Sabotsy 30 sy Alahady 31 Mey 2020

SABOTSY 30 SY ALAHADY 31 MEY 2020

« Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina »

« Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy. » (Jaona 3 :5)

Mbola fanompoam-pivavahana ao anatin’ny hahamehana manaraka ny fepetra napetraky ny fanjakana no hatsiarovan’ny Fiangonana ny nandrotsahana’Andriamanitra ny Fanahy Masina na ny andro Pentekosta. Ny fotoana notanterahina ny Sabotsy 30 mey 2020 tamin’ny 7 ora maraina izao taterina amintsika izao. Izao Sabotsy sy alahady izao ny farany ibanjinana ny lohahevitra  hoe « Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina », mamarana ny volana mey.

Ny Mpitandrina mpiana-draharaha Andriatsilavina Nofy no nitarika ny fotoana. Ny Litorjia tamin’ny endriny faharoa no nentina nanatanterahana ny fanompoam-pivavahana.

Ramatoa Rasetamanana Raharijaona Bodoarisoa no nanatanteraka ny vakiteny sy ny vavaka; ary  ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitoriteny ka ny Jaona 3:1-8 no tenin’Andriamanitra nangalany ny hafatra.Ny Litorjia tamin’ny endriny faharoa no nentina nanatanterahana ny fanompoam-pivavahana. Ny lohahevitra dinihana ity andro sabotsy ao anatin’ny Herinandron’ny Fanahy Masina dia hoe : “Meteza hateraky ny Fanahy »

FIDERANA AN ‘ANDRIAMANITRA

Ny mpitarika no nanomboka ary nandray Teny avy tao amin’ny Apokalypsy 22 ka rehefa vita izany dia namaly ny mpiangona tamin’ny famakiana ny Salamo 34 : 1-3 :

Hisaotra an’ i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. Jehovah no reharehan’ ny fanahiko; Hahare izany ny mpandefitra ka ho faly. Miaraha mankalaza an’ i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.” Amena

Taorian’izany dia nohiraina ny hira FFPM 176 : 1, 2, 3

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Indreto ny mpanompo voafidianao midera, manakalaza, manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra. Lehibe Andriamanitra ka tsy takatray refesina koa izany no hideranay Anao. Ankehitriny indreto mivory amin’ny anaranao. Manoloana ny halehibeny fitiavanao dia mangataka ny famelanao ny helokay noho ny ratsy vitanay. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no angatahanay fifonana ho an’ny tenan’ny tsirairay. Ary amin’ny fo falifaly sy ravoravo no andraisanay ny famelankeloka avy aminao ary hisaoranay Anao izany. Mangataka ny fanatrehanao mba ha feno ny Fanahy Masina hafahanay hiatrika ny fiainanay isanandro. Anao ny dera, anao ny haja, anao ny voninahitra hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena

FOTOANA HO AN’NY SEKOLY ALAHADY

Razafindrasata Abel, Filohan’ny Sampana Sekoly Alahady no nitondra ny 5 minitra ho an’ny ankizy sy tanora. Ny I Korintiana 6:19a no noraisiny ka niara-novakiana :

“Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ ny Fanahy Masina,”

Andeha ange ho jerentsika ny tenantsika hoy izy. Manao ahoana ny tenantsika amin’izao fotoana resahantsika izao ? Hita ny Tanana, ny vatana. Misy anefa faritra tsy hita maso fa Tempolin’Andriamanitra daholo ireny.

Maro ny fanovana afaka ataontsika amin’ny vatana (tatouages, piercing, chirurgie esthétique….). Ovain’ny zanak’olombelona ilay asan’Andriamanitra. Endrika ivelany izany

 

Ny toe-po, toe-tsaina, toe-panahy dia manova koa ny tempolin’Andriamanitra ka manjary tsy  tamana intsony ny Fanahy Masina noho izany. Tandremo ary rankizy, ry tanora sao azon’ny fakampanahy isika hanova ny asa-tanan’Andriamanitra ka tsy ho tamana ny Fanahy Masina.

Teo am-pitsanganana ny ankizy sy ny tanora no nanao ny Hira FFPM 787 :1, nampian’ny Fiangoanana ho fanamafisana izany fikolokolontsika ny Tempolin’Andriamanitra hitoeran’ny Fanahy Masina izany.

FANKALAZANA NY TENIN’ ANDRIAMANITRA

Nohiraina ny Hira FFPM 190 : 1, 2 ary  nivavaka mialohan’ny famakiana ny Soratra Masina i Ramatoa  Rasetamanana Raharijaona Bodoarisoa 

Vavaka : Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina. Andriamanitra lehibe sy mahatahotra. Misaotra noho ny fitiavana sy ny fahasoavana hatobakao ka afaka miaina ny andro pentekosta 2020. Mandalo zava-tsarotra ny firenene nefa afaka mivavaka eto an-tranonao. Hamaky Teny sy handray hafatra. Matoky ny Fanahy Masina mitahiry ny fiainan’ny Fiangonana. Izany Fanahy Masina izany mbola mitahiry ny finoanay sy ny fanantenanay. Na teo aza ny fahasahiranana dia ny Fanahinao Masina mamelona ny Fiangonana.  Ho feno ny herin’ny Fanahy Masina anie ka ho feno fifaliana, ho velona amin’ny finoana.Mitenena amin’ny alalan’ny Teninao izay manana ny hery sy ny fahefana. Amin’ny anaran’i Jesoa izay Teny fianana no anaovana izany vavaka. Amena

Ny Perikopa voalahatra ka novakiana dia ny Isaia 44:1-5 ; Jaona 3:1-8  ary ny Asan’ny Apostoly 4 : 8-12.

TORITENY

Natao ny Hira: FFPM 164: 1, 2 mialohan’ny nitsanganan’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina.

Ny lohahevitra ampifanarahana amin’ny Herinandron’ny Fanahy Masina dia hoe “Meteza hateraky ny Fanahy”.  Ity no hamaranana ny lohahevitra lehiben’ny volana mey manao hoe “Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina ”. Ny andinintSoratra Masina handraisana ny hafatra dia ny Jaona 3:1-8

Ny andro Pentekota dia fankalazana ny teny faminaniana ao amin’ny Joela 3 .5. Olona maro no handray izany Fanahy Masina izany. Ny Fanahy Masina sy ny Fanjakan’Andriamanitra dia mitovy ao antin’ny fanekena vaovao. 3 no mifamatotra : Ny fahatongavan’i Jesoa, ny fanjakan’Andriamanitra ary ny Fanahy Masina.

Nikodemosy dia mpitsara tao amin’ny synedriona. Nanaiky io ary nino fa avy amin’Andriamanitra i Jesoa. Fampianarana vaovao izany. Nitodika mankany amin’ny hoe ahoana no hidirana any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ?

1) Tsy maintsy hateraka indray

Ny firenen’Israely no nieritreritra hiditra irery any nefa eto dia misokatra izany. Tsy misy tafiditra any raha tsy hateraka indray.Ny fidirana any dia olona hateraky ny Fanahy ; ireny no afaka manaiky hiditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ka manaiky tarihin’ny Fanahy Masina. Ahoana izany hoe hateraka indray ?

Ateraky ny Rano ary ateraky ny Fanahy. Ny Rano dia batisan’i Jaona ary ny Fanahy dia batisan’i Jesoa. Tsy maintsy mandalo amin’ny batisan’i Jaona, mibebaka, izay vao afaka mandray ny batisan’ny Fanahy Masina. Izay mibebaka no afaka mandray ny Fanahy Masina

Ny famonjena dia avy amin’i Jesoa Kristy irery ihany.

2) Mahay manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Tsy ezaka avy amin’ny olona ny fiasan’ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina dia Andriamanitra  satria manana ny sitrapony arak’izay tiany atao. Nofidin’Andriamanitra  isika satria isika nandray ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina. Dia miasa amin’izay tiany. Izay tiany satria io no nofidiny, ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. Olona mandray ny Fanahy Masina dia manana toe-panahy araka an’Andriamanitra,  manaiky hiasan’ny Fanahy Masina.

Ny teny izay toriana dia teny fiainana ka izay manaiky ny Fanahy Masina dia maheno sy mandray ny Teny. Hita ao amin’ny Isaia 44:1-5 fa Andriamanitra dia mifidy ny olony. Ny Firenen’Israely dia voafidy satria izay no sitrak’Andriamanitra ; ao amin’ny olona nofidin’Andriamanitra no handrotsahany ny Fanahiny.

Mazoto miantso ny anaran’Andriamanitra ny nandray ny Fanahy Masina. Matoa nandray ny Tenin’Andriamanitra isika Malagasy dia isan’ny tian’Andriamanitra, tafiditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Izany no ankalazana ny andro Pentekosta.

Izao no fampiarana amin’izao andro Pentekosta izao :

Raha mety ateraky ny Fanahy isanandro, isanora ianao dia mazotoa manolotra ny tenanao ho an’ny Tompo. Izay no asan’ny Fanahy Masina ao anatintsika ao     ; katsao mandrakariva io fanjakan’Andriamanitra io ; mivokisa ny teny Fiaianana afa aza variana ; miasà ny asan’Andriamanitra mba hampandrosona ny Fiangonanan’Andriamanitra  sy  fanafainganana ny fihavian’ny Tompo ; mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo.

Hamafiso ny finoanao ka ataovy lalina ao amin’Andriamanitra  Ray, Zanaka sy Fanahy Masina ny fanantenanao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amena

VAVAKA SETRIN’NY TORITENY

Manoloana ny fitiavan’Andriamanitra izay nasehony dia mahatsiaro tsy tanteraka isika.

Ry Andriamanitra ô, miasa feno ho anay Ianao ka nampiasanao ny mpanomponao nanambra taminay ny sitraponao. Tokony manaika ny hateraka indray izahay, hateraky ny fanahy mba hafahana miditra any amin’ny fanjakanao. Mila manaiky ny Fanahy Masina izahay ka tokony mahay mitsara ny tenanay izay hahafantaranay fa ao anatinay Ianao ary izay tia Anao ihany no hitoeranao sy hiasanao.

Manolotra indray ny tenanay aminao izahay ka hijoro tsara ho mpianatry ny Tompo ka hahefa be. Ny tsirairay avy ao anatin’ny toritena izay norenesina dia samy nandray avy taminao avokoa ka ao anatin’izao vavaka mangina fohy izao no hitenenany any ampony tsy milaoka ny mahakasika izany Teninao izany. Misaotra anao Andriamanitra fa mpihaino vavaka Ianao. Amena

Rehefa izany dia niara-nanonona ny fanekem-pinoana apostolika ny mpianakavin’ny finoana rehetra.

