Ny hiram-pivavahana sy ny fivoarany
«Fadio ny fanao ratsy rehetra» ITesaloniana 5 : 22

Raha manohy ny tantaran’ny hiram-pivavahana tao amin’ny Sampana Vokovoko Manga isika, dia fantatsika tsara ny mety ho fiandohan’ny Fihirana voalohany, fa tamin’ny fotoana MIFAMENO dia ny efa nahatongavan’ny Filazantsara nentin’ny Misionera sy ny fiandohan’ny fanjanahantany noho ny ady nifanaovana tamin’ny Frantsay.
Dia fihirana sadasada teo no nisy sy nampiasaina satria fifarimbonan’ny Malagasy (Mpitandrina ny betsaka) sy ny Misionera roa tonta, dia ny Frantsay sy ny Anglisy izany.
Ny lafiny anisan’ny mahafaly tamin’ny hira vokatra tamin’ny fahavitan’izany Fihirana voalohany izany anefa, dia ny FEON-KIRA ihany ary mbola misy akony mandraka ankehitriny izany, satria ny feon-kira dia saiky iraisam-pirenena avokoa ary hain’ny kristiana maneran-tany izany. Koa raha mivahiny any ivelan’I Madagasikara izany isika kristiana Malagasy, ary manao ny hiran’ny Sampana Vokovoko Manga, dia tsy ho sahirana velively, satria ny tononkira no hafa (na mitovy aza ny dikany) fa ny feon-kira dia iraisana ka tsy manahirana ny fanatanterahana azy.
Tsy maintsy singanina manokana kosa anefa ireo Malagasy nanao ny fandrafetana voalohany ny Hiran’ny Sampana Vokovoko Manga satria misy sangan’asa izay tafita hatraty amin’ny Fihirana farany, Edisiona 1984.
Tao ireo Mpitandrina Malagasy toa an’i Dr Rakotobe Andriamaro, -J. Andrianaivoravelona, -Maurice Ramiandrisoa, -Ch Ratefinanahary, -A. Rakotovao, – Jonah Rajemisamarolahy Matio, – Jules Raminosoa, – Th. Ramasitera, sy ny maro hafa koa.
Tao koa ireo Mpanakanto nanana fanomezam-pahasoavana manokana momba ny literatiora kristiana, indrindra mikasika ny fifadiana ny zava-pisotro mahamamo, toa an’i JBD Rakotondranisa, – Rasamoely albert, – J. Andrianaja, – Pierre Rambeloson, – Ch. Razafindralambo, – A. Ramboatiana, – Razanaka, – Vololoniaina Rajhonson, – Halifax P. Razanadrakoto, – Rajaona, – Ramino, – sy ny maro hafa koa.
Nisy koa tononkira nifandrimbonan’ny mpanoratra toa an’i P. Randriamanalina Mpitandrina sy Dr Rakotobe Andriamaro, ary ireny tononkira ireny indrindra no nanaovana fanamarihana manokana satria araka ny fitantaran’ny sasany tamin’izy ireny dia tany am-pigadrana, noho ny fanenjehana MDRM izy no nanoratra, ary tany am-ponja aza no nahavitany ny famakiana feno ny tenin’Andriamanitra rehetra tao amin’ny Baiboly. Ny teo amin’ny Fiangonana Amparibe manokana (mbola tsy nanana fanampin’anarana FAMONJENA tamin’izany), dia nandray anjara tamin’ny alalan’ny rakitra fony mbola Ligue de la Croix Bleu Malgache (tamin’ny andron’ny Mpitandrina Andriamasinoro izany) ary taty aoriana (Andro sy taona nanodidina ny fahaleovantenan’ny firenena) dia mbola nandray anjara hatrany tamin’ny alalan’ny rakitra ny Fiangonana mialoha ny fetim-pirenena (Frantsay ny 14 jolay, sy ny faha 26 jona fetim-pirenena Malagasy).
Tamin’izany fotoana izany dia tsy tsaroana natao akory izay hiran’ny Vokovoko Manga fa zara raha fantatra ny fisiany noho ny tsy fampiasana azy loatra teo amin’ny fiainana andavanandro.
Mandritra izany fotoana izany, dia tsy re loatra izay hoe Mpianakavin’ny finoana nifampitolona tamin’ny toaka fa raha sanatria aza ka nisy dia nahay nanafina izany ka tsy nikasika tamin’ny andro alahady.
Isaorana anefa Andriamanitra fa roa na telo taona mialoha ny nijanonan’ny Mpitandrina Rév. Rakotoarivony Paul dia nanao fampianarana tsy mahalana izy momba ny faharatsian’ny zava-pisotro mahamamo (mbola tsy voaresaka ny mahadomelina tamin’izany) ary andalana iray ihany no tadidy ka ampitaina etoana, manao hoe :
“Adala ny olona izay doro-dava
“Akepok’ireny ny vola ka lany
“Ataony ambodi-barika ka rava:
“Areti-mandoza no vokatr’izany !”
Noho ny fahatsontsana dia io andalana voalohany io ihany no tadidy (izay mety misy diso sanatria), kanefa mbola karohina fatratra any amin’izay nahatahiry ny tohiny lavabe satria literatiora kristiana tena sarobidy tokoa, indrindra ho an’ny Sampana Vokovoko Manga.
Noventesin’ny Mpitandrina hatramin’ny farany io tononkalo io izay toriteny feno tokoa mikasika ny fifadiana zava-mahamamo indrindra eo amin’ny maha kristiana.
Isaorana anefa Andriamanitra fa tafajoro soa aman-tsara ny Sampana Vokovoko Manga eto amin’ny Fiangonana na dia Biraom-piangonana Raiamandreny lehibe aza no niteny tamin’ny fahatsorana anao hoe: “Mahay hianao Pasteur raha mahatafatsangana ny Sampana Fifohazana sy ny Sampana Vokovoko Manga eto amin’ity Fiangonana ity !” Re teo imasonay vavolombelona izany teny izany. Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.
Rajaofetra John