

1 - Toro hay fiainana Kristianina

Ilay fifankatiavana asain’ny Tompo tanterahina no toro hay. Azo raisina ho didy ihany koa izy kanefa tsy didy mavesatra fa fiainana mihitsy. Ao anatin’izany dia atoro mba hahay ianao ka tsy misy fanagejana na jadona fa fiainana mahafinaritra. Tokony hisy ihany koa fifampitsinjovana eo amin’ny fiainana mba hisehoan’ny fifankatiavana.

Fanamafisana ihany koa fa ny fiarahana miaina dia tokony atao am-pitiavana satria na teo amin’ny mpianatry ny Tompo aza dia nisy izany fiarahana miaina izany. Izany tokoa no tokony ataontsika Kristianina eto anivon’ny Fiangonana ho marika fa mpanara-dia an’i Jesoa Kristy isika. Ny modely izay omen’ny Soratra Masina dia ny hoe omen’i Davida toerana mendrika isika, izy dia efa nampiseho antsika izany fiaraha-monina tsara rafitra sy mahafinaritra izany ka hahafahantsika mandova ny fiainana mandrakizay.

2 – Famantarana fanoavan’i Jesoa Kristy

Ilay fifankatiavana dia misy endrika sy fombany ary modely ho tahafiny dia i Jesoa Kristy izany. Dia ilay fitiavana mahagaga sy mahatalanjona ary tena avy any ambony izany.Ny olombelona na dia nivadika tamin’Andriamanitra aza dia mbola tiany.

  • Hita ny maha mpanaraka mahatoky rehefa manatanteraka izany didy izany dia ny fifankatiavana
  • tonga manintona ny hafa izy satria gaga sy variana ny hafa mahita ny fiainany feno fifankatiavana, dia fiainana tsara

Rehefa manana io fiainana feno fifankatiavana io ny olona dia tena miaina eo ambany fahasoavana fa tsy amban’ny lalàna intsony.  Amena!

FAMELAN-KELOKA

Nisy feon-javamaneno fohy tao aorian’ny toriteny ary nalefa tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peo ny hiran’ny Antoko Mpihira Hasin’ny Famonjena. Rehefa izany dia nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika. Natolotra teo am-pitsanganana ny Teny famelan-keloka ary natao ny fanononana ny fanekem-pinoana (Lah.1).

Nisy feon-javamaneno fohy tao anaty vavaka mangina.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA

Maminirina RAZAFIMAHARO no nilaza vaovao tokony ho fantatra. Ny teny nentiny niarahaba ny fiangonana dia ny  1Jao 4 : 9 «  Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. »

  • Fampahafantarana sy fanentanana ny olona hanaraka ny fepetra takiana amin’izao vaninandro izao momba ny fandaminana ny fanompoam-pivavahana : misy fotoam-bavaka 5 ny sabotsy amin’ny 7 ora sy amin’ny 9 ora maraina ary ny alahady amin’ny 7 ora, amin’ny 9 ora sy amin’ny 11 ora. Misy hatrany ny fotoam-bavaka nalaina sary sy feo ao amin’ny pejy facebook-n’ny mpiangona Amparibe.
  • Fotoam-bokatra ho an’ny Lehilahy Kristianina ny amin’ny eriny anio
  • Misy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo
  • Sabotsy 06 jona 2020 amin’ny 11 ora antoandro dia hianatra ny katekomena.
  • Mangataka ny fiangonana hitrotro am-bavaka ny firenena ny amin’izao valan’aretina izao

FIARAHABANA TSINGERIN-TAONA

Fiarahabana ireo teraka ny volana MARTSA, APRILY ary MEY.

Nasaina nitsangana izy ireo ka ny tenin’ny Soratra Masina niarahabana azy ireo dia ny avy ao amin’ny Dan 10 : 19a «  Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. », rehefa izany dia nitondra am-bavaka azy ireo ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina.

Avy eo dia nisy rakitra notanterahin’izy ireo ary nandray taratasy fampaherezana ho solon’ny fifandraisan-tanana amin’ny mpitandrina.

FANATI-PISAORANA

FFPM 428 “REKO IZAO RY TOMPO” no hira nataon’ny Fiangonana nandritra ny rakitra. Ho fanolorana izany dia ny hira FFPM 435: 1 “IZA NO HANOA NY TOMPO LEHIBE” no nataon’ny Fiangonana. Nitohy tamin’ny vavaka notarihan-dRaharijaona Solofinirina, Mpitandrina izany.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Nisaotra noho ny toriteny izy sy ny fanolorantena izay nataon’ny Fiangonana ary nivavaka ho an’ny mpitondra Fiangonana sy mpitory ny Filazantsara rehetra ; ho an’ny kristiana rehetra eto amin’ny Fitandremana Amparibe ; vavaka ny amin’ny ezaka fampandrosoana ny fiangonana ; vavaka ho an’ny tany sy ny firenena, ny mpitondra, ny ho entiny, ny mpikarakara ny fahasalamana rehetra ; ny mpitandro ny filaminana mba ho andry fehizay ; vavaka ho an’ireo mpianatra na aiza toerana misy azy ireo na aiza, mba ho voninahitri’ Kristy avokoa ny ezaka izay atao; ny manana hataka manokana rehetra sy izay nangata-bavaka. Izany dia nofaranana tamin’ny “Rainay Izay any an-danitra”. Amena

ASA VAVOLOMBELONA

Fotoana manokana ho fiarahabana ny reny rehetra, ka ny teny avy ao amin’ny Mpi 5 : 24b «  Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.»

Nisy ny fitondrana am-bavaka azy ireo izay notanterahin’ny Mpitandrina Ramilison Diamondra,

Rehefa vita izany dia notanterahina ny hira FFPM 261 : 1 « ANKEHITRIO NO ISEHOANAO » ho fanomanam-panahy ny amin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao ny hira FF 16: 1 « TSY VITAM-PO ONENA » dia notononina ny tondrozotra 2020. Natolotra ny tsodrano dia noredonina ny hira  « MIALOKA AMINAO» nofaranana tamin’ny Amen. Nisy vavaka mangina sy trinité ary feon-javamaneno. Nifarana tamin’ny 8 ora sy 30 minitra ny fotoana.

IREO TOMPON’ANJARA

  • Nitarika ny fotoana: Ramilison Diamondra mpiomana Mpitandrina
  • Nitari-bavaka : Ravoniharimino Faramalala
  • Namaky ny Tenin’ny Soratra masina: Rabeson Fidy
  • Nitory ny teny: Mpitandrina Raharijaona Solofonirina
  • Namaky ny raharaham-piangonana: Razafimaharo Mamy
  • Diakona tompon’anjara : Vaomieran’ny Fifandraisana
  • Fafana : Rabemananoro Jonathan
  • Fanamafisam-peo: Rakotovololona Lova
  • Mpitendry orgue: Rajaofetra John
  • Nandray an-tsoratra: Ranaivoson Joël
  • Naka ny horonan-tsary : Raharijaona Nirina
  • Nandrindra ny horonan-tsary: Rabemananoro Jonathan
  • Naka ny sary : Ramahery Hasina