Nisy feon-javamaneo ary niroso tamin’ny raharaham-piangonana

RAHARAHAN’NY FIANGONANA

Ranaivoson Jacky, Mpitahiry ny volan’ny Fiangonana, no nilaza ny raharaha. Anisan’ny nambarany tamin’izany :

  • Tontosa ny Herinandron ny Fanahy Masina izay nohezahana hatrany ny namaoka izanytao amin’ny Facebook
  • Fandaminana vaovao mahakasika ny fanompoam-pivavahana izay tanteraha aty am-piangonana indrindra mbola ao anatin’izao hamehana ara-pahasalaman izao : 5 hatrany no fanompoam-pivavahana azontsika hatrehana  sy tanteraha ny sabotsy sy alahady. Nahazo alalana avy tamin’ny manam-pahefana eto amin’ny firenena isika dia manomboka izao dia hahatratra 100 ny mpianakavin’ny finoana afaka miara miombom-bavaka isaky ny fanompoam-pivavahana iray (50 ambany rihina/50 ambony rihina). Fepetra arahana izany mandra-pisy fepetra vaovao avaokan’ny fitondram-panjakana.
  • Ny fanompoam-pivavahana alahady maraina amin’ny 7ora dia hiantsoana manokana ireo ankizy sy tanora hiombom-bavaka aty am-piangonana.
  • Fandaminana fanompom-pivavahana mandritra ny volana Jona : hisy Fandraisana ny  Fanasan’ny Tompo ny herinandro 1° sy faha 3 ; Mandray anjara hira ireo sampana mihira mandritra ny fanompoam-pivavahana ; mitohy ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Facebook isaky ny alahady maraina ; afaka manatanteraka rakipisaorana sy voady, adidy.
  • Filazana manjo : RASAMOELINIRINA ROBINOT Tiana 26 mey 2020 ; RAKOTOZAFY Maurice 28 mey 2020.
  • Hisy rakitra anniversaire isaky ny voalohan’ny volana.

 

RAKITRA SY FANOMEZANA

Notanterahahan ny hira FFPM 177 nandritra ny fanatazana ny rakitra ary ny hira FFPM 179: 4 no natao ho fanolorana ny rakitra

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Nanao ny vavaka fangatahana ny Mpitandrina nisaotra fa Andriamanitra miteny hatrany mba hanana fianana mihavao isanandro . Sitrakao ny nahafahana nanimbina tamin’ny fananay. Tsy miafina aminao Tompo fa mampitebiteby ity aretina Coronavirus ity. Ireto izahay mbola velona sy salama ka maniry ny hitoetra amin’izany izahay. Mivavaka ho an’ny mpitondra Fiangonana, ny mpitory Filazantsara, ny kristiana rehetra, toby mitaiza tsy salama.

Mahatsiarao ny olona rehetra miombo-po aminy Fiangonana amin’izao fotoana Pentekosta izao. Mivavaka ho an’ny  ny mpitsabo, ny mpitandro filaminana rehetra.  

Maro ny sahirana very asa, tsy manana ny ampy eo ampelatana. Ampianaro hanararaotra isanandro hivelona amin’ny Teninao izahay. Maniry fahasoavana izahay. Mivavaka ho an’ireo tsy salama, manamanjo, mangata-bavaka ho entina am-bavaka. Na izay tsy voatonina dia asandratray ary ampiarahanay amin’ny vavaka nampianarinao : Rainay izay any an-danitra ….

FANDRAISANA NY FANASAN'NY TOMPO

Ho fanomanampanahy ho amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia natao ny hira hira FFPM 181 : 1, 2

Natao ny vavaka fiomanana. Notohizana ny hira FFPM 181 :3 ary  niroso avy hatrany tamin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Nivavaka ary  hira vavaka  ANTEMA 1. Ny hira FFPM 262: 1, 2, 3, 4 no natao teo am-pizarana kapoaka sy mofo ary ny hira HF 29 nandritra ny fanangonana ny kapoaka sy fanatazana ny rakitra

Nomena ny hafatra fandraisana.  Niaraha-nanonona ny tondrozotra ary natolotry ny Mpitandrina ny tso-drano.

Namaranana  ny fotoana dia natao ny hira FFPM 734 : 1, 3 ; nivavaka mangina ary nanonona ny Trinite masina

IREO TOMPON’ANJARA

  • Nitendry orga : Rajaofetra Philippe
  • Nanao ny fàfana : Raharijaona Nirina
  • Niandraikitra ny fanamafisam-peo: Rakotovololona Lova Nosy
  • Nandray an-tsoratra :  Rajaofetra Voahangy
  • Naka ny sary : Rajaofetra Seta
  • Naka sy nandrafitra ny horonan-tsary : Harentsoa Rova

TEO AN-TOKONTANIM-PIANGONANA TEO AM-PIRAVANA

Sabotsy 23 sy Alahady 24 Mey 2020

SABOTSY 23 SY ALAHADY 24 MEY 2020

« Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina »

« Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka. » (Matio 12:30)

Mitohy hatrany ny fanompoam-pivavahana ao anatin’ny hahamehana manaraka ny fepetra napetraky ny fanjakana ka nisy fotoana roa ny sabotsy ary 3 ny alahady. Ny fotoana notanterahina ny Sabotsy tamin’ny 7 ora maraina izao tanterina amintsika izao. Herinandro farany ibanjinana ny lohahevitra  « Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina » izao fanompoam-pivavahana izao.

Razafindrakoto Fanjarivelo Perle  Raymonde mpiomana ho Mpitandrina no  nitarika ny fotoana.Ny Matio 12,22-30 no tenin’Andriamanitra nangalana toriteny. Ny Litorjia tamin’ny endriny fahatelo no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.

FANOMBOANA NY FOTOANA:

Ny Salamo 24 no niarahana namaky ho fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.Taorian’ny famakiana ny Salamo dia nohiraina ny FFPM 469,1-3

Tao anatin’ny vavaka dia nisaorana ny Tompo noho ny fitiavany tsy manam-pahataperana na dia maniasia aza isika. Nangatahina ny Fanahy Masina hanatrika ny fotoana. Nangatahina ny Tompo mba hankasitraka ny fotoana ary atolotra ho fanomezam-boninahitra ilay Avo indrindra izao fanompoam-pivavahana izao.

FOTOANAN’NY SEKOLY ALAHADY

 

Andriamampianina Naivo no nanatontosa ny dimy minitran’ny Sekoly Alahady. Jeremia 13,15 no nangalana ny hafatra ““Mandrenesa ka mihainoa, Aza miavonavona fa Jehovah no miteny.”

Tao anatin’ity tantara ity dia niantefa tamin’ny Joda io teny io. Isika dia tokony hihaino tsara an’ny Tompo Andriamanitsika. Misy olona mandre fa tsy mihaino. Rehefa mihaino an’Andriamanitra dia amin’ny fo no ihainoana Azy. Ary Ankatoavina amin’ny fo ny teniny.

Taorian’izay hafatra fohy izay dia nohiraina ny FFPM452,1

VAVAKA

Nambara tamin’ny Tompo fa mangetaheta ny andatsahany ny teniny ny fontsika  mba ahafahantsika mankatoa ny teniny.

FANKALAZANA NY TENIN’ ANDRIAMANITRA

Nohiraina ny Hira FFPM 225,1-2. Ranaivoson Jacky taloha. Tao  amin’ny vavaka nataony dia nisaorana ny Tompo noho ny fitiavany sy ny famindrampony ka nahatafavory ny mpanompony eo am-bavahadin’ny lanitra.Nangahina ny Tompo hampangiana ny feo rehetra tsy avy any aminy sy handrotsaka ny Fanahiny Masina ho amin’ny mpitondra ny teny sy ny mpihaino ny hafatra.

Ny Perikopa androany dia ny 2 Samoela 23,1-7, Matio 12,22-30; Galatiana 3,16-26

Ranaivoson Voahangy kosa no namaky ny Filazantsaran’I Matio sy ny Epistily ho an’ny Galatiana

TORITENY

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitory ny tenin’Andriamanitra . Nialoha ny toriteny dia nohiraina ny FFPM226,1

Nisaorana ny Tompo noho ny fotoana nomeny ahafahana mandre ny hafany. Nambara tamin’ny Tompo fa vonon-kihaino ny hafany ny mpanompony.Ny Matio 12,22-30 no nangalana ny toriteny.

Maro ny aretina ateraky ny asan’i Satana. Mahakasika ny saina , vatana , fanahy izany aretina izany. Eto dia ny tantaran’ny lehilahy demoniaka iray sady jamba no marenina no hoentina amin’ny mpianakavin’ny finoana. Aretin-dratsy teo amin’ny Jiosy ny aretina nahazo ity lehilahy ity.

 

Manasitrana ny aretina rehetra ny Fanahy Masina

Mifampiankina ny aretina moana sy marenina. Matetika rehefa marenina ny olona dia tsy mahay miteny ihany koa. Any amin’ny akany fitaizana moana marenina any Antsirabe dia tsikaritra fa rehefa manomboka miteny izy ireny dia mihatsara ihany koa ny fandrenesany. Eto anefa dia manampy trotraka ny kileman’ity lehilahy ity ny fahajambany kanefa dia nositranin’I Jesoa izany. Tsy ny ara-nofo ihany no nositraniny fa nositraniny ihany koa ny fanahin’ity demoniaka ity.

Nanoloana izany dia velom-pialonana ireo fariseo satria Jesoa izay noheveriny fa olon-tsotra sy madinika dia nahavita fahagagana nisongona azy ireo. Ny asan’i Jesoa dia vokatry ny Fanahin’Andriamanitra. Ny vokatry ny asan’io Fanahy io no manaporofo ny fahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra ety an’tany. Na dia nosakanana tamin’ny alalan’ny fanaratsiana sy fitenenan-dratsy azan y olona tsy hanantona ny Tompo dia tsy maintsy tanteraka ny asany ary rava ny asan’ny maizina.Tsy manana hery sy fahefana ny devoly manoloana ny fanjakan’Andriamanitra.

Raha mbola nieritreritra ny Fariseo fa asan’ny maizina ny fanasitranan’I Jesoa dia navalin’ny Tompotsika fa tsy avy amin’I Satana izy satria “Ho foana ny fanjakana miady an-trano … ary raha Satana no mamoaka an’I Satana dia miady an-trano izy”Tsy misy olona mandeha arak any Fanahy raha tsy manana ny Fanahin’Andriamanitra.

Manafaka amin'ny geja ny asan'ny Fanahy Masina

Isika dia ifandroritan’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fanjakan’i Satana.Satana dia miezaka ny hambabo antsika amin’ny fomba rehetra.Satana dia manapo fandemen-tsaina.

Indray andro dia nisy ankizy namiratra sy endry tao amin’ny sekoly iray. Nisy zazalahy maditra tao am-pianarana ka nadroadroany lava fa tsy salama ilay zaza endry sy mahay. Avy eo nanadroadro ity zaza ity ny iray kilasy hany ka nifantoka tao an-tsainy izany fanadroadroana izany. Farany dia niantefa tamin’ny vatany ilay fanadroadroana nifantoka tao an-tsainy ka narary izy ary tsy afaka nanohy ara-dalana ny fianarany hany ka tsy namoiratra intsony. Kivy ny anao lahy ka na ny nandeha tany an-tsekoly aza dia lasa nampalaina azy.

Ny Mpitandrina izay mitory ity teny ity ihany koa dia tratran’izany indraindray amin’ny resaka sakafo. Misy sakafo tsy zakany mamparary azy ary indraindray raha vao mieritreritra izy fa tsy metimety aminy ny sakafo manoloana azy dia aleony tsy mihinana fa miteraka tsy fahasalamana ho azy izany na dia tokony ho zakany aza.

