Perikopa : 1Samoela 2 : 1 - 3 ; Lioka 1: 39 - 56 ; Filipiana 4 :1 – 9
“ Fa mifaly amin’ny famonjenao aho”. 1Samoela 2 : 1d

I Hana vadin’i Ely mpisorona tao Silo,renin’i Samoela no manao hira fisaorana eto. Fifaliana amin’ny

famonjen’Andriamanitra, satria:

* Andriamanitra mihaino vavaka;

*Andriamanitra mamonjy ny olony.

Andriamanitra mihaino vavaka

Ny mpandinika dia nilaza fa “prototype du magnificat” izay nataon’i Maria renin’ny Tompo Lio.1:46-55, aty amin’ny Fanekena Taloha ity nataon’i Hana ity. Ny mahasamihafa azy, dia ity eto ity somary malalaka ny filazana fa ny an’i Maria kosa dia voafaritra ho azy manokana. Ny hira nataon’i Hana koa dia misy fahasamihafana amin’ny Salamo. Ny Salamo dia natao miaraka amin’ny zava-maneno, izy kosa vaovao natao an-kira fotsiny. Itony no natao hoe Salamo tamin’ny andron’ny fitondran’andriana na fitondra-mpanjaka “monarchique”. Nandikana ny fanantenan’ny “mahantra”, ary mifarana amin’ny antso atao amin’ny Mpanjaka Mesia. Tao am-bavan’i Hana izany noho ny zava-nisy teo amin’ny fiainany dia ny fanarabiana nihatra taminy noho izany izy “momba”, nefa dia nahazo zanaka lahy ihany. Hiram-bavaka fankalazana sy fanomezam-boninahitra ary fisaorana an’Andriamanitra no natoany noho ireto antony roa ireto:

a- Mihaino vavaka Andriamanitra ka reny ny fitarainan’ny mpanompony.

b- Mamaly araka ny famindrampony Izy.

Rehefa dinihina sy fintinina ny hiram-bavaka nataon’i Hana dia olona nitondra ny mangidy sy mafaitra mihitsy izy tamin’ny nataon’ny fahavalony. Tsy niala tamin’ny finoana Ilay Andriamanitra nivavahany sy nianteherany anefa izy, ka nahazo valim-bavaka.

Tsapa sady hita ato amin’ny bokin’i Samoela fa Andriamanitra no Ilay mitondra ny tantaran’ny olona tsirairay, sy ny firenena. Ao ambadiky ny trangan-javatra tsotra indraindray no iasana sy aneho an’Andriamanitra ary ametrahany ny drafitra itondrana ny zavatra rehetra.

Porofon’izany ny “magnificat de Marie”, Lio.1:39-56, vokatry ny tenin’i Elizabeta vadin’i Zakaria mpisorona, ray aman-drenin’i Jaona mpanao batisa teo am-pitondrana vohoka azy.

Izao tantara roa milaza zavatra mitovitovy izao dia azontsika hakana toky fa mbola mihaino vavaka Andriamanitra hatramin’izao; ary azo ianteherana amin’ny zavatra rehetra araka ny sitrapony.

Fahasahiranana ara-piainana, ara-pahasalamana, arak’asa, ara-pianarana, ara-pitaizana, sns… Mihaino sady mamaly vavaka araka ny famindrampony Izy. Tsy mba mitaredretra Izy fa amin’ny fotoana izay mahamety dia tonga izany. Mihoatra noho izay heverina hatrany aza ny valim-bavaka atolony. Tonga mpaminany lehibe sy voalohany teo amin’ny Israely i Samoela zaza, valim-bavaka izany. Mety ho toy izany koa isika. Ohatra: niainga tamin’ny 7 000ar tonga tale jeneraly hoy ny gazety iray izay.

Andriamanitra mamonjy ny olony

Ny famonjen’Andriamanitra no voalaza fa nifalian’i Hana ka nanaovany ity hira, vavaka fisaorana an’Andriamanitra ity. Ny ambarany ho famonjena eto dia ny fahafahany tamin’izay nahatery azy mafy teo amin’ny fiainany, indrindra ny hoaviny. Zava-manahirana teo amin’ny fiainan’ny mpivady ny tsy manan-taranaka, satria lany tamingana. Izay rehetra nisasarana mba holovan’iza? Iza no hanohy anaran’ny tena? Toa tapitra hatreo ny hoavy? Mafy sady mangidy izany  fahavoazana izany!

Ny hevitry ny teny hoe famonjena ihany koa dia asehon’ny hoe voavotra tamin’ny trosa nangeja. Voaloa ny trosa nefa mbola manana amby ampy hanohizana ny fiainana ihany koa. Manaporofo izany ny tantaran’ilay vehivavy mananon-tena nanan’olo-trosa nefa voavonjy tamin’ilay menaka sisa teo an-tanany, tamin’ny andron’i Elisa IIMpa.4:1-7.

Ny famonjen’Andriamanitra dia miseho amin’ny fomba mahagaga tsy takatry ny saina maha olona nefa mahasoa ny fiainany ankehitriny sy amin’ny hoavy.

Raha amin’ny ady indray, dia ny famoahana ho mpandresy manoloana ny fahavalony no isehoan’ny famonjena ataon’Andriamanitra ho an’ny olony.

Eto amin’izao perikopa izao dia hita avokoa ireo famonjena ireo, fa tafavoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika ny olony (Sal.66 : 12):

a- Asandrany izay matoky Azy.

b- Levoniny ny fahavalony.

Ao amin’ny andininy telo voalohany dia efa hita izany amin’ity vavaka nataon’i Hana ity. Vehivavy tsy nanan’anaka izy no nitondra vohoka ilay mpaminany lehibe sady voalohany teo amin’ny Israely. Izy rahateo no mpitsara farany, dia niditra amin’ny fitondran’andriana sy fitondra-mpanjaka.

Ny famonjen’Andriamanitra dia tsy mijanona eo amin’ny vahaolana fotsiny, fa mitohy ho amin’ny fandresena mihitsy. Ataon’Andriamanitra amin’ny olony izany toy izay nitranga tany Egypta. Tafita sady nandresy ary tafiditra soa aman-tsara ny tany Kanana izy ireo.

Toy izany no nahatonga an’i Paoly

mifaly ao amin’ny Tompo, araka ny Fil.4:1-9 satria ny sarotra rehetra nolalovany tamin’ny fanatanterahana ny asan’ny Tompo dia tafavoakany avokoa.

Noho izany, aoka isika hifaly amin’ny famonjen’Andriamanitra tahaka an’i Hana, Elizabeta, Maria renin’ny Tompo, ary ny Apostoly Paoly, fa sady tafita isika no mpandresy satria ny herin’ny Tsitoha no momba antsika amin’ny zavatra rehetra.

Hafatra

Mifalia mandrakariva fa fanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika izany. Matokia Azy. Ankino Aminy ny fiainanao manontolo fa Izy no momba anao, fa sady mihaino vavaka ny Tompo no mamonjy ny olony ho tafita sy ho mpandresy hatrany. Tsy amin’ny andro krismasy sy taom-baovao toy izao ihany fa amin’ny fiainana manontolo mihitsy.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.

 Raharijaona Solofonirina Mpitandrina