Mamaly amin'ny faharatsiana ny Tompo

Tsianjery : « Fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no omeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka. » ISamoela 2:30b

Fa ny Andriamanitra ivavahantsika dia tsara ary mpanao ny tsara. Isika rehetra dia samy mahalala izany. Andriamanitra tsy tia ratsy Izy ka ny zavatra rehetra nohariany dia marina avokoa (Sal 5:4-6).

 

Manome toky anefa Andriamanitra fa izay manao ny sitrapony dia hotahiany mandrakariva (ISam2:35) (Jao 5:24). Fa ireo izay tsy manao izany kosa dia haringany ho mandrakizay (ISam2:28-29) (30-34).

Tsy misy marina eo imason’Andriamanitra ny olona

Ny tenin’ny Soratra Masina no efa manambara fa tsy misy marina isika olombelona eo imason’Andriamanitra (Rom3:10). Isika anefa ilay nohariany tahaka Azy anefa no minia manao ratsy mandrakariva ka antsoina hoe mpanota avokoa (Rom 3:9). Eny fa hatramin’ny teny ambarantsika aza dia mazàna ratsy avokoa (Rom3:13). Hany ka lasa tsy matahotra an’Andriamanitra isika. (Rom. 3:11;18). Toa aleontsika hatrany misafidy ilay ratsy ka mahatonga ny fanamelohan’Andriamanitra antsika izany (Jao 3:19-20).

Mandrava izay ratsy sy tsy marina Andriamanitra

Tsy mitsahatra ny Tompo mampitandrina ny olony ny amin’ireo fomba ratsy izay tsy ankasitrahany ka tena melohiny. (Lio.20:47) Satria dia vitany ny mandringana ireo minia manao ny ratsy (Gen.19:24-26) sy izay tsy mino Azy Andriamanitra (Jod. 5). Na ireo zavatra àry rehetra toy ny olona, biby eny ny tanàna iray manontolo, hatramin’ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, dia horavany avokoa (Jod. 6-7). Ary tsy misy ho afa-bela ny mpanota, hatramin’ny vehivavy sy ny ankizy, eny ny zaza am-bohoka aza, dia hiharan’ny fahoriana sy ny famaizana (Lio. 21:23). Ka na tsy ho tonga amin’ny fahafatesana aza, dia hanjo azy ny fandringanana. (ISam.2:33)

Manavotra ny olony Andriamanitra

Isika koa anefa mahalala fa Andriamanitra dia fitiavana ka mampanantena mandrakariva izy fa tsy tiany hisy ho very ny olony rehetra fa ho tonga amin’ny fibebahana (IIPet.3:9) satria sitrany indrindra ny manavotra ny olony (Gen. 19:29).

Koa na dia miodina aminy aza ka faiziny matetika dia tsy sasatra Izy Tompo ny mampitandrina sy manoro ny hevitra marina hanavotana antsika (Lio. 21:20-22). Eny mitahy mandrakariva izay manao ny marina Andriamanitra (Sal. 5:12) ary miaro ny olony amin’ireo mpampahory sy manao ratsy azy ireo. (IITes 1:6)

Fehiny

Manome safidy antsika mpanara-dia Azy  ny Tompo ; na hanaraka Azy amin’ny lalan’ny fiainana ka hanao izay tsara  rehetra araka  ny sitrapony, na hisafidy ny lalan’ny fahafatesana, raha tamàna amin’ny fanaovan-dratsy izay mitondra ho amin’ny fahaverezana. (Jer. 21:8-10; Jao 5:29).

Iza amintsika anefa no tsy manantena handova Ilay lanitra vaovao sy tany vaovao izay itoeran’ny fahamarinana (IIPet3:13)?  Koa aza misalasala ary fa Izy Andriamanitra no efa mananatra antsika fa Izay manao ny marina sy mino an’i Jesoa Kristy ho Tompo no hahazo famonjena (Jao. 3:18;21).

Dia ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen!

                 Vaomieran’ny Aim-Panahy