Rehefa mifikitra amin’i Jesoa isika dia tsy tokony hanahy ny fanafihan’I Satana. Ankehitriny manoloana ny fiatrehana izao areti-mandringana izao dia arao ny toromarika fisorohana rehetra. Aza maka fanahy an’Andriamanitra fa “Endre tahakany menarana ary morà tahaka ny voromailala.”

Ny olona mandeha araka ny  Fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo. Angatao ny Fanahy Masina hanananao fiainam-baovao. Ny olona manaraka ny devoly dia tsy tia ny tsara. Ny fanjakan’Andriamanitra dia atolony ho an’ny olony ety ambonin’ny tany sy rahatrizay.

Manoloana ny fahoriana ety amin’izao tontolo izao, ny Mpino dia manana ny fifalian’ny lanitra ka tsy andairan’ny fahorian’ny tany. Manana fiadanana mandrakariva izy na dia ao anaty fahoriana aza. Ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy voavidim-bola aman-karena.

Katsao ny fanjakan’Andriamanitra ary ankatoavy ny Fanahy Masina. Nanoloana ny fanafihana ny Filistina ao amin’ny I Samoela 23 1-7 dia nankatoa ny bitsiky ny Fanahin’Andriamanitra Davida ka naharesy ny Filistina namabo an’I Keila ary voavonjy ny mponina tao Keila.

Noho ny Fanekeny ho tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia nitoeran’ny faneken’Andriamanitra Davida. Ny fankatoavana sy fanekena ho tarihin’ny Fanahy Masina no ahazoana ny fanekena mandrakizay izay nataon’Andriamanitra tamin’ny olony.

VAVAKA SETRIN’NY TORITENY SY FANGATAHANA FAMELAN-KELOKA:

Nisaorana ny Tompo noho ny teniny sy ny fanehoany fa sitrany avokoa ny aretina rehetra na ny ara-nofo nany ara-tsaina na ny ara-panahy.Manoloana ny fitak’i Satana dia tonga manantona ny Tompo ny olony mba hihazona ny fanjakan’Andriamanitra.

Manoloana izany dia nangatahina ny Tompo mba hamela heloka sy hanadio ny mpanompony ary mba hanavao ny fanahin’ny olony ahafahan’nyasan’Andriamanitra hiseho amin’ny vahoakany.

Tahorian’ny vavaka dia nohiraina ny FFPM 174,1-4

TENY FAMELAN-KELOKA

Fitiavana Mandrakizay no  nitiavako anao. Andriamanitra mampiseo ny fitiavany antsika fa fony mbola mpanota isika dia maty namonjy antsika Kristy.

Tahorian’ny fanolorana ny famelankeloka dia noventesina ny FFPM 365,1

Ho fanehoana ny finoana dia niarahana nanonona ny fanekem-pinoana faha-efatra.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA

Ho fanarahana ny fandaminana eto amin’ny firenena dia noferana ho 50 ny isan’ny olona manatrika ny fanompoam-pivavahana.

  • Ny Sabotsy dia misy fidirana in-droa (7ora sy 9ora ainamar)
  • Ny Alahady kosa dia misy fidirana in-telo (7ora sy 9ora ary 11 ora maraina)
  • Ny fanompoam-pivavahana dia afaka arahina ao amin’ny pejy facebook
  • Mitohy ny fandraisana ireo raki-pisaorana sy voady ary ireo adidy
  • Misy ny rakitra am-baravarana ho fanohanana ny Radio Fahazavana.
  • Manomboka ny Alatsinainy izao dia misy fanompoam-pivavahana izay miditra amin’ny 8 ora maraina.
  • Amin’ny alahadin’ny Pentekosta dia misy mpanompon’Andriamanitra raisina ho mpandray ny fanasan’ny Tompo.
  • Nisy ny filazana manjo

Novakiana ihany koa ny tatitry ny vola.

FANATI-PISAORANA

Natao nandritra izany ny hira FFPM 471

Ny hira fanolorana ny Rakitra dia ny hira FFPM45,4

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Nisaorana ny Tompo noho ny fanehoany ny fitiavany ary ny fanoloran-tenan’ny tsirairay no mendrika ho asetry izany fitiavana izany. Nisaorana ny Tompo noho ny fahasoavany.

Nentina am-bavaka ny fiangonana sy ny mpitondra fiangonana  . Manoloana ity  areti-mandringana ity dia nangatahina ny fiarovan’Andriamanitra ahafahana manao ny asa fanompoana am-pifaliana. Nangatahina ny Tompo mba hamaha olana ireo fahasahiranana aterak’ity aretina ity. Nentina am-bavaka ihany koa ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny hahatontosa am-pahamarinana ny andraikiny. Nentina am-bavaka ihany koa ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny Mpitandro filaminana. Nangatahina ny Tompo ahatanteraka ilay vina”Madagasikara ho an’I Kristy, Kristy ho an’i Madagasikara. Nentina am-bavaka ireo sahirana, ireo tsy salama, ireo mana-manjo.  Nangatahina ny Tompo mba hahatonga ny olony hahita fifaliana  sy hanana ny fiadanan’ny Tompo na dia ao anaty fahasahiranana aza. Nentina am-bavaka ihany koa ireo mpanompon’Andriamanitra mijanona any an-trano ary nangatahina ny Tompo mba hivaha malaky ny olana atrehin’ny firenena ka ho avy indray eto an-tranon’Andriamanitra ireo ondriny. Nangatahina ny Tompo mvba hahazo tombony ireo avy nandray ny hafatry ny Tompo ka tsy ho tahaka ny nidirany teo no ivoahany.

Notohizana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo izany vavaka izany.

FAMARANANA NY FOTOANA

 

Nohiraina ny FFPM 488,1-2

Niarahana nanonona ny tondrozotra ary natolotra ny tsodrano

Nohiraina ny FFPM 483, 1-2

IREO TOMPON’ANJARA

  • Nitarika ny fotoana: Razafindrakotofanjarivelo Perle  Raymonde
  • Namaky ny teny: Ranaivoson Jacky sy Ranaivoson Voahangy
  • Nitory ny teny: Mpitandrina Raharijaona Solofonirina
  • Fafana : Rabemananoro Jonathan
  • Fanamafisam-peo: Rakotovololona Lova
  • Mpitendry orgue: Rajaofetra John
  • Namaky ny raharaham-piangonana: Razafimaharo Mamy
  • Nandray an-tsoratra: Zanaharitsimba Toky Noely Tiana
  • Naka ny sary : Raharijaona Nirina
  • Natanteraka ny hororan-tsary : Harentsoa Rova sy Rakotondramboa Andry

Sabotsy 16 sy Alahady 17 Mey 2020

SABOTSY 16 SY ALAHADY 17 MEY 2020

Ivon'ny Jobily faha-50 taonan'ny Antoko-Mpihira Hasin'ny Famonjena
m

« « Manompoa an'i Jehovah amin'ny fifaliana … maharitra mandrakizay ny fiderana Azy » (Salamo 100 : 2, salamo 111 : 10b),

Alahady 17 May 2020, Alahady natokan’ny foibe Fjkm hitondra am-bavaka ireo mpiasa ao aminy nefa Alahady ihany nitsingeranan’ny faha 50 taonan’ny Hasin’ny Famonjena. Ny 17 May 1970 no natsangan’ny mpitandrina Rakotoarivony Paul teto amin’ny fitandremana ny Antoko mpihira, sampana velona eto amin’ny fitandremana mba hanantanteraka ny fitoriana ny filazantsara amin’ny alalan’ny hira. <br>

Ny mpitandrina miana-draharaha Andriatsilavina Nofy no nitarika ny fotoana. Ny litorjia tamin’ny endriny faharoa no nitondrany izany. Ireo mpikambana ao amin’ny Hasin’ny Famonjena, Robel Hanitra, filohan’ny Sampana sy Rajaofetra Bakoly, mpitantsoratry ny Sampana no nanatanteraka ny vakiteny sy ny vavaka. Ny mpitandrina Raharijaona Solofonirina kosa no nitondra ny hafatra.

FIDERANA AN ‘ANDRIAMANITRA

Ho fiderana an’Andriamanitra dia novakiana ny Salamo 103 : 1 – 5 + 21 – 22 « Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,  Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao, Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ny voromahery.Misaora an’i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.  Misaora an’i Jehovah, ny asany rehetra eran’ny fanjakany; Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko. »  Rehefa izany dia natao ny hira 202 : 1, 2, 3 “ Ry Ray malala ô !”. Narahin’ny vavaka fisaorana.

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Tao anatin’izany vavaka izany no niderana, nankalazana, nanomezana voninahitra an’Andriamanitra noho ny fahalehibiazan’ny fitiavany antsika, nanomezany ny fahasoavany tao amin’I Jesoa Kristy  sy fiainana hahafahana midera Azy sy mankaty an-tranony ary mivory amin’ny anarany. Manoloana izany fahalebiazana izany nefa dia mahatsiaro tsy fahatanterahana ka nifona izy noho ny ota sy heloka vita ka tsy tokony hijeren’Andriamanitra antsika akory aza. Andriamanitra nefa dia mamindra fo sy miantra  ka nangataka ny famelan-keloka izy. Ankehitriny, hoy izy,  dia mahatsiaro fa miasa ny Tompo ka voavela heloka isika. Manatre feno Ianao, hoy izy, amin’ny alalanao Fanahina Masina ka ny famenohanao anay no hahafahanay Andrimanitra miray tokoa Aminao.

Avy hatrany dia nisy feonjavamaneno.  

FOTOANA HO AN'NY SEKOLY ALAHADY

Rajaofetra Bakoly, izay sady mpitantsoratry ny Sampana no mpampianatra sekoly alahady no nitondra ny 5 mn ho an’ny ankizy. Ny Joba 22 : 21 no nitondra ny hafatra ho an’ireo tamin’izany « Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan’ny soa aminao. » (Joba 22:21)

Nanao tantara kely iray izy. Nisy mpitandrina hoy izy namangy tokantranon’olona izay manan-katao anankiray. Rehefa lasa ity mpitandrina dia nahatsikaritra fa nisy vola 200 000Ar nipetraka teo ambonin’ny latabatra izay tsy hita. Nilaza tamin’ny vadiny ilay Ramatoa nilaza fa tena nipetraka teo ilay vola nefa nony lasa ilay mpitandrina namangy dia tsy hita. Avelao any hoy ilay Rangahy raha nitaraina ilay Ramatoa. Roa volana taty aoriana nefa  dia niverina namangy ity tokantrano ity indray ilay mpitandrina. Rehefa vita ny famangiana ka handeha ilay mpitandrina dia nilaza Ramatoa tamin’ilay mpitandrina raha nahita vola teo amin’ny latabatra. Tena namaly fa nahita tokoa ilay mpitandrina ary nilaza fa napetrany tao amin’ny pejy voalohany ao amin’ilay Baiboly ilay vola. Nijery izany ilay Ramatoa ary nahita ilay vola ka menatra tokoa noho ny saika hanenjikendrehany ilay mpitandrina ary indrindra ny tsy nanokafany Baiboly nandritra ny roa volana ».

