Ny hiram-pivavahana sy ny fivoarany «Fadio ny fanao ratsy rehetra» ITesaloniana 5 : 22
Lava dia lava ny fitantarana momba ny Hiram-pivavahana ao amin’ny Sampana Vokovoko Manga, ary na dia natao fanahy iniana aza ny tsy fitantarana firy ny hira voarakitra tao amin’ny Fihirana edisiona voalohany, dia tsy maintsy manao miantsoro-mianotra isika, satria mety misy manao fanadihadiana sy famakafakana any aoriana, ka tsy fantany ny ampahany tokony ho voafehiny ka dia iverenana kely izany.
Fa hoy Paoly Apostoly: “Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina fa mahasoa anareo izany” (Fil.3: 1b)
Fantatsika tsara fa samy nanana ny zava-pisotro mahazatra azy avy ny Misionera Anglisy avy any Angletera (izay nitondra ny Filazantsara ho antsika) sy ny Misionera Frantsay (izay firenena nanjanaka an’i Madagasikara).
Tsy ny Misionera rehetra koa anefa no voakasika amin’izany fa izay misotro zava-mahamamo ihany no misotro. Koa ny Fihirana voasoratra tamin’izany fotoana kihon-dalana nijoroan’ny Sampana Vokovoko Manga izany dia nizara telo mazava tsara:
* Tao ny hira karazany roa, dia ny Filazana ny maha zava-doza ny zava-pisotro mahamamo, ary tao koa ny fandrabirabiana na fanesoana ny mpisotro. Marihina fa ireo hira fanesoesoana aza dia maro mpankasitraka satria nataon-dry zareo hirahira izany rehefa tena mamo izy.
* Ny karazan-kira faharoa indray dia mbola nisy teny fanjanahan-tsaina ka tsy tena fitoriana ny Filazantsara, fa fanentanana kosa mba hahay mandanjalanja ka mionona fa mahazo misotro ihany fa tsy manao hadalana. Tsy mifady izany fa mahazo misotro hatrany saingy entanina mba tsy hanao hadalana.
* Ny karazan-kira fahatelo, dia tsy misalasala akory mangata-pitahiana ho an’ny firenena mpanjanaka izay tsy azo lazaina ho diso avy hatrany satria tsy maintsy manatanteraka ny iraka nanendrena azy izy ary tsy mahamenatra azy ny milaza na tsy mivantana aza fa tsy maninona akory raha misotro zava-mahamamo na mahadomelina satria mitovitovy aminay ianareo amin’izany.
Dia mampihomehy sady mahavariana ny mandinika ireo tononkira tamin’ny laharana voalohany ireo satria tsy misy fitaizana mivantana fa mampirisika hisotro ankolaka aza, hany ka lasa fifampirabirabian’ny samy mpisotro toaka aza ny tononkira (sasany) ary mifanatrika izy rehefa manao ny hirany .
Isaorana anefa Andriamanitra fa tena nisy ny fivoarana ka RAJAONARY izay nanoratra ny hira laharana faha 43 mitondra ny lohateny hoe: “RAHA JEREKO HIANAO TANY O !” (laharana faha-51 izy tamin’ny fihirana voalohany), dia tena namoaka Literatiora kristiana tokoa ao anatin’io hira io satria tena “FIFANDRESEN-DAHATRA” sarobidy no voarakitra ao anatiny, ary io hira tokana io ihany no misy izany harena sarobidy izany.
Azo anaovana fampisehoana feno io tononkira io, satria tantara mazava no raketiny, ary fitarihan-dalana ho amin’ny fiainam-pahasambarana no fiafarany. Tanjona ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra rahatrizay ny isan’andininy ary tena tafita ny hafatry ny Filazantsara. Marina fa tsy misy resaka momba ny fifadian-toaka anatiny fa ny “FIVOARANA” feno kosa no hita eo amin’ny tonony, ary re eo amin’ny feon-kira.
Fa hoy indrindra ny isan’andininy :
“Indro mivoha ny lanitra ary
“Jesosy Tompo no miandry izao
“Ka mitsangana hiala aty
“Sao tsy tafiditra any ianao”
Koa raha tena fintinina ny “FIVOARAN’NY HIRAM-PIVAVAHANA” tao amin’ny Sampana Vokovoko Manga dia mazava toy izao:
* TSY MANOMBOKA araka ny fomban’ny Fiangonana filazatsika ankehitriny izy fa tafajoro ara-dalana fotsiny izao teo amin’ny fitondrana nisy tamin’izany fotoana izany ka nifarimbona tamin’ny fandrafetana ny Fihirana “nifanarahana” ny edisiona voalohan-dohany izay nisy ireo karazan-kira hita sy fantatsika voatanisa teo aloha ireo.
Dia nifangaro tao ny mpanoratra isan-karazany, tao ny Mpitandrina Malagasy, niaraka tamin’ny Misionera Anglisy sy Frantsay.
* Ny dingana faharoa sy fahatelo dia
mifampitohy ihany satria ny hira miisa 100 teo aloha (Edisiona ELANELANY dia lasa 140 tamin’ny taona 1974, ary niafara ho 142 tao aorian’ny Kongresy Vokovoko Manga tamin’ny taona 1981 (13 Novambra 1981)
Tafiditra rahateo ho isan’ny Sampana velona ao anivon’ny sahan’ny FJKM ny Sampana Vokovoko Manga ary nitombo kokoa ny heriny noho ny fahavitan’ny Fihirana misy Sol-Fa, na dia voafetra ihany aza ny isany.
Koa na dia hita sy tsapa aza fa NISONGADINA ny fivoaran’ny hiram-pivavahana ao amin’ny Sampana Vokovoko Manga, dia mafy ny ady ka tsy maintsy ikirizana ary nolazaina tamim-pahasahiana ny tenin’olon-kendry iray manao hoe: “RAHA TSY FOANANTSIKA NY TOAKA, DIA IZY NO HANAFOANA ANTSIKA…!”
Hotohizana
Rajaofetra John