Tenin'ny Filoha

Ry Havana,
« Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao. » Lioka 1 :28
Izany tenin’ny anjely tamin’i Maria, voafidy ho renin’i Jesoa izany, no tononina aminao koa ho fiarahabana sy fandraisana anao mitsidika ny TRANOKALA.
Nohasoavina isika tafahaona eto, satria ny Tompo no nampiray antsika. Ny fanantenana sy ny fitiavana avy amin’Ilay Zanak’Andriamanitra anie hampitombo hatrany ny finoana, izay efa nitoetra teto anivon’ny Fitandremana nandritra ny 160 taona.
Ny fitaovan-tserasera toy izao, dia ambohi-pihaonana, koa hiezaka hatrany izahay ny hanome ny tsara ho fantatra momba ny fiainam-piangonana eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena, mba hahafahan’ny tsirairay miara-miombon’aina sy mandroso hatrany amin’ny asa tsara.
Ny firariako ho anao : « Hambinina anie izay tia anao ; Fiadanana anie ho ao anatin’ny mandanao ; Fanambinana anie ho ao an-dapanao.» Salamo 122:7