Lesona telo no azo tsoahina hoy ny mpitarika teto :

  • Mazotoa mitady an’Andriamanitra
  • Mazotoa mivavaka ary ataovy fahazarana mihitsy izany
  • Mazotoa mihaino toriteny

Nanao ny hira 770 : 5 “Tsy misy fetra, zavatra rehetra ” ireo fianakaviamben’ny sekoly alahady nanatrika ny fotoana.

SITRAPON’ANDRIAMANITRA

Niomana amin’ny sitrapon’Andriamanitra ireo kristiana ka natao ny hira Ffpm 181 : 3 “Fanahy mpanazava, ny foko”mialoha ny vavaka sy ny vakiteny. Ny perikopa anio moa dia ny 2 Tantara 15 : 1 – 7, Lioka 4 : 1 – 13, I Jaona 4 : 12 – 16.

Natao ny hira Ffpm 636 : 1, 2, 3 “Hianao ry Jeso ô” mialoha ny hafatra.

TORITENY

Fampianarana hoy ny mpitandrina no ho entiny fa tsy toriteny ary nomeny ny lohahevitra « Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny olon’Andriamanitra ». Hevitra lehibe telo no nentiny tamin’izany fampianana izany.

1.Mitarika ny olona hanaiky an’Andriamanitra ny Fanahy masina

Raha namerina kely ny vakiteny tao amin’ny 2 Tantara 15 : 1 – 7 ny mpitandrina dia nilaza fa efa ela ireto Israely no tsy nanana Andriamanitra fa nandeha tamin’izao fotsiny teo amin’ny fiainany. Rehefa tonga tamin’i Azaria ny fanahin’Andriamanitra. Nisy tsao-kevitra nentin’ny mpitandrina tamin’izany :

  • Momba ny firenen’Israely ny Tompo rehefa manaiky Azy ireo vahoakany
  • Mahita an’i Jesoa Kristy ny firenena rehetra mitady Azy
  • Ory tanteraka izay rehetra mahafoy an’Andriamanitra

2. Mandresy fakam-panahy amin’ny endriny rehetra ny Fanahy masina

Raha maka indray ny filazantsaran’i Lioka indray ny mpitandrina dia nanambara fa nifady hanina Jesoa Kristy nandritra ny 40 andro sy alina nefa teo indrindra izy no nalain’ny devoly fanahy.

Izay manompo an’Andriamanitra dia mandresy mandrakariva ary afaka amin’ny fatotry ny devoly izay mitodika Aminy. Tety an-tany Jesoa Kristy dia feno mandrakariva ny fanahin’Andriamanitra.

3. Porofo ho an’ny mino fa ao aminy Andriamanitra ny Fanahy masina

Izay no hanehoana fa ny Fanahy masina dia ao amin’ny olon’Andriamanitra. Nahatsiaro ny fahasahiran’ny olona tao amin’ny tananany Jaona tamin’ny nanoratra ity boky ity. Rehefa mahatsiaro mantsy ny olona fa ao aminy Andriamanitra dia mahay mifankatia. Tokony mahay mitia ny namanao izany hianao raha ao aminao ny Fanahy masina.

Ny Fanahin’Andriamanitra dia mitarika ny olona hahazo antoka fa ao aminy ny Tompo. Manaiky izy izany fa kristiana zanak’i Jesoa.

Ny hafatra entina hoy ny mpitandrina dia ny mba ahazoantsika manaiky an’Andriamanitra. Nitodika tamin’ny sampana Hasin’ny famonjena ny mpitandrina mba hankato ny fitarihin’ny Fanahy masina amin’ny fifaliana. Ny hira izay ataonareo hoy izy dia maneho izany fitiavana izany avokoa. Raha te-ho mpandresy dia avelao ny Fanahy masina hiasa ao anatinareo. Aza manaiky ho fitahin’ny devoly fa mijoroa ho mpandresy hatrany. Ataovy tsara ny hira izay ataonareo satria ireny dia mifono hafatry ny Tompo avokoa. Fitaovana hianareo amin’izany fitoriana filazantsara izany.

Ny teny faneva izay nofidina « « Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana … maharitra mandrakizay ny fiderana Azy » (Salamo 100 : 2, salamo 111 : 10b), dia aza atao mandalo fotsiny fa tena tokony hiainana mihitsy. Ny baiko nomen’ny Tompo dia ny Matio 28 : 18 – 2 0 «  ….. ataovy mpianatro ny firenena rehetra ». Izany nefa dia ny fampahafantarana ny teniny no ahafahana mitarika ny olona ho mpianany. Mety ho maro ny fakampanahy hoy ny mpitandrina amin’izao jobily izao nefa dia aza manaiky ho voafitak’i Satana. Ny fandresen’i jesoa Kristy no entin’ny mino Azy mandresy.  Nanambara ny mpitandrina mba tsy ho lavina ny Tompo izay ao anatinao. Ny fanolorantenanao dia anisan’ny fanehoanao ny fitiavanao an’Andriamanitra. Ny fahatanterahin’izany dia mamonjy antsika. Matokia ny Tompo fa fiarovana ho anao izany.

VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nisy ny vavaka setrin’izany tenin’Andriamanitra izany. Nisaotra ny Mpitarika fa miteny mandrakariva Andriamanitra mampahatsiahy ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny olona izay efa nofidiany. Ny asan’ny Fanahy Masina dia mitarika ny mpino hanaiky an’Andriamanitra hita amin’ny fitadiavany Azy . Ny asan’ny Fanahy Masina dia mampandresy koa amin’ny fakam-panahy ka mila mitana sy mahatoky ny Teny ny olony, mila manompo ary mitana sy miaina ny sitrapon’Andriamanitra, Ny asan’ny Fanahy Masina dia porofo fa ao amin’Andriamanitra ny olony hita amin’ny fitiava-namana sy fanekena fa Jesoa dia Zanak’Andriamanitra. Izany rehetra izany dia mitarika amin’ny fankatoavana ny Fanahy Masina, fankatoavana ny fitarihan’Andriamanitra eo amin’ny fiainana hahafahana mamita ny asan’ny Tompo, mandresy ny fakam-panahy. Aoka , hoy izy, tsy handà ny Fanahy Masina izahay ka hitoetra ao amin’ny tsirairay. Ny tsirairay dia mety manana ao anatiny  zavatra mavesatra ka nasain’ny mpitarika notononina tao anatin’ny vavaka mangina izany.  Tia dia tia anay tokoa Ianao Andriamanitra, hoy izy, ka indreto izahay vononana hanaiky ny ho tarihin’ny Fanahinao Masina handresy ny fakam-panahy,  hahazoanay ny tombo-kasen’ny famonjena ka manana porofo izahay fa efa voavonjy fa efa ao Aminao.  

Rehefa izany dia niara-nanonona ny fanekem-pinoana fahatelo ny mpianakavin’ny finoana rehetra.

Nisy feon-javamaneo ary niroso tamin’ny raharaham-piangonana.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA

Andriamasinoro Tantely, Mpitantsoratry ny volan’ny Fiangonana, no nilaza ny raharaha. Anisan’ny nambarany tamin’izany :

  • ny fandaharam-potoana hatrany ny amin’ny fotoam-pivavahana dia ny Sabotsy amin’ny 7 ora sy 9 ora ary ny Alahady 7 ora, 9 ora ary 11ora maraina. Misy hatrany ny vavaka isan-tokatrano ary manaraka ny fotoam-pivavaha Alahady izay avoakan’ny Fiangonana amin’ny pejy Facebook.
  • Azo atao hatrany ny manao rakitra sy voady, omena ny biraon’ny Fiangonana
  • Ny Alakamisy 21 May 2020 dia misy fotoampivavahana tokana amin’ny 8 ora
  • Hisy ny fivorian’ny SSAA rehetra miaraka amin’ny biraom-piangonana ny Sabotsy 23 May 2020 amin’ny 11 ora eny amin’ny Akany handinika ny herinandrom-bokatra
  • Ny sabotsy sy Alahady ho avy dia misy rakitra varavarana ho an’ny radio fahazavana izay mpiara-miasa amintsika
  • Teo amin’ny rakitra sy voady tamin’ny herinandro dia mitentina Ar 1 512 440.

RAKITRA SY FAMAKIANA VOADY SY RAKI-PISAORANA

Niroso tamin’ny rakitra sy famakiana ireo voady taorian’izany. Nanditra ny rakitra dia natao ny Ffpm 428 andininy rehetra “Reko izao ry Tompo”  . Rehefa vita izany dia natao ho fanolorana ny rakitra ny hira Ffpm 4 : 4 “ Mamy re ry Tomponay”

VAVAKA FANGATAHANA

Nanao ny vavaka fangatahana ny Mpitandrina nisaotra fa Andriamanitra tia tokoa Izy. Sitrakao , hoy izy, ny hankatoavanay ny fitarihan’ny Fanahinao Masina dia indreto izahay maneho ny fanoloranay ny tenanay. Raiso izay nanimbinanay tamin’ny fananao izay natolotrao anay ho tantananay  mba hahatanteraka izay rehetra nokendren’ny Fiangonana hivelaran’ny fanjakanao. Nivavaka izy ho an’ny mpitondra Fiangonana, ny mpitory Filazantsara, ny kristiana rehetra , ny Hasin’ny Famonjena ao anatin’ny ivon’ny Jobily fankalazana ny faha-50 taona izao, Nentiny am-bavaka ny fiainan’ny Fiangonana amin’ny ankapobeany. Nivavaka izy mba ho levona ny valan’aretina misy. Nitondra am-bavaka ny mpitondra fivavahana sy mpiara-miasa izay voan’izany aretina izany. Nentiny am-bavaka ireo mpiasa rehetra iombonana manomboka any amin’ny Foibe hatrany amin’ny Synoda-paritany, ny asa fiveloman’ny isam-pianakaviana, ny ankizy sy tanora izay mianatra, ny firenena sy ny tompon’andraikitra rehetra, ny mpitsabo, ny mpitandro filaminana rehetra.  Nivavaka koa izy ho an’ireo sahirana, ireo marary, ny mana-manjo, ireo manana hataka manokana rehetra, ny mangata-bavaka, ny zanaky ny Fiangonana rehetra any am-pielezana. Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo izany.    

TONDROZOTRA SY TSODRANO

Taorian’izany dia natao ny hira mialoha ny tondrozotra sy ny tsodrano Ffpm 295 : 1 “Miorena mafy tsara”. Avy eo dia nisy ny fanomanampanahy ho amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia natao ny hira 295 : 2 “ Raha misy fahoriana”.

FANDRAISANA NY FANASAN'NY TOMPO

Niroso avy hatrany tamin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo avy eo.

Rehefa nomena ny hafatra fandraisana dia natao ny hira Ffpm 530 : 1, 2, 3 “ Fitiavana rano velona”. Niaraha-nanonona ny tondrozotra ary natolotra ny tso-drano. Natao ny hira Ffpm 748 : 3 « Havaozy Tompo ô I Izao rehetra izao” namarana ny fotoana ary nofaranana tamin’ny Trinite masina.

