Ny hiram-pivavahana sy ny fivoarany
“Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo” 1Korintiana 15: 58

Raha narahintsika tsara ny tantaram-piangonana nisesisesy hatramin’izao, dia tsy ny fivoaran’ny hira ihany no tsikaritra fa ny fampivoarany indrindra koa.

Noresahana im-betsaka talohan’izao ny toe-po sy ny toe-tsaina ary  ny toe-panahin’ny olona, indrindra fa isika lasa kristiana, dia isaorana an’Andriamanitra fa nanana anjara tamin’izany tokoa ny hira.

Toriteny feno manko ny hiram-pivavahana, indrindra ireo hira hita ao amin’ny fihirana FFPM, ary tahaka izany rahateo ny hira rehetra ao amin’ny Fihirana Fifohazana sy ny Fihirana Vokovoko Manga.

Raha zohina sy fakafakaina ny niandohan’ireny hira rehetra ireny, indrindra fa ny mpamorona tonon-kira dia ho tsapantsika fa nanao ezaka izy hampita ny asa sy hafatr’Andriamanitra ho amin’ny olona, hampivoatra azy, ary ny feon-kira amin’izany dia manampy fotsiny hampamelovelo ao am-pon’ny olona ny hafatr’Andriamanitra ho fampivoarana azy.

Hevero kely izao tantara mahafinaritra izao: raha vao nahazo ny Fihirana Fifohazana ity lehilahy kristiana izay dia nahavatra namaky ny tononkira rehetra tao anatiny fa tsy mbola nahay feon-kira akory. Dia nasesiny tsotra izao ny famakiana ny fihirana ary amin’ny maha tononkira azy dia azo novakiana milamina tsara izany ary misy maro amin’izy ireny no nijanonany ela ka nataony tsianjery aza taty aoriana. Hafa dia hafa ny toe-tsain’ilay lehilahy fa nisy toe-po sy toe-panahy ary  toe-tsaina niova tao anatiny vokatry ny famakiany nisesisesy ny fihirana manontolo. Tsy fantatra loatra na tamin’ny laharan-kira fahafiry na tamin’ny tononkira fahafiry izy no nanomboka nanam-pivoarana tao anatiny fa tena resy lahatra izy taty aoriana noho ny AINGAM-PANAHY nananan’ireo mpanoratra ny tononkira, satria, ny tena, fo, fanahy dia niara-nivoatra avokoa ary nahazoany nijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy izany.

Tsy ampy ary tsy feno ny fivoaran’izany lehilahy izany raha ny tononkira rano fotsiny no nakafiziny fa tokony ho hainy koa ny feon-kira.

Koa raha nijoro ho vavolombelona io kristiana io dia nilaza fa tafajanona ela teo amin’ireo laharan-kira “FIANTSOANA FIBEBAHANA”, izany hoe manomboka eo amin’ny laharan-kira faha-90 ka hatramin’ny faha 120.

Teo izy no nanomboka nanontany tena, ka nandinika fatratra ny momba azy manontolo ka naka ny toeran’ny mpanao tononkalo sady nandinika fatratra izay misy azy sy izay heveriny ho fiafarany.

Nozahany tany amin’ny filazalazana any amin’ny faran’ny boky fihirana izay anaran’ny olona nanoratra ny tononkira fa tsy hitany satria mba tiany ho fantatra.

Dia nasesiny sy novakiany matetika avokoa ireo hira miisa 30 ao amin’ny “FIANTSOANA FIBEBAHANA”

Raha heverina araka izany fijoroan’ny olona ho vavolombelona izany ny fampivoaran’ny hira eo amin’ny fiainana dia mbola mandringa na mandeha ila ihany satria tsy ny tononkira ihany no maha-hira ny hira fa ny feon-kira indrindra koa.

Koa raha arindra tsara ny fomba fiasa mba hahombiazana dia tsy maintsy mibahana eo amin’ny fiainana rehetra sy ny fiainana manontolo ny fianaran-kira ka sady iainana ny tononkira no ivelomana koa ny feony.

Hira feo izany no mampivoatra ary mitovy na tsy tena sahala amin’izany koa aza ny toriteny satria ny toriteny (ao ihany ny toriteny vita an-tsoratra)  mandrakariva dia RE, indrindra raha tena mifantoka tsara amin’ny fihainoana azy. Fa ny hira kosa raha voarakitra ao anatin’ny boky fihirana izy ary misy ny fotoana ianarana ny feon-kira dia ho tena ARA-BAKITENY ny fampivoarana azo avy aminy, ka ny olona rehetra sy ny olona manontolo mihitsy no mivoatra ary TO sy TANTERAKA amin’izay fotoana izay ny fampivoaran’ny hira eo amin’ny fiainan’ny olona.

Betsaka ny hiram-pivavahana manana ny tantarany manokana ary mahafinaritra na dia amin’ny alalan’ny tadidy vava ihany aza no fampitana izany ho amin’ny taranaka mandimby, nefa dia tena isaorana an’Andriamanitra ny fahombiazan’ny tantara eo amin’ny fiainan’ny olona maro na ny tantaran’ilay hira no fantatra na ny tantaran’ny mpanoratra no re.