Hita ao amin’ny Genesisy 3 :10 fa paikadin’ny satana faratampony sady voalohany hamelezany ny olombelona io tahotra io. Rehefa nihinana ny voankazo vorara i Adama sy Eva dia ny tahotra no tonga aloha tao aminy ka nampisaraka azy tamin’Andriamanitra. Raha niantso an’i Adama Andriamanitra dia nihery izy satria natahotra fa nitanjaka. Tena mamely ny fo sy ny saina amam-panahin’ny olona ny tahotra. Tena fanaon’ satana izany ka nahatonga azy ho anjely lavo, anjely nahetry mpikomy tamin’Andriamanitra ka izany koa no tiany ho fiainan’ny olombelona. Ny fitaka sy lainga ary baiko omen’satana io dia mbola iainantsika hatramin’izao. Mila mitandrina sy mandinika isika, mila misaina tsara fa miaina ny andro farany isika izao. Miasa mafy mihitsy izao satana, mampiasa olona hatrany anaty sy ivelan’ny fiangonana mikasika izany.
Zavatra telo no hisehoan’ny fandresena ny tahotra :
- -velona ny Tompo ka resy ny tahotra
- Fahatokiana fa Jesoa no Mesia
- Fanekena ho irany
Nahatsapa i Paoly Apostoly fa ny fitsangan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty no tena fototra lehibe ny amin’ny atao hoe fivavahana kristiana. Ao amin’ny 2 Korintiana 15 :12-23 dia miresaka mikasika izany, mba tsy hiainan’ny olona ao anaty ny gejan’ny fahotana, na ao anaty fatahorana an’satana no mamatotra antsika. Jesoa Kristy no manafaka antsika ary ny Fanahy Masiny no hanambarana sy hilazana fa rehefa mandray izany finoana izany isika dia manana io tombokase io dia ny Fanahy Masina. Ary izay manana izay tombokase izay dia ny Fanahy Masina izay tia olom-pandresy tahaka an’i Jesoa Krsity.
Tena manamarika ny fiainan’izao tontolo izao sy ny fiainan’ny Fiangonanan izao vanim-potona izao : tsy mbola nisy izany tsy nahafahana namonjy Fiangonana izany. Tsy eto Amparibe Famonjena fotsiny, na eto Madagasikara ihany fa manerana izao tontolo izao mihitsy, noho ny fihibohana. Mahatsiaro isika fa tokony hanao asa fanompoana, tokony hanao adidy nefa tsy afa-manaotra. Tena asan’ny Fanahy Masina ny manetsika izany. Mangetaheta ny handray ny Fanasan’ny Tompo ny kristiana. Zava-dehibe tokoa ny firaisantsika sy fiombonantsika latabatra amin’ny Tompo, ary isika dia ampianarin’ny Tompo ny zavatra rehetra. Koa miandrasa ny fampianaran’ny Tompo fa ho tonga amintsika hatrany izany. Ny andrasan’ny Tompo amintsika dia ny fananantsika faharetana tsy hatahotra ny fampihorohoron’satana. Nisy fotoana nahatsapana sy nahitana fa somary vitsivitsy ny mpiara-mivavaka tao am-piangonana, bangabanga ny toerana. Misy mety tsy nahafaly na nanahirana tao na mikasika ny Mpitandrina, na ny Diakona, na ny mpiray sampana, na ny mpiara mivavaka. Ankehitriny anefa noho ny tonga ny tsy fahafahan’ny fiangonana misokatra dia mahatsiaro mangetaheta te-hivavaka. Miara miasa ny zavatra rehetra. Ampianarin’ny Fanahy Masina isika amin’izao fihibohana izao : ianao ve tena manana ny finoana kristiana ? Ny finoana fa velona ny Tompo ka maharesy ny tahotra sy ny forongony rehetra rehetra ; velona ny Tompo ka maharesy ny fahafatesana. Mitoetra marina amin’izany ve ianao ? Izany no mahatonga antsika io mangetaheta io hoe fa maninona no tsy tokony atao ny ohatr’izao na ezahana tanterahana ny tahaka izao ? Io hetaheta io dia hatsiarovanao fa misy Fanahy Masina miasa hatrany any an-tokatrano any ka ny fahitanao fa ampian’Andriamanitra ny Fiangonana mampiasa itony teknolojy moderna itony no manetsika ilay fanenenana nihetsika tao anatin’ny fonao ka nahatonga ny fanairana satria ilain’ny fiainanao izany.
Ity no toriteny Paska. Fotoana izay tena manamarika ny fiainana satria ao anatin’ny andro Paska no tsy mandeha mivavaka sy tsy afaka miombona latabtra amin’ny Tompo fa mihiboka any an-trano manaraka fanompoam-pivavahana. Efa zava-dehibe izany fa ampio. Misy toro-hevitra ireto :
Ataovy lisitra izay tena nampangetaheta anao sy tianao atao ho an’ny Tompo ao amin’izao fotoana izao ;
– Soraty avokoa ny fanirianao rehetra ka heverina fa hamerenana aminao ny fiainam-panahinao ka hoatran’ny nisy fahabangana naterak’izany tsy fahafahana niara niombom-bavaka ;
– Manaova voady amin’izany voatanisa rehetra izany ho an’ny Tompo, hefao ny adidinao tsy hefa, ataovy ny fanompoana tsy tanteraka ary mihezaha manao fanoloran-tena vaovao ho an’ny Tompo.
Raha tontosa sy lavorary ary tanterakao izany dia izany indrindra no fijoroanao ho vavolombelon’ny Tompo noho ny fitsanganany ary izany no fahatanterahan’ny hijoroantsika vavolombelon’ny Tompo noho ny fandreseny.
Ho aminao mandrakariva anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy sy ny fiadanany ary ny voninahitra dia ho an’Andriamanitra irery ihany.
Amena.