IREO TOMPON’ANJARA:

  • Nitendry orga : Rajaofetra John
  • Nanao ny fàfana : Rajaofetra Voahangy
  • Niandraikitra ny fanamafisam-peo: Rajaonarison Lanto
  • Nandray an-tsoratra :  Robel Hanitra
  • Naka ny sary : Ramahery Hasina
  • Naka sy nandrafitra ny horonan-tsary : Harentsoa Rova – Rakotondramboa Andry

May 2020>Ny hiram-pivavahana sy ny fivoarany

Ny hiram-pivavahana sy ny fivoarany

“ Tandremo tsara izay fandehanareo mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala fa tahaka ny hendry” Efesiana 5: 15

Naharitra ela loatra ny fahasorenana, eny niafara tamin’ny fahatezeran’ny sasany aza, noho ny fitantarana mitohy sy maharitra ny fahasimban’ny hira, ary niafara tamin’ny fivarinany ho «Zafindraony» aza tamin’ny farany.

Tsy maintsy lazaina tamin-kenatra anefa, fa betsaka ny olona no mankasitraka ny Zafindraony hatramin’ny kristiana aza, nefa aoka ho fantatrareo marimarina, fa tena fomba fiasan’ilay ratsy na ilay devoly izany fivarinany izany ka tsy tokony hankasitrahana.

Ny taona 1894 dia  nivoaka ny fihirana misy hira 400 izay mizara roa mazava tsara fa hira avy amin’ny fiainana kristiana tranainy dia ny hira tamin’ny fiainan’ny Fiangonana voalohany niafara tamin’ny andron’ny Maritiora izany.

Ny tapany faharoa ao amin’io fihirana io dia ny laharana faha 169 ka hatramin’ny laharana faha 400 izay mitondra ny lohateny hoe: «Rahoviana no ho tonga ny farany ?»

Mahavariana sady mahafinaritra ny firafitry ny fihirana, satria avy hatrany dia ahitana mazava ny fiainana kristiana «roa sosona», izany hoe «fiainana kristiana tamin’ny fiandohany», sy ny «fiainana kristiana tamin’ny andron’ny Maritiora»

Ny tapany faharoa kosa dia efa mampibaribary ny fivoarana vokatry ny fandaminana notarihin’ny Mpitandrina ANDRIAMBELO ka nahavoatery nisian’ny fandaminana ary angamba avy amin’izany no nijoroan’ny Komity nandrindra ny fandrafetana io Fihirana io ny taona 189. Ny tsara homarihina anefa, dia voalaza mazava tsara fa io boky Fihirana nivoaka tamin’ny taona 1894 io dia efa fanontana FANIMPOLONY, koa raha heverina ho isan-taona ny fanontana printy fara-fahakeliny, dia efa tany amin’ny taona 1884 tany ho any izany ny fanontana voalohany.

dia tena mahafinaritra sady mahaliana ary tena mampisaotra an’Andriamanitra ny famakiana sy fandalinana izay voarakitra ao anatin’ity Fihirana editiona 1894 ity, satria raha ho resahantsika manokana aloha ny tapany voalohany (Laharana 1 hatramin’ny laharana faha-168); dia misy toro-lalana ho an’ny Mpitarika avokoa ny hira reehtra toa ny hoe:

«Fangataham-pahendrena»

«Fiderana an’Andriamanitra»

«Ny voninahitr’Andriamanitra»

«Filazana ny soa nataon’i Kristy»

«Fivavahana iantsoana an’i Kristy»

«Fiantsoana ny Fanahy Masina»

«Andro Alahady»

«Fitiavana ny trano fivavahana»

«Fitiavana ny Tenin’Andriamanitra»

«Ny hamamin’ny Baiboly»

«Alohan’ny Toriteny»

«Ny nahaterahan’i Kristy» hira iray

«Famonjena»

«Fahagagana nataon’i Kristy»

«Lalan’ny Famonjena»

«Sarotra avotra ny aina»

«Fahoriana»

«Ny tsy finoana an’i Kristy»

«Fahagagana nataon’i Kristy»

«Fitiavan’Andriamanitra»

«Jesosy aron’ny mino»

«Fiderana an’i Kristy»

«Fiheverana an’i Kristy»

«Fanekena an’i Kristy»

«Fahatahorana an’i Kristy»

«Jesoa ifaharana»

«Jesoa ifaliana»

«Fanantenan’ny mino»

«Fahafinaretan’ny mino»

«Ny fahamasinana»

«Ny amin’ny fahoriana»

«Ny fivavahana»

«Ny sain’i Jesoa»

«Ilay menarana varahina»

«Orimbaton’ny famonjena»

«Ny taola-maina»

«Ny mamaky efitra»

«Ilay samaritana tsara fanahy»

«Jesoa Mpiandry tsara»

«Fivavahan’ny mpanota»

«Andrianjatovo»

«Fampahiratan’i Jesoa ny jamba»

«Fivavahana ho an’ny namana»

«Fiantsoana ho an’i Kristy»

«Ny mikambana tsy azo sarahina»

«Fifankatiavana»

«Fielezan’ny Tenin’Andriamanitra»

«Fahatsiarovana ny fahafatesan’i Jesoa»

«Ho an’ny antitra»

«Ny taona miherina»

«Maniry ho faty»

«Ny fahafatesan’ny mino»

«Andro fitsaharana»

«Fiainana mandrakizay»

«Fiainana an-danitra»

«Fivavahana ho an’ny Andriana»

«Hody»

«Firavana»

Hitantsika araka ireo lohahevitra mialoha ny hira tsirairay avy ireo, ao amin’ny tapany voalohany amin’ny fihirana, fa toy ny Diksioneran’ny Hira io Fihirana voalohany io, ary hita fa tena nanampy betsaka ny tompon’anjara amin’ny fitarihana ny fanompoam-pivavahana. Tena fivoarana lehibe teo amin’ny fiainan’ny Fiangonana voalohany izany, satria avy hatrany dia ampifandrifiana amin’ny toriteny fotsiny ny hira dia feno avy hatrany ny foto-kevitra tiana holazaina.

Marina fa fehezan-teny fohy hatrany ny tonon-kira rehetra, fa hita tsara kosa fa fivoarana lehibe izany teo amin’ny fiainana kristiana voalohany.

Mbola hotohizana

RAJAOFETRA John

May 2020>Vatsimpanahy

Perikopa: Jer.3/11-17; Mat.11/20-24; Asa.26/19-23

Jeremia .3 : 11: “Ary hoy Jehovah tamiko: Israely mpiodina dia hita fa marina kokoa noho i Joda mpivadika”.

Hita ato amin’izao andinin-tSoratra Masina izao, fa misy voambolana toa mitovy nefa tsy sahala, dia ny: “miodina” sy ny “mivadika”. Samy fahadisoana eo anatrehan’Andriamanitra avokoa ireo, fa ny lanjany no tsy mitovy. Asehon’ny Baiboly fa ny fahotana sy ny faharatsiana ataon’ny olombelona, dia misy valiny famaizana avokoa. Ny bokin’i Jeremia dia maneho imbetsaka ny fifamatoran’ny ota sy ny vanim-potoana ary ny tany sy ny zava-manjo ny olombelona. Inona no hafatra ho antsika velonaina ankehitriny? Tandremo ny fitondran-tena fa misy akony avokoa ny zavatra atao rehetra amin’izay manodidina ny tena sy ny tontolo iainana. Ireto no  enti-manazava izany:

– Israely mpiodina

– Joda mpivadika

Israely mpiodina

Ny voambolana nampiasaina dia ny: mpiodina: מְשַׁבָה (meshabah) avy amin’ny matoanteny hoe:  שָׁבַה (shabal) = niala tamin’ny sori-dalana nombana, nandika ny lalàna nifehy, nihataka niala tamin’Andriamanitra, tsy nitoetra am-pahamarinana tamin’Andriamanitra izay nivavahany; lasa nanompo sampy…

Ny Jer.3: 6-10 no maneho izany fiodinan’ny Israely izany. Tsy nitandrina ny lalàn’Andriamanitra, sady tsy nanao fivavahana araka ny nampanaovina azy izy, fa lasa nanompo sampy. Izay no ambara fa fijangajangana eo anatrehan’Andriamanitra. Vokany, nisaoran’Andriamanitra i Israely (toy ny mpivady nifampisaotra: nisaraka), ka zary fahoriana tamin’ny tany sy ny vanimpotoana mihitsy.

Io fiodinana io no nahatonga ny antso mba hiverina. Asain’i Jehovah Andriamanitra miverina Aminy ny firenen’Israely. Marihina eto, fa iray fototeny ihany ny miodina sy ny miverina amin’ny teny hebreo: shabah. Ny fiverenena amin’izay, dia fitodihana miverina indray amin’Andriamanitra, miaiky ny helony, mifona, miverina mihaino sy manaraka indray ny sitrapon’Andriamanitra. Manaiky an’Andriamanitra ho Andriamanitra ivavahany, sy hotompoiny amin’ny andro iainana.

Ambara eto, fa marimarina kokoa i Israely noho i Joda. Israely dia nanao izay ratsy teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra noho ny tsy fahalalana, ka antsoina hibebaka hiala amin’ny ratsy nataony.

Hita amin’ny filazan’ny Tompo ihany koa ny toy izany; amin’ny fampitahana ny lanjan’ny ditra sy ny hadalana ary ny tsy finoana Azy. Tsy niraharaha ny asa lehibe sy famantarana maro nataon’ny Tompo i Korazina sy i Betsaida. Nolazainy fa ho moramora kokoa ny fitsarana an’i Tyro sy i Sidona noho ireo, satria tsy mba natao tany amin’ny taniny izay natao tao amin’ny Korazina sy Betsaida (Mat.11/20-22).

Joda mpivadika

Ny teny hoe: mpivadika eto dia ratsy kokoa noho ny miodina. Ny teny hebreo manambara azy dia:  מְבּיגֵדָה  (mebigedah), avy amin’ny matoanteny hoe:  בָגַד (bagad). Teny enti-milaza, fa mahalala ny faharatsiana sy ny fahavoazana mety  hanjo vokatr’izany, nefa vao mainka manao ihany. Maniratsira an’Andriamanitra izany; toy ny mihantsy Azy.

Tsy mba nandray lesona tamin’izay nanjo ny firenen’Israely niodina tamin’Andrimanitra izy, fa iny lalan-dratsy nahadiso azy iny ihany no vao mainka aza nataony indray. Nanao izay nanafintohina an’Andriamanitra mihitsy i Joda.

Voambara, fa tsy mety natahotra an’Andriamanitra i Joda eo amin’ny Jer.3/8b, na dia efa nahita ny nanjo ny Israely aza rehefa niodina tamin’i Jehovah Andriamanitra. Ratsy noho ny miodina ny mivadika, raha eo amin’ny fitsaran’Andriamanitra ireo firenena ireo no jerena.

Toy izany koa no ambaran’i Jesoa ato amin’ny Mat.11/23-24, ny amin’ny Kapernaomy raha mitaha amin’i Sodoma sy Gomora. Efa nanaovan’ny Tompo asa lehibe samihafa sy asa mahagaga maro, nefa mbola mivadika Aminy ihany (Sodoma sy Gomora: tanàna malaza ratsy, noho ny famaizana nahatsiravina nahazo azy: Gen.13/13; 19/1-29).

Efa naseho mirangaranga izany fitsaran’Andriamanitra hihatra izany ho ahy sy ho anao: mpiodina, ve sa mpivadika? Mbola misy antso amin’ny fiverenana na fibebahana ihany koa. Ny mpiodina mora miverina, fa ny mpivadika sarotra miverina!

Ry havana malala, maro ankehitriny ny endriky ny fanompoan-tsampy mandrirotra ny olona hisaraka amin’Andriamanitra, na avy any ivelany na avy eto an-toerana. Ao ny mbola tranainy, ao kosa ny efa moderina. Araka ny mpandinika, dia ireto no fahotana fototra (mampieritreritra !); mampiseho fiodinana sy fivadihana amin’Andriamanitra, miaraka amin’ireo anarana lohan’ny demonia manao azy.

* Ny mirenty sy mamiratra: “Asmodée”

* Ny hakamoana: “Belphégor”

* Ny hatendana: “Belzeboba”

* Ny fanirian-dratsy: “Leviatana”

* Ny fieboeboana: “Losifera”

* Ny fahirana: “Mamôna”

* Ny fahatezerana: “Satana”

Fehiny

Antso toy ny nataon’ny apostoly Paoly, voasoratra ao amin’ny Asa.26/19-23 izao vatsim-panahy izao. Ambara hatrany na dia hampidi-doza ny mpitory aza, sao mba mety mibebaka ihany ny mpiodina, ary miala amin’ny ratsy ataony ny mpivadika.

Miverena re amin’ny Tompo Andriamanitrao. Ajanony sy ialao

izay mety ho fanompoan-tsampy nitazona anao teo aloha. Mbola tian’Andriamanitra hody ao Aminy hatrany ianao. Izao fotoana fihibohana izao, tohizo ny fandinihan-tena; ka mandraisa fanapahan-kevitra tsara hiverina amin’Andriamanitra. Efa nitsangana marina tokoa Jesoa, raiso ho anao izany, dia ho resinao avokoa ireo karazam-pahotana fito notanisaina teo ambony ireo; sy ny devoly mampiasa azy. Raha tsy mety miverina kosa moa ianao, dia afaka amin’ny rànao ny Fiangonana tenan’i Kristy ety an-tany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amena. RAHARIJAONA Solofonirina Mpitandrina

May 2020>Mahatoky izao teny izao

«Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina»

Tsianjery : “Ny Fanahin’ i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ ny lelako”. 
II Samoela 23,2

Koa satria nomena antsika ny Fanahy Masina ahazoantsika mamoa voa tsara mendrika ny mpanompo tsara, dia anjarantsika kosa ny mankatoa ny bitsiky ny Fanahy sy ny fitarihany ahantanterahantsika izany.

Fa hoy ny Soratra Masina ao amin’ny Matio 7:17 : “Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy”.

Ny fitarihan’ny Fanahy Masina :  Mitarika antsika mba ho fitaovana mahomby eo am-pelatanan’Andriamanitra ny Fanahy Masina (Mpits 6:34 / IITan 15:1/ IISam 23:1-2 / Asa 4:8). Fijoroana vavolombelon’ny fahamarinana sy ny asam-pamonjena ao amin’i Kristy no itarihan’ny Fanahy Masina antsika. (Job 27:6 /Jao 15:27 / Lio 12:11-12). Raha tarihan’ny Fanahy isika dia mananatra sy mifananatra mba samy hiala amin’ny fanao ratsy rehetra. (IITan 15:1-7). Ny Fanahy dia mitarika antsika hahay hankalaza tsara an’Andriamanitra, fa Izy mahay manavaka ary manandratra tokoa izay Azy. (Sal 47:1-7). Ny hampiaiky izao tontolo izao ny fahotany noho ny tsy finoany, ny fahamarinana izay ao amin’i Kristy Jesoa ary ny fitsaràna izay efa voalahatra rahateo no fitarihan’ny Fanahy Masina ihany koa. (Jao 16:8-10). Asam-pamonjena no itarihan’ny Fanahy Masina antsika, tsy ny hipasoka izay efa malama anefa, fa kosa haneho fahatsarana eo anatrehan’ny jentilisa hahatarika azy ireo ao ambalan’ny Tompo. (Rom 15:14-16)

Ny mpanompo mankatoa :  Ny mpanompo mankatoa dia izay mifankazatra tsara amin’Andriamanitra, satria Andriamanitra azo ifandaharana tsara ny Andriamanitsika, rehefa vonona marina tokoa hanao ny sitrapony isika. (Mpits 6 : 36-40). Mahajoro tsara manoloana ny fitsapana sy fanenjehana izay nohamarinin’ny Fanahin’Andriamanitra. (Job 27:6). Marina sady manapaka amin’ny fahatahorana izay tarihin’ny Fanahy Masina. (II Sam 23:2-3). Manahaka an’i Kristy izay feno ny Fanahy, ka mahatohitra ny fanangolen’ny devoly. (Lio 4:1-13). Ny mpanompon’i Kristy dia miara-miasa akaiky Aminy mba tsy ho izay mpanohitra Azy. (Mat 12:22-24). Manaiky hateraka indray izay maniry hitoetra ao amin’ny Fanahy, mba hananany anjara ao amin’i Kristy. (Jao 3:3). Ny mpanompo tsara dia mandeha miendrika ny Tompo ka maneho ny tenany ho ohatra amin’ny asa tsara. (Kol 1:9-10). Andriamanitra dia fitiavana! Raha mpanompony tokoa isika, ary mitoetra ao amin’ny Fanahiny, dia mahay mifankatia. (IJao 4:16)

Fehiny : Rehefa niakatra ho any an-danitra Kristy, dia naniraka ny Fanahiny (Mpananatra) hitarika antsika ho amin’ny famonjena ary koa hanohy ny asany. Fanatitra tokana, masina, ho amin’ny otantsika no notanterahin’i Kristy tamin’ny nanolorany ny tenany. Ny fanekentsika izany irery ihany no handraisantsika ny Fanahin’ny famonjena mba hahatanterahan’ny teny fikasana amin-tsika. (Heb 10:12-14). Mandehana araka ny Fanahy mba hamokaranareo asa tsara sy hizoranareo ho amin’ny fanjakan’ny lanitra. Aza mety hotarihan’ny nofo ianareo fa ny fitarihan’ny nofo dia asa tsy mahavoka-tsoa ka mahavery ny tena ary mahavery ny hafa koa. Aza manome fitoerana ho an’ny devoly akory. (Gal 5:24-26). Ny asam-pamonjena izay hahasitranana na olona na firenena manontolo mihitsy aza, dia izay atao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy irery ihany. Toky, ary izay tena azo hijoroana vavolombelona izany, satria asan’ny Fanahy, izay tena ireharehan’ny mpanompo mankatoa.(Asa 4:8-12). Ho an’Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra, fa ho amintsika izay mankatoa ny fitarihan’ny Fanahy Masina kosa ny fiadanana. Amena!!!                                  

Ny Vaomieran’ny Aim-Panahy

Sabotsy 09 sy Alahady 10 Mey 2020

SABOTSY 09 SY ALAHADY 10 MEY 2020

Alahadim-bokatry ny Sampana Lehilahy Kristiana - SLK

“Ankatoavy ny fitarihan'ny Fanahy Masina"

« Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.» (Lioka 12:10)

Ny fotoana voalohany tamin’ny 7 ora no nakana izao tatitra izao. Androany dia fotoana ao anatin’ny herinandro natokan’ny FJKM ho fitondrana amim-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana (SLK) manerana ny sahan’ny FJKM.

Razafindrakoto Fanjarivelo Perle Raymonde, Mpitandrina taona fahefatra ao amin’ny Faculté de Théologie Ambatonakanga no nitarika raha Ramilison Diamondra, Mpitandrina no nitondra ny hafatry ny Tompo tamin’ny Fiangonana. Ny litorjia endriny fahatelo no narahana. Natsangana ny mpikambana ao amin’ny SLK nanatrika ny fotoana ary narahabaina sy nirariana soa. Ny andinin-tSoratra Masina nomena azy ireo dia SAL 25 : 12-13.

Ny SAL 42 : 2-5 no andinin-tSoratra Masina niarahan’ny Fiangonana namaky teo am-pitsanganana taorian’ny feon-javamaneno fidirana, ny fanolorana sy ny fiarahabana  apostolika  » Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra?  Ny ranomasoko no fiahiko andro aman’alina, amin’ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao?  Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin’ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon’Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.  Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an’Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen’ny tavany. »

Ny hira FFPM 177 : 1-2 « Ry Fanahy Mpanazava, Mitariha » no nanaraka izany ary vavaka fisaorana. Nisy feon-javamaneno fohy dia niroso tamin’ny 5 minitra ho an’ny ankizy ny efa niomana tamin’izany.

FOTOANAN’NY ANKIZY

Rabenasolo Landy, mpampianatra Sekoly Alahady no nitarika izany. Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra fohy dia araka ny LIO 13 : 24a :  “Miseseha hiditra amin’ny varavarana ety ianareo”. Valintenin’i Jesoa raha nametraka fanontaniana taminy ny mpianany io hoe : “Tompoko, moa vitsy va ny olom-bonjena?”. Olona vitsy ihany no afaka miditra amin’ny varavarana ety na tery. Fanoharana 2 no nalaina :
• Fanoharana 1 : rehefa handeha hianatra isika dia mandeha taxibe, ifandrombahana satria voafetra ny toerana, manao ankisisika.
• Fanoharana 2 : tahaka izao iainantsika izao, ao anatin’ny vanim-potoanan’ny valan’aretina, voafetra ho 50 ihany isika no miara-miangona, mifandrombaka isika maka “tickets”.

Mitaky hezaka avy amintsika tsirairay izany satria maro no mitady hiditra ka ny fepetra dia ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra. Mirosoa amin’ny fianarana iny Tenin’Andriamantra mba ho isan’ny ho tafiditra amin’io varavarana ety io sy hahafahana misitraka ny fiainana mandrakizay. Amen.
Notohizana tamin’ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra avy hatrany ny fotoana.

FANKALAZANA NY TENIN’ ANDRIAMANITRA

Nohiraina ny FFPM 476 : 1 « Ny Eo Akaikinao, Ry Ray !» dia nanao vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina Rabezandrina Solohery, Filoha’ny SLK. Namaky ny Testamenta Taloha Rakotomalala Johary, mpitahiry vola raha Ratavilahy Roland no namaky ny Testamenta Vaovao, araka ny JOB 27 :1-10 ; LIO 12 : 8-12 ; ROM 15 : 14-21. Nataon’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira FFPM 242 : 2-5 « Misaotra Anao Izahay ry Ray » dia toriteny no nanaraka izany.

TORITENY

Ny LIO 12 : 8-12 no andinin-tSoratra Masina nanompana ny hafatry ny Tompo androany.
Ny perikopa eto dia momba ny resaka nataon’i Jesoa tamin’ny mpianany mba tsy ho azon’ny masirasiran’izao tontolo izao, ho fanomanana azy ireo hiatrika ady sy ny tsy tokony hitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
Fomba ahoana àry no hankatoavana ? Ny mpianatra mankato ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia :

1) Mpianatra manaiky an’i Jesoa Kristy eo anatrehan’ny olona (and.8)

Sahy manambara amin’ny Tompo ampahibemaso hahazoana fiainana mandrakizay ny mpianatra. Misy toe-panahy nolazainy hijoroana sy hanekena dia ny fanahatahorana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny fahavalo dia tsy afaka mamono ny fanahintsika olombelona, Andriamanitra irery no tokony hatahorantsika kristiana, izany no fiandoham-pahendrena araka ny voasoratra ao amin’ny Ohabolana, tahotra mitondra fanajana manoloana ny fahalehibiazan’Andriamanitra. Ny toepanahy faharoa kosa dia ny fananana finoana : na dia tampenam-bava aza izy dia tsy mety mangina fa miteny ny fanekeny eo anatrehan’ny fahavalo. Andriamanitra mahery sy manam-pahefana amin’ny zavatra rehetra Izy. Banjino i Jesoa velona izay efa nametrahanao ny fiainanao fa tsy ny olana.

2) Mpianatra tsy miteny ratsy ny Fanahy Masina (and.10)

Nambaran’ny fahavalo fa asan’ny Satana ny asan’ny Fanahy Masina nandroahana ny demonia. Tsy misy famelan-keloka mihitsy ny fanaovana blasfemia satria ny Fanahy Masina dia Andriamanitra (MAR 3 : 28-30), io Fanahy Masina io dia mampibebaka ka tsy tokony hitenenan-dratsy. Manana toetra voajanahary hanohitra an’Andriamanitra ny maha-olombelona manontolo, ilaina ny fiovampo hahatratra ny momba antsika manontolo, fo vaovao mihaino ny Tenin’Andriamanitra. Tsy manan-kery amintsika intsony ny ratsy ka tsy ho azom-panahy hiteny ratsy ny Fanahy Masina isika. Mandehana amim-pahendrena ary miambena.

3) Mpianatra mampiteny ny mpino amin’ny fotoan-tsarotra (and.11)

Tsy afaka handositra ny fisehoana amin’ny manam-pahefana jentilisa ny Apostoly. Mampantena ny Tompo fa hampianatra azy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Tsy tokony hanahy na hatahotra ny mpianatra fa ny Fanahy Masina no hametraka ny Teny eo am-bavany.

Teny fikasana mampahery antsika Fiangonana izao : niady ho antsika I Jesoa, tsy namela antsika, mampandresy antsika amin’ny ady. Ny olona mankato ny fitarihan’ny Fanahy Masina no ilaina. Manana Mpisolovava sy Mpampianatra isika dia ny Fanahy Masina.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena!

VAVAKA FIFONANA:

Nisy feon-javamaneno fohy dia nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika, izay narahin’ny hira FFPM 194 : 3 « Andriananahary O ! Endrey Ny Voninahitrao ». Natolotra teo am-pitsanganana ny Teny famelan-keloka ao amin’ny II MPAN 22 : 19 ; I JAO 2 : 1-2. Natao ny hira FF 10 : 1 « Mivavaka aho satria  ». Ny fanononana ny fanekem-pinoana nikeana (Lah.2) no nanaraka izany. Nisy feon-javamaneno fohy tao anaty vavaka mangina. Filazana ny vaovao no nanaraka izany.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA

Razafindrabe John Bam no nilaza vaovao tokony hofantarin’ny Fiangonana ary hotanterahiny sy hoentiny amim-bavaka. Natombony tamin’ny famakiana ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny LIO 12 : 8 izany. Ireto no santionany amin’izany :
• Fampahafantarana sy fanentanana ny olona hanaraka ny fepetra takiana amin’izao vaninandro izao momba ny fandaminana ny fanompoam-pivavahana : misy fotoam-bavaka 5 ny sabotsy amin’ny 7 ora sy amin’ny 9 ora maraina ary ny alahady amin’ny 7 ora, amin’ny 9 ora sy amin’ny 11 ora. Misy hatrany ny fotoam-bavaka nalaina sary sy feo ao amin’ny pejy facebook-n’ny mpiangona Amparibe.
• Misy hatrany fandraisana ny adidy sy raki-pisaorana.
• Hisy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo amin’ny sabotsy sy alahady ho avy izao.
• Sabotsy 16 may 2020 amin’ny 11 ora antoandro dia hianatra ny katekomena.
• Manao fangatahana any amin’ny Mpitandrina sy Biraom-Piangonana izay rafitra hivory mandritra ny herinandro.

FANATI-PISAORANA

FFPM 170  “Ry Jesoa ny fitiavanao” no hira nataon’ny Fiangonana nandritra ny rakitra. Ho fanolorana izany dia ny hira FFPM 437 : 3 “Ry Jesoa Kristy Tompo” no nataon’ny Fiangonana. Nitohy tamin’ny vavaka notarihan-dRaharijaona Solofinirina, Mpitandrina izany.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Nisaotra noho ny toriteny izy sy ny fanolorantena izay nataon’ny Fiangonana ary nivavaka ho an’ny mpitondra Fiangonana sy mpitory ny Filazantsara rehetra ; ho an’ny kristiana rehetra eto amin’ny Fitandremana Amparibe izay efa niombom-bavaka na izay mbola mihiboka ; ny SLK ; ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena ao anaty jobily volamena ; ny Sampana sy Sampanasa ary Asa rehetra ; ny asam-pivelomana isam-pianakaviana, indrindra ireo very asa ; ny mpianatra hanala fanadianana amin’ity taona ity ; ny fitomboan’ny Fiangonana amin’ny finoana mba tsy ho very fotoana ; ho an’ny firenena, ny mpitondra fanjakana, ny mpitsara, ny mpitandro ny filaminana ; ho an’ny sahirana sy tsy salama ary mana-manjo ; ny tratran’ny tsi-fidiny sy voan’ny tsindry hazolena ; ny manana hataka manokana rehetra sy izay nangata-bavaka. Izany dia nofaranana tamin’ny “Rainay Izay any an-danitra”.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao ny hira FFPM 545 : 1 «  Endrey izany hafaliana » dia notononina ny tondrozotra 2020. Natolotra ny tsodrano dia noredonina ny hira FFPM 734 : 1 « Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay » nofaranana tamin’ny Amen. Nisy vavaka mangina sy trinité ary feon-javamaneno. Nifarana tamin’ny 8 ora sy 20 minitra ny fotoana.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rajaofetra John
Diakona tompon’anjara : Vaomieran’ny Aim-Panahy
Fafana: Rakotonarivo Vatsy
Fanamafisam-peo sy naka ny horan-tsary : Harentsoa Rova
Naka sary sy naka feo ny toriteny : Ranaivoson Joël
Nandray an-tsoratra ny fotoana : Ralaiarimanana Narindra

Sabotsy 02 sy Alahady 03 Mey 2020

SABOTSY 02 SY ALAHADY 03 MEY 2020

« Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina »

« Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany. » (Jaona 15:26-27)

Fanompoam-pivavahana  faharoa notanterahana tao an-trano Fiangonana, ao anatin’izao fihibohana izao, no natao izao sabotsy maraina amin’ny 7 ora izao. Ny fandaharana dia hiraisan’ny fotoana izao maraina izao amin’ny 7 sy 9ora ary ny Alahady 03 Mey amin’ny 7 ora, 9 ora ary 11 ora ka ny hira, ny Perikopa ary  ny litorijia dia hitovizana avokoa.

Ny Mpitandrina  miana-draharaha Andriantsilavina Nofy no nitarika ny fanompoam-pivavahana nanaraka ny litorjia amin’ny endriny faharoa ary ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitory ny tenin’Andriamanitra. Ny Loholona Rabako Hantavololona sy Rabako Jean Jacques no nitari-bavaka sy namaky ny tenin’ny Soratra Masina.  Lohahevitra vaovao indray  no banjina dia ny hoe « Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina »

Horonantsary ny fanompompivavahana

Fandrindrana : Seta Rajaofetra

Montage : Rova Harentsoa

FIDERANA AN'ANDRIAMANITRA

Ny Isaia 61 and. 1-2 no niaraha-namaky teo am-pitsanganana ho fiderana an’Andriamanitra  « Ny Fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ny mazava,  Hitory taona ankasitrahan’i Jehovah sy andro famalian’Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra, » Ny hira Ffpm 194and. 1,

 “Andriananahary ô, endrey ny voninahitrao” no nohiraina.

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Niombona tamin’ny vavaka ny Fiangonana avy eo. Hoy ny mpitarika hoe “Ry Andriamanitra Ray Zanaka sy Fanahy Masina , indreto indray izahay vahoakanao vory eto amin’izao vavahadin’ny lanitra izao, hidera, hankalaza, hanome voninahitra Anao, Ianao Ilay nahary anay. Izahay asanao dia midera Anao ary ao anatin’izany no hihaona Aminao indray . Mangataka ny fanatrehanao izahay amin’ny alalan’ny Fanahinao Masina ka ny fahafenoina avy Aminao no hahafahanay midera Anao hatrany. Manoloana ny fitiavanao anefa dia mahatsiaro tsy tanteraka izahay ka mifona noho ny amin’ny ota notanterahin’ny nofonay , mety nosaitsain’ny sainay, eny mety vitan’ny fanahinay mihitsy aza. Koa mangataka famelana feno izahay, mahatoky sy marina Ianao ka mamela ny helokay rehetra koa indro ankehitriny amin’ny fifaliana no andraisanay ny famelan-keloka avy Aminao ka isaoranay Anao izany. Amin’izao tohin’izao fotoana Izao dia aoka izahay hifantoka ao Aminao  amin’ny alalan’ny Fanahinao Masina ka izay rehetra tontosainay dia ho voninahitry ny anaranao.  Amin’ny anaran’I Jesoa Kristy. Amena”.  

Nisy ny feon’orga avy eo dia notanterahin’ny hira Ffpm 178 and. 1 “Avia Fanahy o”

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA.

Ny Loholona Rabako Ralambonirina Jean Jacques no nivavaka nisaotra an’Andriamanitra ny amin’ny fotoana hitodiana Aminy ankehitriny, ny mbola hahafahana mandre ny Teniny sy handre ny hafatra ampitondraina ny mpanompony. Nangataka ny handrotsahana ny Fanahy Masina izy hitarika, hanova ary hanavao ka mba ho feno ny fahalalàna tsara ny sitrapon’Andriamanitra ny tsirairay,  ho feno fahendrena sy fahazavantsaina. Nitalao izy ny amin’ny haneken’Andriamanitra izany vavaka izany. Notohizany tamin’ny famakiana ny teny ao amin’ny Mpitsara 6: 33-40 avy eo. Ny Loholona Rabako nantavololona no nanohy ny vaky Teny ao amin’ny Jaona 15: 26-27 ary Kolosiana 1:9-14. Ny hira ao amin’ny Fihirana Fanampy 10 and. 2 “Mibahana ato am-poko  Fanahin’ i Kristy”  no natao avy eo.

TORITENY

Ny  tenin’Andriamanitra nandraisan’ Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina ny hafatra dia tao amin’ny Filazantsaran’i Jesoa izay nosoratan’i Jaona, Jaona 15 :26-27.

Mizara roa amin’ny ankapobeny ny Filazantsaran’i Jaona : ny fizarana voalohany dia Jesoa Kristy miaraka amin’ny vahoaka, miresaka amin’ny vahoaka, mitoriteny sy mampianatra ny vahoaka ; ary ny fizarana faharoa dia Jesoa Krsisty miresaka sy midinidinika, mametraka hafatra ho an’ny mpianatra. Ity andinin-tSoratra Masina noraisina ity dia tafiditra ao amin’io fizarana faharoa io. Koa amin’izany dia hisy fanambarana an’i Jesoa roa sosona hiseho : ny voalohany dia izay nataon’ny Fanahy Masina ary ny faharoa dia izay ho tanterahan’ny Apostoly

1 - IZAY NATAON’NY FANAHY MASINA

Ho avy ny Fanahy Masina, nirahan’Andriamanitra ho an’ny mpianatra, araka ny fangatahan’i Jesoa. Resahina ao amin’ny Jaona 14 :16-17 izany. Misy anarana sy andraikitra anankiroa ho tanterahan’ny Fanahy Masina : Mpananantra (Mpampahery sy mpisolo vava) ; Fanahin’ny fahamarinana Izy (Fanambarana ny amin’i Jesoa Kristy sy ny fahamarinan’ny iraka rehetra ampanaovina Azy). Ny Fanahy Masina dia tsy azon’izao tontolo izao fa ho an’izay mino ka tonga mpianatry ny Tompo ihany (Jaona 14 :17)

2 - IZAY HO TANTERAHAN’NY APOSTOLY

Samy vavolombelon’i Jesoa Krsity avokoa ny Fanahy Masina sy ny mpianatra. Samy hanambara an’i Jesoa Kristy avokoa ireo, samy hitory an’i Jesoa, samy hampianatra ny amin’i Jesoa ary hilaza ny fahamarinana ny amin’i Jesoa.

Ny mpianatra dia vavolombelona satria efa teo amin’i Jesoa hatramin’ny voalaohany. Izany no nanehon’ny Tompo azy ny maha Kristy Mpamony Azy. Handray ny Fanahy Masina ireo mpianatra ireo : Fanahy Masina, Mpananatra, Fanahin’ny Fahamarinana. Izany Fanahy Masina izany no entiny hijorony ho vavolombelona hanambarany ny Vaovao Mahafaly

Akoa samy hahatsiaro isika fa izao fahafanantsika mivory izao dia sitrak’Andriamanitra satria tahaka ny zanak’Israely tany Egypta mangetaheta fahafahana. Ren’Andriamanitra any an-danitra izany. Ohatran’ny fangatahan’i Gedeona koa izao hetaheta izao.

Aoka hatoky ny fanambarana rehetra avy amin’ny Tompo isika ary hankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Raiso, hinoy, matokia ary ento miasa amin’ny fanompoana rehetra izay manetsiketsika anao ankehitriny fa asan’ny Fanahy Masina mitaona anao izany, ary ny fanekenao sy ny fijoroanao, ny fandehananao dia hevitra hanehona fa mankato ny fitarihan’ny Fanahy Masina ianao. Tsy tongatonga foana eto isika fa fitarihan’ny Fanahy Masina no maha eto antsika. Mihaino vavaka ny Tompo ka tanteraka ny hetahetantsika. Ny vita batisa rehetravdiavefa nandray ny Fanahy Masina. Tsy mangataka intsony fa efa nandray satria natao batisa tamin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia tonga vavolombelona tahaka ny mpianatra.

Ho an’ny ankizy sy tanora efa vita batisa manatrika eto, aza lasan’eritreritra intsony fa efa nandray ny Fanahy Masina ianareo. Na dia tsy mbola miverina mianatra Sekoly Alahady aza dia afaka miara-mivavaka sy mihaino tenin’Andriamanitra any an-trano, afaka miara midinidinika amin’i Dada sy Neny sy zoky any an-trano. Entin’Andriamanitra hanabeazana izany ka hazoana miaina mitohy hatrany izany tenin’Andriamanitra izany sy ny fiainam-pivavahana izany.

Mbola ao anatin’ny hamehana ara- pahasalamana isika. Noho ny fepetra izay mbola tsy maintsy ankatoavina, hitsinjovana ny fahasalamana,  dia tsy mbola afaka miara-mivavaka daholo isika. Mifampivavaka isika, tantero any an-tokatrano ny hafatry ny tenin’Andriamanitra izay noraisintsika.

Manetsika antsika ny Fanahy Masina mba hahaizantsika hitandrina tsara ny didin’ny Tompo, dia ilay fifankatiavana, ka hahatonga antsika hahay hifampitarika sy hifampitaona ary hifanentana hankato ny fitarihan’ny Fanahy Masina ka hananantsika anjara ao amin’nyTompo amin’ny asan’ilay Mpananatra sy ny Fanahin’ny Fahamarinana sy hitoetra tsara amin’izany fankatoavana izany, ho voninahitry ny Tompo, ho famelomanana tsara ny aim-panahy ao anaty ary hitohizan’ny faharisihana ao amin’ny fiainantsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

VAVAKA NOHO NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Manoloana ny sitrapon’Andriamanitra dia mahatsiaro tsy tanteraka isika hoy  ny Mpitandrina Andriantsilavina Nofy mpitarika ka nanasa izy hihombona ami’ny vavaka noho ny tenin’Andriamanitra. Hoy izy tamin’izany: “ Endrey ny fitiavanao Andriamanitra ô,  , fa noho ny Aminao dia afaka miombona amin’izao fanompoam-pivavahana izao. Noho ny Aminao dia miteny aminay Ianao amin’ny alalan’ny mpanomponao  izay mijoro vavolombelona ary manambara ny momba Anao. Nambarany teo fa Ianao Fanahy Masina dia mpananatra, mampahery ary misolo vava  anay,  Fanahin’ny fahamarinana mitodra anay amin’ny famonjena ka Ianao no fanoitra eo amin’ny fiainanay  mba hanetsika anay mba hanambara ny momba Anao. Entaninao izahay amin’ny alalan’ireo Apostoly hizara ho an’ny hafa mba hitoeran’ireo koa eo ambanin’ny fitantananao sy ny fahasoavanao. Ankehitriny dia manova famindra izahay ka vonona ny hiasa tanteraka ho Anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ary hizara ny toriteny izay renay ho an’ny hafa, hjo an’ny manodidina anay. Amin’ny anaran’I Jesoa Kristy. 

 Notononina avy eo ny Fanekem-pinoana Apostolika teo am-pitsanganana.

RAHARAHAN'NY FIANGONANA

Taorian’ny feon’orga dia niroso tamin’ ny raharahan’ny Fiangonana. Ny mpitantsoratry ny Fiangonana Rakotomanana Andrimbazotiana no nanambnra izany ary anisan’ny voalaza tamin’izany :

Ny avy any ivelany :

  • Ny momba ny kofehy volamena izay hanentanan’ny Foibe Fjkm antsika amin’ny rakitra fiaraha-mientan’ny kristiana 200ar na mihoatra isan’olona isan-taona ho asa mivaingana ho fidiram-bola maharitra hanohanana ny asan’ny Fiangonana.

Ny avy eto an-toerana :

  • Isaorana ny Tompo ny fahafahana manatanteraka ny fanompoam-pivavahana eto am-piangonana ny sabotsy sy alahady ao anatin’ny fanarahana ny fepetra napetraka. Raha tsy misy ny fandaminana vaovao apetraky ny fitondram-panjakana dia raisina manomboka ny talata ny fisoratana anarana amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny heriny. Mitohy koa ny fanarahana ny fanompoam-pivavahana arahina any an-tokatrano ao amin’ny pejy Facebook isaky ny alahady amin’ny 9 ora. Aoka mba hifampilaza isika.
  • Ny fampianarana katekomena dia tanterahina isaky ny Sabotsy amin’ny 11 ora hatramin’ny 1 ora tolakandro.
  • Izay Sampana Sampan’asa Asa ary Komity hanatanteraka fivoriana dia aoka hampilaza mialoha any amin’ny Biraon’ny Fiangonana.

RAKITRA

Tao anatin’ny hira Ffpm 141 “Efa resy izao”no nanatanterahina ny rakitra. Ny hira fanolorana izany dia ny 576 and. 2 “Raha mitombo ny harena”

VAVAKA FANGATAHANA

Tao anatin’ny vavaka fangatahana nataon’ny Mpitandrina Raharijaona  no nangatahiny ny fitarihan’Andriamanitra mandrakariva amin’ny alalan’ny Fanahiny Masina hitandremana ny didiny sy hahafahana mankato Azy amin’ny zavatra rehetra. Nisaotra izy tamin’ny nahafahana nanimbona ny arena izay sitraky ny Tompo notantanantsika entina hampandroso ny fanjakany, ho fampandrosoana ny fitoriana ny Filazantsara . Nivavaka izy ho an’ny vahoaka kristiana eto Amparibe Famonjena na izay afaka mivavaka eto na tsia noho ny toerana voafetra, tsaroana am-bavaka, hoy izy,  ny zanaky ny Fiangonana any am-pitan-dranomasina. Nangataka ny fiarovan’Andriamanitra eo anatrehan’ny aretina covid 19 izy ka mba ho levona tsy ho ela izany aretina izany. Nentiny am-bavaka ny mpitondra fanjakana manomboka amin’ny Filoham-pirenena ka hatrany amin’ny fokontany, ny mpitsabo rehetra, ny mpitandro filaminana, ny sahirana, ny marary, ny azon’ny manjo, ny voan’ny tsindra hazo lena, ny voan’ ny tsy fidiny hahita masoandro miratra. Nivavaka izy ho an’ny manana hataka manokana sy ireo nangataka ho entina am-bavaka. Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo izany.     

FANDRAISANA NY FANASAN'NY TOMPO

Niroso avy hatrany tamin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo avy eo ka ny hira Ffpm 184 and.1 “Fanahy Mpanazava anay” no nohiraina ho fiomanana amin’izany.

Ny hafatra natolotra teo am-pamaranana ny fotoana  ireo izay niray latabatra tamin’ny Tompo dia ny ao amin’ny Joda 20-21 « Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina; ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, miandry ny famindram-pon’i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. »

2020-05-02_36
2020-05-02_15
2020-05-02_18
2020-05-02_20
2020-05-02_24
2020-05-02_22

FAMARANANA NY FOTOANA.

Ny hira Ffpm 298 and. 4 “Aina no fetra, ny nofo anefa” no nohiraina mialoha ny nanononana ny tondrozotra sy nanolorana ny tsodrano ary ny hira Ffpm 630 and.1 “Ry Jesosy mba tantano” no namaranana ny fotoana. 

IREO TOMPON’ANJARA:

  • Fanamafisam-peo: Rova Harentsoa
  • Fàfana: Arielle Rajaofetra
  • Nitendry orga: John Rajaofetra
  • Nandray an-tsoratra :  Voahangy sy Seta  Rajaofetra
  • Horonan-tsary sy sary : Rova Harentsoa – Andry Rakotondrambora – Seta Rajaofetra